NY FIOMBONANA

 

Georges André

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny    Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 1:9)

 

Ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” (1 Jaona 1:3)

 

Raha mandeha eo amin’ny mazava isika, ... dia manana firaisana isika” (1 Jaona 1:7)

 

 

FANDAHARANA

1        Fampidirana : Inona no atao hoe fiombonana ?

2        Ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka

2.1        Hatrizay hatrizay

2.2        Nivoaka — Nirahina — Tonga

2.3        Nandritra ny fiainan’ny Tompo teto an-tany

2.4        Tamin’ny nahafatesany

2.5        Tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty

3        Ny fiombonana amin’ny Tompo

3.1        Ny anjarantsika miaraka aminy

3.2        Fisainana mitovy, fitiavana mitovy, tanjona mitovy

3.2.1        Miara-mandeha aminy

3.2.2        Mitoetra ao aminy (Jaona 15:4-8)

3.2.3        Misitraka ny zavatra rehetra miaraka aminy

3.2.4        Miara-mijaly aminy

3.2.5        Omem-boninahitra miaraka aminy

3.3        Hay tanterahina ve izany fiombonana izany ?

3.3.1        Inona ireo fomba hahatanterahana izany ?

3.3.2        Ireo sakana eo amin’ny fiombonana

3.3.3        Ny famerenana indray ny fiombonana

4        Ny fiombonan’ny mpirahalahy

4.1        Ny anjara iraisantsika (Efesiana 4:4-6)

4.2        Fisainana mitovy, fitiavana mitovy, tanjona mitovy (Filipiana 2:2 ; 3:16)

4.2.1        Ny fifandraisana an’ny isam-batan’olona

4.2.2        Ny fanambadiana

4.2.3        Ny fifandraisan'ny daholobe

5        Ny fiombonana eo amin’ny fanompoana

6        Fehiny

6.1        1)

6.2        2)

6.3        3)

6.4        4)

6.5        5)

6.6        6)

6.7        7)

 

 

1  Fampidirana : Inona no atao hoe fiombonana ?

Ny fiombonana eo amin’ny kristiana dia misy lafiny roa :

 

1. Alohan’ny zavatra rehetra, dia “anjara iombonana amin’ny Ray sy amin’ny Zanany Jesosy Kristy izany, vokatry ny firaisantsika amin’Izy ireo” (H. Rossier).

a) Kristy no maneho amintsika ny Ray, manome antsika anjara miaraka aminy ao amin’ny fitiavan’ny Ray. Araka izany dia manana fiombonana amin’ny Zanaka isika raha ny momba ny Ray. Ambara ao amin’ny Jaona 1:18 hoe : “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana” ; nefa, zavatra mahagaga, “ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy”. Fihevitra mitovy amin’izany no hita ao amin’ny Matio 11:27 : “Tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy”.

b) Fa ny Ray ihany koa no nanome antsika ny Zanany mba hananantsika anjara miaraka aminy, Izy Izay anton’ny fankasitrahany : “Ity no Zanako malalako Izay sitrako ; Izy no henoy” (Matio 17:5). Maro ireo olona nahita ny Tompo Jesosy tetỳ an-tany ; ho an’ny sasany dia mpaminany Izy, ho an’ny hafa kosa dia ilay mpandrafitra na ilay Nazareana. Fa ireo olona vitsivitsy, izay nohazavaina ny masom-panahiny noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny finoana, dia afaka niteny hoe : “Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray” (Jaona 1:14). Noho izany, isika ihany koa dia afaka manana fiombonana amin’ny Ray momba ny Zanany.

Izany  tombontsoa izany dia tena nameno ny fon’ny apostoly Jaona, hany ka tany amin’ny fiafaran’ny fiainany, dia nanoratra izy hoe : “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa ; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika” (1 Jaona 1:3-4).

 

2. Ny fiombonana ihany koa dia “fitambarana fihevitra sy fitiavana ifampizarana, fo iray ho amina zavatra mitovy". Izany dia fiaraha-misitraka olona iray, asa iray, fitiavana iray.

Izany fitambarana fihevitra ifampizarana amin’ny hafa izany, ho an’ny mpino, dia voalohany indrindra ny fiombonana “mijidina”, miaraka amin’ny Tompo, ho an’ny tsirairay na ho an’ny daholobe ; fa fiombonana “marin-drano” ihany koa izany, izany hoe eo amin’ireo samy zanak’Andriamanitra : ao amin’ny fifandraisana ara-pirahalahiana, ao amin’ny asa fanompoana ny Tompo, ary indrindra iarahan'ny daholobe,  amin’izay rehetra momba an’i Kristy sy ny asany.

 

2  Ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka

Lohahevitra tsy hay ho fantatra tanteraka ! Tsy afaka miresaka momba izany isika raha tsy amin’ny saina feno fanajana sy fitsaohana. Nefa imbetsaka izany no ambaran’ny Soratra Masina amintsika, mba hamenoana ny fontsika.

Ny Genesisy 22 dia manome antsika kisarisary momba izany. Niakatra tany Moria ny ray (Abrahama) sy ny zanaka (Isaka), “niara-nandeha izy mianaka”. Ny zanak’ondry no nanjary anton-dresak’izy ireo. Ilay ho avy dia mbola tsy naseho, fa ny finoana no efa mahatsikaritra azy, ary ao amin’ity tantara ity, izay kisarisarin’ny zavatra hisy aoriana, dia izao no misongadina : “Niara-nandeha izy mianaka”. Fanehoana mahagaga ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka momba ny asa hotanterahina indray andro any !

In-efatra ny Teny no milaza amintsika fa ny Ray dia tia ny Zanaka (Jaona 3:35 ; 5:20 ; 10:17 ; 17:24), ary indray mandeha, ny Zanaka no tia ny Ray (Jaona 14:31) : fifandraisana am-pitiavana, fiombonana akaiky eo anivon’ny maha Andriamanitra.

 

2.1  Hatrizay hatrizay

In-telo Andriamanitra no nanambara tamintsika, tao amin’ny Teniny, zavatra nisy “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”.

Tao amin’ny vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17, ny Tompo Jesosy dia nanao hoe : “Ray ô ... efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (and 24). Ivelan’ny fotoana, talohan’ny nisiantsika, hatrizay hatrizay, dia “Ny Ray tia ny Zanaka” (Jaona 3:35 ; 5:20).

Eo anivon’izany fiombonana feno fahasambarana izany, dia niha nazava ny famoronana ny asa fanavotana. Ny Zanak’ondry dia “fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1 Petera 1:20).

Ireo olom-boavidy, izay anton’izany famonjena mahagaga izany, dia nofidiana tao aminy, “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Efesiana 1:4).

Tao amin’io voninahitra nananan’ny Zanaka teo anilan'ny Ray io “fony tsy mbola ary izao tontolo izao” (Jaona 17:5), dia efa voapetraka mialoha “ny fahendren’Andriamanitra... maneho zava-niafina... ho voninahitsika talohan’ny nanaovana izao tontolo izao” (1 Korintiana 2:7). Ny fahasoavana izay hasehon’ny Zanaka indray andro any dia efa “nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola” (2 Timoty 1:9) ; tao aminy no naseho “ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra... hatry ny fony fahagola” (Titosy 1. 2).  

Ny Salamo 40 dia milaza, amina teny faminaniana, ny fanapahan-kevitry ny Zanaka hanatanteraka izay nanoratana Azy “tao amin’ny horonam-boky” momba ireo fikasan’Andriamanitra hatrizay hatrizay : “Inty Aho tonga”. Inona ireo teny nampiasainy mba hilazana izany fahatongavany izany ? —

Ny sofiko nataonao malady” (and 6) ! Izany dia fankatoavana lavorarin’Ilay Olona izay ampandrenesina isa-maraina isa-maraina ny sofiny, mba hihaino toy ireo ampianarina (Isaia 50:4), fony Izy namakivaky ny lalana teto amin’izao tontolo izao. Io sofina io, any aoriana, dia “hotevehina”, toy ny an’ilay andevo ao amin’ny Eksodosy 21:6, izay te hanompo mandrakizay, noho ny fitiavany ny tompony sy ny vadiny ary ny zanany.

Tao anatin’izany hatrizay hatrizay feno hasambarana izany, izay nisy ny Zanaka “nilalao” teo anilan’ny Ray araka ny Ohabolana 8, dia niharihary ihany koa ny fiombonana nampiray azy ireo teo amin’ny fahariana : Izy koa dia Ilay “mpità-marika” (Ohabolana 8:30). “Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony” (Romana 11:36). “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany” (Kolosiana 1:16). Tao amin’izany fifaliana noho ny fiombonana nampiray ny Ray sy ny Zanaka izany, “ny tany nataony honenana” (Ohabolana 8:31) dia naka toerana lehibe.

 

2.2  Nivoaka — Nirahina — Tonga

Tonga ny fotoana ampahalalan’ny Zanaka Lahitokana “Izay ao an-tratran’ny Ray” (teny milaza fifandraisana) an’Andriamanitra (Jaona 1:18). Jesosy mihitsy no niteny hoe : “Avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy” (Jaona 8:42). Tsy maintsy nisy ny fahatongavana ho nofo mba ho azo atao ny fiombonantsika amin’ny Ray sy amin’ny Zanany.

Ao anatin’ny zava-miafina momba an’Andriamanitra, ny Zanaka dia “nivoaka avy tamin’ny Ray” ary “tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 16:28). Ny hahatongavany ihany koa no sitrapon’ny Ray : nirahin’ny Ray Izy. “Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany” (Hebreo 5:5), hoy ny feon’Andriamanitra rehefa tonga ho olona tetỳ an-tany Izy (jereo Lioka 1:35). “Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra ... Izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny ... Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany” (Jaona 3:31-35).

 

Fitiavana madio, tsy takatry ny saina, toetran’Ilay Andriamanitra lehibe

Izay nanome ny Zanany mihitsy, mba hanehoany ny tenany.

Eto amin’ity tontolo rakotry ny haizin’ny ota ity,

Ny masonay dia afaka nahita Anao, ary ny tananay nikasika Anao.

(H. Rossier)  

 

2.3  Nandritra ny fiainan’ny Tompo teto an-tany

Hitantsika indray ny teny hoe “Ny Ray tia ny Zanaka” nandritra ny fiainan’ny Tompo teto an-tany (Jaona 5:20). Nisy firaisana lavorary teo amin’Izy ireo : “Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10:30), fa nisy ihany koa fiankinana lavorary teo amin’ny toerana maha olona noraisin’Ilay Zanaka : “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray ... Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany” (Jaona 5:19, 20).

