NY ZIOGA TSY ANTONONA

 

Charles Henry MACKINTOSH

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

FANDAHARANA

1        Ny fitsipika fototry ny zioga tsy antonona

2        Fanambadiana

3        Fandraharahana

4        Fikambanana ara-pivavahana

5        Fikambanana manao asa soa

 

 

1  Ny fitsipika fototry ny zioga tsy antonona

Tsy misy olona tena te hahatratra, na te hampahatratra amin'ny hafa, ny atao hoe fizotra kristiana madio sy ambonimbony kokoa, ka tsy latsaka anaty alahelo lalina sy hakiviana, raha mandinika ny fivavahana kristiana amin’izao vaninandro izao. Ambany dia ambany ny fomba fijorony, ny fijery azy toa tsy salama ary ny fiainam-panahy marefo tokoa, hany ka indraindray alaim-panahy ho kivy isika fa toa tsy misy intsony ny fijoroana ho vavolombelona marina sy azo antoka, amin'Ilay Tompo tsy hita maso eto intsony.

Vao mainka mampalahelo izany raha mahatsiaro ireo antony mafonja tokony hanetsika antsika isika, noho ny tombontsoa manokana nomena antsika. Raha mijery ny Tompo Izay tokony arahintsika isika, na ny lalana natao hizorantsika, na ny tanjona tokony hifantohan’ny masontsika mandrakariva, na ny fanantenana tokony hampahavitrika antsika, dia tsy maintsy manaiky fa hampiseho fizotra kristiana mafana fo kokoa isika, raha manao ireny rehetra ireny amin’ny fo, raha mandray izany amin’ny finoana tsotra kokoa. “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay”, hoy ny apostoly. Izay no antony mahery vaika indrindra. Arakaraky ny maha feno ny fo amin'ny fitiavan’i Kristy sy ny hibanjinan’ny masom-panahy Ilay Masina, no itadiavantsika hanaraka akaiky dia akaiky ny dian’Ilay avy any an-danitra. “Maso tsotra” ihany no afaka mamantatra izany diany izany ; raha tsy potehina ny sitrapo, vonoina ny nofo ary ampanekena ny tena, dia tsy hahomby ny diantsika amin’ny maha mpianatra antsika, ary ho rendrika isika raha ny momba ny finoana sy ny fieritreretana madio.

Aoka anefa tsy ho diso fihevitra ny mpamaky. Tsy ny famonjena ho an’ny tena manokana no resahina eto, fa zavatra hafa mihitsy. Tsy misy fitiavan-tena mahamenatra kokoa noho ny hoe, rehefa avy nandray ny famonjena vokatry ny fijalian’i Kristy, vokatry ny dinitra niova ho ra, ny hazofijaliany sy ny fahafatesany, dia manalavitra araka izay azo atao Ilay Masina, mba tsy hahavery ny tombontsoantsika manokana. Izany dia famantarana toetra tsy mendrika afa-tsy fanamelohana, na dia amin'ny mason'olombelona fotsiny aza no mitsara azy ; mainka fa raha olona manambara hoe ny fahasambarany ankehitriny sy mandrakizay dia avy amin’ny Tompo Izay nolavina, nohomboana, nitsangana tamin'ny maty ary tsy hita maso ankehitriny no manao izany, dia tsy misy teny azo ilazana io fahambaniana ara-toe-tsaina amam-panahy io. “Rehefa tsy hatsipy any amin’ny farihy mirehitra afo aho, dia tsy ahoako izay fizotrako amin’ny maha mpianatra ahy”. Tsy maharikoriko anao ve, ry mpamaky malala, izany toe-tsaina izany ? Tsy halanao hatrany amin’ny ati-fanahinao ve izany ? Raha mahatsiaro ho toy izany ianao, dia miezaha mihitsy handositra izany, sy haka ny toerana mifanohitra indrindra amin’io toe-tsaina io, ary aoka ho fiteny tsy miovaova toy izao no ambaranao : “Rehefa omem-boninahitra ny Tompoko, dia tsy ahoako ny tombontsoako manokana”. Enga anie ka ho toy izany ny vetsovetsom-pon’ny maro amin’izao vaninandro iainantsika izao, izay indrisy fa maha marina ny teny hoe : “Izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy” (Filipiana 2:21). Angatahintsika amin’Andriamanitra ny hananganan’ny Fanahy Masina, amin’ny heriny tsy hay tohaina sy ny fahefany avy any an-danitra, andiana mpianatra tafasaraka amin’izao tontolo izao sy mahafoy  tena ho an’Ilay Zanak’ondry, ary voafatotra tsirairay amin’ny tandroky ny alitara, amin’ny alalan’ny mahazakan’ny fitiavana —tarika iray hitovy amin’izy telonjato lahy nomba an’i Gideona fahiny, nahay nitoky tamin’Andriamanitra sady nahay nandà ny nofony. Maniry fatratra hahita izany ny fontsika ! Ny fanambarana ny tena ho kristiana, nefa mangatsiaka sy tsy ahitam-bokany, dia mazàna mampiseho endrika mampihanahana sy mahamaina ; koa ny fanahy reraka noho izany dia maniry indrindra fijoroana ho vavolombelona mahery vaika kokoa, amin’ny fo tsy mizarazara ho an’Ilay nanafoana ny tenany sy nahafoy ny voninahiny, mba hanandratana antsika ho sakaizany, ao amin’ny fahasambarana mandrakizay, amin’ny alalan’ny rany sarobidy, nalatsaka ho antsika.

Anisan’ireo sakana maro tsy ahazoana manolotra tanteraka ny fo ho an’i Kristy, izay iriko loatra ho ahy sy ho an’ny mpamaky, dia “ny zioga tsy antonona” no mitàna ny toerana voalohandohany. “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana ? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina ? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala ? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino ? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy ? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe : Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy, ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko. Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio ; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha” (2 Korintiana 6:14-18). Ny lamina tamin’ny andron’i Mosesy dia mampianatra antsika izany foto-kevitra izany koa, eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy : “Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy (tonga zava-masina) ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanimboalobokao. —Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany. —Aza mitafy lamba natao amin’ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho” (Deoteronomia 22:9-11 ; Levitikosy 19. 19). Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia ampy hanehoana ny faharatsiana ara-toe-panahy entin’ny “zioga tsy antonona”. Azo ambara tsy am-pisalasalana fa tsy misy olona afaka ny ho mpianatr’i Kristy, voavaha tamin’ny fatorana rehetra, raha toa izy mbola mitoetra, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, eo “ambany zioga tsy antonona”. Mety ho voavonjy ihany izy, mety ho zanak’Andriamanitra —mpino mahitsy fo ; saingy tsy afaka ny ho mpianatra tena matoky izy ; ary tsy izany ihany, fa misy sakana lehibe tsy ahafahany mivelatra amin’ny tokony ho maha izy azy, na dia eo aza ny zioga tsy antonona entiny. “Mivoaha... ary Izaho dia handray anareo... ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha”. Izany hoe “Esory amin’ny zioga tsy antonona ny vozonareo, ary handray anareo Aho, ka hiseho miharihary amin’ny fahafenoany ny firaisanareo amin’ny Tompo Tsitoha sy ny fampiharana izany”. Mazava fa tsy mitovy amin’ny hevitra aseho ao amin’ny epistilin’i Jakoba izany : “Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana”. Toy izany koa ny an’i Petera : “Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra”. Mbola ao koa ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona : “Endrey, manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra”. Toy izany koa ny ao amin’ny filazantsaran’i Jaona : “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra”. Ao amin’ireo andininy rehetra ireo, ny fifandraisan’ny zanaka dia mifototra amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny asa ataony, ary aseho amintsika ho voka-javatra tsy avy amintsika ; fa ao amin’ny 2 Korintiana 6 kosa dia vokatry ny fanafahana antsika tamin’ny zioga tsy antonona izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia fampiharana tanteraka no resahina eto. Koa vakiantsika ao amin’ny Matio 5 ny hoe : “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izany manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo ; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”. Eto dia mbola fametrahana ny fomba iainana sy fanehoana ampahibemaso izany fifandraisana izany, ary ny fiantraikany ara-panahy entin’izany. Raha toy izany no ataon’ny Ray, dia tokony hanao toy izany koa ireo zanaka. Raha fintinina, dia nomena toerana saro-takarina, na fifandraisana voatokana ho an’ny zanaka isika,  ary miorina amin’ny sitrapon’Andriamanitra tsy refesi-mandidy sy amin’ny asany manokana izany ; manaraka izany, dia manana ny toetra ara-toe-panahy vokatr’izany isika, avy amin’io fifandraisana io, izay hahafahan’Andriamanitra mampiseho ampahibemaso sy ara-drariny ny fisian’izany fifandraisana izany. Andriamanitra dia tsy afaka manaiky feno ampahibemaso ireo izay mitondra zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino, satria raha manao izany Izy, dia toy ny mankasitraka ilay zioga indray. Izy anefa tsy afaka hankasitraka “ny maizina” sy “ny fahotana” –“Beliala”— “ny sampy” ary ny “tsy mino”. Ahoana moa no hahafahany hanao izany ? Koa raha minia mitondra zioga miaraka amin’ny iray amin’ireo aho izany, dia mikambana ara-toe-panahy sy ampahibemaso amin’izy ireny, fa tsy amin’Andriamanitra velively. Nandray toerana tsy azon’Andriamanitra ekena aho, ary vokatr’izany dia izaho mihitsy no tsy afaka ny hoekeny ; nefa kosa, raha mihataka amin’io toerana io aho —raha mivoaka sy misaraka aminy— ka ahintsako hiala amin’ny vozoko ny zioga tsy antonona, amin’izay fotoana izay ihany aho vao tena horaisina sy hekena ampahibemaso ho “zanakalahy na zanakavavin’ny Tompo Tsitoha”. Io foto-kevitra io dia  manetriketrika sy manindrona ny fon’izay rehetra mahatsiaro, indrisy, fa nanaiky ho eo ambany zioga toy izany. Tsy mitondra tena tahaka ny mpianatra izy ireny, ary tsy eo amin’ny toeran’ny zanaka, na eo imasom-bahoaka na amin’ny toe-panahy anaty. Tsy afaka hanaiky azy ireo Andriamanitra. Tsy ny fifandraisany miafina amin’Andriamanitra tsy akory no resahina amin’izany ; fa tena nametraka ny tenany ivelan’ny sehatr’Andriamanitra izy ireo. Tamin-kadalana no nametrahany zioga teo amin’ny vozony, izay tsy mba ziogan’i Kristy, ka noho izany, dia tsy maintsy an’i Beliala ; ary amin’ny fotoana hanariany io zioga io vao afaka ny hanaiky azy ho zananilahy na zananivavy Andriamanitra. Tsy hita lany ny fahasoavan’Andriamanitra, marina izany ; ary mety hiseho izany, amin’ny fotoana rehetra hisiana fahadisoana na fahalemena eo amintsika ; nefa kosa raha miandrandra fizotra ambonimbony kokoa ny fanahintsika, amin’ny maha mpianatra, dia tsy maintsy manintsana avy hatrany ny zioga tsy antonona isika, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, raha mbola azontsika hatao ihany ; fa raha tsy afaka manao izany kosa, dia tsy misy afa-tsy ny mangaihay manondrika ny loha sy ny miandry ny fanafahana feno avy amin’ny Andriamanitra.

