MICHÉE Mika
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La parole de l’Éternel qui vint à Michée, le Morashtite, aux jours de Jotham, d’Achaz, d’Ézéchias, rois de Juda, laquelle il vit au sujet de Samarie et de Jérusalem.* 1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
— v. 1 : date : A.C. 750-720, environ.  
2 Écoutez, vous, tous les peuples ; sois attentive, terre, et tout ce qui est en toi ; et que le Seigneur, l’Éternel, soit témoin contre vous, le Seigneur, du palais* de sa sainteté ! 2 [Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
3 Car voici, l’Éternel sort de son lieu, et descendra, et marchera sur les lieux hauts de la terre ; 3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
4 et les montagnes se fondront sous lui, et les vallées s’entr’ouvriront, comme la cire devant le feu, comme des eaux versées sur une pente. 4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.
5 Tout cela, à cause de la transgression de Jacob et à cause des péchés de la maison d’Israël ! [De] qui est la transgression de Jacob ? N’est-ce pas [de] Samarie ? Et [de] qui, les hauts lieux de Juda ? N’est-ce pas [de] Jérusalem ? 5 Noho ny fahadisoan'i Jakoba sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?
6 Et je ferai de Samarie un monceau dans les champs, des plantations de vigne ; et je ferai rouler ses pierres dans la vallée, et je découvrirai ses fondements. 6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
7 Et toutes ses images taillées seront mises en pièces ; et tous ses présents [de prostitution] seront brûlés au feu ; et je mettrai en désolation toutes ses idoles ; car c’est avec un présent de prostituée qu’elle les a rassemblées, et elles redeviendront un présent de prostituée. 7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
— v. 2 : ou : temple, ici et Hab. 2:20.  
8 À cause de cela je me frapperai [la poitrine], et je hurlerai ; j’irai dépouillé* et nu ; je ferai une lamentation comme les chacals, et des cris de deuil comme les autruches. 8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona* toy ny amboadia** aho Ary hikiakiaka*** toy ny ostritsa.[*Heb. hisaona][**Na: jakala][***Heb. hitomany]
9 Car sa plaie est incurable ; car elle est venue jusqu’à Juda, elle atteint jusqu’à la porte de mon peuple, jusqu’à Jérusalem. 9 Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria*; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
10 Ne le racontez pas dans Gath, ne versez point de pleurs. Dans Beth-Leaphra*, roule-toi dans la poussière. 10 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina* vovoka ao Beti-le-afra** aho.[*Na: mihosinkosena... ianao][**Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
11 Passe outre, toi, habitante de Shaphir*, ta nudité découverte ! L’habitante de Tsaanan** n’est pas sortie [pour] la lamentation de Beth-Haëtsel*** ; il vous ôtera son abri****. 11 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira*; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]
12 Car l’habitante de Maroth* s’attendait au bien, mais le mal est descendu de par l’Éternel à la porte de Jérusalem. 12 Fa malahelo* ny soa ny mponina ao Marota*, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.[*Heb. manaintaina][**Marota = fangidiana]
13 Attache le char au coursier, habitante de Lakis : elle a été les prémices du péché pour la fille de Sion ; car en toi ont été trouvées les transgressions d’Israël. 13 Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.
14 C’est pourquoi tu donneras des présents* à Morésheth-Gath**. Les maisons d’Aczib*** seront un mensonge pour les rois d’Israël. 14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba*.[Akziba = ranotrambo]
15 À toi j’amènerai encore l’héritier*, habitante de Marésha** ; la gloire d’Israël viendra jusqu’à Adullam. 15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa*; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]
16 Rends-toi chauve et coupe tes cheveux pour les fils de tes délices ; élargis ta tonsure, comme le vautour ; car ils sont allés en captivité loin de toi. 16 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora*, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
— v. 8 : ou : déchaussé. — v. 10 : maison de poussière. — v. 11* : belle [ville]. — v. 11** : Tsaanan fait peut-être allusion à est sortie. — v. 11*** : maison du voisinage. — v. 11**** : ou : sortie ; la lamentation de Beth-Haëtsel vous ôtera son abri. — v. 12 : amertume. — v. 14* : peut-être : présents de renonciation. — v. 14** : possession de Gath. — v. 14*** : mensonge. — v. 15* : celui qui te possédera. — v. 15** : possession.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Malheur à ceux qui méditent la vanité et qui préparent le mal sur leurs lits ! À la lumière du matin, ils l’exécutent, parce que c’est au pouvoir de leur main*. 1 [Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray] Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
2 Et ils convoitent des champs et les ravissent, et des maisons, et ils s’en emparent ; et ils oppriment l’homme et sa maison, l’homme et son héritage. 2 Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.
