Zoma 9 Desambra 2022
Andriamanitra dia lehibe loatra, ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Joba 33:12, 13
(Hoy Jesosy :) Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Jaona 13:13
Jesosy dia nanana mpianatra roa ambinifolo. Anisan’ireo i Petera, Jaona ary Jakoba rahalahiny, izay voafidy ho vavolombelona zava-nitranga tsy hay hadinoina : ny fananganana ankizy iray ho velona indray (Lioka 8:51), ny fiovan’i Jesosy tarehy (Lioka 9:28), ary ny adim-panahy mafy natrehiny taloha kelin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana (Marka 14:33). Hitantsika indray izy ireo ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Voasoratra ao fa „Heroda mpanjaka… namono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra” (Asan’ny Apostoly 12:1, 2). Dia maty maritiora mbola tanora izany i Jakoba, nifarana teo ny fijoroan’io mpianatra io ho vavolombelona… Fa ny tohin’ny toko kosa dia mitantara amintsika ny nanagadrana an’i Petera, sy ny nanafahana azy tamin’ny fomba mahagaga (Asan’ny Apostoly 12:5-11).
Nahoana i Jakoba no novonoin’i Heroda aloha be, nefa i Petera nafahana, ary i Jaona niaina elabe ?
Nahoana ity tanora kristiana iray no maty-na loza nitranga tampoka, nefa ny iray hafa kosa velona mihoatra ny 90 taona ? Nahoana ity misionera iray no namoy ny ainy tany an-tsahan’ny misionany, nefa misy hafa kosa, izay toa tsy mahasoa kokoa noho izy, miaina am-pilaminana ? Nahoana… ? Fanontaniana mameno ny saintsika indraindray ireo. Nefa Jesosy dia manome ny valiny. Fony nanontanian’i Petera izay ho anjaran’i Jaona Izy, dia namaly hoe : „Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany ?” (Jaona 21:22). „Raha tiako” : ao anatin’ireo teny roa ireo ny zava-drehetra. Mandidy manapaka ny amin’ny mpanompony ny Tompo.
Rehefa misy fahafatesana mahatsiravina mitranga, tsy hay hazavaina, ny hany valiny mampitony dia ny hoe : „Raha tiako…”. Fantatry ny Tompo ny ataony, ary tia antsika Izy.