Zoma 1 Janoary 2021

Mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Jaona 2

Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao. Jeremia 38:20

 

Firariantsoa tsara indrindra

Rehefa volana janoary dia mifanakalo firariantsoa ny mpianakavy, ny mpiara-miasa, ny mpiara-monina… Ny tsirairay dia mirary, ho an’ny hafa, ny soa rehetra mety hisy, „ary indrindra ny fahasalamana”. Satria lazaina matetika fa „rehefa salama, dia mandeha tsara ny zavatra rehetra” !

Amin’ny alalan’ny andinin-tSoratra masina omena antsika androany, ny ekipa mpanatontosa ity alimanaka ity dia manolotra ihany koa ny firariantsoa tsara indrindra ho an’ny mpamaky tsirairay. Toy ny apostoly Jaona, dia te hirary fahasalamana ho anao izahay, ary tahaka azy, dia manantena izahay fa handroso ny fanahinao mandritra ity taona vaovao ity. Ny fanahy moa dia ilay zavatra sarobidy indrindra ananan’ny olombelona, satria mifamatotra amin’ny aina ka tsy mety maty. Ary mampitandrina mafy antsika Andriamanitra, milaza fa mety hahomby ihany isika amin’ny lafiny rehetra, nefa ho very ny zavatra manan-danja indrindra : „Fa inona no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy ?” (Marka 8:36).

Irinay tokoa ny haha tsara ny zavatra rehetra eo aminao, ary ny fanahinao hiaina ilay „fiainana… be dia be” ampanantenain’Andriamanitra ho an’ireo rehetra matoky Azy (Jaona 10:10). Hangataka aminao isanandro izahay, mba hanokananao minitra vitsivitsy handinihana andininy iray ao amin’ny Baiboly, ary manantena izahay fa hiainanao izay niainan’ny kristiana an-tapitrisany afaka manambara hoe : „Ny teninao no mamelona ahy” (Salamo 119:50).

Eto am-piandohan’ity taona vaovao ity, dia mbola miteny amintsika ihany Ilay Andriamanitra tia antsika hoe : „Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ny làlana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa” (Jeremia 7:23).