3 C’est pourquoi, ainsi dit l’Éternel : Voici, je médite contre cette famille un mal d’où vous ne pourrez pas retirer vos cous ; et vous ne marcherez pas la tête haute, car c’est un temps mauvais. 3 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
4 En ce jour-là, on vous prendra pour proverbe, et on se lamentera dans une douloureuse lamentation ; on dira : Nous sommes entièrement détruits ; il a changé la portion de mon peuple : comme il me l’a ôtée ! À celui qui se détourne [de l’Éternel] il a partagé nos champs. 4 Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!
5 C’est pourquoi tu n’auras personne qui étende le cordeau pour [faire] un lot dans la congrégation de l’Éternel. 5 Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.
— v. 1 : ou : parce que pour eux leur main est *Dieu (El).  
6 Ne prophétisez* point, prophétisent-ils. S’ils ne prophétisent pas à ceux-ci, l’ignominie ne s’éloignera pas. 6 Aza miteniteny* ianareo, hoy ny fiteniteniny*; Aoka tsy hiteniteny* ny amin'ireto izy, Tsy hita lany** ny fanalam-baraka ataony![*Heb. mampitete][**Na: raha tsy miteniteny amin'ireto izy, dia tsy ho afaka]
7 Toi qui es appelée la maison de Jacob : l’Éternel est-il impatient* ? Sont-ce là ses actes ? Mes paroles ne font-elles pas du bien à celui qui marche avec droiture ? 7 He! izany teny izany! Ry taranak*'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? [Na: he!ianao izay atao hoe taranak'i]
8 Naguère encore mon peuple s’est levé comme un ennemi : vous enlevez le manteau avec* la tunique à ceux qui passent en sécurité, qui se détournent de la guerre ; 8 Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
9 vous avez chassé les femmes de mon peuple des maisons de leurs délices ; de dessus leurs enfants, vous avez ôté ma magnificence, pour toujours. 9 Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.
10 Levez-vous et allez-vous-en ! car ce n’est pas ici un lieu de repos, à cause de la souillure qui amène la ruine : la ruine est terrible ! 10 Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
11 S’il y a un homme qui marche selon le vent et le mensonge, qui mente, [disant] : Je te prophétiserai au sujet du vin et de la boisson forte ! il sera le prophète de ce peuple. 11 Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny* aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin**'ity firenena ity.[*Heb. hampitete][**Heb. mpampiteten']
12 Je te rassemblerai certainement, Jacob, toi, tout entier ; je réunirai certainement le résidu d’Israël ; je les mettrai ensemble comme le menu bétail de Botsra*, comme un troupeau au milieu de son pâturage. Ils bruiront à cause [de la multitude] des hommes. 12 Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala* izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.[Na: any Bozra]
13 Celui qui fait la brèche est monté devant eux ; ils ont fait la brèche et ont passé par la porte, et sont sortis par elle, et leur roi est passé devant eux, et l’Éternel est à leur tête. 13 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
— v. 6 : prophétiser, litt.: distiller [des paroles] ; de même verset 11. — v. 7 : ou : l’Esprit de l’Éternel est-il affaibli (litt.: raccourci) ? — v. 8 : quelques-uns : de dessus. — v. 12 : ou : d’une bergerie.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et je dis : Écoutez, je vous prie, chefs de Jacob, et vous, princes de la maison d’Israël : N’est-ce pas à vous de connaître ce qui est juste* ? 1 [Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an'i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
2 Vous qui haïssez le bien et qui aimez le mal, qui arrachez leur peau de dessus eux, 2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,
3 et leur chair de dessus leurs os, qui mangez la chair de mon peuple et ôtez leur peau de dessus eux, et qui brisez leurs os, et les mettez en morceaux comme dans une chaudière, et comme de la chair au milieu d’une marmite. 3 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.
