Sava-làlana handinihina ny teny faminaniana

 

 

Marc Tapernoux (Introduction à l’étude de la prophétie)

 

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

FANDAHARANA FOHY (Antsipiriany)

 

1        TENY MIALOHA — Fampidirana

1.1         Nahoana no tokony handinika ny teny faminaniana isika ?

1.2         Ahoana ny fomba handinihintsika ny teny faminaniana ?

2        FIZARANA VOALOHANY : Ny tantaran’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Eglizy mandra-piverin’i Kristy

2.1         Fampidirana

2.2         ISIRAELY

2.3         NY JENTILISA

2.4         NY EGLIZY

3        FIZARANA FAHAROA — Ny fampiakarana ny mpino

3.1         Fampidirana

3.2         TOKO 1 — Ny teny fampanantenana momba ny fiverenan’ny Tompo

3.3         TOKO 2 — Rahoviana no hiverina ny Tompo ?

3.4         TOKO 3 — Ahoana no fomba hiverenan’ny Tompo ?

3.5         TOKO 4 — Hiaro anao amin’ny andro fakàm-panahy Aho

3.6         TOKO 5 — Ny fisehoan’ny olom-boavidy eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy

3.7         TOKO 6 — Ireo olo-masina any an-danitra sy ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

4        FIZARANA FAHATELO — Manomboka amin’ny fampiakarana ny Eglizy ka mandra-pisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny

4.1         Fampidirana

4.2         ISIRAELY

4.3         NY JENTILISA

4.4         NY FIAVIAN’I KRISTY AM-BONINAHITRA

5        FIZARANA FAHEFATRA — Ny Fanjakana arivo taona

5.1         Fampidirana

5.2         TOKO 1 — Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

5.3         TOKO 2 — Ny fametrahana ny fanjakana

5.4         TOKO 3 — Ireo toetry ny fanjakana

5.5         TOKO 4 — Ny Eglizy mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.6         TOKO 5 — Isiraely mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.7         TOKO 6 — Ny jentilisa mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.8         TOKO 7 — Ny fiafaràn’ny Fanjakana arivo taona

6        FIZARANA FAHADIMY — Ny fiainana any amin’ny mandrakizay

6.1         Fampidirana

6.2         TOKO 1 — Ilay seza fiandrianana fotsy lehibe

6.3         TOKO 2 — Ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

7        FAMARANANA

 

 

 

FANDAHARANA ANTSIPIRIANY (Fohy)

1        TENY MIALOHA — Fampidirana

1.1         Nahoana no tokony handinika ny teny faminaniana isika ?

1.2         Ahoana ny fomba handinihintsika ny teny faminaniana ?

2        FIZARANA VOALOHANY : Ny tantaran’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Eglizy mandra-piverin’i Kristy

2.1         Fampidirana

2.2         ISIRAELY

2.2.1        TOKO 1 — Ny niantsoana an’i Isiraely

2.2.2        TOKO 2 — Ny fidirana tany Kanana ka hatramin’ny fahababoana

2.2.3        TOKO 3 — Ny fiverenana avy tany Babylona sy ny fitopolo herinandron’i Daniela

2.2.4        TOKO 4 — Ny fandàvana sy ny fielezan’i Isiraely

2.2.5        TOKO 5 — Isiraely sy ny fiverenan’ny Tompo

2.2.5.1        Fanampiny

2.3         NY JENTILISA

2.3.1        TOKO 1 — Ny niforonan’ny jentilisa

2.3.2        TOKO 2 — Ny andron’ny jentilisa tamin’ny lasa

2.3.2.1        Fanjakana voalohany: Babylona

2.3.2.2        Fanjakana faharoa: ny Mediana sy ny Persiana

2.3.2.3        Fanjakana fahatelo: Grisia

2.3.2.4        Fanjakana fahefatra: Ny Fanjakana Romana

2.3.3        TOKO 3 — Ny andrianan’ity tontolo ity

2.3.4        TOKO 4 — Ny jentilisa sy ny fiverenan’ny Tompo

2.4         NY EGLIZY

2.4.1        TOKO 1 — Ny fiandohan’ny Eglizy sy ny toerany

2.4.2        TOKO 2 — Ireo toetry ny Eglizy sy ireo anjara asany

2.4.3        TOKO 3 — Ny fanantenan’ny Eglizy

2.4.4        TOKO 4 — Ny tantaran’ny Eglizy mitonona ho kristiana sy tompon’andraikitra etỳ an-tany

3        FIZARANA FAHAROA — Ny fampiakarana ny mpino

3.1         Fampidirana

3.2         TOKO 1 — Ny teny fampanantenana momba ny fiverenan’ny Tompo

3.3         TOKO 2 — Rahoviana no hiverina ny Tompo ?

3.4         TOKO 3 — Ahoana no fomba hiverenan’ny Tompo ?

3.5         TOKO 4 — Hiaro anao amin’ny andro fakàm-panahy Aho

3.6         TOKO 5 — Ny fisehoan’ny olom-boavidy eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy

3.7         TOKO 6 — Ireo olo-masina any an-danitra sy ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

4        FIZARANA FAHATELO — Manomboka amin’ny fampiakarana ny Eglizy ka mandra-pisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny

4.1         Fampidirana

4.2         ISIRAELY

4.2.1        TOKO 1 — Ny fiverenan’i Isiraely any Palestina

4.2.2        TOKO 2 — Ny fahoriana lehibe

4.2.3        TOKO 3 — Ny Antikristy

4.2.4        TOKO 4 — Ny fanafahana ny sisa tavela

4.3         NY JENTILISA

4.3.1        TOKO 1 — Babylona lehibe

4.3.2        TOKO 2 — Ny Fanjakana romana

4.3.3        TOKO 3 — Ny ora fizahan-toetra sy ny fotoan’ny fahatezerana

4.3.4        TOKO 4 — HARMAGEDONA

4.3.5        TOKO 5 — Ilay Asyriana

4.4         NY FIAVIAN’I KRISTY AM-BONINAHITRA

4.4.1        TOKO 1 — Rahoviana sy ahoana no hisehoan’ny Tompo am-boninahitra ?

4.4.2        TOKO 2 — Ny fitsarana ny velona

5        FIZARANA FAHEFATRA — Ny Fanjakana arivo taona

5.1         Fampidirana

5.2         TOKO 1 — Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

5.3         TOKO 2 — Ny fametrahana ny fanjakana

5.4         TOKO 3 — Ireo toetry ny fanjakana

5.5         TOKO 4 — Ny Eglizy mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.6         TOKO 5 — Isiraely mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.7         TOKO 6 — Ny jentilisa mandritra ny Fanjakana arivo taona

5.8         TOKO 7 — Ny fiafaràn’ny Fanjakana arivo taona

6        FIZARANA FAHADIMY — Ny fiainana any amin’ny mandrakizay

6.1         Fampidirana

6.2         TOKO 1 — Ilay seza fiandrianana fotsy lehibe

6.3         TOKO 2 — Ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

7        FAMARANANA

 

 

 

SAVA-LÀLANA HANDINIHINA  NY TENY FAMINANIANA

 

“Jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina” 2 Petera 1. 19

 

1  TENY MIALOHA — Fampidirana

1.1  Nahoana no tokony handinika ny teny faminaniana isika ?

Manana toerana lehibe tokoa ny faminaniana ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Amin’ireo boky sivy amby telopolo ao amin’ny Testamenta Taloha, boky mikasika ny faminaniana ny fito ambin’ny folo, ary saika misy andininy betsaka momba ny faminaniana avokoa ny boky hafa rehetra. Ny Testamenta Vaovao koa dia misy tsongandahatsoratra betsaka mirakitra teny faminaniana, na ny filazantsara na ao amin’ireo epistily, ary ny mamarana azy dia ny Apokalypsy izay natokana ho amin’ny faminaniana. Milaza izany fa manan-danja tokoa ny teny faminaniana ary ilaina ny ifantohantsika amin’izany. Satria, “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” (2 Timoty 3:16-17). Ampirisihana koa isika mba handinika ny teny faminaniana “toy ny jiro mahazava ao amin’ny toerana maizimaizina” (2 Petera 1:19).

Noho izany, aoka tsy hamaivanintsika ny fandinihina ny faminaniana. Ny mifanohitra amin’izany no tokony atao. satria nambaran’Andriamanitra tamintsika ny fikasàny momba ny hoavin’ny vahoakany any an-danitra (ny Fiangonana) sy ny vahoakany etỳ an-tany (Isiraely), ary izao tontolo izao (ny jentilisa), dia tokony ho raisintsika ho adidy sy tombondahiny ho antsika ny mandinika ny Soratra Masina izay mirakitra ireo sori-drafitra napetrak’Andriamanitra ireo. Handray fitahiana lehibe ho an’ny fanahintsika isika amin’izany, satria ny tena votoatin’ny faminaniana, dia Kristy izy tenany mihitsy, izay resahin’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Teniny iray manontolo. Nilaza i Petera fa ny Fanahin’i Kristy dia tao amin’ireo mpaminany ka nanosika azy ireo hanambara mialoha “ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany” (1 Petera 1:11). Ahoana moa isika no tsy ho tohina manoloana ny fitantarana ny ho fanehoana ny hery hasehon’Andriamanitra raha handefa ny Zanany hitsara ny fahavalony sy hanorina ilay fanjakany be voninahitra Izy ?

Ho an’ireo izay an’ny Tompo, dia tsy misy zavatra tsara mihoatra ny vinavina ny fiverenan’Ilay nanome ny ainy ho azy ireo ary nampanantena fa haka azy ireo tsy ho ela, mba hiaraka aminy mandrakizay. Io fiverenana io dia tsy hanamarika ihany ny fiafaran’ireo fizahan-toetra anjaran’ny zanak’Andriamanitra tsirairay, fa koa fotoana hahitantsika amin’izay ilay Mpanjaka amin’ny tena hatsarany. Hovàna ho tahaka Azy isika, hitafy vatana feno voninahitra toy ny Azy ary hiombona amin’ireo olon-tsambatra rehetra voavonjy, dia hidera an’Andriamanitra amin’ny fifaliana tsy hay lazaina amin’ny fomba fitenin’olombelona ankehitriny. Avy eo, aorian’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, dia hanjaka hiaraka Aminy isika, “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany” (2 Tesaloniana 1:10).

Io fanantenana io no mahafaly tokoa ny fontsika ary manafaka azy amin’ny zavatr’izao tontolo izao mba ahafahantsika miandry, marimarina kokoa, “ny tanàna misy fanorenana, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany” (Hebreo 11:10). Ny fandinihina ny faminaniana izany dia misy fampiharana tokoa ho an’ny mpino, satria io no ahatonga azy ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, hiandrandra ka hihiaka, miaraka amin’ireo izay miandry Azy hoe:  “Amena; avia, Jesoa Tompo!” (Apokalypsy 22:20).

Ankoatr’izany, ny Teny dia mirakitra fampanantenana sarobidy ho an’ireo izay te-hisaintsaina ny amin’ny faminaniana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Lazaina amintsika tokoa, ao amin’ny Apokalypsy 1:3, hoe: “Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny; fa antomotra ny andro” ary ao amin’ny Apokalypsy 22:7 hoe: “Sambatra izay mitandrina ny faminaniana amin’ity boky ity”. Ny Tompo koa, raha niresaka tamin’ireo mpianany, dia nilaza hoe: “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina raha avy izy” (Lioka 12:37). Farany, ny apostoly Paoly, raha tonga teo amin’ny fiafaràn’ny fanompoany, dia nihiaka, tamin’ny taratasy nosoratany farany talohan’ny naha-maritiora azy, hoe: “Efa mby akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” (2 Timoty 4:6-8).

Tsy mba te-hiaina izany fahasambarana resahin’ireo tsongandahatsoratra ireo ve isika, ka hahazo ilay satroboninahitry ny fahamarinana nampanantenaina ireo izay miandry ny Tompo amin’ny fo mahatoky ?

 

1.2  Ahoana ny fomba handinihintsika ny teny faminaniana ?

Raha hanomboka handinika ny fanambaràna nomen’Andriamanitra antsika momba ny ho avin’ny vahoakany sy ny jentilisa isika, dia tokony alentika ao an-tsaintsika aloha fa mila ny ho tarihin’ny Fanahy Masina sy hampianariny antsika. Io fepetra io moa dia mitombina foana rehefa handinika ny fahamarinana rehetra ao anaty Baiboly. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka hampahafantatra antsika ny Soratra Masina ka hahatonga ity fianarana ity hitondra soa ho an’ny fanahintsika. Izany ihany no fomba hiarovana antsika amin’ireo fandrika vokatry ny fisainan’olombelona. Satria i Kristy no ivon’ny faminaniana, dia Izy irery ihany no ezahantsika tadiavina sy jerena. Ny fibanjinana Azy irery ihany no azo antoka fa afaka hiaro antsika amin’ny fahalianana te-hahalala tsy misy vokany.

