MAHATAKATRA

ny Epistily ho an’ny Efesiana

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1-     Fampidirana

2-     Soridrafitry ny epistily

2.1- Toko 1 hatramin’ny 3 : Ny fihevitr’Andriamanitra hatrizay hatrizay, tanteraka ao amin’i Kristy

2.2- Toko 4 hatramin’ny 6 : Fandeha mendrika ny toerana misy ny mpino

3-     Andininy tsara ho fantatra

 

1       Fampidirana

 

Raha niverina ho any Jerosalema i Paoly, nandritra ny diany faharoa nitoriany Filazantsara, dia fotoana fohy ihany no nijanonany tao Efesosy (Asan’ny Apostoly 18. 19-21). Tsy ela izy dia niverina tany, tamin’ny fiandohan’ny diany fahatelo, ary nijanona tany roa taona mahery kely teo (Asan’ny Apostoly 19). Mahatalanjona tokoa ny herin’ny asa fanompoany (Asan’ny Apostoly 19. 11-12), ary nisy vokatsoa betsaka (and 17-20), hany ka nahatonga  fanoherana be (and 23-41). Nony niverina avy tamin’io diany io ny apostoly, dia nanapa-kevitra ny tsy hijanona tao Efesosy, mba tsy ho taraiky. Na izany aza anefa, dia nihaona tamin’ireo loholon’ny fiangonana tonga nitsena azy tao Mileto izy, 40 km avy ao Efesosy, ary nanao veloma azy ireo tamina lahateny manetriketrika. Tatỳ aoriana izy dia nogadraina tany Roma, ary tany no nanoratany ho azy ireo ity epistily mahavariana ity, izay anazavany ny zava-miafina nambaran’Andriamanitra taminy.

 

 

2       Soridrafitry ny epistily

   2.1- Toko 1 hatramin’ny 3 : Ny fihevitr’Andriamanitra hatrizay hatrizay, tanteraka tao amin’i Kristy

Ao amin’ireo toko telo voalohany ireo, dia asehon’i Paoly ny fivelatry ny fikasan’Andriamanitra momba ny Fiangonana, izay tenan’i Kristy sy vadiny, ary tranon’Andriamanitra.

 

Toko 1- Fiarahabana fohy (and 1-2) sy fiderana (and 3) aloha no ataon’i Paoly ; ary avy eo asehony ny drafitra efa nomanin’Andriamanitra talohan’ny namoronana izao tontolo izao : nofidiny tao amin’i Kristy isika ; notendreny ho Azy isika, mba hatsangany ho zanaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; nohasoaviny isika ao amin’i Kristy, Izay mpanatanteraka ny fikasany (and 4-7). Noho ny fahasoavany, dia navelan’Andriamanitra ho fantatsika ny zava-miafina (= ny tsiambaratelo) izay nafenina hatreto, ary Kristy no ivon’izany : hangonina ho iray ao aminy ny zavatra rehetra (= ho eo ambany fahefany), amin’ny Fanjakana arivo taona, ary satria isika ao aminy, dia hiara-mandova aminy isika  (and 8-12). Efa ananantsika ny antoka amin’izany, satria isika efa nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, Izay santatr’io lova io (and 13-14).

 

Koa ny vavaka ataon’ny apostoly dia ny mba hahafantaran’ny Efesiana tokoa, amin’ny fo, izany zavatra rehetra izany, sy hahatsapany ny hery avelatr’Andriamanitra ho azy ireo (and 15-19). Io hery io dia toy ilay naseho tamin’ny nananganana an’i Kristy ho velona indray, sy nametrahana Azy eo ankavanan’Andriamanitra, ary nanomezana Azy ho lohan’ny Fiangonana (= lehiben’ny Fiangonana), izay tenany, mba ho Izy no Lohany amin’ny zavatra rehetra (and 20-23).

 

Toko 2- Satria nomanina ho amina voninahitra toy izany isika, dia mety hieboebo. Koa ampahatsahivin’i Paoly antsika ny toetrantsika taloha : maty tao amin’ny fahotantsika. Ary soritany tsara fa Andriamanitra irery no nanao ny asa rehetra tao anatintsika, mba hahatongavantsika amin’ilay toerana hoe “ao amin’i Kristy Jesosy” (and 1-10). Ambonin’izany, satria isika tsy Jiosy, dia tsy nanan-jo na inona na inona amin’ireo teny fampanantenana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ny taranany (and 11-12). Nefa dia nampanakekezina isika, ary nakambana ho iray tamin’ny vahoakan’Andriamanitra (ireo Jiosy voafora), noho ny ran’i Kristy. Tamin’ny asa notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana no nampihavanan’i Kristy ny Jiosy tamin’ny jentilisa, ary nampihavanany ny Jiosy sy ny jentilisa tamin’Andriamanitra ; ary nakambany ho vatana iray izy ireo (and 13-16). Kristy no tonga hanambara tamintsika ny vaovao mahafaly manambara ny fihavanana amin’Andriamanitra, ary ny Fanahy no niasa tao anatintsika (and 17-18). Koa eo ambonin’ny fanorenana  —izay i Kristy—  isika no miaraka aorina, andaniny, ho tempoly masina eo an-dalam-pitomboana, ary ankilany, ho tranon’Andriamanitra izay efa onenany sahady  amin’ny Fanahiny (and 19-22).

