Inona no atao hoe Fahamarinana?

 

Nametraka io fanontaniana io tamin’i Jesoa i Pilato, kanefa nihodin-damosina talohan’ny hahazoany ny valiny. Very ilay tokony ho fotoana tsara. Aoka isika tsy hanahaka azy: ny fananana ny fahamarinana, dia fananana ny fanalahidin’ny hoavy. — Fa aiza moa ny marina, hoy ny olona, amin’ireo feo mifanohitra isan-karazany fandre? Misy milaza fa manaraka an’i Mahomet, Bouddha, Confucius na mpamorona antokom-pivavahana hafa misy amin’izao fotoana izao. Momba an’i Jesoa indray, dia nisy sahy nilaza fa olombelona ihany Izy. Ekena fa tena filamatra tokoa Izy, fa tsy ampy hampangina ny sain’olombelona ny halehibeny.

 

Aleo ho any ny mpomba ny fisalasalana.

 

Ekeo ho marina ny fanambaràn’ny Baiboly, izay tsy misy toa azy, dia ny hoe: Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra velona mandrakizay. Ao Aminy no nidinan’Andriamanitra hanakaiky antsika. Ao Aminy no ahitantsika an’Andriamanitra amin’ny toetrany tanteraka. Tonga avy any an-danitra Izy mba hanatanteraka etỳ an-tany ilay asam-panavotana lehibe. Tokony hovonjena mantsy ny mpanota toa ahy, toa anao, izay mendrika ny fanamelohana mandrakizay. Ny Baiboly dia taratasy nosoratan’Andriamanitra ho antsika mba hahafantarantsika izay tsy azon’ny sain’olombelona vinavinaina: ny Fahamarinana.

 

 

Tsy fombam-pivavahana

 

Tsy mpitarika antokom-pivavahana ohatra ny filazàna azy andavanandro tsy akory i Jesoa Kristy. Ny fivavahana kristiana araka ny fanambaràn’ny Baiboly azy, dia tsy fombam-pivavahana toy ny sasany. Ny Tompo Jesoa no fanambaràna ilay Andriamanitra tokana, ilay Andriamanitra velona. Hoy Jesoa: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Eny, Andriamanitra dia te ho Rain’ny olona rehetra izay mino ny Zanany.

Namahana olona 5000 ve i Mahomet tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa? Nampahiratra ny jamba ve i Bouddha? Nampitsangana ny maty ve i Confucius? Nanapitra ny fiainany daholo izy ireo, ary nalevina toy ny olombelona rehetra mety maty ihany. Iray ihany no nandresy ny fahafatesana, iray ihany no nitsangana tamin’ny maty: Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Voahombo, ilay Mpamonjy izao tontolo izao! Tsy nilaza va Izy fa: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” ? (Jaona 11:25). Tsy afaka niteny toy izany i Mahomet, ary nampiseho fahamendrehana izy tamin’ny tsy nitenenany izany.

Hoy Jesoa tamin’io Pilato izay hanome baiko ny hanomboana Azy io: “Izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko” (Jaona 18:37).

 

 

“Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo” (Isaia 55:3)

 

Renao ve izany feo izany? Te hanome anao ny tena fiadanana i Jesoa, hanome fifaliana mandrakizay, fitoerana ao an-tranon’ny Ray, nefa tsy maintsy ekenao ny fanomezana atolony, amin’ny finoana Azy! Tsy manery anao Izy fa manazava anao. “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” (Jeremia 31:3). Ho anao izany, satria tiany daholo ny olona rehetra, tsy manavakavaka Andriamanitra, ary tonga hitady ny mpanota i Jesoa fa tsy ny olona marina (Matio 9:13). Izay rehetra manatona Azy dia raisiny avokoa. Ny hany homelohina dia ireo izay nandà ny fahazavan’ny fahamarinana (Jaona 3:19).

 

Faingàna àry handray ny fanapahan-kevitrao.

 

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny làlany...koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao...” (Deoteronomia 30:15,16,19).

 

Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).

 

Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary nohamafisin’izay nandre tamintsika kosa” (Hebreo 2:3).

 

“Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” (Asan’ny Apostoly 4:12).

 

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka Aminy” (Salamo 34:8).