NY FISAFIDIANANA IZAY HO VADY

 

W. Zutter

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

Teny mifanaraka amin’izao vaninandro izao,

atolotra ny mpino tanora

 

 

Ankoatra ny fiovam-po, dia tsy azo iadian-kevitra fa ny fisafidianana izay ho vady no dingana lehibe indrindra eo amin’ny fiainan'ny tanora kristiana mihevitra ny hanorina tokantrano. Noho izany dia heverinay fa mety  ny hamelabelarana hevitra vitsivitsy momba io lohahevitra mafonja io.

Ny fitarihana ny mpino tanora maro momba ny toetra anaty maha-olona angamba no tsy ampy, fa tsy ny fahavononana hanao ny tsara tsy akory. Noho izany dia tandindomin-doza izy ireny, koa tianay ny mampitandrina azy, mba tsy hiharan’ny fahavoazana goavana ara-panahy mety hanjo ny ankohonana vao haorina, noho ny tsy fahalalany. Satria mampalahelo fa betsaka loatra ny tokantrano mitondra fahoriana, na dia eo amin’ireo zanak’Andriamanitra aza, dia ilaina ny miverina mihitsy hatrany amin’ny fiandohan’ny fifankatiavana, amin’ny ankamaroan’ny tranga, mba hahitana ny anton’io toe-javatra mahonena io.

Koa ity fanontaniana ity no hiara-hodinihintsika : “Ny tenin’Andriamanitra ve manoritra mazava tsara, ho an'izay mitady izany an-kitsim-po, ny lalana tokony izorany izay antoky ny fahasambarana tadiaviny ?” Ny valinteny tokana amin’izany fanontaniana izany dia “eny” hentitra sy mazava. Ny Genesisy 24, izay ahitantsika tantara mampihetsi-po momba ny fangataham-bady iray, no raisintsika ho fototra amin’ny fandalinana ataontsika. Ny fomba nitantarana izany amintsika dia mitondra fampianarana maro ho antsika. Tsy ho raisina manontolo amin'ny antsipiriany tsy akory ny toko, fa izay andininy manamafy ny lohahevitra dinihintsika ihany.

Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia maneho amintsika ny hakanton’ny toe-panahin’i Abrahama, ilay ray, ny an’i Eliezera mpanompony, ary ny an’i Isaka, ilay zanaka. Tsy isalasalana fa hitantsika ao amin’i Abrahama ny tandindon’ilay Raintsika any an-danitra, ao amin’i Eliezera mpanompony, ny Fanahy Masina nirahina hitady ilay ho vady. Farany, Isaka no maneho ny mpampakatra mampandroso ny ampakarina ho ao an-trano. Marina fa tsy hitantsika eto ny maha lavorary tanteraka ny fifandraisana zanak’Andriamanitra amin’ny Rainy any an-danitra, kanefa ireo toetra ifotony misongadina amin’ireo andalana ireo dia manana ny lanjany tsy hay tombanana ho an’ny fandinihantsika. Raha takatsika tsara ny hery ara-panahy teo amin’ny toerana nisy ireo olona telo ireo, sy ny fihetsika nataony, dia ho mora amintsika ny mamantatra ny foto-kevitra fonosin’ny andinin-tSoratra Masina noraisintsika sy ny mampihatra ireny ho fitsipi-pitondran-tena. Amin’izay fotoana izay, ry rahalahy malala, raha anisan’ireo voalaza fa “ao am-pony ny làlana” ianao, dia ho afaka hiaina tokoa ny fanambadiana sambatra sy feno fitahiana. Raha mandroso aminao hevitra hodinihina izahay, dia tsy mihevitra velively ny hitondra fitsipika henjana sy mampiseho fahateren-tsaina tsy akory : samihafa mandrakariva ny zava-mitranga iainan’ny olona, ary Andriamanitra dia mitantana manokana ny tsirairay.

 

Voalohany indrindra, dia tianay faritana ny adidy hiantsorohan’ny lehilahy mitady vehivavy ho vadiny. Aoka ny ohatra tsara asehon’ny fianakavian’i Abrahama no hiteny ao am-pontsika ! Tonga ny fotoana, ho an’i Isaka, mba hahitany izay ho mpanampy sahaza azy. Atao ahoana anefa ny hamaliana io hetahetam-pony io, satria izy sy ny rainy dia voahodidina olona tsy mino an’Andriamanitra ? Notandindomin-doza hanao safidy tsy araka ny sitrapon’ny rainy i Isaka, ary loza mitatao amin’ny tanora rehetra ankehitriny koa izany.

Tsy hanana fahatakarana toy izany raha tsy miaina fiombonana tsy misy aloka miaraka amin’Andriamanitra. Izany no antony hitadiavan’ny mpino tsirairay hahafantatra, amin’ny vavaka sy ny fiandrasana am-paharetana, ny sitrapon’Andriamanitra momba ny hoaviny.

Ny manao tsirambina izany dia mankahatra loza hateraky ny faniriany sy ny fihetseham-pony amin’ny maha olona azy. Alohan’ny zavatra rehetra, dia ilaina ny mahafantatra raha tena tokony hiroso amin’ny lalan’ny fanambadiana na tsia. Raha toa tsy misy olana manokana amin’ny ankapobeny izany, satria manaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy araka ny toetra maha olona, dia ilaina ihany ny mandanjalanja tsara ny tranga rehetra eo anatrehan’ny Tompo.

