• Raha misy manakana anao eny an-dàlana mba hiresaka...

  • Raha misy mitsidika anao any an-trano...

  • Na raha te hanamarina ny hambon’ny vondrona mpivavaka iray milaza fa manana ny Fahamarinana ianao...

 

Ireto no fanontaniana tokony hapetrakao am-boalohany:

 

Amin’ny anaran’iza no ahatongavanareo?

 

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy irery ihany ve, dia ilay Zanak’Andriamanitra, araka ny fanambaràn’ny Baiboly Azy?

 

Izy no “ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5). Izy no Zanaka, Mpahary fa tsy voary, izay nanambaràn’Andriamanitra hoe: “Ianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany” (Hebreo 1:10).

 

“Tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy” (1 Jaona 4:2), Andriamanitra tonga olombelona ary “natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25).

 

Inona no entinareo ho ahy?

 

Amin’ny maha-olombelona ahy aho, dia manana:

  • feon’ny fieritreretana: mila fahamarinana, fiadanana, ka noho izany, dia mila fahamarinana tsy azo hozongozonina. Indray andro any aho tsy maintsy hanao tatitra momba ny fiainako. Mitondra ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ho ahy ve ianareo?

  • fo: mila fitiavana io foko io. Afaka manambara ahy olona tia ahy amin’izao toetrako izao ve ianareo — ka noho izany koa mba hotiaviko? Raha tonga Mpamonjiko i Jesoa Kristy, dia Izy irery ihany no mendrika hameno ny foko. Mitondra an’i Jesoa ho ahy ve ianareo?

 

Inona no iorenanareo?

 

Ny Baiboly ve, ary ny Baiboly irery ihany? Raha tena Tenin’Andriamanitra nomeny ny olombelona tokoa mantsy io, dia tokony ho azon’ny tsirairay ny hevi-baventy ampitainy. Raha milaza ianao fa mila fanazavana sy famelabelarana avy amin’ny olombelona ny Filazantsara, dia toa mandray labozia hanazava ny masoandro. Ny Baiboly, ny Baiboly iray manontolo, ny Baiboly irery ihany, no hany fototra iorenan’ny finoana sy ny fanantenana kristiana.

 

Iza no arahinareo?

 

Ny Baiboly dia milaza amintsika fa iray ihany no tokony ho Mpampianatra, dia i Kristy (Matio 23:8-10); ary Izy irery ihany koa no Mpanalàlana amin’Andriamanitra sy ny olona (1 Timoty 2:5-6). Ny sekta rehetra anefa manana olona iray na maromaro nanangana azy, ary ireny no hajaina sy arahina an-jambany. Mazàna ny fomba ilazan’ireny olona ireny ny tenany dia hoe mpaminany azon’ny tsindrimandry, nandray fanambaràna vaovao, na koa hany manana ny fanalahidin’ny fanazavan-kevitra. Nefa mampitandrina antsika ny Baiboly fa na anjely avy any an-danitra aza no midina hanampy ny Filazantsara, dia tsy tokony hohenoina izy (Galatiana 1:8-9).

 

Ary ianao, sambatra ve ianao?

 

Misy mpanaraka sekta efa niala, avonona ny hijoro ho vavolombelona: manandevo ny sekta, mitaky asa na vola, nefa ny finoana an’i Kristy kosa manome famonjena, manafaka ary mahasambatra ho mandrakizay.

 

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” (Galatiana 5:1).

 

  • Vao mainka mampitombo isa ny làlana andraman’ny olombelona hahatongavana any amin’Andriamanitra ny sekta: hery very maina anefa izany. Ny Filazantsara kosa dia manoro antsika ny làlana avy amin’Andriamanitra mankany amin’ny olombelona.

  • Ny sekta, ary ny ankabeazan’ny antokom-pivavahana, dia mampianatra fa afaka manatsara ny tenany ny tsirairay ary ho tonga any amin’ny famonjena noho ny ezaka ataony.

 

Ny Baiboly irery ihany...

 

Ny Baiboly irery ihany no manambara amintsika fa ratsy tanteraka ny maha-isika antsika ary tsy afaka ny hamonjy tena isika. “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo” (Jeremia 17:9-10).

 

Fa ny Baiboly irery ihany koa anefa no mampahafantatra ilay Mpamonjy: ny asany, vita tanteraka teo ambony hazofijaliana, no fototra iorenan’ny famelan-keloka omen’Andriamanitra ny olombelona mpanota. Tsy toy ny tanjona ihany no anambaràn’ny Baiboly antsika ny famonjena, fa toy ny zava-misy amin’izao ankehitriny izao. Sambatra izay mino an’Andriamanitra fa tsy ny olona! Hoy Jesoa:

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).