MAHATAKATRA

ny Epistily ho an’ny Kolosiana

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny epistily

            Toko 1 : Kristy, ny voninahiny sy ny asany

            Toko 2 : Ireo mpino “tanteraka” ao amin’i Kristy

Toko 3 sy 4 : Fiantraikan’ny toeram-baovao ao amin’i Kristy  —niara-natsangana tamin’i Kristy—  eo amin’ny fandehan’ny mpino ; fifanakalozana feno fitiavana eo amin’ny tenan’i Kristy

3 Andininy tsara ho fantatra

 

1 Fampidirana

 

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia tsy mampahafantatra hoe nandalo tany Kolosia i Paoly tamin’ireo diany. Araka ny lazain’ny apostoly ato amin’ity epistily ity, dia toa i Epafra, izay avy any Kolosia (4. 12) no niandohan’ny fiovam-pon’ny mpino tao amin’io tanàna io (1. 7). Tamin’ny fotoana nanoratana ity taratasy ity dia teo anilan’i Paoly i Epafra (4. 12) ; izy angamba no nanome vaovao azy, nilaza fa tena tandindomin-doza lehibe ny Kolosiana hibirioka noho ireo fampianaran’olona, toy ny filôzôfia, ny fikarohana ao amin’ny fivavahana ny zava-miafina, ary koa ny fivavahana jiosy. Ireo fampianaran-diso ireo dia manovo hevitra amin’ny filôzôfia grika, toy ny fampahorian-tena sandoka (ascétisme : fampijaliana ny vatana, satria hono afaka ny fanahy rehefa atao tsinontsinona ny vatana), fampahorian-tena afangaro amin’ny fombafomba jiosy, ny famorana, ny fanajana ny lalànan’i Mosesy, ny fomba nentim-paharazana (fampianarana voatolotry ny razana), ny fivavahana amin’ny anjely. Io foto-pampianarana diso io dia manala amin’i Kristy ny toerany amin’ny maha hany mpanelanelana Azy eo amin’Andriamanitra sy ny olona ; ary miaraka amin’izany dia esoriny eo amin’ny kristiana ihany koa ny fahafahan’izy ireo, satria hidiny ao anaty vahohon’ny fanarahana ara-bakiteny ny lalàna izy ireo. Koa tsy maintsy nampitandrina ny Kolosiana ny apostoly : “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy” (2. 8). Koa manoratra ho azy ireo izy :

-         mba hampisehoany azy ireo an’i Kristy  —ao amin’ny voninahitra, araka ny fanantenana kristiana ; toy ny Zanaka manana ny endrik’Ilay Andriamanitra tsy hita maso, Mpamorona izao rehetra izao ; toy Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra, izay ambony noho izao zavatra ary rehetra izao, ary noho ny fitsanganany tamin’ny maty, Lahimatoa tamin’ny maty, Lohan’ny tena, dia ny Eglizy, fototry ny finoantsika (toko 1) ;

-         mba hampisehoany azy ireo ny fampianaran-diso izay loza mitatao amin’izy ireo (toko 2) ;

-         mba hanazavany aminy ny toetra mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo (toko 3) ;

-         mba hanomezany didy sy fampirisihana manokana (toko 4).

 

Ny epistily ho an’ny Kolosiana dia mitovitovy amin’ny epistily ho an’ny Efesiana. Saingy misy fahasamihafana lehibe tokony homarihina : ny epistily ho an’ny Efesiana dia mampiseho ny Fiangonana ho tenan’i Kristy, fa ao amin’ny Kolosiana indray dia Kristy no aseho ho Lohan’ny tena.