Milaza ny apostoly Petera fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany (na azo hazavaina irery manokana) (2 Petera 1:20). Ny dikan’izany, rehefa mandinika ny faminaniana, dia tokony hitandrina mba tsy hampisaraka izany amin’ny hevitr’Andriamanitra rehetra, izay mifandraika avokoa amin’i Kristy. Ny faminaniana izany dia ampahiny amin’io Tontolo tsara indrindra izay tenin’Andriamanitra io. Koa raha te-hahazo ny hevitr’Andriamanitra momba ny zavatra iray, dia tokony hampifandraisina foana amin’ny tsongandahatsoratra mikasika azy izy, mba ahazoana mahazo tsara ny fahamarinana ifotony tian’ny Fanahy ho lazaina amintsika. Hitarika antsika handinika ny famelabelarana io fahamarinana io ao amin’ny bokin’ny Teny miresaka azy izany, angamba amin’ny fomba fijery samihafa, fa tsy mifanohitra. Tsahivintsika eto, momba izany, ilay kisarisary marina tokoa nampiasaina hanazavana ny fahasamihafana misy eo amin’ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha, ny filazantsara, ny epistily ary ny Apokalypsy. ireo izay mitoetra any amin’ny tany be tendrombohitra dia mahamarika mazàna fa, rehefa jerena lavitra, dia toa eo amin’ny tangorombohitra iray ihany ny tendro anankiroa. Rehefa atonina izy ireo, dia hita fa voasaraky ny lemaka lalina tokoa sy mifanalavitra amina kilaometatra maro. Raha atonina kokoa ihany, dia mbola mahita vohibohitra hafa tena miavaka kokoa, izay tsy azo novinavinaina akory ny fisiany raha teo am-pototr’ilay tangorom-bohitra voalohany. Toy izany koa, ny mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha dia matetika mampiseho amintsika ny fahamarinana ao amin’ny faminaniana, nefa tsy mampivoitra ny sori-drafitra samihafa mifanesy; ny Testamenta Vaovao indray dia manazava ny fomba fijery samihafa. ilay faritany indray mijery teo ihany io, fa jerena akaikikaiky kokoa, hany ka voatsikaritra ny zavatra izay nikambana teo aloha. Manazava ihany koa izany ny fahasarotan’ny fandaharantsika ny fotoana isehoan’ny zavatra sasany ao amin’ny faminaniana.

Afa-tsy izany, dia tokony ho tsaroantsika fa ny teny faminaniana dia “toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-pontsika ny fitarik’andro” (2 Petera 1:19). Io jiro manazava ny alina io dia manome antsika ny fahazavana ampy ilaintsika, nefa tsy io akory no ilay masoandro manala tanteraka ny aizina. Misy zavatra nambara nefa tsy haintsika ny manazava azy; sombintsombiny ny faminaniantsika, satria sombintsombiny ny fahalalantsika (1 Korintiana 13:9). Nefa ho avy ny fotoana izay ahitantsika ny fahazavana ao anatintsika, ary “tsy hisy sombintsombiny intsony”. Koa dia hahafantatra tanteraka toy ny nahafantarana antsika tanteraka koa isika (and 12).

Eo am-piandrasana izany andro malaza izany, dia aleo isika hianina am-panentrentena amin’ny fisaintsainana izay nambaran’Andriamanitra tamintsika, noho ny fahasoavany, momba ny zava-kendreny mahagaga, ary aoka isika hangataka ny fanampian’ny Fanahiny izay “mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza” (1 Korintiana 2:10).

 

 

2  FIZARANA VOALOHANY : Ny tantaran’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Eglizy mandra-piverin’i Kristy

2.1  Fampidirana

Alohan’ny handinihina amin’ny antsipiriany ny tantaran’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Fiangonana, dia heverinay fa ilaina ny mamelabelatra fohifohy ao amin’ity fampidirana ity ireo hevi-dehiben’io lohahevitra io.

 

1. Ireo fikasàn’Andriamanitra momba ny olombelona dia mahakasika vondrona telo samihafa. Isiraely, ny jentilisa, ny Fiangonana (1 Korintiana 10:32).

Ny zavatra azo marihina, dia izao. ny tantaran’ireo vondrona telo ireo dia mitodika daholo amin’ny fiverenan’ny Tompo. Io fiverenana io dia hitondra hasambarana etỳ an-tany ho an’ireo vondrona roa voalohany mandritra ny Fanjakana arivo taona, fa ny fanantenan’ny Fiangonana kosa dia ny ho entina hitsena ny Tompo, izay vadiny any an-danitra, mba hiaraka Aminy.

 

2. Raha namorona ny olombelona Andriamanitra, dia napetrany tao amin’ny saha novoleny ho azy izy, ary nofenoiny fitahiana. Indrisy anefa, fa noho ny fahalavoany, dia nanjary tsy mendrika io tombontsoa io intsony ny olona ary voatery nandroaka azy avy tao Edena Andriamanitra. Ny taranak’i Adama, izay tena niha-ratsy tokoa, dia levon’ny safodrano.

Ny taranaky ny zanak’i Noa indray, dia hitantsika fa nirona tamin’ny fanompoan-tsampy, ka niharan’ny fitsaràn’Andriamanitra, teo amin’ny tilikambon’i Babela (Genesisy 11).

 

3. Avy teo Babela no nampielezan’Andriamanitra ny olombelona ho eny ambonin’ny tany rehetra (Genesisy 11:9); nefa niantso an’i Abrahama Izy, ka nanao taminy hoe:  “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao… ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:1-3).

Noho izany, araka ny didy nomeny noho ny fahasoavany tsara dia tsara, dia miantso an’i Abrahama Andriamanitra hivoaka ny taniny, manao fanekena aminy Izy ary mampanantena azy zavatra telo loha:

  • tany iray, dia Palestina

  • taranaka tsy tambo isaina, izay ho tonga firenena lehibe, dia ny vahoakan’i Isiraely

  • avy amin’io firenena io no hitahiana ny foko rehetra etỳ an-tany. io fitahiana ho an’izao tontolo izao io dia hifototra amin’ny fanambaràna an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy amin’ny fahatongavan’ny Mpamonjy etỳ an-tany.

 

Indrisy anefa! tsy nitoetra ho mahatoky i Isiraely, hany ka tsy maintsy nanafay azy Andriamanitra. Dia tonga ireo fahababoana nifanesy ary, rehefa avy nandà ny Mesiany i Isiraely, dia nisy ny faharavan’i Jerosalema sy ny fanelezana ny Jiosy eran’ny firenena hafa. Nefa hanohy ny fifandraisany amin’ny vahoakany ihany Andriamanitra, rehefa ho tapitra ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany. Haveriny any Palestina izy ary hampandaloviny fahoriana lehibe izay hahatonga ampahan’ny vahoaka (ny sisa tavela) hanetry tena noho ny nandàvany sy namonoany ilay Mesiany. Io tantaran’i Isiraely io dia hifarana amin’ny fisehoan’ny Tompo Jesoa amim-boninahitra, Izay hiditra amin’ny fanjakany, rehefa avy namotika ireo fahavalony sy nitsara ireo firenena.

 

4. Momba ny jentilisa indray, dia efa voalazantsika fa ny tantarany dia mitodika koa amin’ny fiverenan’i Kristy, ka ny fanjakany miorina amin’ny fahamarinana sy ny fiadanana dia hitondra, amin’izay fotoana izay, ny fitahiana ho an’ny firenena rotik’ireo taon-jato nisian’ny ady sy ny fankahalana.

Raha nentina ho babo i Isiraely rehefa nandao an’i Jehovah, dia nanome andraikitra ny jentilisa Andriamanitra ny amin’ireo làlany mikasika ny eto an-tany. Dia niandoha ny “andron’ny jentilisa” (607 tal.J.K.), ary hitohy mandra-piavin’ny Tompo amin’ny voninahitra.

 

5. Rehefa nandà ny Mesiany i Isiraely, dia nanomboka nanala “olona... hankalazana ny anarany” (Asa 15:14) Andriamanitra, na tamin’ny jentilisa na tamin’ny Jiosy. Io vahoaka vaovao io, antsoina hoe Eglizy na Fiangonana, dia voarafitr’ireo olona rehetra izay mino ny Tompo Jesoa, nanomboka tamin’ny Pentekosta ka mandra-piverin’i Kristy, ary voaisy tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina ka tonga isan’ny tenan’i Kristy.

Io Eglizy io, izay miray amin’i Kristy efa nasandratra amin’ny voninahiny, dia any an-danitra. ireo izay mandrafitra azy dia antsoina hivoaka avy eo amin’izao tontolo izao, ny zavatra ao am-pony dia any an-danitra, ny fanantenan’ny Eglizy dia ny hakarina tsy ho ela hitsena ilay Vadiny any an-danitra. Ny tantarany eto an-tany izany dia hifarana amin’ny fiavian’ny Tompo. Marihintsika fa io fiaviany io dia tsy anisan’ireo zava-miseho araka ny faminaniana, satria io no mamarana ny vanim-potoanan’ny fahasoavana. Ny vanim-potoana ao amin’ny faminaniana dia mifarana eo amin’ny nahafatesan’ny Tompo ary tsy hitohy indray raha tsy aorian’ny fampiakarana ny Eglizy.

 

6. Alohan’ny hirosoantsika lalindalina kokoa, dia aoka ho tsahivina fa i Kristy no ivon’ny sori-drafitr’Andriamanitra momba an’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Eglizy. Ny tanjona lehibe amin’ireo vanim-potoana samihafa nomen’Andriamanitra ireo, dia ny hankalazany ny tenany amin’ny alàlan’i Kristy. Noho izany, na ny vahoaka jiosy, na ny jentilisa, na ny Eglizy dia tsy zavatra mivantana hanaovana ny faminaniana, ary toy izany koa ireo olona misongadina ho hitantsika mandritra ny fandinihintsika.

 

Ny zava-dehibe indrindra amin’ny faminaniana, dia i Kristy.

 

Ny lohahevitra samihafa notanisaintsika teo dia mifandraika Aminy, tontolo natao hanehoana ny voninahiny, ary izany fifandraisany aminy izany ihany no mahatonga ny fanahintsika hanisy lanjany azy. I Kristy no ivo, ary ao aminy no hampiraisana ny zava-drehetra indray andro any, any an-danitra sy etỳ an-tany.

Ilaina tokoa no hihazonantsika foana io fahamarinana io eo anoloantsika, raha te-hahazo izay ambaran’ny Soratra Masina momba an’i Isiraely, ny jentilisa ary ny Eglizy isika. Izany koa no hany fepetra hampaherezan’ny fandinihina ny faminaniana ny fanahintsika, amin’ny alalan’i Kristy, fepetra hany hahafaly ny fontsika amin’ny fanehoana ny voninahitry ny Tenany, ary hampiorina ny fizorantsika amin’ny fitarihana antsika hiandry marina tokoa ilay Tompo sy Mpamonjy malalantsika.

 

 

2.2  ISIRAELY

2.2.1  TOKO 1 — Ny niantsoana an’i Isiraely

Ireo faminaniana mikasika ny vahoakan’i Isiraely dia mifamatotra tanteraka amin’ny tantarany lasa, hany ka tsy afaka ny handinika izany isika raha tsy mahalala ny dingana lehibe samihafa teo amin’izany tantara izany.

1. Mialoha io tantara io ny niantsoana an’i Abrahama.

Nandao ny Mpamorona azy ny olombelona fa nanompo ireo sampiny, hany ka navelan’Andriamanitra tao amin’ny fahavetavetany izy. Nefa tsy sitrak’Andriamanitra ny tsy hisian’ny vavolombelona ho Azy etỳ an-tany — ary ho hitantsika fa toy izany foana mandra-pahatongan’ny farany — koa dia nifidy iray tamin’ny firenena rehetra izy, ho vahoakany, ary io firenena io dia taranaky ny olona iray izay nantsoiny hiala teo amin’ny taniny. “Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Tany an-dafin’ny Ony no nonenan’ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. Dia naka an’i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany” (Josoa 24:2-3).

Tsy nisy fepetra tamin’ireo teny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Ny fandàvan’i Isiraely ny Mesia no nahavery zo azy tsy hahazo ireo teny fampanantenana ireo. Nefa “tsy olona Andriamanitra ka handainga”, ary amin’ny fahasoavany no hanatanterahany izany. Ndeha hodinihintsika akaikikaiky kokoa izany.

Tamin’ny teny fampanantenana voalohany, dia nomen’Andriamanitra tany iray i Isiraely — dia Kanana izany. Nohamafisina imbetsaka tamin’i Abrahama io teny fampanantenana io. “Ary Jehovah niseho tamin’i Abrama ka nanao hoe:  Ny taranakao no homeko ity tany ity” (Genesisy 12:7). “Ary Jehovah niteny tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lota taminy ka nanao hoe:  Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany hitoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinana sy miankandrefana; fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay… Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia ny amin’ny lavany sy any amin’ny sakany; fa homeko anao izy” (Genesisy 13:14-17).

Nanamafy io fampanantenana io Andriamanitra tamin’ny fanekena manetriketrika. “Tamin’izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’i Abrama ka nanao hoe:  Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny Onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata” (Genesisy 15:18). “Ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:  Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ny firenena maro ianao… Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho” (Genesisy 17:3-8).