Jesosy dia afaka niteny hoe : “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy” (Jaona 4:34). Fifaliany tanteraka ny nanatontosa izany sitrapon’Andriamanitra izany : “Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:29). Izany fiankinana izany dia miseho ao amin’ny vavaka, toy ny hitantsika tao amin’ny tranga manokana fito, ao amin’ny filazantsaran’i Lioka. Izany fiombonana feno fahasambarana miaraka amin’ny Ray izany dia miseho amin’ny asa rehetra, ny teny rehetra, ny fihetsika rehetra nataon’Ilay Zanaka teto an-tany. Tamin’ny fankatoavany no nampisehoany ny fitiavany ny Ray (Jaona 14:31). Vao roa ambin'ny folo taona Izy dia efa te hisahana ny asan’ny Rainy (Lioka 2:49). Tatỳ aoriana Izy dia nandroaka ireo mpivarotra tao an-kianjan’ny tempoly satria nataon’izy ireo trano fivarotana ny tranon’ny Rainy (Lioka 2:49). Tamin’izany fankatoavana izany Izy dia nisitraka ny fiombonana tsy tapaka tamin’ny Rainy, Izay tsy “nandao [Azy] ho irery”, fiteny miverimberina im-betsaka ao amin’ny filazantsaran’i Jaona.

Nisy fifandraisan-tsaina teo amin’ny Ray sy ny Zanaka teto an-tany. Ao amin’ny Jaona 12:27-28, rehefa nangorohoro ny fanahin’ny Mpamonjy ka nangataka tamin-dRainy ny hanafahana Azy tamin’io ora io Izy, ary indrindra ny hankalazana ny anarany, dia nisy feo avy any an-danitra namaly Azy hoe : “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray”.  

 

2.4  Tamin’ny nahafatesany

Ny lalana hodiavin’Ilay Zanak’ondry dia tsy maintsy miafara eo amin’ny hazofijaliana. “Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko” (Jaona 10:17).

Tao Getsemane Jesosy dia tsy afaka ny tsy hiraika amin’ny zavatra mahatsiravina miandry Azy, Izy Izay masina tanteraka : hatao ota hamonjy antsika Izy. Nefa afaka niteny sy namerimberina Izy, tamin'ny fisainana mitovy amin’ny an’ny Rainy, hoe : “Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao” (Matio 26:42).

Amin’ny fahafatesany dia hanome voninahitra ny Rainy Izy, hanatanteraka ny sitrapony ; kanefa, zava-miafina! tsy maintsy niantsoantso Izy hoe : “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” (Matio 27:46). Nifoha ny sabatra hamely Ilay antsoin’i Jehovah hoe “ny mpiandriko”, Ilay Zanaka niray saina tamin’ny Ray momba ny andian’ondry, Ilay “lehilahy namako”, Ilay nisitraka mandrakariva io fiombonana feno hasambarana niaraka tamin’ny Andriamaniny io. Teo dia natao ozona Izy mba hamonjena antsika (Zakaria 13:7 ; Galatiana 3:13).

Nandritra ny ora nisian’ny haizimpito, ireo vehivavy nijanona niaraka taminy dia “nitsinjo teny lavitra eny” (Matio 27:55 ; Marka 15:40). Isika ve tsy mba maniry ny hanao fihetsika toy izany, tsy hitady hanainga ny rakotra novelarin’ny Fanahin’Andriamanitra teo amin’ny hantsana tsy hita noanoan’ireo ora tsy takatry ny saina ireo ?  

 

 

2.5  Tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty

Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray... Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko” (Jaona 10:17, 18). Tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty sy tamin’ny nanomezam-boninahitra Azy, ny Zanaka hatrany no anton’ny fitiavana tsy miova nananan’ny Ray. “Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany” (Jaona 3:35) ; natsangana tamin’ny maty Izy “tamin’ny voninahitry ny Ray” (Romana 6:4) ; rehefa vita ny asa nomen’ny Ray hataony, dia nomem-boninahitra teo anilany Izy, ilay voninahitra efa nananany “fony tsy mbola ary izao tontolo izao” (Jaona 17:5). Hamafisina ao amin’ny 1 Petera 1:21 hoe : “Andriamanitra... nanome voninahitra Azy”. Rehefa ho faty Ilay Zanaka dia nanandratra ny fitarainany hoe : “Andriamanitro ô, aza maka ahy antenatenan’ny androko”. Namaly ny Ray hoe : “Ny taonanao mihatra amin’ny taranaka faramandimby... Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra” (Salamo 102:24, 27).

Nampiraisina tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty isika, ary nafindra “ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany” (Kolosiana 1:13). Dieny izao isika, rehefa misaotra ny Ray, dia afaka miaina mialoha ao amin’io sehatra feno fahasambaran’ny fiombonana izay ho anjaratsika mandrakizay io.

Koa eo ambonintsika, ivelan’ny fotoana, talohatsika, dia “ny Ray tia ny Zanaka”.

Izany fitiavana izany dia nidina tetỳ amintsika : “Ianao... efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17:23). Ary koa : “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo” (15:9). Avy eo amin’ny toerana masina indrindra, izay nanokafan’ny Zanaka ny fony tao amin’ny fon’ny Ray, no hahenontsika ny akon’ny vavaka nataony hoe : “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy” (Jaona 17:26).

Antom-pitiavana toa izany isika, ka moa ve tsy te hisitraka izany sy hampiseho zavatra momba izany dieny izao, eto an-tany ? “Tomoera amin’ny fitiavako ianareo”. “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa” (Jaona 15:9 ; 13:34).

 

3  Ny fiombonana amin’ny Tompo

3.1  Ny anjarantsika miaraka aminy

Ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika

(1 Jaona 1:3, 4)

 

Ny fiombonana amin’ny Tompo no anjara ambony indrindra eo amin’ny fiainana kristiana. Raha tsy misy izany dia tsy afaka manao fanompoam-panahy isika. Ny fanirian’ny mpino rehetra tia ny Tompo dia azo inoana fa ny hanatanteraka izany, araka ny lazain’ny apostoly hoe mba “ho tanteraka ny fifaliantsika”.

Izany koa ny fanirian’Andriamanitra, Izay nitady ny fiombonana amin’ny voariny tamin’ny fotoana rehetra. Namorona ny olona “tahaka ny endriny” Izy (Genesisy 1:27) ; niara-nanjaka taminy Izy ; nofofoniny fofonaina mahavelona ny olona ka nanjary “olombelona” ; niresaka taminy Izy... mandra-pahatongan’ilay andro nampidi-doza nahatonga ny feon’Andriamanitra hampahatahotra ny olombelona (Genesisy 3:10). Noho ny ota dia tapaka ny fiombonana. Taorianan’ny safodrano, nanao fanekena tamin’i Noa Andriamanitra, kanefa ny avonavon’ny olona dia niteraka ny fiparitahany  taorianan’i Babela. Rava tanteraka izay mety ho fiombonana.

Koa dia niantso an’i Abrahama mba hiala ny taniny sy ny havany Ilay Andriamanitra Tsitoha, ary nanao fanekena taminy, nanome teny fikasana. Abrahama dia nisitraka ny fiombonana tamin’ny Andriamaniny. Nanjary ilay “sakaizan’Andriamanitra” izy.   

Ireo teny fikasana dia tanteraka tany Israely ; fa ny fanekena tao Sinay, izay nisy lafiny roa (Eksodosy 19:7-8), dia notapahin’ny vahoaka tsy ela akory. Nefa ny tenin’i Jeremia dia mampiseho ny fifaliana tsy naharitra ela, izay nisitrahan’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoakany : “Tsaroako ny niraiketan’ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra” (Jeremia 2:2).

Mba hampitoetra tsara ny fiombonana, dia tsy maintsy ilaina ilay “fanekena vaovao” ho an’ny Israely, fanekena mifototra amin’ny ran’i Kristy, “ny rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26:28).

Ny Zanaky ny Ray nidina avy any an-danitra dia nanjary ilay mofo velona “manome fiainana ho an’izao tontolo izao” (Jaona 6:33). Tsy maintsy “mihinana” izany mba hanana fiombonana aminy. Nefa “ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao” (and 51). Jesosy dia nanampy hoe : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy” (and 56). Ny nofony notorotoroina sy ny rany latsaka no fototra azo antoka amin’izay mety ho fiombonana mandrakizay. Mba hisitrahana ara-panahy io tombontsoa sarobidy io, dia tsy maintsy “mihinana” ny nofo sy “misotro” ny ran’i Kristy : mihinana ao amin’ny fanahy Ilay Mpamonjy maty nanome antsika ny ainy ary nahatonga antsika ho “mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4).

Ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy no “varavarana fidirana” ao amin’ny fiombonana : ny hoe “nampiraisina taminy”, ara-bakiteny, dia toy ny hoe nambolena niaraka taminy (Romana 6:5). Maty niaraka taminy isika, ary koa novelomina sy natsangana niaraka taminy, ka mipetraka ao aminy any amin’ny toerana any an-danitra (Efesiana 2 ; Kolosiana 2 sy 3). Ny Epistily dia manome antsika ny famoaboasana feno ny toerana mahagaga nambaran’ny Tompo Jesosy tamin’ireo mpianany : “Satria velona Aho dia ho velona koa ianareo... ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo” (Jaona 14:19, 20).

Tamin’ny fahafatesany koa no nanangonany “ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray” (Jaona 11:52). Ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty no fototry ny fiombonan’ny tsirairay aminy ; izany koa no fototry ny fiombonana faobe eo anivon’ny ankohonan’Andriamanitra : “mba ho ao amintsika koa izy” (Jaona 17:21).

Ny vokatr’izany dia tsy naman’izao tontolo izao isika, toa Azy, ary nirahina toa Azy ho amin’izao tontolo izao, ary fantatsika, toa Azy koa, ny fanoherana sy ny fankahalan'izany tontolo izany (Jaona 17:14, 16 ; 15:19-20).

Izany ny fototry ny fiombonana ho an’ny olom-boavidy rehetra, anjara feno fitahiana mahatonga ny firaisana miaraka amin’i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty. Zava-dehibe ny mahafantatra izany fiombonana “noho ny toerana ananana” izany, izay raisina amin’ny finoana, ary tsy izany ihany fa ny miaina izany.

 

 

3.2  Fisainana mitovy, fitiavana mitovy, tanjona mitovy

Ny mpino iray dia afaka misitraka sy mankasitraka ireo fikarakarana sy fiarovan’Andriamanitra, milaza aminy ny filany isan-karazany amin’ny vavaka, mihaino Azy ary mifantoka mamaky ny Teniny : tsy mbola ny fiombonana tsy akory izany. Ny fiombonana dia mifamatotra amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, amin’ny fahatsapana fa misy io fanatrehana io. Maro ireo teny ao amin’ny Soratra Masina manindry izany.

