MAHITA AN’I JESOA

ETSY SY EROA

Jean 12:21 et Actes 10:38

 

ANDRÉ George

Juillet 1977

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

Table des matières :

1       Sasinteny

1.1         Fampidirana

2       Eo amoron’i Jordana

3       Eo an-tendrombohitra

4       Eny an-dranomasina

4.1         Eo amoron-dranomasina

4.2         Ireo fiampitàna

4.3         Ireo jono mahagaga

5       Anaty trano

5.1         Ao an-trano

5.2         Ireo trano nanasàna an’i Jesoa

5.2.1      Ireo tranon’ny fariseo

5.2.2      Ireo tranon’ny mpanota

5.2.3      Ireo trano nandraisana Azy

6       Eny an-dalana

6.1         Tany Galilia

6.2         Niala teo Izy (Matio 12:15)

6.3         Mankany Jerosalema

7       Ao amin’ny synagoga sy ny tempoly

7.1         Ao amin’ny synagoga

7.2         Ao an-tempoly

7.3         7 – Ao an-tsaha

7.3.1      Ny sahan’ny alina

7.3.2      Ny sahan’ny maraina

8       Dos de couverture (tsy misy ilay boky aty amiko)

 

 

 

1  Sasinteny

Misy lafiny telo samihafa ny amin’ireo  voninahitry ny Tompo Jesoa: ireo  Azy manokana, ireo izay eo imason’izao tontolo izao ary ireo ara-môraly[1]. Ny amin’ny voninahiny manokana, dia ny an’Ilay Zanak’Andriamanitra hatrizay hatrizay, ny toetrany manokana: “ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao”. Io voninahitra io dia ho hitantsika saingy tsy ho zaraintsika miaraka Aminy (“... mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” Jaona 17:20, 24). Ny amin’ny voninahiny eo imason’izao tontolo izao, ny an’Ilay Mesia, Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, dia tsy niseho firy nandritra ny diany tetỳ an-tany. “Ireny voninahitra ireny dia mazàna niafina, raha nandalo isan’andro ireo zavatra samihafa tamin’ny fiainany Izy. Fa ny voninahiny ara-môraly kosa dia tsy azo nafenina: tsy ho afaka ny tsy ho lavorary amin’ny zavatra rehetra i Jesoa; Azy io toetra io. Izany no naha-Izy Azy... Namirapiratra izany, na zakan’ny olona na tsia; ary ankehitriny dia manazava ny pejy tsirairay ao amin’ny filazantsara efatra izany, toy ny nanazavany fahiny ny lalana rehetra nodiavin’ny Tompo tetỳ an-tany” (J. G. Bellett).

Tamin’ireo boky dinidinika sy bokikely momba “Ireo tanàna dimy” sy “Petera sy ny Tompony”, dia niezaka izahay nanasongadina ny lafiny sasantsasany amin’izany voninahitra ara-môraly izany.

Ao amin’ity bokikely ity, dia horesahanay ny momba ireo toerana sasantsasany nandalovan’ny Tompo Jesoa, mba hanampiana antsika hahita Azy tsaratsara kokoa amin’ny mason’ny fo, tamin’izany “lalana maizimaizina” nodiaviny teto amin’ity tany ity izany. Misy tranga sasantsasany izay miverina, saingy nojerena amin’ny lafiny hafa, ao amin’ireo toko samihafa ireo. Na izany aza, ny Tenan’ny Tompo Jesoa irery ihany no ifantohan’ny saintsika sy ny fitiavantsika.

Vao mainka hahazo tombony bebe kokoa amin’izao fianarana izao ianao raha mamaky ao amin’ireo filazantsara efatra ireo andininy jerena. Ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no velona.

1.1  Fampidirana

“Tompoko, mba ta hahita an’i Jesoa izahay.”

Jaona 12:21

“Nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly [Izy], satria Andriamanitra nomba Azy.”

Asa 10:38

 

Tamin’ny fiafaràn’ny fiainany, ny apostoly Jaona, ilay nilaza ny tenany ho “mpianatra tian’i Jesoa” sy akaiky Azy indrindra, mihoatra ireo sasany, dia niteny tamintsika tamin’ny fihetseham-po tokoa hoe: “Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tànanay, dia ny amin’ny Teny Fiainana..., izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika” (1 Jaona 1:1-4). Nahita an’i Jesoa ilay apostoly, nandre Azy, nijery(nibanjina) Azy ary azo lazaina hoe nitsapa Azy tamin’ny tànany. Feno izany loatra ny fony, hany ka niriny fatratra ny hizara izany fahitana izany tamin’ireo rahalahiny, “mba ho tanteraka ny fifaliantsika” amin’ny fibanjinana io Olona mahagaga io, amin’ny fiombonana amin’ny Ray.

Miresaka momba izany amintsika koa i Petera, saingy ampiany hoe: “Jesoa Kristy, Izay na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo”.Nefa ao amin’ireo pejin’ny filazantsara ireo, dia afaka mahita Azy ny mason’ny fontsika, raha nandeha tetsy sy teroa Izy, nampianatra, nitory teny, nanasitrana. Tonga Olona fantatsika kokoa Izy, tiantsika kokoa; “Ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra” (1 Petera 1:8).

Hijery ny Tompo Jesoa amin’ireo fotoana samihafa teo amin’ny fiainany isika, eny amin’ireo toerana samihafa nisy Azy. Inona tokoa moa no tokony hahafaly antsika mihoatra izany? Manaraka Azy nandritra ny diany, Izy izay “nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” (Matio 9:35).

Nandritra izany fotoana teo amin’ny fiainany izany, ezaka toy inona no nataony hanefena ireo mpianany, hanomanana azy ireo ho vavolombelona hanambara Azy, tsy ao Jerosalema ihany, fa any Samaria koa, ary “hatramin’ny faran’ny tany” (Asa 1:8). Amin’izany lalam-pitiavana izany no hijerentsika koa “Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy”, dia ireo olona nahatongavany ho tadiavina sy ho vonjena, nefa tsy maintsy nolazainy hoe: “Ny fitiavako dia valiany fandrafiana” (Salamo 109:4).

Nanomboka teo amoron’i Jordana hatrany amin’ny “sahan’ny maraina”, dia niseho teo anoloantsika ny voninahitra ara-môraly, ny toetra sy ny fomba fitondratenan’ny Tompo Jesoa, amin’ireo tranga maro samihafa, nanafina ny voninahitra maha Andriamanitra  Azy “ambany rakotra matevina nisehoany ho toy ny Galileana notsinontsinoavina”.

 

2  Eo amoron’i Jordana

Jaona mpanao batisa dia nirahina hanamboatra “ny lalan’i Jehovah” (Matio 3:3). Teo anivon’ny faharavan’i Israely ara-moraly, dia mbola nisy ihany sisa tavela vitsivitsy niandry ny Mesia. Natao batisa tamin’ny batisan’ny fibebahana ny olona, rehefa niaiky ny fahotany. I Jaona dia nanambara fa Ilay ho avy aorianany dia nahery noho izy; ary izy aza dia tsy mendrika ny hitondra ny kapany akory. Noho izany, dia nanantena hahita olona lehibe tokoa ny vahoaka.

“Ary tamin’izay Jesoa dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana...” (Matio 3:13). “Ary tamin’izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesoa...” (Marka 1:9). Zanaky ny mpandrafitra tao an-tanànany Izy, mpandrafitra koa,  ary lehilahy mahantra, tsy misongadina, no nanatona ny renirano. Tsy tonga hanao fahagagana Izy, fa naka toerana tamim-panetrentena teo anivon’ireo olona nibebaka, na dia tsy nanana fahotana hiaikena aza: “Izay tsy nanota akory” (1 Petera 2:22); “Izay tsy nahalala ota” (2 Korintiana 5:21); “Ary tsy mba misy ota ao aminy” (1 Jaona 3:5). Nisaraka tanteraka tamin’ny faharatsiana Izy, na teo amin’ny toetrany na tamin’ny fitondrantenany. Kanefa nety ho an’ny toerana noraisiny teo anivon’ny vahoakany teto an-tany “ny hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:15). Sitrany indrindra ireo olona “tsara laza” tetỳ ambonin’ny tany, izay nibebaka sy niaiky ny fahotany (Salamo 16:3). Io fifampikasohana voalohany io dia nampivoitra ny haben’ny fanetrentenany, sy ny fahasoavana izay mbola manosika hibebaka ihany ankehitriny ary mamaly izany fibebahana izany.

Tsy maintsy navahana tamin’ireo olona rehetra nanatrika teo anefa Izy. Vao vita batisa Izy, dia nihataka ny rano (avy hatrany) ary nivavaka (Lioka 3:21). Nisokatra taminy ny lanitra ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina. Raha nahita Azy nanatona i Jaona mpanao batisa, dia nanambara hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29).

Avy taiza io Zanak’ondry io? Tsy avy tany Nazareta ihany! Ao amin’ny Testamenta Taloha iray manontolo, dia maro ireo kisarisary[2] manambara ny fiaviany.Hatrany amin’ny tendrombohitra Moria (Genesisy 22), dia niseho tamin’ny tantaran’i Israely hatrany ny sorona nataony. Hatry ny fahagola no efa nivoahany (Mika 5:2). Mbola ela lavitra noho izany aza, hatrizay hatrizay, ”Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1 Petera 1:20). “Talohako Izy”, hoy i Jaona mpanao batisa. “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra” (Jaona 1:1).

Inona no antony nahatongavany? Hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, fa koa hanao batisa  ny mpino “amin’ny Fanahy Masina”, ary “amin’ny afo” ireo izay nandà ny filazantsara ka ho tratry ny afon’ny fitsarana (Matio 3:11).

Tsy maintsy hisy fanambaràna lehibe kokoa noho ny an’i Jaona momba Azy. Tamin’ny nahaterahany, dia nanambara fifaliana lehibe tamin’ireo mpiandry ondry ny anjely. Fa eto, dia ny feon’ny Ray mihitsy no re: “Ity (ao amin’ny Matio, ary “Ianao...” ao amin’ny Marka) no Zanako malalako Izay sitrako” (Matio 3:17).Voalohany izao no miresaka amin’ilay Andriamanitra naseho ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izy mihitsy no ilay Jesoa avy any Nazareta nanetry tena; fa ny finoana koa dia mbola nianatra nahita tao Aminy ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Mbola mihoatra noho izany aza Izy: “Ilay Zanaka malalan’ny Ray”. Mampiseho ny fisiany ny Telo Izay Iray: midina eo amboniny toy ny voromahailala ny Fanahy, ary mitoetra eo Aminy (jereo Jaona 1:32-34).

Jaona dia feo ihany, fa tsy olona tokony hobanjinina. “Mahita” an’i Jesoa izy, ary mijoro ho vavolombelona ho Azy. “Nony ampitson’iny indray dia...nijery an’i Jesoa nitsangantsangana [i Jaona] ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” (Jaona 1:35-36). Ny maha-izy azy sy ny fony iray manontolo no nifantoka tamin’io Olona io, ary ny fijoroany ho vavolombelona dia hitarika olona hafa hanaraka an’i Jesoa. Azo antoka fa fotoana tsy hay adinoina io fifanatrehana io, ary nomarihin’ireo mpianatra roalahy tsara ny ora: tamin’ny ora fahafolo. Taorian’izany, dia maro ireo resy lahatra tamin’ny fijoroany ho vavolombelona. Raha toa feno ny fitiavana tsy hita lany nasehon’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ny fontsika, moa ve tsy tokony ho vavolombelona mavitrika kokoa isika rehetra, hampiseho ny halehibeazan’ilay Mpamonjy antsika sy ny asany (jereo Salamo 45:1)?

Hitsahatra ny fanompoan’i Jaona mpanao batisa. Hafaliana toy inona ny azy nibanjina io Olona mahagaga io! Ny fiainan’ny tsirairay avy amintsika koa dia mety ho voaova, amin’ny fibanjinana Azy toy izany (2 Korintiana 3:18). Dia “nahatanteraka ny nalehany” (Asa 13:25) i Jaona tamin’ity teny izay nanako tao amin’ny fo maro ity, hatramin’izay: “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jaona 3:30).

 

3  Eo an-tendrombohitra

 

Manana anjara toerana lehibe tokoa ny tendrombohitra ao amin’ny Teny. Matetika dia eny Andriamanitra no maneho ny tenany ary tsapa eny ny fanatrehany.

Tany Moria, dia niara-nandeha nankeny ilay ray sy ny zanany (Genesisy 22). Tany Sinay no nandraisan’i Mosesy ny fanambaràn’Andriamanitra (Eksodosy 19 sy ny manaraka). Teny amin’ny tendrombohitra Nebo izy no niara-nijery tamin’i Jehovah ny fivelaran’ny tany nomen’i Jehovah ny taranak’i Abrahama (Deoteronomia 34). Teny amin’ny tendrombohitra Ebala sy Gerizima no nanononana ny ozona sy ny fitahiana (Deoteronomia 27; Josoa 8).

Manintona antsika koa ny tendrombohitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, indrindra moa fa misy sasantsasany amin’izay ireo no mifandraika amin’ny fiainan’ny Tompo Jesoa.

Ny tendrombohitra, izay mazàna toerana milamina sy azon’ny saina itombenana, dia nampifanoherina tamin’ny lemaka izay nisy ny vahoaka, ao amin’ny Matio 5:1. Teo an-tendrombohitra, teo akaikin’i Jesoa efa “tafapetraka”, no nanatona Azy ny mpianatra. Izany no fiombonana Aminy, mitokana. Miloa-bava ny Mpampianatra ary in-tsivy misesy Izy no namerina hoe: “Sambatra... sambatra... Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra” (Matio 5:1-12). Izany no tranga voalohany ao amin’ny filazantsara, izay hitondrany fahasambarana ho an’ireo izay hanaraka Azy, fahasambarana izay ho tanteraka any an-danitra fa tsy etỳ an-tany. Tamin’ny fiafaràn’ny fanompoany, impiry moa ny Tompo no voatery namerina hoe: “Lozanareo... lozanareo”, satria nailika Izy (toko 23). Teo amin’io tendrombohitra io, dia naverin’Ilay nanome ny lalàna tany Sinay ny voambolana sasantsasany, ampisehoana fa any amin’ny fanjakàn’ny lanitra, dia tsy ny vokatra ihany tsy akory no hitsarana ny olona —izany hoe ny zavatra hita eo amin’ny fiainantsika— fa ny fikasàn’ny fo koa. Izao, eo anivon’ny olony, dia Izy mihitsy no fahasoavana, mitondra manodidina iainana milamina sy feno fitahiana, toy izay hitan’i Mosesy tany Horeba, raha “Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay” no “nahita” sy “nandre” ny fitarainan’ny vahoakany, ary “nidina” hamonjy azy (Eksodosy 3).