 

2. Ny teny fampanantenana sy ny fanekena dia nampitaina tamin’i Isaka, Jakoba (Isiraely) sy ny taranany. “Ary Jehovah niseho taminy (tamin’i Isaka) ka nanao hoe:  Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin’ny tany izay holazaiko aminao. Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotòviko ny fianianana izay nataoko tamin’i Abrahama rainao; dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto” (Genesisy 26:2-4).

Tamin’i Jakoba, izay nandositra an’i Esao koa, dia nanao toy izany Andriamanitra hoe:  “Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao; ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 28:13-14).

 

3. Io teny notanisaina farany io dia mampahatsiahy ireo teny fampanantenana roa hafa izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia ny hoe ho tonga firenena lehibe izy ary ny vahoaka Isiraely no fantsona hitahian’Andriamanitra ny firenena rehetra eran-tany. Izany tokoa no zava-niseho. io firenena io no nanambaràn’Andriamanitra ny heviny tamin’ny nanomezany azy ny Teniny, ary izy no nandefasany koa ny Mesia, izay tonga Mpamonjy izao tontolo izao.

Na inona na inona hambon’ny Jiosy, ny Baiboly sy ny Mpamonjy dia tsy ho azy ireo irery ihany, fa ho an’ny olona rehetra. Raha “avy amin’ny Jiosy ny famonjena” (Jaona 4:22) satria ny Mpamonjy dia taranaka jiosy, araka ny nofo, dia ho an’ny firenena rehetra eran-tany kosa no ahatongavany. Ary ny teny fampanantenana fitahiana dia amin’izao vaninandro izao mandra-pahatongan’ny Fanjakana arivo taona, satria amin’izay, eo ambany fitondran’i Kristy, dia hisitraka ny fandrosoana sy ny fandriam-pahalemana ny firenena rehetra.

 

2.2.2  TOKO 2 — Ny fidirana tany Kanana ka hatramin’ny fahababoana

1. 400 taona mahery no nandalo vao tonga tena firenena iray ny taranak’i Abrahama. Tsy maintsy nafahana tamin’ny fanandevozana tany amin’ny tany Egypta izy ireo, ary izany fanafahana izany, izay narahin’ny dia tany an’efitra sy ny fidirana tao Kanana, no manamarika ny fiandohan’ny tantaram-pireneny.

Io firenena io no tokony ho vahoakan’Andriamanitra tetỳ an-tany — ho vavolombelony — ary tokony nisaraka tanteraka tamin’ny mpanompo sampy. “Indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy atao ho isan’ny jentilisa” (Nomery 23. 9). “Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Deoteronomia 7:6).

Ankoatr’izany, dia nampanantena an’i Isiraely Andriamanitra fa handrakotra fitahiana azy raha mitandrina ny didiny izy. “Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatoa izany, dia hanome anareo ranonorana amin’ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-pihotazam-boaloboka ary ny taom-pihotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana; dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ny taninareo. Ary homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo… Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanorina ny fanekeko aminareo Aho. Ary hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy asiana ny vao. Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ny fanahiko ianareo. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho oloko” (Levitikosy 25. 3-12).

 

2. Nefa indrisy! tsy ela akory no nisehoan’i Isiraely ho mendrika ny fiantsoana azy. adinony ny niantsoana azy ka nanaovan’Andriamanitra azy ho “fanjaka-mpisorona sy firenena masina” (Eksodosy 19:6), nihataka tamin’i Jehovah izy ary nanompo andriamani-kafa, hany ka tsy maintsy nanafay azy imbetsaka Andriamanitra. Farany, dia nandà ilay Andriamanitry ny razany i Isiraely ary nangataka mpanjaka, mba tsy hanjakan’i Jehovah teo aminy intsony. Nanome azy an’i Saoly Andriamanitra, ho mpanjaka hitsara azy.

Dia tonga i Davida, ilay “olona sitrak’Andriamanitra”, izay nanaovan’i Jehovah fanekena fa ny taranany sy ny fanjakany dia hitoetra eo anatrehany mandrakizay, ary ny seza fiandrianany dia hitoetra mandrakizay (2 Samoela 7:16). Nefa nampitandrina azy koa Andriamanitra fa raha manao izay meloka ny taranany, dia hanarina “amin’ny tsorakazon’ny olona sy ny kapoky ny zanak’olombelona” (and 14). Tsy ela akory dia nitranga izany, ary taorian’ny fanjakan’i Solomona, dia nikomy ny foko folo ka nanorina fanjakana mahaleo tena, izay nanana an’i Samaria ho renivohiny. Ny bokin’ny Mpanjaka sy ny Tantara dia mirakitra ny fitantarana ireo heloka tsy nitsaha-nitombo nataony, izay nanamarika tsy an-kijanona ny tantara mampalahelon’io fanjakana io, mandra-piavin’ny mpanjaka Hosea (2 Mpanjaka 17); tamin’ny andron’io mpanjaka io no nanafihan’i Salmanasera, mpanjakan’i Asyria, an’i Samaria ka namotehany azy ary nitondrany ireo firenena folo ho babo (721 tal. J. K.). Tsy nody intsony tany Kanana izy ireo.

Naharitra nandefitra tamin’ny fanjakan’i Joda (renivohitra. Jerosalema) nandritra ny 130 taona Andriamanitra. Nefa tsy nitsaha-nitombo ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy mandra-pahatapitry ny faharetan’i Jehovah. babo i Jerosalema ary noravana tanteraka, nopotehina ny tempoly, ny mpanjaka Zedekia sy ny mponina tao amin’ny tany dia nentin’ny mpanjaka Nebokadnezara ho babo tany Babylona (2 Mpanjaka 25). Nofoanan’Andriamanitra ny fanjakana tany Isiraely ary nomeny ny jentilisa ny fahefana, izay mbola tazoniny mandrak’ankehitriny.

 

3. Noho izany, dia nanomboka ny “andron’ny jentilisa”. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia zavatra telo no mampiavaka ny toerana misy an’i Isiraely.

 

3-a. Niala teo amin’ny tempoly ny voninahitr’Andriamanitra. Very daholo izay rehetra nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra teo amin’i Isiraely. ny fiaran’i Jehovah sy izay rehetra noraketiny, ny fitaovana rehetra tao amin’ny tempoly, ny andri-rahona izay niaraka tamin’ny vahoaka foana hatramin’ny niampitany ny Ranomasina Mena (Ezekiela 10. 18; 11:23). “Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima” (Hosea 3:4).

 

3-b. Raha nanafay azy ireo teo aloha Andriamanitra, mba hiverenany Aminy, dia mbola noraisiny ho toy ny vahoakany ihany izy ireo. Nefa efa nolavina izao io anarany manavaka azy amin’ny jentilisa io. “Dia hoy Jehovah. Ataovy Lô-amy no anarany; fa ianareo tsy oloka, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo”(Hosea 1:9).

 

3-c. Naongana ny seza fiandrianan’i Davida, tsy manjaka any Jerosalema intsony i Jehovah, fa nafindra ho an’ny jentilisa ny fahefana.

 

Ireo zavatra telo mampiavaka ny firenena Isiraely ireo dia mbola mitoetra foana ankehitriny ary tsy ho foana raha tsy miova fo io firenena io ka voarina indray. Marina fa nisy ampahiny tamin’ny Joda niakatra avy tany Babylona, fitopolo taona tatỳ aoriana, araka ny mbola ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka. Nefa io fiverenan’ny ampahany io dia tsy mampiova velively ny toerana misy ny firenena. “ny voninahitr’Andriamanitra” dia tsy niverina, ny didy “Lô-amy — tsy oloko” tsy nofoanana, ary ny seza fiandrianan’i Davida tsy naverina tamin’ny laoniny.

 

2.2.3  TOKO 3 — Ny fiverenana avy tany Babylona sy ny fitopolo herinandron’i Daniela

1. Ny mpaminany Jeremia dia nanambara fa haverin’Andriamanitra any Kanana ireo babo tany Babylona afaka fitopolo taona (Jeremia 29:10; jereo koa Daniela 9. 2). Hitantsika ao amin’ny Ezra 1 fa notairin’i Jehovah ny fanahin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia (536 tal. J.K.). Ary namoaka didy izy namela ny Jiosy rehetra izay te-handeha (*) hody any Jerosalema, teo ambany fitarihan’i Zorobabela, mba hanangana indray ny tempoly (515 tal. J.K., Ezra 6. 15) (**). I Nehemia, araka ny faminaniana nampilazaina an’i Daniela (9:25), no nasain’ny mpanjaka Artaksersesy I, antsoina koa hoe Lava-tànana, hanangana indray an’i Jerosalema sy ny mandany (Nehemia 2; 455 tal. J.K.).

 

(*) Raha ny marina, dia latsaky ny 50 000 ny olona niverina tany Isiraely

(**) Tokony ho marihina, momba izay, fa efa nanambara io zavatra io taon-jato roa tatỳ aloha ny mpaminany Isaia, ary niantso ny mpanjaka Kyrosy tamin’ny anarany (Isaia 44:28; 45:13).

 

Io porofon’ny famindram-pon’Andriamanitra ho an’ireo vitsy an’isa tany amin’ny fahababoana io anefa dia tsy nampiova ny didy nataony teo aloha. tsy voarina amin’ny maha firenena azy ny firenena, ary tsy nomena azy intsony ireo fitahiana nesorina taminy noho ny fiodinany. Na dia voaorina indray aza ny tempoly, dia tsy niverina tao ny fiaran’ny fanekena, tsy niseho teo intsony ilay andri-rahona, ary ao amin’ireo boky telo faminaniana voasoratra taorian’ny niverenana avy tany Babylona, dia tsy miresaka amin’i Isiraely intsony Andriamanitra ho toy ny miresaka amin’ny vahoakany.

 

2. Nahoana izany no nisy io fiverenan’ny ampahany tamin’ny Joda io rehefa babo nandritra ny fitopolo taona ? Azo antoka fa satria tian’Andriamanitra hisy sisa tavela tamin’i Isiraely tany Palestina rehefa ho tonga etỳ an-tany ny Mesia. Efa nolazaintsika fa Kristy no ivon’ny hevitr’Andriamanitra. Izy no fanantenan’i Isiraely, aoka izany tsy ho adinoina.

Raha tonga tetỳ an-tany Izy, dia efa namboarin’Andriamanitra daholo ny zava-drehetra ahazoan’ny vahoakany handray Azy ho toy ilay Mesia nampanantenaina, ilay Taranak’i Abrahama, ilay Zanak’i Davida, ilay Mpaminany. Marina fa efa ela no nesorina tamin’i Isiraely ny tombontsoany amin’ny maha-vahoaka voafidy azy. nanjanaka ny tany ny Romana ary nametraka Idomeana iray teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida; nahantra tokoa ny taranaka mpanjaka, hany ka voatery niteraka azy tany an-tranon’omby ny renin’ny Tompo, ary ny fandriany dia fihinanam-bilona.

Na izany aza ny zava-mampalahelo nisy, dia efa tonga teo anivon’ny vahoakany ny Mesia. Handray Azy ve izy ireo ? Andriamanitra dia “mbola nanana anankiray, dia ny zanany lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe:  Hanaja ny zanako izy” (Marka 12:6). Ho toy inona ny fitahiana ho an’io firenena io raha nanaiky sy nandray ny Mpanjakany izy! Hitantsika mihitsy i Jesoa nitomany raha nilaza ny momba io fahitana tsara, nefa tsy azo tanterahina, io, raha tonga teo akaikin’i Jerosalema, ka nihiaka hoe:  “Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! — fa ankehitriny, miafina amin’ny masonao izany” (Lioka 19:42). Tsy afaka nahatsikaritra ny “momba ny fiadanany” ny mason’i Isiraely. Rehefa nanao tsinontsinona ny antso nataon’Andriamanitra nandritra ny taon-jato maro tamin’ny alàlan’ireo mpaminany izy, dia navoakany teo ivelan’ny tanim-boaloboka ilay mpandova ary novonoiny. “Ity no mpandova; andeha ho vonointsika io, mba ho antsika ny lova” (Lioka 20:14). Nihiaka izy ireo hoe:  “Homboy! Homboy amin’ny hazo fijaliana izy! Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay!”. Ny ran’ny Mesiany no niniany nivesarana ary io fahotana io, izay fara-tampony tamin’ny fahotan’i Isiraely, dia nampitondra azy ireo fahoriana tsy an-kijanona nandritra ny taon-jato sivy ambin’ny folo taorian’ny hazofijaliana. Mbola io ihany no hampisy famaizana mbola hamaivay amin’ny andro fahoriam-be mbola ho avy.

 

3. Ireo zava-niseho nofintinintsika ireo dia nambaran’ny anjely Gabriela tamin’i Daniela tamin’ny faminaniana. “Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao ny fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra. Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny làlana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory. Ary rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana” (Daniela 9. 24-26).

 

Ny lazaina eto dia herinandro toy ny fito taona, izany hoe sivy folo sy efa-jato taona raha atontaly. Misy dingana telo no fizarana io fotoana io:

 

3-a. Ny dingana voalohany dia fito herinandro, izany hoe sivy amby efapolo taona, izay nanarenana ny tanànan’i Jerosalema. Ezra sy Nehemia no nitantara ny fahatanterahan’io ampahany tamin’ny faminaniana io.

