Talata 6 Desambra 2022

Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12

 

Fotoana very, fotoana azo

Araka ilay mpahay tantara romana Suétone, dia niteny hono ny amperora Titosy, raha tsy nahavita nanao soa tao anaty andro iray, hoe : „Diem perdidi” (very andro aho androany). Lesom-pahendrena anie izany e ! Nefa ahoana hoy ny Baiboly ? Mikoriana ny androntsika, „faingana noho ny tsimandoa ; lasa ireny… mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha” (Joba 9:25, 26). Tsy misy afaka mihazona ireny andro ireny, na mamerina ny iray fotsiny amin’ireny aza. Levona toy ny etona ny fotoana ampiasaintsika hanatanterahana ny fahafinaretantsika sy ny eboebontsika. Nefa raha ampiasaina ho an’ny Tompo ny andro andalovantsika etỳ an-tany, hanompoana ny kristiana mifanerasera amintsika, sy hijoroana ho vavolombelon’ny finoantsika, dia afaka mitondra vokatra haharitra mandrakizay (Jaona 15:16). Angatahin’Andriamanitra isanandro isika —anio ihany aloha- tsy hivadika aminy, ary omeny antsika ihany koa ny hery ho amin’izany. Mety hoheverintsika ho zavatra iray manontolo fotsiny ny fiainana, ary mety hataontsika tsinontsinona ny andro iray, izay fotoana fohy, ka hadinontsika fa manjary taona ireny andro ireny rehefa mitambatambatra. Ny andro tsirairay dia misy akony eo amin’ny fiainana manontolo. Rehefa mitambatambatra ny andro very, dia manjary taona very. Ary mifamadika amin’izany, ny andro sy taonantsika dia afaka „ahazoana tombony” ho an’ny Tompo ary mifarimbona hanome voninahitra Azy (Jaona 15:8). Manofàna hanompo Anao — Fo falifaly kokoa, Kinga handà tena — Eo ambany masonao mandrakariva ; Fo mihira, mangovitra, — Fo mafana ; Fo mitovy — Amin’ny Anao, ry Mpamonjy malala.