Alatsinainy 5 Desambra 2022

Mandrenesa ny feoko ; mitandrema, ka mandrenesa ny teniko. Isaia 28:23

Ry tany ! ry tany ! ry tany ! Henoy ny tenin’i Jehovah. Jeremia 22:29

Sambatra… ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Lioka 11:28

 

Serasera

Ny tontolo ankehitriny dia manana tambajotra tena maro sosona ampiasana fitaovan-tserasera : onjam-peo, fahitalavitra, fifandraisana an-tariby sy finday, internet ; ary ireny rehetra ireny dia mifandray amin’ny alalana tariby lehibe any ambany ranomasina sy zanabolana. Voampita eo no ho eo ny zava-mitranga sy ny vaovao, avy any amin’ny tendro ilan’ny planeta mankany amin’ny ilany iray. Toy izany no ampielezan’ny olona sy ireo mpitondra azy ny eritreriny sy ny heviny, anolorany ny fiheverany ny fiainana sy ampanekeny ny safidiny, na tsara izy ireny na mampidi-doza.

Ny mpiara-belona amintsika ankehitriny dia maneho ny heviny arakaraka izay henony sy hitany, amin’ny alalan’ireny fitaovan-tserasera ireny, ary matetika mampiasa teny mitovy amin’ny an’ireny.

Ary isika kristiana, mba ahoana ? Ny fomba fisainantsika ve miorina amin’ny loharanom-baovao atsy na aroa ? Matetika loatra izy ireny no mifanipaka, ary indraindray aza, mandainga mihitsy !

Aleo isika mihaino feo iray hafa, ilay mendrika hohenoina sy hinoana, dia ny Baiboly. Ataony henontsika ny feon’Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao anatintsika no manampy antsika hahatakatra io feo io. Asehon’ny Fanahy Masina antsika fa Andriamanitra no mifehy ny zava-mitranga rehetra manakorontana izao tontolo izao. Ny Teniny no ahafahan’ny kristiana mamaritra ny toeran’ny toejavatra ankehitriny eo anatrehan’ny mandrakizay. Ny olona dia mihevitra fa hanatanteraka ny sitrapony ary hahatratra ny tanjona kendreny, nefa Andriamanitra no mihazona ny zavatra rehetra eo an-tanany. Aoka isika hahazo antoka fa Izy no hanana ny teny farany, mba ho voninahiny sady ho fahasambaran’ireo izay mihaino ny Teniny.

„Ny Teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17).