Alarobia 7 Desambra 2022
Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9
Indray andro ity mpanankarena britanika iray dia nampametaka teo an-tanànany, peta-drindrina nosoniaviny, nisy soratra hoe : „Lord Crowe dia ho ao amin’ny biraony ny voalohan’ny volana marsa, amin’ny 9 ka hatramin’ny 12 ora, mba hamafa tanteraka ny trosan’izay rehetra ananany vola nefa tsy manana hanefana izany.” Tena nanaitra ilay filazana : nitangorona teo anoloan’ilay peta-drindrina ny olona, niady hevitra, nisalasala, nanaraby…
Tamin’ny andro voatendry sy tamin’ny ora voalaza dia nipetraka tao amin’ny biraony i Lord Crowe. Tonga teo anoloan’ny fonenany avokoa ny olona rehetra, saingy tsy nisy sahy niditra, natahotra sao ho afa-baraka. Tapa-kevitra kosa ireto mpivady. Nandray azy ireo tamin-kamorampo ilay andriandahy, niaraka tamin’ny mpitantana ny fananany. Nomen’ity mpitantana taratasy famotsorana ny trosany rehetra izy mivady, ary nasainy niditra tao amina efitrano iray, sady noferany tsy hisehoseho alohan’ny mitataovovonana.
Niandry dia niandry ny teo ivelany. Rehefa nivoaka ireto mpivady, nitazona ny taratasy fanafahan-trosa teny an-tanany, vao te hiditra avokoa ny hafa rehetra. Saingy efa nitataovovonana ny andro, ka tara loatra !
Mety hampihomehy izany tantara izany… Nefa dia maneho ny fomba famalin’ny olona maro ny fanolorana famelan-keloka sy famonjena ataon’Andriamanitra. Ampy ny finoana an’i Jesosy Kristy, mba handraisana izany. Isika tsirairay dia manana trosa amin’Andriamanitra, noho ny toetra maha mpanota antsika, eo imasony. Manolotra famelan-keloka ho an’ny olona rehetra Izy. Nefa ny tsirairay no tsy maintsy manaiky io tolotra ataony io. Ary „raha tsy mino ianareo… dia ho faty amin’ny fahotanareo ihany ianareo” (Jaona 8:24).