 

3.2.1  Miara-mandeha aminy

Vao ao amin’ny Genesisy 5 isika dia mahita lehilahy iray lazaina fa “niara-nandeha  tamin’Andriamanitra” telonjato taona : fiombonana feno fahasambaran’i Enoka, izay nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra. Ny fanarahana an’i Kristy dia mila fiankinana aminy ; ny miara-mandeha aminy dia mampiditra ao amin’ny fifandraisana aminy akaiky, isanandro, eo amin’ireo trangam-piainana samihafa. Izany koa dia ny miresaka aminy, toy ny nataon’i Mosesy, izay niditra tao amin’ny fitoerana masina, nihaino ilay Feo niresaka taminy teo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana aloha, ary avy eo niteny taminy (Nomery 7. 89). Indray mandeha dia “namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy (tamin’i Jehovah)” (Eksodosy 34:29).

Ao amin’ny Hebreo 3:14 isika dia “efa tonga mpiombona amin’i Kristy”, mpiombona amin’ny antson’ny lanitra, mpiombona ihany koa amin’ny famaizan’ny Ray (12:8). Ao amin’ny Jaona 15:15, dia hoy ny Tompo amin’ireo Azy : “Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo” : fifandraisana akaiky aminy ao amin’ny fisainany sy ny fisainan’ny Ray.

Miaraka amin’ny sakaizany Izy dia te hizara :

ny fiadanany : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27) ;

ny fifaliany : “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo” (15:11).

Ny miara-mandeha aminy dia mitaky fananana fifampikasohana akaiky amin’ny Tompontsika, toy ny zanaka amin’ny rainy ; izany koa dia mitondra ny ziogany eo amintsika : miara-mamindra aminy, tsy mandeha haingana kokoa ary koa tsy mijanona any aoriana. Ny miara-mandeha aminy ihany koa dia mamaly ny fampirisihina ao amin’i Mika 6:8 hoe : “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena”.

 

 

3.2.2  Mitoetra ao aminy (Jaona 15:4-8)

 Ny Tompo dia nampiasa ny kisarisary momba ny firaisana iankinan’ainan’ny voaloboka sy ny sampany, izay tsy afaka mivelona raha misaraka aminy, satria tiany ny hahatakarantsika izay nolazainy taloha kely hoe : “Ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo”. Ny apostoly ihany koa dia afaka niteny hoe : “Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

Avy ao amin’io firaisana manan-danja io no ipoiran’ny voa rehetra, “fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”. Vokatr’izany ihany koa ilay anjara mahagaga hoe : “Mitoetra” ao amin’ny fitiavany. Ahoana no lanjan’izany fitiavana izany ? “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo” (and 9).

Raha toa ka tsy misy voa hita eo amin’ny fiainan’ny olona iray, dia mety hanontany tena isika hoe mitoetra ao amin’i Kristy ve io olona io : “Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2:6). Nefa kosa “Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jaona 15:7) ; vokatr’izany ny fahazoana antoka fa hivaly ny vavaka natao tao amin’ny fiombonana amin’ny Tompo, ary mifanaraka amin’ny Teniny.

 

 

3.2.3  Misitraka ny zavatra rehetra miaraka aminy

Izay tsy niaro ny Zanany lahy ... tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ?” (Romana 8:32).

Andriamanitra ... manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” (1 Timoty 6:17), mba hisitrahantsika izany miaraka amin’i Kristy. “Ny zavatra rehetra” dia, voalohany indrindra, ny zavatra rehetra any ambony, ireo fitahiana avy any an-danitra izay hampirisihina antsika mba hosainina sy hifikirana (Kolosiana 3:1-3). Fa koa ireny soa rehetra afafin’Andriamanitra eo amin’ny lalantsika ireny, raisina am-pankasitrahana sy am-pifaliana, satria iarahana amin’ny Tompo.

Fahasambarana tokoa ny mifaly miaraka amin’Ilay Mpiandry ondry, Izay namerina ny ondriny very, miaraka amin’ilay vehivavy nahita indray ny farantsakeliny, miaraka amin’Ilay Ray nahita indray ny zanany (Lioka 15) ; fiombonam-pitiavana miaraka amin’Ilay nitady ka nahita.

Miaraka aminy, ho sambatra ihany koa ny mpino hiambina sy hiandry Azy. Izy koa dia miandry am-paharetana ny fotoana hiverenany haka ny Fiangonany (2 Tesaloniana 3:5). “Mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very” (2 Petera 3:9). Ankasitrahany raha miombona aminy isika ka mahay mitazona ny teniny amin’ny faharetana (Apokalypsy 3:10), miandrandra ilay andro handraisany antsika any an-danitra, amin’ny “fitiavan’Ilay sakaiza efa fantatra hatry ny ela” (J. N. Darby).

 

3.2.4  Miara-mijaly aminy

Ny miray amina Kristy nailika sy notsinontsinoavin’izao tontolo izao dia mitarika fijaliana. Ny fanoherana etỳ ivelany, ny fanenjehana niaretan’ireo mpino marobe nandritra ny taonjato maro, ary mandraka ankehitriny, dia tena mampijaly tokoa ! (Romana 8:17 ; 2 Timoty 2:12). Misy ihany koa ny fanoherana ao anatiny, na dia tsy tokony hisy aza izany, araka ny niainan’i Paoly tany Korinto na tany Galatia (“Efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo ?” Galatiana 4:16). Ny Tompo dia tojo ny tsy fahatakaran’ireo mpianany, ny mpino koa indraindray dia mety ho tojo ny tsy fahatakaran’ireo rahalahiny. Toy ny Mpampianany, dia hijaly eo anivona toerana mankahala izy, eo amina tontolon’ny ota, miaraka amin’ireo vokany mampijaly rehetra. Mba tsy hahatonga antsika hivembena, dia aoka ho tsaroana ny fampirisihina nataon’ny apostoly hoe : “Hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo” (Hebreo 12:3).

Ny fijaliana rehetra dia tsy avy amin’ny fanoherana tsy akory ; mety hisy izany, ohatra, avy amin’ny aretina. Inona ny hafatra nampitondrain’ireo mpirahavavy tany Betania an’i Jesosy, raha niantso Azy hamonjy an’i Lazarosy izy ireo ? “Indro, marary ilay tianao” (Jaona 11:3). Tao anatin’ny aretiny sy ny fangirifiriana nentin’izany, nahatsiaro ny fitiavan’ny Tompony i Lazarosy. Fanampiana toa inona tokoa no azontsika, raha mitodika any amin’i Kristy isika, ao anatin’ny fijaliantsika !

Ao amin’ny Salamo 23:4, ny ondry dia tsy maintsy mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana, toerana maizina izay mety tsy hahitana tara-pahazavana mihitsy ; fa misy fanatrehana mameno izany : “Ianao no amiko”. Ny tsorakazo sy ny tehina dia afaka mikasika ilay ondry mitebiteby, ary manala tahotra azy. Ary rehefa tafavoaka ny lohasaha izy, dia mahita latabatra mivelatra misy sakafo izay hositrahany amin’ny fiombonana miaraka amin’ny Mpiandry tsarany.

Ao anaty fahoriana, ny mpino dia afaka miaina fiombonana lalina amin’Ilay miara-miory eo amin’izay rehetra mahakasika ny olony. Maria dia tsy nankany am-pasana mba hitomany ; niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesosy izy. Ary inona no nataon’i Jesosy ? —Nitomany niaraka taminy koa Izy (Jaona 11:29-35).

 

3.2.5  Omem-boninahitra miaraka aminy

Ny voninahitra miaraka amin’i Kristy dia vokatry ny fijaliana niaraka taminy sy ho Azy : “Araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa” (1 Petera 4:13). “Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay” (2 Korintiana 4:17).

 

3.3  Hay tanterahina ve izany fiombonana izany ?

Iankinan’aina izany fiombonana izany, zava-dehibe fototra, kanefa mety ho tsy fantatra na odiana tsy fantatra, mety ho tapaka na tsy tontosa tsara.

 

3.3.1  Inona ireo fomba hahatanterahana izany ?

Voalohany indrindra dia mila ny asan’ny Fanahy Masina. Izy no Ilay “Mpananatra hafa” (Jaona 14:16). Efa lasa ny Tompo, ary ny Fanahy no nirahina mba hampahatsiaro ireo zavatra rehetra nolazain’i Jesosy (and 26), sy hitarika antsika mba hahita Azy, mba hibanjina Azy tamin’ny fiainany, tamin’ny fandehany, amin’ny alalan’ireo Filazantsara. Ny Fanahy no “ho vavolombelona hanambara” Azy (15:27) : ny Asan’ny Apostoly no mampiseho amintsika io fijoroana ho vavolombelona io, momba ny Tompo Jesosy, nataon’ireo mpianatra, izay nofanin’ny Fanahy Masina ho amin’izany. Avy eo Izy dia mampianatra sy mitari-dalana ho amin’ny fahamarinana rehetra. Mandray izay avy amin’i Kristy Izy ka manambara izany amintsika (Jaona 16:13, 14) : ny Fanahy Masina no nampisy ireo Epistily mba hampiditra antsika ao amin’ny vokatra rehetra nentin’ny asan’i Kristy ary hanatanteraka ho antsika ny fiombonana lalina miaraka aminy, araka ny fiheviny. “Ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo” (Jaona 16:13) : izany no ambaran’ny Fanahy Masina ao amin’ny Apokalypsy.   

Ny Fanahy Masina ihany koa no manambara “amin’ny fanahintsika” fa zanak’Andriamanitra isika. Izy no “Fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô” (Romana 8:15, 16).

Ambonin’ny zavatra rehetra, dia manindraindra ny Tenin’Andriamanitra Izy ary mahatonga izany ho velona, mahery, sarobidy. Rehefa mamaky toko iray, dia ilaina ny mikatsaka izay voalaza ao anatin’izany, toy ny natoron’ireo olona sasantsasany :

  • ohatra harahina,

  • didy hotandremana,

  • fahadisoana halavirina,

  • fahotana hodinihina na havela,

  • teny fikasana horaisina,

  • fisainana vaovao momba ny Tompo Jesosy na momba ny Ray.

 

Amin’izany isika dia afaka “mahafantatra Azy”, miditra ao amin’ny fisainany ; fahafantarana mifamaly, araka ny voalaza ao amin’ny Jaona 10:14, 15 hoe : “Fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray”. Ny Teny dia mampianatra antsika hamantatra “izay ankasitrahin’ny Tompo” (Efesiana 5:10) sy hitandrina “mba hankasitrahany antsika” (2 Korintiana 5:9).

Nivavaka ny mpanao Salamo hoe : “Raha hoy Ianao : Tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin’ny foko : Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah ô” (Salamo 27:8). Davida dia nampianatra an’i Solomona hoe : “Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy” (1 Tantara 28:9). Mila manokana fotoana sy hery mba hametrahana anjorom-bala izay mety hanakana izany fitadiavana ny tavany izany. “Zavatra iray loha ihany no fantatro” (Jaona 9:25), hoy ilay jamba ; “Zavatra iray loha no ataoko” (Filipiana 3:13), hoy ny nosoratan’ny apostoly ; “Zavatra iray loha no ilaina” hoy Jesosy (Lioka 10:42).

