NY LALÀNA SY NY FAHASOAVANA

TOPIMASO

 

1.      Ny fanavahana ireo foto-pahalalana roa ireo sy ny fizaram-potoana mifandraika aminy

2.      Ireo fahasamihafana eo amin’ny lalàna sy ny fahasoavana

3.      Inona no atao hoe “Lalàna” ?

4.      Ireo fampiasana tsy mety “ny Lalàna”

4.1 Ny baranahiny

4.2 Ny fifikirana amin’ireo fombafomba fanao
4.3 Ny fahadisoan’ny Galatiana, na ny fampifangaroana ny Lalàna sy ny fahasoavana

5.      Ireo toetoetran’ny “Lalàna”

6.      Ireo vokatry ny “Lalàna” sy ny antony mampisy azy

6.1 Inona àry ny Lalàna ?

6.2 Ny Lalàna dia tsy manana afa-tsy fomba fiteny iray : “Izay rehetra lazain’ny Lalàna”. Tsy miteny izy raha tsy hanameloka

7.      Ireo fetran’ny “Lalàna”

8.      Nafahana tamin’ny ziogan’ny “Lalàna” ny mpino

8.1 Romana toko faha 6

8.2 Romana toko faha 7

9.      Ny fitsipi-piainan’ny kristiana

10.  Ny fahasoavana

10.1 Inona no atao hoe “fahasoavana” ?

10.2 Inona ny drafitr’Andriamanitra mifototra amin’ny fahasoavana ?

10.3 Ny lalàna sy ny fahasoavana dia tsy azo afangaro


 

1.      Ny fanavahana ireo foto-pahalalana roa ireo sy ny fizaram-potoana mifandraika aminy

Fanavahana lehibe iray ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny momba ny lalàna sy ny fahasoavana. Ireo fotokevitra roa ireo, izay tena mifanohitra tokoa, dia mampiavaka ireo fizaram-potoana roa lehibe indrindra  —ny vanimpotoana jiosy sy ny vanimpotoana kristiana : “Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (Jaona 1. 17). Mazava ho azy fa tsy midika izany tsy akory hoe tsy nisy lalàna talohan’i Mosesy, na hoe tsy nisy fahasoavana sy fahamarinana talohan’i Jesosy Kristy. Lalàna iray ny fandrarana natao an’i Adama mba tsy hihinana voankazo eo amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Genesisy 2. 17). Ny fahasoavana dia naseho tam-pitiavana be, rehefa nitady ireo voariny meloka Jehovah Andriamanitra ary nampiakanjo azy akanjo hoditra (Genesisy 3. 21)  —soritr’endrika tsaran’i Kristy, “Izay nataon’Andriamanitra ... fahamarinana ... ho antsika” (1 Korintiana 1. 30), Izay nanafy fahamarinana antsika.

 

Nisy hatrany ny Lalàna, amin’ny heviny hoe fomba fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny fahasoavana, amin’ny heviny hoe fomba fanehoana ny hatsaram-pon’Andriamanitra ; porofo marobe no omen’ny Soratra Masina momba izany. Fa “ny Lalàna” dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, ary nanjaka sy nanamarika ny vanimpotoana nanomboka tao Sinay ka hatrany Kalvary. Toy izany koa, ny fahasoavana dia mampiavaka manokana ny vanimpotoana nanomboka tao Kalvary, ary manjaka mandritra io fotoana io. Hifarana ny fahasoavana, amin’ny maha toetra mampiavaka vanimpotoana azy, rehefa hampiakarina ny Eglizy.

 

2.      Ireo fahasamihafana eo amin’ny lalàna sy ny fahasoavana

Zava-dehibe ny manamarika fa ny Soratra Masina dia tsy mampifangaro na oviana na oviana ireo fotokevitra roa ireo, na inona na inona fizaram-potoana. Ny Lalàna dia nanana hatrany toerana sy asa tena niavaka tamin’ny an’ny fahasoavana.

