MAHATAKATRA

ny bokin’ny Asan’ny Apostoly

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny boky

Toko 1 — Fampanantenana ny fiavian’ny Fanahy Masina ; nasandratra ho any an-danitra Jesosy ; fivoriam-bavaka tao amin’ny efitrano ambony ; Matia no voafidy hisolo an’i Jodasy

Toko 2 — Pentekosta : nidina avy any an-danitra ny Fanahy Masina ; toritenin’i Petera miantso fibebahana ; ny fiangonana kristiana voalohany

Toko 3 — Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Petera, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy ; toritenin’i Petera, mbola miantso fibebahana ihany

Toko 4 — Petera sy Jaona niatrika ny Synedriona ; noraran’ny mpitondra fivavahana jiosy ny apostoly tsy hiteny ; mivavaka ny fiangonana kristiana

Toko 5 — Nandainga tamin’ny Fanahy  Masina i Ananiasy sy Safira ; fahagagana maro ; nogadraina ireo apostoly ary nafahan’ny anjely ; niatrika ny Synedriona indray ireo apostoly ; mbola noraran’ny mpitondra fivavahana jiosy indray ny apostoly tsy hiteny — torohevitr’i Gamaliela

Toko 6 — Fimonomononana tao amin’ny fiangonana kristiana — lehilahy fito no nofidina hanompo ; nampangaina ho niteny ratsy an’Andriamanitra i Stefana

Toko 7 — Lahatenin’i Stefana ; famonoana an’i Stefana —maritiora voalohany

Toko 8 — Fanenjehana ny fiangonana kristiana ; notorina tamin’ny Samaritana ny Filazantsara ; fanamelohana an’i Simona mpano ody (majia) ; nanaiky an’i Jesosy ho Kristy ny tandapan’ny mpanjakavavin’i Etiopia ary natao batisa

Toko 9 — Fiovam-pon’i Saoly/Paoly teny an-dalana mankany Damaskosy : nanaiky an’i Jesosy ho Kristy izy ary natao batisa ; natsangana tamin’ny maty i Dorkasy

Toko 10 — Fiovam-pon’i Kornelio ; mpino ivelan’ny Israely nandray koa ny Fanahy Masina, ary natao batisa

Toko 11 — Niely hatraiza hatraiza ny Filazantsara, tamin’ny alalan’ny olona rehetra ; tany Jerosalema, nanazava ny fihetsiny teo anivon’ireo tsy Jiosy i Petera

Toko 12 — Fanenjehana nataon’i Heroda — novonoina i Jakoba ; natao an-tranomaizina i Petera ary afaka tamin’ny fomba mahagaga ; nokapohin’Andriamanitra ho faty i Heroda

Toko 13 — Barnabasy sy Paoly natokan’ny Fanahy Masina ; niantomboka ny dia voalohany nataon’ i Paoly hitoriana ny Filazantsara

Toko 14 — Nitohy ny dia voalohany nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : Paoly sy Barnabasy tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe ; fanoherana — notoraham-bato i Paoly

Toko 15 —Konsily tao Jerosalema : adihevitra hanapahana raha tokony hanaraka ny lalàna jiosy ireo tsy Jiosy niova ho kristiana, raha tokony hoforaina izy ireo ; fanapahan-kevitry ny fivoriana : tsy eo ambanin’ny Lalànan’i Mosesy ny kristiana tsy Jiosy ; fanapahan-kevitra nampitaina tamin’ireo fiangonana kristiana ; niantomboka ny dia faharoa nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : Paoly sy Silasy tany Syria sy Kilikia, Barnabasy sy Marka tany Kyprosy

Toko 16 — Nitohy ny dia faharoa nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : tonga niaraka tamin’i Paoly sy Silasy  i Timoty ; Lydia, vehivavy voalohany niova fo tany Eoropa ; Paoly sy Silasy nokapohina ary natao an-tranomaizina ; niova fo ilay mpiandry fonja ; navoaka i Paoly sy Silasy

Toko 17 — Paoly sy Silasy tany Tesalonika ; nisy Jiosy nialona, nampitabataba ny vahoaka ; tany Beria i Paoly sy Silasy ; Paoly irery no tany Atena —lahatenin’i Paoly teo afovoan’ny Areopago

Toko 18 — Paoly tany Korinto ; nanomboka ny dia fahatelo nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara

Toko 19 — Nitohy ny dia fahatelo nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara  — Paoly tany Efesosy ; hotakotaka tany Efesosy

Toko 20 — Paoly tany Makedonia sy Grisia ; ny fanaovam-beloma nataon’ny apostoly Paoly tamin’ireo loholona tao Efesosy

Toko 21 — Nankany Jerosalema i Paoly — fampitandremana nandritra ny dia nankany Jerosalema ; tao Jerosalema, nanaraka izay takian’ny Lalàna i Paoly ; nosamborina tao amin’ny Tempoly i Paoly — niditra an-tsehatra ny miaramila romana

Toko 22 — Afaka tamin’ny fampijalijaliana i Paoly,  satria mizaka ny zo maha romana ; natao am-ponja i Paoly

Toko 23 — Niatrika ny synedriona i Paoly ; teti-dratsy hamonoana an’i Paoly

Toko 24 — Niatrika ny governora Feliksa i Paoly

Toko 25 — Paoly, manoloana an’i Festo, nangataka hotsarain’i Kaisara

Toko 26 — Paoly manoloana an’i Agripa ; fiafaran’ilay fitsarana : tsy maintsy mankany Roma i Paoly

Toko 27 — Dia nankany Roma ; rendrika ny sambo

Toko 28 — Noraisina tao Melita ireo vaky sambo ; fanasitranana ny rain’i Poplio ; fahatongavan’i Paoly tany Roma ; Paoly nijoro ho vavolombelona tamin’ireo Jiosy tao Roma ; Paoly, gadra tany Roma, dia nitory ny Filazantsara tsy nisy sakantsakana

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

 

 


 

 

1 Fampidirana

Nambaran’ny Tompo tamin’i Petera fa hanorina ny fiangonany (ny Eglizy) Izy (Matio 16. 18). Ity boky ity dia mampiseho amintsika ny fiandohan’izany sy ny fitombony nandritra ny taonjato voalohany, na dia nifofotra mafy sy tsy an-kiato aza ny fahavalo hanakanana izany. Mazava fa io asa io dia asan’ny Fanahy Masina, tamin’ny alalan’ny apostoly. Petera, izay nanankinana ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra  (Matio 16. 19), no apostoly voafidy hanokatra ny varavarana ho an’ny Jiosy, ny Samaritana, ary avy eo, ireo firenena hafa (Asan’ny Apostoly 1. 8). Hitantsika izy miasa hatreo amin’ny toko 12. Paoly, izay hanambarana ny zava-miafina momba ny Eglizy, no handimby azy mba hanitatra ny asa ho eny amin’ny jentilisa.

