MAHATAKATRA

ny Epistily ho an’i Filemona

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

Fampidirana

Filemona dia mpino avy any Kolosia, araka ny asehon’ny toko 4 ao amin’ny epistily ho an’ny Kolosiana, izay anononana ny anaran’ireo olona hita ato amin’ity taratasin’i Paoly ho an’i Filemona ity (and 7-9, 17). Ny fiangonana teo an-toerana dia nivory tao an-tranon’i Filemona (and 2). Nisy mpanompony iray, Onesimosy, izay nanao ratsy taminy, nandositra niala tao aminy, ary tonga tany Roma ; tany izy no nifanena tamin’i Paoly, izay nahatonga azy hiova fo. Tokony hahasoa an’i Paoly teo amin’ny fanompoana izy, kanefa naleon’i Paoly nilamina ny zavatra rehetra momba ireo fahadisoana vita tamin’ny lasa. Naniry izy mba hiova tanteraka ny fifandraisana eo amin’i Filemona sy Onesimosy, mba ho afaka amin’ny toerana maha mpanompo azy i Onesimosy, ka mba hiara-manao asa fanompoana ny Tompo amin’i Filemona, amin’ny maha rahalahy ao amin’i Kristy azy. Nasain’i Paoly niverina any amin’ny tompony i Onesimosy, ary nampitondrany ity taratasy fanolorana ity.

Votoatin’ny Epistily

Ny apostoly Paoly, izay nigadra tany Roma, dia manonona ny tenany ho mpifatotr’i Jesosy Kristy, raha ny marina. Tsy miresaka amin’i Filemona fotsiny izy, fa koa amin’ny fiangonana eo an-toerana izay misy io rahalahy io (and 1-3). Resahin’ny apostoly aloha ny fanekeny ireo toetra tsara kristiana asehon’i Filemona, ary isaorany an’Andriamanitra izany (and 4-7).

Izao i Paoly dia tonga eo amin’ny anton’ny taratasiny, izany hoe manolotra an’i Onesimosy amin’i Filemona. Ataony am-panetrentena lehibe izany. Tsy manampatra ny fahefana maha apostoly azy izy, fa miezaka mikasika ny fon’i Filemona, amina zava-maro fantany fa mety hanohina azy (and 8-9). Ampahafantariny azy aloha ny fiovana lehibe teo amin’i Onesimosy : i Paoly no “niteraka” azy teo amin’ny fifatorany  —niova fo i Onesimosy noho ny asa nataon’i Paoly—, ary ankehitriny izy dia mahasoa, araka ny dikan’ny anarany (and 10).

Tian’i Paoly tokoa ny hitazona azy eo akaikiny, kanefa anjaran’i Filemona ny manapaka ny momba izany an-kalalahana (and 11-14).

Andriamanitra, Izay mahay mamoaka ny tsara avy ao amin’ny ratsy, dia namela an’i Onesimosy hanjary mihoatra noho ny mpanompo, ho an’i Filemona, hanjary rahalahy (and 15-16). Izany no antony iangavian’i Paoly an’i Filemona mba handray an’i Onesimosy, na dia teo aza ny ratsy mety nataony taminy. Raha manana trosa aminy io mpanompony taloha io, dia vonona i Paoly ny handoa izany (and 17-19).

Ho faly tokoa i Paoly raha eken’i Filemona izany fangatahany izany (and 20) ! Matoky i Paoly fa izany no hitranga, ary manantena ihany koa izy mba ho afaka ny ho avy hiara-paly amin’izy ireo (and 21-22).

Faranan’ny apostoly ny taratasiny amin’ny fampitany ny fiarahabany manokana sy ny an’ireo izay miaraka aminy (and. 23-25).

Ity taratasy ity [izay angatahan’ny apostoly tombontsoa manokana ho an’i Onesimosy, izany hoe ny mba hanomezan’i Filemona ny fahafahana ho an’i Onesimosy, sy ny mba hiarahany manompo ny Tompo amin’i Filemona, amin’ny maha rahalahy ao amin’i Kristy azy] dia mampianatra fomba hahazoana rahalahy, sy fikarakarana mba hamahana ny olana eo amin’ny samy mpirahalahy.

LGEA