Tsy tokony heverina mihitsy hoe i Isaka dia zanaka tsy manana hazon-damosina ka manaraka fotsiny ny sitrapon’ny rainy. Firaisam-po tena feno hasambarana eo amin’ny ray sy ny zanaka no misy eto. Fantatr’i Isaka fa tia azy ny rainy, ary mamaly fitia toraka izany koa izy. Fantatry ny rainy avokoa ny momba azy rehetra. Azontsika heverina fa tafiditra tao anatin’ny dinidinika manokana nifanaovan’izy mianaka ny faniriana hahita izay ho vady. Teo ny fahendrena rehetra sy ny harena nananan’ilay ray, mbamin’ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, mba handraisan’ny zanaka ny fitahiana sy ny fifaliana, ary nahasambatra azy tokoa, hany ka mety tsy ho tonga tao an-tsainy akory aza ny hanao izay hampalahelo ny rainy, amin’ny fanarahana lalan-diso na ny hisafidianana hanao ny sitrapony manokana.

Sambatra izay nandray tamin’ny finoana izany toerana sarobidy ananan’ny zanaka sy mpandova an’Andriamanitra izany, izay misitraka ny fifandraisan’ny zanaka malala amin’ny ray, sy ny tombontsoa rehetra entin’izany (Romana 8:14, 17). Apetrany an-tsitrapo ny hoaviny ho eo ampelatanan’ilay Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay nahazoany ny harena rehetran’izao famonjena lehibe izao, sady nitantana azy hatramin’izay. Iza no afaka hitahy azy mihoatra noho Izy ! Hitantsika atỳ aoriana hoe tsy i Isaka no nanomboka nihetsika, fa i Abrahama. Izy no niteny tamin’ilay mpanompony, nanome azy toromarika mazava, ary niara-nanatona an’i Jehovah izy ireo, nahatsapa ny maha zava-dehibe ny iraka ampanaovina, izay hanova ny fiainan’i Isaka. Tsy nisy fanontaniana napetraka tamin’ity farany, ary na izy aza dia tsy nanao fanamarihana velively momba ny fihetsiky ny rainy. Manaiky tanteraka ny sitrapon’ny rainy izy, na dia ny hoaviny sy ny tombontsoany manokana aza no handraisana fanapahan-kevitra. Tsy maintsy ampanginina ny sitrapo manokana ; ny fianteherana amin’Andriamanitra sy ny fanatrehany ihany  no hahatanteraka ny fandaharany, izay hisy vokany manan-danja lehibe tokoa.

Ny fanatanterahana ireo fahamarinana ireo, izay indrisy fa matetika tsy dia fantatra loatra, no ahitana fampianarana lalina sy mahasoa ; anisan’ny tsiambaratelon’ny fiainantsika manokana miaraka amin’Andriamanitra izany. Mari-dàlana tsy hay hadinoina izany etỳ an-dàlan’ny fivahiniantsika etỳ. Ny mpino iray maniry hanorina ny tokantranony ho mafy dia tokony hiandrandra ny handeha eo anatrehan’i Jehovah aloha, tahaka an’i Abrahama sy Eliezera, izany hoe hisitraka ny fiombonana amin’Andriamanitra ary hitoetra eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina. Ry zatovo, raha mahafeno ireo fepetra ireo ianao, dia hohazavain’Andriamanitra ny fiainanao, toy ny masoandro mamakivaky ny rahona. Hasehony anao mazava, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay tokony hataonao, raha tokony hitady zazavavy ho vady ianao, ary aiza no hahitanao azy. Tsy afaka na oviana na oviana hisafidy zazavavy iray zanak’ireo jentilisa niara-nonina taminy i Abrahama. Na dia tsara toe-tsaina amam-panahy aza izy ireo, ary na dia tsara aza ny fiaraha-monina, dia “tsia” hentitra no tenin’i Abrahama !

Mety ho tian’i Isaka ihany angamba ny zazavavy kananita, nefa tsy nilain’izy ireo, ary angamba tsy fantany akory aza, ny fisarahana amin’izao tontolo izao, ny fitsaohana ilay Andriamanitra velona, ny fitahiana entin’ny teny fikasan’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe miala amin’ny fanambadiana toy izany no faniriana tao amin’i Abrahama, fa didy masin’Andriamanitra ihany koa izany. Ahoana moa no hahasambatra an’i Isaka raha manaraka izany lalana izany izy ? Zava-dehibe loatra tamin’i Abrahama io fepetra io ka nampiarahiny tamina fianianana mihitsy. Izay azo ekena ho vadin’ny zanany dia zazavavy manana rohim-pihavanana aminy —amin’ny lafiny ara-panahy— anatin’ny ankohonan’Andriamanitra, voafidy tao aminy fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao (Efesiana 1:4), nateraka tamin’ny rano sy ny Fanahy, manana ny fomban’Andriamanitra sy ny hajan’ny lanitra. Takatry ny tsirairay ve ny tsy maintsy hanarahana izany fitsipi-pitondrantena izany ? Maro tokoa ny fakam-panahy eto amin’izao tontolo izao, kanefa dia miseho, amin’ny fomba kanto tsy fahita firy eto indrindra, ny halehiben’ny fitiavana sy ny fikarakaran’i Abrahama ny zanany. Heverinao ve, ry zandry malala, fa tsy mihevitra ny fiadananao manokana ny Rainao any an-danitra ? Tsy tianao ve, tahaka an’i Isaka, ny hametraka eo am-pelatanany, am-pahatokiana tanteraka, ny zavatra mamin’ny fonao indrindra, mba hahafahany mandrotsaka ao ny fifaliany sy ny fitahiany ? Ny sitrapo sy ny toetra maha olona dia mitaky ny zony rehefa manoloana toe-javatra toy izany ; fa tsy izany no nitranga eto amin’ity tantara dinihintsika ity.