Raha hiantso ireo roa ambin’ny folo lahy i Jesoa, dia mbola nankeny an-tendrombohitra indray, mba hivavaka aloha, voalohany indrindra: “Ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy” (Lioka 6:12). Io safidy io no iankinan’ny fiainan’ireo olona ireo. “Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany” (Jaona 6:64) izay hanjo ny tsirairay amin’izy ireo, indrindra i Jodasy izay hamadika Azy. Indraindray dia ovany ny anaran’izy ireo, fa tsy ny toetrany kosa. Nilaina tanteraka ny fampianaran’Andriamanitra hanovàna an’i Boanerjesy (zana-baratra) ho tonga “ilay mpianatra tian’i Jesoa”; na i Tomasy, izay matetika tsy mino sy miady hevitra, ho tonga mpianatra mahatoky. Ilay Olona niankin-doha tanteraka tamin’Andriamanitra dia nandany alina iray manontolo hahatratrarana izany tanjona izany.

Zava-dehibe tokoa ny manokana fotoana hivavahana, alohan’ny hanaovana safidy sy handraisana fanapahan-kevitra.

Teo amin’io tendrombohitra io i Jesoa no “niantso izay tiany hankeo aminy” (Marka 3:13), fa tsy izay naniry izany tsy akory! Hoy i Joba: “Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy” (Joba 19:16); teo amin’ilay tendrombohitra izay “hametrahan” ‘ny Tompo ny mpianany, dia nankeo Aminy izy ireo! Inona no tanjon’izany antso izany? Misy lafiny telo amin’izany.

Voalohany aloha, mba “ho ao Aminy”. Alohan’ny hidirana amin’ny fanompoana iray, dia tsy maintsy mandany fotoana maharitra miaraka Aminy aloha, mba ho voaofana, hampianarina, ho voavoatra(voaomana). Nandritra ny telo taona dia nanao ezaka tam-po toy inona ny Tompo Jesoa hanofanana ireo mpianany. Hiaraka Aminy izy ireo eny an-tendrombohitra, eny amoron-dranomasina, eny an-dalana, hatrany amin’ny sahan’ilay alina.

Manaraka izany, mba “hirahiny hitory teny”. Amin’ny alalan’izy ireo, ny fijoroana vavolombelona, amin’ny antsipiriany sy sarobidy tokoa, momba ny Tenany sy ny asany dia hihoatra an’i Jerosalema sy Samaria ary ho tonga “any amin’izao tontolo izao” (Marka 16:15). Fitorian-teny am-bava; fitorian-teny an-tsoratra; fitorian-teny indrindra indrindra amin’ny fomba fiainana sy fitondrantena.

Farany, mba “hanana fahefana [hanasitrana ny aretina sy]hamoaka ny demonia”. Tsy ireo fahagagana ihany, mariky (famantarana) ny herin’Andriamanitra hanambaràna ny filazantsara, fa ny fahagagana mihoatra izany, dia ny famonjena fanahy iray, ny fanafahana azy amin’ny herin’i Satàna.

Matetika i Jesoa no mandeha mitokana irery, mba hivavaka. Tsy nitsahatra ny voahodidina olona marary, kilemaina, vahoaka nitalaho taminy Izy, ka nila izany fiombonana manokana niaraka tamin’ny Rainy izany, Izy irery. Taorian’ny nampitomboana voalohany ny mofo, raha nihevitra ny “haka Azy an-keriny hataony mpanjaka” ny vahoaka, dia lasa Izy irery nankany an-tendrombohitra (Jaona 6:15). Tsy maintsy “nanery”ny mpianatra hiondrana an-tsambokely i Jesoa ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka (Matio 14:22).

Ny loza nitatao dia ny mety ho nitsaohan’ireo vahoaka ireo ny mpianatra, na ny mety ho faniriany hakan’ilay Mesia nolavina toerana izay any aoriana vao tokony ho Azy. Rehefa nahatanteraka fanompoana nahomby isika, dia aoka hitady izay hiafenana  fa tsy handray fankasitrahana sy dera. Rehefa mieritreritra ny asa vita, irery eo anatrehan’Andriamanitra, dia hita ny lesoka sy ny fahalemena, ka tsy tokony hitady laza amin’izany (jereo Marka 6:30).

Teo amin’io tendrombohitra io, dia nivavaka i Jesoa. Ireo mpianatra dia teny afovoan-dranomasina. Hitany izy ireo niezaka namoy. Nanohitra azy ireo ny rivotra, ary halavirana kely fotsiny no mba afany nandritra ny ora maro. Izy dia nahita azy ireo, ary nivavaka ho azy. Izy ireo kosa dia nanadino Azy. Rehefa nanatona azy ireo i Jesoa, nandeha teny ambony ranomasina, zavatra izay tsy hain’olona hatao, dia nihevitra izy ireo fa nahita matotoa ka tsy nitsena ny Mpampianatra azy (Matio 14:23-27).

Mbola misy tendrombohitra maro hafa ao amin’ireo filazantsara. Fa misy iray izay avo kokoa noho ny rehetra (Matio 17:1; Marka 9:2), izay nitondran’i Jesoa an’i Petera, Jakoba sy Jaona nitokana. Efa vavolombelon’ny nitsanganan’ny zanakavavin’i Jairo izy ireo. Atỳ aoriana, dia mbola hasain’i Jesoa hiara-hiari-tory aminy izy ireo ao amin’ny sahan’i Getsemane.

Tanelanelan’ireo tranga roa ireo, dia nitokana irery niaraka tamin’ny Mpampianany izy ireo. Teo an-tendrombohitra, dia nivavaka ny Tompony, fa ny mason’izy ireo kosa dia navesatry ny tory. Nony nahatsiaro tsara izy ireo dia “nahita ny voninahitr’i Jesoa!” (Lioka 9:32; jereo Matio 17:1-8; 2 Petera 1:17).        

“Afaka henemana”, hoy ny fanoritry ny filazantsaran’i Matio sy Marka. Taorian’ny asa sy fanompoana nandritra ny enina andro, dia nandany andro iray niaraka tamin’i Jesoa izy ireo mba hifantoka Aminy. Hoy i Lioka amintsika hoe “rehefa tokony ho havaloana”: io andro fahavalo io dia manambara amintsika ny andro voalohany amin’ny herinandro vaovao iray. Nahoana no natory ireo mpianatra, toy ny tao amin’ilay saha izay natoriany tamin’alahelo? Nahoana ny saintsika matetika no variana, matory, indraindray aza tsy miraharaha, rehefa tafavory manodidina ny latabany isika ka manambara ny fahafatesan’ny Tompo sy mibanjina ny voninahiny?

Rehefa nisokatra ny mason’izy ireo, dia hitany ny tavan’i Jesoa “namirapiratra tahaka ny masoandro”; nisy roalahy niresaka taminy, Mosesy sy Elia, nilaza ny “fialany, izay efa hefainy any Jerosalema”. Tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty, teny an-dalana nankany Emaosy, dia hampahatsiahy ilay Olona nitsangana tamin’ny maty fa tsy maintsy niaritra fahoriana i Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny. Anjarany ny fahoriana, ho avy any aoriana ireo voninahitra. Teo amin’ilay “tendrombohitra masina”(2 Petera 1:18) no efa nahitana taratr’izany sahady. Ny voninahitra namirapiratra teo dia tsy ny an’ilay Mesia irery. Tsy hita intsony i Elia sy Mosesy, fa ilay Feo efa re tany Jordana indray no mbola nanako: “Ity no Zanako malalako, Izy no henoy”. Azo lazaina hoe ny Ray no maneho ny Zanaka amin’izany, Zanaka izay nampiseho ny asa vita, niaraka tamin’ilay mpanao lalàna sy ilay mpaninany. I“Jesoa irery ihany” sisa teo amin’ny mpianatra. Efa dify ny vanim-potoanan’i Mosesy sy Elia; “Jesoa irery ihany” sisa no tokony henoina. Lasa ilay fahitana ny voninahitra amin’ny fanjakana arivo taona. Teo anoloan’ny mason’izy ireo, dia tsy nisy afa-tsy Ilay efa nisy hatrizay, misy, ary mbola hisy, dia ny Zanaka malalan’ny Ray.

Avy teo an-tendrombohitra Oliva, tandrifin’i Jerosalema, no nanaovan’i Jesoa ilay fanambaràna lehibe momba ny fiafaràn’io tanàna io, sy ny tranga hisy amin’ny andro farany. Teo Izy no nandany ireo alina farany tamin’ny fanompoany, satria tsy nisy trano nandray Azy tao Jerosalema (Lioka 21:37). Teo amin’ilay saha eo am-pototr’io tendrombohitra io Izy no niaina ireo ora mahatsiravina talohan’ny hahafatesany. Tany Betania, tao ambadik’io tendrombohitra Oliva io ihany, no nanandratra ny tànany Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, ka nitsodrano ireo olony, ary nakarina ho any an-danitra (Lioka 24:50-52; Asa 1:12). Eo amin’io tendrombohitra io ihany no hametrahany ny tongony, rehefa hiseho am-boninahitra Izy (Zakaria 14:4), mba hanafaka ny sisa tavela amin’ny vahoakany, izay hiaiky ny fahadisoan’izy ireo ka hiantso Azy mandritra ireo andron’ny fahoriana lehibe.

Talohan’ny fiakarany, dia niseho tamin’ireo mpianany Izy tany “Galilia,... any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany” (Matio 28:16-20). Teo amin’io tendrombohitry ny fitsanganana tamin’ny maty io no nanatonanan’ilay Mpandresy ny fahafatesana, Izay efa notolorana ny fahefana rehetra, ka nanankinany tamin’ny mpianany ny didy (averina amin’ny fomba samihafa isaky ny fiafaràn’ny filazantsara sy amin’ny fiandohan’ny Asa) handeha hanao mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany azy ireo: “Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:20).

Koa tsy tsara ve ny mandeha toa Azy, indraindray, mankeny “an-tendrombohitra”? Tsy hoe mandeha irery eny (satria mety hisy fakàm-panahy lehibe izany) fa miaraka amin’Andriamanitra. Tsy hoe adiny iray na roa ihany, fa indray andro, roa andro, telo andro...

... Mamela ny ora hikoriana

Ao anaty fahanginana sy fanadinoana,

Mba hamela anao hiteny, Jesoa.

(H. Rossier)

 

Aoka koa isika handeha matetika any “amin’ny tendrombohitry ny miora”(Tononkiran’i Solomona 4. 6), izay manambara amintsika ny fahoriana tsy hay fantarina niaretany ho antsika, teo ambany fitsaràn’Andriamanitra ny ota; “tendrombohitra” izay tsy takatsika noho ny haavony.

Ndeha koa hiakatra ho eny amin’ilay “havoan’ny ditin-kazo mani-pofona”, izay ahafahantsika manolotra ho Azy, ho setrin’ny fitiavany rehetra, ary ho an’ny Ray koa amin’ny alalany, ny hanitry ny fitsaohana “mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka mandositra ny aloka”. Dia “ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy” (1 Korintiana 13:12).

 

Hanitra tsy manam-paharoa sy tsy misy fangarony

Toy inona no hamalian’ny olonao Anao?

Ny hanitry ny fiderànay, moa ve

Tsy ny fitiavanao, ry Jesoa?

(H. Rossier)

 

4  Eny an-dranomasina

Ny tendrombohitra dia nilaza tamintsika momba ny fifandraisana manokana, mitokana, fiombonana amin’ny Tompo. Fa ny ranomasina kosa dia ny zavatra ivelany, ny tabataban’ny vahoaka, ny avo sy iva amin’ny fiainana. Milaza ihany koa ny fanompoana imasom-bahoaka izany, izay naka toerana lehibe tokoa tamin’ny asa nataon’i Jesoa.

Izy tokoa mantsy dia tsy nijanona teny an-tendrombohitra izay niantsoany ny apostoly, taorian’ny alim-bavaka nataony: “Ary Jesoa niara-nidina tamin’ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin’ny vahoaka betsaka...” (Lioka 6:17). Manatona ireo marary sy ireo fanahy mijaly i Jesoa; manam-potoana mandrakariva Izy hihainoana ny tsirairay. Tsy nandany ny fiainany teny an-kavoana Izy; nidina ho eny amoron-dranomasina koa Izy. Tsy nanalavitra ny vahoaka Izy, fa nitady izay hanakaikezana azy. Nihaona tamin’ny tsirairay amin’ny maha-izy azy Izy, tsy nanavaka tamin’ireo mendri-pitiavana sy ireo maha-te handositra, vonona mandrakariva ny hamaly tsy sasatra ny filàna rehetra: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” (Matio 20:28; Marka 10:45).

 

4.1  Eo amoron-dranomasina

“Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy, dia nahita an’i Simona sy Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina” (Marka 1:16).(Mahita Azy  mitety morona tahaka izany ve isika?)- Navelan’izy roalahy ireo ny haratony, ny fitadiavam-bolany, ary nanaraka Azy izy; hataony mpanarato olona izy ireo. 

Terỳ lavidavitra, dia nanamboatra ny haratony teo an-tsambokely i Jakoba sy Jaona. Niantso azy ireo niaraka tamin’izay i Jesoa. Dia nilaozan’izy roalahy, tsy ny sambokeliny ihany, fa ny rainy koa (and 17-20).

Arỳ aoriana kokoa, dia mbola hitantsika ihany Izy nivoaka, nandeha teny amoron-dranomasina; “ary nony nandalo Izy, dia nahita an’i Levy, zanak’i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy” (Marka 2:13, 14). Nandao ny toerany amin’ny maha-mpiasan’ny Romana azy i Levy, ny asany, ny antom-pivelomany. Tsy (afaka) hiverina amin’izany intsony izy, toy ireo namany izay afaka niverina tamin’ny haratony (Jaona 21), ary ny hany zavatra nentiny, ho fanamarihana, dia ny peniny sy ny ranomaintiny. Atỳ aoriana izy dia hanoratra ny filazantsara izay hamelona indray ho an’ireo taranaka maro nandimby, ny fiainan’ilay Mesia nampanantenaina.

Niantefa tamin’ireo olona ireo ny antson’ny Tompo, teo anivon’ny asa aman-draharahany, teo anivon’ny adidiny ara-pianakaviana. Izy no nomen’izy ireo ny laharana voalohany. Niova tanteraka mihitsy ny fiainan’izy ireo iray manontolo. Tsy miantso ny tsirairay amin’ny olony hanome ny fotoanany manontolo hanompoana Azy akory ny Tompo, kanefa matetika, amin’ny tranga iray manokana, dia mety hilainy isika, ary izany dia noho ny fahasoavany. Koa hamaly toy ilay mpanompon’i Joba ve isika hoe: “Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy” (19:16), sa hanao toa an’ireo lehilahy tany Galilia ireo?

Teo amoron’io ranomasina io, dia hanasitrana marary maro i Jesoa, hamonjy olona tra-pahoriana, hanafaka ireo izay voagadra amin’ny herin’ny ratsy (Marka 3:7-11).

“Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray  Jesoa, ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina” (Marka 4:1). Maneho ny faharetana tsy miato nananan’ilay Mpanompo lavorary, Izay nahay nanasitrana sy nampianatra izany (Asa 1:1)! Niteny arakarak’ireo olona nihaino Azy Izy, nampianatra ny sasany tamin’ny ohatra, ary, rehefa nitokana, dia nanazava ny zavatra rehetra tamin’ireo mpianany (Marka 4:34). Avy lavitra tokoa ireo vahoaka, avy any atsimo sy avaratry ny tany. Feno fitserana an’ireo olona marobe ireo i Jesoa.