 

3.3.2  Ireo sakana eo amin’ny fiombonana

Ny fiombonana dia misedra sakantsakana. Hain’ny Fahavalo tsara ny mampisy izany. Ny Andriamanitsika dia fitiavana ; Izy ihany koa dia fahazavana, ary mitady ny fahamasinan’ireo Azy.

Ny iray amin’ireo sakana lehibe indrindra dia ny sitrapo manokana mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hoe hanaratsy ireo fahaiza-manao voajanahary mety nankinin’Andriamanitra tamintsika no atao, fa kosa ny mampiasa izany ho an’ny Tompo. Iza no mibaiko ahy ? Fintinin’ny apostoly amin’ny teny toy izao izany : “tsy izaho intsony ... fa Kristy” (Galatiana 2:20).

Izany sitrapo manokana izany dia mety mahatsapa tanteraka fa manao izay tsy araka ny fihevitr’Andriamanitra ; izany koa dia mety ho avy amina tsy fahalalana, ary ianao no tompon’andraikitra amin'izany, na avy amin’ny fitaoman’ny hafa, izay mora hanarana fatratra. Matetika ny tsy fitandremana sy ny fanaovana tsirambina no mahazo vahana ; ilay fofombady ao amin’ny Tononkiran’i Solomona (5:2-3) dia manome ohatra ho antsika : nataony ho manahirana be ny hitsangana sy hiakanjo, kanefa ny malalany mandondòna ao am-baravarana. Rehefa tapa-kevitra ny hamoha trano izy tamin’ny farany, dia efa lasa lavitra ny malalany !

Ahoana no hialana mba tsy hanapahan’io sitrapo manokana io ny fiombonana irina iarahana amin’ny Tompo ? —“Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jaona 3:30).

Ireo fahadisoana tsy notsaraina sy tsy niaikena, matetika, no sakana eo amin’ny asan’ny Fanahy Masina mba hiteraka ny fiombonana amin’Andriamanitra. Tsy voatery hahatsapa foana ny fahadisoantsika isika, kanefa ireny no “mampalahelo” ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Ilay Mpananatra (Efesiana 4:30). Ireny dia fahadisoana heverina ho bitika, na mbola loza kokoa noho izany aza, nodiana tsy fantatra nandritra ny fotoana ela, na teo anatrehan’ny Tompo, na teo anatrehan’ireo nanaovan-dratsy. Koa dia voasakana ny vavaka : “Raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo” (Marka 11:25).

Isaia 59:1-2 no manambara izany toy izao : “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy,

ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare ; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy”.

Ireny fiarahana aman’olona manilika Azy ireny, ireny fisakaizana katsahina ary misarika hampitondra zioga tsy antonona ireny ihany koa, dia sakana amin’ny fiombonana (1 Korintiana 6:14) ; toy izany koa ny fitiavana izao tontolo izao, tsy mifanaraka amin’ny fitiavan’ny Ray (1 Jaona 2:15). Eto amin’izao tontolo izao isika, ary voahiraka “ho amin’izao tontolo izao” aza (Jaona 17:18), matetitetika ny fifampikasohantsika aminy ; kanefa hafa tokoa rehefa babony ny fontsika ka “tia” izao tontolo izao isika.

Ary inona no holazaina momba “ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny” (1 Petera 2:11) izay ananaran’ny apostoly antsika mba hofadiana ! Ao amin’ny Efesiana 5:11 izy dia manindry toy izao : “Aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa”.

Ny tsy fahampian’ny fotoana ihany koa matetika dia manakana antsika tsy hisitraka ny fiombonana amin’ny Tompo, tsy hikolokolo izany, ary tsy hahafahany hamerina izany indray. Be loatra ireo zavatra manafotra ny fiainana ankoatra ny asa andavanandro ; na dia ny asa ho an'ny Tompo aza dia mety hahavariana antsika. Ny fatoriana tara, ny torimaso tsy ampy dia hanakely dia kely ny minitra atokana isa-maraina mba ho eo an-tongony. Mifamadika amin’izany kosa, “mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany ; mbola hanohon-tànana kely hatory : dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao (ara-panahy !), ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy” (Ohabolana 24:33-34).

 

3.3.3  Ny famerenana indray ny fiombonana

Tapaka ny fiombonana. Tokony hianona hijanona toa izany ve ? Ny Tenin’Andriamanitra dia tena mazava sy tsotra : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Afaka mahazo antoka momba ny famelan-keloka sy ny fanadiovana isika, kanefa voalohany indrindra, dia tsy maintsy manaiky ny fahotantsika sy miaiky izany. Izany no tranga niainana tao amin’ny Salamo 32 sy Salamo 51. Davida dia tsy afaka nivavaka raha tsy nampahafantatra ny fahotany tamin’i Jehovah (Salamo 32:5-6). Indroa izy no nanontany an’Andriamanitra hoe : “vonoy ... sasao madio ..., diovy”, ary nampiany hoe : “Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao” ; nofaranany tamina fiderana ny salamo (Salamo 51).

Tsy navela fotsiny tamin’izao isika mba hahitantska indray ny fiombonana. “Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina ; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 2:1, 2). Ny Tompo dia naneho an-tsary izany fanadiovana izany, tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianatra ao amin’ny Jaona 13 ; tamin’izany no nilazany tamin’i Petera, izay nandà tsy hosasana, hoe : “Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko” (Jaona 13:8). Ny tongotra maloto dia tsy maintsy sasan’ny Tompo Izy tenany mihitsy, alohan’ny hahafahany mampiditra ny mpianany ao amin’ny “toerana masina” voalaza ao amin’ny toko 14 hatramin’ny 16, sy ao amin’ny “toerana masina indrindra” ao amin’ny toko 17, toerana masina indrindra niresahany, Izy irery, tamin’ny Rainy.

Andriamanitra dia mampiasa ihany koa ny fizahan-toetra mba hampiverenana ny fiombonana. Niainan’i Davida izany tany Ziklaga. Nanapa-kevitra “anakampo” izy handositra any amin’ny Filistina. Tany izy dia niaina tranga maro mampalahelo. Ary tamin’ny farany, dia hitany fa nodorona ny tanàna nomen’ny mpanjaka Akisy azy ; nentin’ireo fahavalony ho babo ireo vady aman-janany sy ny an’ireo mpiara-dia aminy. “Ary Davida sy ny mpanaraka azy dia nanandratra ny feony nitomany ambara-paha-tsy nahatomany intsony izy ... Ary ory indrindra Davida ... fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’i Jehovah Andriamaniny” (1 Samoela 30:4, 6). Tao anatin’ny tebitebiny, dia nitodika tamin’Andriamaniny ny sainy, tafaverina ny fiombonana. Nahazo hery indray izy, nanontany an’i Jehovah, ary niroso tany amin’ny fandresena.

Ireo rahalahin’i Josefa ihany koa dia nandia zavatra mitovy amin’izany. Efa ho roapolo taona mahery no lasa hatramin’ny nivarotan’izy ireo ny rahalahiny. Josefa, izay kisarisarin’i Kristy, dia nampandalo fitsapana isan-karazany nanamboatra ny fieritreretan’izy ireo, mandra-pisehony taminy. Nahafinaritra tokoa ny fiverenan’ny fiombonana, rehefa niaiky ny fahadisoany izy ireo tamin’ny farany : “Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny” (Genesisy 45:15). Teo aloha dia nisy mpitondra teny nanelanelana azy ireo : tsy nisy fifanakekezana azo notanterahina mihitsy. Taorianan’ny fiekena heloka sy ny fanenenana niaraka tamin’izany, dia hitan’izy ireo indray ny fitiavan’ny zandriny manontolo, ary tao anaty fiombonana feno hasambarana dia afaka niresaka taminy mivantana izy ireo.

Ao amin’ny Salamo 84, ny fanahy dia “manina sady vonton’alahelo” ; rehefa mitodika any amin’ny “alitara”-n’i Jehovah izy dia tafaverina ny fiombonana, miorina amin’ny sorona (alitara varahina) sy ny fanelanelanana (alitara volamena) nataon’i Kristy ; hita indray ny fitoerana masina : “Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao ; hidera Anao mandrakariva izy” (and. 4).

 

4  Ny fiombonan’ny mpirahalahy

... mba hahazoanareo firaisana aminay koa

(1 Jaona 1:3)

 

“Jesosy no fifamatorana tsy azon’ny elanelan-tany tapahina, ary tsy azon'ny fifanakaikezana foronina raha tsy eo Izy ; hisaorana anie ny anarany fa haharitra mandrakizay io fifamatorana io” (J.N.Darby).

 

Ao amin’ny Genesisy, ny fiombonana dia tanterahina isam-batan’olona, ary araka izay azo atao, dia eo anivon’ny fianakaviana. Ao amin’ny Eksodosy 12 no ahitantsika fiantombohana vaovao mitarika amin’ny fiombonan’ny vahoakan’Andriamanitra, naorina tamin’ny fanavotana. Hohanina ao an-trano ny zanak’ondry voatsatsika, arovan’ny ra napetraka any ivelany. Tatỳ aoriana dia tsapa fa izany fiombonana izany dia notanterahina lavitra ny toerana masina.Tsy maintsy “tonga nofo” ny Teny, ary Ilay sorom-panavotana tsy maintsy niatrika ireo ora telo nisian’ny haizimpito, nilaozan’Andriamanitra, mba hiafara amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ka nandefasan’i Jesosy hafatra mahagaga ho an’ny rahalahiny manao hoe : “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho” (Jaona 20:17). Tamin’izany dia tena voarafitra tokoa ny ankohonan’Andriamanitra. Mibanjina ny tenan’i Kristy izy ary mahatsapa ny fiombonana amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, eo amin’ny mpirahalahy, ao anaty fifaliana tanteraka (1 Jaona 1:1-4).

Ny fiombonana amin’ny Tompo dia antsoina hoe “fiombonana mijidina”, fa ny fiombonan’ny mpirahalahy kosa dia antsoina hoe “fiombonana marin-drano” :  izany dia fiteny tsotra ampiasaina manome sary mazava ny zavatra tiana holazaina. Mba hanindriana ny lanjan’izany fiombonana izany, ny Mpitoriteny 4. 9, 12 dia efa nilaza hoe : “Tsara ny roa noho ny iray ... ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina”. Fa ny fiombonana ao amin’ny Tompo dia lalina kokoa noho ny fifankatiavana tsotra ; izany dia avy amina fifamatorana velona sy tsy mety simba ananan’ny tsirairay miaraka amin’ny Tompo, ary miantehitra aminy toy ny fanorenana tsy azo hozongozonina.

