MAHATAKATRA

 ny Epistily ho an’ny Galatiana

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1- Fampidirana

2- Votoatin’ny epistily

Toko 1 sy 2 : Paoly manambara ny fahefany ho apostoly sy ny Filazantsara

Toko 3 sy 4 : Ny fifanoheran’ny lalànan’i Mosesy sy ny fahasoavana nentin’i Jesosy Kristy

Toko 5 sy 6 : Ny fandehan’ny kristiana dia araka ny fahasoavana fa tsy araka ny Lalàna

3- Andininy tsara ho fantatra

 

1 Fampidirana

 

Vokatry ny asa fanompoan’ny apostoly Paoly, dia nisy fiangonana niforona tao amin’ny faritr’i Galatia, any afovoan’i Azia Minora, izay nandalovany indroa fara fahakeliny (Asan’ny Apostoly 16. 6 ; 18. 23). Nisy mpampianatra sandoka, mifikitra amin’ny fombam-pivavahana jiosy, nandalo taorianany ary namitaka ireo mpino, nitarika azy ireo hiverina indray ao amin’ny sehatry ny rafitra jiosy, eo ambanin’ny lalànan’i Mosesy. Ny tian’ireo mpampianatra sandoka ireo hatao dia ny hanery ireo olom-boavidin’i Kristy hoforaina, ka amin’izany izy ireo dia hanafoana ny fahafahana kristiana ananany.

Mba hahavitany izany, dia voatery izy ireo nandresy lahatra ny mpino fa ny fahefan’i Paoly sy ny hafatra entiny dia miankina amin’ireo apostoly hafa sy amin’ny lalànan’i Mosesy  —fanambaniana ny asan’ny apostoly Paoly izany. Aminy dia toy ny hoe tsy maintsy mamerina indray ny asany izy, satria nopotehina tanteraka izany (4. 19). Lazainy fa adala ny Galatiana, satria an-dalam-pialana amin’ny Filazantsaran’ny fahasoavana ka hiverina indray amina fivavahana mifototra amin’ny asa (3. 1). Manoloana fanafihana toy izany ataon’ny fahavalo, dia manoratra ity epistily tena hentitra ity i Paoly, satria gaga mahita ny Galatiana niverin-dalana ka nametra-tena ho eo ambany lalàna indray.

 

2 Votoatin’ny Epistily

 

Toko 1 sy 2 : Paoly manambara ny fahefany ho apostoly sy ny Filazantsara

Ao amin’ireo toko roa voalohany ireo dia hiezaka i Paoly hanaporofo fa ny fahefany sy ny Filazantsara toriny dia tsy miankina velively amin’ny rafitra jiosy. Koa hotsindriany fa avy amin’Andriamanitra ny fanendrena azy ho apostoly, sady hampahatsahiviny fa izy koa dia nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra, ary niezaka ny hamotika izany mihitsy aza, noho ny firehetam-pony be loatra hiaro ny fomban-drazana. Nefa rehefa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Filazantsara amin’ny jentilisa izy, dia neken’ireo apostoly hafa teo no ho eo ; ary nisy aza tranga nahavoatery azy hanohitra ny apostoly Petera, izay nihatsaravelatsihy noho ny fahatahorany ny Jiosy, ka tsy nampiseho ny toetra hentitra nilaina, mba hifidy ny fahafahana ao amin’i Kristy fa tsy ny fanarahana ny lalànan’i Mosesy.

 

Toko 1- Vao eo amin’ny fiarahabana (and 1-5) dia hamafisin’i Paoly ny fahefana maha apostoly azy, fahefana avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’ny olona. Tsy nivaona izy fa nanambara tamin’ny Galatiana ny Filazantsara madion’i Kristy, ary gaga fa niala faingana tamin’izany izy ireo, ka nihaino olona nanambara zavatra hafa tanteraka. Nanonona ozona manetriketrika izy  —« aoka ho voaozona »— ho an’ireo namitaka ny mpino tamina filazantsara navadika (and 6-10). Izy kosa dia afaka nilaza fa nandray mivantana ny Filazantsara avy tamin’ny Tompo, tamina fanambarana, nantsoin’Andriamanitra sy natokany hitory izany. Marihiny tsara fa efa nesorina tao amin’ny fivavahana jiosy izy ary tsy miankina afa-tsy amin’ny Tompo, fa tsy amin’ireo apostoly hafa (and 11-24).