 

2 Votoatin’ny boky

Toko 1 — Fampanantenana ny fiavian’ny Fanahy Masina ; nasandratra ho any an-danitra Jesosy ; fivoriam-bavaka tao amin’ny efitrano ambony ; Matia no voafidy hisolo an’i Jodasy

Mba hampibaribary fa ny Tompo no tompon’antoky ny fanorenana ny Egliziny, dia averin’i Lioka, izay nanoratra ity boky ity (and 1 ; jereo Lioka 1. 3), ny ampahany roa farany ao amin’ny filazantsara nosoratany  (24. 36-53), izay ahitantsika ireo baiko farany napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany, fony Izy efa nitsangana tamin’ny maty ary talohan’ny hiakarany ho any an-danitra. Ny mpianatra dia tokony hiandry ny « teny fikasan’ny Ray », izany hoe ny Fanahy Masina (and 1-5), ary avy eo hijoro ho vavolombelon’ny Tompo « hatramin’ny faran’ny tany », noho ny herin’ny Fanahy Masina (and 6-8). Rehefa avy nahita ny Tompo nakarina niala teto an-tany ho any an-danitra ny mpianatra, ary nahare ireo anjely nanome toky azy ireo  fa hiverina indray ny Tompo (and 10-11), dia niverina nankany an-trano ambony ary nivavaka, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny teny fikasana (and 12-14). Petera, izay nahatakatra ny Soratra Masina, dia nampiseho fa tokony hosoloina i Jodasy (and 15-22), ary niankina tamin’ny Tompo izy ireo hahatanteraka izany (and 23-26).

 

Toko 2 — Pentekosta : nidina avy any an-danitra ny Fanahy Masina ; toritenin’i Petera miantso fibebahana ; ny fiangonana kristiana voalohany

Tanteraka ny teny fampanantenan’ny Ray : niara-natao batisa tamin’ny Fanahy Masina ny mpianatra (and 1-2) : izao izy ireo dia mandrafitra ny Fiangonana, na Eglizy (jereo Efesiana 2. 22). Miasa ao amin’ny tsirairay ihany koa ny Fanahy Masina (and 3-4). Io tranga manetriketrika io dia naseho tamin’ireo Jiosy marobe avy any am-pielezana izay nanatrika teo, tamin’ny fetin’ny Pentekosta jiosy : samy nahare tamin’ny fiteniny avy « ny asa lehibe ataon’Andriamanitra » izy ireo (and 5-13). Nambaran’i Petera tamin’izy ireo fa izany zava-mahagaga izany dia fahatanterahana faminaniana iray nataon’i Joela (and 14-21 ; Joela 3. 1-5). Io fahagagana io dia noho ny herin’ny Fanahy Masina nalefan’Ilay nohomboan’izy ireo, Izay efa nitsangana tamin’ny maty ankehitriny ary nomem-boninahitra eo an-kavanan’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Salamo 16 sy 110 (and 22-36). Miantso azy ireo hibebaka i Petera, mba handraisan’izy ireo koa ny Fanahy Masina (and 37-41). Nahatonga olona 3000 hiova fo io antso mba hibebahana io (2. 37-41). Ny fiafaran’io toko io dia topimaso amin’ny fiainan’ireo mpino voalohany ireo, tsirairay sy miaraka, fiainana nanome voninahitra tanteraka an’Andriamanitra (and 42-47).

 

 

Toko 3 — Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Petera, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy ; toritenin’i Petera, mbola miantso fibebahana ihany

Raha niakatra ho any amin’ny Tempoly i Petera, ka tsy mbola tena nazava ny fisarahana tamin’ny fivavahana jiosy, dia nanatanteraka fahagagana vokatry ny fahasoavana izy, toy ny ho nataon’ny Mpampianatra azy (and 1-11). Nohararaotiny izany hanambarana tamin’ny vahoaka vavolombelon’izany zavatra izany, fa ny herin’Ilay nohomboan’izy ireo nefa nitsangana tamin’ny maty no nahatonga io fahagagana io (and 12-18). Mampirisika azy ireo hibebaka i Petera [mba ho voafafa ny fahotan’izy ireo], ka mba ho afaka hametraka ny fanjakany eto an-tany ny Mesia (and 19-26).

 

Toko 4 — Petera sy Jaona niatrika ny Synedriona ; noraran’ny mpitondra fivavahana jiosy ny apostoly tsy hiteny ; mivavaka ny fiangonana kristiana

Tsy nanaraka izany antso ho fibebahana izany anefa ireo mpitarika fivavahana, fa nampisambotra ireo apostoly ary nitondra azy ireo teo anoloan’ny tribonaliny (and 1-7). Ilay fijoroana ho vavolombelona teo aloha ihany no naverin’i Petera teo anoloan’ireo mpitondra ara-pivavahana ireo, ary nambarany fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra, hahazoana famonjena. Natahotra ny ho very laza ireo mpitondra ireo, ka nandrara ny apostoly « tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy », nefa nilaza ny apostoly fa tsy azony  atao izany (and 8-22). Navotsotra izy ireo ka afaka nankany amin’ireo mpino sasany, nidera an’Andriamanitra sy nangataka fahasahiana hitory ny Teny (and 23-31). Ny andininy 32 hatramin’ny 37 dia mampiseho tsara ny fitahiana entin’ny fivavahana kristiana, izay ezahin’ny fahavalo hofongorina : fo iray sy fanahy iray ireo mpino, ary iainany izany amin’ny fanampiana omena ireo rehetra mila izany. Io fomba fanoloran-tena io dia efa fiainana sahady ny foto-pampianarana momba ny maha iray ny tenan’i Kristy, izay hohazavaina sy hambara any aoriana any.