Moa ve isika mba mitsetra ireo ondry reraka sy miparitaka, tsy misy mpiandry, amin’izao vanim-potoana tsy hanjakan’ny fivavahana kristiana izao intsony, kanefa maro dia maro ireo fanahy mila ny hafatr’i Kristy?

“Ary nisy marenina... nentina tany aminy” (Marka 7:31-35). Isika koa dia afaka mitondra fanahy hifanena amin’ny Tompo, toy ny nataon’i Filipo tamin’i Natanaela, na i Andrea tamin’i Simona (Jaona 1). Firifiry ireo jamba sy marenina manodidina antsika! Nentin’i Jesoa nitokana ilay lehilahy ary nokasihiny, nampisehoany fa miombom-pahoriana aminy Izy, amin’ny fony tanteraka. Mila fanapahan-kevitra manokana ny manatona an’i Kristy. Ny fiandrandran’ny Tompo ny lanitra dia manome antsika ohatra tokony arahina, rehefa mahatsiaro ny tsy fahefantsika na inona na inona isika. Hisokatra ny sofina sy ny vavan’ilay moana sady marenina. Iza no henoiny manomboka izao? Inona ny zavatra hiloaka ny vavany? Hoy i Jesoa taminy: “Efata, izany hoe maladia”. Misokafa ho amin’ny fiainam-baovao, ho amin’ny fahamarinana, ho amin’ny tena fifaliana. Raha mahay mihaino ianao, dia ho afaka hiteny ka hanambara amin’ny hafa ny hafatry ny fahasoavana. Matoa be loatra ireo moana manodidina antsika, moa ve tsy satria tsy mahay mihaino izy ireo?

Nitokana niaraka tamin’ny Tompo ireo mpianatra mba hitantara taminy”izay rehetra efa nataony sy nampianariny” (Marka 6:30). Nitokana ilay marenina raha nisokatra ny sofiny. Tsy maintsy mihaino aloha, dia mijery, toy ilay jamba nentin’i Jesoa nitokana hanasitranany azy. Farany, afaka mibanjina ny voninahiny isika rehefa mitokana eny an-tendrombohitra.

 

4.2  Ireo fiampitàna

Indray hariva, raha avy nampianatra ny vahoaka i Jesoa, nanambara ny Teny “araka izay hainy hohenoina”, dia hoy Izy tamin’ireo mpianany: “Andeha isika ho eny am-pita”. Hiampita ny ranomasina isika, ranomasina izay kisarisarin’ny fikorontanana rehetra amin’ny fiainana, nefa miaraka amin’ny olony i Jesoa. Nahoana moa izy ireo no natahotra sy tsy nanam-pinoana raha sendra ny rivotra sy ny alon-drano? Tsy tao antsainy ny herin’Ilay niaraka taminy (Marka 4:33-41).

Izy, Ilay tena olona, reraky ny asa tontolo andro, dia “natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana”. Io irery no tranga ahitantsika Azy matory. Saingy tsy homena azy ny fitsaharana, toy ny tsy hanomezana Azy rano tany am-pantsakana tany Sikara, na nangetaheta aza Izy, na ny voan’ilay aviavy izay tsy nisy afa-tsy raviny. Amin’ny maha-olona tanteraka Azy, dia nahatsiaro havizanana, hetaheta, hanoanana Izy; tsy nisy fitsaharana ho Azy. Amin’ny maha tena Andriamanitra Azy, dia nitsangana Izy “niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary... tony tsara ny andro. Ary... niresaka [ireo] hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ranomasina aza manaiky Azy?”Efa nanontany izany i Agora: “Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany?... Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!” (Ohabolana 30:4). Ary isika, inona no valinteny azontsika omena?

Niampita ny ranomasina i Jesoa mba hanafaka olona iray monja, izay nogejain’ny demonia. Toy izany ny fitiavany ny olona, toy izany ny fitiavany damoniaka iray monja. Rehefa niampita indray Izy ka tonga teo amoron-dranomasina (Marka 5:21), dia notsenain’i Jairo izay tonga nitalaho taminy ho an’ny zanany vavy. Nisy vehivavy iray sitrana tamin’ny nandalovany, ary naverina tamin’ny ray aman-dreniny ilay tovovavy. “Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany” (6:1).

Indray hariva, nandritra ny fiampitàna iray hafa, dia irery “teo ampovoan’ny ranomasina” ny mpianatra (Marka 6:47).Izany no fitsapana naneren’ny Tompo azy ireo, taorin’ny fifaliana tamin’ny nampitomboana ny mofo. Nilain’izy ireo izany traikefa vaovao izany, satria “tsy fantany ny amin’ny mofo” (6:52). Toy izany koa, raha tsy nitarika hanakaiky kokoa ny Tompo ny fotoana nisian’ny fitahiana, dia avelany hisy ny zava-tsarotra mba hitarihina antsika hahafantatra Azy bebe kokoa. “Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!” (Matio 14:33). Nanadino an’i Jesoa ireo mpianatra, raha natopatopan’ny tafiotra, niezaka ny nivoy, araka ny efa hitantsika; nanatona azy ireo i Jesoa, ary nihevitra izy ireo fa nahita matotoa. Tsy mampanaiky azy ireo handray Azy i Jesoa, fa nikasa “handalo azy” fotsiny ihany (Marka 6:48), toy ny tany Emaosy, tatỳ aoriana, “toa nanao handeha lavitra kokoa” Izy (Lioka 24:28); ny faniriany, dia ny hasaina! Namaly ny antsoantson’izy ireo Izy hoe: “Matokia, fa Izaho ihany! Aza matahotra”. Notoneny aloha ny sain’izy ireo, izay Izy vao nampitsahatra ny tafiotra. Ny horohoro mety ho tsapantsika ao anaty zava-tsarotra dia tsy avy amin’ny zava-misy tsy akory, fa avy amin’ny fomba fandraisantsika azy ireo. Koa ilaina ny iatrehan’ny mpino izany amin’ny saina tony, miombona amin’ny Tompo: “Matokia, fa Izaho ihany. Aza matahotra!”. Te ho eny Aminy àry i Petera, mandeha eny amin’ny ranomasina manonja ho any amin’i Jesoa. Nilaina ny herin’Andriamanitra iray manontolo; fa rehefa nahita ny rivotra i Petera dia natahotra ary nanomboka nilentika! Inona no hanjo azy?“Tompo ô! Vonjeo aho! Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay i Jeso, dia nandray azy”. Tsy namela ny mpianany hilentika any anaty rano ilay tànana mahatoky. Nisalasala ilay olona kely finoana, nefa tsy tara ny Tompo namonjy azy. “Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra” (Matio 14:28-31).

Nisy fiampitàna ranomasina iray izay nitondra an’i Jesoa sy ny mpianany tany amin’ny faritanin’i Dalmanota. Niady hevitra taminy ireo fariseo. Tsapan’i Jesoa tao amin’ny fanahiny izany fanoherana tsy misy farany izany, ka “nisento mafy” Izy (and 12). Nandao azy ireo Izy, niondrana an-tsambokely indray ary niampita. Inona no vokatra tamin’izany fiampitàna indroa izany? Raha tafaverina Izy, dia nampianatra ny mpianany sy nampitandrina azy ireo ny amin’ny masirasiran’ny fariseo sy ny an’i Heroda: an-daniny, dia fihatsarambelatsihy, fanarahan-dalàna, fombafomba, an-kilany fitiavana izao tontolo izao hahazoana toerana eo amin’ny fiaraha-monina. Nametraka fanontaniana sivy nifanesy Izy; tsy hain’izy ireo ny namaly izany. Mitovy amin’ilay jamba nentin’ny Tompo nitokana izy ireo, izay nisahiranany mafy mandra-pahasitran’ny masony sy hahitany “tsara” (and 25). Amin’alahelo tokoa no tsy maintsy nitenenany tamin’izy ireo hoe: “Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?” (and 21). Tsy manjo antsika ihany koa ve izany tsy fitokiana ny hery tsy hay tohaina ananan’Andriamanitra izany, ary, ratsy kokoa noho izany aza, misalasala ny amin’ny fitiavany?

 

4.3  Ireo jono mahagaga

Ao amin’ny Lioka 5, i Petera, izay efa nifanena tamin’i Jesoa teny amoron’i Jordana, dia hahalala ny heriny ary hahita Azy ho toy ny Mpamonjiny. Nanoloana ilay fahagagana, dia hiteny izy hoe: “Tompoko, mialà amiko fa olo-meloka aho”. Tsy nandeha anefa i Jesoa. Tsy natosiny ilay mpanjono nandohalika teo anoloany, ny mifanohitra amin’izany aza: “Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao” (and 8-10).

Atỳ aoriana, dia hahatsapa an-tànana ny herin’ilay Mpahary i Petera. Raha nanontany azy ny mpitondra tao amin’ny tempoly hoe mandoa ny antsasaky ny sekely (hetran’ny tempoly) ve izy sy ny mpampianatra azy, dia tsy nieritreritra loatra izy fa namaly eny. Sahirana tokoa izy raha tafaraka tamin’i Jesoa tao an-trano! Nilaza mialoha taminy i Jesoa. Ekeny izany toerana maha-vahiny etỳ an-tany Azy izany. Izy, Ilay Tompon’ny tempoly, dia hanaiky handoa io hetra io mba tsy hahatafintohina azy ireo. Na izany aza, tsy mila fanampian’olombelona tsy akory ny Mpahary. Tsy handeha hangataka Izy akory! Nirahiny hanjono eny an-dranomasina ilay mpianany ary haka izay trondro voalohany azony eo: “Rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao” (Matio 17:24-27). Nahoana no hoe “avy amiko sy ianao” fa tsy hoe “avy amintsika”? Nataon’i Petera ho toy ny Jiosy tsotra ilay Tompony, nefa tsy maintsy tandrovana ny voninahitry ny Mesia. Na dia teo aza ny fietrena izay noraisiny, dia tsy mitovy laharana amin’ilay mpianany Izy. Ny hafatra nampitondraina an’i Maria Magdalena dia hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho (fa tsy hoe ho any amin’ny Raintsika), ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17). Ataony manana fifandraisana mitovy amin’ny Azy sy ny Ray, ny Azy sy Andriamanitra,  ny olony. Saingy Izy no mitoetra ho Ilay “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” (Romana 8:29).

Simona Petera, ilay mpanjono, dia nifanena tamin’Ilay Mpamonjy sy Mpahary. Hahalala indray ilay “Mpanarina”[3] izy.Teo amoron’io Jordana(ranomasin’i Galilia) io ihany, taorian’ny jono mahagaga iray hafa koa, no nitenenan’i Jesoa, efa nitsangana tamin’ny maty, taminy hoe: “Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”. Ny hany azon’i Petera novaliana dia hoe: “Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho”. Nifanesinesy no namerenan’i Jesoa azy tamin’ny fanompoana: “Fahano àry ny ondrikeliko... Andraso àry ny ondriko... Fahano àry ny ondriko” (Jaona 21). Ny fitiavana ny Tompo sy ny olona(y) ihany no anton’izany fanompoana izany.

Teny amoron’io ranomasin’i Galilia io ihany, dia nahazo tombony tamin’ny fanompoan’ny Mpamonjy ny vahoaka. Teo amoron-dranomasina sy teny afovoan-dranomasina, dia nianatra ny hahalala Azy ny mpianany amin’ny heriny, ny fitiavany, ny fahasoavany. Nahitan-tsoa ny niaraka taminy irery teny an-tendrombohitra. Nefa teny ambony teny, dia tsy ho nianatra mihitsy ny lesona azony teny an-dranomasina izy ireo, teny amin’ny rivotra, teny amin’ny tafiotra ary teo afovoan’ireo kilemaina, ireo mahantra ary ireo jamba.

Ho avy ny andro izay hilazana hoe “ny ranomasina dia tsy misy intsony” (Apokalypsy 21:1).Ny fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sisa. Fitsaharana mandrakizay eo anilan’i Jesoa. Tsy hisy intsony alahelo sy fanaintainana, fa ilay Sakaiza mahatoky niaraka lalandava tamintsika namakivaky izany dia tsy hiova mandrakizay.

 

5  Anaty trano

Azo lazaina fa ny trano no “akany” ho an’ny olona. Ny Ohabolana dia mampitovy ny olona mirenireny lavitra ny tranony amin’ny voronkely miala amin’ny akaniny (Ohabolana 27:8). Ny trano dia mampieritreritra fandriam-pahalemana, fifandraisana akaiky amin’ny fianakaviana, zavatra iaraha-miaina.

 

5.1  Ao an-trano

Inona no hitan’i Jesoa momba izany rehetra izany tetỳ an-tany? Tamin’ny nahaterahany dia tsy nisy toerana ho Azy tany an-tranom-bahiny (Lioka 2:7).(et le passage précedant Jér.41,17?) Teo amin’ilay trano nijanonan’ny kintana no nitsaohan’ireo magy Azy. Taoriana kelin’izay, dia tsy maintsy nandositra tany Egypta Izy...

Tsy maintsy nanambara Izy, momba ny fiainany nirenireny nandritra ny fanompoany, hoe: “Ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” (Matio 8:20). Marina fa nipetraka fotoana fohy tao Kapernaomy Izy (Matio 4:13; Jaona 2:12), kanefa mahalana dia mahalana no nahitany trano hipetrahana tao. Raha samy nody tany an-tranony ny olona tany Jerosalema, Izy dia tsy nanan-kialofana afa-tsy ny tendrombohitra Oliva (Jaona 7:53; 8:1). Tamin’ny hariva nihobian’ny vahoaka Azy hoe “Hosana”, dia tsy nisy trano nisokatra handray Azy tao Jerosalema. Nandao ny tanàna Izy ary nakany Betania niaraka tamin’ireo roa ambiny folo lahy (Matio 21:17). Tamin’ireo andro manaraka, “nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva” (Lioka 21:37).

Ao amin’ireo filazantsara anefa, dia hitantsika matetika “ao an-trano” Izy, ary tsy voafaritra mazava lalandava hoe trano inona. Tokony ho toerana hitokanana izany, hisian’ny fahatoniana sy fialan-tsasatra. Marka, ilay filazantsaran’ny Mpanompo, dia manantitra ny momba ireo mpamangy marobe hita tao: “Re fa tao an-trano Izy, ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ny varavarana aza” (Marka 2:1, 2). Novaliany ny finoan’ireo sakaiza efatra nitondra ilay mararin’ny paralysisa, na dia nanohitra aza ireo mpanora-dalàna teo.

Niandry “niditra tao an-trano Izy” vao nanasitrana ireo jamba roa lahy izay nitady ny hamindrany fo teny an-dàlana. Tao amin’ny filaminana nisy tao amin’io trano io “dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo” (Matio 9:27-30).

Taoriana kelin’izay, dia “niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory izy” (Marka 3:20). Mbola nanohitra Azy indray ireo mpanora-dalàna ary ny havany dia nikasa ny hihazona Azy.