  •          Ny Lalàna dia Andriamanitra no mandrara sy mitaky ; ny fahasoavana kosa dia Andriamanitra no mitady ary manome.

  •          Ny Lalàna dia fanompoana manameloka ; ny fahasoavana, fanompoana mamela heloka.

  •          Ny Lalàna dia manozona ; ny fahasoavana dia manavotra amin’izany ozona izany.

  •          Ny Lalàna dia mamono ; ny fahasoavana dia manome aina.

  •          Ny Lalàna dia manakombona ny vava rehetra eo anatrehan’Andriamanitra ; ny fahasoavana dia manokatra ny vava rehetra mba hidera Azy.

  •          Ny Lalàna dia mametraka elanelana lehibe eo amin’ny olona meloka sy Andriamanitra ; ny fahasoavana dia mampanakaiky ny olona meloka amin’Andriamanitra.

  •          Ny Lalàna milaza hoe : “Maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify” (Eksodosy 21. 24) ; ny fahasoavana manao hoe : “Aza manohitra izay manisy ratsy anao ; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray” (Matio 5. 39).

  •          Ny Lalàna milaza hoe : “Ataovy izany, dia ho velona ianao” ; ny fahasoavana manao hoe : “Minoa, dia ho velona ianao”.

  •          Ny Lalàna dia manameloka tanteraka ny olona, na dia izay tsara indrindra aza ; ny fahasoavana dia manamarina maimaimpoana ny olona faran’izay ratsy. Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana : “Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23. 43).

  •          Ny Lalàna dia fitaovana fizahan-toetra ; ny fahasoavana, loharanom-panambinana.

  •          Ny Lalàna dia mitora-bato ny vehivavy mpijangajanga ; ny fahasoavana milaza hoe : “Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8. 11).

  •          Teo ambany lalàna, nanameloka ny ondry nania ireo mpiandry ondry ; eo ambany fahasoavana, manolotra ny ainy hamonjy ny ondry ny mpiandry ondry.

 

Hatraiza hatraiza dia asehon’ny Soratra Masina antsika fa mifanohitra tanteraka ny Lalàna sy ny fahasoavana.

Ny fampifangaroana azy roa ireo, izay tena hita matetika amin’ny fampianarana ankehitriny, dia manimba ny maha izy azy avy ; very ny toetra mampitahotra ananan’ny lalàna, very koa ny maha tombontsoa tsy mendrika ho azo ny fahasoavana.

 

 

3.    Inona no atao hoe “Lalàna” ?

Ny fanekena nomena ny Israely tao Sinay dia nisy :

  •          Ny didy, fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra marina (Eksodosy 20. 1-26) ;

  •          Ny fitsipika mandamina ny fiarahamonina teo amin’ny vahoaka Israely (Eksodosy 21. 1 hatramin’ny 24. 11) ;

  •          Ny didy momba ny fombafomba fivavahana (Eksodosy 24. 12 hatramin’ny 31. 18).

 

Ny teny hoe “Lalàna”, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia saika midika hatrany ho ny lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy (ny Romana 7. 23 no anisan’ireo vitsy maningana). Indraindray dia ny Lalàna manontolo no resahina (ny lalàna ara-pitondrantena, na ny Didy Folo, sy ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana). Indraindray dia ireo didy fotsiny ihany no resahina, ary mbola indraindray ihany koa, dia ny lalàna momba ny fombafomba fivavahana fotsiny, toy “ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata” (Kolosiana 2. 16).

 

Ireo soritr’endrika na sariohatra mifandray amin’ny Lalàna

Ao amin’ny lalàna ara-pombafomba fivavahana dia ahitana soritr’endrika mahagaga, ireo sariohatra mahafinaritra momba ny tenan’ny Tompo Jesosy Kristy sy ny asany, amin’ny maha mpisorona sy sorona Azy, indrindra ao amin’ny tabernakely (Eksodosy 25 hatramin’ny 30), ary ireo sorona ao amin’ny Levitikosy (Levitikosy 1 hatramin’ny 7), izay fahagagana lalandava sy fahafinaretan’ny olona ara-panahy.