 

Toko 2- Efa ela taorianan’ny niovany fo i Paoly vao nanambara tamin’ireo apostoly hafa ny Filazantsara noraisiny tamin’ny Tompo ary notoriny tamin’ny jentilisa (ny tsy Jiosy) (and 1-2). Tany Jerosalema dia izy ireo ihany no namelabelarany izany, fa tsy ny olon-drehetra, mba hisorohana ny mety ho tsy fitovian-kevitra asisik’ireo rahalahy sandoka nifangaro an-tsokosoko tamin’ny mpino sy nitsikilo ny fomba nampiasany ny fahafahany tao amin’i Kristy, mba hanandevozana azy ireo amin’ny lalànan’i Mosesy (and 3-5). Petera, Jakoba ary Jaona, ireo apostoly telo lehibe indrindra, dia resy lahatra fa avy tamin’ny Tompo no nandraisan’i Paoly ny Filazantsara hotorina amin’ny jentilisa, ka ny hany nataony noho izany dia ny naneho ny fiombonany tamin’ny asa fanompoan’i Paoly, tamin’ny fanolorany ny tanana ankavanan’ny fihavanana taminy (and 6-10). Lavitra an’i Paoly ny hoe hofehezin’ny apostoly ; fa izy aza nanakiana an’i Petera tamina tranga iray nahadiso azy, namela ny olona hino fa niala tamin’ny fahafahana nomen’ny fahasoavana izy, mba hanaraka ny lalànan’i Mosesy. Fiverenan-dàlana izany, tsy fanajana ny asa nataon’i Kristy (and 11-18). Isika anefa niara-maty tamin’i Kristy, Ilay Mpisolo toerana antsika ; koa tsy manana fahefana amintsika intsony ny Lalàna, miaina ny fiainan’i Kristy isika, ary miaina amin’ny finoana (and 19-21).

 

Toko 3 sy 4 : Ny fifanoheran’ny lalànan’i Mosesy sy ny fahasoavana nentin’i Jesosy Kristy

Asehon’ny apostoly Paoly ao amin’ireo toko roa ireo fa ny fihevitr’Andriamanitra dia ny hitahy ny olona rehetra rehefa manana finoana izy, fa tsy noho ny Lalàna, izay fitondrana nihelina ihany mahakasika ny Israely, mba hampiharihariana fa mpanota ny olombelona. Asehon’ny apostoly amin’izany ny fahadisoan’ny fivavahana kristiana mifototra amina fanarahana lalàna. Voavonjy ny Galatiana, tsy tamin’ny fanajana antsakany sy andavany ny lalànan’i Mosesy, fa tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ao amin’ny Fanahy Masina. Na i Abrahama aza dia nandray ny fitahiana noho ny finoana, fa tsy noho ny Lalàna, izay efajato taona tatỳ aoriana vao nomena. Ny lalànan’i Mosesy dia tsy afaka mitondra afa-tsy ozona, ho an’ny mpanota ;  fa Kristy kosa dia tonga voaozona nisolo toerana antsika, ary nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny lalàna. Araka izany, ny Lalàna nomena an’i Mosesy dia tsy nahafoana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, efajato taona tany aloha ; mifanohitra amin’izany aza, fa toy ny mpitaiza ny Lalàna, ka mitondra ny olona ho eo amin’i Kristy, satria mandresy lahatra azy fa mpanota izy. Ary izao, satria efa tonga i Kristy, ilay toetra fahazaza fehezin’ny Lalàna (« aza manao izao ») dia tsy maintsy soloina  fifandraisana ray sy zanaka ao anaty fahafahana sy fandraisana andraikitra, satria efa « zanaka natsangana » isika izao.

 

Toko 3- Asain’i Paoly lazain’ny Galatiana mazava hoe nahoana izy ireo, izay nanomboka tamin’ny finoana, no manohy amin’ny nofo indray ankehitriny, amin’ny fanaovana asan’ny lalàna (and 1-4). Apetrany eo anoloan’izy ireo ny ohatra nomen’i Abrahama, izay nohamarinina tamin’ny finoana ary nomena teny fampanantenana fa finoana ihany koa no hitahiana ny jentilisa (and 5-9). Ireo izay manantena hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambany fanozonana, satria tsy mahavita mankatò ny Lalàna manontolo. Kristy no efa nanavotra antsika tamin’izany, noho Izy tonga voaozona ho antsika (and 10-14). Satria tanteraka tao amin’i Kristy ireo teny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, dia tsy azon’ny Lalàna foanana (and 15-18). Ny Lalàna dia nomena mba hampiharihary fotsiny ihany ny ota (amin’ireo fandikana ny Lalàna) (and 19-22). Na izany aza dia mpitarika izy mandra-pahatongan’i Kristy, fa aorianan’izay, dia tsy mpitarika intsony izy. Ankehitriny, izay olona rehetra mino an’i Kristy dia manana tombontsoa ho tonga zanak’Andriamanitra, izany hoe mifandray amin’Andriamanitra toy ny zanaka amin’ny Rainy (and 23-29).

