MAHATAKATRA

ny Epistily Faharoa ho an’ny Tesaloniana

 

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

1 Fampidirana

Ny apostoly Paoly dia efa nanoratra taratasy voalohany miresaka fiandrasana ny ondrin’ny Tompo, ho an’ireo rahalahy sy anabavy tao Tesalonika, mba hampahery, hampionona ary hampitony azy ireo momba ny anjaran’ireo mpino efa maty. Nasehony  azy ireo ilay fahamarinana sarobidy momba ny fiavian’ny Tompo haka ny olony (ny Fampiakarana).

 

Taoriana kelin’izany dia nandefasan’ny apostoly ity taratasy faharoa ity izy ireo, satria vaka, nikorontan-tsaina, ary nihozongozona mihitsy aza noho ireo fampianaran-diso nampidirina teo aminy, nahatonga azy ireo hino fa efa tonga ny « andron’ny Tompo »  —ilay vanimpotoana  hisiana fitsarana misesisesy hihatra amin’izao tontolo izao. Nihevitra tokoa mantsy izy ireo  —angamba noho ny taratasy sandoka iray lazaina fa nosoratan’i Paoly—  fa ny fanenjehana nihatra tamin’izy ireo dia efa ireo fampahorian’ny « andron’ny Tompo ». Nefa araka ny fampianarana noraisiny, dia tokony hanantena aza izy ireo fa hafahana tsy ho tratran’io andro io, noho « ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy » (ny Fampiakarana). Tokony hanantena izany izy ireo fa hafahana tsy ho tratran’io andro io, satria nampianarin’ny apostoly fa ny fampiakarana ny kristiana dia HIALOHA ireo fitsarana (antsoina ihany koa hoe « fahatezerana »). Koa tao amin’ny taratasiny voalohany, dia izao no nosoratany : « ... ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy » (1 Tesaloniana 1. 9-10).

Ireo fampianaran-diso ireo dia nahatonga fifandisoan-kevitra tanteraka momba ny fiavian’ny Tompo haka ny olony (ny Fampiakarana) sy ny fiaviany am-boninahitra hametraka ny fanjakany eto an-tany (ny Fisehoan’ny fiaviany, ny fanehoana an’i Kristy amin’izao tontolo izao). Koa izao no tanjon’ity epistily ity :

-         voalohany, hampitony ireo kristiana tany Tesalonika [manazava aminy fa ny fahorian’izy ireo dia tsy midika tsy akory fa efa tonga ny « andron’ny Tompo »] ;

-         faharoa, hampianatra azy ireo amin’ny antsipiriany kokoa momba ny Fampiakarana ny Eglizy, fampiakarana tsy maintsy hialoha ny « andron’ny Tompo » ;

-         fahatelo, hanazava ny hiseho amin’io « andron’ny Tompo » io [ireo fitsarana misesisesy hihatra amin’ny tany, aorianan’ny fampiakarana ny Eglizy].

 

Ity taratasy fohy ity izany dia misy filazana amin’ny antsipiriany ny zava-hitranga eo anelanelan’ny fiavian’ny Tompo haka ny olony (ny Fampiakarana) (2. 1) sy ny andro hisehoany amin’izao tontolo izao (ny fiaviany am-boninahitra hametraka ny fanjakany  —ny Fisehoan’ny fiaviany) (2. 8). Marihina fa eo anelanelan’ny Fampiakarana sy ny Fisehoan’ny fiaviany (fiverenan’i Kristy hametraka ny fanjakany arivo taona) no hisy ny « andron’ny Tompo », vanimpotoana hitrangan’ireo fitsarana lazain’ny bokin’ny Apokalypsy (toko 6 hatramin’ny 19) sy marihin’i Jesosy ao amin’ny faminaniana nataony (Matio 24 ; Marka 13 ; Lioka 21).

Momba io « andron’ny Tompo » io, dia marihin’ny apostoly fa tsy hitranga izany alohan’ny hahatongavan’ny fihemorana (fialàna amin’ny finoana) sy ny fisehoan’ilay « lehilahin’ota » eto amin’izao tontolo izao, dia ilay zanaky ny fahaverezana, izany hoe ny Antikristy. Ny Antikristy, ilay fahavalon’Andriamanitra, dia hampiasa ny herin’i Satana ary hamitaka olona an’arivony ; nefa holevonin’ny Tompo amin’ny fofonain’ny vavany izy, ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fiaviany  (ny hiaviany am-boninahitra). Ny nirin’ny apostoly koa, nanoratra ity epistily ity, dia ny hampiorina ny finoan’izy ireo, mba tsy hahatonga azy ireo ho voafandriky ny mpampianatra sandoka.

