Asabotsy 10 Desambra 2022
Jehovah Tompo ô ! Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. Jeremia 32:17
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Deoteronomia 33:27
Ny sandrin’Andriamanitra (6)
Ny sandrin’Andriamanitra dia mampahatsiahy ny heriny sy ny fiarovany.
Ny heriny dia naseho antsika tamin’ny nahariany izao tontolo izao. Ny mpahay siansa, izay mikaroka mba hahafantatra ny tsiambaratelo momba izany, dia mahatakatra tsara fa nisy hery mampiaiky volana niandohan’izany. Io herin’Ilay Andriamanitra mandrakizay io dia mbola mivelatra lalandava, amin’ny fihazonany izao tontolo rehetra izao sy ny filaminany. Inona no mety hatahorana zanak’Andriamanitra, mahafantatra fa azony isitrahana isanandro io hery io ? Eo an-tsandrin’Andriamanitra izy ; tsy misy toerana azo antoka mihoatra noho izany !
„Ianao ve efa nandeha fiaramanidina miditra anaty faritra misy korontana ana habakabaka ? Milamina ny zavatra rehetra, nefa tampotampoka eo dia milatsaka ny fiaramanidina, ary toy ny ora maro no fahatsapanao izany… Koa eritrereto hoe mitsotra eo ambanin’ilay fiaramanidina „ny sandry mandrakizay”-n’Andriamanitra, vonona handray anao, raha ilaina izany. Tsy hitony ve ianao ? Miaro anao Andriamanitra, amin’ny tranga rehetra. Eo mandrakariva ny sandriny hanohana, hampiarina, hitondra anao” (Eric Denimal).
Davida mpanjaka dia nangataka tamin’Andriamanitra hoe : „Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka, sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy” (Salamo 71:18). Tsara amin’ny taranaka mifandimby ny mifampahery mba hiantehitra amin’ny fiarovan’Ilay Andriamanitsika lehibe sy mahery.
Ny fanafahana dia eo an-tsandrinao, ary ny fitiavana dia ao anatin’ny fonao ;
Fahasambarana toa inona moa izany ! Ho voninahitro sy Mpamonjiko lalandava Ianao.