Toy izany koa momba ny fiteny sasantsasany ao amin’ireo salamo miresaka lalàna, salamo tsy hay hazavaina raha tsy takatra fa avy amin’ny “fanompoana nitondra fahafatesana ..., dia ilay voasoratra teo amin’ny vato” (2 Korintiana 3. 7) izy ireo, kanefa dia manjary mazava tsara rehefa ampifandraisina amin’i Kristy na amin’ireo olom-boavonjy :

— “Fa ny lalànan’i Jehovah no sitrany ; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina” (Salamo 1. 2).

— “Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho ; fa ny lalànanao no firavoravoako” (Salamo 119. 77).

— “Endrey ny fitiavako ny lalànanao ! Fisaintsainako mandrakariva izany” (Salamo 119. 97).

 

4.      Ireo fampiasana ratsy “ny Lalàna”

Fahadisoana telo no nampikorontana ny Eglizy, momba ny fifandraisana marina eo amin’ny lalàna sy ny fahasoavana.

 

4.1 Ny baranahiny, na fandavana izay mety ho fitsipi-piainana eo amin’ny mpino (= fampianarana mandrisika ny tsy firaharahana ny lalàna).

Izany dia filazana fa, satria voavonjy maimaimpoana noho ny fahasoavana ny mpino, nefa tsy misy zavatra mendrika nataony, dia tsy takiana aminy ny hiaina fiainana masina. “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona” (Titosy 1. 16). “Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika”(Joda 4).

 

4.2 Ny fifikirana amin’ireo fombafomba fanao

Tamin’ny endriny voalohany, ny Lalàna dia fandidiana ireo mpino mba hitandrina ny didy napetraky ny bokin’ny Levitikosy. “Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia, nampianatra ny rahalahy hoe : Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena” (Asan’ny Apostoly 15. 1).

 

Ny endrika manaraka ny toetrandro isehoan’io fahadisoana io ankehitriny dia ny fampianarana fa tena ilaina ny fanatontosana ireo sakramenta, mba ho voavonjy.

 

4.3 Ny fahadisoan’ny Galatiana, na ny fampifangaroana ny Lalàna sy ny fahasoavana

Izany dia ny fampianarana fa ny fanamarinana dia azo amin’ny ampahany amin’ny alalan’ny fahasoavana, ary amin’ny ampahany amin’ny alalan’ny lalàna ; na, raha lazaina amin’ny fomba hafa, ny fahasoavana dia ilaina mba hahatonga ny mpanota ho afaka mihazona ny lalàna.

Mba hanoherana izany fahadisoana izany, izay fatra-piely indrindra amin’ny fahadisoana rehetra, Andriamanitra dia namaly tamin’ireo fampitandremana miezinezina, ny lôjika tsy hay tohaina ary ny fanambarana hentitra ao amin’ny epistily ho an’ny Galatiana. “Izao ihany no tiako holazainareo amiko : Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana ? Adala toy izany va ianareo ? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny ?” (Galatiana 3. 2-3).

Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo, hiala amin’Izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa, izay tsy filazantsara akory ; fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo, ka ta hamadika ny filazantsaran’i Kristy.

Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy”(Galatiana 1. 6-8).

 

Ny ho hita manaraka eto dia hanome antsika topimaso amin’izay ampianarin’ny Soratra Masina momba izao lohahevitra lehibe izao.

Ao amin’ireo ampahany voatanisa, dia ny lalàna ara-pitondrantena no tena resahina.

 

5.      Ireo toetoetran’ny “Lalàna”

Ka dia masina tokoa ny Lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara” (Romana 7. 12).

Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny Lalàna ; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota” (Romana 7. 14).

Fa mankasitraka ny Lalànan’Andriamanitra (ny fisainan’Andriamanitra amin’ny ankapobeny) aho, araka ny toetra anaty” (Romana 7. 22).