Amin’ny tranga hafa anefa, ny trano dia toerana fivoriana miaraka amin’ny mpianany, izay afaka mametram-panontaniana Aminy araka izay tiany. Rehefa noravany ny vahoaka dia niditra “tao an-trano Izy”, dia nanontany Azy momba ny fanoharana momba ny ahidratsy eny an-tsaha ny mpianatra. Nazavain’i Jesoa izany, kanefa tiany ny hisarika ny sain’ireo olony handeha lavidavitra kokoa, hiditra amin’ny zava-miafina anaty misy ao amin’ny fanjakany. In-telo misesy no ampiasainy ny teny hoe “ary” hanombohana ireo fanoharana momba ny harena nafenina, ny vatosoa iray sarobidy ary ilay harato tarihina nalatsaka tao amin’ny ranomasina (Matio 13:36-50). Mba inona no akon’izao teny miverimberina izao ao am-pontsika: “ Lasa nandeha... lasa”? Noheverin’ireo apostoly fa azony izany (and. 51), kanefa hasehon’izy ireo any aoriana fa tsy marina izany (Asa 1:6).

Tamin’ny andro hafa indray, “rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany”.Tsy azon’izy ireo ny hevitr’i Jesoa momba ny olona izay tsy voaloton’ny fahalotoana ivelany fa voaloto kokoa amin’ny zavatra izay mivoaka avy ao am-pony (Marka 7:17-23). Ny fahateraham-baovao ihany no afaka manova azy.

Tsy afaka nanasitrana ilay zaza nentin-drainy ny mpianatra. Nisento i Jesoa nanao hoe: “Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo”. Nandrasan’izy ireo ho tonga tao an-trano i Jesoa vao nanontaniany manokana hoe “Izahay tsy nahavoaka azy”. Nahoana no tsy nisy hery toy izany? Moa ve isika mba mametraka matetika izany fanontaniana izany? Natoron’ny Tompo azy ireo ny tsiambaratelo: ny tsy fahampian’ny vavaka sy ny fifadian-kanina, ny tsy fialàna amin’izay rehetra manakantsakana ny fiainana ara-panahy (Marka 9:28, 29). Te hiasa ho an’ny Tompo isika, ary adinontsika fa tsy afaka manao izany mihitsy isika raha tsy ampian’ny heriny, izay tadiavina amin’ny vavaka. Raha be loatra ny zavatra erehana, dia miha-osa ny zavatra ara-panahy, ary tsy mitondra vokatra ny asa, satria tsy misy “fifadian-kanina”.

“Ary nony mby tao an-trano”, dia nambaran’ireo mpianany taminy ny zava-manahirana azy ireo momba ny fanambadiana (Marka 10:10-12). Noararaotiny izany mba hananterana amin’izy ireo ny fahamasinan’ny fanambadiana. Ny apostoly dia hanamafy ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana io fanapahan-kevitra manetriketrika io “ao amin’ny Tompo ihany” (1 Korintiana 7:39).

Dia nampianatra azy ireo Izy momba ny fijaliana hanjo Azy. “Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany” (Marka 9:32), ary teny an-dàlana dia mbola niady hevitra ihany izy ireo hoe iza no lehibe indrindra aminy. Teny an-dàlana dia tsy niditra an-tsehatra i Jesoa. “Ary rehefa mby tao an-trano Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana? Fa tsy nahateny izy”. Navelany hiteny tamin’izy ireo ny feon’ny fieritreretany, raha samy nanao ny asa fanaony ny tsirairay, manala akanjo, angamba manasa tongotra na tanana. “Ary rehefa tafapetraka Jesoa, dia niantso ny roa ambiny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao ... ho mpanompon’izy rehetra izy”. Namaky ny tao am-po ny Mpampianatra ary an-kamorampo tanteraka no nidirany an-tsehatra tamin’ny fotoana naha mety izany. Mivory manodidina ny Tompo Jesoa isika, mipetraka eo anatrehany. Hatraiza ny fibahanan’ireo zava-manahirana antsika teo aloha ao amin’ny saintsika? Ny fanahiana, ny tetikasa, indraindray ireo adiady tamin’ny rahalahy na havana? Tokony ho talohan’izany no nanambarantsika “tao an-trano” izany rehetra izany teo anoloany sy niaikentsika ny fahadisoantsika. Ohatra momba ny fanetren-tena no nomen’i Jesoa tamin’Izy nitrotro ilay zazakely. Any amin’ny fanjakana, dia hitsimbadika tanteraka ny refin’ny soatoavina: izay kely dia ho lehibe (Marka 9:30-37). “Mianara Amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho” (Matio 11:29).

Araka ny efa hitantsika, raha sakodiavatra i Petera satria nilaza fa handoa ny sekely ilay Mpampianatra azy, dia niandry hiaraka Aminy mitokana “ao an-trano” i Jesoa (Matio 17:25) vao nanome fanazavana azy. Hoy ireo mpandray ny hetra: “Moa ny mpampianatra anareo tsy mandoa ...va?”. Tsy misy na inona na inona haloany; efa nomeny ny zavatra rehetra (2 Korintiana 8:9); hanolotra ny tenany Izy izao.

 

5.2  Ireo trano nanasàna an’i Jesoa

Karazana telo no azo tsongaina amin’izy ireo: ny tanon’ny fariseo; ny an’ny mpanota; farany, ireo trano izay nandraisana azy.

Tamin’ireo toerana samihafa, ireo fomba fandraisana, ireo fihetsiky ny olona, dia ilay Olona iray ihany no hitantsika, mapitovy ny tenany amin’ny tsirairay, vonona lalandava ny hanome. Zava-mahagaga tokoa ny mahita ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona miditra ao amin’ny tranon’ny iray amin’ireo voariny! Moa ve isika tsy mba te hiara-hiteny amin’ny hafa hoe: Tompo ô! Midira ato an-tranoko! Te ho hasaina Izy.

 

5.2.1  Ireo tranon’ny fariseo

Niditra tamin’izany toy ny mpampianatra Izy, indraindray toy ny mpanakiana, nefa nitondra lalandava ny fahazavana mampibaribary ny toetry ny fo, tsy nanaiky hofehezin’ireo lalàna napetrak’olombelona momba ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba ivelany ihany.

Ao amin’ny Lioka 7:36-50 “ny Fariseo anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana”. Neken’i Jesoa ilay fanasana ary toa tsy rototra tamin’ny fomba mivantambatana nasehon’ilay mpampiantrano Azy Izy. Ao amin’io trano io no hahatongavan’ny vehivavy mpanota iray, izay nilazany hoe”Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy”. Tsikariny ny finoana lehibe tao am-pon’io vehivavy io, finoana izay nanosika azy hiditra tao amin’ity trano nisy fankahalana azy ity ary niantoraka teo an-tongotry ny Mpamonjy. Nisy vokany ny nidirany tao, na dia ho an’ilay fariseo koa aza: “Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho... Niditra teto an-tranonao Aho”. Ahoana no fomba nandraisana Azy tao? Ary ny momba ny tranontsika? Omentsika ny haja mendrika Azy ve ny Tompo? Tena mba misy toerana ho Azy ve ao? Ary toerana ho an’ireo mpanota te hanatona Azy?

Ao amin’ny Lioka 11:37-54 “nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy”. Fotoana fanararaotra izany ho an’ireo mpanora-dalàna sy mpahay lalàna hanerena Azy mafy, hihantsiana  Azy, hamelara-pandrika aminy, hitadiavana teny tsy nahy avy amin’ny vavany hiampangana Azy. Sahiny ny nipetraka “tsy nisasa... vao nihinana”! Hasehon’ny Tompo an’ireo mpampiantrano Azy fa manasa ny ivelany ihany izy ireo, fa tao anatiny kosa dia feno faharatsiana. Ny fisehoana ivelany no nokatsahin’izy ireo, ny hanajan’ny vahoaka azy, fa nesoriny kosa ny fanalahidin’ny fahalalana: “Ianareo tsy niditra, ary izay te hiditra dia nosakananareo”. Rehefa eo i Jesoa dia mibaribary daholo ny zavatra ao am-po.

Ao amin’ny Lioka 14, nasain’ny loholona iray tamin’ny Fariseo Izy tamin’ny andro Sabata. ‘Nizaha taratra Azy ireo”: amin’io andro natokana ho an’Andriamanitra io, hikarakara ilay lehilahy mampalahelo manirano teo anoloany ve Izy?Feno fitserana ny fon’i Jesoa ary nositraniny ilay lehilahy; nefa, miaraka amin’izany, dia nokasihiny ny fieritreretan’ireo mpiampanga Azy, izay tsy afaka namaly ny fanontaniana napetrany. Anjarany indray izao ny mandinika ireo olona nasaina “mifidy ny fitoerana mialoha”. Samy nipetraka teo amin’ny toerana hitany fa mendrika ny hajany ny tsirairay. Rehefa miditra kosa ny Tompo, dia apetrany eo amin’ny toerana aoriana indrindra izay olona nasaina nipetraka tamin’ny toerana avo(aloha) loatra, ary ampiakariny ilay olona nifidy toerana ambany(aoriana). Eto indray koa, mazava tsara ny toetry ny fo.

 

5.2.2  Ireo tranon’ny mpanota

Raha vao niantso azy i Jesoa, dia navelan’i Levy daholo ny zavatra rehetra ka nanaraka Azy izy. Nefa tiany mba ho fantatr’ireo namany mpamory hetra, sy olon-kafa koa, ilay Mpamonjy vao nahita azy. “Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’i Jesoa; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy” (Lioka 5:29). Hoy ireo fariseo sy mpanora-dalàna: “Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?”. Inona no nahatongavan’i Jesoa teto amin’ity tany ity? Hanameloka ny olona? — “Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka” (and 32). Teo ny Mpamonjy: iza no handray Azy?

Zakaiosy koa dia lehiben’ny mpamory hetra. “Nitady hahita izay Jesoa izy” (Lioka 19:1-10). Ny toerana nisy azy, ny vahoaka, ny holazain’ny olona, ny hafohiny, izany rehetra izany dia sakana avokoa. Misy milaza hoe: Tsy fantatro; ny hafa: Tsy sahy aho; ny hafa indray: Tsy afaka aho. Fantatr’i Jesoa ny fanirian’ilay mpamory hetra. Izy no nahita azy mialoha, ary nasainy nidina avy teo ambonin’ilay aviavy izy “fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”. Tamim-pahefana no nanasan’i Jesoa tena ho any aminy, satria tsikariny tao amin’io lehilahy io ny fieritreretana mora tohina sy ny zavatra voalohany asehon’ny finoana sy ny fiainam-baovao. Hafaliana tokoa no nandraisan’i Zakaiosy Azy, na dia nimonomonona daholo aza ny rehetra hoe “lasa nandeha niantrano amin’izay lehilahy mpanota Izy”. Nentin’i Jesoa tao amin’io trano io ny famonjena: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (and 10).

Amin’ny fiafaràn’ny làlam-pitiavany, dia hoentina any amin’ny trano iray hafa i Jesoa, ny tranon’i Kaiafa mpisoronabe (Lioka 22:34). Tao no nandavan’i Petera Azy. Ireo izay nisambotra Azy dia nanaraby sy nikapoka Azy, nandrora taminy sy nanampi-maso Azy, namelaka tehamaina Azy. Ilay“ondrivavy izay moana”dia teo “anatrehan’ny mpanety azy, —eny, tsy niloa-bava izy” (Isaia 53:7).

 

5.2.3  Ireo trano nandraisana Azy

Niantrano tao amin’i Simona sy Andrea i Jesoa, ary tao no nahitany ny rafozambavin’i Simona nandry nanavin’ny tazo (Marka 1:30). Tokony ho tsy nandray Azy ve? “Ary niaraka tamin’izay dia nilaza azy taminy izy ireo”, toy ny tokony ataontsika koa amin’ny olana sy ny fitsapana miseho eo amin’ny fianakaviantsika, ny zanatsika na ireo olona akaiky antsika. Aoka alaintsika an-tsaina ny zava-niseho tao amin’ilay efitrano nidiran’ny Tompo, nanatonany ilay marary, nandraisany ny tanany; “Dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy” (ny Matio 8:15 dia milaza hoe “nanompo azy ireo izy(Azy)”: misy fahasamihafana ve?).

Nitalaho tamin’i Jesoa i Jairo mba ho tonga any an-tranony, satria efa eo am-bavahoan’ny fahafatesana ny zanany vavy. Lavitra ny lalana. Teny an-dalana, dia nijanona i Jesoa nanasitrana ilay vehivavy nikasika Azy. Nandritra izay fotoana izay, dia efa maty razazavavy. Koa inona indray no mbola hanasahiranana ny Mpampianatra (Marka 5:35)? —“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”, hoy i Jesoa tamin’ilay ray efa vontom-pahoriana.Nony tonga tao an-trano Izy, dia navoakany daholo ny olona rehetra, afa-tsy ny rain’ilay zaza sy ny reniny ary mpianany telo lahy, dia niditra tao amin’ilay efitrano nandrian’ilay zaza Izy. Nandroso tao amin’ny maizimaizina tao amin’io efitrano nisy maty io ny Mpamonjy. Toy ny nataony tao an-tranon’i Simona, dia noraisiny ny tànan’ilay zazavavy ary hoy Izy hoe: “Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha”. Tao amin’ny fiaraha-miaina manokana tao an-trano no nitondrany fiainana, fifankatiavana lalina tena ilaina tokoa eo amin’ny fanahy iray sy ny Mpamonjy azy. Fahiny dia nirin’i Josefa ny hitokana irery miaraka amin’ny rahalahiny hahafantaran’izy ireo azy (Genesisy 45:1). Inona no hanamarika io fiainam-baovao io? Ilay tovolahy tao Naina dia niteny (Lioka 7:15); ny zanakavavin’i Jairo dia tsy maintsy nihinana. Izao no voalaza momba an’i Lazarosy: Avelao handeha izy (Jaona 11:44). Moa ve i Dorkasy tsy nanohy nanompo? (Asa 9:36-42)? (à mon avis)

Azo antoka fa imbetsaka ilay trano tao Betania no nanasa ilay Mpivahiny efa sasatra, izay nahita toy ny tranony tao. Tsy tonga tao tahaka ny mpanakiana Izy, na tahaka ny mpiandry ondry akory koa aza, fa tahaka ny sakaiza. Misy rohim-pitiavana mampiray Azy amin’io fianakaviana io. Nisy vehivavy maro, ”izay nositraniny tamin’nyfanahy ratsy sy ny aretina” (Lioka 8:2), nanaraka Azy “teny amin’ny lalany”, nanompo Azy sy nanohana Azy tamin’ny fananany. Hahazo ny valisoany izy ireo amin’ny fotoana maha-mety izany. Fa ireo vehivavy izay nandray Azy “tao an-tranony” kosa, dia mbola nahafantatra Azy bebe kokoa. Nipetraka teo an-tongony i Maria; nanompo Azy i Marta. Raha nidonam-pahoriana izy mirahavavy, dia nahita ny fiombonam-pon’ilay Olona lavorary. Tsy nisy intsony ny hoe ny iray nihaino ary ny iray nanompo, fa fanahy roa tafaray tao anaty fahoriana, tsy nanana hantenaina afa-tsy Izy. Ary nahita ny fiainana nipoitra niala avy tao amin’ny fanjakan’ny fahafatesana izy ireo,(tamin’ilay feo maherin’i Jesoa), ka nahatakatra ny dikan’ilay teny hoe:”Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25). Fa amin’ny fotoana maha-mety izany, tao an-tranon’i Simona boka, dia handraraka menaka manitra lafo vidy tokoa i Maria eo ambony lohan’ilay Mpanjaka ao amin’ny Matio, ilay Mpanompo ao amin’ny Marka, eo amin’ny tongotr’ilay Zanak’Andriamanitra ao amin’ny Jaona. “Ary feno ny hanitryny menaka ny trano”(Jaona 12:3).