 

3-b. Ny dingana faharoa, izay tonga dia nanohy ny voalohany, dia miisa roa amby enimpolo herinandro, izany hoe efatra amby telopolo sy efa-jato taona. Amin’ny faran’io fe-potoana io no hesorina ny Mesia. Marina tokoa fa io fetran’ny sivy amby enimpolo herinandro io — telo amby valopolo sy efajato taona — dia nipaka tamin’ny fiafaran’ny fiainan’ny Tompo tetỳ an-tany. Tsy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida ka nanjaka tamin’i Isiraely sy ny tany iray manontolo ny Mesia, fa nohomboana ary tsy nahazo na dia iray aza, tamin’ireo voninahitra tokony hifandraika amin’ny anarany.

Eo anelanelan’ny herinandro faha-sivy amby enimpolo sy faha-fitopolo, dia misy fotoana, tsy fantatra ny halavany, izay mifanandrify eo ho eo amin’ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany. Ny vahoaka Jiosy indray dia nentin’ny Romana ho babo, ary nopotehin’izy ireo i Jerosalema tamin’ny taona 70 amin’izao vaninandrontsika izao. Araka ny nanambaràn’ny tapany faharoa amin’io andininy faha-26 io hoe:  “ary hatramin’ny farany, dia hisy ady sy fandravana voatendry”.

Mandritra io fotoana io, “ny firenen’i Daniela” sy “ny tanànany masina” dia tsy ho resahina akory, hany ka voalaza fa mandritra io elanelam-potoana io, dia nijanona ny famatarandron’ny faminaniana.

 

3-c. Ny dingana fahatelo dia tsy misy afa-tsy herinandro iray ihany, izany hoe fito taona. Hanomboka aorian’ny fampiakarana ny Eglizy io vanim-potoana io. Hamerina indray ny fifandraisany amin’i Isiraely Andriamanitra, ary hisy fitsarana mampatahotra tokoa hanjo azy mandritra ny taom-pahoriana lehibe.

 

2.2.4  TOKO 4 — Ny fandàvana sy ny fielezan’i Isiraely

1. Ao amin’ny fanoharana momba ireo mpiasa tany izay namono ilay mpandova, dia milaza izao didim-pitsarana momba azy ireo izao ny Tompo. “Koa ahoana no ataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany ? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka” (Marka 12:9). “Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe:  Hesorina aminareo ny fanjakàn’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany” (Matio 21:43).

Nolavin’Andriamanitra izany ny vahoakany mandritra ny fotoana tsy fantatra, ary nitodika tany amin’ny jentilisa Izy. Mandritra izay fotoana izay anefa, dia nomen’Andriamanitra an’i Isiraely ny “fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare mandraka androany… Fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny jentilisa… Efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra…” (Romana 11:8-26).

Noho izany, rehefa miresaka ny fandàvana an’i Isiraely isika, dia aoka hitandrina tsy hanadino fa tsy ho mandrakizay akory io fandàvana io, fa ho avy ny andro, izay toy ny efa akaiky tokoa, izay hahatanterahan’ny teny fampanantenana momba ny fanarenana io firenena io. Nefa mandra-piavin’io andro io, dia miely eran’ny firenena i Isiraely ary nesorina taminy ny fitahiana rehetra nampanantenain’Andriamanitra azy raha nahatoky izy. Ho dinihintsika izao ny toerana misy azy ankehitriny araka ny fahazavana avy amin’ny Teny.

 

2. Nikomy tamin’i Roma ny Jiosy, hany ka notafihin’ny miaramilan’i Titosy ny taniny tamin’ny taona 70, nopotehany i Jerosalema, naringany ny mponina an’alinalina, nobaboiny izay sisa tsy maty ary namidiny ho andevo. Hatramin’izay, dia niely eran’ny tany rehetra ny vahoaka jiosy, araka ny efa nilazan’Andriamanitra azy tamin’ny vavan’i Mosesy. “Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’i Jehovah anareo” (Deoteronomia 4:27)”. “Dia haelin’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany ianao (28:64). Jeremia mpaminany koa dia efa nilaza io fielezana manerana ny tany io. “Ary haeliko any amin’izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary ampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy” (Jeremia 9:15). Farany, ny Tompo koa dia efa nampitandrina ny mpianany momba io famaizana hianjady amin’ny firenena mpiodina io. “Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahan’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa” (Lioka 21:24).

Tanteraka ara-bakiteny daholo ireo faminaniana ireo. tsy misy firenena etỳ an-tany tsy ahitana Jiosy amin’izao fotoana izao. Misy tsongandahatsoratra hafa ao amin’ny Soratra Masina izay milaza ny fahoriana hanjo azy ireo any an-tsesitany. “Ary any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ny faladianao; fa any no hanomezan’i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. Ary ny ainao hievingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman’alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona. Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao. Malakia hariva! Ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao. Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao” (Deoteronomia 28:65-67. Jereo koa Levitikosy 26. 36-39). Eto koa, dia mahagaga tokoa ny fahazavàn’ny Teny. nandritra ny taon-jato nifandimby amin’izao vaninandro iainantsika izao, dia an’alin-kisa ireo Jiosy nohenjehina, nampijaliana, noroahina, notafihina ary noringanina. Nandritra ny ady tamin’ny 1939-1945 ihany dia efa nisy enina tapitrisa ireo Jiosy novonoina.

 

3. Nefa, na dia misy aza ireo fahoriana mampivarahontsana ireo, dia mbola mitoetra foana ho firenena i Isiraely. Izany koa dia efa nambaran’Andriamanitra tamin’ny Teniny, an’arivony taona lasa. “Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy, dia tsy ho laviko ary tsy ho hàlako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta teo imason’ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho. Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 26. 44-45). Izany no fomba hampiasan’i Jehovah ny fanenjehena mahazo ny vahoakany mba hiazonana azy hisaraka amin’ny firenena nampielezana azy.

 

4. Etsy an-danin’izany, misy famaizana efa nambara — ary misy aza efa nampiharina — amin’ireo firenena mampijaly an’i Isiraely. Vakiantsika ao amin’ny Zakaria 2:12 fa. “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony”. Na dia misy aza mpampijaly azy ireo milaza, mba hanalana tsiny ny herisetrany, hoe:  “Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin’i Jehovah” (Jeremia 50:7), dia mahatoky Andriamanitra amin’ny teny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama hoe: “Ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao” (Genesisy 12:3). Manambara toy izany koa i Jeremia hoe: “Levoniko ny firenena rehetra izay nampielezako anao” (Jeremia 30:11). Namarinin’ny tantara izany teny rehetra izany. ny firenena izay nampahory ny vahoakan’Andriamanitra dia nofaizina mafy tokoa.

 

5. Izany dia mitaona antsika hijery zavatra iray hafa mikasika ny fifandraisan’i Isiraely amin’ireo firenena misy azy. io firenena sesitany io dia ozona ho an’ny firenena hafa. “Hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany izy, ho… fanozonana any amin’ny tany rehetra izay handroahako azy” (Jeremia 24:9). “Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ny firenena, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo” (Zakaria 8:13).

 

6. Nefa io firenena io dia mikiry foana mandà ny Mesiany, ary mbola tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra. tsy manana mpanjaka, na mpanapaka, na mpisorona, na mpaminany izy (Hosea 3:4). “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah; ary hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny olona, ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana, — eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita” (Amosa 8. 11-12).Ny apostoly Paoly koa dia manipy teny momba io fanamafisam-po sy fahajambana ara-panahy mampiavaka an’i Isiraely io ankehitriny. “Fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha (izany hoe ny Testamenta Taloha), satria ao amin’i Kristy ihany no hanesorana izany. Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin’i Mosesy. Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana” (2 Korintiana 3:14-16).

 

7. Nandritra ny fotoana lava naha-sesitany an’i Isiraely, dia lasa tsy namokatra sy tany hay i Palestina, izay “tany mitondra-dronono sy tantely”. Ny ozona nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany noho ny fiodinany sy ny fandàvany an’i Kristy, dia nihitatra tamin’ny tany sy ny toetr’andro, araka ny efa nanambaràn’ireo mpaminany azy. Tsy nisy mponina ny tany, hany ka vetivety  dia lasa tany lao. “Ary ny taninareo ho lao, ary ny tanànanareo ho rava. Ary amin’izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany” (Levitikosy 26. 33-34. Jereo koa Deoteronomia 29:22-29). Maminany momba ny fahapotehan’i Kanana koa i Isaia. “Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina, ary ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa; ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, ka ho be ny lao ao amin’ny tany” (Isaia 6:11-12). “Toy izany no nahalao ny tany taoriana, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy” (Zakaria 7:14). Vakio koa. Deoteronomia 11:16-17; Isaia 5:6; Jeremia 3:2-3.

Tanteraka ara-bakiteny ireo faminaniana ireo. raha faritany namokatra sy nandroso taloha i Palestina, ary nanana fambolena niroborobo tokoa, vetivety foana izy dia lasa faritra hay, tsy hanirian-javatra, tsy misy ala, mahalana raha misy orana, vahoaka mahantra no nonina tamin’ireo tanàna vitsy nisy tany, ary saiky tsy nisy fianakaviana jiosy intsony.

 

***

 

Izany no toerana misy ny vahoakan’i Isiraely sy ny taniny mandritra ny fotoana lava maha-sesitany azy. Amin’ny fahazavan’ny Teny indray no ndeha handinihintsika izay hanjo io firenena io mandra-piverin’ny Tompo.

 

2.2.5  TOKO 5 — Isiraely sy ny fiverenan’ny Tompo

1. Tamin’ny fanombohan’ny fanompoany tany Jerosalema, dia nandrisika ny Jiosy hibebaka i Petera, ary hiova fo “mba”, araka ny nolazainy, “hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesoa, Ilay tsy maintsy ho raisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra” (Asa 3:19-21). Nampifamatorany tamin’izany ny fibebahana sy ny fiovam-pon’i Isiraely ary ny teny fampanantenana momba ny fiverenan’i Kristy. Ndrisy anefa! Nanentsi-tadiny tamin’io antso farany io ny Jiosy. Ny mifanohitra amin’izany aza no nataony, nataon’izy ireo an-tranomaizina i Petera, novonoiny i Jakoba ary notorahany vato i Stefana, toy ny nampitondra teny nanaraka an’i Kristy nanao hoe:  Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19:14). Araka ny efa hitantsika, dia nolavin’Andriamanitra izy ireo. rava i Jerosalema, ringana ny analinaliny tamin’izy ireo, ary ny sisa tavela dia nenti-ko babo.

Ny fiverenan’ny Tompo haka ny olony izany dia tsy hitondra ho an’i Isiraely izany “andro famelombelomana” izany, izay noresahin’ny apostoly Petera. Tsy maintsy mbola handalo fizahan-toetra mahatsiravina aloha io firenena io, ary izany dia ny mba ahatonga azy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, hanetry tena sy hitodika amin’izay amin’ny Tompony, izay nolaviny sy nohomboany. Noho izany, ny hetsika voalohany amin’ny fiverenan’i Kristy — ny fampiakarana ny olona masina — dia tsy mahakasika an’i Isiraely ary tsy hanafaka azy amin’ny maha-firenena azy. Ny hetsika faharoa amin’io fiverenana io ihany — dia ny fahatongavan’ny Zanak’olona amim-boninahitra — no mifamatotra amin’ny fanafahana sy ny famerenana indray ny firenena Isiraely, ary izany lohahevitra izany dia horesahintsika ao amin’ny fizarana fahatelo amin’ity famelabelarana ity.

 

2. Na izany aza anefa, dia misy sasantsasany amin’ireo Jiosy no efa nody any Palestina hatramin’ny taona maromaro izao. Nanangana ny Firenena Isiraely aza izy ireo, tamin’ny taona 1948, ary Jerosalema no renivohiny, na dia be tokoa aza ny sakana sy ny fanoheran’ny Arabo izay monina ao amin’ny tany, amin’izany. Nefa izany moa dia tsy inona fa hetsika politika tsy misy ifandraisany amin’ny fiovam-po sy ny fanarenana nambaran’ny mpaminany.

Vakiantsika ao amin’ny Ezekiela 37, ilay tantara diso fantatra loatra momba ilay fahitana ireo taola-maina niampatrampatra teo amin’ny lemaka iray. Araka ny baiko nomena azy, dia niteny tamin’ireo taolana ny mpaminany nanao hoe:  “Ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. Ary hitako fa indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy” (and 7-8). Rentsika io “feo” io ary hitantsika ny “hetsiketsika” misy amin’ireo taola-mainan’i Isiraely. Mifanatona ireo “taolana”, ary mahavariana ny masontsika. Mikambana izy ireo, miezaka ny hody any Palestina, hametraka lamina politika, hanorina tanàna indray, hampamokatra ny tany (Fanampiny). Nefa mbola tsy misy ny fofonaina ao aminy; mbola lavitra an’Andriamanitra ihany izy ireo ary tafalentika lalina ao amin’ny tsy finoana, tsy te-hahalala na inona na inona momba an’i Kristy. Fa rehefa voarina sy miova fo izy ireo, dia ho hafa tanteraka ny fandehan-javatra. “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro. Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy amin’ny tany andrefana Aho; ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana” (Zakaria 8:7-8). Tsy izany mihitsy aloha izao no zavatra hita amin’ireo Jiosy nody any Palestina.