Ary ny Lalàna tsy araka (na tsy fotokevitry) ny finoana” (Galatiana 3. 12).

 

6.      Ireo vokatry ny “Lalàna” sy ny antony mampisy azy

 

6.1 Inona àry ny Lalàna ?

Inona ary no holazaintsika ? Ota va ny lalàna ? Sanatria izany ! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe : “Aza mitsiriritra” (Romana 7. 7).

Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony”(1 Timoty 1. 8) ; “Koa ny tsara va no nahafaty ahy ? Sanatria izany ! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota ; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota, noho ny nataon’ny lalàna”(Romana 7. 13).

Satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).

 

Inona ary ny Lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy” (Galatiana 3. 19).

Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny Lalàna dia lazainy amin’izay manana ny Lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao” (Romana 3. 19).

 

6.2 Ny Lalàna dia tsy manana afa-tsy fomba fiteny iray : “Izay rehetra lazain’ny Lalàna”. Tsy miteny izy raha tsy hanameloka

Fa izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana ; fa voasoratra hoe : ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’ ”(Galatiana 3. 10).

Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra” (Jakoba 2. 10).

Ny fanompoana nitondra fahafatesana ..., dia ilay voasoratra teo amin’ny vato”(2 Korintiana 3. 7).

Ny fanompoana nitondra ny fanamelohana...” (2 Korintiana 3. 9).

Ary izaho dia velona tsy manan-dalàna fahiny ; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho”(Romana 7. 9).

Ny lalàna no herin’ny ota”(1 Korintiana 15. 56).

 

Ny tanjon’Andriamanitra, raha nanome ny Lalàna ho an’ny vahoaka Israely, izay niaina ela tsy nisy azy  —“ny lalàna, izay vao natao telopolo amby efajato taona tato aoriana” (Galatiana 3. 17)—, dia voalohany indrindra, mba hampahafantatra ny olona meloka ny fahotany, ary avy eo, mba hampiseho aminy fa tsy afaka manao na inona na inona izy, manoloana ireo fitakiana marin’Andriamanitra. Araka izany, ny lalàna dia tsy inona fa fanompoana mitondra fanamelohana sy fahafatesana tsotra fotsiny izao.

 

7.      Ny fetran’ny “Lalàna”

Fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy” (Galatiana 2. 21).

Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna, eo anatrehany ; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota” (Romana 3. 20).

Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna” (Galatiana 2. 16).

Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra ; fa ‘ny marina amin’ny finoana no ho velona’ ” (Galatiana 3. 11).

 

Fa izay tsy hain’ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo” (Romana 8. 3).

Fa misy fahafoanana ny didy nialoha, noho ny halemeny sy ny tsy fanasoavany (fa ny lalàna dia tsy nitondra na inona na inona ho amin’ny fahalavorariana), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’Andriamanitra” (Hebreo 7. 18, 19).

Ao aminy no anamarinana izay rehetra mino, ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy” (Asan’ny Apostoly 13. 39).

 

8.      Nafahana tamin’ny ziogan’ny “Lalàna” ny mpino

 

8. 1 Romana toko faha 6

Io toko io dia manomboka amin’ny fametrahana ny foto-pampianarana momba ny fampitoviana ny mpino amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesany, ary kisarisarin’izany ny batisa (6. 1-10). Avy eo ny Romana toko faha 6, manomboka eo amin’ny andininy faha 11, dia mamaritra ireo fitsipika fototra tokony hitantana ny fandehan’ny mpino, ny fitsipi-piainany. Izany no votoatin’ny andininy roambinifolo farany amin’io toko io ; ny andininy faha 14 dia manome antsika ny foto-kevitra lehibe momba ny fanafahana ny mpino  —fanafahana, tsy amin’ny fahamelohana noho ny ota tsy akory, izay azo avy amin’ny ran’i Kristy, fa fanafahana amin’ny herin’ny ota, amin’ny fanandevozan’ny ota : “Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana” (Romana 6. 14). Nefa mba tsy hanomezan’io foto-kevitra io vahana ny baranahiny (na fandavana izay mety ho fitsipi-piainana eo amin’ny mpino, fandavana ny fitsipika rehetra), baranahiny manisi-kevitra hoe tsy zava-dehibe izany ny hananana fiainana masina, dia manampy avy hatrany ny Fanahy Masina hoe : “Ahoana ary ? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana ? Sanatria izany !” (Romana 6. 15). Tsy isalasalana fa hamaly hoe « Amena » ny olona rehetra efa nandray fo vaovao.

