Alakamisy 9 Janoary 2020
Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ? Jeremia 23:29
Indreto fanambarana vitsivitsy, vavolombelona fihaonana tamin’i Mathilda tany an-tranomaizina :
— Arska : mpamono olona mahery setra tokoa izy, ary manambara ny tenany ho jiolahy ratsy toetra indrindra tany Finlande ; gaga izy nahita ity tovovavy marefo ity, niditra tsy amin-tahotra tao amin’ny efitrano nisy azy. Nipetraka teo anilany izy ary niresaka taminy momba ny tanànany. Babon’ny fitiavana tsotra nasehon’ity tovovavy ity izy, ka nanaiky handray ilay Testamenta Vaovao natolony azy, ary nanome toky fa hamaky izany. Taoriana kelin’izany ireo mpiambina azy dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiovana tanteraka teo aminy.
— Honka : voaheloka mandra-pahafatiny izy, niaiky taminy fa tsy nanao afa-tsy ny ratsy teo amin’ny fiainany. Koa nahatsiaro ny nihaonan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy nilaza taminy ny fiainan-dratsiny fahiny i Mathilda (Jaona 4). Noho izany, toy ny Tompony, dia nangataka rano hosotroina tamin’ilay gadra izy. Nanohina ny fon’ilay lehilahy ny nahita azy nanohoka ny molony tamin’ilay sininy, izay naloto dia naloto. “Tsy nahamenatra azy ny toerana misy ahy !”…
— Matti : nitsikanikany izy rehefa nanokatra ny Baiboliny i Mathilda, ary nanao fanamby taminy fa tsy hahita teny mahakasika azy ao amin’ny pejy voalohany. Dia hoy i Mathilda namaky : “Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana —ny fanahinao izany, ry Matti—… Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia mazava !” (Genesisy 1:2-3). Hiditra tsikelikely ao am-pon’i Matti ny hazavana.
Andriamanitra dia nomba mandrakariva ity solontena nirahiny ho any amin’ny voafonja ity, ary nanome azy hatrany ny teny tandrify ny toejavatra nisy. Nandritra ny fiainany manontolo izy dia tsy mba niala tamin’ny filamatra hoe : “Fahasoavana sy fiadanana”, fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra, fahasoavana sy fiadanana nahasambatra azy ary tena tiany nozaraina.