MAHATAKATRA

ny Epistily Faharoa ho an’i Timoty

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1        Fampidirana

2        Votoatin’ny epistily

Toko 1 : Fampaherezana an’i Timoty

Toko 2 : Fitondrantena tokony hatao ao “an-trano lehibe” (ny tontolo kristiana)

Toko 3 : Toetran’ny tontolo kristiana any am-parany any

Toko 4 : Teny farany ataon’ny apostoly

3        Andininy tsara ho fantatra

 

1  Fampidirana

Azo antoka fa narahin’i Timoty antsakany sy andavany ny fampirisihana nataon’i Paoly taminy tao amin’ny taratasiny voalohany, mba hitandrovana ny filaminana ao amin’ny  Tranon’Andriamanitra [izay Fiangonan’Ilay Andriamanitra velona], sy mba hisiana fijoroana mendrika ho vavolombelon’Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Nefa taona vitsivitsy tatỳ aoriana dia nipoitra hatraiza hatraiza ny fialana an-daharana, vetivety dia nitotongana ny toetran’ny tontolo kristiana : tsy nisy na inona na inona nilamina intsony, niavosa ireo antom-pahakiviana, niditra sy niparitaka tao amin’ny fiangonana ny faharatsiana, hany ka tsy Fiangonan’Andriamanitra intsony izany, fa nanjary “trano lehibe”.

Ato amin’ity epistily faharoa ity, dia ampirisihin’i Paoly i Timoty hanohy ny ady, na dia tsy maintsy  hiitatra aza ny faharavana. Lazainy azy ny fitondrantena tokony hananana ao amin’ny Tranon’Andriamanitra, izay nanjary “trano lehibe”. Tena manaitra fa sahaza ho an’izao fotoana ankehitriny izao ity epistily ity.

 

2  Votoatin’ny Epistily

 Toko 1 Fampaherezana an’i Timoty

Manoloana ny toetra ara-panahy mampalahelo nisy teo amin’ny fiangonana, dia kivy i Timoty ary nitomany : nalaim-panahy mihitsy aza izy hampiato ny asa fanompoany (Salamo 119. 136 ; Fitomaniana 3. 48). Mba hampahery azy, dia ampahatsahivin’i Paoly azy ireo fikarakaran’Andriamanitra nitahiry ny finoana teo amin’ny taranaka nifandimby, tao amin’ny fianakavian’izy ireo (and 1-5). Taomin’i Paoly izy mba hamelona indray ny fanomezam-pahasoavana noraisiny, satria fantany fa Andriamanitra tsy nanome fanahy osa, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Ampirisihiny izy mba hitony ka hiverina hanohy ny asany indray, na dia eo aza ireo fahoriana miaraka amin’izany, satria eo mandrakariva ny loharanon-kery omen’Andriamanitra (and 6-11). Izany rahateo no ataon’i Paoly, ka ambarany hoe : “Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-piavin’izay andro izay” (and 12). Araka izany dia tsy misy tokony hahamenatra ny ho vavolombelon’i Jesosy Kristy, na dia ambany toerana aza, satria fantatra fa ny fahasoavana dia nomena antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao, ary Andriamanitra dia namonjy sy niantso antsika, ary koa ny fahasoavana dia naseho tao amin’i Kristy, maty sy nitsangan-ko velona ; farany, Kristy dia nampamirapiratra ny aina sy ny tsy fahalovana tamin’ny alalan’ny Filazantsara, ary nametraka an’i Paoly ho mpitoriteny. Ny fijaliana noho ny Filazantsara izany dia zavatra “ara-dalàna”, ka tsy tokony hahamenatra. Tsy maintsy soratan’i Timoty izay henony avy tamin’i Paoly, ka hazoniny omban’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina (and 13-14).

Amin’ny ankapobeny dia tena ratsy ny toerana nisy ireo fiangonana, satria ny kristiana rehetra tany Azia (faritra nisy ireo fiangonana fito ao amin’ny Apokalypsy 2 sy 3) dia nihodina tamin’ny apostoly, tsy tamin’ny finoana kristiana tsy akory, fa tamin’ny apostoly, satria nihevitra angamba izy ireo fa hentitra loatra ny fampianarany. Mba hampaherezan’i Paoly an’i Timoty, dia lazainy fa na niala an-daharana aza ny rahalahy, saika izy rehetra, dia nahatoky kosa i Onesiforosy, na teo aza ny fanalam-baraka : notadiaviny ary hitany mihitsy aza ny toerana nisy ny apostoly tany an-tranomaizina, ka namangy azy tany izy (and 15-18).