Misy lafiny efatra miavaka azontsika handinihina ny zioga tsy antonona : ny fanambadiana, ny varotra, ny fivavahana ary ny fanaovana asa soa. Mety hihevitra angamba ny kristiana sasany fa mikasika io lafiny voalohany io ihany ny hafatra ao amin’ny 2 Korintiana 6:14 ; nefa tsy izay no nataon’ny apostoly. Izao no nolazainy : “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”. Tsy mamaritra ny toetra na ny antony isian’io zioga io izy, koa dia afaka mampihatra io andinin-tSoratra Masina io amin’ny lafiny faran’izay malalaka isika, ary mitondra ny lelan-tsabatra ho amin’izay karazan-jioga tsy antonona rehetra ; ary ho hitantsika ny havesa-danjan’io fomba fiasa io, alohan’ny hamaranantsika ny fanadihadiana, raha sitrapon’ny Tompo.

 

 

2  Fanambadiana

Ndeha hojerentsika voalohany indrindra ny momba ny zioga ao an-tokantrano na ara-panambadiana. Misy ve penina afaka hanoratra ny tebitebin’ny fanahy, ny fahantrana ara-toe-panahy, mbamin’ireo voka-dratsy manimba ny fiainam-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona entin’ny fanambadian’ny kristiana iray amina olona tsy niova fo ? Heveriko fa tsy misy toerana mahonena toy ny an’olona iray, izay diso aoriana loatra vao nahatsapa fa nikambana mandra-maty tamin’olona tsy afaka hitovy fisainana na fihetseham-po aminy. Ny iray maniry hanompo an’i Kristy, ny iray kosa tsy afaka hanompo afa-tsy ny devoly ; ny iray mangetaheta ny zavatra an’Andriamanitra, ny iray kosa tsy miandrandra afa-tsy ny zavatra eto amin’izao tontolo izao ; ny iray miezaka hamono  hatrany ny nofo mbamin’ireo rehetra faniriany sy filany, ny iray kosa tsy mikatsaka afa-tsy ny hanome fahafaham-po ireny. Mitovy amina ondrivavy iray sy osilahy iray mifamatotra izy ireo : ilay ondry maniry fatratra ny ahimaitso, ary ilay osy kosa anefa tsy maniry afa-tsy ny hiroaka ny tsilo mandrobona eny amoron-kady. Ny vokatr’izany dia mampalahelo satria samy hanan’ny hanoanana izy roa. Ny iray tsy te hiraoka ny ahimaitso, ny iray indray tsy afaka hivelona amin’ny tsilo, ary na ny andaniny na ny ankilany dia samy tsy mahazo izay ilain’ny toe-tenany, raha tsy hoe angaha, hanampatra ny heriny ilay osilahy ka hanery ilay namany miara-mitondra zioga aminy, mba hijanona eny amin’ny tsilo, hijaly ary ho faty eny. Tsotra ihany ny fananarana tsoahana avy amin’izany ; ary ambonin’izany, indrisy, fa mahazatra loatra ny mahita azy. Mazàna dia ilay osy no mahatratra ny tanjona nokendreny. Saiky ny lehilahy (na vehivavy) tia izao tontolo izao no mandrakariva mahasarika ilay iray. Matetika anatin’ny fanambadiana misy zioga tsy antonona, ny iray kristiana ary ny iray tsy kristiana, dia ilay kristiana mahantra no mijaly, araka ny asehon'ny vokatra mangidy noho ny fieritreretana tsy mandry, dia ny faharerahan’ny fo, ny saina maloka sy kivy. Vidiana lafo tokoa ny fanomezana vahana ny fihetseham-po maha olona, na ny fahazoana tombontsoa kely mielina. Zava-misy tsy azo lavina fa ny fanambadiana toy izany dia tsy hitondra afa-tsy fahafatesana, na ho an’ny fijoroana amin’ny maha kristiana, na ho an’ny fandrosoana ara-panahy. Tsy hay hatao, ara-toe-panahy, ny ho mpianatr’i Kristy misaraka amin’izao tontolo izao, nefa ny vozona mbola mitondra ny ziogan’ny fanambadiana miaraka amin’ny tsy mino. Mitovy tsy misy valaka amin’ny mpihazakazaka mifaninana amin’ny lalao olympika : tsy hanantena hibata ny amboaran’ny fandresena izy raha mamatotra amin’ny tenany, entam-be iray na koa faty iray. Ampy tokoa ny mivesatra faty iray, ka tsy tokony hampiana iray faharoa izany. Mbola tsy nisy tena kristiana ka tsy niaina fa maro ny zavatra hosahaniny raha mitady handresy ny fahorian’ny fony mahantra izy, mainka fa mbola hivesatra ny fahorian’olon-droa indray. Tsy azo lavina fa ny lehilahy minia adala manambady vehivavy tsy mino, entanin'ny saina mikomy, na ny vehivavy entanin’izany saina izany ihany koa ka manambady lehilahy tsy mino, dia mandray an-tsitrapo ny enta-mavesatry ny fahorian’olon-droa tafatambatra ; ary iza no hahazaka izany ? Azon’ny olona masina ianteherana tanteraka ny fahasoavan’i Kristy mba hamonoana ny toetra ratsiny ; fa tsy afaka kosa iantehitra toy izany amin’io fahasoavana io izy, raha momba ny toetra ratsin’ny namany miara-mizioga aminy. Raha tao anatin’ny tsy fahalalana no nahatafiditra azy tao anatin’io zioga io, dia hirotsaka hanampy azy ny Tompo ary hanarina tanteraka ny fanahiny, raha tena mibebaka tokoa izy ; fa ny toerana maha mpianatra azy kosa, dia tsy ho tafaverina aminy intsony, na oviana na oviana. Afaka niteny i Paoly hoe : “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako”. Mifampitohy avy hatrany amin’ny tolona atao mba ahazoana ny loka izao teneniny izao : “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka ? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. Raha izaho àry, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa ; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”, sns (1 Korintiana 9:24-27). Tsy resaka fahavelomana na famonjena no lazaina eto, fa resaka hazakazaka eo an-kianja ; mihazakazaka mba hahazoana loka, tsy hoe mba hahazoana ny fiainana tsy akory, fa satroboninahitra tsy mety ho lo. Raha voantso hihazakazaka isika, dia midika izany fa efa manana aina, satria tsy misy fatin’olona asaina hihazakazaka eny an-kianja. Mazava ho azy fa efa manana ny aina aho vao hanomboka hihazakazaka, koa tsy ho very izany aina izany, na dia tsy afaka handrombaka ilay satroboninahitra nampanantenaina aza aho ; satria tsy ny aina tsy akory no hatolotra ho loka. Tsy nantsoina hihazakazaka mba hahazo fiainana isika, satria tsy avy amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, Izay nahazo ny fiainana ho antsika tamin’ny alalan’ny fahafatesany, ka mampita izany amintsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Fa  io fiainana io, amin’ny maha fiainan’i Kristy natsangana tamin’ny maty azy, dia fiainana mandrakizay ; satria Zanaka mandrakizay Izy, araka ny vavaka nataony tamin’ny Ray, ao amin’ny Jaona 17 : “Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy”. Io fiainana io dia omena tsy misy fepetra. Tsy manome ny fiainana ho antsika, tahaka ny fanome ny mpanota Izy, ka hitaky amintsika indray, amin'ny maha olo-masina antsika, ny hihazakazaka mba hahazoana izany, tandindomin-doza tsy hahazo io fahasoavana sarobidy io raha toa tsy mandresy eo amin’ny hazakazaka ataontsika. Raha izany dia toy ny mihazakazaka nefa “tsy mahalala izay ho tanjona”, araka ny ezahan’ny maro atao, indrisy, izay milaza fa tafiditra an-tsehatra, nefa tsy mahafantatra na manana fiainana izy na tsia. Ny olona tahaka izany dia mihazakazaka mba hahazoany fiainana fa tsy satroboninahitra ; nefa tsy ny fiainana no velarin’Andriamanitra eny amin’ny faran’ny kianja ; vao hiainga dia efa omeny izany, mba ho hery entintsika mihazakazaka. Ny fahafahana mihazakazaka sy ny tanjona tratrarina amin’izany hazakazaka izany dia sasanangy roa samihafa ; nefa dia mandrakariva afangaron’ireo tsy mahalala ny Filazantsara be voninahitra momba ny fahasoavan’Andriamanitra izany, Filazantsara anehoana an’i Kristy ho fiainana sy fahamarinana, ho an’ireo rehetra mino ny anarany ; ary fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra izany fa tsy valisoa homena izay nihazakazaka tsara.

Koa raha mandinika ny vokatra tena ratsy entin’ny zioga tsy antonona eo amin’ny fanambadiana isika, dia ny fiantraikany eo amin’ny fizotrantsika, amin’ny maha mpianatra antsika, no hodinihina indrindra indrindra. Hoy aho hoe “indrindra indrindra”, satria ny maha olona antsika ara-toe-panahy sy ny zavatra rehetra iainantsika dia voakasika lalina amin’izany. Heveriko fa tsy misy kapoka mafy kokoa mamely ny fandrosoana eo amin’ny fiainana araka an’Andriamanitra mihoatra noho ny fandraisana zioga tsy antonona. Ny firosoana ho amin’izany mantsy dia milaza sahady fa ny fitotonganan’ny fiainam-panahy dia efa nanomboka tamin’ireo soritr’aretina tena mampiahiahy ; ary momba ny toetra maha mpianatra azy sy ny fijoroany ho vavolombelona indray, dia azo lazaina fa jiro efa ho faty izany, ary raha mbola mitsilopilopy ihany aza indraindray, dia vao mainka mampiharihary ny toerana mahantra misy azy, izay mampatahotra sy maizina, ary ny voka-dratsy mahatsiravina ateraky ny fandraisana zioga tsy antonona ikambanana amin’ny tsy mino.