Hijanona eo amin’ny fanamarihana nataon’i Eliezera eo amin’ny andininy faha-5 isika : “Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ity tany ity ny vehivavy”. Mety hisy zazavavy hanaiky ho vadiny ihany angamba, raha afoin’i Isaka ny toerana feno fitahiana misy azy, ary miverina any amin’ny tany efa nilaozan’ny rainy izy. Moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ny tany izay nialanao va aho ? Io fanontaniana io dia nanesika an’i Abrahama hitondra fanazavana misimisy kokoa, izay tokony hisarika feno ny saintsika. “Tandremo…” hoy izy nanantitrantitra tamin’ilay mpanompo. Hentitra tokoa izany !

Ny tanora mpino dia tsy maintsy mitandrina ny amin’ireto toe-javatra roa loha ireto : tsy ho voasariky ny tovovavy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy (izany hoe eo amin’izao tontolo izao), na ireo nifanerasera taminy talohan’ny fiovam-pony, mbola izao tontolo izao ihany izany fa amin’ny endriny hafa. Iretsy voalohany dia ho vonona hanaraka azy sy handray ny fomba amam-panaony noho ny fitiavana. Mety hiseho ho vonona hamaky sy hihaino ny Tenin’Andriamanitra izy ireny, nefa tsy vonona hanaiky, amin’ny alalan’ny fibebahana, ny hery manadio ananan’ny  ran’ny Tompo Jesosy. Ekeny tsara ireo tombontsoa ananan’ny tena mpino, ekeny ihany ny handefitra, nefa mandà ny hanolo-tena ho an’i Kristy kosa izy. Iretsy voalohany dia mety hitondra ny fisainan’izao tontolo izao ho ao an-dain’i Isaka. Iretsy sasany kosa dia hisarika azy hiverina any amin’izao tontolo izao. Ry tanora, hiatrika ireo fakam-panahy roa loha ireo koa ianao, noho izany dia mamerina aminao izahay hoe : “Tandremo…” ! Tsy ny rahalahy tanora ihany no iantefan’io fampitandremana io, fa ny anabavy tanora ihany koa. Firifiry moa ireo tovovavy mpino nangatahana tovolahy manan-kajan’izao tontolo izao ho vady ! Ary satria ny fo tsy misitraka loatra ny fiombonana amin’ny Tompo, dia tsy nisy ilay hery nilaina hanoherana ny fakam-panahy. Toy izany, amin’ny ankapobeny, no fiantombohan’ny lalana, mety tsy ho noraisina raha taoriana kely fotsiny, nefa ankehitriny dia tsy maintsy hizorana hatramin’ny farany.

Ny fanatanterahana ny sitrapon’i Abrahama, izay naniry hahita namana eo anilan’ny zanany, dia tsy tokony hanohintohina ny fiadanam-pon’i Isaka. Tena ny mifanohitra amin’izany aza, io vadiny io dia tokony hampivelatra ny fiainany, ary ho fanaka hampiasain’Andriamanitra hanatontosany ny teny fikasany. Tsy ampy ny hoe manana rohim-pihavanana amin’i Abrahama io vehivavy io, fa tsy maintsy vonona ny haka io toeram-pitahiana io miaraka amin’i Isaka ihany koa izy. Koa tsy azo heverina velively ny hoe “hiverina”. Aleon’i Abrahama ny zanany hitoetra irery nefa sambatra, toy izay hahita azy miaraka amina vady ivelan’ny sehatry ny fisarahana amin’izao tontolo izao, sady tsy manana fiombonana amin’Andriamanitra.

“Tena zava-dehibe tokoa ve izany ?” hoy angamba ny sasany. Ireo zanak’Andriamanitra tsy nankatò io didin’Andriamanitra io no tena hahay hamaly izany fanontaniana izany. Novidin’izy ireo lafo io dingana mampalahelo mitondra fahantrana ara-panahy sy fahoriana maro io. Raha nitoetra irery izy ireny, kanefa nisitraka ny fiombonana tamin’ny Tompo, dia ho sambatra sy hamokatra kokoa ny fiainany. Eo amin’ny andininy faha-7, i Eliezera dia ampaherezin’i Abrahama, nampahatsiahiviny azy ireo fikarakaran’Andriamanitra rehetra, sy nilazany hoe : “Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao”. Tsy talanjona ve isika mahita ny zavatra rehetra niara-niasa mba hahasambatra an’i Isaka ? Hitantsika ilay ray mitantana ny hoavin’ny zanany lahy, ilay mpanompo manatanteraka ny baiko, ary ny anjelin’i Jehovah mialoha lalana azy. Ry mpamaky malala, tsapanao ve ireo zavatra rehetra azo ampiasaina eo am-pelatananao ? Manana Ray any an-danitra mampahafantatra aminao ny sitrapony ianao, manana ny Fanahy Masina mitarika anao mifanaraka tanteraka amin’izany sitrapo izany. Na i Davida aza dia afaka nihira hoe : “Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy” (Salamo 34:7). Ilay Rainao any an-danitra dia tsy hoe te hisintona anao hivoaka hiala amin’izao tontolo izao fotsiny ihany, fa mbola te hanazava anao eo amin’ireo fanapahan-kevitra rehetra horaisinao sy hisafidy mihitsy eo amin’ny toeranao aza, raha mikatsaka ny sitrapony ianao. Toy izany no natao tamin’i Isaka, ary ho toy izany hatrany.

