Ianao koa, tia anao i Jesoa!

 

Ry sakaizako, mba fantatrao moa fa tia anao Jesoa? Moa fantatrao fa maty teo amin'ny hazofijaliana ho an'ny olombelona rehetra Izy? Mbola zaza ve ianao? Na efa antitra angamba ianao? Maty ho anao koa Jesoa.

...Jiolahy ve ianao, mpangalatra, mpandainga, mpamono olona, mpisandoka? Tia anao Jesoa ary te hamonjy anao.

…Mpanao ody mpanompo an'i Satana hatramin'ny fahazazanao ve ianao, mapidi-doza ny fiaraha-monina, mamono mahafaty ankizy, vehivavy, lehilahy, mpihetraketraka, mpanapoizina ny mpiara-belona? Mihorohoro sy mandositra izay rehetra lalovanao, satria tena mampididoza ianao; iatahan'ny fianakavianao ianao noho ireo devoly ao aminao, noho ny fanahy ratsy ao aminao. Rehefa mba mihiratra ka mahatsiaro saina ianao dia manontany tena ny amin’ny antony ahavelomanao eto an-tany, saininao ny antony mahatonga anao hanao izao asa ratsy izao, ary manontany tena ianao hoe ahoana no nahatonga anao toy izao? Zavatra iray loha no tsarovy: na habibiana toy izany aza ny fiainanao, dia tia anao Jesoa ary te hamonjy anao.

…Boka angamba ianao, hatrany an-tampondoha ka hatrany am-paladia, tsy misy rantsantongotra intsony, na sofina na orona, sima ny vatanao, fantaro izao: ianao koa, tia anao Jesoa ary te hamonjy anao.

…Tovovavy mandany fotoana amin'ny fanimbana ny tokantranon'ny hafa noho ny hatsarantarehinao ve ianao? Mampivarilavo ny namanao ao am-pianarana, any amin'ny toeram-piasana, ao an-tanàna? Angamba efa nanala zaza ianao, na nitady hanapoizina ny namanao, ny fahavalonao, nampiteraka ady teo amin'ireo lehilahy naniry anao; ny sasany aza maty na mbola marary noho ny aminao, noho ny asa ratsinao. Manontany tena ny amin'ny antom-pisianao ianao ankehitriny; tsaroanao daholo ny ratsy nataonao, ary dia manontany tena ny amin'ny valiny omanin'Andriamanitra ho anao ianao. Rehefa mieritreritra izany ianao dia mihoron-koditra satria renao fa hotsarain’Andriamanitra indray andro any ny olona rehetra araka ny asany avy. Misendaotra ianao, satria fantatrao fa ny HELO no miandry anao. Mampahery tena kely ianao ka minia mihevitra izany ho anganongano fotsiny ihany, ary te hanery ny fieritreretanao hihevitra fa tsy misy Andriamanitra

…Tovolahy angamba ianao, nanao zavatra toraka izany koa, ary tonga amin’izany tsoa-kevitra izany koa. lanao koa, dia miditra ho isan'ny tsy mino an'Andrimanitra mba hampitony ny eritreritrao.

Ry namako, fitahin'i Satana ianao. Na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana dia fantatrao izay miandry anao. Na eo aza anefa ireo fitondrantenanao mahatsiravina ireo, tiako ny milaza aminao anio fa misy fanantenana ho anao, satria Andriamanitra, noho ny fitiavany, dia naniraka ny Zanany hamonjy anao amin'izany toerana misy anao izany. Tia anao koa Jesoa, ary te hanadio anao amin'ny rany mba ho tonga madio eo anatrehan'Andriamanitra ianao.

…Lehilahy, vehivavy na ankizy mandamaka eo am-pandrian’ny hopitaly noho ny aretina, na loza, na famosaviana, na fanapoizinan’ny sasany angamba ianao, aoka ho fantatrao izao: tsy very ianao, fa Jesoa eo akaikinao, tia anao Izy ary te hamonjy anao.

…Nandika lalàna tany ho any angamba ianao, ary ankehitriny dia mijaly ao an-tranomaizina, eo koa Jesoa hamonjy anao.