Tranon’olon-tsy fantatra iray no handray ny mpianatra tonga hikarakara ny Paska. “Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly” (Lioka 22:10-22). Tao amin’io tranon-tsakaiza io, tao amin’ilay efitrano lehibe izay efa nasiana fipetrahana io, no nandraisan’i Jesoa ny mofo manambara ny tenany natolotra, ny kapoaka izay manambara ny rany nalatsaka. Nihira fihirana izy ireo talohan’ny hankanesany teny an-tendrombohitra Oliva (Marka 14:26). Tao no nanambaràn’i Jesoa tsiambaratelo maro dia maro tamin’ireo mpianany, nanohizany ny resaka tao amin’ny lohasaha Kidrona, nilazany ny momba ny trano iray izay misy toerana voavoatra, izay hiverenany hakany ny mpianany ho eo akaikiny, “ny tranon’ny Raiko” (Jaona 14:2). Anjarany indray amin’izay no hampandroso azy ireo ary “hisikina [Izy], dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy” (Lioka 12:37).

Tamin’ny trano rehetra nidirany, dia “nanome” Izy: nanome ny famonjena, ny famelàn-keloka, ny fanasitranana, ny fiainana, ny fahazavana. Tao amin’ny tranon’i Simona boka, dia “nandray” ny hanitra Izy, ary tao an-tranon’i Kaiafa, ny faniratsirana sy ny kapoka. Ao an-tranon’ny Ray, dia hotolorana ny fiderana mandrakizay Izy.

 

6  Eny an-dalana

“Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ ... mitory fiadanana”

Isaia 52:7

 

Ny lalan’ny Tompo Jesoa tetỳ an-tany dia azo zaraina ho vanim-potoana telo:

Ny fanompoana tany Galilia, nandehanany tany amin’ireo tanàna sy vohitra, nampianatra, nitory teny sy nanasitrana;

Ny vanim-potoana, tany Galilia ihany sy tany avaratra, izay “nitokanany” raha nailika Izy;

Farany, ny dia farany niakarana tany Jerosalema.

Inona no toetrany hitantsika nandritra izany lalany izany?

Voalohany aloha, dia ny fankatoavana an’Andriamanitra: nisy iraka nampanaovina Azy ary notanterahany, na dia nanao izay hiodinany tamin’izany aza i Satana. Ny sitrapon’Andriamanitra ihany no nisy lanjany teo anatrehany: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” (Jaona 4:34). Ny fiankinan-dohany tanteraka dia nahatonga Azy ho olon’ny vavaka, nanam-paniriana lalandava ny hanao izay mahafaly an’Andriamanitra.Nandritra ny diany iray manontolo, dia nampiseho herim-po tsy azo nohozongozonina Izy. Na sakana, na fahavalo, na fijaliana, na fahadisoam-panantenana, tsy nisy nahasakana Azy mihitsy izany. “Niatrika hankany Jerosalema Izy” (Lioka 9:51). Nihorohoro tanteraka ilay fanahiny masina raha nahita ny hazofijaliana nanakaiky, satria eo Izy no “hatao ota” (2 Korintiana 5:21), kanefa dia tsy nivaona na dia indray mandeha aza Izy tamin’ny tanjona nomena Azy.”Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity” (Jaona 12:27). Nandritra ny lalany rehetra, dia tena olona tokoa Izy. Tsy nampiasa ny fahefany mihitsy Izy ho an’ny tenany. Noana Izy, nangetaheta, sasatry ny lalana, kanefa dia tsy nanao fahagagana mihitsy Izy hanamaivana ny fahoriany. Nahantra Izy, nefa tsy nananan’iza na iza trosa. Tsy nanam-bola Izy nefa nampanankarena ny maro. Tsy nanan-tahiry Izy nefa namoky vahoaka. Impiry moa ny fony, izay tena toy ny fon’olombelona tokoa, no feno fitserana ka nahatonga Azy hitomany teny amin’ny fasan’i Lazarosy, na momba an’i Jerosalema. Olona lavorary tamin’ny zavatra rehetra Izy, ary indraindray, dia nisy taratra momba ny maha- Andriamanitra Azy ihany izay nitsipalotra teny. Teny tonga nofo Izy, “nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray” (Jaona 1:14).

Raha mijery ny fandehany tena lavorary isika, dia afaka miteny miaraka amin’ny mpaminany hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ (fa tsy ny molotra)... mitory fiadanana” (Isaia 52:7). Ary io lalam-pitiavana io dia nitondra Azy hatrany amin’ny hazofijaliana, izay namantsihan’ny olona ny tongony izay nandia lalana maro teo amin’ny tany. Fanahy niniana tanteraka no nampijanonan’ny olona ny dian’ny Tompo tetỳ an-tany.

 

6.1  Tany Galilia

I Jaona mpanao batisa dia nijery an’i “Jesoa nitsangantsangana” (Jaona 1:36). Ny masom-pinoantsika koa dia mila mahita Azy mandeha toy izany.

Ny filazantsara araka an’i Matio, indrindra indrindra, dia mampiseho Azy antsika mandeha eny amoron’ny ranomasin’i Galilia, mitety ny tany rehetra, mampianatra ao amin’ireo synagogany, miakatra eny an-tendrombohitra, dia midina avy eny, miditra ao Kapernaomy. Atỳ aoriana Izy dia hitantsika miampita; avy eo Izy dia hiantso an’i Matio ary hanasitrana jamba roalahy. Ho an’ny vahoaka izay nitoetra tao amin’ny haizina, dia nisy fahazavana niposaka (Matio 4:16). “Ary Jesoa nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra... nitory...nanasitrana... Ary nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo..”. Ary mbola nanohy ihany Izy “hampianatra sy hitory tany any an-tanànan’ny olona”(Matio 9:35; 11:1). Toa tsy nisy tanàna iray hadinony tao amin’ity Galilia izay nataon’ny olona tsinontsinona ity. Tsy nisy nahafantatra Azy raha nanomboka ny asa fanompoany Izy (Jaona 1:26), na dia am-pahibemaso mandrakariva aza no nanaovany izany (Jaona 18:20), kanefa moa ve fantatra kokoa Izy tamin’ny farany? — “Izao tontolo izao tsy nahalala Azy” (Jaona 1:10). Vitsy ireo nisoka-maso ka nahatsikaritra ny hatsarany, ary tamin’ny alalany, ny hatsaran’ny Ray (Jaona 14:9).

Nisy olona  vitsivitsy nanaraka Azy nitety tanàna: ireo roa ambin’ny folo lahy sy vehivavy sasantsasany (Lioka 8:2, 3). Nanaraka Azy ireo vehivavy ireo ary nanompo Azy “fony Izy tany Galilia”, hoy i Marka (15:41), nahay nanararaotra ny tranga natolotra azy ireo. Akaiky Azy kokoa noho ny olona hafa izy ireo, ary nahita “ny tongony” nitety ny tany. Eo amin’ny hazofijaliana, raha nandao Azy ny olona rehetra, dia mbola teo ihany izy ireo, nahatoky.

“Isaia... nahita ny voninahiny... ka nilaza Azy” (Jaona 12:41). Tao amin’ny tempoly, dia efa nahita ny voninahiny izy, teo amin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, voahodidin’ireo anjely izay nanambara hoe: “Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro!”. Tao amin’ilay fahitana faminaniany, dia nanambara ny fanetren-tenana izy (Isaian 53). Nefa akory ny ho fitsaohany Azy raha mba nahita Azy nandeha tamin’izany lalam-pitiavany izany izy, “nisaron-tava ho toy ny Galileana”, nanafina ny voninahitry ny Zanaka malalan’ny Ray?

Kanefa “ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe... [dia] tsy nibebaka” (Matio 11:20). Ny Fariseo dia “niara-nisaina mba hahafaty Azy” (Matio 12:14; Marka 3:6). Voatery “nitokana” àry i Jesoa, nanohy ny asany tsy dia mibaribary loatra, raha afaka milaza izany isika(raha izay no azo ilazana azy), indraindray ivelan’ny faritry ny firenena. Am-pahamendrehana mandrakariva no nisintahany, tsy nandositra velively Izy; tsy misy fahakanosana ny fihetsiny.

 

6.2  Niala teo Izy (Matio 12:15)

Hitan’i Ezekiela ny andry rahona niala moramora teo amin’ny fitoerana masina, nijanona teo am-baravaran’ny tempoly, dia teo am-bavahadin’ny tanàna, ary tsy hita intsony teny amin’ny tendrombohitra Oliva. Nihataka i Jesoa. “Nivoaka avy tao an-trano Jesoa” (13:1); “niala teo handeha hitokana any an-tany foana” Izy (14:13); dia niala “nankany amin’ny faritanin’i Tyro sy Sidona” Izy (15:21). Ivelan’ny tanin’i Israely no nanasitranany ny zanaka vavin’ilay vehivavy kananita, izay nanana finoana nahatohitra ny sakana rehetra. Ho izay ve ny fiafaràn’ny asa fanompoany any Israely?

Niverina moramora “nankany amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy” (and 29), dia nankany “amin’ny faritanin’i Kaisaria-filipo” (16:13). Nandray ny fanambaràn’ny Ray i Petera nilaza hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (and 16). Dia nambaran’i Jesoa ny momba ny vanim-potoana[4] vaovao hanolo ilay vanim-potana nanilihana an’i Israely: “Ambonin’ity vatolampy ity (i Kristy Izy tenany mihitsy — 1 Petera 2:6, 7) no haoriko ny fiangonako” (and 20,18?). Ny Fiangonana no haka ny toeran’i Israely amin’ny maha vavolombelon’Andriamanitra azy eto an-tany. Homena ireo apostoly ny fanambaràna ny amin’izany any aoriana; fa alohan’izany, dia tsy maintsy mijaly sy manome ny ainy i Jesoa: “Hatramin’izany no vao natoron’i Jesoa ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaliana... , dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo” (16:21). Mbola      naveriny ihany ny fanambaràna ny fijaliany raha nidina avy teny an-tendrombohitra niovany tarehy Izy; dia nisy antsipiriany kokoa nomena, “raha nitoetra tany Galilia Izy” (17:12, 22). Farany, “rehefa vitan’i Jesoa izany teniny izany, dia niala tany Galilia Izy” (19:1).

 

6.3  Mankany Jerosalema

Ao amin’ny fanoharana ao amin’ny Lioka 10:33, dia nisy Samaritana anankiray “nandeha tamin’ny nalehany”; nandao ny toerana nisy ny fitahiana izy (Jerosalema) mba ho any amin’ny toerana misy ny ozona (Jeriko), sarintsarin’Ilay Mpamonjy Izay nanafoana ny tenany mba hankatoavany hatrany amin’ny fahafatesana, dia ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjena ireo olona mahantra nianjera teny an-dalana.

Ny filazantsaran’i Lioka dia mampivohitra mazava ny dingana tamin’io dia farany io nanomboka tamin’i Jesoa “niatrika hankany Jerosalema” (Lioka 9:51). Nandefa iraka Izy hikarakara trano ho Azy tao amin’ny tanàna iray tany Samaria: “fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy” (and. 53). Tian’i Jakoba sy Jaona nandefasana afo nilatsaka avy any an-danitra izany tanàna izany, kanefa dia notenenin’ny Tompo mafy izy ireo. “Nankany amin’ny vohitra hafa” (and. 56) izy ireo; raha nahilika i Jesoa, dia nanaiky haka indray ny toeran’Ilay Nazareana mahantra, ary tsy nimonomonona nanohy ny diany. “Ary nony nandroso teny an-dàlana Izy” (and. 57), dia hotsipihiny tsara ny fandavantena izay andrasany amin’ny olony, Izy Ilay Tompo: tsy hoe “Aoka aho aloha” (and. 59), fa ilay fandavantena hanaraka ny lalana nombàny, “tsy miherika” (and. 62).

Velombelona ny fony, taorian’ny fandavan’ireo Samaritana, “raha nandeha izy ireo” ka noraisina tao an-tranon’i Marta (10:38). Toy ny tany lonaka any an’efitra no nandraisany io trano nampandroso Azy io, trano izay nisy an’i Maria, rahavavin’i Marta, nipetraka teo an-tongotr’i Jesoa “ka nihaino ny teniny”.

Nefa tsy maintsy notohizana ny dia: “Nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema” Izy (13:22). Nisy olona gaga nahita fa vitsy dia vitsy ny olona nanaraka ny Tompo kanefa efa taona maro ihany Izy no niasa. Toy ny miteny Jesoa hoe: “Ahoanao inona na vitsy aza izy ireo”: ianao, miezaha “hiditra amin’ny varavarana èty” alohan’ny handrindrinana azy (and. 24, 25).

Nanoloana ny fanoherana, dia nanohy ihany i Jesoa: “Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary rahafakampitso dia hotanterahina ny amiko. Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso ary rahafakampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema” (13:32, 33). Nandao an’i Galilia Izy, ny farihiny, ny havoanany, ny zava-maitso taminy. Tsy ho ela dia avy any Jeriko Izy no hiakatra ho any Jerosalema, hamakivaky io tany efitra any Jodia io, izay maina sy mandoro, ary erỳ ambony, eny amin’ny faratampony eny, lavitra dia lavitra, no misy ny trano voalohany ao amin’ity tanàna mpamono mpaminany ity sy mpitora-bato izay olona alefa any aminy. Avy eny amin’ny tendrombohitra Oliva Izy no hijery ity tanàna mafy fo ity, izay misalotra ny fiheverany ho fahamarinan’ny tenany, ary ny hohitany ao, amin’ny farany, dia hazofijaliana: Tsy maintsy mandeha ihany Aho...”.

“Ary raha niakatra ho any Jerosalema Izy”, dia nahita olona nahafaly ny fony, dia boka folo lahy nositraniny. Ny iray tamin’izy ireo no niverina nisaotra Azy (17:11-19). Io no hany tranga ao amin’ny filazantsara izay nisy olona nositranin’i Jesoa ka nisaotra Azy, naneho fankasitrahana. Ny hafa dia “nanaraka Azy teny amin’ny lalany”, toa an’i Bartimeo, na ireo vehivavy izay nanompo Azy tamin’ny fananany. Io lehilahy io irery, “niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa”, no tena nisaotra Azy. Nalahelo tokoa ny Tompo nanontany hoe: “Fa aiza ny sivy?”. Nisy anankiray anefa niverina nanome voninahitra an’Andriamanitra. Ary velombelona ny fanahin’i Jesoa; nisotro kely tamin’ny “ony any an-dalana Izy” (Salamo 110:7)!

