Talata 14 Janoary 2020

Miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 1 Petera 5:8

Fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. 2 Korintiana 2:11

 

Endrika mamitaka

Misy androngo kely antsoina hoe “gecko satanika”, velona eto Madagasikara. Nomena izany anarana izany izy, satria mahay miery. Ny rambony dia manana endrika sy loko-na ravin-kazo maina, ka tsy hitan’ny fahavalony sy ny hazany izy, na eny amin’ny tany na eny ambony rantsan-kazo. Izany tetika izany dia mampahatsiaro ny fomba fiasan’i Satana.

Maro ny mpiara-belona amintsika tsy mino ny fisian’i Satana, ary mihomehy an’izany aza ; fa ny Baiboly kosa dia miantso azy hoe “rain’ny lainga” (Jaona 8:44), “ilay ratsy”, ilay “mamitaka izao tontolo izao” (Apokalypsy 12:9). Lazaina ao amin’ny Baiboly fa mpandainga sy mpamitaka i Satana, ary mitarika hiaraka aminy ireo izay manaiky ho voafitaky ny hafetseny. Toa tsara sy manintona ny zavatra atolony, kanefa, raha ny marina, dia fandrika tsara omana sy tena mandaitra. Antsoina ihany koa hoe “andrianan’izao tontolo izao” izy (Jaona 16:11), ary mahafantatra tsara ny toetran’ny olombelona. Ampiasainy ny fitsiriritantsika, mba hitaomany antsika hanao ratsy sy tsy hankatò an’Andriamanitra. Izany no efa nataony tamin’i Adama sy Eva, tao amin’ny saha Edena.

Tsy tokony hohamaivanin’ny kristiana na oviana na oviana i Satana, ilay “fahavalo”, ilay matihanina amin’ny lainga, “fa fantatsika ny hafetseny”. Lohany amin’ny fiovana endrika izy, mba hisintonany olona na mba hanadinoana azy. Nefa i Satana dia fahavalo efa resin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 2:15), na dia mbola miasa aza, ary mitady izay harapany. Tsy hatahotra azy ny kristiana, raha mitoetra eo amin’ny fanatrehan’i Kristy Mpamonjy (Romana 8:37).