Ireo fanamarihana ireo ihany no ataoko momba ny fiantraikan’ny zioga tsy antonona eo amin’ny fiainana, toetra, fijoroana ho vavolombelona, toerana misy ny zanak’Andriamanitra, amin’ny maha mpianatra azy. Hanome teny vitsivitsy momba ny vokany ara-toe-panahy izay miseho eo amin’ny sehatry ny tokantrano indray aho. Eto ihany koa dia tena mbola mampalahelo ny fiantraikany. Tsy maintsy ho izany rahateo no izy. Olon-droa no nikambana mba hiaina fifandraisana akaiky dia akaiky sy am-po lalina indrindra, kanefa na ny zavatra tiany, na ny fahazarany, na ny fihetseham-pony, na ny faniriany, na ny mahasarika azy sy ny tanjona tratrariny dia mifanohitra tanteraka. Tsy misy na inona na inona iraisany, hany ka mifandona hatrany izy raha vao mihetsika kely. Raha ny marina, ny tsy mino dia tsy afaka hiaraka amin’ny mpino, ary na dia toa mirindra aza ny fiainana etỳ ivelany, noho ny haben'ny hamoram-panahy na ny fihatsarambelatsihy, dia inona no ho lanjan'izany eo imason’ny Tompo, Izay mandinika ny toetran’ny fo oharina amin'ny Azy ? Raha toa indray ka misy zavatra, be na kely, ifanarahan’ilay mpino amin’ilay mpiara-mizioga aminy, indrisy fa tsy maintsy manohintohina ny diany amin’ny maha mpianatra azy izany fifanarahana izany, ary hanameloka azy eo anatrehan’ny Tompo ny fieritreretany ; ary izany koa dia mahatonga ny fanahy ho kivy sy angamba fikintonana, izay miseho eo anivon’ny fianakaviana, ary dia tsy misongadina ny fahasoavan’ny Filazantsara, ka tsy voasarika na voababo ilay tsy mino. Ny zioga tsy antonona dia toa toe-javatra mampalahelo tokoa amin’ny lafiny rehetra. Manala-baraka an’Andriamanitra izany, mitera-pahavoazana ho an’ny fivelaran’ny toe-panahy, mikendry ny haharava ny toetra maha mpianatra sy ny fijoroana ho vavolombelona, no sady manohitra tanteraka ny fiadanana sy ny fitahiana ho an’ny tokantrano. Miteraka fifanalavirana, fangatsiahana sy tsy fitovian-tsaina ny zioga tsy antonona ; na raha tsy izany indray, dia hanao izay hanarian’ilay kristiana ny toetra maha mpianatra azy sy ny fieritreretana tsara ananany izany, ary mety ho alaim-panahy izy hanao sorona eo amin’ny alitaran’ny fiadanan’ny  tokantrano. Koa, na amin’ny lafiny inona na amin’ny lafiny inona no jerentsika, dia tsy mitondra afa-tsy vokatra mampalahelo ny zioga tsy antonona.

Raha ny fiantraikany eo amin’ny ankizy indray, dia tena mampalahelo torak’izany ihany koa. Amin’ny maha olombelona dia mirona manaraka ny ohatra asehon’ny iray izay tsy mivavaka amin’ireo ray aman-dreniny izy ireo. “Ary ny an-tsasaky ny zanany dia nanao tenin’ny Asdodita, fa tsy nahay teny jiosy, fa nanaraka ny fiteniny avy isam-pirenena izy”. Tsy afaka hisy firaisam-po eo amin’ny fanabeazana ny ankizy ; tsy hisy firindrana, na fifampitokisana eo amin’ny fitondrana azy ireo. Ny iray maniry hitaiza azy ireo araka ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo, ny iray maniry hitaiza azy araka ny foto-kevitr’izao tontolo izao, araka ny nofo sy ny devoly ; ary satria mahafinaritra ny ankizy, arakaraky ny hitomboan’ny taonany, ity voalaza farany ity, dia tsy sarotra vinaniana ny fiafarany. Farany, manasatra foana, sady tsy mety no mifanohitra amin’ny Soratra Masina, ny manandrana hiasa tany miaraka amina “zioga tsy antonona” na hamafy “voan-javatra roa samy hafa karazana” eo amin’ny tanimboly iray ; izany rehetra izany dia tsy miteraka afa-tsy fijaliana sy fikorontanana.

Alohan’ny ialana amin’ity fizarana momba ny lohahevitra dinihintsika ity, dia te hanao fanamarihana ny amin’ny antony manosika mandrakariva ny kristiana hiditra amin’ny zioga tsy antonona ara-toe-panahy eo amin’ny sehatry ny fanambadiana aho. Samy mahalala isika, indrisy ! fa ny fo mahantra dia mora resy lahatra hoe ara-dalàna ny zavatra iriny hatao, ary ny devoly ihany koa manome hevitra toa mari-pototra mba handresy lahatra antsika fa tsara izany —fonjan-kevitra heverin’ny toe-panahintsika mampalahelo ho mazava, mahafa-po ary tokony arahina. Ny amelantsika ny fisainantsika hirona amin’izany dia manaporofo sahady fa tsy haintsika atao ny mandanjalanja, amin’ny saina tsy miangatra sy fieritreretana marina ara-panahy, ny vokatra tsy azo hamaivanina aterak’izany dingana izany. Raha tsotra ny maso (izany hoe tsy misy mibaiko antsika afa tsy antony tokana ihany, dia ny voninahitra sy ny hajan’ny Tompo Jesosy Kristy), dia tsy hikolokolo na oviana na oviana ny fisainana hametraka ny vozona ho ambanin’ny zioga tsy antonona isika ; ary vokatr’izay dia tsy hanahirana na hahasanganehana antsika izany resaka izany. Ny mpihazakazaka mibanjina ny satroboninahitra, dia tsy hosalovanin’ny fieritreretana hoe tokony na tsy tokony hijanona izy mba hamatotra entam-be milanja zato kilao eo amin’ny vozony. Tsy handalo amin’ny eritreriny na oviana na oviana izany hevitra izany ; ary tsy izany ihany, fa izay mpihazakazaka tsara hofana dia hahafantatra mazava tsara izay rehetra mety hanakana azy amin’ny hazakazaka ataony, hany ka ny fahitana zavatra toy izany dia hahatonga azy hanilika izany avy hatrany amin’ny fomba hentitra. Koa raha mba toy izany ny andraisan’ny kristiana ny fanambadiana tsy araka ny tenin’Andriamanitra, dia tsy hiharan’ny fahoriana sy ny ahiahy sesehena izy ireny ; nefa tsy izany ny zava-misy. Rehefa tsy manana fiombonana amin’ny Tompo ara-toe-panahy ny fo, dia tsy mahay manavaka ny zavatra tsy mitovy ; ary rehefa izany no toerana misy ny tena, dia mandresy mora foana ny devoly, ary tsy ho ela dia hahomby ny ezaka feno hafetsena ataony hitarihana ny mpino hitondra zioga miaraka amin’i “Beliala” —miaraka amin’ny “tsy fahamarinana” —miaraka amin’ny “maizina” —miaraka amina “tsy mino”. Ny fanahy manana fiombonana feno amin’Andriamanitra dia mankatò tanteraka ny teniny ; mitovy fijery aminy, ary izay fomba iantsoany ny zavatra rehetra no hanononany izany koa, fa tsy araka izay tian’ny devoly na ny fon’ny olona mandeha ara-nofo iantsoana azy. Amin’ny fomba toy izany no handosiran’ny mpino ny fandrika sy ny fitaka mahasarika, izay mazàna manana fahefana lehibe aminy momba io resaka io ; izany hoe ny fanambarana tsy marina ataon’ilay iriny alaina ho vady fa mpivavaka izy. Izany no mitranga matetika dia matetika. Mora tokoa ny miseho ho miandany amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra, ary ny fo rahateo dia ratsy, sady mamitaka, ka mahay miseho ho mivavaka, mba hahatongavana amin’ny tanjona tratrariny ; ary tsy izany ihany, fa ny devoly izay “maka endriky ny anjelin’ny fahazavana”, dia hampisy io fanehoana fivavahana tsy marina io, mba hamatorana tsaratsara kokoa ny tongotra sy ny fon’ny zanak’Andriamanitra. Koa amin’io sehatra io, dia indraindray misy kristiana mianina, na toa mianina, amina porofo iray momba ny fiovam-po, kanefa izy ireo mihitsy no voalohany ho niahiahy na ho nahita hoe tsy ampy izany, raha toe-javatra hafa no natrehany. Indrisy anefa ! Tsy ela dia mahiratra ny maso momba ny tena zava-misy. Tsy ela dia hita fa fisehoana ivelany fotsiny ihany ilay fivavahana, fa ny fo dia any amin’izao tontolo izao manontolo sady avy aminy. Fahatsapana mampihoron-koditra ! Iza no mahay manambara ny vokany feno fangidiana : ny tebitebin’ny fo —ireo nenina sy ny fanamelohan’ny fieritreretana — ny henatra sy ny fangaihaizana— ny fahaverezan’ny fiadanana sy ny fitahiana ary ny fifaliam-panahy— ny fanaovana sorona fiainana tokony hamokatra ? Iza no afaka hanoritsoritra izany rehetra izany ? Taitra tamin’ny nofinofiny manodoka ilay olona, ka mampihiratra ny masony hijery ny zava-misy mahatsiravina : hitany fa voafatotra mandra-pahafatiny hiray zioga amin’i “Beliala” izy. Eny, toy izany no iantsoan’ny Fanahy azy. Tsy vokatra na tsoa-kevitra avy amina fihevitra nifampitohitohy no nahatongavantsika ho amin’izany, fa fanambaran’ny Soratra Masina tsotra ihany ary azo antoka ; fa toy izany ny amin’izay nandray zioga tsy antonona, ara-baiboly, eo amin’ny sehatry ny fanambadiana, na inona mety ho antony, sy fototra ary fijery ivelany mamitaka ka nambabo azy.

Ry mpamaky kristiana malalako, raha tandindomin-doza hiditra ambany zioga toy izany ianao, dia mamelà ahy hitalaho aminao am-pitiavana sy amin’ny fomba hentitra mba hipetraka aloha, sy handanjalanja io raharaha io eo amin’ny mizanan’ny fitoerana masina, alohan’ny handrosoana hanaovana dingana hankamin’ny lalana mampidi-doza toy izany ! Minoa ahy fa vantany vao manao io dingana io ianao, dia ho hitanao fa hifanehatra amina nenina feno hakiviana ny fonao, ary ny fiainanao hahita alahelo mangidy tsy hita isa. Aoka tsy hisy na inona na inona eto ambonin’ny tany hahataona anao hitondra zioga miaraka amina tsy mino. Resaka momba ny fitiavana efa tafiditra lalina ve ? Aoka àry ho tsarovanao fa tsy ho ny fitiavan’ilay olom-baovao ao anatinao velively izany ; tsy isalasalana fa avy amin’ny toetra taloha maha olona ara-nofo no iavian’izany, nefa antsoina ianao mba hamono sy hanafoana izany. Koa tokony hiantsoantso an’Andriamanitra ianao ary hangataka aminy herim-panahy, mba hahafahanao mandresy ny hery mahatarika avy amina fitiavana toy ireny, sy hanao sorona izany ho Azy aza. Resaka momba ny tombontsoanao ve ? Tsarovy hatrany fa tombontsoanao manokana ihany izany ; ary raha miroborobo ireny dia ny an’i Kristy indray no atao sorona noho ny zioga tsy antonona hikambananao amin’i “Beliala” ! Eto rahateo dia ny tombontsoanao mandalo no voakasika fa tsy izay maharitra mandrakizay. Raha ny marina anefa dia tokony hitovy ny tombontsoan’ny mpino sy ny an’i Kristy ; ary mazava ho azy fa ny tombontsoan’i Kristy, ny hajany, ny fahamarinany, ny voninahiny, no tsy maintsy atao sorona, rehefa mifandray tendro amin’i “Beliala” ny iray amin’ny isan’ny tenany.

