MAHATAKATRA

ny Epistily ho an’ny FILIPIANA

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1-     Fampidirana

2-     Votoatin’ny epistily

Toko 1 : Kristy, fiainana ho an’ny kristiana

Toko 2 : Kristy, modely ho an’ny kristiana

Toko 3 : Kristy, tanjon’ny kristiana

Toko 4 : Kristy, hery ho an’ny kristiana

3-     Andininy tsara ho fantatra

 

 

1-      Fampidirana

Filipy no tanàna voalohany tany Eoropa (tany Makedonia) nijanonan’ny apostoly Paoly andro vitsivitsy, nandritra ny diany faharoa nitoriany ny Filazantsara (Asan’ny Apostoly 16. 12-40). Nitondra vokatra ny asany. Roa farafahakeliny ny olona niova fo tamin’ny alalany : Lydia, ilay vehivavy mpivarotra lamba volomparasy, sy ny mpiambina ny fonja nanagadrana an’i Paoly noho izy nanafaka vehivavy iray nitoeran’ny demonia ! Taorianan’ny fandalovany tao amin’io tanàna io no nisy fiangonana niforona teo an-toerana.

Ny antony voalohany nanoratana ny epistily ho an’ny Filipiana, dia ny valinteny mampihetsi-po nasetrin’ny apostoly Paoly ny fitiavana nasehon’ny fiangonana tao Filipy taminy, tamin’ny nandefasan’izy ireo fanomezana ho azy hatrany amin’ny fonja nisy azy, tamin’ny alalan’i Epafrodita (4. 10-18). Narary mafy i Epafrodita nandritra ny fijanonany teo amin’i Paoly, nefa sitrana soa aman-tsara noho ny fahasoavan’Andriamanitra, ary asain’i Paoly miverina any Filipy, nampitondrainy taratasy fisaorana noho ilay fanomezana (2. 25-30).

Ity epistily ity dia mampivohitra ny fifankatiavana lehibe teo amin’i Paoly sy ny Filipiana. Lazain’i Paoly malalaka amin’izy ireo ny tahony momba azy ireo, mahakasika ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo sy ny fangatsiahan’ny sasany hanompo ny Tompo. Asehony ny tena fandeha kristiana : mitondra tena mendrika ny Filazantsaran’i Kristy.

 

 

2-      Votoatin’ny Epistily

 

Toko 1 : Kristy, fiainana ho an’ny kristiana

Aorianan’ny fiarahabana fohy ilazan’i Paoly ny tenany ho mpanompo (and 1-2), dia ampahafantariny ny Filipiana ny vavaka tsy mitsahatra ataony ho azy ireo, izay malalany, mba ho voaaro tsy hanan-tsiny izy ireo ary hihevitra izay tsaratsara kokoa hatrany (and 3-11).

Omeny toky izy ireo fa ny nanagadrana azy dia tsy sakana velively amin’ny fielezan’ny Filazantsara tsy akory, fa vao mainka aza mampiseho ampahibemaso  fa ao amin’i Kristy ny fifatorany, hany ka maro ireo mpino no manjary marisika hitory ny Filazantsara (and 12-14). Nisy ihany olona maloto saina nitory ny Filazantsara mba hanisiany ratsy an’i Paoly, satria nihevitra fa hanampy trotraka ny fahavoazany izany ; nefa dia nifaly i Paoly satria niely ny Filazantsara (and 15-18) ka na inona na inona manjo azy, dia homem-boninahitra ao amin’ny tenany i Kristy (and 19-20). Ho an’ny apostoly, raha mbola eto an-tany izy, dia Kristy no fiainany ; ary raha ho faty izy, dia hiaraka amin’i Kristy, ary tsaratsara kokoa izany (and 21-23). Hitany anefa fa mahasoa kokoa ny hijanonany, mba hanompo ny Filipiana. Koa resahiny ny fifaliany manoloana ady sarotra, sy ny tsy fahazoany antoka momba ny hoavy [tsy fantany na ho faty izy na tsia], mba hitaomany azy ireo hanaraka ny diany (and 24-26). Ampirisihiny izy ireo hiray hina ao amin’ny ady ho an’ny Filazantsara, satria efa nomena azy ireo, noho ny fahasoavana, ny hiharam-pahoriana (and 27-30).

 

Toko 2 : Kristy, modely ho an’ny kristiana

Resahin’i Paoly ny tsy firaisan-tsaina eo amin’ny Filipiana. Iangaviany izy ireo mba hanana fihevitra iray sy hijery ny mahasoa ny hafa, fa tsy ny tena (and 1-4). Mba hampahery azy ireo, dia asehony azy ireo i Kristy, Izay modely, nahafoy ny zavatra rehetra, nanetry tena hatramin’ny fahafatesana (and 5-8). Lalana fanetrentena toy izany no ankasitrahin’Andriamanitra ; izany no antony nanandratany an’i Kristy ambonin’ny zavatra rehetra (and 9-11).