 

 

 

4.1  Ny anjara iraisantsika (Efesiana 4:4-6)

Ny firaisana avy amin’ny Fanahy, izay niantsoana antsika mba hotandremana sy hotazonina “amin’ny fehim-pihavanana”, dia manana endrika telo ho an’ny olom-boavidy. Izany dia mifamatotra amin’ny Fanahy, amin’ny Tompo, amin’ny Ray (*).

 

(*) Amin’ny ankapobeny, heverina fa ny andininy 5 manao hoe : « Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa » dia mahafaoka, ankoatra ireo mpino hany voalaza ao amin’ny andininy 4, ireo mitory ny finoana kristiana, natao batisa ary miantso ny Tompo, na dia tsy manana ny aina aza. Ny andininy 6 : « Iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra … » dia mahafaoka ny olona rehetra (ary ny zavaboary rehetra aza), izay misy noho Izy. Fa ireo hany nanjary « zanak’Andriamanitra », fahariana vaovao, dia ny olona mino ny anaran’ny Tompo Jesosy : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra » (Jaona 1:12-13). Eto isika dia mandinika ny fiantraikan’ireo andininy ireo  momba ireo tena mpino sy ny fototra iorenan’ny fiombonany.

 

Ny olom-boavidy rehetra dia manana Ray iray ary anisan’ny ankohonan’Andriamanitra. Amin’ny fahateraham-baovao isika dia miditra ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, manjary zanany, mpirahalahy. Manana tombontsoa hiantso hoe : “Aba, Ray” isika, satria nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana (Romana 8:15). Ny fandikana diso ny Efesiana 4:6, ilazana fa ny olona rehetra dia “zanak’Andriamanitra”, dia azo antoka fa tsy mifanaraka amin’ny fanambaran’Andriamanitra, ary mitarika ho amina foto-pampianarana mampidi-doza, izay milaza fa ny olona rehetra, na mpino na tsia, dia ho voavonjy.

Ny fiteny hoe “zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12) dia mahakasika ireo olom-boavidy fotsiny ihany. Izany fihevitra izany dia voalaza mazava ao amin’ny tsongandahatsoratra toy ny Romana 8:14, 16, 17 ; Galatiana 3:28 ; 1 Jaona 3:1, 2, 10.

 Ny hoe “iray ny finoana” dia ny fitambaran’ireo fahamarinana nambara, izay iveloman’ny finoan'olon-tokana mifamatotra amin’ny Tompo Jesosy, amin’ny asam-panonerana nataony, amin’ny fahafatesany ary amin’ny fitsanganana tamin’ny maty, ka ny batisa no marik’izany. Tsy afaka manana fiombonana amina olona iray tsy nanaiky ny asam-panavotana nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana isika. Ny fiainan’ny kristiana manontolo dia “ao amin’ny Tompo” :  ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka (Efesiana 6:1 ; Kolosiana 3:20) ; ny fifandraisan’ny mpivady (1 Korintiana 7:39) ; ny fifandraisan’ny mpirahalahy, na lahy na vavy, ao amin’ny fivoriana (Romana 16:2) ; ny fanompoana rehetra dia “ao amin’ny Tompo” (Kolosiana 4:7, 17). Amin’ny zavatra rehetra dia Izy no Tompo ; eo amin’ny fifandraisana ara-piarahamonina : “ny Tompony sady Tomponareo koa” (Efesiana 6:9), ary ambonin’izany, eo amin’ny sehatra kristiana sy ao amin’ny fiangonana, izay tsy maintsy hanekentsika Azy ho Tompo iray ho an’ny rehetra, miaraka amin'ny andraikitra manokana sy ikambanana takian'izany. Sahy miteny toa an’i Lota ve isika hoe : “Aza an’izany, Tompo ô ...” (Genesisy 19:18) ; na koa toa an’i Petera hoe : “Sanatria, Tompoko ...” (Asan’ny Apostoly 10:14) ?

Ny Fanahy no mampiray ny mpino rehetra amina vatana iray (2 Korintiana 12:13), vatana manana rantsam-batana samihafa —fahasamihafana ao amin’ny maha iray— ary Loha iray nomem-boninahitra any an-danitra. Ny vatan’i Kristy dia tsy rafitra iray tsy akory, fa vatana velona, miaraka amin’ny fahasamihafana rehetra misy eo amin'ny zava-manan'aina. Ny Fanahy dia mahatonga ny fanantenan’ny mpino ho velona (1 Petera 1:3). “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe : Avia” (Apokalypsy 22:17).

Izany firaisana izany dia tsy mbola hoforonina tsy akory ; efa misy izany, na tsapantsika na tsia ; avy amin’Andriamanitra izany ; ilaina ny mihazona azy. 

Isika rehetra kosa anefa dia mbola tsy tonga “amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara” (Efesiana 4:13) ; izany no tanjon’ny asa fanompoana sy ireo fanomezana nomen’ny Tompo, mba hanorenana ny vatan’i Kristy. Ny ankohonan’Andriamanitra dia voarafitry ny zaza madinika, tanora, ray. Ary momba ny fihazakazahana kristiana, dia indraindray mety hanana “sain-kafa” isika : tsy manakana antsika hiara-mandeha izany, mandra-panehoan’Andriamanitra ny fiheviny (Filipiana 3:15). Hisy hatrany ezaka tsy maintsy hatao : “Sombintsombiny ny fahalalantsika” (1 Korintiana 13:9). Ny amin’ny foto-pampianarana momba Ilay Olona sy ny asa nataon’i Kristy ary ireo fahamarinana fototry ny fivavahana kristiana, dia hafa mihitsy izany. Tsy misy fahadisoana na fisalasalana mety hitranga, fa hentitra ny Tenin’Andriamanitra : “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra...” (2 Jean 9, 10) ; tokony hiala, tsy handray ary handà ireo fampianaran-diso aza.                   

 

4.2  Fisainana mitovy, fitiavana mitovy, tanjona mitovy (Filipiana 2:2 ; 3:16)

 

Ahoana no hiarahana misitraka izany tombontsoantsika iombonana izany ? Io fiombonan’ny mpirahalahy io, izay miorina amin’ny aina iray, amin’ny Ray iray, amin’ny Tompo iray, amin’ny Fanahy iray, dia miseho na eo amin’ny fifandraisana manokana na eo amin’ny fivoriana hiarahan’ny besinimaro. Tsy mifototra amin’ny fifanarahan-kevitra na amina “finoana mirindra”, araka ny voalazan’ny rakibolana izany. “Iray” ao amin’i Kristy isika, manana fiombonana amin’ny tsirairay, mankatò ny fampianaran’ny Fanahy amin’ny Tenin’Andriamanitra : miseho miandalana amin’izany ny fitovian-tsaina.

Ny fiombonana amin’Andriamanitra dia mitaky ny fitandremantsika ny didiny (1 Jaona 2:3).

Ny fiombonana amin’i Kristy dia mitaky ny handehanantsika toy izay nandehanany (1 Jaona 2:6).

Ny fiombonana amin’ireo rahalahintsika ao anaty fahazavana dia miseho amin’ny fitiavana, miara-manana tanjona iray, dia ny hanome voninahitra sy hanompo ny Tompo amin’ny firaisan-tsaina (Filipiana 2:2 ; 3:16).

 

4.2.1  Ny fifandraisana an’ny isam-batan’olona

Ny fifankatiavana ao amin’ny Tompo dia zava-iainana mahagaga. Izany dia tsy voafetra amin’ny hoe ny iray manome ary ny iray mandray, ny iray mampianatra ary ny iray mihaino. Samy manome sy mandray ny roa tonta, mifampiresaka, miara-mihazakazaka, mifampizara ny zavatra rehetra nataon’ny Tompo hanjary sarobidy ho an’ny fony. Azo atao ny mifampizara na roa na maromaro, ny miara-mivavaka toa an’i Daniela sy ireo namany ; mifampahery toa an’i Davida sy Jonatana ; mifampitombo fahalalana tsirairay, indrindra araka ny 1 Tesaloniana 5:11 ; miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra ... na any am-pialan-tsasatra aza !

Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany” (Ohabolana 27:17) : izany dia fandrisihina sy fankaherezana mifamaly eo amin’ireo miara-mitia ny Tompo, sy tsy mifamadika. “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra” (Ohabolana 17:17) ; ary na dia “ny fery ataon’ny sakaiza (torohevitra tsara ho raisina nefa mahamenatra)” aza dia azo itokiana hahasoa ; “ny hamamin’ny sakaiza dia avy amin’ny ana-panahy ataony” (Ohabolana 27:6, 9).

Ny fahafahana mizara izay nomen’ny Tompo antsika, miara-mijery tanjona iray mitovy, miara-mandeha ho any amin’ny trano fivavahana, toa an’i Petera sy Jaona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1 : fiombonana feno fahasambarana tokoa izany ! Ireo mpianatra norahonan’ny mpisorona dia niverina “teo amin’ny namany”, nizara tamin’izy ireo ny ahiahiny ; niara-nivavaka izy rehetra (Asan’ny Apostoly 4:23-24).

Hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy” hoy ny Hebreo 12:12 amintsika. Misy ireo ondry marary, sasatra, ao amin’ny andian’ondrin’ny Tompo ; mety ho very ny sasany amin’ireo. Ny fitenenana azy mafy tsy hamerina azy, fa : “manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa” (and 13). Ny ohatra amin’ny firaiketam-po amin’ny Tompo, ao amin’ny fampiharana ny fiombonan’ny mpirahalahy, dia hanampy ny hafa. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika ihany koa tsy hahafoy “ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany”, (ny seza tsy misy olona dia tsy manamora na oviana na oviana ny fiombonana !), fa kosa mampahery antsika hifampirisika sy “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” (Hebreo 10:24-25).

Izany fiombonan’ny mpirahalahy izany dia misedra sakana, izay malaky erỳ ny hampisian’ny fahavalo azy.

Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika..., dia manana firaisana” (1 Jaona 1:7), izay midika hoe : raha tsy mandeha eo amin’ny mazava isika, dia tapaka ny fiombonana. Tezitra tamin’ny rahalahinao ianao (Matio 5:22) ; mialona ; nanaratsy na angamba nanoso-potaka mihitsy aza : misy ny hantsana mampisaraka. 1 Petera 2 dia mitarika antsika hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra ary mametraka fepetra mialoha mba hanaisotra “ny fanaratsiana rehetra” (and 1).

Amin’izany, raha misy hantsana mampisaraka ny mpirahalahy, havelantsika hitoetra amin’izao ve izany ?