Tsy dia ilaina akory ny manamarika eto fa raha aorianan’ny fanambadiana no misy fiovam-po, dia miova endrika hafa kokoa ny raharaha. Koa tsy hisy fieritreretana ho rotidrotika, ohatra, ary hiova ny zavatra rehetra amin’ny antsipiriany maro. Mety mbola hisy ihany fahasahiranana, fizahan-toetra ary fahoriana ; fa ny hany fahasamihafana lehibe dia ity : azo entina am-pahasambarana kokoa eo anatrehan’ny Tompo, ny fizahan-toetra sy ny fahoriana, rehefa tsy nanao fanahy iniana niroboka tamin’izany ; ary isaorana Andriamanitra, fa fantatsika loatra ny fahavononany hamela heloka antsika, sy hanarina antsika ary hanadio ho afaka amin’ny tsy fahamarinana ny fanahy miaiky tanteraka ny fahadisoany sy ny tsy fahatanterahany. Afaka hampionona ny fon’izay nandray ny Tompo taorianan’ny fanambadiana izany. Ambonin’izany, ny Fanahin’Andriamanitra dia efa nanome azy fitarihana manokana sy fampaherezana sarobidy anatin’ity teny manaraka ity : “Raha misy rahalahy manambady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin’ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin’ny rahalahy ; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo ; fa raha izany dia masina izy... Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia ? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia ?” (1 Korintiana 7:12-16).

 

 

3  Fandraharahana

Andeha indray hojerentsika ny momba ny “zioga tsy antonona” eo amin’ny lafiny ara-barotra, araka izay hita amin’ireny fikambanana mpandraharaha ireny. Ity indray, na dia tsy manana endrika mampatahotra toy izay vao nodinihintsika teo aloha aza, noho ny fahafahana miala moramora kokoa aminy, dia mbola azo antoka fa vato misakana eo amin’ny fijoroan’ny mpino ho vavolombelona. Rehefa mitondra zioga miaraka amina tsy mino eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ara-barotra ny kristiana iray —na havana io tsy mino io na tsia—, na koa mikambana amina tranombarotra eo amin’izao tontolo izao, dia toy ny efa mandà ny andraikiny manokana izy. Manomboka eo dia manjary asany manokana ny asa ataon’io tranombarotra io ; ary mazava ho azy fa ny tranombarotra natsangana araka ny foto-kevitra eo amin’izao tontolo izao, dia tsy afaka hampiasaina araka ny foto-kevitry ny fanjakan’Andriamanitra. Hihomehezana ny hevitra toy izany, satria hampandamoka tanteraka ny zavatra hatao. Ny kristiana mifanaraka amina tsy mino dia hitoetra hatrany ao anaty toerana tena manahirana. Te hampiasa ny hery mahataona ananany izy, mba hahatonga ny fomba itondrana ny fandraharahana ho fomba kristiana ; kanefa hoterena hanao tahaka ny rehetra ihany izy ao anatin’izany fandraharahana izany ; ary dia tsy hisy fanafody ho azy afa-tsy ny fitomaniana mangina momba ny toerana tsy ara-dalàna sy manahirana misy azy ;  ary raha tsy izany, dia hiala ao ka hiharan’ny fatiantoka ara-bola goavana ny tenany sy ny ankohonany.

Raha tsotra ny maso, dia tsy hisalasala amin’ny vahaolana horaisina amin’izy roa ; indrisy anefa ! Ny nahatongavana tamin’io toerana io ihany dia efa manaporofo fa tsy tsotra ny maso ; ary ny fijanonana amin’izany toerana izany dia manaporofo fa tsy manana fahaiza-mamantatra ara-panahy hahafahana mankasitraka ny lanja sy ny fahefan’ireo foto-kevitra araka an’Andriamanitra ; raha tsy izany dia efa nampiala ilay kristiana tao amina fikambanana toy ireny izany. Ny olona manana maso tsotra dia tsy hanaiky hasiana zioga hikambanana amin’ny tsy mino mba hahazoana vola. Ny olona toy izany dia tsy hanana tanjona, eo anoloany, afa-tsy ny voninahitr’i Kristy ; ary tsy ho tratra mihitsy io tanjona io raha misy fandikana mivaingana fitsipika fototra iray an’Andriamanitra. Izay no mahatsotra ity resaka ity. Satria tsy manome voninahitra an’i Kristy ny fikambanan’ny kristiana iray amina tranombarotra jentilisa, dia mazava fa tsy manao afa-tsy ny manome vahana ireo fikasan’ny devoly izany : tsy misy eo anelanelan’izay ; miharihary tokoa anefa fa Kristy dia tsy afaka ny homem-boninahitra amin’izany, satria hoy ny teniny : “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”. Izany no foto-kevitra tsy azo dikaina raha tsy tiana ho simba ny fijoroana ho vavolombelona sy ho very ireo fitahiam-panahy. Marina fa ny fieritreretan’ny kristiana manota eo amin’io sehatra io, dia mety hitady fanamaivanana ny fahoriany amina fomba maro samihafa —mety hitady fialana maro mamitaka izy—, mety handroso hevitra samihafa handreseny lahatra ny tenany fa tsara avokoa ny zavatra rehetra. Misy hilaza fa mety manana fandavan-tena sy toe-panahy tsara isika, raha ny momba antsika manokana, na dia miara-mikambana zioga amina tsy mino anatin’ny raharaham-barotra aza. Nefa dia ho fahadisoam-panantenana ihany no hita rehefa sedrain’ny asa andavanandro. Voasakan-dalana amin’ny fomba maro samihafa ny mpanompon’Andriamanitra anaty fifanarahana amin’izao tontolo izao. Na dia tsy hiharana fanoherana mivantana aza ny fanompoany an’i Kristy, dia tsy maintsy hiady amin’ireo ezaka miafina sy misesy ataon’ny fahavalo izy hampitsahatra ny hafanam-pony sy hamono ny fikasany rehetra. Hoesoina sy hatao tsinontsinona izy, hotsiahivina aminy tsy mitsahatra ny fiantraikan’ny firehetany sy ny fahavitrihany eo amin’ny fandraharahana sy ny lazan’ny tranombarotra. Raha mampiasa ny fotoanany sy ny talentany na ny volany ho amin’izay inoany fa fanompoana ny Tompo izy, dia hoheverina ho adala na tsy ampy saina, ary hohampahafantarina azy fa ny hany fomba fanompoana ny Tompo, mety sy ara-drariny, ho an’ny olona niroso ho amin’ny varotra, dia ny filofosana amin’io fandraharahana io fotsiny ihany ; fa anjaran’ny mpiandry sy ny mpitondra fivavahana irery ihany ny raharaham-pivavahana, satria efa natokana ho amin’izany izy ireny. Ary na dia afaka ny ho resy lahatra tanteraka amin’ny fahamarinan’izany tarikevitra izany aza ny sain’ny kristiana efa nohavaozina, iza kosa no afaka hilaza ny mety ho fiantraikan’izany zavatra izany ao am-po ? Mandreraka ny fanoherana tsy mitsahatra toy izany. Mihamahery loatra ny rian-drano ho antsika, ary dia milefitra tsikelikely amin’ny heriny isika ka manaiky hotarihiny hanaraka azy. Mety hanandrana hihetsika faramparany hanoherana ihany angamba ny fieritreretana ; nefa dia tsy afa-mihetsika ny hery ara-panahy, ary mihaosa ilay olona vaovao hany ka tsy mamaly ny antson’ny fieritreretana intsony, tsy misy ezaka ampy hahatohitra ny fahavalo ; ny fironana kristiana hiaina araka izao tontolo izao dia ampian’ny hery mpanohitra misarika avy any ivelany —ary ny hiafaran’izany olona izany dia voatariky ny fiainan’izao tontolo izao tanteraka, ary hotanteraka eo amin’ny fiainany ny fitomaniana mampihetsim-pon’ny mpaminany hoe : “Ny lehibeny dia nangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono ; mena noho ny voahangy ny tenany ; tahaka ny vato safira ny endriny. Fa izao kosa dia mainty noho ny harina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dàlana izy ; ny hodiny miraikitra amin’ny taolany ka tonga maina toy ny hazo” (Fitomaniana 4. 7-8). Io lehilahy io, izay nisy andro nahafantarana azy  ho mpanompon’i Kristy —mpiara-miasa ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra—, izay nampiasa ny fananany ho fampandrosoana ny tombontsoan’ny Filazantsaran’i Kristy, io lehilahy io ankehitriny dia indrisy fa tsy fantatra intsony afa-tsy amin’ny maha mpivarotra tsy mety sasatra azy, kinga sy fetsy, ary ho azon’ny apostoly hilazana hoe : “Demasy nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy”.