Efa akaiky ny tanjona. “Ary Jesoa naka ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ny Zanak’olona. Fa hatolotra ho amin’ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ny andro fahatelo dia hitsangana Izy” (18:31-33). Satrin’ny fon’Ilay Mpamonjy, raha mba tamin’izany fotoana izany Izy no nahita fo niantra Azy, “fa tsy nisy,...mpamony,fa tsy nahita” (Salamo 69:20). Momba ny mpianatra, dia izao no lazaina amintsika: “Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany” (18:34), satria ny nanahirana azy ireo tamin’izany, dia ny hahazo ny toerana voalohany ao amin’ny fanjakana (Marka 10:35-37, 41; Lioka 22:24).

Manohy ny lalany ny Tompo. Ilay jamba tao Jeriko dia nahafantatra fa “Jesoa avy any Nazareta no mandalo” (18:37). Dia niantso mafy Izy, nanohy niantsoantso ihany; nijanona ny Mpamonjy ary nanasitrana azy. Nianika teny ambony aviavy i Zakaiosy “hizaha an’i Jesoa, fa efa handalo tamin’izany lalana izany Izy” (19:4). Hitan’ny Mpampianatra izy, ary nilaza ny Tompo fa hiantrano ao aminy; nivoha ny tranon’ilay mpamory hetra handray Azy.

Dingana iray ihany izany. “Nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema [Izy]... Nanakaiky an’i... Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy”. Ny vahoaka tonga hilanonana dia niantsoantso hoe: Hosana; fa Izy kosa, “raha nanakaiky... ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy” (19:41). Fantany tsara fa hihatra amin’ity tanàna ity ny fitsarana,(;) tanàna izay meloka satria nandà ny Mesiany. Niditra tao Izy, nanetry tena, nitaingina zana-boriky, zanaky ny boriky vavy (Zakaria 9:9; Matio 21:5); indray andro any, dia hiverina ao Izy, mitaingina soavaly fotsy, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19:11, 16)!

Farany izao i Jesoa no “araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva” (Lioka 22. 39). Tao an-tsaha, dia nitalaho Izy mba tsy handalo amin’io ora io, (nefa na izany aza) na dia nankatoa ny sitrapon’ny Ray aza Izy. Nanomboka hatreo, “tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina” (Isaia 53:7), dia “nitondra Azy” ny olona (Lioka 22. 54, 66; 23:1, 14, 26).

“Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesoa” (23:33). Ireo tongotra izay nandeha tsy sasatra tamin’ny lalankely tany Galilia ary nanatontosa ilay dia lavitra hatrany Jerosalema, dia voafantsika teo amin’ny hazo feno ozona. Nifarana teo ilay lalana feno fanetrentena.

Tam-panetrentena tanteraka,

Nanohy ny lala-maizina nodiavinao,

Dia notsinontsinoavin’izao tontolo izao Ianao,

Ianao izay nanolo-tànana azy,

Ianao izay nanam-pitiavana hamonjy,

Onena sy tena lavorary,

Nanolotra ny soa hatrany

Ho an’ny zanak’olombelona meloka.

 

He(a)ra(e)na sarobidy tokoa

No omen’ny fonao feno fangorahana anay!

Na dia Andriamanitra aza dia tsy nahita

Afa-tsy fahazavana sy fahamasinana.

 

(H. Rossier)

 

7  Ao amin’ny synagoga sy ny tempoly

Tsy tany an-trano (izay toerana mitokana) ihany i Jesoa no nampianatra, na teny an-tendrombohitra sy teny amoron-dranomasina (toerana ho an’ny rehetra), fa tany amin’ny synagoga sy ny tempoly koa (toeram-pivavahana), izay nahitany fanoherana mivaivay. Ao amin’ireo tantara ao amin’ny filazantsara, ireo synagoga ireo dia toerana hitadiavana vonjy amin’ny fahoriana isan-karazany. Lalovan’ireo olona mpivavaka fotsiny ireny filàna rehetra ireny; onena i Jesoa ka manatona ireny olona mijaly ireny mba hanasitrana azy ireo. Tsy misy sahy manome tsiny Azy amin’izany, na natao tamin’ny andro Sabata aza ny fanasitranana, na koa satria matahotra ny ho afa-baraka ka horoahina hiala amin’ny synagoga (Jaona 9:22; 12:42). 

 

7.1  Ao amin’ny synagoga

Raha vao nanomboka ny asa fanompoany i Jesoa dia “nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona” (Matio 4:23). Tsy nionona tamin’ny toerana iray na roa ihany Izy, fa eran’i Galilia no nitoriany ny filazantsaran’ny fanjakana. Samy afaka nandre Azy ny tsirairay. Inona no hitany tao amin’ireo trano ireo? Fanarahan-dalàna, fombafomba, fisehoana ivelany, ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny fahorian’ny zanak’olombelona. Tamin’ny voalohany Izy dia “nankalazain’izy rehetra” (Lioka 4:15), kanefa vetivety dia nifanena tamin’ny fanoherana Izy.

Na dia teo aza ny fankahalana, dia nitozo lalandava niditra tamin’ireny synagoga ireny ihany Izy, tsy kivy. Hiteny Izy amin’ny faran’ny fiainany hoe: “Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga” (Jaona 18:20). Nohamafisin’ny asany ny foto-pampianarany (Matio 9:35). Na dia teo aza ireo zavatra diso teo imason’Andriamanitra tao amin’ireo synagoga ireo, dia niditra tao Izy: nanatrika teo foana Izy, nitahy lalandava ary nampamirapiratra ny fahasoavany.

Tao Kapernaomy, tamin’ny andro Sabata, raha niditra tao amin’ny synagoga Izy, dia nampianatra tamin’ny fahefana, fa tsy toy ny mpanora-dalàna. Nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto teo, niantso mafy, naneho ny tsy fahafaliany nahita Ilay nanana ny fahefana rehetra amin’ny demonia: “Avy handringana anay va Ianao?”. Nasain’i Jesoa nangina izy; nivoaka avy tao amin’ilay lehilahy ilay fanahy maloto, ka sitrana io lehilahy io, ary gaga daholo ny olona (Marka 1:21-28)Raha “niditra tao amin’ny synagoga indray i Jesoa”, dia nahita lehilahy iray maty tànana. “Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ny Sabata Izy, na tsia, mba hiampangany Azy” (Marka 3:1-2). Tsy misy fitserana ilay lehilahy mijaly, fa saina te hiampanga an’i Jesoa, Izay hanova io tànana maty io ho fitaovana mamokatra. Nodidiany ilay lehilahy ka nitsangana teo imason’ny olona rehetra; napetrak’i Jesoa mazava tsara ny fanontaniana: “Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona”. Teny vitsy monja dia ampy hanambaràn’ilay mpanoratra ny filazantsara ny alahelo lehibe tao amin’ny fanahin’ny Mpamonjy manoloana izany hamafin’ny fon’izy ireo izany: “Ary nony nijerijery azy tamin’ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony...” (and 4, 5). Ny haratsiam-pon’ireo mpiatsaravelatsihy ireo no nahatonga io fahatezeran’Andriamanitra io, izay antsoina amin’ny andro fitsarana hoe “ny fahatezeran’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 6:16). Natsotran’ilay marary ny tànany, sitrana. Teo noho eo ihany ireo fariseo sy herodiana dia niray tetika hanohitra an’i Jesoa mba hahafaty Azy! Te hijanona eo amin’ny sehatry ny lalàna izy ireo ka tsy afaka ny hanaiky ny fahasoavana.

Niverina tany Nazareta, izay nahabe Azy, i Jesoa. “Ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny” (Lioka 4:16-30). “Talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany” ny olona. Nefa, nony nilaza i Jesoa fa io fahasoavana io dia niitatra tamin’ny olona sasantsany teo amin’ny jentilisa fahiny, dia “tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany”. Nikasa ny hamarina Azy avy teny an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna izy ireo, “nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha”. Azony natao tsara ny nanaiky hazera any amin’ny hantsana, ary tsy ho nisy loza hanjo Azy (Salamo 91:12), nefa nanafina ny voninahitra maha Andriamanitra Azy Izy, tsy taitra akory Izy niala teo ary nihisaka ny olona nanome lalana Azy!Tsy afaka nanao fahagagana teo Izy “noho ny tsy finoan’ireo”. Nefa, noho ny fahasoavany, dia “nametraka ny tànany tamin’ny olona vitsivitsy Izy ka nahasitrana azy” (Matio 13:53-58; Marka 6:1-6).

Tao amin’ny synagoga tao Kapernaomy no nitorian’i Jesoa ny amin’ny mofon’aina (Jaona 6). Izy no ilay mofon’aina nidina avy any an-danitra, izay manome sy mikolokolo io aina io. Io mofo io koa no nofony sy rany izay omeny mba ho fiainana ho an’izao tontolo izao. Inona no navalin’ny olona an’izany? “Hatramin’izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony”. Nalahelo i Jesoa raha nanontany azy roa ambin’ny folo lahy hoe:“Ianareo koa va mba te hiala? Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra”. Mety ho nisy toy ny fidokan-tena ihany tamin’io valintenin’i Petera io. Kanefa dia tsy maintsy nilaza i Jesoa hoe: “Tsy Izaho va no nifidy anareo?”. Ambadik’izany fifidianana izany, dia efa tsikaritra i Jodasy Iskariota, “ilay efa hamadika Azy” (and 66-71).

“Ary nampianatra tao amin’ny synagoga anankiray Jesoa tamin’ny Sabata. Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory” (Lioka 13:10, 11). Tsy nangataka na inona na inona io vehivavy io, tsy nitalaho taminy. Angamba nanjoko loatra izy ka tsy nahita Azy akory. Nefa, “rehefa nahita azy Jesoa, dia niantso azy”, nametra-tànana taminy, “ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra”. Tsikaritry ny fon’ny Tompo io vehivavy io teo afovoan’ny vahoaka izay tsy rototra, na feno fankahalana aza, satria “ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesoa nahasitrana tamin’ny Sabata”. Nalahelo noho izany fihatsarambelatsihy izany ny Tompo ka nampibaribary azy. Mitoetra ao am-pon’ity vehivavy ity, “izay zanak’i Abrahama”,  ny finoana; ary izy, “izay efa nafatotr’i Satana izao valo ambin’ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata va?”

Firifiry akory moa ireo mpino, amin’izao fotoana izao, no voafatotry ny riba, fanaon-drazana, saina mpanara-dalàna loatra. Tsy afaka ny hankafy ny fahafahana ao amin’i Kristy izy ireny! Mahery ny Tompo, na dia ankehitriny aza, mba hamaha ny fatorany sy hanafaka azy ireny. Menatra tanteraka ireo olona nanohitra Azy; ny vahoaka kosa dia nifaly; ary Izy dia “nandroso hankany Jerosalema” (and 22).

 

7.2  Ao an-tempoly

Ny synagoga dia toerana fivavahana sy famakiana ny lalàna, niforona tamin’ny andron’ny nanaparitahana ny zanak’Israely ary nisy saika hatraiza hatraiza tamin’ny fanjakana romana, teo amin’izay nisy Jiosy nonina. Maro koa izy ireo tany Palestina. Mifanohitra amin’izany kosa ny tempoly, satria iray ihany izy io: io no ivon’ny fanompoam-pivavahana, ivon’ny fivoriana, mariky ny maha iray ny Israely. Ho tonga hitsidika azy ny Tompon’ny tempoly. Ahoana no ho fandraisana Azy ao? Fahiny dia ny andry rahona no nandrakotra ny tabernakely, ary ny tempolin’i Solomona avy eo; nilaozany izany ao amin’ny Ezekiela, toy ny am-pahalainana sy tsikelikely; tsy niverina intsony izy. Fa Ilay nambaran’ny andry rahona ny fisiany, Izy tenany mihitsy no hiditra ao amin’io tempoly io, izay antsoiny hoe tranon’ny Rainy. Inona no ho hitany ao?

Fony mbola zaza Izy, dia natolotr’ireo ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly, araka ny lalàna (Lioka 2:22-38), mba hanolorana ny fanatitra nodidiana hataon-dreniny (fa tsy ho an’ilay zaza tsy akory!), araka ny Levitikosy 12. Ny fahantran’ireo ray aman-drenin’i Jesoa, dia tsy nahafahan’izy ireo nitondra afa-tsy voromahailala roa ihany. Tao amin’ny akaniny nahantra tany Nazareta, “na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony” (2 Korintiana 8:9).

Raha ny fijery azy, dia toa tsy nisy olona nahamarika ilay zaza. Dia tsy hisy hiraharaha tokoa ve Ilay fantatr’i Josefa sy Maria fa “Zanaky ny Avo indrindra” (Lioka 1:32) tokoa ve, “Ilay hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” (Matio 1:21)? Lehilahy antitra iray, notarihin’ny Fanahy Masina, no mba nandroso. Notrotroiny ilay zazakely. Nisaotra an’Andriamanitra izy: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao” (Lioka 2:29). Nitsodrano ireo ray aman-dreny i Simeona, fa tsy ilay zaza tsy akory, satria ahoana tokoa moa, izy izay olona mety maty ihany, no hitsodrano Ilay ho”fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Israely olonao”? Tamin’izay fotoana izay no tonga i Hana, ilay mpaminanivavy, dia nisaotra ny Tompo ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema (Malakia 3:16).

“Ary ‘rehefa roa ambin’ny folo taona” Izy (Lioka 2:42),dia nentin’ny ray aman-dreniny niaraka taminy tany Jerosalema, hanao ny fetin’ny Paska. Teny an-dàlana fodiana, dia tsy fantatr’izy ireo fa tsy niaraka taminy i Jesoa zaza. Nihevitra izy ireo fa niaraka tamin’ireo andiana mpivahiny Izy, na niaraka tamin’ireo havany.

Moa ve tsy manjo ny ray aman-dreny sasany, na dia ao anaty fianakaviana kristiana aza, ny tsy mahafantatra ny toe-panahin’ny zanany? Mitandrina ve isika, mifampijery, mba hitondra fampianarana ara-panahy ho an’ireo zanatsika?

Ny zava-nisy, dia tao amin’ny tempoly i Jesoa, teo afovoan’ireo mpampianatra, nihaino sy nametra-panontaniana. Fantany tsara ny maha Andriamanitra Azy (and 49), kanefa dia nijanona teo amin’ny teorana nisy Azy Izy, araka ny taonany, ary tsy nampianatra. Izy koa dia tsy nila nianatra avy tamin’ireo mpampianatra ireo, Izy izay mahalala ny zava-drehetra na dia tsy misehoseho aza. Lavorary tokoa Izy tamin’ireo dingana rehetra tamin’ny fitomboany, ary raha zaza Izy, dia tsy nanao tahaka ny hataony rehefa lehilahy lehibe.

Impiry moa i Jesoa no tsy niditra tao amin’io tempoly io, nandritra ny andro nanompoany! Ao amin’ny Jaona 5, dia tao Izy no nifanena tamin’ilay lehilahy voan’ny paralysisa, izay vao avy nositraniny tao Betsaida. Tsy niantso Azy ity lehilahy ity. Nalemy efa ho valo amby telopolo taona izy, ary tsy afa-nilaza afa-tsy ny famoizam-pony: “Tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy”. Tsy fantany akory ilay nanasitrana azy.“Hitan’i Jesoa teo an-kianjan’ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo” (ny voalazany izany dia hoe mety ho famaizana noho ny fahotana lehibe ny aretiny). Maika erỳ ralehilahy nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesoa no nahasitrana azy, ary lasa nandeha. Na dia eo aza ny fahasoavany, matetika ny Tompo dia tsy tena fantatr’ireo nahazo tombony tamin’izany heriny izany.