Hatreto, na razazalahy na razazavavy dia tsy mbola nandray anjara tao anatin’ny trangan-javatra tantaraina amintsika. Mbola eo amin’ny sava-ranon’ando fanomanana hatrany isika, fa tsy nikasika ny votoatin-draharaha. Ny rahalahy maniry hizotra amin’ny lalan’ny fanambadiana dia tsy maintsy mikatsaka ny tavan’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka, sy ho resy lahatra amin’izay voalaza tetsy ambony, mialoha ny hamelany ny fitiavany hitosaka sy hijereny zazavavy iray. Izay mpamaky maniry handeha amin’ny fahazavan’ireo fitsipika fototra ireo, noho ny vokatra madio avy amin’ny fahasoavana, sady manaiky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fitarihin’ny Fanahy Masina, dia tsy hanana ahiahy momba ny hoaviny.

Hoezahantsika takarina, eo amin’ny lafiny fampiharana, ny lanjan’ny fihetsiky ny mpanompon’i Abrahama, ary koa ireo toromarika omena antsika eo amin’ny andininy faha-10. Ity misy rahalahy mifanerasera akaiky amin’Andriamanitra. Mahafantatra mazava tsara ny sitrapony izy, ary entanin’ny faniriana masina hitady tovovavy mendrika eo amin’ireo zanak’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Koa dia miainga izy ary manantena hifanena tsy ho ela amin’ny tovovavy tadiaviny. Kinanjo, tojo fahasahiranana izy, tahaka an’i Eliezera, satria indreo tovovavy maromaro no mifanena aminy. Io olana io dia azo vahana amin’ny fomba maro. I Eliezera dia afaka niandry mba hahita ireo tovovavy rehetra sy hifampidinika taminy tsirairay, hamantatra ny momba azy ireo, mbamin’ny zavatra ananan’izy ireo, ary avy eo vao hanao ny safidiny.

Mety ho nifanaraka tsara amin’ny toromarika hentitra nomen’i Abrahama izany rehetra izany, kanefa hahazo vahana ihany koa ny sitrapo manokana. Ny 1 Korintiana 10:23 dia mampianatra hoe : “Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa”. Ny fananana harena mandalo dia mety ho fitahiana, raha ny Tompo no manome azy, kanefa hiteraka fahantrana ara-panahy izany raha toa ka miraikitra aminy ny fo. I Eliezera dia maneho mpino iray tsy manontany ny nofo aman-dra. Tsy ampy ny manatanteraka antsakany sy andavany ny iraka ampanaovina azy, momba ny firenena sy ny rohim-pihavanana ; ny fisafidianana ilay olona dia tsy maintsy avela tanteraka ho araka ny sitrapon’Andriamanitra (jereo ny andininy 12-14).

Mila fahendrena sy fiankinana tanteraka rehefa hisafidy izay ho namana. Ry sakaiza malala, aza atao tsinontsinona ny ohatra asehon’i Eliezera, mazotoa mivavaka, mivavaha alohan’ny hahatongavan’ny tovovavy eo “amin’ny fantsakana”, izany hoe alohan’ny handinihinao ny iray, na ny hafa, sy hanaovanao dingana, kanefa mbola tsy azonao antoka fa ny iray amin’ireo no anjara nomanin’Andriamanitra ho anao. Lazao eo anatrehany ny ao am-ponao rehetra, toy ny zanaka malalany, arosoy eo aminy ny fangatahanao, fa “fantatry ny Rainareo any an-danitra izay tokony ho anareo”.

Izay manaraka ny ohatra nomen’i Eliezera dia tsy ho tratran’ny tsy nampoizina mihitsy eo amin’ny fihetsika hataony manoloana ireo zazavavy. Tsy hanilika azy ireo amin’ny fomba mandratra izy, fa hahay ny tsy hanafintohina na iza na iza amina fihetsika tsotra hitarihin’ny Fanahy Masina azy. Ary dia hiaina ny valim-bavaka mahagaga omen’ Andriamanitra izy, satria hatorony izay vady nomaniny ho azy. Tsotra tokoa ny famahana ireo olana sarotra indrindra, rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra !

Vao tapitra ny tenin’i Eliezera dia tonga teo am-pantsakana i Rebeka hanatanteraka ny asa fanaony andavanandro. Mijoro irery eo anoloany izy, mampiseho mazava amin’ny teniny sy ny fihetsiny fa nivaly ilay vavaka natao tamin-kafanam-po. Hitany fa ity no ilay nomanin’i Jehovah ho an’i Isaka. Nahatonga ity mpanompo mahatoky ity ho gaga tanteraka izao tranga niainany izao (and 21). Mora noho izay niheverany azy ny zava-niseho rehetra. Tsy nila nisafidy tamina zazavavy roa samihafa akory izy. Satria nanome ny toerana voalohany ho an’Andriamanitra izy, dia nampahafantariny azy haingana ilay hany tokana voafidiny, ary tsy nila nifandray tamina tovovavy hafa tao an-tanàna izy.