Fa ny tena manetsika indrindra ny fon’ny kristiana handray zioga ara-barotra hikambanana amin’ny tsy mino angamba, dia ny fahazarana miaro ny toetra maha kristiana azy, sady mihazona ihany koa ny toetra maha mpivarotra azy. Fandrika ratsy tokoa izany. Tsy hay hatao mihitsy tokoa mantsy izany. Ny olona dia tsy maintsy ho ny iray amin’ireo ihany. Raha kristiana aho, dia tsy maintsy miseho ho fahamarinana velona eo amin’ny toerana misy ahy io fivavahana kristiana arahako io ; raha tsy afaka misongandina eo izany, dia tsy tokony hijanonana amin’io toerana io aho ; satria aho raha mijanona amina faritra na toerana tsy ahafahan’ny fiainan’i Kristy hiseho, tsy ho ela dia tsy hanana intsony na inona na inona maha kristiana afa-tsy ny anarana, tsy misy votoatiny —ny endrika ivelany tsy misy ny hery anaty— hodiny tsy misy voany. Tsy ny alahady ihany no tokony ho maha mpanompon’Andriamanitra ahy, fa ny alatsinainy maraina ka hatramin’ny sabotsy hariva koa. Tsy eo amin’ny fivoriana ampahibemaso ihany no haha mpanompon’i Kristy ahy, fa koa eo amin’ny fifandraisana andavanandro aman’olona, eo amin’ny fandraharahana ataoko, na inona na inona izany. Nefa tsy afaka ny ho tena mpanompon’i Kristy aho, raha toa ka voafatotra amin’ny zioga hikambanako amin’ny tsy mino ; amin’ny fomba ahoana tokoa moa no ahafahan’ny mpanompo roa hiara-hiasa ambany zioga iray, nefa ny lehiben’izy ireo aza dia mpifahavalo ? Tsy hay hatao na oviana na oviana izany ; koa dia manetsika ny fieritreretan’ny mpamaky amin’ny fomba manetriketrika aho, eo anatrehan’Andriamanitra Tsitoha, Izay hitsara ny zava-miafina ao am-pon’ny olona, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, amin’io lafiny io ihany koa ! Te hilaza aminy aho, raha manana eritreritra hiditra ao anaty fiombonana amin’ny tsy mino izy, hoe : mandosira ! Mialà teo, eny fa na dia mampanantena vola an-tapitrisa ho anao aza izany fiaraha-miasa izany. Hilentika anatina lalan-tsarotra sy fahoriana tsy misy fahataperany ianao. Handeha hiasa tany miaraka amina lehilahy manana fihetseham-po sy firehana ary hery manosika mifanohitra toy ny atsimo sy ny avaratra amin’ny anao ianao. “Ny omby sy ny ampondra” dia tsy mifankaiza, amin’ny lafiny rehetra, noho ny mpino sy ny tsy mpino. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanareo hifanaraka ? Izy mitady izay ahazoam-bola, izay ahombiazana sy ny ho lasa lavitra eo amin’izao tontolo izao ; ianao kosa mahatsapa (na fara faharatsiny tokony hahatsapa) fa ilaina ny mitombo ao amin’ny fahasoavana sy ny fahamasinana, ny mampandroso ny tombontsoan’i Kristy sy ny Filazantsarany eto an-tany, ary ny miezaka hiditra amin’ny fanjakana mandrakizain’ny Tompo Jesosy Kristy. Ny tanjony dia ny vola, ny anao kosa, antenaiko fa i Kristy ; izy miaina ho an’izao tontolo izao ; ianao kosa ho an’ny fiainana ho avy ; izy mikatsaka ny zavatra mandalo, ianao kosa izay maharitra mandrakizay. Koa amin’ny fomba ahoana moa no hahazoanareo mihaona eo amin’ny sehatra iray ? Mifanohitra tanteraka ny foto-kevitra, ny antony, ny tanjona sy ny fanantenana manetsika anareo. Amin’ny fomba ahoana no hahazoanareo miara-dàlana ? Ahoana no hanananareo zavatra hiombonana ? Azo antoka fa ampy ny mizaha izany rehetra izany amin’ny maso tsotra mba hahitana ny tena marina. Ny olona mibanjina an’i Kristy sy manana fo feno Azy, dia tsy ho afaka velively hiray zioga amina olon’izao tontolo izao, na inona na inona antony. Koa mamelà ahy, ry mpamaky kristiana malala, mbola hiangavy anao indray, alohan’ny hiandanianao amina zavatra iray mampihoron-koditra toy izany —fiandaniana mety hisy fiantraikany mampatahotra tokoa—, hampidi-doza ny tombontsoanao ambony indrindra, mbamin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, izay manome voninahitra anao, mba handinika izany zavatra izany amin’ny fo mahitsy, ao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra sy handanja izany eo amin’ny mizànany masina. Anontanio Azy izay heviny, ary henoy miaraka amina finiavana hanaiky sy ny fieritreretana tsara ny valinteniny. Tsotra sady mahery izany —tsotra sady mahery toy ny hoe tonga mivantana avy any an-danitra : “Aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”.

Nefa moa, indrisy, raha toa efa ao ambany zioga ny mpamaky, dia te hilaza aminy aho hoe : Mialà amin’izany faran’izay haingana. Ho gaga ihany aho raha toa ianao ka tsy mbola nahatsiaro fa mavesatra tokoa io zioga io. Tsy ilaina loatra ny hanome amin’ny antsipiriany ny vokatra mahonena avy amin’izany toe-javatra izany ; inoako fa efa fantatrao. Ry rahalahy malala ao amin’i Kristy, aza mangataka andro fa hahintsano io zioga io. Eo anatrehan’ny Tompo ary mifanaraka amin’ny foto-keviny sy ny fahasoavany no tsy maintsy hanatanterahanao izany. Mora kokoa ny midi-kizo noho ny mivoaka amin’izany. Ny fiarahana, izay naharitra folo na roapolo taona, dia tsy ho rava anatina fotoana fohy. Tsy maintsy atao am-pahatoniana, am-panetrentena, amin’ny fanahy mivavaka, toy ny eo anatrehan’ny Tompo, ary ho voninahiny irery ihany. Mety hanala baraka ny Tompo aho amin’ny fomba ivoahako amin’ny kizo, toy izay nidirako tamin’izany ihany. Koa raha tafakambana amina tsy mino aho, ary miteny amiko ny fieritreretako fa ratsy izany ataoko izany, dia tsy maintsy ambarako aminy am-pahatsorana sy mivantana fa tsy afaka hiara-dàlana aminy intsony aho ; avy eo, dia adidiko ny manao ny ezaka rehetra azo atao mba hamaranana ny raharaha amin’ny fahitsiana sy fahatokiana ary fahamendrehana, mba tsy hanomezana vahana ny fahavalo hiteny ratsy momba izany, ary mba tsy hahazo tsiny ny fihetsika tsara nataoko.

Tsy maintsy sorohana ny fikoropahana, ny tsy fitandremana sy ny fanambonian-tena, rehefa miseho ho miasa ho an’ny Tompo isika ary miaro ny fahamasinany. Ny olona voafandrika na diso làlana anaty kizo, dia tsy hanao fihetsika mahery setra mba hahatafavoaka azy. Tsia, tsy maintsy manetry tena sy miaiky ny fahotany eo anatrehan’ny Tompo izy ; avy eo, dia hiverina am-paharetana ao anatin’ny fianteherana tanteraka amin’ny fahasoavana, izay sady afaka mamela ny fahadisoany nahatongavany tamin’io toerana diso io, no mbola hamerina sy hampiditra azy amina lalana tsara. Miova be rahateo ny olana raha noraiketina talohan’ny fiovam-po ny fifanarahana, toy izay hita tao amin’ny ziogan’ny fanambadiana. Tsy manamarina ny olona mitoetra amin’izany tsy akory io toe-javatra io, sanatria ; fa manafaka be dia be amin’ny fahorian’ny fo sy ny fahalotoan’ny fieritreretana, izay mifamatotra amin’ny toerana tahaka izany, sady tsy maintsy hisy fiantraikany lehibe ihany koa eo amin’ny fomba ialàna amin’izany. Ankoatra izay, dia manome voninahitra ny Tompo ny toe-po sy ny fieritreretana mitodika mankamin’ny lalana tsara, ary tsy azo lavina fa tena ankasitrahiny. Raha mitsara tena aho rehefa mandeha amina lalan-diso, ka mampaniry ahy hivoaka amin’izany ny fironan’ny foko sy ny fieritreretako, ara-toe-panahy, dia hahafaly an’Andriamanitra tokoa izany, ary azo antoka fa haveriny amin’ny lalana marina aho. Nefa na dia manao izany aza aho, dia tsy hoekeny raha handika fahamarinana iray aho mba hankatoavana ny iray. Ilay teny iray ihany manao hoe : “Aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”, no mbola manao koa hoe : “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy” — “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza” — “handehananareo amin’ny fahamarinana eo anatrehan’ny olona rehetra” — “Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eny ivelany”. Raha nampalahelo an’Andriamanitra aho tamin’ny nikambanako tamin’ny tsy mino, dia tokony hiezaka tsy hampalahelo olona aho amin’ny fomba hisarahako aminy amin’izany. Hilamina tsara ny zavatra rehetra rehefa misy fanekena lalina ny tenin’Andriamanitra, omban’ny herin’ny Fanahy Masina, ho tonga eo amin’ny lalana mahitsy sy marina isika ary ho afaka hiala amina zavatra diso tafahoatra ka mampidi-doza.

 

 

4  Fikambanana ara-pivavahana

Manao topimaso amin’ny lafiny ara-pivavahana eo amin’ny zioga tsy antonona aho ankehitriny, ary te hanome antoka ny mpamaky fa tsy maniry handratra ny fihetseham-pon’iza na iza mihitsy, raha manoritsoritra ny hambon’ireo karazam-pivavahana hitako eo amin’ny manodidina ahy. Tsy izany velively no fikasako. Zava-dehibe loatra ny lohahevitr’ity boky ity ka tsy tokony hitady izay hampanjavozavo azy amin’ny fampidirana hevitra tsy mifanaraka aminy. Sady efa voafaritra mazava izany ka tsy hahafahana mampifangaroharo zavatra hafa. “Ny zioga tsy antonona”, izay no lohahevitra ifantohan’ny dinidinika, ary ferantsika ho amin’izany.

Rehefa mamaky ny Soratra Masina isika, dia mahita andalana maro dia maro maneho ilay toe-tsaina momba ny fisarahana tokony hampiavaka mandrakariva ny vahoakan’Andriamanitra. Na mitodika any amin’ny Testamenta Taloha ny fisainantsika —izay ahitantsika an’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisany amin’ny vahoakany eto an-tany, dia Israely izany, mbamin’ny fomba fitondrany azy ; na koa mijery ny Testamenta Vaovao, izay isian’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny vahoakany any an-danitra —ny Eglizy izany—, mbamin’ny fomba fitondrany azy, dia hitantsika ao ny fahamarinana iray miharihary, izany hoe ny fisarahana tanteraka ho an’ny olona izay an’Andriamanitra. Toy izao no fanehoana ny toerana misy ny Israely tao anatin’ny lahatenim-pahendrena nataon’i Balama : “Indro firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa”. Ny toerana misy azy ireo dia ivelan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ; ary natao ho tompon’andraikitra amin’ny fihazonana izany fisarahana izany izy ireo. Anatin’ireo bokin’i Mosesy rehetra, dia nampianarina, nampitandremana sy nampirisihina ho amin’izany izy ireo ; ary ny Salamo sy ny bokin’ny mpaminany dia mitatitra amintsika ny tsy nahatanterahany ny fihazonana io fisarahana io ; tsy fahatanterahana izay fantatsika fa nahatonga fitsarana henjana avy amin’ny tanan’Andriamanitra. Ho tonga boky lehibe ity dinidinika ity, raha hotanisaiko fotsiny ihany aza ireo andininy mifamatotra amin’io lohahevitra io. Inoako fa ampy ny fandinihina Soratra Masina ataon’ny mpamaky ka tsy ilaina ny fitanisana toy izany. Nefa raha toa ka tsy izany, dia aoka izy hitady ao amin’ny konkordansa ny andinin-tSoratra Masina ahitana ny teny hoe “misaraka” na “fisarahana” ; ampy hampiseho ny havesa-danjan’io lohahevitra io ao amin’ny Soratra Masina ny fahitany ireny anatin’ny indray mitopy maso. Ny andininy vao avy notanisaiko tao amin’ny bokin’ny Nomery dia maneho ny hevitr’Andriamanitra momba ny Israely olony : “Indro, firenena mitoka-monina izy”.