 

Toko 2 : Fitondrantena tokony hatao ao “an-trano lehibe” (ny tontolo kristiana)

Rehefa manohy indray ny asa i Timoty, amin’izao vanimpotoanan’ny faharavana izao, dia tokony hampahery tena amin’ny fahasoavana ka hiezaka hampita ny tenin’ny apostoly amina rahalahy mahatoky, afaka mampianatra ny hafa (and 1-2). Ny fanohizana ny asa dia toy ny any an’ady (tsy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao), toy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena (tsy maintsy mandrombaka ny loka), toy ny fiasana tany (mitozo amin-javatra lavitra ezaka). Araka izany dia ireo sori-dalana lehibe no omen’ny apostoly : mandray anjara amin’ny ady (and 3) ka mahafoy tena tanteraka (and 4), mahatoky mankatò ny Tompo, Izay hanome ny valisoa amin’ny fotoana maha mety izany (and 5-6), ary ny Tompo no hanazava ny antsipiriany (and 7). Lazain’i Paoly avy eo ny fomba hampaherezana tena ao amin’ny Tompo : mibanjina an’i Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty, Izy Izay niaritra ny fijalian’ny fahafatesana, talohan’izany (and 8). Toy izany koa ny lalan’ny mpianatra, miantomboka amin’ny fijaliana, vao miafara amin’ny voninahitra (and 9-13). Eo amin’io lalana io, ny ampiasaina hiatrehana ny ady dia ny sabatry ny Fanahy, ny Tenin’Andriamanitra, ka mitandrina tsy hamaly ny rijan-kevitra ara-nofo sy manimba ataon’ny mpanohitra. Araka izany dia tsy maintsy hazavaina tsara ny fahamarinan’ny Filazantsara, tsy asiana lahateny tsy mahasoa (and 14-18).

Ao amin’ny tontolo kristiana efa rava dia ny Tompo ihany no mahafantatra ny Azy : ny anjarantsika dia ny manalavitra ny tsy fahamarinana (and 19-20). Izay ihany no hahatonga antsika hahasoa ho an’ny Tompo (and 21). Tsy ampy ny hoe manalavitra kristiana sasantsasany mba tsy hiombonana amin’ny fahadisoany ; tsy maintsy mitandrin-tena ihany koa isika mba ho madio, ary mandositra ny filan’ny tanora fanahy (and 22). Na izany aza anefa, io lalana io dia tsy tokony hitarika antsika hitoka-monina : tokony hitady ireo olona izay te hanaraka io lalana io koa isika (and 22). Ambonin’izany, ny fitiavana no tokony hampiavaka antsika eo amin’io lalam-pisarahana io ; izany fitiavana izany no hiezaka handresy lahatra an-kalemem-panahy ny mpanohitra (and 23-26).

 

Fanamarihana : torolalana rehefa leferina, na ekena mihitsy aza, izay manala baraka ny Tompo, na inona na inona fisehon’izany, ao amin’ny fiangonana eo amin’ny toerana iray.

 Ny fitambaran’ireo mitonona ho kristiana dia raisina ho toy ny “trano lehibe”. Raha jerena ivelany, dia anisan’io vondrona io ny kristiana, na tiany na tsy tiany, satria mitonona ho kristiana, ary ny “trano lehibe” dia ireo rehetra mitonona ho izany : “Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halàm-baraka”                                                                                                                         (2 Timoty 2. 20). Ny kristiana dia tsy maintsy manadio tena tsy hifangaroharo amin’ireo izay tsy manome voninahitra ny Tompo, ka “fanaka halàm-baraka”. Izay no didy, mba ho kristiana mahatoky. Koa rehefa maka toetra hafa mihitsy ny fiangonana eo amin’ny toerana iray, hafa noho ilay toetrany tany am-boalohany (naha fiangonan’Andriamanitra azy), ka manjary manana  toetra-na “trano lehibe”, izay ahitana zavatra isan-karazany, na tsara na ratsy, dia voatery hisaraka amin’ny ratsy izay manonona ny anaran’ny Tompo [mba hialany amin’ny fahalovana mihanaka], tsy hoe hitoka-monina tsy akory, fa hiaraka amina mpino hafa (ny Tompo mahalala ny misy azy ireny) ; tsy hoe hanjary tsy mahasoa ihany koa anefa, fa mba hahasoa marina ny Tompo. Koa rehefa manadio ny tenany, miala amin’ny fiombonana amin’ny ratsy ny mpino, dia ho fanaka homem-boninahitra, mahasoa ho an’ny Tompo.