Raha toa mahatsiaro ho voaisy ratsy ianao, dia aleo tsy misisika amin’ny zonao, na haka tahaka ilay mpanompo namoizan’ny Tompo ny trosa talenta iray alina nefa nanakenda ny rahalahiny nitrosa denaria zato taminy, tsy “namindra fo tamin’ny mpanompo” namany ihany (Matio 18:28, 33). Raha toa tena ilaina, dia tokony hanao ny dingana voalohany hankany amin’ny rahalahy nanota tamintsika, mba hiezaka handresy lahatra azy sy hahazo azy (Matio 18:15). Raha toa kosa ka mahatsapa tena ho nanao ratsy tamina rahalahy, izay “manana alahelo” amintsika, dia hoy ny Tenin’Andriamanitra hoe : “Mandehana aloha (manao ny dingana voalohany hatrany !), ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao” (Matio 5:24).

Jakoba 5:16 ihany koa dia manosika antsika hifampiaiky heloka (fiekena mifamaly fa tsy mandeha ila, mitaky fahamafisam-bava tanteraka), ary indrindra “mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo”. Hisy “fanasitranana” maro tokoa hitranga ao amin’ireo ankohonana, eo amin’ny fifandraisana manokana, ary koa eo amin’ny fifandraisan’ny besinimaro ao amin’ireo fivoriana, raha ampiharina izany fampirisihina izany !

Manindry izany ihany koa i Jaona : “Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota... , dia aoka hifona ho azy izy” (1 Jaona 5:16). Tsy hoe hiolomay handeha hitantara amin’ny hafa ny ratsy hita fototra, fa kosa hatao antom-bavaka izany mba hidiran’Andriamanitra an-tsehatra.

Ambonin’ny zavatra rehetra, dia angatahina ny handefitra sy hamela heloka ary hiala amin’ny fifandirana eo amin’ny mpirahalahy (Genesisy 13:8). Tamin’ny fiafaran’ny fiainan’ity mpitarika iray niasa ela be ho an’ny Tompo ity, dia izao no andininy navelany tao amina taratasy fanaovam-beloma ireo rahalahiny : “Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa” (Kolosiana 3:13). Mandefitra amina toetra sarotra iainana ; mamela heloka amin’ireo fanafintohinana manokana ; mahari-po amin’ny olona rehetra !

 

4.2.2  Ny fanambadiana

Ho fehin’ny toko lava nosoratan'ny apostoly ho an’ny Korintiana momba ny fanambadiana, dia mampirisika izy mba hanambady “ao amin’ny Tompo” (1 Korintiana 7:39). Io dia manilika ny mety ho firaisan’ny mpino amin’ny tsy mpino.

Ambonin’izany, ahoana moa ny hiaraha-misitraka ny fiombonana raha toa tsy afaka mandeha amin’ny lalana iray, nefa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivavahantsika (1 Petera 3:7) ?

Ny tanjon’ny fanambadiana tena kristiana ve tsy ny hiara-miaina amin’ny Tompo Jesosy eo amin’ny lalana iray, manana fisainana mitovy, afaka miara-mitsaoka sy miara-manompo, eo amin’ny sehatry ny tsirairay, mifampivavaka ary miara-miandry ny fiverenany ?

 

Roa miara-mijaly, rehefa ao anaty haizina

No maty ny taratry ny fanantenana,

Ary ao anaty alina manjombona sy maloka,

Miara-miandry ny maraina ...

 

Miandry am-piadanana Ilay Tompo Andriamanitra,

Mibanjina ny any ankoatra ;

Ary indray andro any, rehefa hahita Azy mipoitra,

Dia hiara-hiteny hoe : Indro Izy !

 

 

Ny apostoly ihany koa dia manindry ny hoe “manaja” ny vavy (1 Petera 3:7), ilay fanajana, ilay fahaiza-manaja, atao isanandro eo amin’ny fiainan’ny mpivady. Ny vavy dia manana toetra marefo kokoa, toetram-behivavy, izay mila fitandremana. Ny hoe miaraka dia manambara fa misy firindrana ; ny hoe miara-mivavaka dia mila fiombonana. “Miaraha mitoetra aminy araka ny marina”, hoy ny apostoly nanampy, marina (izay adika ihany koa hoe fahafantarana na fahatakarana) ny hasarotry ny toetram-behivavy ao amin’ny filany ara-pitiavana sy ara-panahy. Hoy ny Efesiana 5:29 : “Mamelona sy mitaiza azy” ; ny lehilahy dia tompon’andraikitra amin’ireo filana ara-bola ao an-tokantrano (arakaraka ny zava-misy, ny vehivavy ihany koa dia afaka mandray anjara amin’izany ! ) ary indrindra indrindra amin’ny filan’ny vavy ara-panahy : hitondra ny sakafon’ny fanahy izy ao amin’ny ankohonany.

Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, isika dia manana ohatra mahafinaritra momba an’i Akoila sy Prisila, izay miray eo amin’ny fandraisana vahiny, eo amin’ny asan’ny Tompo, eo amin’ny fampianarana, ao an-tranony, ireo mila mandroso ao amin’ny fahamarinana, eo amin’ny asa fanompoana ny fiangonana izay mivory ao an-tranon’izy ireo. Niaraka izy ireo “nanolotra ny tenany” (Romana 16:4) hamonjy ny apostoly.

 

4.2.3  Ny fifandraisan'ny daholobe

Ny ivon’ny fivoriana atao amin’ny anaran’ny Tompo (“amin’ny anarako”) dia ny tenany mihitsy sy ny fanatrehany, araka ny Matio 18:20. Tsy fivorian’ny mpino miombon-kevitra amina fisainana maromaro na foto-pampianarana tsy akory izany. Ny tsirairay, izay zanak’Andriamanitra amin’ny finoana, ratsambatan’i Kristy amin’ny Fanahy Masina, dia voasariky ny Anarana sy ny Tenan’ny Tompo. Manatrika eo Izy, amin’ny maha izany Azy ho an’ny manodidina Azy, anisan’ny Fiangonany, anisan’ny Egliziny, na dia tsy eo avokoa aza ireo rehetra mandrafitra izany. Tsy afaka hahita fotoana mahamety hahasambatra kokoa noho izany, mba hanatanterahana lalindalina kokoa ny fiombonana amin’ny Tompo sy ny fiombonana amin’ny mpirahalahy.

Izany fiombonana izany dia miseho eo amin’ny fitsaohana miaraka, eo amin’ny vavaka (Matio 18:19), ary eo amin’ny fivoriana ho fampandrosoana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra, na inona na inona endrika isehoan’izany (1 Korintiana 14).

Ny fiderana miaraka dia mifototra amin’ny fanambaran’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty hoe : “Eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao” (Salamo 22:22). Tanterahina ny fiombonana araka ny Romana 15:6 hoe : “Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika” .

Ireo izay miara-mivavaka dia tsy “nifanaraka” hoe izao antom-bavaka izao na izatsy no atao, fa, araka ny Matio 18:19, dia “mifanaiky” izy ireo, fifanekena avy amin’ny Fanahy Masina.

Ao amin’ny 1 Korintiana 14, rehefa mivory ny fiangonana mba hovokisana, dia manamafy ny apostoly hoe “Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” (and. 26), eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, Izay mampiasa ny tsirairay mba hilaza izay tian’ny Tompo atolotra hahasoa ny Azy, “mba hianaran’izy rehetra sy hampirisihana azy rehetra” (and. 31).

Ny Efesiana 4:12 dia manindry fa ny fanomezana nozarain’ny Tompo dia manana tanjona ho amin’ny “fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. Tokony ekena ny fahasamihafan’ireo fanomezam-pahasoavana. Tsy voafetra ho eo amin’ny fitandremana ny Tenin’Andriamanitra fotsiny izy ireny, fa tafiditra ao koa ireo “fanampiana” sy ny fampiasana ny famindram-po (Romana 12:8). Ny Deoteronomia 19:14 dia mandidy mba tsy hamindra “ny fari-tanin’ny namanao” ; efa manana ny anjara lovany ny tsirairay ; efa nandray fanomezam-pahasoavana tokony ho azy ny tsirairay. Ny mamindra ny fari-tany mba hanalehibeazana ny anjara lovany dia manitsaka ny an’ny hafa, izany dia hanakely ny fanomezan’ny hafa mba hampisongadinana ny an’ny tena ! (jereo ihany koa 2 Korintiana 10:13-16).

Ny fiombonana, eo amin’ny lafin’ny “vatan”’i Kristy, dia miseho, ohatra, eo amin’ny fifampiahiana “ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:25). Izany fifampiahiana izany dia andraikitry ny rehetra, na ny rahavavy na ny rahalahy. Hiseho amin’ny fomba samihafa izany, araka ny fitarihan’ny Tompo ny tsirairay, izay ho tia manaraka ny fiheviny. Ao anaty fiombonana feno hasambarana no hahazoan’ny rehetra tombony.

Ny fifaneken’ny tsirairay, amin’ny fahatahorana an’i Kristy (Efesiana 5:21), dia hanakana izay olona te hampanjaka ny fiheviny manokana. Izany dia hitondra amin’ny fanomezan-danja ny fihevitrin’ny rahalahy, ao anaty fikatsahana am-paharetana ny fiombonana, sady ihany koa miara-manaiky ny Tompo ary mahatsiaro ho eo anatrehany sy atrehany, mba hahatakatra ny fiheviny.

 

Ny fifampivavahana, araka an’i Jakoba 5:16, na ho an’ny rahalahy iray diso, araka an’i 1 Jaona 5:16 (jereo koa Genesisy 18:22-33), dia hamerina sy hihazona ny fiombonan'ny daholobe. Ambonin’ny zavatra rehetra, toy ny eo amin’ny fifandraisana manokana ihany, ny fandeferana sy ny famelana heloka no tsy maintsy atao : avy amin’izany ny asa rehetra ataon'ny mpiandry. “Anaro izay tsy mitoetra tsara ; omeo toky ny malemy saina ; ampaherezo ny reraka ; mandefera amin’ny olona rehetra” (1 Tesaloniana 5:14).

Ny Fanasan’ny Tompo no mbola mitoetra ho fampisehoana ambony indrindra ny fiombonana, fiombonana amin’ny vatana sy ny ran’i Kristy (1 Korintiana 10:16), ary fiombonan’ny rehetra. Amin’ny fandraisan’ny rehetra anjara amina mofo iray no anambarana fa isika dia vatana iray ihany miaraka amin’ireo olona rehetra voavidin’ny Tompo (and 17).

Ilay fahavalo dia tsy maintsy hampisy sakana (iainana) eo amina fivoriana toy izany.

Ny Tenin’Andriamanitra dia manantitra mafy amin’ny loza entin’ny fireharehana ara-panahy. Tsy ny ana Diotrefa “izay te ho lohany” ihany, fa koa ilay saina manjakazaka mety hitsofoka mora tokoa eo amin’ireo havanana amin’ny asa fanompoana na ny asa atao ao amin’ny fivoriana (1 Petera 5:3, sns.). Ny fihamboana ho mahafantatra bebe kokoa noho ny hafa, ny fankasitrahana ny tena, dia mampiteny an’i Laodikia hoe : “Manankarena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory” (Apokalypsy 3:17). Fihetsika hafa mihitsy ny hoe mankafy, am-pankasitrahana sy am-panetrentena, ny zavatra rehetra mety nampahafantarin’ny Tompo antsika, momba ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny miezaka, noho ny fahasoavany, hampihatra izany.

