Fanatsarana sa fanavotana?

 

Be ireo olona mitolagaga amin’ny fiainan’i Kristy sy ny fitsipi-pitondrantena kristiana, nefa mandà ny fanavotana. Fantaro fa ny zavatra ilaintsika, dia tsy fitsipi-pitondrantena fa famonjena, tsy fanatsarana fa fahateraham-baovao, ary ny hazofijalian’i Kristy irery no afaka mamaly ny momba ny toerantsika manoloana an’Andriamanitra. Alohan’ny maha-fitaratra Azy ho antsika, dia tokony ho Mpamonjintsika aloha i Jesoa Kristy.

 

Eny, mila hovonjena isika satria ny fahotantsika dia antony anamelohan’Andriamanitra antsika. Ary ny hazo fijalian’i Jesoa ihany no hany làlam-pamonjena, satria teo no nozakain’i Kristy ny fahotan’ireo rehetra mino Azy!

 

Noforonin’Andriamanitra avy tamin’ny tsy misy tamin’ny teniny mahery izao rehetra izao. Fa mba hamotehina ny asan’ny devoly, hanafoanana ny fahafatesana izay tambin’ny ota, ary hiarovana amin’ilay fitsarana mampivarahontsana manaraka azy, toy inona ny fahefana sy hery nilaina! Teo amin’ny hazofijaliana izany no niharihary am-pahamarinana, nony nofantsihina teo i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Teo no nandreseny ny fahafatesana, ary tsy afaka nanao na inona na inona intsony ilay nanam-pahefana tamin’ny fahafatesana, dia ny devoly. Teo no nanolorany tena hanafoanana ny ota noho ny sorona nataony. Ny fitsanganany tamin’ny maty tamin-kery no manaporofo ny fandreseny tanteraka.

 

“Ny zavatra lazain’ny hazofijaliana”

 

“Fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa,

fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra” (1 Korintiana 1:23-24).

 

“Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: Aza manamafy ny fonareo” (Salamo 95:7-8).

 

Anio, apetraho amin’i Jesoa Kristy ny fitokisanao.

Izy no Andriamanitra Mpamonjy.

 

Ho an’ny olombelona, dia tsy misy zava-dehibe mihoatra ny hazofijalian’i Kristy. Eo amin’ny hazofijaliana no mifarana ny lamina rehetra napetraky ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona izay meloka; teo no nampisehoana tamin’ny fomba ambony indrindra ny fahendreny sy ny heriny; ny asa vita teo no fototry ny fitahiana rehetra; izany no tsangambato tsy azo arodana mampiseho ny fitiavan’ilay Andriamanitsika Mpamonjy, ankehitriny ary ho mandrakizay.

 

“Vita”

 

Izany tenin’ny Tompo talohan’ny nahafatesany izany, “vita”, izay taterin’ny Filazantsara (Jaona 19:30), no manambara famonjena feno: teo amin’ny hazofijaliana no voavaha tanteraka ny olana lehibe nisy teo amin’ny olona mpanota sy ilay Andriamanitra masina. Misy porofo hafa koa omena antsika momba izany: Nasehon’ Andriamanitra fa afa-po tanteraka tamin’ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana Izy, raha nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty ka nametraka Azy teo an-tànan-kavanany. Ndeha hohenoina izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra:

Jesoa Kristy, “rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra... Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:12-14).

 

Eny, amin’Andriamanitra, dia efa vita ny zavatra rehetra. Manome porofo mazava an’izany Izy, manambara izany amin’ny olombelona ary miandry ny valintenin’izy ireo.

 

Ny avalin’ny olona an’Andriamanitra

 

Amin’ireo valinteny isan-karazany omen’ny olombelona an’Andriamanitra, iza no anao?

 

- Ny fisalasalana, izay faly ny hiseho ho fanetrentena, nefa, raha ny marina, dia fanaovana an’Andriamanitra ho mpandainga?

- Ny avonavona mandà tsy hankatò Azy?

- Ny fihamboana hitondra eo imason’Andriamanitra ireo fikasana tsara sy ny ezaka vita, toy ny hoe tsy ampy ny asa nataon’i Kristy?

- Ny tsy fankasitrahana Ilay nanao ny rehetra hahasambatra antsika?

- Ny tsy firaharahana? Sempotry ny olana amin’izao fotoana izao ianao, tsy mahatsiaro ny tenanao ho mpanota, manao ampitso lava ny fanapahan-kevitra tokony horaisinao, tsy te hiditra lalina ianao: izany fivavahana izany, toa sarotiny loatra sady amin’izay, jereo, marobe ireo sekta...

- Sa ny finoana, manaiky am-panetrentena, tsy miady hevitra, izay lazain’Andriamanitra momba antsika,mbamin’izay ambarany momba an’i Kristy  sy ny asa vitany. Ny finoana mankatò, misaotra ary midera?