4 Alors ils crieront à l’Éternel, et il ne leur répondra pas, et il leur cachera sa face en ce temps-là, selon qu’ils ont agi méchamment. 4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.
— v. 1 : litt.: connaître le jugement.  
5 Ainsi dit l’Éternel touchant les prophètes qui font errer mon peuple ; qui mordent avec leurs dents, et crient : Paix ! et si quelqu’un ne met rien dans leur bouche, ils préparent* la guerre contre lui. 5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
6 C’est pourquoi vous aurez la nuit, sans vision, et vous aurez les ténèbres, sans divination ; et le soleil se couchera sur les prophètes, et le jour s’obscurcira sur eux. 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
7 Et les voyants seront honteux, et les devins seront confondus, et ils se couvriront tous la barbe, parce qu’il n’y a pas de réponse de Dieu. 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra.
8 Mais moi, je suis plein de puissance par l’esprit de l’Éternel, et de jugement et de force pour déclarer à Jacob sa transgression et à Israël son péché. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']
9 Écoutez ceci, je vous prie, chefs de la maison de Jacob, et vous, princes de la maison d’Israël, qui abhorrez le jugement et pervertissez toute droiture, 9 Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
10 bâtissant Sion avec du sang, et Jérusalem avec l’iniquité. 10 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana.
11 Ses chefs jugent pour des présents, et ses sacrificateurs enseignent pour un salaire, et ses prophètes devinent pour de l’argent et s’appuient sur l’Éternel, disant : L’Éternel n’est-il pas au milieu de nous ? Il ne viendra point de mal sur nous ! 11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
12 C’est pourquoi, à cause de vous, Sion sera labourée comme un champ, et Jérusalem sera des monceaux de pierres, et la montagne de la maison, les lieux hauts d’une forêt. 12 Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
— v. 5 : comme Joël 3:9.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et il arrivera, à la fin des jours, que la montagne de la maison de l’Éternel sera établie sur le sommet des montagnes, et sera élevée au-dessus des collines ; et les peuples y afflueront ; 1 [Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
2 et beaucoup de nations iront, et diront : Venez, et montons à la montagne de l’Éternel, et à la maison du Dieu de Jacob, et il nous instruira de ses voies, et nous marcherons dans ses sentiers. Car de Sion sortira la loi, et de Jérusalem, la parole de l’Éternel. 2 Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
3 Et il jugera au milieu de beaucoup de peuples, et prononcera le droit à de fortes nations jusqu’au loin ; et de leurs épées ils forgeront des socs, et de leurs lances, des serpes : une nation ne lèvera pas l’épée contre une [autre] nation, et on n’apprendra plus la guerre. 3 Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
4 Et ils s’assiéront chacun sous sa vigne et sous son figuier, et il n’y aura personne qui les effraye : car la bouche de l’Éternel des armées a parlé. 4 Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny.
5 Car tous les peuples marcheront, chacun au nom de son dieu ; et nous, nous marcherons au nom de l’Éternel, notre Dieu, à toujours et à perpétuité. 5 Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
6 En ce jour-là, dit l’Éternel, je rassemblerai celle* qui boitait, et je recueillerai celle qui était chassée et celle sur laquelle j’avais fait venir du mal. 6 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin'izay nampahoriko;
7 Et je ferai de celle qui boitait, un reste, et de celle qui avait été repoussée au loin, une nation forte ; et l’Éternel régnera sur eux, en la montagne de Sion, dès lors et à toujours. 7 Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin'izany ka ho mandrakizay.