Sakana iray hafa amin’ny fiombonana, araka an’ny Malakia 3:8-10, ny tsy fitondrana “ny fahafolon-karena”. Ny fahafolon-karena ara-pitaovana mba hamelomana ny Levita dia aseho ankehitriny amin’ny antsoin’ny Hebreo 13:16 hoe “hanao soa sy hiantra”, mba “hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra”, araka ny Galatiana 6:6. Ny fampirisihina dia mihoatra noho izany, ary manana ny dikany tanteraka eo amin’ny sehatra ara-panahy. Ahoana moa no ho tonga ao amina fanompoam-panahy miaraka amina “harona foana”  (jereo Deoteronomia 26) ? Tsy ny rahalahy manambara ny fiderana ao am-piangonana amin’ny vavaka na fanondroana hira hohiraina ihany tsy akory no mitondra “ny santa-bokatra” ; ireo rehetra mivory manodidina ny Tompo mba hitsaoka dia hitandrina hananany fo feno Azy sy zavatra hatolotra. Ny Fanahy Masina dia azo antoka fa hahay hahatakatra izay ao am-pon’ny rehetra ao amin’ny fiangonana ary hampiteny izany amin’ny vavan'ny rahalahy iray na iray hafa ... Miverina in-telo ny fampirisihina hoe : “Aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako” (Eksodosy 23:15, sns.).

Momba ireo fanomezam-pahasoavana mety nampiandraiketan’ny Tompo kosa, dia mazava tsara ny tenin’ny apostoly : “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra” (1 Petera 4:10). Ho vokatr’izany, tsy ho fanosehana ny olona ho eo aloha tsy akory, fa “mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (and. 11).

Raha “tsy mitondra ny fahafolon-karena”, dia mety ho sahirana ireo mpanompon’ny Tompo (ao amin’ny Nehemia 13. 10, ireo Levita tsy nojerena dia lasa nandositra ho any an-tsahany avy), ary raha ara-panahy no resahina, dia tsy hisy hanina “ao an-tranoko” (Malakia 3:10) ; ho voasakatsakana ny fampiorenana.

Raha tsy voakolokolo ny fiombonan'ny tsirairay miaraka amin’ny Tompo sy miaraka amin’ny hafa, ahoana moa ny hahatanteraka ny fiombonan'ny daholobe eo amin’ny fivoriana ? Takatra ny fampirisihina mba hiambina amin’ny “fanaon’ny sasany” hamoy izany ; fatiantoka ho an’ny Tompo, fatiantoka ho an’ny fiombonan'ny daholobe sy ho an’ny tena izany.

Ny fahavalo dia mety hampiditra ny “masirasira” eo amin’ny fivoriana, amin’ireo hafetsena ataony. Ao amin’ny 1 Korintiana 5, dia ny masirasira ara-toe-panahy, ny “mpanao ratsy” no tsy maintsy esorina “aminareo” (and 13). Ao amin’ny Galatiana 5:9, dia ny masirasira ara-poto-pinoana, izay mbola ratsy kokoa ny vokany, ary asehon’ny Tenin’Andriamanitra ao amina tsongandahasoratra maro hoe ahoana, araka ny fisehoan-javatra, no tokony hidiovana sy hisarahana amin’izany. Alohan’ny hahatongavana amin’izany teboka faratampony izany, dia maro ny trangan-javatra momba ny “fitsipi-pifehezan’ny ray” izay tokony hampiharina. Ao amin’ny Galatiana 6:1, dia angatahina ny hananganana ny olona azon’ny ota tsy nahy ; ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14, ny hananatra ireo tsy mitoetra tsara ;  ao amin’ny 1 Timoty 5:20-21, momba izay diso fahiny, ny hananatra azy eo anatrehan’ny olona rehetra ; ao amin’i Titosy 1. 10-11,  ireo “mpitaria foana sy mpamitaka” dia “hotampenam-bava” ; ao amin’i 1 Timoty 1:3, ny mba “handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa” ; ao amin’ny Titosy 3. 10, ny hiala amin’izay “mpanao hevidiso (tery saina), rehefa nanarinao indray maka na indroa”.

Satana dia ilay ambodia “misambotra ny ondry ka mampihahaka azy” (Jaona 10:12). Tsy afaka miala aminy raha tsy mitoetra tena akaikin’ny Mpiandry ondry, ary noho izany, mifanakaiky kokoa amin’ny tsirairay.

 

 

5  Ny fiombonana eo amin’ny fanompoana

Ireo fampirisihina maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, momba ny fizotra kristiana, dia azo fintinina amin’ireto matoanteny efatra ireto : mitia, manaraka, manompo, miandry.

Ny fitiavan’ireo vehivavy vitsivitsy ny Tompo Jesosy dia nitarika azy ireo ho eo amin’ny hazofijaliana ; teo aloha, tany Galilia, izy ireo dia “nanaraka Azy ka nanompo Azy” (Marka 15:41). Ny Tompo mihitsy no nanomboka nanambara ny “famonjena lehibe” ; ireo nandre izany dia nanaraka ny diany, sady “Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy ...” (Hebreo 2:4). Amin’izany lalana izany, dia antsoina isika hanompo amin’ny “fanetren-tena rehetra” (Asan’ny Apostoly 20:19), “amin’ny fahatahorana” (Salamo 2:11), “amin’ny fifaliana” (Salamo 100), “amin’ny fonareo rehetra” (1 Samoela 12:20), “amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana” (Josoa 24:14).

Tsy hisy fanompoana hamokatra raha tsy avy amina fiombonana manokana miaraka amin’ny Tompo, Izay hanisy marika izany. Ny tena mpanompo dia hiverina tsy an-kijanona amin’ilay loharano, ary indrindra rehefa nantsoina mba hanome bebe kokoa : “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro ... dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony” (Jaona 7:37, 38).

Ny sampany miray amin’ny voaloboka ihany no afaka hamoa : “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:5). Nivoaka tamin’ny fahamalinany mahazatra i Paoly ka nanjary nahateny tamin’ireo Korintiana, raha niresaka momba ireo apostoly nanao be ihany koa teo amin’ny asan’ny Tompo, hoe : “Efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko” (1 Korintiana 15:10). Izany fahasoavana izany no valinteny nivoaka ny vavan’ny Tompony mihitsy, Izay tsy namaly ny vavaka nataony in-telo mba hanalana ny tsilo teo aminy : “Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:9).

“Ny asa rehetra tsy vokatry ny aina ao anaty dia mampirona antsika hiasa tsy misy an’i Kristy, ary hanolo Azy amin’ny izaho” (J.N. Darby).

Ny antso atao amin’ny tsirairay manokana no ifotoran’ny fanompoana rehetra, antso avy amin’ny Tompo araka ireo fomba nofidiany. “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo” (Jaona 15:16). Ao amin’ny Isaia 6, rehefa avy nahita ny voninahitr’i Jehovah i Isaia, dia resy lahatra fa mpanota, ary nodiovina ny molony ; koa dia afaka namaly ny fangatahan’ny Tompo izy : “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay ? Dia hoy izaho : Inty aho, iraho aho”.

Aoka isika hitandrina mba tsy hiditra amina fanompoana iray satria manao izany ny hafa, mba hakantsika tahaka ny sasany na satria manintona antsika izany. Ny asa tsara dia “namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” (Efesiana 2:10). Anjarantsika ny mamantatra izany ary ny ho tonga saina amin’ny fanompoana ankinin’ny Tompo amintsika, tsy am-panetrentena sandoka ; manan-danja eo imasony izany.

Ny antson’Andriamanitra dia tsy mifamatotra amin’ny toerana misy ara-bola na ara-piarahamonina, na amin’ny fahaizana voajanahary (jereo Gideona, Amosa, Jeremia), na dia afaka mampiasa izany aza ny Tompo (Matio 25:15) : Petera, izay zatra nanipy ny haratony tany an-dranomasina, dia nanjary mpanarato olona ; ny Tompo dia azo antoka fa tsy hiantso olona hikarakara zaza madinika raha toa tsy havanana amin’izany io. Ny fihetseham-po voalohany eo amin’ny antson’Andriamanitra dia matetika ny fanahiana, ny fahatahorana sao tsy hahavita, toa an-dry Mosesy, Jeremia, na Gideona.

Ny mpanompo voantso tsirairay dia tompon’andraikitra manokana ihany koa eo anatrehan’ny Tompony : “Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa ? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy ; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo ... Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra” (Romana 14:4, 12). Ao amin’ny Marka 13:34, ny Tompo dia manolotra “ny raharahany avy” mandritra ny fotoana tsy maha eo Azy. Araka izany, ny mpanompo dia tsy maintsy mandini-tena mba hanolotra ny tenany amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana” (2 Timoty 2:15). Hoy i Paoly tamin’i Arkipo : “Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany” (Kolosiana 4:17). Izany andraikitra izany dia manambara fa ny mpanompo dia tokony hamoaka, indray andro any, momba ireo talenta nankinina taminy : “Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ny volany” (Matio 25:19).

Ny antso sy ny andraikitry ny mpanompo dia ho an’ny isam-batan’olona ; kanefa ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho amintsika, matetika dia matetika, fiombonana sambatra eo am-panatontosana ny fanompoana, na fitoriana ny filazantsara akaiky na lavitra, na fampianarana sy fampiorenana, ho ana olona manokana (1 Tesaloniana 5:11), na ao amin’ny fiangonana izay hahafahan’ny rahalahy maro manolotra ny Tenin’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 11:26 ; 15:32 ; 1 Korintiana 14:29).

Marobe ireo ohatra, indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Alefan’ny Tompo tsiroaroa ireo mpianany (Marka 6:7). Barnabasy dia nandeha nitady an’i Saoly avy any Tarsosy, ary nampianatra olona maro tao amin’ny fiangonana izy roalahy, nandritra ny herintaona ngarangidina. Niara-nitondra ireo fanampiana avy amin’ny mpianatra tao Antiokia izy ireo, ho an’ny loholona tany Jerosalema (Asan’ny Apostoly 11:25-30 ; 12:25). Tatỳ aoriana, dia hoy ny Fanahy Masina : “Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy” (Asan’ny Apostoly 13:2) ; koa dia niaraka tamin’i Paoly izany i Barnabasy nandritra ny diany voalohany. Na teo aza ny loza nandindona, dia “niara”-niditra tao amin’ny synagoga tao Ikonioma izy ireo (Asan’ny Apostoly 14:1). Rehefa nisaraka izy ireo, dia nifidy an’i Silasy ho mpiara-dia aminy ny apostoly (15:40). Tany aoriana, dia “tian’i Paoly” hoentina miaraka aminy i Timoty (16:3).

