Asabotsy 25 Janoary 2020
Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8
Rariny sy fitsarana no fanorenan’ny sezafiandriananao. Salamo 89:14
Mpitsara marina Andriamanitra. Salamo 7:11
Mety hahagaga anao angamba ny fisian’izany fanontaniana izany, ato amina alimanaka kristiana ! Saingy ilay hoe “Andriamanitra tsara fanahy” resahin’ny sasany dia noforonin’ny sainy fotsiny ihany. Io Andriamanitra tsara fanahy io, tsara fo loatra ka tsy mahay manafay ny meloka, satria hoe fitiavana Izy, io Andriamanitra io dia tsy misy.
Mifanohitra tanteraka amin’ny lazain’ny Baiboly izany Andriamanitra mamindra fo ka manakimpy maso sy mamela fotsiny ny ratsy ataon’ny olona izany.
Ny Andriamanitra asehon’ny Baiboly antsika mantsy dia faran’izay malemy fanahy tokoa, nefa koa marina sy masina tanteraka. Tsy mba Andriamanitra mandefitra Izy na mamela fotsiny ny olona manao fahotana, izay hàlany indrindra. Raha tsy miresaka afa-tsy ny fahamoram-panahiny, ka manao Azy ho Andriamanitra be indrafo sy tsy mitaky na inona na inona, dia manevateva ny fahamarinany sy maniratsira ny fahamasinany.
Vakio ny Baiboly, dia ho hitanao fa ny fahamarinany dia tsy mandefitra ary tsy manavaka an’iza na iza. Kanefa ho hitanao ao ihany koa fa ny fahamoram-pony dia mihoatra noho izay noheverinao hatrizay.
Tsy ataon’Andriamanitra ho tsy manan-tsiny izay meloka, nefa tena mampihetsi-po antsika ihany koa ny fitiavany : nataony sorona ny Zanany, Izay tiany amin’ny fitiavana mandrakizay, mba haha tontosa ny fepetra takian’ny fahamarinany. Ho amin’izany dia nataony nihatra tamin’io Zanany io ny famaizana sahaza antsika, mba hanafahany antsika amin’ny fanamelohana mandrakizay. Izy ihany no nahita ny fomba hampifanarahana feno ny fahasoavany sy ny fahamasinany.
Ry mpamaky, mila io Andriamanitra io izaho sy ianao. Raha somary nino “Andriamanitra tsara fanahy” ianao hatreto, dia hadinoy izany fihevitra diso izany, nefa manatòna Azy tsy amin-tahotra. Izy mantsy no Ilay Andriamanitra Mpamonjy.