Hafatra ho fiainana

 

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

Andininy avy ao amin’ny Baiboly,

izay Tenin’Andriamanitra

 

Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. (Deoteronomia 30 and 19)

 

Hoy i Jesoa Kristy:

Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. (Jaona 10 and 10)

 

Hoy i Jesoa Kristy:

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. (Jaona 14 and 6)

 

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. (Jaona 3 and 16)

 

Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika. (Romana 6 and 23)

 

Hoy i Jesoa Kristy:

Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. (Jaona 5 and 24)

 

Izay mino ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. (Jaona 3 and 36)

 

Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?... Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. (Asan’ny apostoly 16 and 30, 31)

 

Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? “Ary  Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany”. (Romana 4 and 3)

 

Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana. (Romana 3 and 22-25)

 

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. (Asan’ny apostoly 3 and 19)

 

Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. (Lioka 18 and 13)

 

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. (1 Jaona 1 and 9)

 

Hoy i Jesoa Kristy:

Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. (Jaona 6 and 37)

 

Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. (Lioka 14 and 17)

 

Jesoa Kristy:

Amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelàn-keloka. (Asan’ny apostoly 10 and 43)

 

Jesoa Kristy:

Izay tsy nahalala ota dia nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andria-manitra ao aminy kosa isika. (2 Korintiana 5 and 21)

 

Ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. (1 Jaona 1 and 7)

 

Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy. (Isaia 53 and 5)

 

Ny Baiboly no hany fanambaràna voasoratra nataon’ilay Andriamanitra velona momba ny tenany. Io no tenin’Andriamanitra.

 

Ny Mpahary dia miteny amin’ny fomba tsotra ahazoan’ny voàriny, izay latsaka tao amin’ny ota, Azy. Te hanome maimaimpoana ny fahasoavany sy ny fitiavany mandrakizay ho an’ny olona rehetra Izy.

 

Manolo-tànana antsika Ilay Andriamanitra masina, mba hihavanana aminy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay tonga olona tetỳ an-tany ary maty teo amin’ny hazofijaliana noho ny heloky ny hafa.

 

Inona no tokony ataontsika? Tsy maintsy miaiky isika fa mendrika ny fitsaràna marina ataon’Andriamanitra, avy eo, dia mandray amin’ny finoana ilay tànana atolony antsika!

 

Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo! (2 Korintiana 5:20)