8 Et toi, tour du troupeau*, colline élevée de la fille de Sion, à toi arrivera et viendra la domination première, — le royaume, à la fille de Jérusalem. 8 Ary ianao, ry tilikambon'ny andiany*. Tendrombohitr'i Ziona** zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan***' i Jerosalema zanakavavy.[*Na: tilikambon'i Edera][**Na: Ofelan'i Ziona][***Na: hanjakana aminy]
— v. 6 : c. à d. : la brebis. — v. 8 : ou : tour d’Éder ; hébreu : Migdal-Éder  
9 Maintenant, pourquoi pousses-tu des cris ? N’y a-t-il point de roi au milieu de toi ? Ton conseiller a-t-il péri ? car l’angoisse t’a saisie, comme une femme qui enfante. 9 Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon'ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
10 Sois dans l’angoisse et gémis, fille de Sion, comme une femme qui enfante ; car maintenant tu sortiras de la ville, et tu habiteras aux champs, et tu viendras jusqu’à Babylone ; là, tu seras délivrée ; là, l’Éternel te rachètera de la main de tes ennemis. 10 Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan'i Jehovah anao ho afaka amin'ny tanan'ny fahavalonao.
11 Et maintenant sont rassemblées contre toi beaucoup de nations qui disent : Qu’elle soit profanée, que notre œil voie Sion ! 11 Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
12 Mais elles ne connaissent pas les pensées de l’Éternel et ne comprennent pas son conseil ; car il les a amassées comme la gerbe sur l’aire. 12 Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
13 Lève-toi et foule, fille de Sion, car je ferai ta corne de fer, et je ferai tes sabots d’airain, et tu broieras beaucoup de peuples ; et je consacrerai leur butin à l’Éternel, et leurs biens au Seigneur de toute la terre. 13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao* ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]
Chapitre 5 14 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.
1 Maintenant, attroupe-toi, fille de troupes ; il a mis le siège contre nous ; ils frappent le juge d’Israël avec une verge sur la joue. Chapitre 5
2 (Et toi, Bethléhem Éphrata, bien que tu sois petite entre les milliers de Juda, de toi sortira pour moi celui qui doit dominer en Israël, et duquel les origines ont été d’ancienneté, dès les jours d’éternité). 1 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
3 C’est pourquoi il les livrera jusqu’au temps où celle qui enfante aura enfanté ; et le reste de ses frères retournera vers les fils d’Israël. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any]
4 Et il se tiendra et paîtra [son troupeau] avec la force de l’Éternel, dans la majesté du nom de l’Éternel, son Dieu. Et ils habiteront [en sûreté], car maintenant il sera grand jusqu’aux bouts de la terre*. Et lui sera la paix. 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy.
5 Quand l’Assyrien entrera dans notre pays, et quand il mettra le pied dans nos palais, nous établirons contre lui sept pasteurs et huit princes des hommes. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
6 Et ils ravageront* le pays d’Assyrie avec l’épée, et le pays de Nimrod dans ses portes. Et il [nous] délivrera de l’Assyrien, quand il entrera dans notre pays, et qu’il mettra le pied dans nos confins. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]
7 Et le résidu de Jacob sera, au milieu de beaucoup de peuples, comme une rosée de par l’Éternel, comme des ondées sur l’herbe, — qui n’attend pas l’homme, et ne dépend pas des fils des hommes. 6 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.
8 Et le résidu de Jacob sera, parmi les nations, au milieu de beaucoup de peuples, comme un lion parmi les bêtes de la forêt, comme un jeune lion parmi les troupeaux de menu bétail, qui, s’il passe, foule et déchire, et il n’y a personne qui délivre. 7 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
9 Ta main se lèvera sur tes adversaires*, et tous tes ennemis seront retranchés. 8 Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
— v. 4 : ou : du pays. — v. 6 : ou : paîtront. — v. 9 : ou : oppresseurs.  
10 Et il arrivera, en ce jour-là, dit l’Éternel, que je retrancherai tes chevaux du milieu de toi, et je détruirai tes chars ; 9 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
11 et je retrancherai les villes de ton pays, et je renverserai toutes tes forteresses ; 10 Hofoanako ny tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
12 et je retrancherai de ta main les enchantements, et tu n’auras pas de pronostiqueurs ; 11 Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
13 et je retrancherai du milieu de toi tes images taillées et tes statues, et tu ne te prosterneras plus devant l’ouvrage de tes mains. 12 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao.