Ankehitriny dia afaka miaina toe-javatra mitovy amin’izany ireo tovolahy efa zatra mitondra ny adiny eo amin’ny Tompo. Tsy hifandray amin-jazavavy maro izy, fa Andriamanitra no “hamoaka” hankeo aminy ny zazavavy efa nomaniny ho azy ireo. Koa ho fantany amin’ny fitondrantenany, ny fiteniny na ny fahanginany, fa nivaly ny vavaka nataon’izy ireo. Angamba lava taminao, ry sakaiza malala, ny lalan’ny fiandrasana, kanefa tsy mamono antoka izany mba handraisanao ilay efa nomanin’ny Tompo ho anao, ary ho feno fankasitrahana ny fonao manoloana ny tsy fiovaovan’Andriamanitra. Angamba koa io tovovavy io dia anabavy ao amin’i Kristy efa fantatrao hatramin’ny ela, fa manomboka hatreo dia hiseho aminao amin’ny endriny tena hafa mihitsy izy.

Nandinika tsara an-dRebeka ilay mpanompo “sady nangina”, mba hahafantarany na efa nambinin’i Jehovah ny nalehany, na tsia. Io fihetsik’i Eliezera io dia feno fahendrena. Raha atao hoe nivaly ny vavakao, ka nasehon’ny Tompo anao mazava ilay efa nomaniny ho anao, sady feno fifaliana ny fonao, dia “aoka ianao hangina”, aza lazaina na amin’iza na amin’iza, na amin’ilay tovovavy voatondro na amin’olon-kafa ; ialao ny sitrapo manokana rehetra, mandiniha milamina ary miandrasa. Diniho am-pahamatorana, eo anatrehan’Andriamanitra, raha avy aminy ny fitiavana sy ny zavatra iainanao. Tena tsaroanao tsy misy fisalasalana ve fa mizotra amin’ny lalana marina ianao ? Raha izany dia zavatra iray sisa no tokony hatao : mamantatra ny fianakavian’ilay tovovavy, alohan’ny hamborahana ny tsiambaratelon’ny fitiavanao. Izany no hevitry ny andininy faha-23 : “Zana-jovy moa ianao ?” Sady miezaka manatanteraka ny baiko voaray amin’ny antsipiriany i Eliezera, no mitandrina sy mifehy tena, na dia eo aza ny fifaliany nifanena tamin-dRebeka. Fantany mazava fa nivaly ny vavaka nataony, kanefa tsy izany ihany, fa tsy maintsy manatanteraka ara-bakiteny ireo toromarika nomen’ny tompony azy izy, alohan’ny zavatra rehetra.

Ilaina ny mandinika vetivety ireo lafiny roa ireo, izany hoe ny baikon’ny tompony sy ny vavaka mbamin’ny vokatra mifandray aminy. Ny didy dia fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra, izay omen’ny Teniny sy ny Fanahiny. Ny vavaka dia miloatra avy ao am-po, ary amin’ny alalany no iresahantsika amin’Andriamanitra. Ny mpino tsirairay, tsy misy hafa amin’i Eliezera, dia mampiaraka ny vavaka amin’ny fanatanterahana ny didy voaray. Raha nivaly tamin’ny ampahany na feno ny vavaka nataonao, dia inoana fa fankaherezana lehibe izany, kanefa mbola tsy porofo hentitra fa io valim-bavaka io dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo. Na dia mampitolagaga aza ny valim-bavaka voarain’i Eliezera, dia tsy manome azy fahalalahana hanao ny dingana faharoa izany. Nangina izy, satria tsy maintsy notanterahina an-tsakany sy an-davany ny sitrapon’ilay patriarka. Tonga tokoa tany amin’ny tany nanafaran’i Abrahama azy izy, ary manoloana azy ihany koa ilay zazavavy nofidin’Andriamanitra, nefa nangina hatrany izy mandra-pahafantany ny fianakaviana sy ny rohim-pihavanana. Ny fahazoana antoka fa tanteraka ny baiko dia tsy miorina eo amin’ny valim-bavaka nataony ihany, fa ao amin’ny tenin’ny tompony. Mety hahazendana tokoa izany fahatanterahan’ny faniriana izany, kanefa mbola nikatona hatrany ny vavan’i Eliezera : nangina izy ary nampakatra vavaka fiderana sy fisaorana teo anatrehan’i Jehovah, satria tsy misy na inona na inona manakana ny fizotran’ny iraka nampanaovina azy intsony. Toy izany koa, ho voaaro tsy ho azon’ny fahadisoam-panantenana isika, raha mitoetra ao anatin’ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra, eny, na dia aorianan’ny valim-bavaka aza.