Ao amin’ny Jaona 7, nandritra ny fetin’ny Tabernakely, “rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ny tempoly Jesoa ka nampianatra”.Teo afovoan’ny tabataban’ny vahoaka izay niady hevitra sy nifamaly, dia “niantso teo an-kianjan’ny tempoly” i Jesoa, nampianatra fa tena olona sy tena Andriamanitra Izy (and 14, 28, 29). “Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesoa ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro”. Ny fetin’ny Tabernakely dia fetin’ny firavoravoana. Ny andro fahavalo no fara-tampony tamin’izany, fiafaràn’ireo fety fito ho an’i Jehovah, araka ny Levitikosy 23[5]. Nahoana no hiresaka hetaheta amin’io andro fara-tampony io? Ny lalàna dia tsy nitondra velively ho amin’ny fahalavorariana(Hebreo sa Jaona 7:19??), tsy afaka nanome fiainana izy. Ny fety ho an’i Jehovah dia lasa fetin’ny Jiosy (and 2), fankalazana sy fombafomba izay tsy nisy fiainana. Izao dia eo i Jesoa(AC). Afaka manatona Azy izao, ary any aoriana, handray ny Fanahy, raha mino Azy. Ny mpiandry raharaha nasaina nisambotra Azy dia tsy sahy nanao izany: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (and. 46) hoy izy ireo. Na dia teo aza ny fampitandreman’i Nikodemosy, dia nihombo ny fanoheran’ireo mpisorona sy fariseo: “Tsy mba misy mpaminany avy any Galilia!” (and. 52). Samy nody ho any an-tranony avy ny olona. Tsy nisy na iray aza nampiantrano ny Mpamonjy Izay handany ny alina any “an-Tendrombohitra Oliva” (Jaona 8:1).

Ny filazantsaran’i Jaona dia mampiseho antsika fetin’ny Jiosy efatra, izay mifandraika amin’ny tempoly:

Ao amin’ny toko faha 5, izay nifanenan’i Jesoa tamin’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa tao amin’ny tempoly;

Ny fetin’ny Tabernakely izay nahitana an’i Jesoa niantso tao amin’ny tempoly (Jaona 7);

Ny fetin’ny Fitokanana izay nahitana Azy nitsangantsangana teo amin’ny tempoly, tena Mpiandry marina ny ondriny (Jaona 10:22-30);

Ilay Paska farany nanombohana Azy  —“Ravao ity tempoly ity (izany hoe ny tenany izay tempoly), ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy” (Jaona 2:19).

Tamin’ny nahatongavany tao Jerosalema, raha avy niantsoantso ny olona hoe: “Hosana any amin’ny avo indrindra!” dia “niditra tany Jerosalema” Jesoa “ka nankeo an-kianjan’ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’izay, dia niala Izy... ka nankany Betania” (Marka 11:11). Haintsika ve ny mahita ny Tompo Jesoa mijerijery ny zavatra rehetra toy izany? Nisy fo ho Azy ve tao amin’io tempoly io, fihetsika mbola mendrika ny tranon’Andriamanitra? Tsy nahita Izy na dia nitady aza. Tamin’ny nahatongavany voalohany tao amin’io trano io, dia teo Simeona sy Hana, fa tsy nisy olon-kafa tamin’io andro io. Ho any Israely “efa hariva ny andro”; nivoaka i Jesoa ka lasa nandeha.

(ac)Tamin’io herinandro farany tamin’ny fiainany io, dia niverina isan’andro tao amin’ny tempoly i Jesoa. Noroahiny ireo mpivarotra, nampahatsiahiviny fa voasoratra hoe: “Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy” (Marka 11:17). Dia hifandimby hanatona Azy ireo sokajin’olona mpitarika fivavahana. Nabaribariny ny fihatsarambelatsihin’izy ireo, ny tsy finoany, ny fankahalany.

Indray mandeha ihany no nionona ny fony. “Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy... Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsa kely roa” (Marka 12:41, 42). Jesoa nipetraka sy nijery! Im-betsaka ao amin’ny filazantsaran’i Marka no nifantoka tamina olona samihafa io fijery io. Tamin’io fotoana io, dia nijery ny fomba fanomezana rakitra izy, tsy hoe ohatrinona no omena, fa ohatrinona no hazonina ho an’ny tena. Tonga ilay mpitondratena. Narotsany tao izay rehetra nananany. Nomeny daholo, tahaka ny nanomezan’i Jesoa ny zavatra rehetra sy hanolorany ny ainy koa.

Tapitra ilay herinandro farany. “Niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesoa, dia lasa nandeha” (Matio 24:1). Ny fitsaràna sisa tavela. Kanefa, mbola horesahina ihany ny tempoly. Ilay Sorona masina dia tany Getsemane, nandalo fahoriana sy fahafoizana teo amin’ny hazofijaliana. “Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray Jesoa, dia nanolotra ny fanahiny. Ary indro, ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany” (Matio 27:50, 51).

Nivoha ilay toerana masina indrindra,

Afaka manatona an’Andriamanitra isika,

Amin’ny alàlanao, Jesoa, Izay nanolo-tena

Teo amin’ny hazofijaliana.

(H. Rossier – A. Ladrierre)

Raha niditra tao amin’ny tempoly ireo mpisorona tamin’io hariva io, inona no hitany tao ambadiky ny efitra lamba? Toerana masina tsy misy na inona na inona: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo” (Matio 23:38). Fa ho an’ny mpino kosa, ilay efitra lamba triatra dia nanokatra ny lanitra izay nivoha noho ny asa nataony, toy ny nisokafany ho an’ilay Olona mahagaga, tamin’ny niandohan’ny fanompoany. Miditra ao amin’ny fitoerana masina ny olom-boavidy “noho ny ran’i Jesoa, amin’izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ny efitra lamba” (Hebreo 10:20), ary mitsaoka ao am-pony, miray amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Io fidirana eo anatrehan’Andriamanitra io, dia hiseho mandrakariva amin’ny famakivakina ny efitra lamba triatra, fa tsy efitra lamba nesorina. Koa ilaina ny mahatsiaro ny sanda naloa ho antsika mba ahafahantsika afaka miditra: ny tenan’i Jesoa “noviraviraina”(notriarina).

 

7.3  7 – Ao an-tsaha

7.3.1   Ny sahan’ny alina

“Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska” (Lioka 22:7). Manaraka ireo fety rehetra izay nanamarika ny fifandimbiasan’ny taona hatramin’ny nivoahana avy tany Egypta, dia hisy Paska farany atolotra araka ny didin’Andriamanitra. Tsy tambo isaina intsony ireo zanak’ondry natao sorona, kisarisarin’Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay hanolotra ny tenany amin’io andro io: “Nanaterana ny tenan’i Jesoa Kristy indray mandeha” (Hebreo 10:10).

Ny Paska dia fety natao nandritra ny alina: hamono ny Paska ianao “rehefa hariva tokony ho maty masoandro... ary atsatsiho amin’ny afo izy ka hano... ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ny lainao” (Deoteronomia 16:6, 7). Tamin’ny Pentekosta dia nifaly ny olona. Tamin’ny fetin’ny Tabernakely, dia “hifaly tokoa ianao”. Fa tsy mba nisy fifaliana kosa ny Paska. Nanambara ny alina nanolorana an’i Jesoa izy (1 Korintiana 11:23), ary ny andro manaraka izay hisy ireo ora maizina.

(ac)Tamin’ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany, raha nanondro ilay mpamadika i Jesoa, dia nivoaka niaraka tamin’izay ilehio. "Ary efa alina ny andro” (Jaona 13:30). Alina ho an’ilay mpamadika, nefa alina koa ho an’Ilay Mpamonjy. Nanorina ny fanasan’ny Tompo Izy, izay hampahatsiahy Azy ao am-pon’ireo olony, mandritra ny taona mifandimby. Fa ahoana moa no ahafahany “misaotra”, misaotra noho ny mofo sy ny kapoaka? Mety ho azontsika hoe isika no misaotra, isika no misaotra noho ny kapoaka feno fitahiana (1 Korintiana 10:16). Fa ho Azy kosa, io kapoaka io dia midika ho fahoriana tsy hay lazaina eo amin’ny hazofijaliana, ho fahafoizan’Andriamanitra, ho aina omena, ho ra alatsaka! Talohan’ny nanorenan’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo, dia nandà ny kapoaka nisy divay firavoravoana Izy; ho Azy, dia tonga ny ora andraisana ilay kapoaky ny fangirifirina avy amin’ny tànan’ny Ray. Fantany fa indray andro any, dia hisotro amin’io kapoaky ny firavoravoana io miaraka amin’ny olony Izy: “naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra,mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”  (Hebreo 12:2). Afaka nihira fiderana niaraka tamin’ny mpianany aza Izy, talohan’ny hankanesany any an-tendrombohitra Oliva (Marka 14:26). Ao amin’ireo filazantsara, dia hitantsika Izy nivavaka, nitomany, nampahery. Voalohany izao no handrenesantsika Azy mihira. Eo amin’ny fotoana hidirany amin’ny lalana mitondra ho any amin’ny hazofijaliana, dia navelan’ny Rainy hiaina kely mialohan’ny andro izay hiverenany “nitondra ny amboarany amin’ny fihobiana” Izy (Salamo 126:6; Isaia 53:11). Amin’izany no ahitantsika ny iray amin’ireo fikarakarana manokana ataon’ny Ray, amin’ny dingana sasantsasany tamin’ny lalana nizoran’ny Zanany.

Ho Azy, dia “tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray” (Jaona 13:1). Natokany ho Azy irery io fotoana io. Ao amin’ny toko faha-13 hatramin’ny toko faha-17 ao amin’ny Jaona, indrindra indrindra, no anehoany ny fihevitr’Andriamanitra niafina hatrizay, mba hamelàny izany ho an’ny mpianany alohan’ny handaozany azy ireo. Resahiny amin’izy ireo ny Ray, ny Trano, ny Mpampionona, ary zavatra hafa maro koa. Ny fitantaran’ny apostoly izany amin’ny antsipiriany, izay misy zavatra bitika mampihetsi-po, dia manako ao amin’ny fanahintsika satria fijoroana vavolombelona nataon’olona iray izay nanatri-maso sy niaina izany rehetra izany. Amin’ny fiafaràn’ny toko faha-16, rehefa voalaza ny zavatra rehetra, dia nahita zava-mahagaga ny apostoly(ny mpianatra): Ilay nanetry tena hatramin’ny hanasa ny tongotr’izy ireo dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra, toy ny hametraka rohim-pifandraisana eo amin’ny olony sy ny Ray. Dia ren’izy ireo, tamin’ilay vavaka mahagaga ao amin’ny toko faha-17, ny momba ny voninahitra izay efa nananany “fony tsy mbola ary izao tontolo izao”;(parler d’ un amour.........??  sa ts d ilaina ve?). Ren’izy ireo Ilay Zanaka nangataka tamin’ny Ray mba hahazoan’ireo olona nanodidina Azy, nomen’ny Ray Azy, hahita io voninahitra io indray andro any ary hiara-hizara aminy io fitiavana io.

“Rehefa voalazan’i Jesoa izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahn-driaka Kidrona; ary nisy saha teo... Mpankao matetika Jesoa mbamin’ny mpianany” (Jaona 18:1, 2). Ny valo tamin’izy ireo dia nijanona teo amin’ny fidirana teo an-tsaha: “Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho” (Matio 26:36). Eo amin’io fidirana eo an-tsaha io izy ireo no hiandry, nandritra ny alina, ny fiverenan’ny Mpampianatra azy. Niaraka tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona Izy niditra tao an-tsaha, ary nanomboka “nalahelo am-po sy ory indrindra” Izy (Matio 26:38). Ireo mpianatra telo lahy ireo no anambaràny ny fahoriany, izay tsy voalazany tamin’ireo sisa: “Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto ka miareta tory” (Marka 14:34). “Ary Izy nihataka taminy toy ny indray mitora-bato” (Lioka 22:41), dia “niankohoka tamin’ny tany” (Marka 14:35; Matio 26:39).

Taorian’ireo fakàm-panahy tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoany, dia “nandao Azy aloha” ny devoly (Marka 4:13). Izao izy dia mitsaitsaika mandroso ao amin’ny maizina ao indray: “Avy ny andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 14:30). Misy ezaka farany mahery vaika natao mba hanakanana ilay Mpamonjy tsy hiroso amin’ny fanolorana ny tenany: apetrak’ilay fahavalo eo anoloany ireo fijaliana, ny henatra, ny fahafaham-baraka eo amin’ny hazofijaliana; ny fandaozan’Andriamanitra nandritra ireo ora maizina izay nanaovana(manahirana ah ty conditionel ty!) Azy ho ota; ny fahafatesana, izay tambin’ny ota. Io no ady tao Getsemane, tao amin’ilay sahan’ny alina.

Tsy nitodika tany amin’i Satana i Jesoa, fa tany amin’ny Ray. Avy amin’ny tànany irery ihany no tiany handraisana ny kapoaka.Eo anoloany no hanehoana tanteraka ny vesatry ny fahotantsika, na ny efa lasa, na ny ankehitriny, na ny ho avy, miaraka amin’ireo fikomiantsika isan’andro, ireo fahambanian-tsaintsika, ireo fahaverezan-tsaintsika. Eo avokoa ny taranak’olombelona mpanota, na avy aiza na avy aiza, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, mampiseho ny fitanjahany maharikoriko. Eo Izy, ary ny tiany hotanterahina dia zavatra roa samy masina, samy lavorary: etsy an-daniny, tsy hahita ny fandotoan’ny ota, ary etsy an-kilany, hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy, Izay te-hitondra “zanaka maro ho any amin’ny voninahitra” (Hebreo 2:10), nefa tsy afaka mody tsy mahita ny fanitsakitsahana ny fahamasinany noho ny otan’ny zanak’olombelona.

(ac)Dia vavaka telo no hataony amin’ny Ray:

Ao amin’ny voalohany, dia nivavaka Izy “mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao” (Marka 14:35). Io ora io dia midika ho oran’ny fitsaràna, oran’ny famoizana. Eritreritra tsy azo nekena mihitsy ny hoe tsy hanana fiombonana amin’ny Andriamaniny mandritra ny adiny telo. “Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Marka 14:36). Feno ny fahalotoan’ny ota ilay kapoaka. Iza moa, afa-tsy i Jesoa irery, no afaka mahalala hoe ahoana no hanaovan’Andriamanitra Azy, rehefa hatao ota ho antsika Izy, ka tsy hananana antra, rehefa ho hita ao amin’ny Tenany ny otantsika? Hitantsika ny fisehoana ivelany tamin’io ady io: ilay vavaka mivaivay izay voalohana(y) no ahitantsika Azy miantso ny Ray hoe “Aba”; ny dinitra izay niraraka amin’ny tany toy ny vaingan-dra. Nefa tsy afaka hahalala izay faharatran’ny fanahiny noho ny sabatr’i Jehovah isika (Zakaria 13:7) tamin’ny fotoana nanolorany Azy ho amin’ny fahafatesana. Teo anoloany daholo izany rehetra izany: “Esory Amiko ity kapoaka ity”.

