Teny fampaherezana


 

 

 

 

 

Andininy sasantsasany, notsongaina avy ao amin’ny Baiboly,

izay Tenin’Andriamanitra


 

Hoy i Jesoa:

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.

Jaona 14 and 6

 

 

 

Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

Asan’ny apostoly 4 and 12


 

Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.

Jaona 20 and 31

 

 

 

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra.

Jaona 1 and 12


 

 

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Jaona 3 and 16

 

Tompo ô! hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Jaona 6 and 68


 

 

Hoy i Jesoa:

Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.

Jaona 11 and 25

 

 

Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.

Isaia 43 and 1


 

 

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.

Isaia 41 and 10

 

Fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.

Deoteronomia 31 and 6


 

Fa Jehovah Tompo no hamonjy ahy, ka dia tsy resin-kenatra aho.

Isaia 50 and 7

 

Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy. Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô!

Salamo 9 and 9-10

 

Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra: fa Izy no miahy anareo.

1 Petera 5 and 7

Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.

Hebreo 4 and 16

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesoa.

Filipiana 4 and 6-7

Fa izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko ho aroko.

Salamo 73 and 28

 

Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, fa Ianao no itokiako; ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako.

Salamo 143 and 8

 

Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho.

Salamo 119 and 116

 

Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

Salamo 94 and 19

 

Ary Jesoa Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo.

2 Tesaloniana 2 and 16-17


 

 

Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany.

Efesiana 6 and 10

 

Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Hebreo 13 and 8

 

Mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo.

Jakoba 5 and 8


 

Ho avy indray (Aho), ka handray anareo ho any amiko, ka izay hitoerako no hitoeranareo koa.

Jaona 14 and 3

 

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arkanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.

1 Tesaloniana 4 and 16-17

 

Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

Apokalypsy 3 and 11

 

 

Ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Matio 28 and 20