Fitotonganana ve?

 

Ireo tsy rariny fahita eo amin’ny fiaraha-monina,ny fitombon’ny herisetra, ireo fahavetavetana isan-karazany,… dia anisan’ny mahazo vahana tokoa eo amin’ny tontolo iainana ankehitriny. Ary ireo firenena efa niova ho kristiana aza, izay nofehezin’ny fivavahana nandritra ny fotoana lava teo amin’ny lafiny fitondran-tena, dia indrisy fa toa manome ohatra mampalahelo ho an’ny firenena hafa ankehitriny.

Azo tsoahina amin’izany ve fa tsy mitondra fahombiazana ny fivavahana kristiana, na koa azo ilazana hoe resin’ny ratsy ny tsara? Tsia, tsy ireo foto-kevitra kristiana tsy akory no mampitotongana ny fiainana fa izy Kristiana tenany ihany. Ny azo ambara dia hoe ny tontolo kristiana amin’ny ankapobeny dia tsy mino, ary indrindra, tsy miaina ny fampianaran’Ilay entiny anarana dia ilay fampianarana kanto loatra mampianatra ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fitiava–namana. Lazain’ny olona angamba ny amin’ireo zava-tsoa raketin’ny moraly kristiana, kanefa toa tsy tiany ny hahalala ny amin’Ilay loharano nipoirany sy nanorina azy, dia i Jesoa Kristy.

 

Fihambohamboana ve?

 

Ianao izay manambara ny tenanao ho kristiana, tsapanao ve fa mitondra ny anaran’i Kristy ianao amin’izany dia Ilay “anarana tsara izay niantsoana anao”? (Jakoba 2:7)? Manana zo ho amin’izany ve anefa ianao? Angaha moa ianao anisan’ireo mpianatr’i Jesoa, iray amin’ireo izay nilazany hoe: “raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa” (Jaona 8:31)? Sa ny mifanohitra amin’izany ka ho anisan’izay nilazany ianao hoe: “tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay, mialà amiko” (Matio 7:23).

Tsy ampy hahatonga  ho Kristiana ny maha-vita batisa ka voasoratra anarana ao amin’ny bokim-piangonana. Tsy ireny bokim-piangonana ireny velively no hovelarina amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra, rehefa hiseho eo anatrehany ny nofo rehetra, mba hitsarany azy araka ireo asany: “Ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana … ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:12-15).

 

Zo ve?

 

Mba hanomezana anao alàlana hitondra ny anaram-pianakaviana dia tsy maintsy voasoratra ara-panjakana ao anatin’ny bokim-pianakaviana aloha ny anaranao. Toy izany tsy misy valaka no ampianarin’ny Baiboly antsika. Mba hireharehantsika amin’ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy sy hahafahantsika miditra ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, dia mila mandia ilay antsoina hoe: “fahateraham-baovao” isika. Io fepetra tokana io ihany no hahavoasoratra ny anarantsika ao amin’ny bokin’ny fiainana, dia ilay “bokim-pianakavian’ny lanitra”  izay andraketan’Andriamanitra ny anaran’ireo izay mino ny Zanany Lahitokana sy manaiky Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana. “Ary izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12).

Novakinao tsara angamba io Tenin’Andriamanitra io ka hitanao fa zo io. Zo izay mifototra tanteraka amin’ny asa nataon’i Kristy fa tsy amin’ny fahamendrehantsika akory, sanatria. Tsy miankina amin’izay mety ho fahamendrehantsika kokoa noho ny hafa na amin’ny maha-mpivavaka antsika kokoa noho ny hafa ny maha kristiana antsika, fa miankina kosa amin’izay fifandraisana misy eo amintsika sy ny Tompo Jesoa.

 

Fifandraisana ve?

 

Ny kristianisma mantsy dia tsy araka izay iheveran’ny sasany azy matetika hoe fombafombam-pivavahana, na tambatra foto-pampianarana sy fitsipika isan-karazany, mandrara ny fanaovana izatsy sy mandidy ny fanaovana izaroa! Fa kosa fahalalana olona iray, dia i Jesoa Kristy, ary fifandraisana Aminy, fifandraisana eo amin’Ilay manome ny fiainana sy isika izay mandray izany fiainana izany.

Notanterahina indray mandeha monja, ary tsy tapaka intsony, io fifandraisana io, tamin’ny fotoana niovantsika fo, nony niaiky ny tenantsika ho mpanota isika ka nandray tam-pinoana ilay famonjena natolotr’i Jesoa Kristy maimaimpoana ho antsika, dia ny rany sarobidy izay nalatsany ho fanafoanana ireo helotsika.

Io fifandraisana io dia kolokoloin’ny Fanahy Masina izay nomena ny kristiana mba hanavao indray ilay fiadanana efa ananany ao anaty, ny faharetany, ny faherezany, ny fitokiany, ny fifaliany izay tovoziny ao amin’ny fitiavana tsy manam-paharoan’i Kristy ho azy.

“Efa tia ahy Ilay Zanak’Andriamanitra ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

 

Vahaolana ve?

 

Antsoina hamaly fitiavana io fitiavana io ny kristiana. Zava-miafina lehibe sy tokana raketin’ny fiainana anaty sy ny tara-pahazavana miseho etỳ ivelany izany. Tsy sanatria hoe fivavahana anarany sy be fadifady fotsiny ny kristianisma, fa kosa azo fintinina amin’ny hoe: ny fahatsiarovan’ny saina ilay fahasoavana mitafotafo natolotr’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fahefana ananany eo amin’ny fiainantsika, noho izany. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (1 Jaona 4:19).

Raha tafaray tsara amin’ny vadiny ny vehivavy iray, dia tsy ilain-drangahy intsony ny mamelabelatra amin’ity vadiny isa-maraina izay fandaharam-potoanany mandritra ny andro. Ho tontosain’io vehivavy io ara-dalàna sy am-pifaliana ihany koa ny andraikiny amin’ny fikarakarana ny ankohonany.

Mba hanaovana izay tsara sy ankasitrahina eo imason’ny Tompo, dia ilaina ny mifankazatra Aminy sy ny mamantatra izay tiany sy izay halany.

Mampianatra izany antsika ny Baiboly, ary io Baiboly io no maneho miharihary ny fisainan’Andriamanitra manontolo. “Raha misy tia Ahy, hoy i Jesoa, dia hitandrina ny teniko izy” (Jaona 14:23).

 

Antom-piainana ve?

 

Azo faritana amin’izay zavatra hita fa tiany, ny toetran’ny olona iray: Raha tia vola izy, olona kahihitra izay; raha tia fahefana, olona tia hambo izay; ary raha tia an’i Kristy izy, kristiana izay.

“Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay… Maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:14-15).

Raha azontsika tsara izany, dia ho hitantsika fa tsy idealy tsara tarehy tokony hokatsahina fotsiny tsy akory ny fiainana Kristiana, fa izy no ilay hany marina satria izy no mirakitra ny fahamarinana momba ny mandrakizay sy ny zava-miafin’ny tena hasambarana marina.