 

8. 2 Romana toko faha 7

Io toko io, avy eo, dia mampiditra foto-kevitra hafa momba ny fanafahana amin’ny lalàna :

Ary amin’izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ny lalàna noho ny tenan’i Kristy, mba hovadìn’ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ny maty, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra. Fa fony tao amin’ny nofo isika, dia ny filan’ny ota, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ny momba ny tenantsika, hahavokatra ho amin’ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra”(Romana 7. 4-6) (araka ny andininy faha 7, dia hitantsika fa izany dia tsy mifandraika amin’ny lalàna ara-pombafombam-pivavahana).

Fa raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho”(Galatiana 2. 19).

Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika, ka voahidy ho amin’ny finoana, izay efa haseho ato aoriana. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika”(Galatiana 3. 23-25).

Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony, ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna”(1 Timoty 1. 8, 9).

 

9.      Ny fitsipi-piainan’ny kristiana

Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa” (1 Jaona 2. 6).

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy”(1 Jaona 3. 16).

Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny ; ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana, noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy... Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany ; ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’ ; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”(1 Petera 2. 11-12, 21-23).

 

Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana”(Efesiana 4. 1-2).

Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika”(Efesiana 5. 1-2).

Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny ; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava” (Efesiana 5. 8).

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao” (Efesiana 5. 15-16).

 

Fa hoy izaho : Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo” (Galatiana 5. 16).

Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo”(Jaona 13. 15).

Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15. 10).

Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15. 12).

Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy” (Jaona 14. 21).

Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika”(1 Jaona 3. 22-23).

Izao no fanekena hataoko aminy (Israely), rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah : Hataoko ao am-pony ny lalànako, sady hosoratako ao an-tsainy”(Hebreo 10. 16).

 

Ny fitiavan’ny reny dia ohatra tsara, anazavana io fitsipika io. Ny lalàna velona amin’ny tany rehetra dia mitaky ny hiahian’ny ray aman-dreny ny zanany, ary manasazy izay minia manao tsirambina izany. Kanefa ny tany dia feno reny sambatra, izay mikarakara ny zanany am-pitiavana, na dia tsy mahafantatra ny fisian’io lalàna io akory aza. Ao am-pony ny lalàna.

 

Momba izany, tsara ny mahatsiaro fa ny toerana nomen’Andriamanitra ireo vato fisaky ny Lalàna dia tao anaty fiaran’ny fanekena. Niaraka taminy tao “ny vilany volamena, izay nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka” (iry voalohany, tandindon’i Kristy, toy ny mofo sakafontsika etỳ an-taniefitra, ary ny faharoa kosa, tandindon’ny fitsanganan-ko velona ; ireo roa ireo dia samy miresaka ny fahasoavana). Ireo rehetra ireo dia nafenin’ny rakotra fanaovam-panavotana, vita amin’ny volamena, izay namafazana ny ra ho fanonerana ny ota (Hebreo 9. 4-5). Andriamanitra dia tsy afaka handefitra amin’ny fanitsakitsahana ny lalànany. Ny hatsaran’i Kristy sy ny sorona nataony ary ny rany latsaka irery ihany no ahafahan’ireo mpandika lalàna nibebaka, mahita ny fahasoavan’Andriamanitra.

Indrisy ! fa ireo “mpanara-dalàna” môderina dia nanala izany vato fisaka masina sy marina izany, izay “mamono”, avy tao ambanin’ny rakotra fanaovam-panavotana sy avy tao ambanin’ny ra fanonerana ny ota, ary nanangana izany, any amin’ny trano fiangonana kristiana, ho fitsipi-piainana kristiana.

