MAHATAKATRA

 ny Epistily Fahatelo nosoratan’i Jaona

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

1   Fampidirana

Ny votoatin’ity epistily fahatelo ity dia mitovy amin’ny an’ny faharoa, dia ny fandehanana ao amin’ny fahamarinana ; saingy ny antony dia olana avy ao anatin’ny fiangonana, fa tsy avy any ivelany intsony, dia ny hoe tokony horaisina ao amin’ny fiangonana eo an-toerana ve sa tsia ny mpitoriteny mandehandeha  —izay mpanompon’Andriamanitra tsotra sendra mandalo.  Nankasitrahin’ny apostoly tokoa mantsy i Gaio, nandray “ireo rahalahy” izay niainga “noho ny Anarana”, sy nanampy azy ireo betsaka tamin’ny fanompoana (manao soa “araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra”). Angamba izy ireo kristiana tsy nahazo fanirahana ara-pomba ofisialy, fa niasa ho amin’ny fahamarinana, ary noho ny Anaran’ny Tompo (and 5-7). Diotrefa, rahalahy iray ao amin’io fiangonana io ihany, dia nanohitra ny fandraisana mpanompo toy izany, ary angamba nandrahona handroaka an’i Gaio hiala ao amin’ny fiangonana, raha mikiry manao izany izy (and 9-10). Tena henjana ilay fandrahonana, ka toa saika nanohintohina ny fahasalaman’i Gaio mihitsy, noho ny adin-tsaina naterak’izany (and 2). Mampahery an’i Gaio mba hihazona izany heviny izany ny apostoly, ary mahita antom-pifaliana lehibe mihitsy aza amin’izany, satria fandeha amin’ny fahamarinana (and 3) ny fandraisana ireo izay mandeha amin’ny fahamarinana (miaraka amin’izany ny fitiavana). Zava-dehibe io mason-tsivana io, kanefa i Diotrefa, izay te ho lohany sy be avonavona, dia tsy niraharaha izany ary nitaky ny fahefana ho azy irery. Nampaherezin’ny apostoly i Gaio mba hitoetra ho tony, ao amin’ny fanahiny sy ny vatany (and 2).

Ity taratasy ity, izay nalefa ho ana rahalahy iray, dia mahakasika olana tsy maintsy natrehina tao amin’ny fiangonana.

 

 

2   Votoatin’ny Epistily

Taoriana-na fiarahabana fohy, ny apostoly Jaona dia nanomboka nijoro ho vavolombelona fa salama tsara ara-panahy i Gaio, izay nanoratany (and 1-2). Ho an’i Jaona dia antom-pifaliana tena lehibe ny mahita ireo zanany ao amin’ny finoana, mandeha araka ny fahamarinana (and 3-4). Nankasitrahiny ny fomba nandraisan’i Gaio ireo mpanompon’Andriamanitra nivahiny tao amin’ny fiangonana eo an-toerana nisy azy ; nampirisihiny i Gaio hanohy izany, satria amin’izany dia miara-miasa amin’izy ireo eo amin’ny asa fanompoana sy ny fampielezana ny fahamarinana (and 5-8). Nampahafantarin’ny apostoly azy ny fisiana rahalahy latsaka tao anaty avonavona ara-panahy ; notononiny anarana io lehilahy io, Diotrefa, izay manilika ireo mpanompo mandalo any, mba hiarovany ny fanjakazakany eo amin’ny andian’ondry (and 9-10). Nampitandremany i Gaio mba tsy haka tahaka izany fihetsika izany, ary notoroiny ohatra tsara lavitra, nasehona rahalahy iray hafa, Demetrio, izay mahatoky ao amin’ny fahamarinana (and 11-12). Toy ny tao amin’ny epistily faharoa, dia naleon’ny apostoly miresaka mifanatrika momba ireo zavatra hafa (and 13-14). Farany dia nampitainy tamin’i Gaio ny fiarahaban’ireo sakaiza (and 15).

 

3   Andininy tsara ho fantatra

“Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” (and 4)

 

“Ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay mendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra ianao ; fa noho ny Anarana no niaingany” (and 6, 7)

 

“Aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra”(and 11).

 

LGEA