 

 

2 Votoatin’ny Epistily

 

Toko 1 : Kristy, ny voninahiny sy ny asany

Aorianan’ny fiarahabana fohy anehoany ny tenany ho apostoly (and 1-2), dia ampahafantarin’ i Paoly an’ireo Kolosiana ny fivavahany tsy tapaka ho azy ireo, ny fisaorany an’Andriamanitra noho ny nandraisan’izy ireo ny Filazantsara notorin’i Epafra taminy, sy noho ny namokaran’izy ireo ho an’Andriamanitra (and 3-8). Efa ela ny apostoly no

nivavaka ho azy ireo momba ny fitondrantenany, izay tokony hifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo mba hanaovana izay mahafinaritra Azy, eo amin’ny antsipiriany rehetra eo amin’ny fiainana (and 9-11). Misaotra izy noho ny anjara iraisan’ny mpino rehetra hoe : nafahana tamin’ny maizina ary nampidirina tao amin’ny fanjakan’ny mazava sy fitiavan’ny Zanaka, noho ny asam-panavotana. Koa tsy atahorana intsony ny herin’ny maizina, ary voavela ny helotsika (and 12-14). Asehon’i Paoly avy hatrany ireo voninahitra sy ny fahambonian’ny Zanaka eo amin’ny voary, Izy Ilay Mpahary, sy eo amin’ny Fiangonana,  amin’ny maha Lohan’ny tena Azy (and 15-18). Mendrika hanana ny toerana voalohany Izy, satria avy aminy, tamin’ny alalan’ny rany, no nanaovana ny fampihavanana ny zavatra rehetra tamin’Andriamanitra, ka ireo rehetra nino dia nampanakekezina an’Andriamanitra, ary “masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany” (and 19-23).

Izao i Paoly dia mampiseho ny asa fanompoany ho an’ny Kolosiana : mampahafantatra ny zava-miafina momba ny Fiangonana  —Kristy ao anatintsika—  mba hitarihany azy ireo ho lavorary ao amin’i Kristy (and 24-29).

 

Toko 2 : Ireo mpino “tanteraka” ao amin’i Kristy

Ny ady atrehin’i Paoly dia ny mitaona ireo mpino rehetra, ary indrindra ireo izay mbola tsy nifanena taminy mihitsy, mba hiditra tanteraka ao amin’ny fahalalana ny fihevitr’Andriamanitra (and 1-5). Koa dia ampirisihiny izy ireo mba “hiorim-paka” ao amin’ny Tompo, ary handeha araka izany (and 6-7) ka tsy hanaiky havilivilin’ireo fampianaran’olombelona toy ny filôzôfia (and 8), satria ny mpino dia tanteraka (feno, safononoka) ao amin’i Kristy, nesorina tamin’izy ireo ny tenan’ny nofo, noho ny fahafatesan’i Kristy, ary ny batisa no marik’izany (and 9-12). Kristy no nanao izany tamin’ny alalan’ny hazofijaliany : Izy no nanafaka antsika tamin’ny faneren’ny lalàna ary nandresy ireo fanahy ratsy eny amin’ny rivotra, fanahy ratsy nanandevo antsika (and 13-15).

 

Asehon’i Paoly fa ny asa nataon’i Kristy dia nanafaka ny mpino tamin’izay rehetra mety ho zioga araka ny Lalàna. Avy eo izy dia mampitandrina ireo izay mety hiampanga ny Kolosiana ho tsy mitoetra eo ambany ny Lalàna, satria mety hampihozongozona azy ireo tokoa izany ; mandidy izy mba tsy hisy olona hitarika azy ireo any amina finoanoam-poana araka ny fihevitry ny nofo, satria hampanalavitra azy ireo amin’ny Loha mihazona ny maha iray ny vatana izany (and 16-19).

 

Mbola mampisaina ireo mpamaky azy koa i Paoly : satria izy ireo efa niara-maty tamin’i Kristy, nahoana indray no mametraka fitsipika ara-nofo ho fampijalian-tena, toy ny hoe tsy voatazona ao amin’ny fahafatesana ny nofo (and 20-23) ?