 

Toko 3- Dia hazavain’i Paoly fa nanana andraikitra manokana izy hampahafantatra io zava-miafina momba ny Fiangonana io (and 1-5), izay zavatra tena vaovao miohatra amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely araka ny Testamenta Taloha. Ny Fiangonana dia voarafitr’ireo Jiosy sy jentilisa rehetra nino ny Filazantsara nasaina notorin’i Paoly. Amin’ny alalan’ny Fiangonana no ampahafantaran’Andriamanitra amin’ny mpino ny harenan’i Kristy tsy hita lany, ary amin’ny anjely ny maha maro samihafa ny fahendren’Andriamanitra (and 6-11). Ny vokatr’izany ho an’i Paoly dia fahoriana maro mety ho loharanom-pahakiviana ; koa manoloana izany dia niantehitra tamin’ny Tompo izy, momba ny tenany, ary ny Efesiana kosa dia nampahereziny (and 12-13). Ivon’ny vavaka nataony ny Efesiana ; nangataka izy mba hampaherezina izy ireo sady ho afaka hahatakatra ny halehibe sy fidadasiky ny drafitr’Andriamanitra sy izay momba Azy, ary hahafantatra ny fitiavan’i Kristy, mba hahatonga azy ireo ho fenon’izany (and 14-19). Antsam-piderana no amaranan’i Paoly io toko io (and 20-21).

 

2.2- Toko 4 hatramin’ny 6 : Fandeha mendrika ny toerana misy ny mpino

Toko 4- Mampirisika antsika i Paoly mba handeha mendrika io antso feno voninahitra io, ho fitaratra maneho ny toetran’ny Tompontsika  —fanetrentena, fahalemem-panahy, fitandrovana fihavanana—, ary hiara-maneho fa vatana iray isika (and 1-6). Ao amin’io tena io dia tokony hitana ny toerana nankinina taminy ny tsirairay, satria fantatsika fa Kristy no mizara ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny tsirairay, ho fampandrosoana ny tena (and 8-12). Ny firindran’ny fitomboan’io vatana io, izay manana an’i Kristy ho lohany, dia miankina amin’ny  fandrosoan’ny olona masina tsirairay ho lavorary kokoa ; ary ny tanjon’izany dia tsy inona fa ny hahatratra ny haavon’i Kristy mihitsy (and 13-16). Tsy maintsy ialantsika tanteraka ny fandehantsika taloha, izay maka tahaka izao tontolo izao (and 17-19), araka ny toetrantsika ara-nofo (and 20-24). Mba hahatratrarana fahalavorariana toy izany, hatramin’ny ho tonga mpaka tahaka an’Andriamanitra mihitsy, dia tsy ampy ny hoe afoy ireo fahotana mibaribary, fa tsy maintsy afoy ihany koa na izay heverintsika ho tsy dia misy dikany aza (and 25-32). Raha fintinina, dia tokony haka tahaka an’i Kristy isika, Kristy Izay nanafoana ny tenany mihitsy noho ny fitiavany antsika, ho voninahitr’Andriamanitra (5. 1-2).

 

Toko 5- Lehibe aoka izany ny fahamasinana takian’ny fanatrehan’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana, hany ka ny faharatsiana, na izay kely indrindra aza, dia tsy tokony ho hita ao mihitsy, ary mihoatra noho izany aza, tsy tokony hotononina akory ; ambonin’izany, tokony hisaraka tanteraka amin’ny faharatsiana isika, ary hanakiana izany mihitsy aza, toy ny jiro mampibaribary ny zavatra rehetra (and 3-14). Ankilan’izany, tokony handeha am-pahendrena isika, mahatakatra ny sitrapon’ny Tompo, mandeha amin’ny Fanahy, amin’ny fahatahorana an’i Kristy, Ilay Lohan’ny tena (and 15-21).  —Kristy, Izay nitia antsika ka nanolotra ny tenany hamonjy antsika, dia mikarakara ny Fiangonany. Sarobidy loatra ny Fiangonana, eo imason’Andriamanitra, hany ka ampirisihina isika hampiseho taratr’izany hatrany amin’ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana. Araka izany, ny vehivavy dia tokony hanaiky ny vadiny, toy ny Fiangonana manaiky an’i Kristy, ary ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny, araka ny ohatra omen’i Kristy mitia ny Fiangonany (and 22-33). Ny maha iray ny mpivady dia efa niseho tamin’ny lamina napetrak’Andriamanitra tao amin’ny fahariana.

