MAHATAKATRA

ny Epistily Voalohany ho an’ny Tesaloniana

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

1 Fampidirana

Ity taratasy voalohany ho an’ny Tesaloniana ity dia nosoratan’ny apostoly Paoly taorianan’ny niverenan’i Timoty avy tany Tesalonika. Tao amin’ny synagoga tao amin’io tanàna io no nitorian’i Paoly ny Filazantsara, nandritra ny telo herinandro fotsiny  —satria nihafohy ny asany noho ny fanenjehana feno herisetra tao (Asan’ny Apostoly 17. 1-9)—, nefa dia tsara halain-tahaka ny vokany : vetivety dia nisy fiangonana, voarafitra Jiosy sy Grika, niforona tao Tesalonika, ka tena nilaina ny hampiorina ny finoan’ireo mpino. Koa ny tanjon’ny apostoly dia ny hitondra fampaherezana sy fampiononana ho an’ireo rahalahy sy anabaviny tao Tesalonika, izay niaritra fijaliana be [noho ny fanenjehana], satria tsy nanaiky hivadika. Te hampitony ny fanahian’izy ireo izy, momba ny fiverenan’ny Tompo, ny nanjo ireo izay maty talohan’io fiverenana io, ary ireo izay hanana anjara amin’ny fampiakarana ny Eglizy. Na dia mazava aza fa miresaka fiandrasana ny ondrin’ny Tompo ity taratasy ity, dia mitondra fampianarana ara-poto-pinoana lehibe koa izy.

 

Ny fiavian’ny Tompo no lohahevitra mivohitra indrindra ao amin’ity epistily ity. Ao amin’ny toko 1 (and 10) io fiaviany io dia aseho ho fanafahana amin’ny fahatezerana ho avy. Ao amin’ny toko 2 (and 19), mifamatotra amin’ny voninahitr’i Paoly sy ny fifaliany mahita ny rahalahiny ao amin’ny voninahitra, amin’ny fiavian’ny Tompo. Ao amin’ny toko 3 (and 13), mampirisika ny mpino hampiorina ny fony tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana. Ao amin’ny toko 4 (and 15-18), mampahatsinjo hoavy mahatretrika mampionona ireo izay iharam-pahoriana ankehitriny. Ao amin’ny toko 5 (and 23) dia mampirisika antsika i Paoly mba harovana avokoa ny fanahy sy ny aina ary ny tena ho tanteraka, ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.

 

2 Votoatin’ny Epistily

Toko  1- Misaotra an’Andriamanitra ny apostoly, satria ny Filazantsara notorina tany Tesalonika dia nomban’ny herin’ny Fanahy, araka ny asehon’ireo vokatra entin’ny mpino avy ao amin’io tanàna io, izay nanjary mpaka tahaka ny Tompo, ka lasa modely resahina hatraiza hatraiza ihany koa (and 8). Ny fiovam-pon’izy ireo dia tena fihodinana tanteraka : niverina tamin’Andriamanitra izy ireo, nahafoy ireo sampy, mba hanompo Ilay Andriamanitra velona sy hiandry ny fiverenan’i Jesosy Zanany (and 9-10).

 

Toko  2- Lazalazaina eto ny fiahian’Andriamanitra ny andian’ondriny sy ny asa fanompoan’i Paoly ho azy ireo. Mahitsy tanteraka i Paoly sady maorina fatratra ny toetrany, mba tsy hahavaky tratra an’iza na iza. Ny tenany mihitsy no nirotsaka tanteraka, hampiseho amin’izy ireo ny atao hoe fitondrantena masina, marina ary tsy misy hokianina, izany hoe fitondrantena mendrika an’Andriamanitra (and 10-12). Ny tenin’ny apostoly dia noraisin’ny Tesaloniana ho Tenin’Andriamanitra, hany ka tena niasa tao amin’ny fanahin’izy ireo mihitsy (and 13)  —ary izany rahateo no anton’ny fanoloran-tena feno hery nasehon’ny Tesaloniana.

Noderain’ny apostoly  ny herimpon’izy ireo ao anatin’ny fanenjehana. Hazavainy ny antony tsy nahafahany nankany amin’izy ireo.

 

Toko  3- Resahin’ny apostoly ny fisedrana ny finoana. Ampiasain’Andriamanitra ny fahoriana sy ny fanenjehana mba hanamafy ny finoan’ny mpino (and 10) ; tian’Andriamanitra hitombo ny fitiavan’izy ireo (and 12) ary hiorina amin’ny fahamasinana ny fony ho amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika MIARAKA amin’ny olony masina rehetra (and 12-13)  —izay midika fa efa notanterahina aloha ny fampiakarana.