14 Et j’arracherai tes ashères du milieu de toi, et je détruirai tes villes. 13 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao*; Ary horavako koa ny tanànanao*. [Anaran'andriamani-tsy-izy, na ny sariny][Na: haringako koa ny fahavalonao]
15 Et j’exécuterai sur les nations, avec colère et avec fureur, une vengeance dont elles n’ont pas entendu parler*. 14 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
— v. 15 : ou : [sur les nations] qui n’ont pas écouté.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Écoutez, je vous prie, ce que dit l’Éternel : Lève-toi, plaide devant les montagnes, et que les collines entendent ta voix ! 1 [Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
2 Écoutez, montagnes, le plaidoyer de l’Éternel, et vous, fondements immuables de la terre ; car l’Éternel a un débat avec son peuple, et il conteste avec Israël. 2 Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
3 Mon peuple, que t’ai-je fait, et en quoi t’ai-je lassé ? Réponds-moi ! 3 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
4 Car je t’ai fait monter du pays d’Égypte, et je t’ai racheté de la maison de servitude* ; et j’ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Marie**. 4 Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
5 Mon peuple, souviens-toi, je te prie, du dessein que forma Balak, roi de Moab, et de ce que Balaam, fils de Béor, lui répondit, de Sittim jusqu’à Guilgal, afin que vous connaissiez la justice* de l’Éternel. 5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
— v. 4* : litt.: de serviteurs. — v. 4** : hébreu : Miriam. — v. 5 : litt.: les justices, ou les voies justes.  
6 Avec quoi m’approcherai-je de l’Éternel, m’inclinerai-je devant le Dieu d’en haut ? M’approcherai-je de lui avec des holocaustes, avec des veaux âgés d’un an ? 6 Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
7 L’Éternel prendra-t-il plaisir à des milliers de béliers, à des myriades de torrents d’huile ? Donnerai-je mon premier-né pour ma transgression, le fruit de mon ventre pour le péché de mon âme ? 7 Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
8 Il t’a déclaré, ô homme, ce qui est bon. Et qu’est-ce que l’Éternel recherche de ta part, sinon que tu fasses ce qui est droit, que tu aimes la bonté, et que tu marches humblement avec ton Dieu ? 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena
   
9 La voix de l’Éternel crie à la ville, et la sagesse a l’œil sur ton nom. Écoutez la verge et celui qui l’a décrétée ! 9 Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry*; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny anaranao]
10 Y a-t-il encore des trésors de méchanceté dans la maison du méchant, et un épha petit, chose maudite ? 10 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana* tsy ampy izay voaozona? [Heb. efaha]
11 Serai-je pur avec une balance inique et avec un sac de faux poids ? 11 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
12 Parce que ses riches sont pleins de violence, et que ses habitants disent des mensonges, et que leur langue est fausse dans leur bouche : 12 Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
13 moi aussi, je te rendrai malade en te frappant, je te rendrai désolée à cause de tes péchés. 13 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
14 Tu mangeras, et tu ne seras pas rassasiée, et ton ventre sera vide* ; et tu emporteras, mais tu ne sauveras pas ; et ce que tu sauveras, je le livrerai à l’épée. 14 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
15 Tu sèmeras, et tu ne moissonneras pas ; tu fouleras les olives, mais tu ne t’oindras pas d’huile, et le moût, mais tu ne boiras pas de vin. 15 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
16 Car on observe les statuts d’Omri et toutes les œuvres de la maison d’Achab ; et vous marchez selon* leurs conseils, afin que je fasse de toi une désolation**, et de ses*** habitants un objet de sifflement ; et vous porterez l’opprobre de mon peuple. 16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
— v. 14 : ou : tu seras tout abattu. — v. 16* : litt.: dans. — v. 16** : ou : un sujet d’étonnement. — v. 16*** : les habitants de la capitale (Samarie) ; comparer 1:5.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Malheur à moi ! car je suis comme quand on a fait la cueillette des fruits d’été, comme les grappillages lors de la vendange : pas une grappe de raisin à manger ! aucun fruit précoce que mon âme désirait* ! 1 [Ny faharatsian'ny Isiraely, sy ny hanjo azy, ary ny hibebahany, sy ny hamindran'Andriamanitra fo aminy] Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,
2 L’homme pieux a disparu* du pays, et il n’y a pas de gens droits parmi les hommes ; tous ils se placent aux embûches pour [verser] le sang ; ils font la chasse chacun à son frère avec un filet ; 2 Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
3 les deux mains sont prêtes au mal, afin de le bien faire ; le prince exige, et le juge [est là] pour une récompense, et le grand exprime l’avidité de son âme ; et [ensemble] ils trament la chose. 3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
4 Le meilleur d’entre eux est comme une ronce, le plus droit, pire qu’une haie d’épines. Le jour de tes sentinelles [et] de ta visitation est arrivé ; maintenant sera leur confusion. 4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron'ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra ianao*.[Heb. izy]
5 N’ayez pas de confiance en un compagnon ; ne vous fiez pas à un ami ; garde les portes de ta bouche devant celle qui couche dans ton sein. 5 Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
6 Car le fils flétrit le père, la fille s’élève contre sa mère, la belle-fille contre sa belle-mère ; les ennemis d’un homme sont les gens de sa maison. 6 Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
7 Mais moi, je regarderai vers l’Éternel, je m’attendrai au Dieu de mon salut ; mon Dieu m’écoutera. 7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
— v. 1 : ou : mon âme désirait le fruit précoce. — v. 2 : litt.: péri.  