 

Toko 5 — Nandainga tamin’ny Fanahy  Masina i Ananiasy sy Safira ; fahagagana maro ; nogadraina ireo apostoly ary nafahan’ny anjely ; niatrika ny Synedriona indray ireo apostoly ; mbola noraran’ny mpitondra fivavahana jiosy indray ny apostoly tsy hiteny — torohevitr’i Gamaliela

Taorianan’io fanafihana voalohany io, izay fandrahonana, natao tamin’ny asa vaovaon’ny Fanahy Masina, dia niezaka hanimba ny Fiangonana avy ao anatiny i Satana ; nahariharin’ny Fanahy Masina ny lainga ary nofaizina mafy (and 1-5a) toy ny ota mahafaty (1 Jaona 5. 16). Koa nisy fahatahorana masina ny Anaran’ny Tompo, nahazo ny olona rehetra (and 5b-11). Izany fanafihana izany nefa tsy mahasakana ny fahasoavana tsy hiasa aman-kery, amin’ny alalan’ny apostoly (and 12-16). Manao herisetra amin’izay izao ny fahavalo, mba hampangina ny apostoly : nogadraina izy ireo. Saingy nafahan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny anjely izy ireo, mba hanohy ny fitoriany teny (and 17-21). Kepoka ireo mpitondra ara-pivavahana, nefa tsy nanaiky ho resy, ary nanohitra i Petera ka mbola niantso azy ireo ihany hibebaka (and 22-32). Navelan’Andriamanitra ho afaka teo am-pelatanan’izy ireo ny apostoly, noho ny fahendren’ny mpitondra iray, Gamaliela (and 33-40), ka afaka nitohy ny asa (and 33-42).

 

Toko 6 — Fimonomononana tao amin’ny fiangonana kristiana — lehilahy fito no nofidina hanompo ; nampangaina ho niteny ratsy an’Andriamanitra i Stefana

Nisy fanafihana nipoitra avy ao anatiny indray, tamin’ny fimonomononana momba ny fanampiana ny mpitondratena. Hovahan’ny apostoly io olana io, amin’ny fametrahana mpanompo  —ny diakona—  misahana ny zavatra momba ny nofo, mba tsy ho sakana amin’ny fitoriana ny Teny (and 1-4). Nankinina tamin’ny olombelona ny fifidianana ireo mpanompo, fa tsy toy ny fanomezam-pahasoavana, izay omen’ny Fanahy Masina (and 5-7) ; nefa marihina fa na dia ho an’ny fitantanana ny zavatra momba ny nofo aza, dia takiana ny hananana fitondrantena tsara sy ny haha fenon’ny Fanahy Masina. Stefana dia porofo fa ireo izay manompo tsara dia mahazo toerana tsara ho an’ny tenany sy fahasahiana be amin’ny finoana (1 Timoty 3. 13). Ny fijoroan’i Stefana amin-kery ho vavolombelona dia nitarika fanoherana feno herisetra, ary notaritina ho any amin’ny tribonaly koa izy (and 8-15).

 

Toko 7 — Lahatenin’i Stefana ; famonoana an’i Stefana —maritiora voalohany

Ho setrin’ireo fiampangana azy (6. 11, 13), dia nasehon’i Stefana ny tantaran’ny firenena, nanomboka tamin’i Abrahama mandra-panamboatra ny Tempoly. Tsindriany ny tsy fivadihan’Andriamanitra tamin’ny vahoaka, na dia tsy nino sy mpikomy aza izy ireo, nandà ireo rehetra nirahin’Andriamanitra ho any amin’izy ireo (and 1-50). Dia notsiniany mafy ireo mpiampanga azy, ho mpikomy toy ireo razambeny ka namono ny Kristy ho faty (and 51-56). Feno fankahalana tsy misy indrafo ireo mpitondra ara-pivavahana ka namono an’i Stefana, izay fenon’ny Fanahy ka nibanjina ny Tompo tany an-danitra ary naka tahaka Azy mandra-pialan’ny fofonainy (and 54-60). Io tranga io, izay toy ny famerenana ny niseho teo amin’ny hazofijaliana, dia manamafy ny fanilihana ny Israely ary mampisaraka tanteraka ny fivavahana jiosy sy ny fivavahana kristiana.

 

Toko 8 — Fanenjehana ny fiangonana kristiana ; notorina tamin’ny Samaritana ny Filazantsara ; fanamelohana an’i Simona mpanao ody (mpanao majia) ; nanaiky an’i Jesosy ho Kristy ny tandapan’ny mpanjakavavin’i Etiopia ary natao batisa

Vao mainka niezaka i Satana hanohitra ny asan’Andriamanitra ; nenjehina ny fiangonana, nopotehina, naely (and 1-4). Saingy ny vokatry ny fanenjehana dia ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra ; izany dia notorina tamina vahoaka maro, tamin’olona mitokantokana (and 26), tamin’ny Samaritana (vahoaka mifangaroharo, hita ao amin’ny 2 Mpanjaka 17 ny fiandohany) izay nataon’ny Jiosy tsinontsinona, nefa nandray ny Teny tam-pifaliana (and 5-8). Tsy milavo lefona ny fahavalo, ary miezaka hampiditra olony iray ao amin’ny fiangonana, Simona mpanao ody (mpanao majia) (and 9-13). Tonga avy any Jerosalema i Petera sy Jaona nametraka ny tombo-kaseny, amin’ny fahefana maha apostoly azy ireo, tamin’izany asan’ny Fanahy Masina izany, ary naneho ny maha iray ny fiangonana. Nesorin’izy ireo ny saron-tavan’i Simona (and 14-25). Manohy mikoriana ihany ny fahasoavana, ary izao izy dia mahatratra jentilisa iray  —ilay tandapa Etiopiana no jentilisa sy Afrikana niova fo voalohany (and 26-40).