Faly i Paoly noho ireo vaovao tsara nentin’i Timoty avy any Tesalonika : tsy voahozongozona ny finoan’ireo mpino tanora ireo, na dia teo aza ny fahoriam-be.

Toko  4- Hitantsika eto ny lalan’ny finoana. Misy toromarika manokana omena, mba hahafaly an’Andriamanitra, eto am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo. Koa toe-panahy efatra lehibe no aseho eto :

-         Ny fahamasinana, ny tsy maintsy ananana fahadiovana ara-pitondrantena, amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra (and 1-8)  —indrindra indrindra mifady ny fijanganjangana, satria izany dia fandotoana ny tempolin’ny Fanahy Masina (ny vatantsika) ;

-         Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, tsy miditra amin’ny raharahan’ny hafa na mametsifetsy azy ireo (and 6, 9-10, 11) ;

-         Ny fahamarinana iainana, aseho amina fiainana milamina sy fandeha enin-kaja  —mba hahatanteraka izany, « hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tànanareo... mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo » (and 11-12) ;

-         Ny fiandrasana ny fiavian’ny Tompo mba haka ny olony, antony manome fanantenana sy fiononana. Satria tokoa mantsy nolazaina ny hoe fiaviana MIARAKA amin’ny Tompo, dia rariny raha natahorana hoe very tombontsoa izany ireo efa maty. Koa ambaran’ny apostoly ny fomba hiavian’ny Tompo HAKA ny olony, ka « ireo maty ao amin’i Kristy » aloha no hatsangana. Ireo mbola velona kosa dia « hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ». Isika tsy afaka halahelo « tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana » (and 13-18).

 

Toko  5- Rehefa avy niresaka ny fiavian’ny Tompo ho an’ny mpino ny apostoly, dia mampiseho ny fiaviany indray ho an’izao tontolo izao, izany hoe « ny andron’ny Tompo », andro ho avy tampoka, tsy hampoizina, raha tsy manampo iny ny olona satria mihevitra fa voaaro sy mandry feizay  —hevi-diso mamoa-doza izany, satria « hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy » ! (and 1-3).

Fa ho an’ny mpino kosa, « ny andron’ny Tompo » dia tsy tokony hanampoka azy, satria mitondra ny mariky ny fiaviany, izany hoe ny andro, ny hazavana  —toetra mifanohitra amin’ny haizina (and 4-7). Koa satria « zanaky ny mazava sy zanaky ny andro » ny mpino, dia tokony hahonon-tena sy ho mailo. Ireto toetra tsara ireto  —finoana, fanantenana, fitiavana—  dia fiadiana miaro tsy hanadinoana ny fiavian’ny Tompo (and 8-11). Faranan’ny apostoly amina fampirisihana maromaro ny taratasiny, mahakasika :

  • ny fiainam-piangonana : manafatrafatra i Paoly mba hanajana ny rahalahy mitondra ny fiangonana ; ampirisihiny ny mpino mba hifampitsimbina, hanao asa soa, hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ary hiaina ireo toetra tsara rehetra maha kristiana (and 12-14) ;
  • ny fiainana kristiana amin’ny ankapobeny : mampirisika i Paoly mba hitady ny tsara mandrakariva, na eo amin’ny samy mpino, na eo amin’ny olona rehetra (and 15-18) ;
  • ny hetsiky ny Fanahy Masina sy ny asany (and 19-21) ;
  • ny fahamasinana iainana : mifady izay rehetra ratsy, amin’ny endriny rehetra (and 22-23) ;
  • fampirisihana farany sy ny tsy maintsy ilàna ny fahasoavan’Andriamanitra, ho an’ny olona rehetra (and 24-28).

 

Fanamarihana : ny lohahevitra lehibe amin’ity Epistily ity dia ny fiavian’ny Tompo haka ny olony.

Ny Tompo Izy tenany mihitsy no ho avy haka ny mpino, fa tsy havelany ho an’iza na iza ny fanaovana izany sy ny fifaliana manao izany. Hidina ho eny amin’ny rahon’ny lanitra Izy, amina hiaka fanangonana. Izany hiaka izany no hamoha ireo olona masina nodimandry sy hanangana azy ireo hanana vatana feno voninahitra. Dia hovaina hanana vatana feno voninahitra toy izany koa ireo mpino mbola velona. Avy eo ny mpino rehetra, ireo natsangana tamin’ny maty sy ireo novaina vatana, dia hiaraka hampiakarina mba ho any amin’ny Tompo mandrakariva.

 

3 Andininy tsara ho fantatra

« ... ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy » (1. 9-10)

 

« Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa » (2. 13)

 

« Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, amin’ny fiavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra » (3. 12-13)

 

« Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy, ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika » (4. 16-17)

 

« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo, ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika » (5. 23).

 

LGEA