 

Toko  3 : Toetran’ny tontolo kristiana any am-parany any

Ny toetran’ny fivavahana kristiana any am-parany any dia voambara ho mampatahotra, mitovy haratsiana amin’ny an’ireo jentilisa, ireo olona mbola ao anatin’ny fahotany (and 1-5 ; Romana 1. 29-31). Tamin’ny andron’ny apostoly dia efa nisy olona toy izany : nanana “endrika toe-panahy araka an’Andriamanitra”, nefa tsy nanana ny Fanahy. Tokony nohalavirina izy ireny, satria ny fananana “endrika toe-panahy araka an’Andriamanitra” (endrika fivavahana) dia tsy manatsara na inona na inona, ary vao mainka aza hitombo ny faharatsiana (and 5). Miasa mafy dia mafy ireny olona ireny, hampivily lalana ireo izay tsy miorina tsara. Satria efa lo ny fomba fisainany, dia miady amin’ny fahamarinana izy ireny. Fa indray andro any dia haseho ny zavatra rehetra (and 6-9).

Manoloana izany, dia tsy maintsy nalentika lalina ao anaty izay rehetra nampiavaka ny apostoly : foto-pampianarana, fitondrantena, tanjona, finoana, faharetana, fijaliana, zavatra izay efa takatr’i Timoty tanteraka : eny tokoa, efa azony ny fahamarinana, ny fizotran’i Paoly izay mendrika halain-tahaka, ny fahoriany sy ny fanafahan’ny Tompo (and 10-11). Izany lalana izany no tsy maintsy hodiavin’ireo rehetra te hanaraka ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly. Ambonin’izany, “izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” (and 12), ary “ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa” (and 13). Ny lalana ho antsika dia ny tsy miovaova eo amin’ny sori-dalana omen’ny Soratra Masina nanomboka tamin’ny nahaterahantsika indray, satria ny Soratra Masina dia manome vahaolana amin’ireo toejava-misy sy olana rehetra, ary izy no mampandroso antsika. Ampaherezin’ny apostoly mafy i Timoty hitoetra amin’izay nianarany sady voatahiry ao amin’ny Soratra Masina, izay Tenin’Andriamanitra (and 14-17).

 

 

Toko 4   Teny farany ataon’ny apostoly

Satria tsy azo ihodivirana ny fitotonganan’ny tontolo kristiana, dia iangavian’i Paoly fatratra i Timoty mba hikely aina hitory “mihoa-pampana” ny Tenin’Andriamanitra, raha mbola misy ihany koa olona mihaino, satria ho avy ny fotoana, haleon’ny olona mihaino ireo anganongano (and 1-2). Koa alohan’ny hahatongavan’ny andro tsy hihainoan’ny olona intsony sy hialany amin’ny fahamarinana (and 3-4), dia iangavian’i Paoly i Timoty mba hanolo-tena tanteraka hanatontosa ny fanompoana noraisiny tamin’ny Tompo (and 5), indrindra moa fa izy Paoly dia efa halain’ny Tompony rahateo, ary toy izao ny filazany izany :  “izaho dia efa hatolotra sahady” (na : “izaho dia efa haidina ho fanatitra aidina”), “nitahiry ny finoana aho” (and 6-8). Hitany ho efa tena akaiky aoka izany io fotoana io, ka angatahiny i Timoty mba ho avy haingana eo aminy ; Lioka irery sisa eo akaikiny, fa ny hafa rehetra dia lasa nanompo any an-tany hafa, na nandao azy mihitsy aza (and 9-16). Fa ny Tompo kosa nitsangana teo anilany mandrakariva ka nampahery azy nitoriteny teo anoloan’ireo manampahefana ambony indrindra, ary heveriny fa ny nisehoany farany teo amin’ny tribonalin’ny emperora romana dia fitorian-teny lafatra sy feno teo anatrehan’ny jentilisa rehetra (and 17). Natoky izy fa hihazona azy hatramin’ny farany ny Tompo (and 18).

Farany, angatahin’i Paoly i Timoty mba hampita ny fiarahabany sasantsasany ary iangaviany mba ho tonga haingana, toy ny hoe te hahita azy farany izy alohan’ny handehanany. Dia mamarana ny taratasiny amin’ny fanomezam-boninahitra ny Tompo izy, ary toy ny mahazatra, dia mampiseho ny fiheverany ny rahalahy rehetra ny fanaovam-belomany (and 19-22).

 

 

3  Andininy tsara ho fantatra

“Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” (1. 7)

 

“Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika” (1. 14)

 

“Aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy (ianao)” (2. 1)

 

“Ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao : ‘Ny Tompo mahalala ny azy’, ary koa : ‘Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy’ ” (2. 19)

 

“Miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio” (2. 22)

 

“Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao” (3. 14)

 

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana” (3. 16)

 

“Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho” (4. 7)

 

“Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy” (4. 17).

 

 

LGEA