Ny mifanohitra amin’izany aza, azo ampiharina amin’izy ireo ilay andininy ao amin’ny Isaia 17:10-11, hoe:  “Fa nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao, ary zana-boaloboka avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo; tamin’ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina, dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa (na antontan-drantsakazo madinika fotsiny) izany ho amin’ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina”. Ny faran’io tsongandahatsoratra io dia manipy teny momba ny famaizana hahazo tsy ho ela io firenena mpikomy io.

 

Nefa alohan’izany, dia mbola hitohy ihany ny fiverenany any Palestina, ary hanara-maso io zavatra mahagaga io ny mponina eto an-tany. “Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo; raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa” (Isaia 18:3). Ny faneva atsangana sy ny anjomara tsofina dia mariky ny fandehanana; io tsongandahatsoratra io izany dia manambara mazava ny fiandohan’ny fiverenan’i Isiraely any Palestina, tranga izay efa nambaran’ny Teny efa mihoatra ny taon-jato iray, tamin’ny alàlan’ireo rahalahy hajaina, ary atrehantsika amin’izao fotoana izao.Tokony ampiorina mafy ao am-pontsika tsirairay ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo izany! Ireo tranga ireo tokoa mantsy dia mampiseho amintsika mazava fa efa miroso haingana amin’ny fiafaran’izao fotoam-pahasoavana izao isika, ary io vanim-potoana io dia hifarana amin’ny fiavian’ny Tompo. Koa tokony ho maika hanatona Azy anio ireo izay tsy mbola nanaiky Azy ho Mpamonjiny, amin’izao toetrany izao, ary handray ny famonjena atolony azy maimaim-poana! Tsotra fotsiny, ampy ny mino Azy, satria Izy mihitsy no niteny hoe:  “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa. izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47-48); ary koa. “Ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy” (and 37).

 

3. Nefa koa ny Teny dia manipika fa, mandritra io dingana voalohany hiverenan’i Isiraely izay hitantsika taona maromaro izay io, dia tsy hiditra an-tsehatra Andriamanitra (afa-tsy, mazava ho azy, amin’ny fiarovany, toy ny ataony amin’ny olona rehetra). Vakiantsika mantsy ao amin’ny Isaia 18:4 hoe: “Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko. Hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ny hainandro fararano”. Izany mihitsy no hitantsika amin’izao fotoana izao. raha ny fijerena azy, dia tsy mihontsina Andriamanitra, ary mijery avy eny amin’ny fitoerany io fivorian’ny lehilahy, vehivavy ary ankizy avy any amin’ny tany rehetra eran-tany io, izay miezaka ny hanarina indray ny fireneny nopotehina efa ho taon-jato sivy ambin’ny folo izay. Io hainandro mipoaka tsara io angamba dia kisarisarin’ny fotoana ankehitriny izay toa milamina alohan’ilay tafiotra mahatsiravina hisian’ny fitsarana izay hianjady amin’ireo Jiosy niverina any Palestina sy manaiky ny Antikristy, aorian’ny fiverenan’i Kristy.

Jesoa Tompo mihitsy no nilaza hoe: “Ary mianara ny fanoharana avy amin’ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky eo am-baravarana Izy” (Matio 24:32-33). Ny aviavy dia kisarisarin’i Isiraely. Nandritra ny taon-jato maro, dia toy ny maty ny fototr’io firenena io. Ankehitriny, dia hitantsika fa mamontsina ny rantsany ary mandravina, ary manambara amintsika izany fa “akaiky ny lohataona”, izany hoe efa eo am-baravarana ny Tompo. Tsy ho ela dia hirotsaka an-tsehatra amin-kery tokoa Andriamanitra mba hamerina ny vahoakany ho eo amin’ny tanin’ny razany, araka ny ho hitantsika amin’ny fizarana fahatelo amin’ity asa soratra ity. Ireo tranga hitantsika ankehitriny ireo dia fiantombohany ihany; mbola ny aviavy mamontsina fotsiny io, izay ho dimbiasan’ny fivelarana tanteraky ny ravina rehetra, avy eo — aorian’ny fizahan-toetra — ny fisehoan’ny voa izay nandrasan’Andriamanitra hatrizay taon-jato elabe izay nandeferany tamin’ny vahoakany izay.

 

***

 

Izany no namintinantsika ny tantaran’i Isiraely mandra-piverin’ny Tompo. Ho jerentsika aoriana ny teny faminaniana mikasika ny “fahorian’i Jakoba” sy ny fiovàny fo alohan’ny hametrahana ny Fanjakana arivo taona. Dia mbola ho hitantsika ihany io firenena io rehefa handinika ny fanjakana arivo taona isika, satria amin’izay fotoana izay dia antsoina handray anjara lehibe tokoa izy eo ambany fanapahan’i Kristy.

 

2.2.5.1  Fanampiny

Tsy tianay ny hampifangaro ny antsipiriany tsy mahakasika ny fivavahana, amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny tantaran’i Isiraely taloha na araka ny faminaniana. Nefa mihevitra izahay fa hahaliana ny mpamaky ny hahafantatra amin’ny antsipiriany kokoa ny tranga niseho tany Palestina, nandritra ny taona maromaro lasa izay.

Topi-maso ara-tantara. Na fotoana inona na fotoana inona, dia nalahelo ny tanindrazany foana ny Jiosy, ary, tamin’ny taon-jato faha-19, dia efa nisy sasantsasany niverina tany. Raha nivory tao Bâle tamin’ny taona 1897, teo ambany fitarihan’i Théodore Herzl, izay mpamorona ny sionisma, ny kongresy voalohany sionista, dia nanambara am-pahibemaso ny zon’ny vahoaka jiosy hanangana indray Fanjakana iray any Palestina. Nohamafisina io zo io tamin’ny 02 Novambra 1917, tamin’ny fanambaran’i Lord Balfour, minisitry ny raharaham-bahiny tao amin’ny Governemanta anglisy, sy tamin’ny fanomezan-dàlana an’i Angletera nataon’ny Firenena Mikambana (mbola “Société des Nations” izy tamin’izany) mba hikarakara an’i Palestina tamin’ny 1922. Ny 29 Novambra 1947, dia nanapaka ny fivoriamben’ny Firenena mikambana fa haorina ny Fanjakana jiosy ary nandidy ireo firenena nonina tany Palestina mba hanao izay rehetra azo atao hahatanteraka izany.

Tamin’ny faran’ny taon-jato faha-19, dia efa niisa roapolo ireo andiana mpifindra monina jiosy namboly tany Palestina. Tatỳ aoriana, noho ny fanenjehana azy ireo tany amin’ny tany samihafa nonenany, dia nanao andiany nifanesisesy ny mpifindra monina nankany, ka nanomboka nitrandraka ny tany izay novidiany tamin'ny Arabo tamin’ny vola nomen’ny Jiosy niparitaka eran-tany. Tamin’ny taona 1914, ny vahoaka Isiraelita dia niisa 85 000, niparitaka tamin’ny faritra dimampolo, ary nisy andiany mpamboly mihoatra ny efapolo.

Nandritra ny fitondrana britanika, dia nanohitra mafy tokoa ny fifindra-monina jiosy ny Arabo, notarihin’ny moufti tao Jerosalema. Vokatr’izany, dia teraka ireo fikomiana nahafaty olona maro, izay tsy voafehin’ny Anglisy. Te hahazo sitraka tamin’ireo Firenena arabo izay manana ny solika mantsy ny governemanta britanika, hany ka nilavo lefona hatrany manoloana ny faneren’izy ireo, ary farany, dia nametra mafy dia mafy ny fifindra-monina sy ny fividianana tany nataon’ireo mpifindra monina jiosy (Boky fotsy 1939).

Taorian’ny Ady lehibe faharoa, dia nanapa-kevitra ny Anglisy fa ho tazonina ireo famerana ireo ary noferany fatratra tokoa ny fifindra-monina. Vokatr’izany, herisetra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany no niseho, ary loza mampalahelo tokoa, indrindra fa olona vao avy nandany taona maro tany amin’ny toerana fampitobiana babo no matetika voakasik’izany. Farany, dia nofoanan’ny Governemanta britanika ny fahefana nomena azy hitantana an’i Palestina, ka navelany ny Firenena Mikambana no hamaha ny olana.

Ny 29 Novambra 1947, dia nanapa-kevitra ny ONU fa hizara an’i Palestina ho Fanjakana jiosy sy Fanjakana arabo, ary Jerosalema dia hanana sata iraisam-pirenena. Tsy nanaiky izany fanapahan-kevitra izany anefa ny Arabo ary mbola nanao asa fampihorohoroana ihany, nampirehitra ny ady. Andro vitsy monja, dia lasa tany tsy tan-dalàna intsony i Palestina. Na dia tokony ho ny 15 May 1948 aza vao nifarana ny fitantanan’ny Governemanta britanika, dia tsy nanao na inona na inona hamindram-pahefana ho amin’ilay Fanjakana Isiraely vaovao izy. Ny volana Febroary 1948, dia efa nisy tafika arabo, nantsoina hoe tafiky ny fanafahana, izay nanafika an’i Palestina, ary dia tena nisy tokoa ny ady nifanaovana tany avaratra sy tany amin’ireo tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema. Ny tafika jiosy, izay olona mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy ihany, nefa be herim-po sy tsara ofana no tao anatiny, dia nanohitra mafy ary nahavita naka faritany sasantsany.

Ny 14 May 1948, indray andro alohan’ny hifaranan’ny fahefana britanika, dia nambara am-pahibemaso ny Fanjakana Isiraely. Teo noho eo, dia nisy tafi-panjakana avy tany Egypta, Jordania, Syria, Liban ary Irak nanafika an’i Palestina avy any avaratra, atsinanana ary atsimo.

Ny governemantan’ireo tany ireo dia efa nampilaza mialoha ny Arabo tany Palestina mba handositra any amin’ireo Firenena manodidina, mba hahamora ny fanafihan’ny tafika (*).Taorian’ny ady navaivay nandritra ny efatra herinandro, dia resy tanteraka ireo mpanafika. I Jordania irery ihany no afaka nahazo am-pahany tamin’i Palestina fahiny, ary ny faritra tranainy tao amin’ny tanànan’i Jerosalema. Imbetsaka no nisy fifanarahana fampitsaharana ady teo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana; nefa tsy nohajain’ny Arabo foana izany, ary isaky ny mandika izany izy, dia mizaka faharesena vaovao hatrany. Farany, dia nisy fampitsaharana ady nosoniavina tamin’ireo Firenena mpanafika, afa-tsy i Irak, nanomboka ny volana Febroary ka hatramin’ny volana Jolay 1949. Ireo fifanarahana ireo dia nilaza mazava fa ho soloina fifanekena hisian’ny fandriam-pahalemana, nefa na dia niezaka tokoa aza i Isiraely, dia mbola tsy tanteraka io hatramin’izao (**).

 

(*) Io didy io izany no nahatonga ny famoronana ny tobin’ny mpitsao-ponenana arabo izay mbola misy ankehitriny,ary miisa 500 000 olona. Raha ny marina, ireo mambra ao amin’ny Vondrona arabo dia tsy te-hahita an’io olana io ho voavaha mihitsy, satria amin’izay dia azony kolokoloina ny fankahalana an’i Isiraely.

(**) Afa-tsy ny momba an’i Egypta

 

Ny mifanohitra amin’izany aza no zava-misy, nanohy nanambara am-pahibemaso ny Arabo fa hamotika an’i Isiraely izy ireo raha vao ampy ny heriny ara-tafika. Namaky ady ara-ekonomika tamin’i Isiraely izy ireo, tsy noraisiny intsony ireo vokatra avy any Isiraely sy ireo orinasa nanao raharaham-barotra taminy, tsy navelany handeha teo amin’ny Lakan-dranon’i Suez ireo sambo rehetra mitondra entana avy any na ho any Isiraely (*). Ankoatr’izany, dia nobahanan’i Egypta ny fidirana tao amin’ny seranan-tsambon’i Eilat, ao amin’ny hoalan’i Aqaba. Ireo fepetra ireo dia niaraka tamin’ny fampielezan-kevitra mahery vaika tokoa hankahalan’ny tontolo arabo an’i Isiraely. Niha-maro ny asa fampihorohoroana, ny fanimbàn-javatra ary ny famonoan’olona. Farany, nanao fifanarahana ara-tafika i Egypta, Syria ary Arabia Saodita, ary niditra tamin’izany koa i Jordania tamin’ny volana Mey 1956. Ny URSS no namatsy ara-pitaovana sy nampiofana ny tafika egyptiana, izay nitoby tao amin’ny saikinosy Sinai mba hanafika indray an’i Isiraely avy atỳ amin’ny faritra atsimo-andrefany.

 

(*) Amin’izany izy ireo dia mandika ny fifanarahana natao tany Constantinople tamin’ny 1888, izay mamela malalaka ny sambo rehetra handeha amin’io lakan-drano io, na amin’ny fotoana misy ady na tsia. Ny fahazoana mandeha eo amin’io lakan-drano io dia naverina taorian’ny Ady enina andro (1967) ary i Egypta no miahy izany araka ny fifanarahana natao tany amin’ny “Camp David” ny 26 Martsa 1979.

