Alarobia 1 Janoary 2020

( Hoy Jesosy :) Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika ; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. Lioka 10:21

 

Iza no namako ?

Ampahany nalaina avy tao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka, toko faha 10, andininy 30-37 :

Hoy Jesosy : “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty. Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany ; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray... Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay ; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson’iny dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe : Tsaboy izy ; ary na ohatrinona na ohatrinona no laninao mihoatra noho ireto, dia honerako, rehefa miverina aho. Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy ? Ary hoy izy : Ilay niantra azy”.

Tantara mora azo izany, ka na ankizy aza dia efa mahatakatra azy. Tantara mampahafantatra ny halalin’ny fandavan-tenan’i Jesosy ho tonga eo amintsika. Toy ny ao amin’io tantara io, dia te hanatona antsika tsirairay Izy : te ho Namantsika. Velona mandrakizay Jesosy, manatona antsika Izy, tsy kisendrasendra tsy akory, fa toy ny olona mitady antsika am-pitiavana mba hanafaka antsika amin’ny lafiny ara-toe-panahy. Manatanteraka izany Izy ankehitriny, amin’ny alalan’ny Filazantsara, ny Tenin’Andriamanitra “izay mahavonjy ny fanahinareo” (Jakoba 1:21).

Ny hafatra atolotra isanandro ato amin’ity alimanaka ity dia mba te ho toy ilay “diloilo”sy ilay “divay”, mitondra fanafahana, fanasitranana, fanampiana… noho ny fiantran’i Jesosy.