Toy izany ihany, saingy miampy foto-kevitra ambony lenta lavitra kokoa, ny filazana ny amin’ny vahoakan’Andriamanitra any an-danitra, dia ny Eglizy —izay tenan’i Kristy— voarafitr’ireo tena mpino. Izy ireo koa dia vahoaka miavaka. Ndeha hodinihintsika indray izao ny foto-kevitra mikasika io fisarahana io. Misy fahasamihafana lehibe ny hoe fisarahana miorina amin'ny maha isika antsika, sy ny hoe fisarahana miorina amin'ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra. Ilay voalohany dia mahatonga ny olona ho fariseo ; ilay farany indray dia mahatonga azy ho olo-masina. Raha miteny amin’olo-mahantra tahaka ahy aho hoe : “Aza manatona ahy, fa masina noho ianao aho”, dia fariseo maharikoriko sady mpihatsaravelatsihy aho ; fa raha Andriamanitra kosa, ao amin’ny fahamboniany tsy hita lany sy ny fahasoavany lavorary, no miteny amiko hoe : “Efa nampifandraisiko tamiko ianao, tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy Zanako ; koa aoka ho masina sy hisaraka amin’ny ratsy rehetra ianao ; mivoaha eo aminy ary misaraha aminy”, dia tsy maintsy mankatò aho ary ny fankatoavako dia ny fanehoana eo amin’ny fiainako andavanandro ny toetra maha masina ahy —toetra tsy nananako avy tamin’izay efa tato anatiko, fa kosa satria Andriamanitra no nampanakaiky ahy taminy, tamin’ny  ra sarobidin’i Kristy. Tsara atao mazava ny amin’io. Ny fomban’ny fariseo sy ny fanamasinan’Andriamanitra dia zavatra roa tena samihafa, kanefa dia mazàna afangaron’ny olona. Ireo miezaka hihazona io toeran’ny fisarahana io, izay an’ny olon’Andriamanitra, dia ampangaina mandrakariva ho manambony tena eo amin’ny mpiara-monina, ka mihambo ho masina kokoa noho ny hafa rehetra. Io fiampangana io dia vokatry ny tsy fitandremana ilay fanavahana vao nolazaiko teo. Rehefa asain’Andriamanitra misaraka ny olona, dia mifototra amin’izay nataony ho azy teo amin’ny hazofijaliana sy ny toerana nomaniny ho azy ao anatin’ny fiombonana aminy mandrakizay, ao amin’ny tenan’i Kristy, izany. Koa raha toa mifototra amin’ny maha izaho aho ato anatiko no mahatonga ahy hisaraka, dia tena fireharehana tsy am-piheverana sady tsy matotra mihitsy izany, ary ho voaporofo na ho ela na ho haingana. Mandidy ny olony Andriamanitra mba ho masina, noho ny maha Izy Azy : “Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho”. Mazava ho azy fa tena samihafa amin’izany ny hoe : “Aza manatona ahy, fa masina noho ianao aho”.  Matoa Andriamanitra mampifandray ny olona aminy, dia manana zo hametraka didy momba ny tokony ho toe-panahy ananan’izy ireo Izy, ary tsy maintsy mamaly izany izy ireo. Koa hitantsika fa fanetrentena lalina no fototry ny fisarahan’ny olo-masina. Ny tena fahatakarana ny fahamasinan’Andriamanitra indrindra no hampanaiky antsika ho eo amin’ny vovoka. Fa diso tanteraka kosa ny fanetrentena mipoitra avy amin'ny fijerena ny tenantsika ; satria mantsy, raha ny marina, izany dia mifototra amin’ny avonavona tsy nijery lalina ny tsy fahamendrehan’ny tena. Misy mihevitra ho tonga amin’ny fanetrentena lalina sy marina indrindra, eo amin’ny fijerena ny tenany, kanefa dia eo amin’ny fijerena an’i Kristy ihany no ahazoana izany. “Arakaraky ny ahitako miharihary ny voninahitrao, no hampanetry tena ahy”. Fihetseham-po marina, miorina amin’ny foto-kevitr’Andriamanitra izany. Ny fanahy mianoka ao anatin’ny famirapiratan’ny voninahitra ara-toe-panahin’i Kristy no manetry tena marina tokoa, fa tsy misy ankoatr’izany. Tsy misy atao afa-tsy ny manetry tena angamba, rehefa misaina fa zavaboary mahantra tokoa isika ; nefa ampy ny mieritreritra amin’ny saina tsy miangatra, mba hahitantsika fa fahadisoam-panantenana no entin’ny fiezahana hahazo vokatra tsara amin’ny fijerena ny tena. Rehefa mifanehatra amina fahatsarana tsy hita lany isika vao tena manetry tena. Koa noho izany no tokony handavan’ny zanak’Andriamanitra tsy hitondra zioga hikambanana amin’ny tsy mino, na eo amin’ny raharaham-pianakaviana, na eo amin’ny fifandraisana ara-barotra sy ara-pivavahana, satria Andriamanitra no miteny tsotra aminy mba hisaraka, fa tsy noho ny fiheveran-tenany manokana ho masina. Ny fampiharana io foto-kevitra io eo amin’ny sehatry ny fivavahana dia tsy maintsy mitaky fisedrana sy fangirifiriana maro ; tsy fandeferana, na fahaterem-pinoana, na fahateren-tsaina, na fanavakavahana, sns, no hiantsoana izany ; nefa tsy afaka hanova na inona na inona amin’izany isika. Raha misaraka araka ny foto-kevitra marina sy ny fisainana mahitsy isika, dia tsy hihambahamba hamela ho an’Andriamanitra ny vokatra rehetra entin’izany. Azo inoana fa noheverina ho diso sarotsarotiny ireo sisa tavela tamin’ny andron’i Ezra, raha nandà tsy hiara-hiasa tamin’ireo firenena manodidina, tamin’ny fanorenana ny tranon’Andriamanitra ; nefa dia tsy nanaiky izany fanampiana izany izy noho ny fanarahany ny foto-kevitra avy amin’Andriamanitra. “Ary nony ren’ny fahavalon’ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin’ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, dia nanatona an’i Zerobabela sy ny lohan’ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe : Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an’Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin’ny andron’i Esara-hadona, mpanjakan’i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.” Toa tolotra manamaivana fahasahiranana tokoa izany —soso-kevitra maneho fahavononana hitady ny Andriamanitry ny Israely ; nefa dia nandà ireo sisa tavela satria ireo olona ireo, raha zohina, dia tsy mifora sy fahavalo, na dia toa mahay mandahatra aza. “Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin’ny namany lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely namaly azy hoe : Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray ; fa izahay ihany no hanao trano ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely” (Ezra 4. 1-3). Tsy nety hasiana zioga hikambanana amin’ny tsy voafora izy —tsy te “hampikambana omby sy boriky hiasa tany” izy— tsy te “hamafy voan-javatra roa karazana eo amin’ny tanimboliny”— nisaraka taminy izy na dia notenenina ratsy aza fa olona tery saina sy mpanao fivavahana an-tendrony, tsy tia fahafahana sady tsy tia fihavanana.