 

2 Votoatin’ny Epistily

 

Toko 1- Aorianan’ny fiarahabana (and 1-2) dia misaotra an’Andriamanitra ny apostoly, satria resin’ny finoan’ny Tesaloniana ny fampahoriana (and 3-4). Mampionona azy ireo izy, manazava fa ireo fampahoriana ireo dia tsy midika tsy akory hoe efa tonga ny andro fitsarana, fa mampiseho kosa hoe marina ny fitsaran’Andriamanitra, izany hoe heverina fa mendrika ny fanjakan’Andriamanitra ny Tesaloniana. Manambara ny fahamarinana momba ny  « andron’ny Tompo » ny apostoly, ary manazava fa :

-         hiseho am-boninahitra ny Tompo Jesosy ;

-         amin’io andro io ny tsy mino (« izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”) dia hiharan’ny sazy henjana indrindra, dia « fahaverezana mandrakizay » ;

-         ny mpino dia homena fitsaharana.

Dia ampaherezin’ny apostoly izy ireo, amin’ny filazany fa mivavaka ho azy ireo izy (and 5-12).

 

Toko 2- Ampirisihin’i Paoly ny mpino mba tsy hanaiky hofitahina momba ny fiandohan’ny andron’ny Tompo (and 1-2). Misy tranga telo hialoha izany :

-         ny fanangonana antsika ho eo amin’ny Tompo (ny Fampiakarana) ;

-         ny fihemoran’ny kristiana sy ny jiosy (ny fialàny amin’ny finoana) ;

-         ny fisehoan’ny Antikristy [ilay sady hanohitra an’Andriamanitra no hilaza ny tenany ho andriamanitra, hanao fahagagana maro, hamafy lainga, ary hamitaka ireo tsy mino ny Tompo Jesosy] (and 3-4).

Lazalazain’ny apostoly ny fihemorana izay efa miasa sahady, ary ambarany fa ilay lehilahin’ota, ny Antikristy [izay holevonina amin’ny fisehoan’i Kristy], dia tsy haseho raha tsy efa tsy eo intsony ireo sakana misy ankehitriny, izay tsy mamela ny faharatsiana hitombo (izany hoe ny fanatrehan’ny Fanahy Masina sy ny maha eo ny Eglizy)  (and 5-12).

Tsy tokony hatahotra izany tranga mahatalanjona sy mampivarahontsana izany ny Tesaloniana, satria efa nofidina, efa nantsoina ary notiavina : ny hany tokony hataony dia ny mihazona tsara ny fampianarana nomen’ny apostoly (and 13-17).

 

Toko 3- Tsindrian’ny apostoly fa tena ilaina ny vavaka, manoloana ireo fanoherana avy any ivelany (and 1-5) ; avy eo izy dia manome toromarika momba ny fiaraha-mandeha, manoloana olana eo anivon’ny mpirahalahy (and 6). Hentitra ny tenin’ny apostoly, mampahatsiahy ireo Tesaloniana ny ohatra nomeny fony izy teo anivon’izy ireo (and 7-9). Nitombo ny fikorontanana, izay efa nomarihin’ny apostoly tao amin’ny taratasiny voalohany (5. 14). Ny niseho mantsy dia izao : niandry ny Tompo ireo mpino ireo ka nihevitra fa tsy ilaina ny miasa, satria tsy ho ela dia handeha izy ireo (and 10-11). Ampirisihin’ny apostoly izy ireo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana, hanao soa, ary tsy hanana fifandraisana amin’ireo olona tsy manaiky ny teniny (and 12-15).

Amin’ny fiafaran’ny taratasiny ny apostoly dia manonona ny fiadanan’ny Tompo sy ny fahasoavany ho amin’ny Tesaloniana (and 16, 18). Nampitandrina azy ireo izy tamina taratasy nolazaina fa nosoratany (2. 2), ary eto dia soritany tsara fa misy ny soniany ny taratasiny rehetra, ka hamarininy ity taratasy ity amin’ny sora-tanany (and 17).

 

3 Andininy tsara ho fantatra

« ... tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany » (1. 10)

 

« Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie » (2. 16, 17)

 

« Mahatoky ny Tompo » (3. 3).

 

 

     LGEA