8 Ne te réjouis pas sur moi, mon ennemie : si je tombe, je me relèverai ; si je suis assise dans les ténèbres, l’Éternel sera ma lumière. 8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9 Je supporterai l’indignation de l’Éternel, car j’ai péché contre lui, — jusqu’à ce qu’il prenne en main ma cause et me fasse droit*: il me fera sortir à la lumière ; je verrai sa justice. 9 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10 Et mon ennemie [le] verra et la honte la couvrira, elle qui me disait : Où est l’Éternel, ton Dieu ? Mes yeux la verront ; maintenant elle sera foulée comme la boue des rues. 10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
— v. 9 : litt.: et fasse mon jugement.  
11 Au jour où tes murs doivent se bâtir, ce jour-là, la limite établie sera reculée. 11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.32[Na: ho lavitra ny didy]
12 Ce jour-là, on viendra jusqu’à toi, depuis l’Assyrie et les villes de l’Égypte*, et depuis l’Égypte* jusqu’au fleuve**, et de mer à mer, et de montagne en montagne. 12 Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin'ny tanànan'i Egypta*, Eny, hatrany Egypta* ka hatramin'ny Ony**, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.[Heb. Mazora][Eofrata]
13 Mais le pays* sera une désolation, à cause de ses habitants, pour le fruit de leurs actions. 13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14 Pais ton peuple avec ton bâton, le troupeau de ton héritage qui demeure seul dans la forêt, au milieu du Carmel ; qu’ils paissent en Basan et en Galaad comme aux jours d’autrefois. 14 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an'ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
15 Comme aux jours où tu sortis du pays d’Égypte, je lui ferai voir des choses merveilleuses. 15 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16 Les nations verront et seront confondues à cause de toute leur puissance ; elles mettront la main sur la bouche, leurs oreilles seront sourdes. 16 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17 Elles lécheront la poussière comme le serpent ; comme les bêtes rampantes de la terre, elles sortiront en tremblant de leurs lieux cachés* ; elles viendront avec frayeur vers l’Éternel, notre Dieu, et elles te craindront. 17 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
— v. 12* : hébreu : Matsor ; voir Ésaïe 19:6. — v. 12** : c. à d. l’Euphrate. — v. 13 : ou : la terre. — v. 17 : ou : châteaux forts.  
18 Qui est un *Dieu comme toi, pardonnant l’iniquité et passant par-dessus la transgression du reste de son héritage ? Il ne gardera pas à perpétuité sa colère, parce qu’il prend son plaisir en la bonté. 18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
19 Il aura encore une fois compassion de nous, il mettra sous ses pieds nos iniquités ; et tu jetteras tous leurs péchés dans les profondeurs de la mer. 19 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
20 Tu accompliras* envers Jacob [ta] vérité, envers Abraham [ta] bonté, que tu as jurées à nos pères dès les jours d’autrefois. 20 Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
— v. 20 : litt.: donneras.