Alarobia 8 Janoary 2020
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo. Hebreo 13:3
Mathilda Wrede dia teraka tany Finlande tamin’ny taona 1864. Zaza fahiraika ambin’ny folo teo amin’ny ankohonany izy, ary vao valo volana monja dia maty ny reniny. Notezain’ny renibeny sy ny nenitoany izy, ary nihalehibe tao amin’ny tanin’ny rainy, izay governoran’ny faritany. Matetika nampiasaina tao ireo olona nigadra tao amin’ny fonja akaiky teo.
Tian’i Mathilda erỳ ny mandeha mijery ilay mpanefy vy miasa. Indray andro anefa dia hitany izy io teo am-pamatorana rojo vy teo amin’ny tongotra gadra iray. Ory indrindra ny fony ; ary niraikitra ho mandrakizay tao am-pon’i Mathilda ny fijery feno fankahalana nataon’ilay gadra tamin’ilay mpiambina azy.
Nanjary tovovavy navitrika ilay zazavavy kely, kanefa tsy nahafa-po azy ny fiainana miadana niainany. Indray andro izy, rehefa avy nihaino mpitoriteny iray, dia nanolotra ny fony ho an’i Jesosy. Fotoana fohy taorianan’izany izy —efa ho 19 taona tamin’izay— dia nahita gadra iray indray, nanamboatra ny hidim-baravaran’ny tranony. Tsy naharitra izy fa niresaka tamin’ilay gadra ny zavatra vao niainany. Nihaino azy ilay lehilahy, ary niteny taminy, nony handeha, hoe : “Raha mba afaka miresaka izany zavatra izany aminay re ianao… ; izahay mantsy tsy dia manana antony hanantenana intsony !” Tsy nisalasala i Mathilda, nanome toky avy hatrany fa ho tonga any, amin’ny alahady ho avy. Dia toy izany no nipoiran’ny fiantsoana, ho an’ilay nanjary nomena anaram-bosotra hoe “ilay fahazavan’ny fonja finlandey”. Nandritra ny fiainany manontolo, fiainana feno fahafoizan-tena sy finoana, dia tsy nitsahatra nitety ireo tranomaizina izy, mba hanambara ny hatsaram-pon’Ilay Mpamonjiny. Lehilahy sy vehivavy maro migadra no ho afaka hahafantatra ny fitiavan-dehiben’Andriamanitra.
(hitohy rahampitso)