 

Ravan’i Isiraely ara-potoana anefa izany tetika izany, tamin’ny nanafihany tampoka ny Egyptiana ny 29 Oktobra 1956. Nopotehiny tanteraka tao anatin’ny herinandro ireo mpifanandrina taminy, fitaovana maro dia maro tokoa no azony, namaharany ny faritr’i Gaza sy ny saikinosy Sinai, ary nofaranany tamin’izany ny tsy fahazoa-mivezivezy tany amin’ny hoalan’i Aqaba. Afaka volana vitsivitsy, dia nesoriny ireo miaramilany, noho ny fangatahan’ny Firenena Mikambana, izay nametraka ny miaramilany tamin’ny sisin-tany manelanelana an’i Egypta sy Isiraely tatỳ andrefana. Vokatr’izany, dia nihena ireo fanafihana nahafaty olona nataon’ny Arabo tamin’ny mponina isiraeliana; an-daniny koa, niverina ny fifamezivezena an-tsambo tao amin’ny hoalan’i Aqaba, hany ka nitombo izay tsy izy ny fifamoivoizana tao amin’ny seranan-tsambon’i Eilat. Ankilan’izany kosa anefa, dia mbola nikatona ho an’i Isiraely ny lakan-dranon’i Suez ary nanohy ny fandrahonana an’ilay Fanjakana vaovao ihany ny tany arabo.

Nanao fanafihana maro nahafaty olona avy any Syria, Liban ary Jordania izy ireo, ary nankasitrahan’i URSS izy ireo tamin’izany. Tamin’ny taona 1967, dia naompan’i Egypta tany Sinai ireo andia-tafiny, nitaky ny fanesoran’ny Firenena Mikambana ireo heriny ara-tafika avy tao Gaza sy Sharm-el-Sheikh izy, nanao fifanarahana ara-tafika tamin’i Syria, Jordania sy Irak. Ny 23 Mey 1967, dia nazava ny fiantsiany ady tamin’ny tsy namelany ny sambo israeliana hiditra ny helodranon’i Tiran. Nanohitra izany zavatra noraisiny ho toy ny famakiana ady izany i Isiraely, ary nanafika ny 5 Jona 1967. Niditra an’ady teo noho eo koa i Jordania, Syria ary Irak, nampian’i Arabia Saodita sy Algeria. Nefa herinandro latsaka fotsiny dia potika tanteraka ireo tafika arabo. Lasan’ny Isiraeliana ny faritry Gaza, ny Sinai iray manontolo, ny tanàna tranainy tao Jerosalema ary ny lembalemban’i Golan tany Syria.

Nialoka tao ambadiky ny fampitsaharan’ady nataon’ny Firenena Mikambana ny Fanjakana arabo, ary nikiry tsy hanaiky an’i Isiraely ary tsy hifampiraharaha aminy. Notazoniny hatrany ny fanapaha-keviny hamotika an’i Isiraely, ary, mandra-pahazoan’izy ireo mamaky ady indray, dia nanao asa fampihorohoroana tany amin’ny tany isiraeliana izy.

Nitohy io teo-javatra io nandritra ny telo taona, hatramin’ny 6 Oktobra 1973, andron’ny Kippour (Antsoina hoe andron’ny fanavotana, ao amin’ny Levitikosy 23. 27). Io andro io no nanaovan’i Egypta sy i Syria fanafihana niaraka tany amin’ny lakan-dranon’i Suez sy ny havoanan’i Golan.

Rehefa avy niatrika ny fanafihan’ny fahavalo ny tafika isiraelianina, hatramin’ny fampiasana ireo miaramila fiandry, dia afaka nanery ireo mpanafika hiemotra ho amin’ny fiarovan-tena. Nanao fifanarahana hitsaharan’ny ady ireo mpifanandrina, teo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana, ary nisy fifanarahana tamin’i Isiraely sy Egypta, teo andaniny, ary Isiraely sy Syria, teo ankilany.

Ho fampiharana ireo fifanarahana voalohany ireo, dia nisy ny fifanarahana hisian’ny fandriam-pahalemana, nosoniavina ny 26 Martsa 1979, nataon’i Isiraely sy Egypta, mamarana tanteraka ny ady nifanaovan’ireo tany roa ireo nandritra ny telopolo taona. Io fifanarahana io koa, ankoatr’izany, dia mamerina amin’ny laoniny ny fifandraisan’ireo tany roa ireo, ny fanesorana ny tafika isiraelianina tany Sinai ary ny fifandinihina momba ny fizakan-tenan’ireo Arabo palestiniana mipetraka any Jodia, Samaria ary ny faritr’i Gaza.

Na izany aza ny fahoriana nosedrain’i Isiraely, dia nanohy ny asa fanorenana ihany izy. an’aliny maro ireo mpifindra monina noraisina ho isan’ny olom-pirenena; niroborobo ny indostria, ny fambolena sy ny làlam-pifamoivoizana, ary koa ny fitrandrahana ireo loharanon’angovo sy ny harena an-kibon’ny tany.

Manana filoha iray tendren’ny Antenimiera (Knesseth) mandritry ny dimy taona ny Fanjakana. Ny fahefana mpanatanteraka no anjaran’ny governemanta, ary miisa 60 000 eo ho eo ireo mpiasam-panjakana amin’izany. Tamin’ny voalohany, dia tao Tel-Aviv no foibe nisy ireo manam-pahefana, nefa kosa i Isiraely dia nandray foana ny tanànan’i Davida ho renivohiny. Tamin’ny Novambra 1949 izany, dia nanapa-kevitra ny Knesseth fa hamindra ny foibem-panjakana any, na dia nitsipaka izany aza ny Firenena Mikambana. Nanomboka tamin’ny “Guerre des Six Jours” (sa adika “Ady Enina Andro”), dia eo ambany fitantanan’i Isiraely tanteraka i Jerosalema. Misy mponina 366 000 eo ao.

Ny tafika dia avy amin’ireo fikambanan’olona milatsaka an-tsitrapo, noforonina nandritra ny fitondran’ny Anglisy, sy avy amin’ny Brigady jiosy izay niaraka niady tamin’ny “Alliés” nandritra ny Ady lehibe Faharoa. Ireo lehilahy rehetra manomboka amin’ny 18 taona ka hatramin’ny 26 taona dia tsy maintsy manao fanompoana ao amin’io tafika io mandritry ny roa taona sy tapany; ho an’ny vehivavy tsy manambady anelanelan’ny 18 sy 26 taona kosa, dia roapolo volana io fe-potoana io. Ireto farany ireto dia tsy alefa afa-tsy any amin’ny sampan-draharaha mpanampy. Manana andraikitra lehibe tokoa eo amin’ny fiainam-pirenena ny tafika, satria ao no hampiraisana tanteraka ireo olona samihafa manorina ny vahoaka isiraelianina.

Fampandrosoana ara-ekonomika. Manana velaran-tany 20 700 km2 i Isiraely (tsy tafiditra ao ireo faritra iadidian’i Isiraely hatramin’ny “Ady Enina Andro”), ary 445 km2 dia rakotry ny rano.

Miisa mihoatra ny 3 tapitrisa sy sasany ny vahoaka isiraelianina. Ny ankabeazan’ny mponina dia mipetraka amin’ny lemaka manamorona ny morontsiraka mediteraneana, ary ny toetr’andro any dia ahafahana mamboly voankazo, serealy ary hasy, raha tondrahana ny tany. Tamin’ny nanorenana ny Fanjakana, tamin’ny taona 1948, dia nisy mponina teo amin’ny 650 000 teo tany. Ny fitomboan’izany tatỳ aoriana dia noho ireo mpifindra monina jiosy (1 600 000 eo ho eo). Raha eritreretina fa tamin’ny taona 1882, tsy nisy afa-tsy Jiosy 24 000 tany Palestina, dia hita ny haben’ny fitomboana nisy nandritra ny taona maro farany teo.

Ny fiverenan’ny ankabeazan’ireo mpifindra monina dia iantohan’ny Fikambanana jiosy, izay manangona ny fandraisan’anjaran’ireo Jiosy eran-tany. Be amin’izy ireo no tsy manana na inona na inona ary tsy nandia fianarana na fanofanana arak’asa. Vola be izany no laniana hanomezana azy ireo trano, ampianarana azy ary hampidirana azy amin’ny sehatra famokaram-pirenena. Tsy maintsy mamorona tanàna vaovao ny Fanjakana, tsy mitsahatra ny mampivoatra ny rafitra misy ary mamorona rafitra vaovao. Hatramin’ny taona 1948, dia mihoatra ny 500 000 ny trano naorina ho an’ireo mpifindra monina. Misy ezaka manokana mihitsy hampianarana azy ireo ny teny hebreo, amin’ny fe-potoana haingana araka izay azo atao.

Noho ny fahasarotana mihoampampana amin’ny famerenana mamboly indray ireo faritra tsy novolena nandritra ny taon-jato maromaro, faritra izay indraindray honahona na hay, dia voatery miara-mivondrona ireo mpifindra-monina, mba hanakambanana ny ezaka ataony sy hiarovana azy ireo. Raha 165 000ha ny faritra voavoly tamin’ny 1948, dia lasa 485 000ha izany tamin’ny 1977, ary ny tany voatondraka izay 30 000ha dia lasa 182 000ha. Nitombo avo fito heny ny vokatra ara-pambolena ary ampy amin’ny 80%-n’ny filàn’ny mponina izany, raha ny vidiny. Na izany aza, dia firenena be indostria tokoa i Isiraely ary tsy mitsaha-mihena ny isan’ny mponina any ambanivohitra. Nisy ireo ala novolena tamin’ny velaran-tany 40 000ha. Ny olana voalohany dia ny fanondrahana ny tany, satria maina ny toetr’andro any Isiraely, indrindra fa any amin’ny faritra atsimo. Ny sivy ampahafolon’ireo tahirin-drano dia efa natokana ho amin’izany sy ho rano fisotro. Nefa na dia ny tahirin-drano rehetra aza no hampiasaina, dia tsy hisy afa-tsy ny 40%-n’ny tany ihany no ho voatondraka. Koa manantena ny Fanjakana fa ho afaka hitrandraka ilay fomba hitan’ny manam-pahaizana isiraelianina iray hanadiovana ny ranomasina sy ireo rano masirasira.

Ny ankabeazan’ny harena an-kibon’ny tany dia any Neguev (*). Taloha, dia ny potasy tany amin’ny Ranomasina Maty ihany no notrandrahana; ny vokatra azo amin’izany dia 600 000 taonina isan-taona eo, ary tsy mitsaha-mitombo izany. Trandrahana ihany koa ny entona voa-janahary. Nisy solika hita, nefa kely; mbola mitohy ny fikarohana.

 

(*) Faritany mirefy 11 000 km2 eo, avy any Beersheva ka hatrany Eilat, ary amin’ny sakany avy any Gaza ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty

 

Mivoatra ny indostria, ary misy rantsana maro karazana. Miezaka ny mampitombo indrindra indrindra ny vokatra azo aondrana any ivelany ny Fanjakana, mba hampihenana ny banga amin’ny mizàna ara-barotra. Na izany aza, dia mbola 85%-n’ny vokatra indostrialy ihany no ho an’ny eo an-toerana ary 15% no aondrana. Ny isan’ny olona miasa amin’ny indostria dia 73 000 tamin’ny 1949, ary lasa 290 000 tamin’ny 1974. Ny indostria lehibe indrindra, araka ny filaharany, dia ireto avy. vokatra fihinana, asa vy, famokarana milina, lamba sy fanjairana, vokatra simika sy avy amin’ny solika, fitaovam-pitaterana, indostria momba ny vato diamondra. Manampy izany ny fizahan-tany, izay lasa tena sampana lehibe tokoa amin’ny toe-karena, satria misy mpizaha tany mihoatra ny iray tapitrisa isan-taona.

Nivoatra toy ny sampana rehetra ara-toekarena koa ny fitaterana. Ny làlana sokajy voalohany dia mirefy mihoatra ny 10 000 km. Etsy an-daniny kosa anefa, ny làlam-by dia tsy mivoatra firy, satria fiara vaventy sy fiara tsotra no hanaovana ny 95%-n’ny fitaterana. Ny sambom-barotra koa dia niroborobo fatratra. Ny seranan-tsambo ngeza indrindra, Haïfa, dia tsy mitsahatra ny manatsara ny fitaovany. Ny seranan-tsambo faharoa amin’ny rano lalina dia i Ashdod, telopolo kilaometatra miala an’i Tel-Aviv eo. Ny seranan-tsambo fahatelo dia Eilat, any amin’ny hoalan’i Aqaba. Ny fitaterana an’habakabaka koa dia mivelatra izay tsy izy.