 

Toko 9 — Fiovam-pon’i Saoly/Paoly teny an-dalana mankany Damaskosy : nanaiky an’i Jesosy ho Kristy izy ary natao batisa ; natsangana tamin’ny maty i Dorkasy

Tsy nilavo lefona ny Fahavalo, ary mba hiezahana hanajanona ny fielezan’ny fivavahana kristiana (ny « Lalana »), dia nandefa iray tamin’ireo olony tena azo antoka izy (Saoly avy any Tarsosy) hankany Damaskosy, lavitra dia lavitra an’i Samaria (and 1-2). Nefa ny Tompo mihitsy no nandavo an’i Saoly tamin’ny tany ary naneho ny tenany taminy (and 3-6), mba hanaovany azy ho mpanompo tena mahatoky hampiely ny Anarany any amin’ny jentilisa rehetra (and 7-16). Niverina nahita indray i Saoly ary natao batisa. Teo no ho eo izy dia nitory fa Jesosy no Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra (and 17-22). Dia nitady haingana hamonoana an’i Saoly i Satana (and 23-25). Saingy nandositra nankany Jerosalema i Saoly, nanaporofo ny fiovany fo teo anoloan’ny apostoly, ka nalefan’izy ireo tany Tarsosy mba hiarovana azy (and 26-30).

Ny Tompo no miahy ireo fiangonana izay mandeha amin’ny fahatahorana ny Anarany, ary mihazona azy ireo hanam-piadanana (and 31). Petera kosa dia manohy manara-dia ny Tompo, ka manao fahagagana fanasitranana, anisan’izany ny fananganana an’i Dorkasy tamin’ny maty ; maro ireo fanahy voataona ho eo amin’ny Tompo (and 32-43).

 

Toko 10 — Fiovam-pon’i Kornelio ; mpino ivelan’ny Israely nandray koa ny Fanahy Masina, ary natao batisa

Ity toko ity dia kihon-dalana eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Hatreto ny asa dia natao tany Jodia sy Samaria, izao dia hipariaka any amin’ny firenena tsy jiosy. Hatreto tokoa mantsy dia vahoaka iray ihany, Israely, no nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra. Tamin’io vahoaka io Andriamanitra no naneho ny tenany, ary teo anivony no nitoerany. Izao Andriamanitra dia haneho ny tenany amin’ny firenena rehetra, ary honina ao amin’ny mpino sy eo anivon’izy ireo.  Mba hanatanterahan’ny Tompo io fiovana io, dia hampiasainy i Petera, izay efa nanankinany ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra. Nisy anjely nirahina tany Kaisaria, tany amin’i Kornelio  —kapiteny romana izay natahotra an’Andriamanitra—, nilaza taminy mba hanafatra an’i Petera (and 1-8). Tetsy ankilany kosa i Petera dia nahazo fahitana nampiseho mazava taminy fa tsy tokony horaisina ho maloto intsony ny jentilisa (and 9-16). Tamin’io fotoana io indrindra no tonga ireo irak’i Kornelio, ary azon’i Petera teo no ho teo fa tokony hanaraka azy ireo izy (and 17-24). Nony tonga tany Kaisaria izy ireo dia nifampitantara ny fahitana samy hitany avy (and 25-33) ; dia nambaran’i  Petera tao an-tranon’i Kornelio i Jesosy sy ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana (and 34-43). Dia tonga tamin’ireo rehetra nandre ny Teny ny Fanahy Masina, ka natao batisa izy ireo. Araka izany, dia nisokatra ho an’ny jentilisa ny varavarana (and 44-48).

 

Toko 11 — Niely hatraiza hatraiza ny Filazantsara, tamin’ny alalan’ny olona rehetra ; tany Jerosalema, nanazava ny fihetsiny teo anivon’ireo tsy Jiosy i Petera

Nony tafaverina tany Jerosalema i Petera dia niresaka tamin’ny Jiosy, izay mbola nihevitra hatrany fa maloto ny jentilisa ; nijoro ho vavolombelon’izay nataon’Andriamanitra izy ary nandresy lahatra azy ireo (and 1-18). Tsy tamin’ny alalan’ny apostoly ihany no niitaran’ny asa teo anivon’ny jentilisa, fa koa tamin’ny alalan’ireo olona izay niely patrana tany amina toerana niha lavitra kokoa hatrany, noho ny fanenjehana (and 19-21). Barnabasy, izay nirahin’ny fiangonana tao Jerosalema mba hijery izany asa tany Antiokia izany (any Torkia amin’izao fotoana izao), dia nifaly ary nahatakatra, noho ny Fanahy, fa Saoly no fitaovana tena tandrify hampianarana ireo mpino vaovao ireo ; nandeha naka azy tany Tarsosy izy (and 22-26) ; ary tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe kristiana.

Nisy mpaminany tany Jerosalema nanambara fa hisy mosary ; koa nanapa-kevitra ny tsirairay, araka izay ananany avy, mba handefa zavatra. Koa io mosary io dia tranga hahafahana maneho ny maha iray ny fiangonana sy ny fitiavana mampiray ny mpino, na Jiosy izy na jentilisa (and 27-30).

 

Toko 12 — Fanenjehana nataon’i Heroda — novonoina i Jakoba ; natao an-tranomaizina i Petera ary afaka tamin’ny fomba mahagaga ; nokapohin’Andriamanitra ho faty i Heroda

Nandrovi-tsihy ny fahavalo tao Jerosalema ka nanenjika fatratra ny apostoly. Nasain’ny mpanjaka Heroda novonoina i Jakoba ary nasainy nogadraina i Petera (and 1-4). Novalian’Andriamanitra ny vavaka nataon’ny fiangonana, ary nafahany tamin’ny fomba mahagaga i Petera (and 5-11), izay ho any amin’ireo mbola teo am-pivavahana, mba hampitony azy ireo (and 12-17). Izay no farany iresahana an’i Petera ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Notsarain’Andriamanitra kosa i Heroda, izay noraisin’ireo vahoaka tsy mino ho andriamanitra, ary namela azy ireo mihitsy aza hanolotra ho azy ny fitsaohana tokony ho an’Andriamanitra irery (and 18-23). Tsy misy na inona na inona afaka manakana ny asan’Andriamanitra tsy handroso (and 24-25).

