Fantatrao ve i Jesoa ?

 

Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga nonina teo amin’ny olona mba hanome azy ny soa rehetra ; kanefa tsy nahita afa-tsy fanimbazimbana Izy, fankahalana ary farany aza, dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nitsangana tamin’ny maty anefa Izy, velona Izy, ary mitady fifandraisana amin’ny tsirairay amintsika.

 

Amin’izao vaninandro iainantsika izao, dia mihodina Aminy ny olona, toy ireo niara-belona taminy. Izany no mahatonga ity tontolo ity tsy hisy fanafana. Ny siansa, ny hairaha, ny fivoarana eo amin’ny fiaraha-monina, ny ezaka rehetra vitan’ny sain’olombelona, dia tsy mahavita na inona na inona manoloana ny aretim-panahy mikiky ny zanak’olombelona ary mitarika azy ho amin’ny fahasimbana tanteraka. Ny fitiavan-tena, ny herisetra, ny fahavetavetana no mibaiko ny olona.

 

Ary mitarika azy ho aiza ? Ho amin’ilay fitsarana izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra (Hebreo 9:27). Hoy koa anefa ny Soratra Masina : “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina… “ (Jaona 3:17-18)

 

Ny anaran’i Jesoa

 

Ny anarana  “Jesoa”  dia midika hoe : Andriamanitra Mpamonjy.

 

Mila famonjena avokoa ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, satria mpanota mendrika ny hiharan’ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra. Nandefa Mpamonjy ho etỳ an-tany nefa Andriamanitra. Amin’ny alàlan’io Mpamonjy no ahazoan’ny rehetra famelan-keloka ; Izy koa no hanome fahasambarana, dieny izao ankehitriny izao ary ho mandrakizay.

 

Maro ireo mpanorina antokom-pivavahana no mitory ny tsara  sy manolotra fampianarana feno fahendrena, saingy indrisy fa tsy misy mahaisotra ny vesatry ny fahadisoan’ny olona izy ireny, ary tsy misy mahafaka azy amin’ny fahefan’ny ota. Tsy misy mahavita izany, na ireo mpampianatra momba ny fitsipi-pitondrantena, na ireo olon-kendry, na ireo olona vontom-pinoana.

 

Tsy nampianatra ny olona izay tokony hataony hanafahany ny tenany i Jesoa ; fa Izy mihitsy no manafaka ireo rehetra izay mibebaka sy mino Azy amin’ny fahotana, ny fitsarana sy ny fanamelohana.

 

“Fa iray no Mpanalàlana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny rehetra” (1 Timoty 2:5-6).

 

“Fa amin’ny anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka” (Asa 10:43).

 

Ny asan’i Jesoa

 

Tonga tetỳ an-tany ny Tompo Jesoa noho ny fitiavany, mba hikarakara ireo voariny izay mijaly, kanefa dia nifanandrina hatrany tamin’ny vokatry ny ota Izy, dia Izy izay masina sy madio. Tonga Olon’ny fangirifiriana Izy.

 

Fa io fahamoram-po io, na dia lalina dia lalina tokoa aza, dia tsy afaka ny hanatsara ilay toetrantsika efa ratsy hatrany am-piandohana, na hanafoana ny fototry ny fahoriantsika rehetra, na hanaisotra ny fahamelohantsika. Izany indrindra no antony nitondran’i Jesoa ny otantsika mihitsy, fa tsy ny vokany ihany, raha nanohy io asam-pitiavany io Izy. “Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra” (Isaia 53:6).

 

Teo amin’ny hazofijaliana no nanolorany ny ainy masina hanoloana ireo fiainantsika meloka; noraisin’i Jesoa ho toy ny azy daholo ireo fahotantsika. “Natao ota hamonjy antsika Izy” (2 Korintiana 5:21).

 

“Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2:24).

 

Izany no antony anoloran’ny Tompo Jesoa fanafahana tanteraka ankehitriny. Voavidiny tamin’ny fanolorany tena teo amin’ny hazofijaliana izany. Koa holavintsika ve io fanafahana io?

 

 

Ny fanomezan’i Jesoa

 

Manohy ny làlany toy ny tsy misy an’i Jesoa ihany izao tontolo izao: toy ny nofinofy na rediredin’adala fotsiny ny nitsanganany tamin’ny maty, ny fahefany, ny fiverenany tsy ho ela.

 

Hoy angamba ny sasany hoe afaka samy manana ny heviny manokana ange!  Amin’izao vaninandro ankehitriny izao, dia mety ho marina ihany izany. Nefa, ary izany no antony anantitranteranay izao: tsy afaka ny hitoetra mandrakariva ao amin’ny tsy finoana ny olona. Indrisy! Ho tara loatra rehefa tonga saina ireo izay tsy nety nino raha mbola notolorana ny fahasoavan’Andriamanitra.

 

Tsy hisy tsy hino intsony rehefa hitsangana i Jesoa, misalotra ny fahefana maha Mpitsara fara tampony Azy. Tsy hisy tsy hino intsony rehefa “hahita Azy ny maso rehetra”, ary hadinina amin’izao tontolo izao ny fanimbazimbany an’Andriamanitra. Tsy hisy tsy hino intsony rehefa hitsangana ho amin’ny fitsarana ny maty rehetra, ka hanoloana ilay seza fiandrianana lehibe voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-20. Tsy hisy tsy hino intsony any amin’ny helo...Fa ao amin’io tontolo mampivarahontsana io kosa no hisian’ny fanenenana mandrakizay noho ny nanaovana tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra!

 Io fahasoavana io no atolotra anao ankehitriny.

“Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2).