 

10.  Ny fahasoavana

 

10.1 Inona no atao hoe “fahasoavana” ?

Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa, no namonjeny antsika” (Titosy 3. 4, 5).

“... Mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny harenan’ny fahasoavany, amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy” (Efesiana 2. 7).

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy”(Romana 5. 8).

 

10.2 Inona ny drafitr’Andriamanitra mifototra amin’ny fahasoavana ?

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” (Efesiana 2. 8-9).

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2. 11-13).

Mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika, ka ho tonga mpandova, araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” (Titosy 3. 7).

“... Izay rehetra mino... hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3. 22, 24).

Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana, ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao” (Romana 5. 2).

Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina” (Asan’ny Apostoly 20. 32).

Ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny harenan’ny fahasoavany” (Efesiana 1. 6-7).

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4. 16).

 

Tena feno tokoa ny fahasoavana, ary mirakitra ny zavatra rehetra ! Ny fahasoavana dia mamonjy, manamarina, mampandroso, mahatonga ho azo ekena, manavotra, mamela heloka ; manome lova izy, manome toerana mafy orina ; manomana sezafiandrianana azontsika hatonina am-pahasahiana, mba hahazoana fahasoavana sy famindrampo ; mampianatra antsika ny fomba tokony hiainantsika, ary manome antsika fanantenana mahafinaritra !

 

10.3      Ny lalàna sy ny fahasoavana dia tsy azo afangaro

Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa intsony ; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana”( Romana 11. 6).

Ary ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana” (Romana 4. 4-5 ; jereo koa Galatiana 3. 16-18 ; 4. 21-31).

 

Farany :

Ary amin’izany, ry rahalahy, tsy zanak’andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo” (Galatiana 4. 31). “Fa ianareo tsy mby eo amin’izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin’ny fahamaintisana sy ny haizina sy ny tafio-drivotra sy ny fanenon’ny trompetra ary ny feon’ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy ; fa tsy tohany ilay nandidiana hoe : “Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany” ; ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy : “Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho”. Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ny anjely tsy omby alinalina, amin’ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan’ ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka, sy amin’i Jesosy, Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela” (Hebreo 12. 18-24).

 

Amin’ny kristiana, ny lalàna nambaran’Andriamanitra tany Sinay dia tsy tokony hozaraina ho “lalàna ara-pitondrantena”, andaniny, sy “lalàna ara-pombafomba fivavahana”, ankilany. Ny mpino dia tsy manatona mihitsy io tendrombohitra io.

 

Ho famintinana :

Noho ny finoana ny Tompo Jesosy, ankehitriny ny mpino dia voaro eo ambany fahamarinana tena lavorary sy tena masina, hany ka io lalàna nirefodrefotra teo an-tendrombohitra Sinay io dia tsy hahita fahadisoana na tsy fahatanterahana, na dia kely akory aza, ao aminy. Izany no antsoina hoe ny fahamarinan’Andriamanitra tsy miaraka amin’ny lalàna.

 

Raha misy tsy mpino mahita izao andalan-tsoratra izao, dia ampirisihinay am-pitiavana izy mba hipetraka eo ambanin’ny didim-pitsarana tena izy, momba io lalàna masina sy marina tsy nohajainy io : “Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”(Romana 3. 23). Ao amin’i Kristy izy no hahita famonjena lavorary sy mandrakizay, araka ny voasoratra hoe : “Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10. 9).

Fa Kristy no faran’ny lalàna, ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino” (Romana 10. 4).

 

 

Ity asasoratra ity dia nalaina avy tamin’ireo lohahevitra lehibe —nofintinin’i JCK— ao amin’ny bokin’i C. I. Scofield mitondra ny lohateny hoe : “Mizara marina ny Tenin’ny fahamarinana [Dispensant correctement la Parole de la vérité]”.