 

Toko 13 — Barnabasy sy Paoly natokan’ny Fanahy Masina ; niantomboka ny dia voalohany nataon’ i Paoly hitoriana ny Filazantsara

Efa nampidirina tam-pomba ofisialy tao amin’ny Fiangonana kristiana izao ny jentilisa, ary nanaiky tanteraka ny asa tany Antiokia ny mpino tany Jerosalema ; koa nirahin’ny Fanahy Masina handeha lavitra ny apostoly Paoly, hanatanteraka ny fanompoana niantsoana azy, ary niombona tamin’ny fiangonana tao Antiokia (and 1-3). Ny nosy Kyprosy no dingana voalohany tamin’io dia voalohany nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara io. Notoherin’ny fahavalo izy, saingy niasa mahery ny Fanahy handrava izany fanoherana izany (and 4-12). Ny dingana manaraka dia Antiokia tany Pisidia, eo amin’ny kontinenta (afovoan’ny Torkia ankehitriny). Nitoriteny tamin’ny Jiosy aloha i Paoly (jereo Romana 1. 16), ary noraisin’izy ireo tsara (and 13-41). Ny herinandro manaraka anefa, ireo Jiosy ireo ihany no nanohitra an’i Paoly sy Barnabasy ka nandroaka azy ireo, satria nialona noho ny vahoaka tsy jiosy marobe tonga nihaino ny Tenin’Andriamanitra. Na izany aza, vita ny asa ary nahomby tanteraka : niely eran’ny tany ny Tenin’ny Tompo ary feno hafaliana sy fenon’ny Fanahy Masina ny mpianatra (and 42-52).

 

Toko 14 — Nitohy ny dia voalohany nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : Paoly sy Barnabasy tany Ikonioma sy Lystra ary Derbe ; fanoherana — notoraham-bato i Paoly

Nony tonga tany Ikonioma i Paoly sy Barnabasy, dia toy izany ihany ny zava-niseho : maro ireo niova fo, na teo amin’ny Jiosy na teo amin’ny Grika, saingy nanenjika ny apostoly kosa ireo Jiosy tsy nino, nanery azy ireo handositra tany amina tanàna hafa (and 1-7). Tany Lystra dia nanao fahagagana i Paoly  —nanasitrana lehilahy iray nalemy tongotra—, koa nataon’ny vahoaka tao ho andriamanitra i Paoly sy Barnabasy (and 8-18), fa nisy Jiosy kosa, avy any Antiokia sy Ikonioma, nampivadika ireo vahoaka ireo hanohitra ny apostoly ; dia notorahan’izy ireo vato i Paoly ary notaritariny nivoaka ny tanàna satria noheveriny fa maty, saingy natsangan’ny Tompo (and 18-19). Nankany Derbe ny apostoly, nitory ny Filazantsara tao amin’io tanàna io, ary nahazo mpianatra maromaro ; dia niverina tany Antiokia izay niaviany izy ireo. Niverenany nolalovana avokoa ireo tanàna nitoriany teny sy nitondrany ny mafy ! Nampahereziny ireo nino tao, nampirisihiny haharitra amin’ny finoana (and 20-26). Nony tonga tany Antiokia izy ireo dia nahita ny namany, ary nanambara tamin’izy ireo « izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy » (and 27-28).

 

Toko 15 —Konsily tao Jerosalema : adihevitra hanapahana raha tokony hanaraka ny lalàna jiosy ireo tsy Jiosy niova ho kristiana, raha tokony hoforaina izy ireo na tsia ; fanapahan-kevitry ny fivoriana : tsy eo ambanin’ny Lalànan’i Mosesy ny kristiana tsy Jiosy ; fanapahan-kevitra nampitaina tamin’ireo fiangonana kristiana ; niantomboka ny dia faharoa nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : Paoly sy Silasy tany Syria sy Kilikia, Barnabasy sy Marka tany Kyprosy

Niezaka ny hanapotika ny maha iray ny fiangonana ny fahavalo, amin’ny fampisarahana ny mpino jiosy sy ny mpino avy amin’ny jentilisa. Ny nampiasainy amin’izany dia ireo Jiosy nifikitra tamin’ny Lalàna, izay te hanery ny mpino tsy Jiosy hanaraka izany, te hanery ireo vao niova fo hoforaina. Nomen’ny Fanahy fahendrena ny rahalahy mba hiara-mandinika izany fanontaniana izany amin’ireo apostoly tao Jerosalema (and 1-5). Koa dia nisy fivorian’ny rahalahy, ary nandresy lahatra ny rehetra ny fihevitry ny Fanahy tamin’izany (and 6-21). Nisy taratasy nosoratana hampitana izany fihevitra izany tamin’ny fiangonana tany Antiokia (and 22-29) ; hitondra filaminana sy fampiononana ho an’ny fiangonana teo an-toerana izany (and 30-35). Voaaro ny maha iray ny fiangonana, fa vitan’i Satana kosa ny namotika ny fiombonana teo amin’i Paoly sy Barnabasy (and 36-39). Manomboka ny diany faharoa hitoriana ny Filazantsara i Paoly, hamangiany indray ireo fiangonana niorina tamin’ny dia voalohany (and 40-41).

 

Toko 16 — Nitohy ny dia faharoa nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara : tonga niaraka tamin’i Paoly sy Silasy  i Timoty ; Lydia, vehivavy voalohany niova fo tany Eoropa ; Paoly sy Silasy nokapohina ary natao an-tranomaizina ; niova fo ilay mpiandry fonja ; navoaka i Paoly sy Silasy

Naka an’i Timoty hanampy azy amin’ny fanompoana i Paoly, ary namangy ireo fiangonana, izay  « nihanahery finoana » sy nitombo (and 1-5). Nikasa ny hamangy ireo faritra tany Azia ireo ihany i Paoly, saingy tsy navelan’ny Fanahy Masina ; tsy maintsy irahina lavidavitra kokoa mantsy ny apostoly, any Eoropa, manomboka amin’i Makedonia ao avaratr’i Grisia (and 6-12). Vetivety taorianan’ny nahatongavan’izy ireo tao Filipy dia nisy fiangonana niforona tao an-tranon’i Lydia (and 13-15), ary teo no ho eo ny fahavalo dia namaly bontana tamin’ny mpiasany iray  —vehivavy nanana fanahy ratsy milaza ny hoavy—  mba handefasana an’i Paoly sy Silasy ho any am-ponja (and 16-24). Nefa lehibe kokoa ny herin’ny Tompo : nisy horohoron-tany namotika ny fonja ka nanafaka ny voafonja, izay tsy nandositra. Toy izany no nampiovana fo ny mpiambina sy ny ankohonany, izay nanjary nanampy isa ny fiangonana (and 25-34). Navelan’ny Tompo ho afa-baraka ampahibemaso ny fahavalo ; dia nanohy ny diany i Paoly (and 35-40).

