Alakamisy 8 Desambra 2022
(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28
Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny. Matio 25:41
Mankany amin’i Jesosy, sa lavitra Azy ?
„Mankanesa atỳ amiko”… „Mialà amiko”… Olona iray ihany no manonona ireo teny ireo, saingy tsy amina fotoana iray. Ny voalohany dia manakoako ankehitriny. Miantefa amin’ireo rehetra misasatra sy mavesatra entana. Inona moa no manasatra ny olona ? Ny ota sy ireo vokany.
Ho an’ny olona rehetra ny antson’ny Mpamonjy : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra…” Mitady antsika rehetra ny fitiavany ! Raha manatona Azy rehefa mavesatra ny fo sy fieritreretana, dia mahita ny fitsaharan’ny fanahy, ny fahafahana, ary ny fampiononana ; mahita Ilay mameno ny banga ato am-poko, Ilay mizaka ny fahantrako, Ilay tia ahy. Eny, tia ahy tokoa Izy, ka misokatra aminy aho, ary tsy mandà ahy Izy. Miantso ahy Izy, nefa tsy mitaky takalony amiko na inona na inona, ary manolotra ahy fahasambarana nefainy tamin’ireo fijaliany sy ny fahafatesany.
Rahampitso dia tsy ny tenin’Ilay Mpamonjy intsony no ho re, fa ny an’Ilay Mpitsara. Ho feo iray ihany, saingy hiova ny ambara : „Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay…” Nefa ireo nandà tsy nihaino sy tsy namaly ny Mpamonjy ihany no hiantefan’izany.
Akaiky Azy, sa ho lavitra Azy ? Izany no fanontaniana lehibe ! Raha lavitra Ilay fiainana sy fahazavana, dia fahafatesana sy haizina no manjaka. Koa manatòna an’i Jesosy androany !
Araka izao maha izaho ahy izao, tsy manana na inona na inona mba ahy,
Afa-tsy ny ranao nalatsaka ho ahy,
Sy ilay feonao miantso ahy hankeo aminao,
No anatonako Anao, ry Jesosy, Mpamonjy, inty aho !