Izao dia andeha isika hijery vetivety anton-javatra sasantsasany mety hahasoa ny tovovavy. Ny fipetrahan’i Eliezera teo anilan’ny fantsakana dia toy ny fizahan-toetra ho an-dRebeka. Ankoatra ireo raharaha mahazatra azy, dia niatrika asa lehibe tsy nanomanana azy izy, mba hitarafana ihany koa ny toetrany. Marina fa tsy nangataka taminy afa-tsy rano kely ho an’ny tenany i Eliezera, fangatahana mora tanterahina, nefa dia nanome be lavitra izy ka nanao hoe : “Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny”. Raha toa ka rano kely hosotroiny fotsiny no nomen-dRebeka azy, dia azo antoka fa tsy ho namerina ny fangatahany izy. Avy hatrany dia ho fantany, araka ny vavaka nataony, fa tsy izy no ilay efa nomanin’Andriamanitra ho an’i Isaka. Fa teo indrindra no nisehoan-dRebeka ho ohatra ho an’ny tovovavy rehetra amin’izao vaninandro izao, ohatra mendrika ny antso mahavariana natao taminy. Tsy niantehitra tamin’ny fanampian’ireo namany izy. Tsy nanontany ihany koa izy na hisy valiny ny fisasarany na tsia ; teo anatrehan’ny asany izy, ary dia niroso avy hatrany hanatanteraka izany. Hitantsika eo aminy ny ohatra tena tsara-na tovovavy ara-panahy tsy mihevitra ny tenany fotsiny ihany, na ny zavatry ny tany, fa vonona hanompo ny Tompo ka tsy mieritreritra tambiny. Ny asa mitovy iray dia mety hanana lanjany roa samihafa ! Amin’ny rano sotroin’ny biby fiompy, dia manao ny asany andavanandro izy, ary amin’ny rano analany ny hetahetan’i Eliezera sy ny ramevany, dia manompo an’Andriamanitra izy. Toerana iray, olona iray, ora iray, siny iray, asa iray, nefa fanompoana tsy mitovy. Mety ho sanda araka ny tany ihany no ananan’ny asantsika, nefa raha atao ho an’ny Tompo izany, dia afaka hamelombelona ny fo ary hanjary ho antson’Andriamanitra. Sambatra ireo anabavy mpamaky izay afaka oharina amin’i Rebeka ! Azo antoka fa tsy ho very ny valim-pitiany. Ahoana tokoa moa no hampiasan’Andriamanitra azy, kanefa tsy hamaliany fitia azy betsaka ?

 

Ndeha hotohizantsika ny fandalinana. Hatreto dia mbola tsy nisy olona afaka nahalala ny tao am-pon’ilay tovolahy nofanina, izay resahintsika, ary ny fiafaran’ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Tompo dia tsy mbola naseho. Raha tsy maintsy hotanteraka ny tenin’Andriamanitra, dia tonga ny fotoana hilazanao ny ao am-ponao, araka ny voalaza, amin’ny fomba manetriketrika, ao amin’ny andininy 33-49. Hatramin’ity ora ity, dia tsy nisy antony tokony hamborahanao ny tsiambaratelonao na amin’iza na amin’iza, afa-tsy amin’ireo ray aman-dreninao ihany (arakaraka ny zava-misy, ny dinidinika tsiambaratelo atao amina rahalahy voazaha toetra na ray am-panahy dia mety hahasoa tokoa), ary na dia amin’i “Rebeka” aza, fa amin’ny Tomponao ihany. Fa ankehitriny kosa dia efa mahazo antoka feno noho ny finoana ianao, ary maniry hiteny eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona. Ny fonao dia hetsehin’ny baikon’Andriamanitra, voakasiky ny tsy fiovaovan’Andriamanitra, Izay niaro anao teny an-dalana sy nitarika anao hatrao an-trano. Nahita ilay tovovavy ianao, nandinika ny fihetsiny. Ankehitriny ianao, raha nanaraka ny dian’i Eliezera, dia tokony ho afaka milazalaza ny votoatin’ny fangatahanao, hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny ora itenenanao, eo anatrehan’ny ray aman-drenin-drazazavavy, izay angamba tsy manampo na inona na inona. Afaka miresaka ny fitiavanao miha-miredareda ho an’ny zanany vavy ianao, ireo ady natrehinao, ireo vavaka nataonao, ireo zavatra niainanao niaraka tamin’ny Tompo. I Eliezera dia tsy naneho ny tenany ho toy ny lehilahy marivo salosana, manolotra na te haka vady tsara. Ho an’ny fianakavian’i Betoela dia “ilay notahian’i Jehovah” fotsiny ihany no amantarana azy. Ny fitsidihanao voalohany ny tranon’ny ray aman-dreny dia tokony hamela fahatsiarovana toy izany.

Misy toetran’i Eliezera iray mbola hosinganina ihany koa. Na dia fantany tsara aza fa i Rebeka no ilay tovovavy nomanin’Andriamanitra ho an’i Isaka, dia tsy nanao fangatahana na inona na inona izy, fa namela ny fianakaviana hanapa-kevitra malalaka, na hanolotra an-drazazavavy na tsia. Tonga hatramin’ny fanekena ny sitrapon’izy ireo mihitsy aza izy, anehoany amin’izany ny haavo ara-panahy ananany.