 

Toko 4- Ny fotoanan’ny Lalàna dia oharin’i Paoly amin’ny fotoana mbola maha zaza sy fehezina ny mpandova. Rehefa tapitra io fe-potoana io, dia afahana amin’ny fifehezana azy amin’izay ilay mpandova. Amin’ny alalan’i Kristy no nanafahana antsika tamin’ny fifehezan’ny Lalàna, ka mahatonga antsika ho mpandova ny teny fampanantenana. Ny Fanahy nomena antsika no mampahita antsika ny hatsaran’ireny fampanantenana ireny (and 1-7).

Ahoana moa no nahatonga ny Galatiana hiverin-dalana ka nametraka ny tenany ho eo ambany lalàna indray (and 8-11) ? Nahoana izy ireo, izay mba tena tia an’i Paoly ihany, no nanaiky hiala tamin’ny fampianarana ny fahasoavana nomen’i Paoly, ka nanaraka mpampianatra sandoka maty eritreritra (and 12-18) ?                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                    Manahy i Paoly momba azy ireo (and 19-20). Ny toerana misy azy ireo dia ohariny amin’ny toerana nisy an’i Isaka, ilay zanaka araka ny teny fampanantenana, izay nenjehin’i Ismaela, ilay zanaka araka ny nofo (and 21-31).

 

Toko 5 sy 6 : Ny fandehan’ny kristiana dia araka ny fahasoavana fa tsy araka ny Lalàna

Ao amin’ireo toko roa ireo dia asehon’i Paoly ny fifanoherana misy eo amin’ny fandeha ambany fahasoavana sy ny fandeha ambanin’ny Lalàna. Ny voalohany dia tarihin’ny Fanahy ao amin’ny fitiavana sy fahafahana ; ny faharoa kosa dia fanandevozan’ny nofo, mitondra ho amin’ny ozona. Koa hazavain’ny apostoly fa ny fahafahan’ny kristiana dia manilika ny famorana, satria izay manaiky hoforaina dia voatery manaja ny Lalàna manontolo. Na izany aza anefa, io fahafahana io dia tsy midika hoe filibana na fikorontanana, izany hoe tsy fahazoan-dalana hanao ratsy tsy akory. Ny fahafahana araka ny Fanahy dia mifanohitra tanteraka amin’ny « fahafahana » heverin’ny olombelona voamariky ny ota. Ny fahafahana anton’ny nanafahan’i Kristy antsika dia mahatonga antsika hitondra ny vokatry ny Fanahy (fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po...), rehefa manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo.

 

Toko 5- Raha nanaiky hoforaina ny Galatiana, dia niverina indray teo ambany ziogan’ny lalànan’i Mosesy, ka tsy maintsy manaja manontolo io lalàna io. Niongana tsy nitoetra tao amin’ny fahasoavana izy ireo. Homelohina ireo izay nitarika azy ireo ho amin’izany làlana izany (and 1-12). Ampirisihin’i Paoly izy ireo hiverina ka handeha ao amin’ny fahafahana, ny fitiavana, fa tsy araka ny nofo (and 13-15), satria mifanohitra ny nofo sy ny Fanahy. Noho izany dia tokony handeha amin’ny Fanahy ny mpino. Ny fandeha araka ny nofo na araka ny Fanahy dia samy hita amin’ny vokatra entiny (and 16-26).

 

Toko 6- Ampirisihin’i Paoly ireo olona iresahany mba handeha amin’io lalan’ny fahasoavana io, sady ampirisihiny koa hifampiahy sy hitsinjo ireo izay mampianatra (and 1-6). Ampahatsahiviny azy ireo fa mbola hadinina momba ny fitondrantenany ny tsirairay (and 7-10). Tsindrian’i Paoly ny lanja omeny ity epistily ity, satria nosoratany tamin’ny tànany mihitsy.

Ny amaranany ny taratasiny dia fanoroana azy ireo ny tsiambaratelon’ny fandeha kristiana : ny hazofijalian’i Kristy. Ireo izay mampitabataba azy ireo dia tsy mahazaka ny fahafaham-baraka noho izany, fa izy kosa dia mirehareha satria voahombo miaraka amin’i Kristy (and 11-18).

 

 

3     Andininy tsara ho fantatra

 « Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao » (1. 3, 4)

 

« Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy » (2. 20)

 

« Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (3. 11)

« Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy » (3. 13)

 

« Nirahin’Andriamanitra ny Zanany... hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganana anaka. Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô » (4. 4-6)

 

« Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika » (5. 1)

« Aoka tsy hoentinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany » (5. 13)

« Mandehana araka ny Fanahy » (5. 16)

 

« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po » (5. 22-23)

 

« Izay afafin’ny olona no hojinjainy» (6. 7)

« ... ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao » (6. 14).

 

 

LGEA