Ampirisihina ny Filipiana hanana fanetrentena toy izany, maka an’i Kristy ho modely, mba tsy hivadihan’izy ireo amin’ny Tompo eo amin’ny fandeha maha kristiana, satria tsy eo anivon’izy ireo intsony i Paoly (and 12) ; Andriamanitra anefa hanampy azy ireo (and 13). Tokony ho tsy azo kianina izy ireo, mba hahatsara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona eo imason’izao tontolo izao (and 14-16). Amin’izay ny fanoloran’izy ireo tena ho amin’ny finoana dia ho fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra (Romana 12. 1), izay hampian’ny sorona ataon’i Paoly, ho fifalian’Andriamanitra.  Koa ampirisihin’i Paoly ny Filipiana mba hifaly noho izany, toy ny ifaliany koa (and 17-18).

Tsy afaka nankany amin’izy ireo i Paoly, ary nikasa ny haniraka an’i Timoty, izay isan’ireo  olona vitsy nitovy saina taminy amin’ny fiahiana ny Filipiana (and 19-24). Saingy i Epafrodita no nofidiny hitondra ity taratasy ity, satria izy dia mpiara-miasa aminy, vao narary mafy tsy ela izay ; amin’izay ny Filipiana, izay nalahelo mafy nahare izany faharariany izany, dia ho afaka hifaly mahita io rahalahiny io sitrana, ary Epafrodita ihany koa hahatsapa ny fampiononan’ny Filipiana (and 25-30).

 

Toko 3 : Kristy, tanjon’ny kristiana

Mampitandrina ny Filipiana i Paoly amin’ireo mpiasa ratsy mifikitra amin’ny fivavahana jiosy, izay nitady hamora azy ireo, ary ampahatsahiviny azy fa ny famorana antsika (izany hoe ny fanilihana ny nofo) dia ara-toe-panahy (and 1-3). Amin’izany dia mampitandrina azy ireo ny apostoly momba ny fanarahan-dalàna ara-bakiteny fanaon’ny fivavahana jiosy, ary porofoiny amin’izy ireo fa izy tenany dia nahafoy ireo tombontsoany rehetra [izay heveriny ho taimboraka] amin’ny maha jiosy azy, mba hahazoany zavatra tsara lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy (and 4-14). Koa ampirisihiny ny Filipiana hanana toe-po toy izany (and 15-16).

Miangavy azy ireo i Paoly haka tahaka azy, satria maro amin’izy ireo no mikatsaka ny zavatry ny tany (and 17-19) ; koa ampahatsahiviny fa mponin’ny lanitra isika, ary hiditra any tsy ho ela, rehefa avy ovain’ny herin’i Kristy. Dia asehony amin’izany ny maha samy hafa ny tena mponin’ny lanitra [ireo izay miandry ny fiverenan’i Kristy] sy ireo mihambo ho kristiana, izay fahavalon’ny hazofijaliana (and 20-21).

 

Toko 4 : Kristy, hery ho an’ny kristiana

Am-pitiavana no ampirisihan’i Paoly anabavy roa (Eodia et Syntyke) izay tsy nifankahazo, « mba hiray saina ao amin’ny Tompo » (and 1-3). Ampahatsahiviny amin’ny Filipiana ny maha zava-dehibe ny vavaka, mba hahazoana ny fiadanan’Andriamanitra (and 4-7), ary ampirisihiny izy ireo mba hifantoka amin’izay zavatra ankasitrahin’Andriamanitra (and 8-9).

Misaotra eram-po ireo rahalahy sy anabaviny i Paoly noho ny fanomezana nataon’izy ireo, na dia ho afaka tsy nila izany aza izy, satria mitoky amin’ny Tompo (and 10-14). Efa nandalo fahantrana tanteraka izy, hatramin’ny hoe tsy nanan-kohanina aza, nefa nilainy ireny hianarany lesona. Ilay fanomezana noraisiny dia nankasitrahin’Andriamanitra, alohan’ny zavatra rehetra, ary vokatry ny fahasoavana ao amin’izy ireo (and 15-19). Manaraka izany ireo fanaovam-beloma, izay nampiseho fa avy any Roma izy no nanoratra (and 21-23).

 

 

3-      Andininy tsara ho fantatra

 

« Fa Kristy no anton’ny ahavelomako » (1. 21)

« Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy » (1. 27).

« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa » (2. 5).

« Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana » (2. 13).

« Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa, noho ny amin’i Kristy » (3. 7).

«  Ary mba ho hita ao aminy (ao amin’i Kristy) aho... mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany » (3. 9-10).

« Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy » (3. 13-14)

« Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra » (3. 20).

« Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo » (4. 4).

« Fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy » (4. 6-7).

« Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy » (4. 13).

 

 

LGEA