 

Toko 17 — Paoly sy Silasy tany Tesalonika ; nisy Jiosy nialona, nampitabataba ny vahoaka ; tany Beria i Paoly sy Silasy ; Paoly irery no tany Atena —lahatenin’i Paoly teo afovoan’ny Areopago

Nony tonga tany Tesalonika i Paoly, dia nitory ny Teny tamin’ireo Jiosy tao amin’ny synagoga ; nisy Jiosy vitsivitsy sy Grika (tsy Jiosy) maro nino, saingy ny fisiana Grika dia nahatonga fanoherana feno herisetra avy tamin’ireo Jiosy tsy nino (and 1-9). Nalefan’ny rahalahy ho any Beria i Paoly ; niverina indray ny tantara, tany, fa tao kosa dia nandinika tsara ny lahatenin’i Paoly ireo Jiosy, na marina izany na tsia, araka ny Soratra Masina (ny Testamenta Taloha). Mba hiarovana an’i Paoly, dia nisy rahalahy nitondra azy nankany Atena (and 10-15). Tao amin’io ivontoeran’ny fahendren’olombelona tsy mitondra mankaiza io no nanamboaran’ny apostoly Paoly ny lahateniny mba hifanaraka amin’ny mpihaino, ary nohazavainy fa Ilay Andriamanitra marina dia tsy sampy vita amin’ny vy na vato, fa Izy no Ilay Mpamorona, Izay mandidy ny olona rehetra hibebaka, na aiza na aiza misy azy, rehefa mahafantatra fa hotsaraina izy indray andro any.  Koa hamelabelatra momba ny fahendren’Andriamanitra izany izy. Ny ampahany tamin’ny mpihaino dia tsy nahazo na inona na inona, nisy ampahany nanaraby, ary nisy vitsivitsy nino, ary tsy niharana fanoherana nisy herisetra ny apostoly (and 16-34).

 

Toko 18 — Paoly tany Korinto ; nanomboka ny dia fahatelo nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara

Nankany Korinto i Paoly. Tany izy dia niara-dia tamin’i Akoila sy Prisila, ary nitoetra tao an-tranon’izy ireo ; asa mitovy amin’ny azy ireo no nataony (manao tranolay), nefa izany tsy nanakana azy tsy hitory ny Tenin’Andriamanitra tam-pahavitrihana (and 1-4). Nifanehatra tamin’ny fanoheran’ny Jiosy indray izy, ka izao dia mitodika amin’ny jentilisa (and 5-8). Nisy fahitana nomen’ny Tompo azy, izay nampahery azy hiteny sy nanome toky taminy fa ho voaaro izy, nanambara fa ho maro ireo olona hino. Nahatonga an’i Paoly hijanona ela tao izany. Koa nampanginin’ny Tompo nandritra ny herintaona sy tapany ireo mpanohitra, mba hahafahan’i Paoly mampianatra ireo rehetra niova fo (and 9-11). Avy eo, nitombo herisetra indray ny fanoheran’ny Jiosy (and 12-17), ka nandao an’i Korinto ny apostoly ary niverina tany Antiokia, nandalo tao Efesosy, ary nandao an’i Akoila sy Prisila tao (and 18-22). Nanomboka ny diany fahatelo hitoriana ny Filazantsara indray izy (and 23). Nandritra izay fotoana izay, tao Efesosy, dia nampiasain’ny Tompo i Akoila sy Prisila hampianatra an’i Apolosy, mpanompony tena misongadina, saingy tsy nahalala afa-tsy izay notorin’i Jaona Mpanao batisa (and 24-28).

 

Toko 19 — Nitohy ny dia fahatelo nataon’i Paoly hitoriana ny Filazantsara  — Paoly tany Efesosy ; hotakotaka tany Efesosy

Nankany Efesosy i Paoly taorianan’ny nandehanan’i Apolosy, ary nameno ny banga tamin’ny fampianarana nomen’i Apolosy tao amin’io tanàna io (and 1-7). Rehefa niverina indray ny fanoherana, dia tsy noraharahain’i Paoly izany,  fa nifantoka tamin’ireo te hihaino izy (and 8-10). Navelan’Andriamanitra hanao fahagagana lehibe amin’ny anaran’i Jesosy ny mpanompony. Nitady ny haka tahaka azy ny fahavalo, tamin’ny alalan’ireo Jiosy mpamoaka fanahy ratsy, izay nalain’io demonia io ihany baraka (and 11-16) ! Azon-tahotra ny olona rehetra tao an-tanànan’i Efesosy, ary maro ireo mpino no nijoro ho vavolombelona ampahibemaso hoe nanary ireo odiny rehetra (and 17-20). Nirahin’i Paoly ho any Makedonia ny mpanampiny roa mba hanomana ny hiaviany any (and 21-22). Dia nirehitra tamin’i Paoly indray ny fahatezeran’ny fahavalo. Nisy mpanefy volafotsy, antsoina hoe Demetrio, izay nahazo harena be tamin’ny fanompoan-tsampy nataon’ny Efesiana nanompo ilay andriamani-bavy hoe Diana ; nony hitany fa nihena ny vola niditra taminy satria maro ireo niova fo, dia nampikomy ny tanàna manontolo tamin’i Paoly izy (and 23-41).