Ny varotra iraisam-pirenena dia mitombo isan-taona, na dia eo aza ny fanoheran’ny Vondrona arabo. Ny vidin’ny entana naondrana tamin’ny 1949 dia 29,7 tapitrisa dollars, ary lasa 7 lavitrisa teo izany tamin’ny 1978. Ny votoatin’ny varotra ivelany ataon’i Isiraely dia amin’ireo tany mandroso, dia ny Varotra iombonana sy Amerika. Ny vokatra betsaka indrindra aondrana dia ny voankazo sy ny diamondra.

Mikarakara fatratra ny fampianarana sy ny fitaizana ny tanora tokoa ny Fanjakana isiraeliana. Na dia mavesatra tokoa aza ny tsy maintsy aloa momba ny fiarovam-pirenena, ny fifindra-monina sy ny fampivoarana ny fitaovam-pamokarana, dia nahavita nanorina vondrom-pampianarana ampy tokoa izy, manomboka hatramin’ny sekolin-jaza ka hatrany amin’ny Oniversite. Tsy maintsy mandalo sekoly fanabeazana ambaratonga voalohany ny ankizy 5 ka hatramin’ny 16 taona, ary tsy andoavam-bola izany. Ny ambaratonga faharoa kosa dia efa-taona. Ny ambaratonga ambony dia sahanin’ny Ivo-toerana fito, ary misy mpianatra 54 000.

 

2.3  NY JENTILISA

Miditra amin’ny fandinihina ireo làlan’Andriamanitra mikasika antokon’olona faharoa indray isika izao. ny jentilisa. Tsy afaka ny handinika ny tantaran’izy ireo isika raha tsy miverina foana amin’ny tantaran’ny firenena Isiraely. Io firenena io mantsy, izay taranak’i Seta, no ivon’ny tantaran’ny jentilisa. Niavaka tamin’ireo Jentilisa io firenena io tamin’ny nanomezana azy tombontsoa manokana mba ho hany vahoakan’Andriamanitra, sy ny voninahitra miezinezina tamin’ny nananany ny seza fiandrianan’Andriamanitra “Izay mipetraka amin’ny kerobima” (1 Samoela 4:4). Izany no nampiavaka ny rafitra niainan’ny jentilisa mandra-pahatongan’i Nebokadnezara. Nandritra izay fotoana izay, dia naka ny anarana hoe “Tompon’ny tany rehetra” (*)Andriamanitra, satria izany no anarana nifanaraka tamin’ny fitoeran’ny fiaran’ny fanekena, izay seza fiandrianan’Andriamanitra (Josoa 3:11), tany Isiraely.

 

(*) Ny anarana hoe “Tompon’ny tany rehetra” dia tsy miaraka amin’ny fahefana tsy refesi-mandidy sy manerana izao tontolo izao, nomena ny jentilisa nanomboka tamin’ny taona 607 talohan’i Kristy. Tamin’izay fotoana izay, araka ny efa hitantsika, dia niala teo amin’ny vahoakany Andriamanitra ary naka ny anarana hoe “Andriamanitry ny lanitra” (Jereo manokana ny bokin’i Daniela, Ezra sy Nehemia).

 

Azo zaraina telo ny tantaran’ny jentilisa, dia izao :

Ny niforonan’ny jentilisa, nanomboka tamin’i Kaina ka hatramin’ny tilikambon’i Babela (Genesisy 4-11). Nandritr’izay fotoana izay, dia nitombo ny isan’ny olombelona, nefa tsy nisy rafitra ara-politika.

Ny tantaran’ny jentilisa nanomboka tamin’i Babela ka hatramin’i Nebokadnezara, fotoana izay efa notantaraintsika tamin’ny toko teo aloha, izay namelabelarantsika ny fiandohan’ny fanompoan-tsampy tetỳ  an-tany (Josoa 24:2), ny niantsoana an’i Abrahama, ny fanafahana ny vahoaka Isiraely avy any Egypta, ny nidirany tany Kanana, ny fifindra-moniny. Tsy hiverina amin’izany isika.

Ny vaninandron’ny jentilisa, fotoana izay nanomboka tamin’ny nanjakan’i Nebokadnezara mandra-pisehon’ny Tompo amin’ny voninahiny. Tokony ho zaraina roa io vanim-potoana io. ny voalohany, dia ny tantara efa lasan’ny jentilisa, araka ny fitantaran’i Daniela azy tamin’ny faminaniany; ny faharoa dia mahakasika ny tantarany ho avy, izay ho dinihintsika amin’ny tapany fahatelo amin’ity asa soratra ity, satria hiseho aorian’ny fampiakarana ny Eglizy io ary hifarana amin’ny fametrahana ny fanjakana arivo taona.

 

2.3.1  TOKO 1 — Ny niforonan’ny jentilisa

1. Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny zaridainan’i Edena ny olombelona, nefa tsy maintsy noroahiny tao izy taorian’ny fahalavoana. Namoaka ny didim-pitsarany ny amin’i Satana, ny vehivavy, Adama ary ny tany Izy tamin’izany (Genesisy 3:14-18). Hoy Andriamanitra. “Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany” (and 15). Ny taranak’i Satana, dia ireo rehetra mankatò azy, nanomboka tamin’i Kaina, izay namono ny rahalahiny, ary taoriany, dia ireo taranaka ratsy izay voatery naringan’Andriamanitra tamin’ny safo-drano, ireo olona tamin’ny tilikambon’i Babela, ireo fanjakan’olombelona rehetra — na Babylona, na Egypta, Ninive na Roma — ary farany, ireo firenena ho eo ambany fifehezan’ny Biby avy any Roma sy ny Antikristy. Amin’ny lafiny iray izany, dia azontsika lazaina hoe ny tantaran’ny jentilisa dia ny tantaran’ny taranak’i Satana. Tsy mahagaga izany raha manohitra foana ny vahoakan’Andriamanitra ny jentilisa ary manenjika azy, mandra-piditry ny Tompo an-tsehatra ka hamotehany azy.

 

2. Kaina, izay mpanorina ny tanàna voalohany (Genesisy 4:17), no razan’ny taranak’olona tsy mivavaka amin’Andriamanitra izay namorona rafi-piainana misongadina tokoa, lazaina amintsika ao amin’ny andininy faha-20 ka hatramin’ny faha-24. Misy sisa tavela tamin’izany rafitra izany, hono, hita tatỳ aoriana, ary tena mahavariana tokoa. Io rafi-piainana io anefa dia voamariky ny tombo-kasen’i Satana. Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony. Dia hoy Jehovah. Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko” (Genesisy 6:5-7). Dia tonga ny safo-drano.

 

3. Raha ny tena marina izany, dia nanomboka taorian’ny safo-drano ny tantaran’ny jentilisa. “Ireo no mpianakavin’ny zanak’i Noa, araka ny taranany, amin’ny fireneny; ary avy tamin’ireo no niavakavahan’ny firenena tambonin’ny tany taorian’ny safo-drano (Genesisy 10:32). Io fizarazarana io no resahin’ny Deoteronomia 32:8 hoe:  “Fony nomen’ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, ka samy natokatokany ny zanak’olombelona, dia notendreny ny fari-tanin’ireo firenena araka ny isan’ny Zanak’Isiraely”.

Ny fitondrana taorian’ny safo-drano dia nankinina tamin’i Noa sy ny zanany. “Ary Andriamanitra nitso-drano an’i Noa sy ny zanany hoe:  Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny biby dia rehetra sy ny voromanidina rehetra; ireny… dia efa natolotra eo an-tànanareo (Genesisy 9:1-2). I Nimroda, zafikelin’i Hama, no namorona ny fanjakana voalohany. “Izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany. Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah… Ary ny niandohan’ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ny tany Sinara” (Genesisy 10:9-10).

Tsy ela akory, dia niharatsy koa ny taranak’i Noa. Feno avonavona izy ireo, ary nihantsy an’Andriamanitra tamin’ny nananganany tanàna vaovao sy tilikambo izay tokony hiakatra hatrany amin’ny lanitra ny tendrony (Genesisy 11:4). Nofaizin’Andriamanitra izy ireo tamin’ny nanakorokoroany ny fiteniny sy ny nanelezany azy eran’ny tany (and 7,8). Hatreo dia navelany handeha amin’ny làlana tiany aleha ny jentilisa (Asa 14:16). Nefa avy tamin’ireo no nisintonany ny vahoakany, dia Isiraely, izay hiavian’ny famonjena ho an’ny jentilisa indray andro any. (Marina tokoa fa rehefa nolavin’i Isiraely i Kristy, dia toriana amin’ny jentilisa Izy amin’izao fotoana izao). Rehefa niala tamin’i Jehovah i Isiraely, ka nentina ho babo, dia nomen’Andriamanitra anjara andraikitra vaovao ny jentilisa amin’ny fitondrana ny tany.

 

4. Alohan’ny hijerena io tapany faharoa amin’ny tantaran’ny jentilisa io, dia heverinay fa ilaina ny mandinika ny lazain’ny Teny momba ny toetrany amin’ny vaninandro rehetra. Ireo toetra ireo dia ny fahalòvana, ny fieboeboana, ny haratsiam-panahy, ny herisetra, ny fanompoan-tsampy, araka ny ambaran’ireto tsongadahatsoratra sasantsasany manaraka ireto. “Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 14:2-3). “Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety  lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety  lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. Ary izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filàn’ny fony ho amin’ny fahalotoana… ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena” (Romana 1:21-25). “Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka hataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy” (Isaia 40:17).

Na izany aza anefa, dia mbola Andriamanitra ihany no mandidy ny jentilisa. “Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa; mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray. Mahavery saina ny loholona amin’ny tany Izy ary mampirenireny azy any an’efitra tsy misy làlana; mitsapatsapa amin’ny maizina tsy misy mazava ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy” (Joba 12:23-25). “Aoka hatahotra an’i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Fa Izy no niteny, dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany. Jehovah mahafoana ny fisainan’ny firenen-tsamy hafa; mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. Ny fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby” (Salamo 33:8-11).

Mandritra ny fianarantsika, dia ho hitantsika ny hamarinan’ireo fanambaràna avy amin’Andriamanitra, ny amin’ny toetran’ny jentilisa ara-moraly na ny fiankinan’izy ireo amin’ny hevitr’Andriamanitra momba ny fitantanana ny tany.

 

2.3.2  TOKO 2 — Ny andron’ny jentilisa tamin’ny lasa

Niaraka tamin’ny fidiran’i Nebokadnezara an-tsehatra ny fiandohan’ny “andron’ny jentilisa” (Lioka 21:24), izay manambara ny vaninandro hanankinana ny fitondrana izao tontolo izao amin’ny jentilisa. Izany vaninandro izany dia hitohy mandra-pisehoan’ny Tompo Jesoa amin’ny voninahiny. Tsy nampiato izany ny faharavan’ny Fanjakana romana.

Ny bokin’ny mpaminany Daniela dia mamelabelatra ny tantaran’ny jentilisa amin’ny kisarisary maneho sariolona (toko 2) sy biby (toko 7 sy 8). Marina fa ny hany nolazainy dia ireo fanjakana lehibe nanana anjara, araka ny faminaniana, misy ifandraisana amin’i Isiraely. Na dia efa tanteraka aza ny ampahany amin’ireo faminaniana ireo, dia tsy misakana azy tsy hitondra fananarana izany, satria miharihary eo ny fisoritra mazava mahagaga amin’ny fanambaràn’Andriamanitra, ary manosika ny mpino handinika akaikikaiky kokoa ireo izay tsy mbola tanteraka izany. Tsy miresaka mihitsy ny vaninandro ankehitriny misy ny Eglizy izy, ary ny zava-miafina momba izany dia tsy nisy nanambara afa-tsy ny Tompo sy ny mpianany ihany. Mora azo ny anton’izany, satria hevero fa ireo faminaniana ireo dia maneho ny làlan’Andriamanitra amin’ny fandaminana ara-politika, nefa ny tantaran’ny Eglizy dia zavatra ara-pinoana, izany hoe tena zavatra hafa mihitsy. Ao amin’ny toko faharoa amin’ny bokin’i Daniela, ireo fanjakana dia aseho ho toy ny sariolona lehibe izay hitan’ny mpanjaka Nebokadnezara tamin’ny nofy. Ny lohany dia volamena, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy ary ny tongony dia vy sy tanimanga. Ao amin’ny toko faha-7 indray, dia ny fahitany ny fanjakana efatra no notantarain’i Daniela, toy ny biby efatra lehibe. liona iray manana elatry ny voromahery, bera iray, leoparda iray nanana elatra efatra sy loha efatra, ary biby iray mahatsiravina nanana nify vy lehibe sy tandroka folo. Farany, tamin’ny fahitany tatỳ aoriana, dia nahita biby roa hafa naneho ny fanjakana faharoa sy fahatelo ny mpaminany, dia ondrilahy nanana tandroka roa tsy mitovy halavana ary osilahy nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony, nefa tapaka tampoka io tandroka io (toko 8).

Mba hahamora ny fahazoana izany fahitana telo izany sy ny tranga lazainy mialoha, dia misy tabilao omenay amin’ny pejy manaraka.

