Alarobia 15 Janoary 2020
Ampandrenesiny (ampandrenesin’i Jehovah Tompo) isa-maraina isa-maraina... ny sofiko, hihaino tahaka ny efa mahay. Isaia 50:4
Hoy ny olona aminareo : “Aza sarotsarotiny, aza be tsikera ! Ny lafin-javatra tsara hatrany no jereo, itaro ny sehatry ny fieritreretanareo, amin’ny fampiasana ny fandinihana lalina, ny teknika ara-tsaina, ary amin’ny zava-mahadomelina aza…”
— Hoy ny Baiboly : “Hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana” (1 Petera 4:7). “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” (1 Petera 5:8).
Hoy ny olona aminareo : “Mihainoa mozika mavesatra, ampitomboy mafy ny fanenony ; dia hahazo aina tsara ianareo !”
— Hoy ny Baiboly : “Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo” (Isaia 30:15). “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo… mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra” (Kolosiana 3:16).
Hoy ny olona aminareo : “Henoy ny tenanareo ! Ho hitanareo fa ao anatinareo no misy ny fahamarinana.”
— Hoy ny Baiboly : “Avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy ; izany no mahaloto ny olona” (Matio 15:19, 20). “Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (Romana 7:18).
Hoy ny olona aminareo : “Nahoana ianareo no resahina fahotana ? Nefa ianareo diso kely fotsiny, nibolisatra, sendra loza, na ratsy vitana !) Miankina amin’ny tsirairay ny antsoina hoe tsara sy ny antsoina hoe ratsy…”
— Hoy ny Baiboly : “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy ! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina” (Isaia 5:20).
(amin’ny heriny ny tohiny)