Toy izany koa no hita ao amin’ny Nehemia : “Dia niavaka tamin’ny olona hafa firenena rehetra ny Zanak’Israely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany” (9:2). Tsy fanahin’ny fitsitokotokoana tsy akory izany, fa fankatoavana mahomby. Io fisarahana io dia zava-dehibe miantoka ny fisiany, amin’ny maha firenena azy. Tsy ho afaka misitraka ny fanatrehan’Andriamanitra izy raha tsy anatin’io fepetra io ihany. Ary tokony ho toy izany hatrany ny momba ny vahoakan’Andriamanitra etỳ an-tany. Tsy maintsy misaraka ny kristiana, raha tsy izany, dia tsy vitan’ny hoe tsy ilaina izy, fa manimba mihitsy. Tsy afaka manaiky azy na miara-dàlana aminy Andriamanitra, raha mitsofoka amina zioga ikambanana amin’ny tsy mino izy, na inona sehatra, na inona zava-kinendry amin’izany. Sarotra tokoa ny mampiaraka ny fanahy mitaky fisarahana tanteraka amina fanahy feno fahasoavana, fahalemem-panahy sy famindram-po, na araka izay nolazaintsika hoe : sady mampitoetra ny tongotra amin’ny lalana tery no manana fo malalaka. Tena zavatra sarotra tokoa izany. Ny fihazonana ny fahamarinana amin’ny fomba hentitra sy tsy misy marimaritra iraisana dia mampihena ny olona manodidina antsika, koa ilaina ny herin'ny fahasoavana mora mifandray aman'olona, mba hitehirizana ny fo halalaka sy ny fitiavana hafana sy havitrika. Raha toa isika miady hampanjaka ny fahamarinana nefa tsy ao anatin’ny fahasoavana, dia tsy haneho afa-tsy lafiny iray amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ary ilay lafiny tsy mahasarika indrindra. Nefa, etsy an-daniny koa, raha mampiseho fahasoavana isika kanefa manohintohina ny fahamarinana, dia zary mampiseho fahalalahana iva lenta, izay manamavo an’Andriamanitra —anisan’ny zavatra faran’izay tsy mendrika tokoa. Ary momba ny tanjona mahazatra iraisan’ny tena kristiana zioga amin’ireo izay miaiky rahateo fa tsy kristiana, dia ho hita, amin'ny farany, fa tsy hahatratra ny tanjona tena an’Andriamanitra na an’ny lanitra velively raha mandika fahamarinan’Andriamanitra iray. Tsy ho teny filamatra araka an’Andriamanitra na oviana na oviana ny hoe “Rehefa tratra ny tanjona, dia tsy maninona izay fomba ampiasaina”. Tsy hamasinin’ny tanjona tsy akory ny fomba fiasa, fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ao amin’ny teny masin’Andriamanitra, na ny fomba fiasa na ny tanjona ; raha tsy izany dia hiafara amin’ny korontana sy ny henatra ny zavatra rehetra. Ny hampodiana an’i Ramota-gileada tsy ho eo an-tanan’ny fahavalo dia mety noheverin’i Josafata ho tena tanjona mendri-kaja ; ambonin’izany dia afaka niseho ho olona tena malala-tsaina, mpamindra fo, tiam-bahoaka sy manana fo malalaka izy, raha namaly ny soso-kevitr’i Ahaba toy izao : “Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao ; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay”. Mora ny mitondra tena ho malalaka sy tia fahafahana rehefa handika foto-kevitr’Andriamanitra ; kanefa inona no niafaran’izany ? Maty i Ahaba ary Josafata dia saika tsy avotra, rehefa tsy nahomby tamin’ny fijoroany ho vavolombelona. Hitantsika eto fa tsy nahatratra ny tanjona nokendreny akory i Josafata, nefa izany ihany no nandraisany zioga tsy antonona hikambanana tamina tsy mino ; ary na dia ho nahatratra ny tanjony aza izy, dia tsy hanamarina ny fihetsiny mihitsy izany fahombiazany izany[1]. Tsy misy azo hanamarinana ny zioga tsy antonona hikambanan’ny mino sy ny tsy mino mihitsy ; ary noho izany dia fanampiana ny ratsy fanahy sy fitiavana ireo izay mankahala an’i Jehovah no hitsaran’Andriamanitra an'i Josafata, na dia toa mahasarika sy azo inoana ary mahafinaritra aza ny fanafihana an-dRamota teo imason’ny olona (2 Tantara 19:2). Ny fahamarinan’Andriamanitra dia manaisotra, eo amin’ ny olombelona sy ny zavatra, ny ankosotra mamiratra tian’ireo manaiky tarihin’ny fanahin’ny mahametimety sy ny mahasoa handrakofana azy ; mampiharihary izany Izy ary fahasoavana tsy hay lazaina ny fananana ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny zava-miseho rehetra manodidina antsika : izany dia mahatonga fahatonian’ny saina, fahamatoran’ny toetra sy ny fizotra, ary manafaka antsika amin’ny fiovaovana mampalahelo eo amin’ny saina, ny fihetseham-po sy ny foto-kevitra mahatonga antsika tsy ho mxxxendrika mihitsy ny ho vavolombelon’i Kristy, vavolombelona hentitra sy mahay mandinika. Tsy maintsy ho diso lalana hatrany isika raha miezaka hitsara araka ny fisainana sy ny hevitr’olombelona ; satria mitsara mandrakariva araka izay miseho ivelany izy ireny, fa tsy araka ny toetra anaty sy ny lalànan-javatra. Tsy dia miraharaha loatra izay fomba hahatratrarany ny tanjona ny olona rehefa heveriny ho tanjona tsara izany. Fa ny tena mpanompon’i Kristy dia mahafantatra fa tsy maintsy manao ny asan’ny Tompony mifanaraka amin’ny foto-kevitra sy ny fisainan’ny Tompony izy. Noho izany dia tsy ho afa-po velively hanatratra tanjona maha te hidera izy, raha toa ka tsy lalana nosoritan’Andriamanitra no hizorany ho amin’izany. Na ny fomba fiasa, na ny tanjona, dia tsy maintsy avy amin’Andriamanitra avokoa. Ekeko, ohatra, fa tanjona tena irina tokoa ny fampielezana ny Soratra Masina —Ilay Tenin’Andriamanitra madio sy maharitra mandrakizay ; nefa raha voatery hitondra zioga hikambanana amin’ny tsy mino aho vao afaka manaparitaka izany, dia aleoko tsy manao, satria tsy afaka hanao ratsy aho mba hiavian’ny soa. Nefa isaorana Andriamanitra fa afaka manaparitaka ny bokiny sarobidy ny mpanompony, ary tsy mila mandika ny fitsipika voarakitra ao anatin’io boky io. Na mandray andraikitra samirery izy, na miaraka amin’ireo tena miandany amin’i Kristy tokoa, dia afaka manaparitaka ny voa sarobidy amin’ny toerana rehetra, nefa tsy voatery hikambana amin’ireo manana fizotra sy fitondran-tena manaporofo ny maha olon’izao tontolo izao azy.

Azo lazaina koa izany ho an'ny tanjona rehetra ara-pivavahana. Tsy afaka ary tsy tokony hikendry izany tanjona izany raha tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Mety hisy hanakiana anay angamba hoe tsy tokony hitsara —sady tsy mahay mamaky ny ao am-po izahay— ary tokony hanantena fa ireo mpiara-manompo rehetra eo amin’ny asa tsara, toy ny fampielezana ny Baiboly, ny fizarana boky kely, sy ny asa misionera, dia tsy maintsy kristiana ; noho izany, dia tsy misy maharatsy ny hikambanana amin’izy ireny. Ny hamaliako izany rehetra izany dia ny hoe : tsy misy andalan-tsoratra tsy takatra sady diso fampiharana indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao toy ny Matio 7:1 : “Aza mitsara mba tsy hotsaraina”. Ao amin’io toko io ihany dia misy hoe : “Mitandrema ianareo fandrao ho voafitakin’ny mpaminany sandoka... ny voany no ahafantaranareo azy”. Koa ahoana moa no hitandremantsika, raha toa ka tsy manao ny fitsarantsika isika ? Mbola vakiantsika ihany koa ao amin’ny 1 Korintiana 5 hoe : “Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany ? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo ? Fa ny ivelany dia tsarain’Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” Eto, dia ampianarina mazava antsika, fa ny “ao anatiny” dia ny fitsaran’ny fiangonana no miandraikitra azy mivantana ; nefa araka ny fanazavana mahazatra ny Matio 7:1, dia tsy tokony hitsara na iza na iza isika ; io fanazavana io dia diso tokoa raha izany. Raha misy olona milaza ny tenany ho ao “anatiny”, dia omena didy hitsara azy isika. “Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo ?” Raha ny amin’izay any “ivelany” kosa, dia tsy misy idirantsika aminy afa-tsy ny fanolorana azy ny fahasoavana madio, lavorary, manankarena, tsy misy fetra, lalina, maneho famirapiratana tsy hay lazaina teo amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny maty. Tsotra ihany izany rehetra izany. Ny vahoakan’Andriamanitra dia asaina manao ny fitsarany amin’ireo izay mitonona ho “ao anatiny” ; asaina mitandrina mba tsy ho voafitaky ny mpaminany sandoka ny olo-masina ; omena didy izy mba “hizaha toetra ny fanahy” ; koa amin’ny fomba ahoana no ahafahany manao izany raha tsy avela hitsara mihitsy izy ? Inona àry ny tian’ny Tompontsika hambara amin’ny hoe : “Aza mitsara” ? Heveriko fa izay lazain’i Paoly amin’ny alalan’ny Fanahy Masina indrindra no tiany hambara, raha manafatra antsika izy tsy hitsara “na inona na inona alohan’ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra” (1 Korintiana 4:5). Tsy izay antony manesika ny olona no hotsaraintsika, fa ny fitondran-tena sy ny foto-kevitra ; izany hoe ny fitondran-tena sy ny foto-kevitr’izay rehetra mitonona ho “ao anatiny”. Ary ny zava-misy rahateo dia izao : ireo manao hoe “tsy tokony hitsara isika” dia tsy mitsahatra ny mitsara. Tsy misy kristiana tena izy, izay asesiky ny hery ara-panahy avy amin’ny toetran’Andriamanitra ao anatiny, ka tsy hitsara an’eritreritra ny toetra, ny fitondrantena sy ny fotom-pampianarana ; ary anatin’ny fitsarana azon’ny mpino atao rahateo ireo lafiny ireo.

Koa ny tiako hapetraka eo amin’ny fieritreretan’ny mpino mamaky eto, dia ny hoe adidiny ny mitsara ireo miara-mitondra zioga aminy ara-pivavahana. Raha toa izy ka mivesatra zioga miaraka amin’ny tsy mino amin’izao fotoana izao, dia mandika ankitsirano ny didin’ny Fanahy Masina. Mety tao anatin’ny tsy fahalalana no nanaovany izany hatramin’izay ; raha izany dia vonona hamela heloka azy ny fahasoavan’ny Tompo ka hanarina azy indray ; nefa kosa raha mikikitra ao anatin’ny tsy fankatoavana izy rehefa nahazo fampitandremana, dia tsy hisy fanatrehana na fitahiana avy amin’Andriamanitra  azony andrasany, na dia tanjona sarobidy, na ambony aza no iarahan'izy ireo hotratrarina. “Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy”.

 

 

5  Fikambanana manao asa soa

Ny lafiny fanaovana asa soa ao amina zioga tsy mitovy sisa no hozahantsika. Maro ny hilaza hoe : “Ekeko tanteraka fa tsy tokony hikambana amin’olona mitonona ho tsy mino isika eo amin’ny fiaraha-mivavaka na ny fanompoana an’Andriamanitra ; nefa kosa dia malalaka ny hiarahana amin’izy ireo amin’ny fampiroboroboana ireo asa soa —toy ny fiahiana ny mahantra, ohatra, ny fizarana sakafo sy fitafiana ho azy ireo, ny fanavaozana ny fomba amam-panao, ny fananganana toeram-piahiana ny jamba sy ny marary saina, ny fanorenan-trano ho an’ny beantitra sy ny hopitaly ho an’ny marary sy ny kilemaina, toerana hialofan’ireo tsy misy mpiahy, ny maty vady sy ny kamboty ; raha bangoina tokana dia izay rehetra azo atao mba hanatsarana ny toe-batana, toe-panahy ary toe-tsain’ireo mpiara-belona amintsika”. Toa mahafinaritra tokoa izany rehetra izany raha atao indray mitopy maso ; satria azo anontaniana aho hoe te hanampy lehilahy iray hisarika ny saretiny latsaka ao an-davaka ve aho ? Ny valinteniko dia : eny tokoa ; nefa kosa raha asaina miditra ho mpikambana anaty fikambanana hifangaroana mpino sy olona tsy niova fo, izay hiasa hampakatra fiarakodia latsaka an-davaka aho, dia holaviko —tsy noho ny fiheverako ny tenako ho masina be kokoa, fa satria ny Tenin’Andriamanitra no milaza hoe : “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”. Izay no ho valinteniko, na inona na inona tanjona kendren’izany fikambanana izany. Andidiana ny mpanompon’i Kristy ny ho “vonona amin’ny asa tsara rehetra” — “ny hanao soa amin’ny olona rehetra” — “ny hamangy ny kamboty sy ny mpitondratena anatin’ny fahoriana” ; nefa kosa amin’ny maha mpanompon’i Kristy, fa tsy amin’ny maha mpikambana ao anatina orinasa na komity, izay afaka handraisana ihany koa tsy mpivavaka, tsy mpino an’Andriamanitra, ary karazan’olona ratsy fanahy sy tsy masina. Ambonin’izany, dia tsy maintsy tsaroana fa ny fiantran’Andriamanitra manontolo dia mifamatotra amin’ny hazofijalian’ny Tompo Jesosy Kristy. Io no fantsona tian’Andriamanitra hizarana ny fitahiany —io no fanoitra matanjaka ampiasainy hampisondrotana ny olona, na ara-batana, na ara-panahy, na ara-tsaina. “Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika” (Titosy 3. 4-6). Toy izany ny fanaon’Andriamanitra rehefa hanatsara ny toe-piainan’ny olona Izy. Afaka miray zioga amin’izay rehetra mahatakatra ny lanjan’io fomba fiasa io ny kristiana, fa tsy amina olona hafa.

