Tsara sa ratsy toetra kokoa noho ireo tanora taloha ve ny tanora ankehitriny? Ny azo antoka aloha, dia tsy sambatra kokoa izy ireo. Mampitahotra ny ho avy, raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fananana asa na ny loza mitatao vokatry ny nokleary: tsy milamin-tsaina ireo tanora vao misondrotra, ary dindo eo amin’ny fiainany izany. Betsaka ny mieritreritra ny hiala amin’izany amin’ny tsy firaharahana bebe kokoa, amin’ny zavatra vao mainka mamoa-doza ho an’ny fahasalamana sy ny toetra ara-panahy, na amin’ny fitodihana amin’ireny sekta adaladala ireny na filozofia mamitaka.

 

Matetika ny tanora dia malala-tànana sy mandeha an-kitsimpo, hany ka mahatsiaro ho sempotra izy amin’ny rafitra hitany fa mpanambony tena sy mpihatsaravelatsihy. Ny tontolo navelan’ireo zokiny ho azy, dia hitany fa feno fitiavan-tena, faneriterena, fitsarana an-tendrony. Ary tsy afaka ny hanome tsiny azy ireo isika. Tsy safidiny ny niditra tao amin’io fiaraha-monina io, nefa tsy maintsy mizaka izany izy, satria tsy afaka hanova azy. Fahadisoan-kevitra  mihoapampana mantsy ny mieritreritra fa afaka hanova faobe izao tontolo izao avy etỳ ivelany, raha tsy misy fiovana lalina anatiny ao amin’ny tsirairay, aloha.

 

Zava-misy sasantsasany

 

Ry tanoran’izao  taonjato faha-iraika amby roapolo izao, mikaroka izay fomba ahazoantsika miresaka izahay; mitady izay hahalalana  ny zavatra ilainareo...

Mila fahamarinana azo antoka? Nefa maro dia maro ireo feo re milaza azy ho ny Fahamarinana. Koa iza no hohenoina? Iza no manana ny marina?

 

Mila tarigetra sy hetsika hatao? Koa inona anefa no tena rafi-pisainana mendrika ny handanianao ny herinao iray manontolo?

 

Mila mba hankasitrahina, mba hotiavina? Nefa dia samy olon-ko azy ny tsirairay. Fahadisoam-panantenana ara-pitiavana, fiarahana tsy zarizary, miafara amin’ny fisarahana na amin’ny famonoan-tena aza...

 

Mila fiadanana anaty? Ny tsirairay aminareo dia mahatsapa toy ny faharisarisana anaty tsy azo lavina, fifandonan’ny ratsy sy ny tsara. Raha tsy afaka ny hankasitraka ireo mpiara-belona aminao ianao, dia mba fara faharatsiny, tianao ny tsy ho tezitra amin’ny tenanao. Dia indro anefa fa misy feo manirikiry — ny feon’ny fieritreretanao — mampahatsiahy anao lalandava fa tsy madio ny zavatra ataonao na ny antony hanaovanao azy, fa ianao koa dia tia tena, mpialona, mpanandra-tena, mora tezitra, raha fintinina, dia tsy tsara noho ny hafa ianao.

 

Mila mitia olona, na maka olona ho modely? Iza anefa no mendrika izany? Ireo “mpampianatra hisaina” ve, sa ireo mpanao didy jadona izay nahasodoka ny tanora tamin’ny vaninandro sasany? Kanefa dia nanao sorona azy ireny izy ireo mba hahazoany voninahitra!

 

 

Vahaolana iray

 

Hamaly angamba ianao hoe ‘marina daholo izany voalazanao izany. Fa inona kosa ary no mba arosonao anay? Azonao an-tsaina tsara angamba ny olana mianjady aminay, fa vitanao ve ny mamaha azy ireny tsaratsara kokoa noho izahay?’

Holazaiko aminareo fa maro izahay, ary tsy anavahana sokajin-taona, no mahalala OLONA namaha ireny olana ireny ho anay, ary te hamaha izany koa ho anao. Ireo filàna vao niarahantsika nitanisa teo, kanefa tsy voavaly, no tokony hitarika antsika any amin’Ilay hany afaka hahatanteraka izany, dia i JESOA, ilay Zanak’Andriamanitra. Izy irery no hany vahaolana lehibe amin’ireo filàn’ny fieritreretantsika sy ny fontsika. Ary valinteny mahavariana tokoa! Afaka mijoro ho vavolombelon’izany ny tsirairay aminay:

 

Ny fahamarinana, ao Aminy no ahitako azy. Ao amin’ny Baiboly, izay fanambaràn’Andriamanitra, no andrenesako an’i Jesoa milaza hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).

 

Ny fihavanana amin’Andriamanitra? Azonay izany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Romana 5:1). Izy no nahatanteraka izany tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary Izy no manolotra izany: “Fa Izy no fihavanantsika...ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra” (Efesiana 2:14, 17). Raha nandao ireo mpianany Izy, dia nilaza hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

 

Ny fitiavana marina? Tsy hitako afa-tsy ao amin’i Jesoa Kristy izany: olona izay mahalala ahy tanteraka, nefa dia tia ahy ihany, olona izay tsy ho tapitro ny fandeferany sy ny famelany heloka, koa noho izany, dia olona azoko itokisana tanteraka. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).

Indray mandeha ihany isika no miaina. Sarobidy loatra ireo andro fohy ipetrahantsika eto an-tany ka tsy tokony holanilaniana foana. Ny loka amin’izany mantsy dia ny fiainana mandrakizay.

 

Ry tovolahy, ry tovovavy, aza miandry intsony fa manatòna an’i Jesoa, Ilay Mpamonjy: “Indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2). Hoy Jesoa: “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28)