 

Toko 20 — Paoly tany Makedonia sy Grisia ; ny fanaovam-beloma nataon’ny apostoly Paoly tamin’ireo loholona tao Efesosy

Nankany Makedonia indray mandeha farany i Paoly, avy eo tany Grisia, mba hampahery sy handrisika ny mpino ; dia niverina tany Troasy izy avy eo (and 1-6). Tao, tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, nandritra ny fivoriana namakina ny mofo, dia nisy tovolahy maty tampoka. Velona indray izy noho ny fidiran’i Paoly an-tsehatra, ary afaka nitohy ny fivoriana, mandra-paharaina ny andro (and 7-12). Tamin’ny lalany hiverina any Jerosalema dia niato tao Mileto i Paoly (and 13-16), ary nampiantso ireo loholon’ny fiangonana tao Efesosy.

Nampahatsahiviny azy ireo ny ohatra navelany taminy :

  •          Manompo ny Tompo am-panetrentena tanteraka

  •          Tsy manafina izay mahasoa

  •          Mitory sy mampianatra ampahibemaso sy any amin’ny isan-trano

  •          Manantitrantitra ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo

  •          Tsy manafina fa mitory avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.

 

Nampirisihiny izy ireo :

  •          Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra

  •          Nataon’ny Fanahy Masina ho mpitandrina ianareo, hiandrasanareo ny fiangonan’ny Tompo, izay novidiny tamin’ny rany.

 

Nampitandremany izy ireo amina karazana fanafihana roa fanaon’ny fahavalo :

  •          Avy any ivelany : rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo

  •          Avy ao anatiny : avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina, hitaona ny mpianatra hanaraka azy.

 

Nanolotra azy ireo ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy ary nanao veloma azy ireo, satria tsy ho hitany intsony. Ny fiafaran’ny fihaonana dia fiaraha-mivavaka mandohalika (and 17-38).

 

Toko 21 — Nankany Jerosalema i Paoly — fampitandremana nandritra ny dia nankany Jerosalema ; tao Jerosalema, nanaraka izay takian’ny Lalàna i Paoly ; nosamborina tao amin’ny Tempoly i Paoly — niditra an-tsehatra ny miaramila romana

Nandritra ny diany nankany Jerosalema dia nampitandreman’ny Fanahy imbetsaka i Paoly tsy ho any, ary Agabo mpaminany aza dia nilaza fa hatolotra ho eo an-tanan’ny jentilisa izy, nefa vonona izy hamela ny ainy, noho ny fitiavany ny fireneny sy ny Tompo (and 1-16). Tany Jerosalema dia nihaona  tamin’ireo loholona i Paoly ary noresen’izy ireo lahatra, hankatò fombafomba jiosy iray misy voady sy fanadiovan-tena, mba hampisehoana amin’ny sarababem-bahoaka fa manaraka ny Lalàna amin’ny maha Jiosy azy izy ; ny tian’izy ireo hatao amin’izany dia ny hiaro an’i Paoly amin’ireo Jiosy mifikitra amin’ny fivavahana jiosy (and 17-26). Tsy nahomby izany tetika izany, fa nampikomy ny olona ireo Jiosy ireo ary nitady hamono an’i Paoly (and 27-31). Nefa nesorin’ilay mpifehy arivo romana tamin’ny vahoaka nitroatra izy, ary nasainy nentina narovana nankany anatirova (ny fonja) (and 32-40).

 

Toko 22 — Afaka tamin’ny fampijalijaliana i Paoly, satria mizaka ny zo maha romana; natao am-ponja i Paoly

Nomen-dalana i Paoly hiteny amin’ny Jiosy, avy eny an-tohatohatra teny anatirova. Nohenoina am-panginana izy satria niteny hebreo, ka afaka nijoro ho vavolombelona momba ny niovany fo (and 1-21). Fa raha vao niteny izy hoe nirahina ho any amin’ny jentilisa, dia naharomotra ny Jiosy noho ny avonavon’izy ireo. Mba hampitony azy ireo, dia noheverin’ilay kapiteny romana hampijalijaliana i Paoly ; saingy nony fantany fa teraka « romana» izy, dia nosamboriny, nidiny tao am-ponja ary nanapa-kevitra izy hampiseho azy ny ampitso amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny synedriona (tribonaly jiosy) (and 22-30).

 

Toko 23 — Niatrika ny synedriona i Paoly ; teti-dratsy hamonoana an’i Paoly

Ny ampitso i Paoly dia niatrika ny tribonaly jiosy. Hitany fa nisy Fariseo sy Sadoseo teo, ka niresaka fitsanganana amin’ny maty izy, mba hampisara-bazana ireo mpanohitra azy ireo. Naverina tany anatirova i Paoly, noho ny korontana naterany (and 1-10). Ny alina nanaraka dia tonga nampahery azy ny Tompo, nankasitraka ny fijoroany ho vavolombelona tany Jerosalema, ary nanome toky azy fa hijoro ho vavolombelona toy izany any Roma koa izy (and 11). Nanotrika ny Jiosy hamonoana an’i Paoly, saingy nandre io fanotrehana io ny zanak’anabavin’ny apostoly, ka naharava izany (and 12-22). Dia nambenana tsara i Paoly, nentina tany Kaisaria  —miaramila sy mpitaingin-tsoavaly 470 no niaraka taminy—, ary naterina tany amin’ny governora Feliksa (and 23-35).

 

Toko 24 — Niatrika ny governora Feliksa i Paoly

Tonga avy tany Jerosalema ny mpitondra fivavahana, niaraka tamina mpandaha-teny romana malaza iray, mba hiampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa (and 1-9). Ny fiarovan-tenan’i Paoly dia ny fanazavana antsipiriany ny zavatra araka ny tena nisehoany. Niaiky izy fa ny « Lalana » (ny fivavahana kristiana), izay antsoin’ny sasany hoe sekta (fitokoana), dia fanompoana an’Andriamanitra araka ny lalàna sy ny mpaminany, ary ny antony hiampangana azy dia momba ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty (and 10-21). Satria momba ny fivavahana izany, dia nanambara i Feliksa fa tsy afaka manapaka, ary niniany notaritina roa taona teny ny raharaha. Raha ny marina anefa, dia nanantena izy fa hanome vola azy i Paoly (and 22-27).