 

Toko 6- Ao an-tokantranon’ny mpino, ny ankizy dia tokony hampiseho ny toetran’i Kristy, amin’ny fankatoavany ny ray aman-dreniny ; izy ireo kosa dia hampiseho izany, amin’ny fikarakarana feno fitiavana ataony amin’ny zanany (and 1-4). Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fanekena ireo lehibe sy ny fikarakaran’izy ireo rehefa mpino izy, dia tokony hampiseho koa taratra kely momba io toetra io (and 5-9).

Farany, ny tontolo misy antsika dia hetsehin’ireo fahefana ratsy eny amin’ny rivotra, tsy azo ihodivirana ny ady amin’izy ireo, koa tsy maintsy tafiantsika avokoa ny fiadian’Andriamanitra. Izany ady izany dia tsy amina olona velona eto an-tany, fa amina anjely lavo, ireo fanahy ratsy tarihin’i Satana, izay mitady ny hisarika antsika sy hampanota antsika. Koa satria Satana te hanakana antsika tsy hisitraka ny fitahiana rehetra ara-panahy [izay lazaina amin’ny antsipiriany ao amin’ny toko 1 : fihavanana amin’Andriamanitra, famelan-keloka, fifandraisana Ray sy zanaka, fiainana mandrakizay, ny Fanahy ao anatintsika, voninahitra ho avy...] efa azon’ny Tompo ho antsika, dia tsy maintsy “manohitra” ny “fanagolen’” ny devoly (hafetsena, famitahana) isika, ary “mifahatra”. Ahoana no hahavitana izany ? Mitafy ny fiadiana rehetra omen’Andriamanitra  —izay ireto avy :

  •      Ny fahamarinana eo amin’ny valahana : izany no hery omen’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra —tamin’izany no nandresen’i Jesosy tany an-taniefitra ;

  •      Ny rariny ho fiarovan-tratra : fitondrantena tsy misy hokianina, tsy misy fahalemena eo anoloan’ny olona. Izany hoe, tsy fisiana fahotana eo amin’ny fitondrantenantsika manontolo, midika ho fahamarinana “iainana” eo anoloan’ny olona. —Koa aoka isika hiezaka “mba hanana fieritreretana tsy manameloka ... na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva” (Asan’ny Apostoly 24. 16) !

  •      Ny filazantsaran’ny fihavanana ho kiraro : miasa am-piadanana, izany hoe mampiseho amin’ny fandehantsika fa manana fiadanana isika ao anatintsika, manana fihavanana amin’ny namantsika, ary manambara izany manodidina antsika isika ;

  •      Ny finoana ho ampinga : fahatokisana tanteraka ny maha Izy Azy an’Andriamanitra, sy izay lazainy ;

  •      Ny famonjena ho fiarovan-doha : ny faharesen-dahatra tanteraka fa ny famonjena nomen’Andriamanitra antsika maimaimpoana dia hazonina ho antsika mandrakizay —“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 13).

 

Rehefa mitafy izany isika ka voaaro, dia ho afaka hanohitra ka handresy, manana ny sabatry ny Fanahy [ny Tenin’Andriamanitra, izay ampiasaina indrindra ho fiarovana eto, mba hanoherana ny fanafihan’ny fahavalo, toy ny nataon’ny Tompo Jesosy tamin’ny nakana fanahy Azy tany an-taniefitra] sy ny vavaka [vavaka sy fangatahana isan-karazany] (and 10-18). Farany, miantehitra amin’ny vavaka ataon’ny olona masina i Paoly momba ny fanompoany (and 19-20), ary mampiseho amin’izy ireo ny fikarakarana nataony tam-pitiavana, alohan’ny hanaovany veloma azy ireo (and 21-24).

 

3       Andininy tsara ho fantatra

« ... ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao » (1. 4)

« ... ny fiangonana, izay tenany » (1. 22-23)

« Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra » (2. 8)

« Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo, ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy » (2. 22)

« … mba hampahafantarina ... amin’izao ankehitriny izao ny maha maro samihafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny fiangonana » (3. 10)

« ...  ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy » (3. 21)

« mangataka aminareo [aho] mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo » (4. 1)

« aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo » (5. 1)

« … toy ny nitavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ... hamonjy antsika » (5. 2)

« ... tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy » (5. 25)

« Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra » (6. 11).

 

LGEA