Aoka ho marihinao tsara izao : raha misafidy izay ho fofombadinao ianao, dia tsy ny hanome fahafaham-po ny fironana araka ny maha olombelona no tokony ho voalohany, na dia mifamatotra akaiky amin’io safidinao io aza izany, fa ny hanatanteraka baiko avy amin’Andriamanitra. Ny fahatsiarovana havelanao aorianana dinidinika namborahanao ny tsiambaratelonao, amin’ny maha rahalahy ara-panahy anao, dia tokony hahatonga ilay fianakaviana hanaiky mazava fa “avy tamin’i Jehovah no nisehoan’izany zavatra izany”. Mazava ho azy fa ny zavatra iainana toy izany dia hahagaga tanteraka ireo olona rehetra voakasika, rehefa afaka mahatsinjo izy ireo, eo amin’ny fihetsik'ilay tovolahy, ny tanan’ny Tompo, izay mamatotra rohim-pianakaviana sy mampiray fon’olon-droa ho amin'ny androm-piainany manontolo. Rariny tokoa raha mila mangataka andro kely ny ray aman-dreny sy ilay tovovavy vao manome valinteny. Ahoana moa no hahafahany manapa-kevitra eo no ho eo momba ny zavatra izay niforona tsikelikely tao am-ponao ary nentinao am-bavaka hatramin’ny ela ? Ny fanampiana lehibe indrindra afaka ataonao amin-drazazavavy sy ireo ray aman-dreniny dia ny hahatonga tokoa, amin’ny fihetsikao, ny fandresen-dahatra fa “avy tamin’i Jehovah no nisehoan’izany zavatra izany”. Raha tsy feno io fepetra io, dia tsy hiposaka ny mazava. Nefa kosa, raha tontosa izany, dia afaka mitoky amin’ny fankasitrahan’ny ray aman-dreny ianao, ary heveriny ho fanatanterahana ny fihevitr’Andriamanitra ny dingana nataonao. Hifaly izy ireo amin’ny hoavin’ny zanany, ary hanohana azy, hany ka rehefa tapitra ny fe-potoana fisaintsainana lavalava na fohifohy, dia ho afaka hamaly am-pifaliana razazavavy hoe : “Handeha aho”, rehefa nanontaniana hoe : “Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao ?”. Mety ho maro angamba ireo tovovavy mpamaky no hitaintaina raha mamisavisa hoe tsy maintsy handray fanapahan-kevitra tampoka toy izany, indrindra raha toa ka tsy dia mifanaraka amin’izay nandrasany loatra ilay lehilahy mangataka azy ho vady. Moa ve havelany hoviraviraina ny tenany ka tsy hilaza izay mba heviny izy, saiky mitovy amina andevo mihitsy ? Ho takantsika ihany raha toy izany tokoa no atao aminy ; nefa zavatra hafa mihitsy raha tovolahy manaraka ny lalana nosororitsoritantsika teo aloha no tonga eo anatrehany ; koa manoloana ny sitrapon’Andriamanitra razazavavy, fa tsy ny sitrapon’olombelona, ary dia maka endrika vaovao tanteraka ny zava-drehetra. Na dia tsy maintsy heverina aza ny lafiny arak’asa, ny antom-pivelomana, ny fari-pahaizana, ny rohim-pihavanana, dia tsy ireny tsy akory no tokony haka ny toerana voalohany. Mahafantatra anabavy ao amin’ny Tompo izahay, izay ankehitriny manambady lehilahy nitondra fahadisoam-panantenana bebe kokoa noho ny hafaliana, tamin’izy nitsidika voalohany azy. Nefa naneho ny tenany ho iraky ny Tompo ralehilahy, ary nomeny fotoana ilay zazavavy mba hamboraka ny ao am-pony amin’Andriamanitra, koa ankehitriny izy dia anisan’ireo vehivavy sy reny tia vavaka, izay manana faharesen-dahatra mafy fa nahita tokoa ny vady afaka manome fahasambarana azy.

 

Koa dia tonga eo amin’ny faran’ny lalana miafina ho an'ny tovolahy rehetra mitady vady isika. Takatsika mora foana fa mameno fifaliana azy tokoa ny fanambarana farany ataon-drazazavavy. Rehefa naharitra tamin’ny fivavahana sy niaina zavatra maro tsy hay adinoina izy, dia maniry kosa ankehitriny hanana eo anilany ilay efa nomanin’ny Tompo ho azy : “Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako”. Rehefa nanaiky ny sitrapon’ny Tompo ny andaniny sy ny ankilany, ary mirindra ny fepetra ilaina, dia mety  raha tsy andrasana ela intsony ny fanatanterahana ny fanambadiana. Ny lalana narahin’i Eliezera sy ny asa notanterahany dia tantaraina amintsika amin’ny fomba kanto dia kanto, eo amin’ny andininy faha-10 ka hatramin’ny 66 ; tsy nisy tsirin-kevitra avy tamin’ny mpampakatra nolazaina mihitsy tao. Sambatra ny rahalahy mamela ny Fanahy Masina hiasa ! Eo amin’ny andininy faha-67 vao miditra an-tsehatra ilay mpampakatra ary nampandroso an-drazazavavy ho ao an-dainy ; nampakatra azy ho vadiny izy ary tia azy.

 

“Tia azy izy”. Misy teny vitsivitsy tiako ampiana momba io lohahevitra io. Ny fitiavan’ny lehilahy ny vadiny dia manan-danja mihoatra noho izay tiana andraisana azy, amin’ny ankapobeny. Tsy afaka hahazo an-tsaina ny fisafidianana izay ho vady isika raha tsy eo ny fitiavana manosika : fepetra tsy maintsy ilaina izany. Tsy azo ekena eo anatrehan’ny Tompo ny hanao io dingana io raha ny saina fotsiny no manesika. Ny fitiavana dia miantomboka eo amin’ny fampakaram-bady, ary miorim-paka lalina hatrany aorianan’izany. I Isaka dia tsy nila hampirisihina hoe : “Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo”. Nitia an-dRebeka izy, satria avy amin’ny tanan’Andriamanitra no nandraisany io fanomezana io. Ny fanatrehany dia nampahatsiahy azy izany isanandro.