Ny olon’izao tontolo izao dia tsy mahalala na inona na inona ny amin’izany, sady tsy miraharaha izany. Raha mitady hanavao izy, dia fanavaozana tsy misy an’i Kristy. Raha mikatsaka ny hanatsara izy, dia fanatsarana tsy misy ny hazofijaliana. Raha liana amin’ny fivoarana ara-panahy sy ara-tsaina izy, dia tsy Jesosy no hiaingany na ataony tanjony eo amin’ny fihazakazahany. Koa amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’ny kristiana miray zioga aminy ? Izy ireo dia te hiasa tsy misy an’i Kristy, nefa Izy no andraisan’ny kristiana ny zavatra rehetra. Hahita fifaliana amin’ny fiaraha-miasa aminy ve izy ? Afaka hanana zavatra iombonana amin’ireo akory ve izy ? Raha misy milaza amiko hoe : “Mila fiaraha-miasa aminao izahay mba hizara sakafo sy fitafiana ho an’ny mahantra, mba hanorina hopitaly sy trano ho an’ny marary saina, mba hikarakara sy hitaiza kamboty, mba hanatsara ny fahasalaman’ny mpiara-belona amintsika ; nefa mampahafantatra anao izahay fa, araka ny foto-kevitra iorenan’ny fikambanana, na ny komity natsangana ho amin’izany, dia tsy azo tononina ny anaran’i Kristy, satria hahatonga adi-hevitra izany. Ny tanjona tratrarina dia ny asa fanasoavana fotsiny ihany, fa tsy ara-pivavahana velively, koa tsy maintsy tandremana tsara ny tsy hisian’ny resaka fivavahana eo amin’ireo fivoriana ampahibemaso rehetra ataontsika. Mivory toa olona manao asa fiantrana isika”. Inona no tokony ho valinteniko amin’ny fangatahana toy izany ? Ny marina dia izao : ho an’ny olona tena tia ny Tompo Jesosy, dia tsy hanana teny hamaliana antso mifanipaka toy izany izy. Ahoana àry ? Hanisy soa olona ve nefa hanilika an’i Kristy ! Tsy hahafaly an’Andriamanitra izany ! Raha toa tsy afaka hahazo ny tanjon’ny fanaovan-tsoa madio aho, fa tsy maintsy manilika ny Mpamonjy soa, Izay niaina ary maty, nefa velona mandrakizay ho ahy, dia esory lavitra amiko ny asa fiantranareo, satria azo antoka fa tsy avy amin’Andriamanitra izany, fa avy amin’i Satana. Raha avy amin’Andriamanitra izany dia hoy ny Teny : “Izy no nampanankarena antsika tao amin’i Jesosy Kristy.” Izy indrindra anefa no ahilikareo tanteraka ao amin’ny satanareo. Noho izany, dia tsy maintsy i Satana no nanome saina anareo tamin’ny fandrafetana ny fitsipikareo, i Satana izay fahavalon’i Kristy. I Satana dia tia manilika mandrakariva Ilay Zanak’Andriamanitra ; ary rehefa maharesy lahatra ny olona hanao tahaka azy izy, dia avelany soa aman-tsara ho tia asa soa sy fiantrana ary hanana fitiava-namana izy ireo. Kanefa raha ny marina, ny fanaovana asa soa sy ny fanasoava-namana toy izany dia tokony antsoina hoe faharatsiam-panahy sy tsy fitiava-namana ; satria ahoana tokoa moa no anehoanao amin’ny fomba mahomby kokoa ny fanirianao hanao ratsy olona sy ny fankahalanao azy, mihoatra noho ny fanilihana Ilay hany afaka mitahy azy ireo ankehitriny sy ho mandrakizay ? Fa mba ahoana tokoa moa no andraisan’i Kristy ny toe-panahin'ny olona azo omena toerana anatina komity, na eny an-dampihazo, satria nanaiky tsy hanonona io anaran-tsoa io ? Raha ny marina dia tena mangatsiaka ho an’i Kristy mihitsy ny fony ; manaporofo izany fa ny tetik’asa sy ny asa ataon’olona tsy miova fo dia heveriny fa manan-danja be ka ampy haharesy lahatra azy hanipy any ivelany ny Tompony, mba hanatontosana izany. Aoka isika tsy ho diso hevitra momba izany resaka izany. Tsy izany mihitsy no tokony hijerena ny asa fanasoavana eo amin’izao tontolo izao. Ny olon’izao tontolo izao dia afaka “mivarotra narda tsara sy sarobidy denaria telon-jato ka omeny ny malahelo” ; kanefa dia hanambara izy fa fandaniam-poana ny manidina io menaka manitra io amin’ny lohan’i Kristy. Hiombon-kevitra amin’io foto-pisainana io ve ny kristiana ? Afaka ny hiray zioga amin’olona toy izany ve izy ? Hanan-kevitra ny hanavao izao tontolo izao ivelan’i Kristy ve izy ? Azony atao ve ny hiombona amin’ireo mitady hanarona sy handravaka ny sehatra mihosina amin’ny ran’ny Tompony ? Toy izao ny filazan’i Petera : “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao : Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta : Mitsangatsangàna”. Petera dia te hanasitrana lehilahy malemy tongotra tamin’ny herin’ny anaran’i Jesosy ; fa mba ahoana re ny ho navaliny raha toa nisy nanome soso-kevitra taminy hiditra anatina komity na fikambanana miahy ny malemy tongotra, nefa kosa ny fepetra dia ny fanilihina tanteraka io anarana io ? Na dia tsy hanao ezaka be haka sary an-tsaina aza isika, dia azontsika vinaniana ny ho valinteniny. Ny fanahiny manontolo dia hihemotra noho ny rikoriko manoloana fisainana toy izany. Raha nanasitrana ilay lehilahy nalemy tongotra izy, dia ny mba hankalazany fotsiny ihany ny anaran’i Jesosy, hanehoany ny tena hasarobidiny, ny tena hatsarany sy ny voninahiny rehetra ho hitan’ny olona ; mifanohitra indrindra amin’izany anefa ny tanjon’ny fanaovan-tsoa eo amin’izao tontolo izao, satria dia manilika tanteraka io anaran-tsoa io izy, ary manafoana izany tsy ho amin’ny komitiny sy ny lampihazony. Koa tsy hanana zo hiteny ve isika ka hanao hoe : “Henatra ho an’ny kristiana ny mijanona amina toerana izay anilihana ny Tompony ! ” ? Aoka hiala amin’izany toerana izany izy ka hanao ny tsara araka izay tratrany, ao anatin’ny herin’ny fitiavan’i Jesosy sy ny herin’ny anarany ; nefa aoka izy tsy hitondra zioga hikambanana amin’ny tsy mino, mba handresena ny voka-dratsy mahonena noho ny fahotana, amin’ny fanilihana ny hazofijalian’i Kristy. Ny zava-dehibe indrindra amin’Andriamanitra dia ny hanandratra ny Zanany —“mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny hanajany ny Ray”. Tokony ho izany koa ny antony lehibe eo amin’ny asa ataon’ny kristiana ;  ho amin’izany dia tokony “hanao soa amin’ny olona rehetra” izy. Nefa raha miditra fikambanana na komity izy mba hanao soa, dia tsy “amin’ny anaran’i Jesosy” no hiasany, fa amin’ny anaran’ny fikambanana na komity, ary tsy ao ny anaran’i Jesosy. Ho an’ny olona manana fo mahitsy sy marina dia tokony ho ampy izany. Tsy manana fomba hafa hitahiana ny olona Andriamanitra, raha tsy amin’ny alalan’i Kristy : ary tsy manana tanjona hafa Izy amin’izany fitahiana izany, afa-tsy ny hanandratra an’i Kristy. Tahaka ny tamin’ny andron’ny Farao, rehefa azon’ny mosary ny Egyptiana ka nihazakazaka nanatona azy, dia hoy izy taminy : “Mankanesa any amin’i Josefa” ; dia toy izany koa ny tenin’Andriamanitra ho an'ny olona rehetra : “Mankanesa any amin’i Jesosy”. Eny, mila mankany amin’i Jesosy isika, ho an’ny fanahy sy ho an’ny vatana, ankehitriny ary ho  mandrakizay ; ny olon’izao tontolo izao anefa tsy mahalala Azy, ary tsy mahatsiaro ho mila Azy ; koa inona moa no fifampiraharahana azon’ny kristiana atao aminy ? Amin’ny fomba ahoana no ahafahany miray zioga aminy amin’ny asa ? Tsy afaka hanao izany izy raha tsy mandà an-kitsirano ny anaran’ny Mpamonjy azy. Betsaka ireo tsy mahita izany ; nefa dia tsy manova na inona na inona izany ho an’izay manao izany. Mila mandeha amin’ny fahitsiana, tahaka ny ao amin’ny mazava isika ; ary na dia mbola tsy dia matanjaka tsara aza ny fihetseham-po sy ny fitiavana ao amin’ilay toetra vaovao ananantsika, mba hahazoantsika manosika eo no ho eo ny fisainana fotsiny hoe hilahatra miaraka amin’ny fahavalon’i Kristy, dia tokony hanaiky kosa ny fieritreretana, fara fahakeliny, manoloana ny fahefana mandidy anatin’ny teny hoe : “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino”.

Ny Fanahy Masina anie hanafy ny teniny amin’ny hery avy any an-danitra, sy handranitra ny lelan’ny sabatra, mba hiantefa hatrany amin’ny fieritreretana izany teny izany, ka ho afaka amin’izay rehetra misakana ny “fihazakazahana napetraka eo anoloany” ny olo-masina. Fohy ny fotoana. Ho avy tsy ho ela ny Tompo. Ary maro ny zioga tsy antonona hotapahany anatin’ny iray mipỳ maso ; hosarahina ho mandrakizay ny ondry sy ny osy. Enga anie isika ka ho sahy hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fikambanana maloto, mbamin’ny firehana jentilisa rehetra ; ka raha tonga Jesosy, dia tsy hosaronan’ny henatra isika, fa ho afaka hitsena Azy amin’ny fo faly sy ny fieritreretana manome rariny antsika.   

 


[1] Ny zioga tsy antonona dia fandrika mahatsiravina ho an’ny fon’i Josafata izay feno fahatsaram-panahy. Tanjona ara-pivavahana no niraisany zioga tamin’i Ahaba ; ary na dia nandamoka tanteraka aza io vinavinan-kasa io, dia mbola hitantsika indray izy nandray zioga ara-barotra niaraka tamin’i Ahazia ; izany koa dia niafara tamina fahavoazana sy fisafotofotoana ; ary farany, niray zioga, ara-politika, niaraka tamin’i Jorama izy. Ampitovio 2 Tantara 18 ; 20, 35-37 ; 2 Mpanjaka 3.