 

Toko 25 — Paoly, manoloana an’i Festo, nangataka hotsarain’i Kaisara

Festo no nandimby an’i Feliksa, ary naverin’ireo mpitondra fivavahana indray ny fiampangany an’i Paoly. Nanoso-kevitra tamin’i Paoly i Festo, hoe hiaro tena eo anoloana tribonaly jiosy any Jerosalema ; nefa nandà i Paoly ary nangataka ny hotsarain’i Kaisara, ka neken’i Festo izany (and 1-12). Tsy hitan’i Festo izay antony holazaina hitsaran’i Kaisara an’i Paoly, ka nangatahiny ny mpanjaka Agripa, izay sendra nandalo, hanampy azy hahita antony haroso an’i Kaisara hiampangana an’i Paoly ; ary nofeheziny hoe ny anton’ny ady dia ny fahafantarana na maty Jesosy na velona.  Fitsarana manetriketrika no natao tamin’io raharaha io, teo anoloan’ireo mpifehy arivo sy ireo lehibe tao an-tanàna. Neken’i Agripa izany, satria izy manokana dia liana te handre an’i Paoly (and 12-27).

 

Toko 26 — Paoly manoloana an’i Agripa ; fiafaran’ilay fitsarana : tsy maintsy mankany Roma i Paoly

Teo anoloan’i Agripa dia notantarain’i Paoly tamin’ny antsipiriany ny lasany talohan’ny niovany fo, anisan’izany ny fanenjehany ny kristiana, ary ny fomba niovany fo, misy antsipiriany koa, momba ny asa nanirahan’ny Tompo azy mivantana. Tsipihiny ny asany hoe tokony hanokatra ny mason’ny olona hialan’izy ireo amin’ny maizina ka hitodihany amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra. Ny hafatra kristiana dia tena izay nambaran’ny mpaminany fahiny, hoe Kristy tsy maintsy hampijaliana, hitsangana amin’ny maty ary hitory fahazavana amin’ny Jiosy sy ny jentilisa (and 1-23). Festo, izay vahiny tamin’ny zavatra ara-pivavahana, dia nihevitra fa adala i Paoly. Nametra-panontaniana tamin’i Agripa, izay mahalala izany zavatra izany, ary ny apostoly, saingy indrisy fa nanozongozona azy fotsiny izany, fa tsy lasa lalina. Raha momba ny votoatiny, dia nihevitra i Agripa fa tokony ho azo navotsotra i Paoly (and 24-32).

 

Toko 27 — Dia nankany Roma ; rendrika ny sambo

Nalefa avy any Kaisaria ho any Roma i Paoly, mba hiseho eo anoloan’i Kaisara. Nisy namany akaiky, toa an’i Aristarko sy Lioka, niaraka taminy. Tafio-drivotra mampivarahontsana no nanafoana ny fahendren’olombelona ary nampisongadina ny tsy fahavitany na inona na inona hamiliana ny sambo. Koa nankinin’Andriamanitra tamin’i Paoly, izay gadra, ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha sy tantsambo 276. Nihitsoka teo amin’ny nosy Melita ny sambo ; tsy nisy tohina ny tantsambo (and 1-44).

 

Toko 28 — Noraisina tao Melita ireo vaky sambo ; fanasitranana ny rain’i Poplio ; fahatongavan’i Paoly tany Roma ; Paoly nijoro ho vavolombelona tamin’ireo Jiosy tao Roma ; Paoly, gadra tany Roma, dia nitory ny Filazantsara tsy nisy sakantsakana

Ny hatsaram-pon’ireo Barbariana (ny olona tsy Romana) nipetraka teo amin’io nosy io dia mifanohitra tanteraka amin’ny fankahalan’ny Jiosy an’i Paoly. Ny fahavalo, ilay menarana ela, dia niezaka hamono an’i Paoly tamina kaikitra menarana, nefa ny Tenin’Andriamanitra no mahery kokoa (jereo Marka 16. 18). Nahatsiaro ho nanana trosa tamin’ireo mponina tao Melita i Paoly (jereo Romana 1. 14), ka nositraniny avokoa izy rehetra (and 1-10). Nanohy ny diany nankany Roma izy, ary nisy rahalahy niandry azy mba hampahery azy (and 11-15). Navela hanana fahafahana ihany izy (and 16) ary nohararaotiny izany hiresahana tamin’ireo Jiosy tao Roma. Misy ny mino, saingy « tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra », ka noho ny fihamafisam-po dia nampiharin’i Paoly tamin’ny toetran’ireo Jiosy ireo ny faminaniana iray nataon’i Isaia, ho karazana didim-pitsarana farany avy amin’Andriamanitra (and 17-29 ; jereo 2 Tesaloniana 3. 2).

Izao no teny fiafaran’ny boky : « nitory ... ka nampianatra ... tamin’ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana », ary fehinteny mahazendana izany, avy amina olona migadra. Izany koa anefa dia fanehoana fa mitohy hatrany ny asan’Andriamanitra, na dia eo aza ireo fahalemena sy fahadisoan’ireo mpanompony. Afaka nampianatra tao an-tranony ireo izay naniry izany i Paoly, nandritra ny roa taona (and 30-31).

 

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

« Ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy » (1. 5)

« Ary samy fenon’ny Fanahy Masina izy rehetra » (2. 4)

« Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy » (2. 33)

« Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana » (2. 42)

« Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isanandro ho isan’ireo » (2. 47)

« Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena » (4. 12)

« Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino » (4. 32)

« Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ? Ary hoy izy : Iza moa ianao, Tompoko ? Dia hoy Izy : Izaho no Jesosy, Izay enjehinao » (9. 4-5)

« Dia nanam-piadanana ny fiangonana ..., sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy ny fampirisihan’ny Fanahy, ka nihamaro » (9. 31)

« Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ; fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahiny » (10. 34-35)

« Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao » (16. 31)

«Ary Andriamanitra ... ankehitriny ... mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka » (17. 30)

« ... ny fiangonan’ny Tompo, izay novidiny tamin’ny rany » (20. 28)

« Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina » (20. 32).

 

 

LGEA