 

Aoka ny mpamaky malala rehetra mba handinika ny fiainany sy ny fitondrantenany eo anatrehan’ny Tompo, araka izay voalaza teo ambony ; mety ho afaka atao angamba ny manitsy ireo tsirambina, na manarina ny fahadisoana. Miantefa voalohany indrindra amina tovolahy sy tovovavy izany teny izany, kanefa ho anareo ihany koa, ry ray aman-dreny malala, mba hahafahanareo manoro hevitra ny zanakareo lahy, sy manampy ny zanakareo vavy. Ny zanaka no harena sarobidy indrindra nankinin’ny Tompo amintsika. Koa katsaho ny hananany fahamatorana anaty, ary mba ho mendrika izany antso izany izy, dia ny fanambadiana izany. Tandremo mba ho resaka ara-panahy no hatao, indrindra rehefa misy mpino hafa, tovolahy sy tovovavy, miditra matetika ao an-tokantranonao. Hitondra fitahiana lehibe ho an’ny fianakaviana manontolo izany. Araka ny efa nolazaina teny am-boalohany, dia samihafa ny lalana itondran’Andriamanitra ny tsirairay amintsika, kanefa dia mifandraika hatrany amin’ny ohatra anatin’ny toko iorenan’ny fandalinana nataontsika izany. Mety hisy mpamaky hanontany angamba hoe mbola maro ve ny fanambadiana miorina amin’izany fototra izany ? Ilay mahay mamaky ny fiainantsika toy ny boky mivelatra ihany no afaka hanome valiny marina. Tianay anefa ny manamafy fa misy tokoa rahalahy niezaka nanaraka tam-pitokiana io lalana io, ary ampianay, mba ho fankaherezana, fa Ilay Tompo tsy miovaova dia nanome azy ireo na ny fikasana na ny fanaovana. Mety ho tsy fahita firy tokoa, raha ny marina, ny fanambadiana naorina araka izany toe-tsaina izany. Betsaka ireo tsy nahalala ny Tompo Jesosy raha tsy taorianan’ny fanambadiany. Ny sasany indray, noho ny tsy fahampian’ny fahalalana ny Soratra Masina, na ny tsy dia fankatoavana loatra ny Tenin’Andriamanitra sy ny tsy fatokiana ny Tompo, dia tsy nanaraka afa-tsy ampahiny, na tsy nanaraka mihitsy aza, io lalana io. Koa tena rariny raha toa ka tsy nanandrana ny harena anatin’io zava-niainana niaraka tamin’ny Tompo io izy ireo.

 

Tsy fanomezan-tsiny velively no fonosin’ireo andalana ireo ; mikendry tsotra fotsiny ny hanondro hoe hatraiza no hahafahantsika miakatra amin'io lalana feno fitahiana be tokoa io. Na izany na tsy izany, aoka isika tsy hitsaratsara fahatany sy tsy misy indrafo, raha mahita zanak’Andriamanitra mizotra amina lalana mifanohitra amin’ny tenin’ny Soratra Masina momba izany. Raha manao izany isika, dia sady tsy hahasoa io olona io, no tsy hahay haka ny fony na oviana na oviana ihany koa. Na dia tsy afaka mankasitraka ny fitondrantenany aza isika, ary mihevitra fa mety ny hiresahana aminy, dia tsy maintsy misoroka, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, mba tsy hisy hantsana tsy hay dinganina mampisaraka ny samy zanak’Andriamanitra ; koa hanjary ho meloka ihany koa eo anatrehan’ny Tompo isika.

Raha hamarana aho, dia te hisarika ny saina amin’ny lafiny hafa iray. Mety hisy amintsika zokiolona mitehi-tratra eo am-pamakiana ity boky ity, ary manamelo-tena raha mieritreritra fa maro ny zavatra tokony nizotra tamin’ny fomba hafa. Nefa ny Tompo dia tsy niovaova ! Miaina anaty fahasambarana ny tokantrano, mizotra amin’ny lalan’ny fisarahana amin’izao tontolo izao ny ankizy. Nandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. Raha izany no zava-misy, dia manamafy izany fa tsy misy fahamendrehana avy amintsika, fa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny toetrany mahatoky no nahatonga izany. Koa aoka isika vao mainka hankasitraka Azy. Arakaraky ny itomboan’ny taona sy ny zavatra iainana no mahalalina ny fahalalana ny tenin’Andriamanitra. Tonga eo amin’ny toerana tratrantsika dimy amby roapolo na telopolo taona lasa izay ny zanatsika; tsy manana izany traikefa izany izy, tsy mahafantatra zavatra momba ny fiainana ary tsy ampy fahalalana ny tenin’Andriamanitra. Ry ray aman-dreny malala, aza avela hanao ny fahadisoana nahalatsaka anao ny zanakao. Aza mihevitra fa rehefa nizotra tsara ny fiainanao, dia tsy maintsy ho toy izany koa ny an’ny zanakao ; tena mampidi-doza izany fisainana izany.

Noho izany, dia anampio ny zanakao ny fahalalanao ny Soratra Masina, ny traikefa azonao, ombam-pahamalinana sy fahendrena ary fitiavana, ka tsy ho mpanao didy jadona na hiseho ho mpiahy tsy mety diso ianao. Kendreo ny hananany, dieny mbola zaza, fahafantarana betsaka ny sitrapon’ny Tompo momba ireo lafim-piainana kristiana iainana andavanandro. Ary enga anie Jesosy Kristy Tompo sy Mpampianatra hitahy ny ezaka ataonao !