Ao amin’ilay vavaka faharoa, dia tsy milaza intsony Izy hoe “Ny zavatra rehetra hainao”, fa, noho ny fankatoavany, dia manaiky ny zavatra tsy azo ihodivirana: “Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao” (Matio 26:42). Mitombo ihany ny fangorohoroana noho ny ady.

Ao amin’ilay vavaka fahatelo, dia averiny ihany ireo teny tao amin’ilay faharoa. Kanjo, tamin’ny fotoana izay nampandamoaka ny zavatra rehetra avy amin’ny olombelona, ary nahitana ny Mpamonjy antsika toy ny trotraka teo amin’ny tany, dia nandefasan’Andriamanitra, Izay nihaino io vavaka io, anjely Izy: “Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo Aminy ka nampahery Azy” (Lioka 22:43); zava-boary iray no nidina hampahery Ilay Mpahary! Inona no hitan’io anjely io? Fijaliana tanteraka, hany ka ny dinitry ny Tompontsika dia niraraka tamin’ny tany toy ny vaingan-dra, fanehoana ny fahoriany lalina. Fa ny ra tao an-tsaha dia tsy mbola ilay ran’ny sorona fanavotana izay manaisotra ny ota: “Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20).

Na tsy dia mivalampatra firy aza ny teny ao amin’ny filazantsara momba ireo ora ireo, dia hitantsika kosa any amin’ny Salamo ireo fehezan-teny ahafahantsika mahalala lalindalina kokoa izay niseho talohan’io fahafatesana io, toy ity hiaka ao amin’ny Salamo 102:24 ity: “Andriamanitro ô, aza maka ahy antenatenan’ny androko”. Inona no valitenin’Andriamanitra? – “Ny taonanao mihatra amin’ny taranaka fara mandimby... Ny tany... sy ny lanitra... dia ho levona, fa Ianao no maharitra... Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra” .

Nandritra io ady mahatsiravina io, dia irery tanteraka ny Mpamonjy. Ao amin’io Salamo 102 io ihany, dia manohatra ny tenany amin’ny sama any an’efitra, amin’ny vorondolo any an-tanàna haolo Izy, biby izay maloto avokoa (Levitikosy 11. 17), mipetraka any amin’ny tanàna rava. Natory ireo mpianatra fa Izy irery no niari-tory “tahaka ny tsikirity irery eo an-tampon-trano“(and. 7). Ny tampon-trano tany amin’ny tany atsinanana dia toerana fivoriana, rehefa hariva, mba hiarahana miombona (ampifalina). Irery tanteraka nefa Izy tao anatin’ny fahoriany.

“Ry Simona, matory va ianao?” (Marka 14:37). Moa ve tsy nihambo hanaraka ny Mpampianatr(a)azy hatrany amin’ny fahafatesana izy? Kanefa, dia “tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza” niaraka Taminy izy! Renoky ny torimaso toy ny sasany izy noho ny alahelony; tsy nahita na inona na inona izy, tsy nandre na inona na inona, na tamin’io ady io na tamin’ny fangorohoroan’ny Mpampianatra azy. Tsy dia nahay nitsetra ireo mpianatra, hany ka nolalovany fotsiny ny fahorian’ny Mpamonjy azy, tsy afaka niditra lalina na nahatakatra izany izy ireo.

Farany, dia nitsangana avy nivavaka i Jesoa ary nanatona ny mpianany. Vita ny ady. “Aoka izay”  (Marka 14:41). Noraisiny avy tamin’ny tànan(n’)y iray (Ray) ny kapoaky ny fijaliana. Manomboka izao dia tsy hisy intsony horohoro, fa kosa fangirifirina maro dia maro!

Nandroso ilay mpamadika, tamin’ny alina, niaraka tamin’ny vahoaka nitam-piadiana. Nanatona an’i Jesoa izy mba hanoroka Azy, ary hoy Ilay Mpampianatra azy: “Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto”  (Matio 26:50). Izany ve no nahatongavany? Eny, tena izany ve? – Mba hahazoana sekely volafotsy telopolo! Ao amin’ireo filazantsara telo voalohany, dia nosamborina i Jesoa ary nentina tany amin’i Kaiafa. Ao amin’i Jaona, dia Jesoa mihitsy no nanolotra ny tenany: “Iza moa no tadiavinareo... Jesoa avy any Nazareta... Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto” (Jaona 18:7, 8). Nanolotra ny ainy ho an’ny ondriny Ilay Mpiandry ondry.

 

7.3.2  Ny sahan’ny maraina

Ny harivan’ny nanomboana an’i Jesoa, rehefa avy nifandimby nandalo teo Kalvary ny sokajin’olona rehetra, nandrabiraby sy niteny ratsy, ary rehefa avy nanolotra ny fanahiny i Jesoa, dia nisy fahanginana lalina. Talohan’ny nilentehan’ny masoandro dia nisy lehilahy anankiroa, Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia, izay nifanena teo am-pototry ny hazofijaliana, mba hikarakara ny vatan’Ilay Sorona masina sy handevina azy. I Josefa avy any Arimatia, ilay mpanankarena, dia efa nambaran’ny mpaminany taloha elabe. Ny teny izay nolazain’ny Tompo tamin’i Nikodemosy indray alina “Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona...” (Jaona 3:14), dia tsy takatry ny sainy hatrizay. Tampoka teo anefa dia nazava izany raha nanatrika an’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana izy. “Ary nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana; ary teo anatin’ilay saha nisy fasana vaovao” (Jaona 19:41). Nasiana miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra, nomen’i Nikodemosy, ilay vatana ary nofonosina tamin’ny lambam-paty madio nentin’i Josefa. Napetrak’izy roalahy tao amin’ilay fasana vaovao ilay vatana (Jaona 19:38-42; Matio 27:57-60; Marka 15:42-47). Tamin’io alina nangina io, moa ve nisy fanambaram-pinoana mazava kokoa noho ny zavatra nataon’ireo lehilahy roa ireo, izay nitondra ny fatin’i Jesoa, Ilay fanaka nitoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra? Ao amin’io fanaka io, dia tsy misy sombintsombina ota; nentin’ny Mpamonjy nandritra ireo ora telo maizina izany. Ankehitriny, dia entina lavitra ny mason’Andriamanitra ho mandrakizay ny fahalotoana. Nakodia teo amin’ny varavaran’ny fasana ny vato lehibe. Lasa ireo lehilahy roa, fa i “Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray [no] nipetraka tandrifin’ny fasana” (Matio 27:61).

Ny hariva, tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany tamin’ny herinandro (Matio 28:1), dia niverina tao amin’io saha io ireo Maria anankiroa mba “hizaha ny fasana”. Tsy nisy na inona na inona niova. Madio sy milamina avokoa ny zavatra rehetra. Raha vao nangiran-dratsy, dia nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, ka nanakodia ny vato, izay nisy tombokase, teo amin’ilay fasana foana, ary nipetraka teo amboniny ho mariky ny fandresena. Tao am-pasana dia tsy nisy na inona na inona voaloton’ny fahalovana (Salamo 16:10). Mbola vaovao ihany ilay fasana, mbola madio ihany ilay lambam-paty, voalamina tsara ireo mosara namehezana ny lohany,  voavalona mitokana ny lambam-paty, voakodia ny vato.

Raha “mbola maizimaizina” (Jaona 20:1), dia nankany an-tsaha i Maria Magdalena. Hitany ny vato voaisotra tamin’ny fasana. Nihazakazaka nanambara izany tamin’i Simona Petera sy ilay mpianatra iray izy. Dia nandeha ireo nankany amin’ny fasana, hitany ireo lamba tamin’ny tany, saingy tsy mbola fantany ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty i Jesoa, ka dia “nody tany aminy” izy ireo (Jaona 20:1-10).”Rehefa niposaka ny masoandro” (Marka 16:2), dia tonga ireo vehivavy nitondra zava-manitra: vao marainakoa tamin’ny voalohan’andro amin’ny herinandro izay tsy hisy fahataperany intsony. “Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?”  (Lioka 24:5). Dia lasa nanambara izany tamin’izy iraika ambiny folo lahy sy ny sasany hafa rehetra izy ireo.

Ho an’i Maria Magdalena, dia tsy misy “any an-trano” intsony, toy ny ho an’i Petera sy Jaona. Nijanona tao an-tsaha “teo ivelan’ny fasana” izy (Jaona 20:11), toy ny naha “teo akaikin’ny hazofijaliana” azy (19:25), ary nitomany izy. Tamin’i Jesoa mbola velona, dia nanaraka Azy ho toy ny Mpanafaka izy. Teo amin’ny hazofijaliana, dia nibanjina Azy ho toy ny Mpamonjiny izy; takany fa mba hanomezany azy ny fiainana, dia nanolotra ny ainy i Jesoa. Izao izy dia irery ao an-tsaha, ary mitady ny hahita sy hahalala bebe kokoa. Nentiny ireo zava-manitra, saingy angamba ao am-pony ao, dia mitsimoka ny fieritreretana hoe hisy zavatra tsaratsara kokoa tokony hataony ankoatra ny manisy zava-manitra ny vatana mangatsiakan’i Jesoa(izay tsy hita). Raha ny marina, raha hitany io faty io, dia tsy hahazo mihoatra noho izay ho valin’ny fikarohany izy. Ho dibo-kafaliana izy raha hahita an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty.

Raha nanontany azy i Jesoa hoe: ”Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?”, dia tsy fantany ny endriny, fa nataony ho ny mpiandry saha. Rehefa niantso azy tamin’ny anarany Izy: “Ry Maria!”, dia fantany teo noho eo ilay feo nandroaka ireo demonia fito. Resaka tsy hay adinoina, nefa teny roa monja: “Ry Maria... Rabôny” (Jaona 20:11-16). Izay no olona voalohany nifanena tamin’Ilay Nitsangana tamin’ny maty, Izay “niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena” (Marka 16:9).

Vehivavy iray no nidiran’ny ota tao amin’ny saha voalohany, fahiny. Vehivavy iray no nandray ilay Mpandresy nitsangana tamin’ny maty tao amin’ny sahan’ny maraina.

Hiseho amin’olona maro hafa ny Tompo: ireo mpianatra tao Emaosy, izay niverina ho any amin’ireo rahalahiny, izay nitantara koa ny fisehoan’Ilay Nitsangana tamin’ny maty. Izy mihitsy no tonga ny hariva teo afovoan’izy ireo: faly ireo mpianatra nahita ny Tompo. Tsy toy ny mpandresy lehibe mitantara ny zava-mahagaga vitany sy ny adiny no nisehoany teo; fa toy ny olona mandalo ihany, ary, tao amin’io efitra ambony mitokana io, dia nitondra ny fiadanana ho an’ireo olony, ary nampiseho azy ireo ny tànany sy ny lanivoany: “Izahao... fa Izaho no Izy”. Dia nanome “famantarana maro hafa koa” tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty Izy (Asa 1:3; Lioka 24:39-43; Jaona 20:27, sns...).

Ankehitriny isika dia afaka mahalala io fiombonana io, toa an’i Maria, na Jaona, na Petera. Faly ireo mpianatra: “Jesoa Kristy, Izay, na dia mbola tsy hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra” (1 Petera 1:8).

Tamin’ireo teny nataon’Ilay Nitsangana tamin’ny maty, dia tsy misy tsara mihoatra ilay hafatra nankinina tamin’i Maria Magdalena: “Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”.Na dia mahagaga tokoa aza izany fanambaràna izany, dia mbola zavatra hafa aloha no tian’i Maria nolazaina tamin’ny mpianatra: “Efa nahita ny Tompo aho” (Jaona 20:18).

 

Rehefa avy nandinika ilay lalana mahagaga nitondra antsika avy teny amoron’i Jordana ka hatrany amin’ny sahan’ny maraina isika, moa ve mba afaka milaza, toa ireo olona fahiny, hoe: “Efa nahita ny Tompo izahay” (Jaona 20:25)?

Ho haintsika ve ny hikarakara ny sasany, toa Azy? Raha nailika Izy, dia nieritreritra ireo fanahy sasatra sy mavesatra entana (Matio 11:28).

Tao Getsemane, dia ny olony no nokarakarainy.

Teo amin’ny hazofijaliana, dia nieritreritra ny reniny Izy.

Tamin’ny maraina nitsanganany tamin’ny maty, dia i Maria aloha no natoniny, vao ny rahalahiny.

 

Tsy misy toa anao, ry Jesoa

Satria Ianao irery no fahamrinana;

Teo amin’ny tenanao, dia tsy misy

Afa-tsy fitiavana, halehibeazana ary hatsarana.

(C. Malan)

 

8  Dos de couverture (tsy misy ilay boky aty amiko)

MAHITA AN’I JESOA ETSY SY EROA

“Jesoa avy any Nazareta... nandehandeha nanao soa... satria Andriamanitra nomba Azy” (Asa 10:38, 39). Hitantsika Izy, amin’ireo pejy ao amin’ny filazantsara, mitety”ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” (Matio 9:35).

Ity bokikely ity dia mampiseho ireo toerana samihafa nanaovany ny asam-pitiavany: teo amoron’i Jordana, teny an-tendrombohitra, teo amoron-dranomasina, tao anaty trano, teny an-dalana, tao amin’ny synagoga na tao amin’ny tempoly, ary farany, tao Getsemane. Niafina “tao ambadiky ny endrika Galileana notsinontsinoavina” ny voninahitra maha-Andriamanitra Azy, nefa, tamin’ireo tranga samy hafa, dia nampivoitra ny voninahiny ara-moraly ny toetrany, ny fomba fihetsiny, ny fitondrantenany. Izany no asehon’ireto pejy ireto amintsika, mba hahatonga Azy ho olona fantatra kokoa, tiana kokoa. Enga anie ka hanampy hahatonga ao anatintsika izay lazain’ny apostoly Petera izy ireo: “Jesoa Kristy, Izay, na dia mbola tsy hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, nefa, satria inoanareo, dia iraviravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra” (1 Petera 1:8).

 

 

 

 


[1] Ampirisihinay ny famakiana ireo bokin’i J. G. Bellett: “Ny voninahitra ara-moralin’ny Tompo Jesoa Kristy” sy “Ilay Zanak’Andriamanitra”, izay mametraka eo anoloantsika ny fiainana tsy nisy pentimpentina nananan’ny Tompo Jesoa.

[2]Izany dia olona napetrak’Andriamanitra tamina toerana nomaniny, haneho mialoha izay hataon’i Kristy.

[3]Ilaympanarinarahalavosymamerinaindraynyfiombonanatapaka.

[4] Dispensation : vanim-potoanaeoamin’nyfifandraisan’Andriamanitraamin’nyolombelona.

[5]Jereo ilay bokikely hoe“Ireo fety fito ho an’i Jehovah”.