Firifiry moa ireo rahalahy niaraka tamin’i Paoly tamin’ny fanompoana mandehandeha nataony (Asan’ny Apostoly 20:4-5), mpiara-dia nomeny lanja sy nampahereziny, nantsoiny hoe “mpiara-miasa”, “miaramila namantsika”, “mpanompo namanay”, “namako ... mpiara-miasa amiko”. Ao amin’ny ankamaroan’ny epistily nosoratany, dia miara-miasa amin’ny iray amin’ireo izy rehefa hiteny amin’ireo olona anoratany (afa-tsy ao amin’ny Romana, Galatiana, Efesiana izay mila fahefana amin’ny maha apostoly, ary ao amin’ireo epistily ho an'olon-tokana). Ny manompo tsiroaroa na maro dia manambara fifanampiana sy fifanajana. Mianatra mankafy ny asan’ny hafa, ka tsy mitsikera na manaratsy azy ireo. Ireo fanompoana ihany koa dia mifameno, raha jerena ny fahasamihafan’ny fanomezana omen’ny Tompo. Ny Tompo dia afaka ihany koa maniraka mpanompo iray, toa an’i Petera im-betsaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly, na Timoty tany Efesosy   (1 Timoty 1:3) ; tany Makedonia izy dia niaraka tamin’i Erasto, tany Filipia dia niaraka tamin’i Epafrodito, na taoriana keliny (Filipiana 2:22, 23, 29).

Ny Filazantsaran’i Jaona dia manome antsika tantara mampihetsi-po momba ny fanompoana ho an’ny Tompo nataon’olon-droa. Nandritra ny telo taona mahery i Nikodemosy dia afaka nisaintsaina ilay alina tsy hay adinoina niarahany tamin’i Jesosy ; azo antoka fa tsaroany ny teny hoe : “Tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona” (3:14). Nefa dia natahotra ireo mpiray tanindrazana taminy izy (Jaona 7:51-52) ary tsy niseho ampahibemaso. Noho ny fahatahorany ny Jiosy, i Josefa avy any Arimatia ihany koa dia mpianatra niafina. Ary indro, teo am-pototry ny hazofijaliana, izy roalahy, izay angamba tsy nahafantatra fa tia ny Tompo ihany koa ny iray, dia tafahaona mba hanao fanompoana iraisana. I Nikodemosy nitondra ny miora sy hazo manitra, kisarisarin’ny fangidiana sy ny fijaliana ; i Josefa, izay nikarakara ny fasana, nanome lamba sy lambam-paty ; niara-nampidina ny faty izy ireo, nofonosiny ary napetrany tao amin’ilay fasana nisy an’i Jesosy.

Imbetsaka ny Tenin’Andriamanitra no manome antsika an’ohatra ny fiombonana feno hasambarana notanterahina teo amin’ireo mpanompon’ny Tompo, ary mampiseho amintsika koa ny maha zava-dehibe ny fiombonana ao amin’ny fiangonana sy ireo mpino tsirairay miaraka amin’ireo mpanompo ireo.

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:2-3 no ahitana ireo mpitondra ny fiangonana tany Antiokia nivavaka sy nifady hanina tamin’ny fiantsoana an’i Barnabasy sy Saoly. Raha niverina tamin’ny diany voalohany izy roalahy, dia namory ny fiangonana rehetra mba hitantarany “izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy ...” (Asan’ny Apostoly 14:27). Toy izany koa no nataony rehefa niakatra tany Jerosalema izy ireo, ka nampifaly ny rahalahy rehetra (Asan’ny Apostoly 15:3). Tao Jerosalema aza, dia nolazain’izy ireo “ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny jentilisa” (and. 12). Amin’izany, ireo fiangonana dia miaraka liana amin’ny asa ataon’ny Tompo any lavitra any, amin’ny alalan’ireo mpanompony. Ny fiangonana kosa dia tsy natao hitarika na handidy avy lavitra ireo mpanompo. Tsy mety ny “mamatotra ny Fanahin’Andriamanitra” (J.N. Darby).

Io fiombonanan’ny fiangonana io dia mety hiseho amina fomba samihafa. Ao amin’ny Filipiana 1:5, i Paoly dia mampahatsiahy ny anjara noraisin’ireo mpino ireo teo amin’ny filazantsara “hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny”, izany hoe hatramin’ny niovan’izy ireo fo. Niara-niady “amin’ny fanahy iray” izy ireo, amin’ny finoana ny filazantsara (and. 27). Impiry moa ny apostoly no nangataka vavaka tamin’ny fiangonana ho an’ny fanompoany. Mba hivavahana am-pisainana, dia tsy maintsy mahafantatra ny toerana misy ireo mpanompo, miombona amin’ireo asa ataony, mahatakatra ny fikorontanan-tsaina mety ateraky ny rivotra iainana manodidina azy ireo, fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, fikarohana, fahamenarana, sns. Tokony hotsaroana ireo hafetsena sy ezaka ataon’i Satana, ireo fitsapana mety hitranga eo amin’ny fiainam-pianakaviana, ireo loza mitatao amin’ireo mpanompo. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12, ny fiangonana manontolo dia mivavaka mba hanafahana an’i Petera ; ary nandritra ny alina na aloha be ny maraina, tao an-tranon’i Maria, dia “nisy olona maro niangona nivavaka” (and 12) ; tsy ny fiangonana manontolo no tao, satria i Jakoba sy ireo rahalahy dia tsy teo (and 17). Amin’ny fomba mahagaga no amalian’ny Tompo ireo vavaka ataon’ny fiangonana eo an-toerana sy ireo tia manohy izany vavaka ho an’ny apostoliny izany.

Ny mpanompo ihany koa dia mivavaka ho an’ny fiangonana ; manana ny ohatr’i Paoly sy ireo mpiara-dia aminy ampiarahany amin’ny vavaka ataony isika, eo amin’ny fiandohan’ny Epistily maro (Kolosiana 1:9 sy 4.12-13), mampiseho fa i Paoly, Timoty ary Epafra dia mampiaraka ny fangatahana ataony ho an’ny Kolosiana.

Fampiononana toa inona no hitan’i Paoly, rehefa sasatra sy kivy izy taorianan’ny dia lava sy sarotra nataony, ka nanakaiky an’i Roma izay niriny haleha tokoa, “mba hiarahako hampirisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy” (Romana 1:12). Nisy andiany kely tamin’ireo rahalahy nandeha lavitra hatrany Roma mba hitsena azy tany amin’ny Tsenan’Ampio sy ny Tranombahiny Telo. Nandroso moramora teo amin’ny lalana ilay mpifatotra. Indro hitany ireo nitsena azy : hafaliana re izany, fampiononana re izany !  “Raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra izy ka nahazo toky” (Asan’ny Apostoly 28:15).

Tsy ho tafatsangana na oviana na oviana angamba ny rindrin’i Jerosalema raha tsy nisy fiaraha-miasa sy fiombonana teo amin’ireo rehetra nandray anjara tamin’izany (Nehemia 3). Nampahatsiahy ny tantaran’ny fireneny i Nehemia tao anatin’ny vavaka nataony, ary nangirifiry nilaza hoe “Fa tsy nanompo Anao... izy” (9:35). Alahelo tokoa ho an’io mpanompo nahafoy tena io ny nahatsapa, tamin’ny fanamboarana ny rindrina, fa nisy sasany “tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony” (3:5) !

Ireo natahotra an’i Jehovah ary nifampiresaka, ao amin’ny Malakia 3:16, dia nianatra nanavaka “ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy”.

Aiza ho aiza isika amin’izany ? Ny Tompo ve tokony hiteny, toy ny nitenenan’i Joba tao amin’ny fitarainany hoe : “Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy” (Joba 19:16) ?

 

6  Fehiny

Ny fiombonana amin’ny Ray sy amin’ny Tompo Jesosy dia tokony ho tanjona fototra ho an’ny mpino, satria miankina amin’izany ny fiainantsika ara-panahy manontolo. Avy amin’io fiombonana io no mampisy fitahiana fito sosona :

 

6.1  1)

Ny fizotrantsika, ary koa ny fanompoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona ho an’ny Tompo dia maka avy amin’izany ny heriny sy ny voa omeny. “Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko” (Jaona 15:4).

 

6.2  2)

Ny fiombonana no miaro antsika tsy ho lavo sy tsy hanao fahadisoana eo amin’ny fizotra sy ny foto-pampianarana. “Fa eto amiko no hahavoavonjy anao” (1 Samoela 22:23) dia mbola miteny amintsika ilay tena Davidantsika. Izao tokoa mantsy : “Raha mibanjina an’i Kristy dia mora ny zavatra rehetra : ny fiombonany dia manome ny fahazavana sy ny fahazoana antoka” (J.N. Darby).

 

6.3  3)

Ny fisitrahana ny fiombonana miaraka amin’i Kristy dia mihazona antsika ao amina fisarahana marina amin’izao tontolo izao sy amin’ireo foto-keviny, satria avy amin’ny fiombonana no hahatsapantsika eo amin’ny fampiharana, fa isika dia tsy naman’izao tontolo izao, toa Azy tsy naman’izao tontolo izao (Jaona 17:14).

 

6.4  4)

Ny fiombonana dia mihazona antsika ao amin’ny fisitrahana ny fitiavana, ny fiadanana sy ny fifalian’i Kristy. “Hitoetra amin’ny fitiavako ... Ny fiadanako no omeko anareo ... Ho ao aminareo ny fifaliako” (Jaona 15:10, 11 ; 14:27).

 

6.5  5)

Ny fiombonana no loharano lalina indrindra eo amin’ny fampiharana ny fivavahana kristiana, amin’ny fanakaikezana sy ny fitokiana sitrahantsika miaraka amin’i Kristy noho izany : manao ny zavatra rehetra miaraka amin’i Kristy sy ho an’i Kristy isika (Galatiana 2:20).

 

6.6  6)

Ny fiombonana no fepetra ilain’ny fitomboantsika ara-panahy, satria avy aminy no iavian’ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fahalalana an’i Kristy (Romana 12:2 ; 2 Korintiana 3:18).

 

6.7  7)

Raha mampitodika ny fitiavantsika any amin’i Kristy isika, ny fiombonana dia manala ny fontsika amin’ny zavatra hita maso ary mamatotra izany amin’ireo zavatra any an-danitra, izay sady tsy hita no maharitra mandrakizay (2 Korintiana 4:18).

 

Enga anie ny Tompo hanome antsika ny fahasoavana mba hanatanterahantsika, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ireo fepetra ara-toe-panahy (fahamailoana, fahamasinana, fitsaran-tena), izay hahazoantsika misitraka lalandava ny fiombonana amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany, ary hananantsika ireo fitahiana avy amin’izany.