Fivoarana sa fahariana?

 

Betsaka ireo tena manam-pahaizana amin’ny siansa ankehitriny no tsy manome lanjany intsony ilay rijankevitra momba ny fivoarana. Izany anefa tsy manakana ny mbola ampianarana an’izany ihany any amin’ireo sekoly sy anjerimanontolo, amin’ny porofo sy hitsim-po kely dia kely.

 

Avy aiza izany kiry anoherana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahariana izany, nefa dia tsotra tokoa ny manaiky io?

 

Voalohany indrindra aloha, dia satria tsotra loatra io tantara io ho an’ny saina feno avonavon’ny olombelona, izay mitady ny hanazava ny zavatra rehetra amin’ny fanamarinan’ny fisainany, na dia efa hita izao aza fa tsy takany izany. Hoy anefa ny Baiboly hoe: “Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao” (Hebreo 11:3).

 

Manaraka izany, dia satria raha nisy ny fahariana, dia misy ny Andriamanitra Nahary, izay afaka mampamoaka ny voariny, noho izany.

 

Farany, dia satria ny fanazavàn’ny Baiboly dia tena tsy mandoka ny olombelona mihitsy, hany ka aleony manaiky izay mety ho soso-kevitra aroso ankoatr’izany, na inona na inona.

 

 

Fisaintsainan’olombelona

 

Ny tena marina, ny fivoarana dia soso-kevitra ihany, fa tsy zava-misy. Fa mifanohitra amin’izany kosa, ny azon’ny rehetra hamarinina, dia tsy miova ny lalàna mifehy ny fiterahan’ny zavamananaina sy ny zava-boary. Iza no nanao izany lalàna izany? Tsy nisy ve, talohan’ny olona sy ambony noho izy, Saina, Fikasana, Hery tsy refesi-mandidy, izany hoe Andriamanitra, ka raha vao manokatra ny masontsika handinika ny tontolo isika, dia ilay lamina nataony no hitantsika?

 

Ankoatr’izany koa, misy boky hafa nomen’Andriamanitra antsika, dia ny Baiboly, izay miantomboka amin’ny tantara tsotra sy mahatalanjona, manambara ny fahariana izao tontolo izao. Iza no mendrika hiresaka an’izany kokoa noho ny Mpahary? Ary iza no tsy mendrika kokoa noho ny voary, izay feno hambo anefa, ka manome ny heviny momba ny zavatra izay tsy natrehany, satria tsy teo izy?

 

Fantatra ny tantaran’ny Fiandohana: ny fahariana misesisesy zavamananaina, araka ny karazany avy, karazana izay tsy miova, ary ambonin’izany rehetra izany ny fahariana ny olombelona. Ny lehilahy sy ny vehivavy izay nampitoerina teo amin’ny fahasambarana tetỳ an-tany, dia tsy nankatò ilay didy mazava nomen’Andriamanitra, ary mendrika ho azy ireo ny fanamelohana ho faty. Niha-nahazo vahana ny faharatsiana: lainga, famonoana olona, fahalòvan’ny toetra, izay nitarika ny olona ho amin’ny safo-drano, kisarisary manjavozavo ihany anehoana ilay fitsarana mampivarahontsana hanjo ny zanak’olombelona, izay mikiry mikomy amin’Andriamanitra.

 

Niakatra sa nidina?

 

Tsia, tsy araka ny eritreritra mahafaly ny sasany tsy akory, fa ny olombelona dia tsy niala avy tany amin’ny zana-tohatra farany ambany indrindra tamin’ny biby, na koa hoe avy amina sela iray, ary nivoatra tsikelikely, nandritra ny taona alikisa nihatsaràny, ka manohy ny diany toy ny mpandresy ho lasa andriamanitra any am-parany any. Ny mifanohitra amin’izany no marina. Tandrify tanteraka ny asa nankinin’ny Mpahary azy, hifehy ilay tontolo mahavariana, ny olombelona, nefa dia tsy nitsahatra ny nitotongana, ka ny saina faran’izay lalina nananany aza dia tsy ampy nanafoana na nanarina ilay fihenàn’ny hatsaran-toetrany, hany ka nivarina ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa feno herisetra sy faharatsiana izy.

 

Ianao ve mino fa mandroso mihatsara ny zanak’olombelona? Tsy ny mifanohitra amin’izany ve, tsy tsapantsika amin’ny vatantsika sy ny saintsika ve ny dindo mavesatr’ilay lova tamin’ny fahotan’ny razantsika, izay mbola mainka koa ampiantsika ny antsika? Tsy misy sokajim-biby mampiavosa tarazo sy haratsiana toa antsika, satria ny biby dia miaina araka ny natiora, fa isika kosa, araka ny danin’ny kibontsika. Hita eny amintsika koa ny marika mampalahelo avy amin’ireo fijaliantsika, ary tsy avela hohadinointsika koa fa mahonena ity fiainantsika etỳ an-tany ity, na dia eo aza ireo fivoarana samihafa amin’ny lafiny teknika.

 

 

Avy aiza isika? Ary ho aiza?

 

Ahoana moa no hinoanao fa afaka mijery ny lasa amin’ny vovoka kely ny olombelona, ary maminavina ny hoavy avy amin’ny tsy misy? Tsy vitany ny hanazava na inona na inona. Fa ho an’Andriamanitra kosa, dia tsy misy zava-miafina, ary raha miresaka amintsika ny zava-mampalahelo noho ilay paradisa very Izy ao amin’ny Baiboly, dia manambara ihany koa ny fifaliana ho azontsika any amin’ilay Paradisa izay novohain’i Jesoa ho antsika, noho ny hazofijaliana. Mazava sy azo antoka kokoa noho ny mijery sarintany ny zavatra hitanao ao amin’io boky io: avy aiza ianao, ary ho aiza. Amin’izao fotoana izao ianao, dia eo amin’ilay teboka antsoina hoe FINOANA.

 

Mendrika ny fitokisanao io Andriamanitra io, Izay nanome an’i Jesoa Kristy, Ilay Zanany Lahitokana, noho ny haben’ny fitiavany, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.

 

Satria ilay Andriamanitra Mpahary dia ilay Andriamanitra Mpamonjy ihany koa.

 

Dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenan’(Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo” (Hebreo 1:2-3).