MAHATAKATRA

ny Epistily nosoratan’i Joda

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

Fampidirana

Ny lohahevitr’ity taratasy ity dia mitovitovy amin’ny lohahevitry ny taratasy faharoa nosoratan’i Petera. Ny tanjon’i Joda dia ny « hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina » (and 3), hanohitra ireo fampianaran-diso ataona mpampianatra sandoka mitady hamadika io finoana io. Marihiny fa loza mitatao ireo olona ratsy fanahy tafiditra an-tsokosoko eo anivon’ny mpino, olon-doza mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho lalana hanaovan-dratsy, ary mandà an’Andriamanitra mihitsy aza (and 4). Faran’izay hentitra i Joda milazalaza ny vokatry ny fialana amin’ny finoana sy ny fikomiana amin’Andriamanitra, ary manome ohatra ara-tantara sasantsasany mampiseho ny fitsaran’Andriamanitra ireo tsy mino ao amin’ny Testamenta Taloha. Ampahatsiahiviny izany ny nataon’Andriamanitra sy mbola hataony, manoloana ny tsy finoana. Satria efa nitotongana fatratra ny toetran’ny tontolo kristiana, dia nilaina ny mitolona ho an’ny fahamarinana. Asehony fa Andriamanitra ihany no mitoetra ho loharanon-kery tsy mety diso ho an’ny mpino, ary faranany amina antsa fitsaohana tena mamirapiratra ny taratasiny. Io dia toetra tokony hananan’ny zanak’Andriamanitra, eo amin’izay toerana nanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra, ilay anarana lehibe.

 

Votoatin’ny Epistily

Joda dia milaza ny tenany ho rahalahin’i Jakoba, ka azo antoka fa rahalahin’ny Tompo (Marka 6. 3), nefa dia mitonona am-panetrentena ho mpanompon’i Jesosy Kristy izy (and 1-2). Naniry ny hiresaka amin’ny mpino momba ny famonjena izy, saingy ratsy aoka izany ny zava-nisy ka nampirisika azy, tamin’ny farany, hiady ho an’ny fahamarinana, izay natsimbadik’ireo tsy mino. Izy ireo dia niditra an-tsokosoko teo anivon’ny olona masina, nitondra foto-pampianarana faran’izay ratsy mandà ny fahamarinana momba ny maha Izy Azy ny Tompo Jesosy (and 3-4).

Ampahatsiahivin’i Joda ny mpamaky ny anjara natokana ho an’ireo tsy mino ireo, ary ho an’ny tsy mino rehetra amin’ny vanimpotoana rehetra mihitsy aza. Nalainy ho ohatra amin’izany :

  • ireo olona tamin’ny Israely izay tsy nino tany an-taniefitra ka naringana ;

  • ireo anjely lavo (angamba ireo voalaza ao amin’ny Genesisy 6. 4), izay « voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe » (and 6)  ;

  • ny mponin’i Sodoma sy Gomora, izay nosazina ka miaritra « fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay » (and 7).

 

Ireo tsy mino amin’izao fotoana izao dia mandoto ny nofo, manao tsinontsinona izay rehetra mety ho manampahefana, ary miteny ratsy « ny manana voninahitra » sy izay rehetra tsy fantany akory. Araka izany, ny mampiavaka azy ireo dia ny fandavana ireo manampahefana ; nefa na ny arikanjely Mikaela aza tsy sahy niteny ratsy hanameloka an’i Satana  (and 8-10) ! Miha ratsy kokoa hatrany ny momba azy ireo, toy ny fiovana nisy nanomboka tamin’i Kaina, nandalo tamin’i Balama, ary hatrany amin’i Kora (and 11). Ireo tsy mino ireo dia mamafy korontana, fahalotoana isan-karazany ary fampanantenana poaka aty eo anivon’ireo tena kristiana. Mety hanaitra angamba ireo olona tsy mino ireo (izay mpiodina), nefa dia rivotra ihany, natao ho fongotra (and 11-13). Enoka, ao amin’ny Genesisy 5, dia efa naminany momba ny fitsarana hataon’i Kristy hamotehana ireny karazan’olona ireny, rehefa hiseho Izy. Io faminaniany momba ny mpiara-belona aminy io dia mbola mitombina ihany koa ho an’ireo mpiavonavona ankehitriny ireo (and 14-16).

 

Ampirisihin’i Joda ny mpino hahatsiahy izay efa naminanian’ireo apostoly momba ny olona toy ireny (and 17-19), ampirisihiny koa hiorina ao amin’ny finoana sy hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo (and 20-21). Tokony hiteny mafy ireo mpikomy ny mpino, ary koa hitsinjo ireo izay mitady ho lavo (and 22-23).

Faranan’i Joda ny taratasiny, amina fiderana ho voninahitr’Ilay Andriamanitra manana fahefana hiaro antsika ho mahatoky eo anatrehany  (and 24-25).

 

Andininy tsara ho fantatra

« Nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina » (and 3)

 

« Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra » (and 20).

 

LGEA