Alakamisy 26 Desambra 2024

Ary nony efa nahita izy (ireo mpiandry ondry), dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Lioka 2:17

Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16

 

Vaovao Mahafaly hozaraina

„Rehefa mitoe-jaza ny olona iray, dia tiany ny mizara izany vaovao izany. Ary rehefa teraka ilay zaza, dia lazainy tsy misy ankanafina izany.

Ny fahaterahan’i Jesosy dia nambaran’ny anjely, izay nankalaza ilay Vaovao Mahafaly. Ny voalohany nampahafantarina izany dia ireo mpiandry ondry, izay nandeha avy hatrany nankany Betlehema, tamin’ny alina, mba hahita an’i Jesosy mandry ao anatina fihinanam-bilona, araka izay nolazaina taminy indrindra (Lioka 2:20). Fihaonana nafonja aoka izany, hany ka naelin’izy ireo avy hatrany ilay Vaovao.

Isika ihany koa, ry kristiana namana, dia tokony ho tonga saina hoe tsy natao ho antsika samirery io Vaovao Mahafaly io : tsy maintsy zaraina izy io. Ny apostoly Paoly dia nanambara hoe : „Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany”. Ny Filazantsara, ilay Vaovao Mahafaly manambara an’i Jesosy, dia mitondra ny aina ho an’ireo izay „maty” ao amin’ny fahotany, ny fanantenana ho an’ireo izay very ; ny fahazavana ho an’ireo izay ao anatin’ny haizina ; ny fifaliana ho an’ireo izay mamoy fo. Ny Filazantsara dia manafaka sy manome ny fiadanana ho an’izay mijaly noho ny fiankinan-doha iray, na ho an’izay diso fanantenana tamin’ny fikatsahana ny zavatry ny tany, na ho an’izay mitady tanjona.

Ndao hanaraka ny ohatra nomen’ny anjely sy ny mpiandry ondry. Ndao hanararaotra ny fotoana rehetra. Ndao hampiasa ny fomba rehetra azo atao mba hanambarana amin’ireo manodidina antsika hoe iza moa Jesosy Kristy ary aiza no ahitana Azy, mba hahafahan’izy ireo manana fifandraisana manokana aminy.

Tsy hoe vaovao tsara fotsiny izany, fa kosa ilay Vaovao tsara indrindra amin’ny vaovao rehetra. Ndao hizara azy io !”

(araka an’i Brian Peddle)