Talata 7 Janoary 2020

Maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra... manana fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:13

 

Maty ho ana sakaiza iray

Nandritra ny ady tany Vietnam dia nianjerana baomba ny trano iray fitaizana zaza kamboty. Naratra mafy ny zazavavy kely iray 9 taona, ary very ra betsaka. Maika dia maika ilay mpitsabo sy ireo mpitsabo mpanampy, nikaroka olona afaka manome ra mba hamonjena ny ain’ilay zazavavy. Nanaiky hanome ny rany i Heng, zazalahy 10 taona. Rehefa vita ny fitiliana, dia natao avy hatrany ny famindrana ra. Tampotampoka teo dia nangovitra sy nitomany i Heng. Nanontany azy ilay mpitsabo mpanampy sao misy marary azy. Nanao fihetsika izy hoe tsia, nefa dia mbola nitomany ihany. Nampiantso mpitsabo mpanampy vietnamiana ireo mpitsabo, dia izy io no niresaka tamin’i Heng tamin’ny fiteniny. Nibitsibitsika teny vitsivitsy teo an-tsofin’i Heng izy, dia nitony tanteraka ilay zazalahy. Nanazava tamin’ireo Amerikana ilay mpitsabo mpanampy hoe : “Nanontany i Heng hoe amin’ny firy izy no ho faty, satria noheveriny fa ny rany rehetra no tsy maintsy nalaina, mba hamonjena ny ain’ilay zazavavy kely”. Talanjona tamin’izany ilay mpitsabo, ka nanontany tena hoe ahoana no nananan’ity zazalahy kely ity herim-po ho faty mba hamonjeny ny ain’ilay zaza. Dia nanontany an’i Heng ilay mpitsabo mpanampy, ka novaliany hoe : “Satria namako izy !”

Asehon’izany tantara tena nisy sy mampihetsi-po izany, fa noho ny fitiavan’Andriamanitra antsika, dia nomeny ny Zanany Lahitokana, dia Jesosy. Ary noho ny fitiavan’i Jesosy no nanekeny ho faty teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjeny antsika sy hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay. Hoy ny Baiboly : “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:13).