 

Fanamarihana  :

Ny fampianaran’olombelona dia tena mamoa-doza, mety hanapotika, mety handroba tanteraka, nefa foanan’i Kristy sy ny hazofijaliany ireo fampianarana ireo. Tsy ny filôzôfia ihany izany ; fa koa izay rehetra tsy i Kristy (2. 10) :

  •         izay rehetra araka ny nofo ; isika anefa “niara-nalevina” tamin’i Kristy (ny fahafatesan’i Kristy dia aseho kisarisary amin’ny famorana jiosy sy amin’ny batisa kristiana), ary koa niara-natsangana taminy (2. 11-12) ;

  •         ny vesatry ny Lalàna, izay manameloka ary mahatonga hahatsiaro fa meloka noho ny ota, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana ; novelomina indray isika ary navela heloka (2. 13-14) ;

  •         ny fitarihan’ireo fahefana ankoatra an’i Kristy ; efa resy teo amin’ny hazofijaliana anefa ireo (2. 15) ;

  •         ireo fombafomba, zavatra nentim-paharazana sy finoanoam-poana (fifadian-kanina, fameperana ny zavatra hohanina, zavatra tsy azo kasihina, sns.) dia afoy ka soloina ny fahafahana kristiana (16, 17, 20-22) ;

  •         ny fivavahana amin’ny anjely (18-19), izay fahavetavetana ;

  •         ny fampahorian-tena na fampijaliana ny vatana ; nefa tsy misy vidiny mihitsy izany ary natao hahafa-po ny nofo fotsiny ihany (23).

 

 

Toko 3 sy 4 : Fiantraikan’ny toeram-baovao ao amin’i Kristy  —niara-natsangana tamin’i Kristy—  eo amin’ny fandehan’ny mpino ; fifanakalozana feno fitiavana eo amin’ny tenan’i Kristy

Toko 3 – Koa satria niara-natsangana tamin’i Kristy isika, dia ao aminy ny fiainantsika ; ary satria Izy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitodika any amin’ny “zavatra any ambony” ny fisainantsika (and 1-4). Amin’izany dia avelantsika ho faty ao anatintsika izay rehetra avy amin’ny nofo, nananantsika talohan’ny fiovam-pontsika (and 5-7). Afointsika izay rehetra mamaritra ny toetran’ilay olona taloha ao amintsika, dia hiseho ny toetran’ilay olona vaovao, izay mitovy endrika amin’i Kristy (and 8-11).

 

Rehefa avy niresaka ireo vokatry ny fahafatesantsika sy fitsanganantsika niaraka tamin’i Kristy i Paoly, dia milaza fa antsoina isika hanome taratr’ireo toetra rehetra ananan’i Kristy (and 12-15). Rehefa fenon’ny Tenin’Andriamanitra isika vao ho afaka manatanteraka izany, tsy isambatanolona fotsiny, fa miaraka ihany koa (and 16-17).

 

Dia tonga amina fampirisihana tena azo ampiharina i Paoly, momba ny fifandraisana ara-pianakaviana sy ara-piarahamonina, mba hahafaly ny Tompo (and 18-25 ; 4. 1) :

  •         Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo

  •         Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy

  •         Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra ; fa ankasitrahina ao amin’ny Tompo izany

  •         Ianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy

  •         Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo, amin’ny zavatra rehetra.

 

Toko 4 – Ampirisihin’i Paoly ny Kolosiana hivavaka, indrindra mba hielezan’ny fahamarinana momba ny Fiangonana, izay asa fanompoany manokana (and 2-4). Ampirisihiny koa izy ireo ho mendri-piderana ny fijoroana ho vavolombelona asehony amin’ny fandehany eo amin’izao tontolo izao (and 5-6). Avy eo izy dia manafatrafatra ny handraisana tsara ireo mpitondra ny taratasiny (and 7-9).

 

Dia manaraka ireo fanaovam-beloma marobe (and 10-18), mampiseho ny fifamatorana akaiky mampiray ny fiangonana isan-toerana sy maneho ny fiaina ny maha iray ny tenan’i Kristy.

 

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

“Misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany” (1. 12-13)

 

“Izy (Kristy) no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” (1. 15)

 

“Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana... mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy” (1. 18)

 

“Fa ao amin’ny tenany (Kristy) no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” (2. 9)

 

“... ny Loha... no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara ..., araka ny fampitomboan’Andriamanitra” (2. 19)

 

“Saino ny zavatra any ambony... Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy, ao amin’Andriamanitra” (3. 2-3)

 

“Aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany” (3. 14)

 

“Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo” (3. 16)

 

“Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira” (4. 6).

 

LGEA

class=WordSection2>