…Mpiasam-panjakana ambony ianao, lehibe, tale, tompon'andraikitra ambony nahazo toerana tamin'ny alalan'ny famosaviana, fanapoizinana, fosafosa, lainga, taratasy tsy misy sonia: nihetraketrahanao ny olona rehetra mba hahatraranao ny zava-kendrenao; ary ankehitriny dia eo am-pelatananao ity taratasy ity: aoka ho fantatrao fa tsy kisendrasendra izany. Milaza aminao Jesoa fa na dia teo aza ireo zava-dratsy vitanao ireo, dia tia anao koa Izy. Avy namaky ireo andàlana vitsivitsy ireo ianao, ary gaga raha nahita fa na dia eo aza ny toerana misy anao sy ny fitondrantena ratsinao, dia tia anao koa i Jesoa. Henoy àry izay lazain'ny Mpamonjinao anao : “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota” (Marka 2:17). Azonao an-tsaina ve izany? Tonga ho an'ny olona tahaka anao i Jesoa. Hitanao! misy làlan-kivoahana ianao, tsy iza izany làlana izany fa i Jesoa.

…Hilaza angamba ianao fa vahiny amin'ny firenen'ny Isiraely izay nomen'i Jesoa ireo teny fampaherezana ireo: Afrikana ianao, na avy any Azia, na Eoropeana... aoka ho fantatrao anefa fa ho anao koa ny tenin'ny Tompo, ary henoy ange ny fanohizany ny teniny aminao e: “Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa” (Isaia 45:22). Mihamazava aminao ve? Hoy ianao hoe vita ny aminao, nampijaly loatra ny mpiara-belona aminao ianao, nanapotika fíainana maro ianao, ary mihevitra ianao fa tsy misy tokony hifampiraharahanao amin'Andriamanitra intsony. Niteny an'izao sy izao ianao noho ny fahotanao. Kanefa i Jesoa milaza aminao hoe : “Anio, raha hihaino ny feoko ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 4:7).

Eo an-tananao ity taratasy ity, aoka ho fantatrao fa ny “anio”-nao izany, ary Andriamanitra miteny hoe: aza manamafy ny fonao. Ho famaranana, ny Fanahy Masina dia mbola manome anao izao hafatra izao : “Hataontsika ahoana no fandositra raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika?” (Hebreo 2:3). Ry sakaizako, efa fantatrao àry fa tia anao Andriamanitra, fantatrao sahady fa Jesoa Zanany dia eo hamonjy anao. Tsy mba ao anatin'ny tsy fahalalana intsony ianao, te hampahiratra ny masonao Andriamanitra amin'ny alalan'ity taratasy ity, ka miteny aminao hoe: “Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Noho izany dia manoloana safidy roa ianao izao: mino ka ho voavonjy na tsy mino ka ho voaheloka. Eny, manoro mazava tsara ny làlan-kombana Andriamanitra noho ny fahamoram-pony lehibe. Hoy Izy, “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19). Te hihaino an'Andriamanitra ve ianao? Sa kosa, toy ny nolazain'ny Apostoly Paoly hoe “hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra” (Romana 2:4-5). Voasoratra ihany koa hoe:

Fa ankehitriny Andriamanitra dia mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, satria lzy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao” (Asan'ny Apostoly 17:30-31).

Mitaona anao miaraka amin'ny Apostoly Paoly izahay: “Solon'i Kristy izahay ka mangataka indríndra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:20) dieny mbola tsy tara loatra.

Raiso ny fampíhavanana atolotr'Andriamanitra anao: mibebaha, ekeo ny maha-mpanota mendrika hiharan’ny fitsarana marin’Andriamanitra anao, nefa minoa koa fa tia anao i Jesoa ary nanolotra ny tenany ho anao. Niaretany teo amin’ny hazofijaliana ny fitsarana tokony ho nozakainao noho ireo otanao marobe, mba hamelan’Andriamanitra anao. Nahatsapa tena ilay jiolahy nohomboana teo anilan’i Jesoa fa valin’ny otany izao ihantonany eo amin’ny hazo fijaliana izao. Kanefa dia nijery an’i Jesoa tamim-pinoana izy ka nilaza taminy hoe: “Jesoa ô, tsarovy aho”. Teo noho eo ihany i Jesoa dia namaly azy hoe: “Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:41-43).

Eny, milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Koa ankehitriny dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 8:1). “Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12), ary tsy misy na inona na inona, hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika (Romana 8:39).

 

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo (1 Jaona 5:13).