 

I- Anaran’ireo fanjakana efatra

II- Marika hanehoana azy ireo

a. Ny sariolona ao amin’ny Daniela 2

b. Ny biby ao amin’ny Daniela 7

c. Ny biby ao amin’ny Daniela 8

1. Babylona

Loha volamena

Liona manana elatry ny voromahery

 

2. Ny Mediana sy ny Persiana

Tratra sy sandry volafotsy

Bera nampisondrotra ny ila-tenany sady nisy taolan-tehezana telo tao am-bavany

Ondrilahy manana tandroka roa tsy mitovy halavana

3. Grisia

Kibo sy fe varahina

Leoparda manana elatra sy loha efatra

Osilahy manana tandroka lehibe anelanelan’ny masony

4. Ny Fanjakana romana

Ranjo vy sy tongotra vy sy tanimanga

Biby mahatsiravina manana nify vy lehibe sy hoho varahina, ary misy tandroka folo

 

 

Marihintsika fa ny faharetan’ny fanjakana iray dia mifanaraka amin’ny halavan’ny ampahan’ny sariolona maneho azy

 

I- Anaran’ireo fanjakana efatra

III- Ny mampiavaka azy ireo

IV- Ny fifandraisan’izy ireo amin’i Isiraely

V- Ny faharetany amin’ny fotoanan’ny jentilisa1

1. Babylona

Fahefam-panjaka tsy refesi-mandidy

Azo i Jerosalema ary noravana. Nentina ho babo tany Babylona ny vahoaka.

606 hatramin’ny 538 talohan’i Kristy

= 68 taona

 

2. Ny Mediana sy ny Persiana

Fahefam-panjaka ambanimbany kokoa. Tsy fifandanjan’ireo zavatra roa mandrafitra azy. Fanafihana mizotra amin’ny lafiny telo.

Namoaka didy i Kyrosy mibaiko ny babo avy tany Jodia hiverina any Palestina. Dariosy, zanak’i Hystape sy Artakserksesy Lava-Tànana no nampanamboatra indray ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema. Nefa tsy tafaverina ny fahaleovantenan’ny Jiosy.

538-331

= 207 taona

 

3. Grisia

Hafainganan’ny fanafihana. Fanapahana mihitatra kokoa noho ny an’ireo fanjakana roa voalohany.

Fizarazaran’ny fanjakana ho efatra.

Notafihina imbetsaka i Palestina ary nopotehin’ireo mpandimby an’i Aleksandra Lehibe, ary ny tena lian-drà tamin’izany dia Antiokia Epifania, mpanjakan’i Syria.

331-168

= 163 taona

 

4. Ny Fanjakana romana

Herisetra mihetraketraka. Fanapahana henjana manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana. Harenina indray aorian’ny fiavian’ny Tompo, fa ho potehiny amin’ny fisehoany amin’ny voninahiny.

Nozanahin’ny Romana i Palestina ary naka hetra taminy izy. Nohomboan’izy ireo ny Mesia, nopotehany ny tanàna sy ny tempoly tao Jerosalema, ary naeliny eran’izao tontolo izao ny Jiosy.

168 talohan’i Kristy hatramin’ny farany

 

 

 

2.3.2.1  Fanjakana voalohany: Babylona

Ny loha volamenan’ilay sariolona sy ny liona manana elatra dia maneho ny Fanjakan’ny emperora tany Babylona sy ny mpanjakany Nebokadnezara, izay nomen’Andriamanitra ny fanapahana. Ny volamena (izay tena sarobidy tokoa) sy ny liona (mpanjakan’ny biby) dia maneho ny fahambonian’io fanjakana io mihoatra amin’ireo telo hafa. Manipika koa ny fahefana tsy refesi-mandidy nananan’ny mpanjaka Nebokadnezara izany. “Ianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ny mpanjaka sady nomen’Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra, ka ny zanak’olombelona sy ny biby dia ary ny voromanidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tànanao, ary nataony ho mpanjakan’izy rehetra ianao” (Daniela 2. 37-38).

Ny fanjakana babyloniana anefa tsy naharitra ela taorian’i Nebokadnezara. Ny mpandimby azy farany, Belsazara, dia nanao fanasana lehibe niaraka tamin’ny fametavetana zava-masina, ho an’ireo arivo lahy mpanolo-tsainy, raha nanao fahirano an’i Babylona ny miaramilan’i Dariosy Mediana, nentin’i Kyrosy. Teo afovoan’ny fanasana no niseho ny tànana iray tsy fantam-piaviana, nanoratra ireto teny ireto tamin’ny rindrina. “Mene, Tekela, Oparesina”. I Daniela irery ihany no afaka namaky sy nilaza ny dikan’izany soratra izany (jereo Daniela 5). Nolazainy tamin’i Belsazara fa ho zarazaraina ny fanjakany ka omena ny Mediana sy ny Persiana (and 28). Ny alin’iny ihany, dia azon’i Kyrosy ny tanàna ary novonoina ny mpanjakan’i Babylona (538 talohan’i Kristy). Izany no namotehana ho mandrakizay ny tanjak’i Babylona, ilay loha volamena.

 

2.3.2.2  Fanjakana faharoa: ny Mediana sy ny Persiana

Ao amin’ny Daniela 6. 1 no hamakiantsika fa taorian’ny nandravana ny Fanjakana Babyloniana, dia “Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enimpolo taona no andro niainany”. Kyrosy, mpanjakan’i Persia, zana-drahalahiny sady vinantony, no nandimby azy, ary nakambany teo ambany fiadidiany ireo fanjakana roa ireo. Ireo fanjakana roa ireo no ambara amin’ny tratra sy sandry volafotsy (2:32), amin’ilay bera nampisondrotra ny ila-tenany (7:5), ary ilay ondrilahy  manana tandroka roa  tsy mitovy halavana(8:3).

Ndeha ho jerena akaikaiky kokoa ny toetoetr’io fanjakana io. Voalohany aloha, dia “ambany” noho ilay teo aloha izy (2:39); satria ny volafotsy dia tsy sarobidy noho ny volamena, ary ny bera dia tsy malaza toy ny liona, na dia mahery, mazan-doha sy masiaka aza izy. Nampisondrotra ny ila-tenany ilay bera (mampiseho ny anjara tsy mitovy noraisin’ny Mediana, ary taoriany, ny Persiana, teo amin’ny fanjakana izany), ary nisy taolan-tehezana telo tao am-bavany; ary nilazana izy hoe:  Mitsangàna, mihinana nofo be (7:5), manambara ny fandresena ho azon’io fanjakana io izany, amin'ny vazan-tany telo. tany andrefana, dia Mesopotamia sy Asia; tany avaratra, dia Armenia sy ny tany hatrany Turkerstan; tany atsimo, dia i Syria, Palestina ary Egypta (Daniela 8. 4).

Voagejan’io fanjakana io i Isiraely, toy ny nangejan’ny Fanjakana babyloniana azy. Ny nahery indrindra tamin’ny mpanjakany dia i Kyrosy, izay resahina betsaka tokoa amintsika ao amin’ny bokin’i Ezra. Araka ny efa hitantsika, dia izy no voalohany nandidy ny babo avy any Joda hody any Palestina (Ezra 1. 1-3), ary ny mpandimby azy, Dariosy, zanak’i Hystape sy Artaksersesy Lava-Tànana no nampanorina ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema (Ezra 6. 14; Nehemia 2. 1-8). Nefa tsy tafaverina tamin’ny Jiosy intsony ny fiaran’ny fanekena, izay seza fiandrianan’Andriamanitra, sy ny fahaleovantenany, ary nitohy hatrany ny fotoanan’ny jentilisa, araka ny fikasan’Andriamanitra.

 

2.3.2.3  Fanjakana fahatelo: Grisia

Ny fanjakana grika dia ambaran’ny kibo sy ny fe varahina amin’ilay sariolona ao amin’ny Daniela 2, ny leoparda manana elatra ao amin’ny Daniela 7, ary ao amin’ny Daniela 8, ny osilahy manana tandroka lehibe anelanelan’ny masony. Ity fahitana farany ity dia tena mahavariana tokoa.

Ny nahitan’i Daniela an’io osilahy io dia avy any andrefana ary nandresy vetivety  ilay ondrilahy manana tandroka roa. “Ary dia nihanahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ny rivotra efatry ny lanitra” (and 8). Ny anjely Gabriela no nanazava io fahitana io tamin’i Daniela. “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy”(and 20-22).

Ny toko faha-11 koa dia misy antsipirihany mahavariana momba io lohahevitra io. “Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin’ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony. Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy ho an’ny taranany” (and 3-4)

Ndeha hojerena izao ny fomba nahatanterahan’izany teny faminaniana izany, telonjato taona tatỳ aoriana. Aleksandra Lehibe, izay nanomboka nanjaka tamin’ny faha-roapolo taonany, dia nahazo an-keriny, tao anatin’ny taona vitsy monja, an’i Asia Minora, Syria, Tyro sy Sidona, Palestina, Egypta, Mesopotamia, Persia ary saiky tonga hatrany India izy. Ny sarin’ilay leoparda nanana elatra dia maneho amin’ny fomba mahatalanjona ny hafainganana tsy mampino nanorenan’i Aleksandra Lehibe io fanjakany mahazendana io. Nefa maty izy raha 33 taona (323 talohan’i Kristy), teo amin’ny fara-tampon’ny heriny, izay ampisehon’ilay tandroka lehibe notapahina tampoka. Jeneraliny efatra no nifampizara ny fanjakany ary namono ny taranany. Ny tantara tsy ara-pivavahana izany dia manantitra indray ny fahamarinan’ireo tranga nolazain’ny Teny taonjato maro mialoha. Na dia tsy mila fanamafisana toy izany aza ny finoana an’Andriamanitra, dia hita eto ny porofo tsy azo iadian-kevitra momba ny maha-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Masina.

Nandritra ny fanjakana fahatelo, dia mbola nofehezin’ny jentilisa ihany ny Jiosy, ary indraindray namaivanina ny fomba fiainany, indraindray nohamafisina. Marihina fa tena nampijalian’ny mpanjakan’i Syria atao hoe Antiokia Epifania (175-164 talohan’i Kristy) izy ireo. Nolazaina tamintsika ao amin’ny Daniela 8. 9-14, sy 11. 21-27, izy io, ho toy ny mpanafika izay hampirehitra ady ao amin’ilay “tanin’ny hatsarana” (izany hoe i Palestina). Ny andininy 28 ka hatramin’ny 33 amin’io toko io koa dia manambara mazava ny fanafihana iray hafa koa. “Ary hisy miaramila hitsangana… ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana”. Farany, ny Jiosy tany Palestina dia nitady hifampiraharaha tamin’ny Romana, satria nanantena izy ireo fa izany no fiarovan-tena mahomby amin’ireo fanafihana tsy an-kijanona nataon’ny mpandimby an’i Aleksandra Lehibe azy ireo. Io fifampiraharahana io dia tsy nisy vokany afa-tsy ny fanafainganana ny fanjanahan’ny Romana azy.

 

2.3.2.4  Fanjakana fahefatra: Ny Fanjakana Romana

Ny fanjakana fahefatra dia ambara amin’ny ranjo vy sy tongotra vy sy tanimanga, amin’ilay sariolon’i Nebokadnezara, fa amin’ny fahitana tantarain’i Daniela ao amin’ny toko faha-7 amin’ny bokiny kosa, io fanjakana io dia asehon’ilay biby mahatsiravina. Io fanjakana fahefatra io dia ny fanjakana Romana, na dia tsy omen’ny bokin’i Daniela anarana mazava aza izy, tsy toy ireo telo teo aloha. Nefa fantatsika fa io fanjakana io no nisolo toerana ny fanjakana grika. Ankoatr’izany, ny ranjo sy ny tongotr’ilay sariolona, ary indrindra indrindra ny fihetsik’ilay biby fahefatra, dia manambara mazava ny toetra ara-moralin’ny fahefana tany Roma. Azo lazaina aza fa hatramin’izao, dia i Roma no nanantanteraka an-tsipiriany kokoa izay voambara — raha mety  — noho ireo fanjakana telo hafa. Ireo “nify vy lehibe” fiadian’ity biby ity, toy ny “ranjo vy”-n’ilay sariolona dia mampiseho mazava ny fahefana tsy refesi-mandidy napetraky ny Romana manerana ny fanjakany.

Lehibe tokoa ity fanjakana fahefatra sady farany ity, raha ny toerana omena azy ao amin’ny faminanian’i Daniela no jerena, raha tsy miresaka akory izay ambaran’ny Apokalypsy isika (toko 13 sy 17). Ny zavatra nataony sy mbola hataony araka ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny olony sy izao tontolo izao dia manantitra izany fanamarihina izany. Any aoriana any, dia mbola hampiseho ireo toetra mihetraketraka sy di-doha tsy hay toherina toy izay efa nataony tany aloha izy. “Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakimakin’ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy” (Daniela 2. 40). “Ary indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy” (7:7). Mbola mamerina io fanoritana io ihany ny andininy faha-19 ao amin’io toko io, ary ao amin’ny andininy faha-23 i Daniela vao nahazo ny fanazavana ny amin’izany. "Ilay fahefatra amin’ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ  ambonin’ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy”. Izany mihitsy no zava-niseho. nanitatra ny fahefany ny Fanjakana romana, tsy tany Atsinana toy ireo fanjakana telo teo alohany ihany, fa koa nanerana an’i Eoropa atsimo sy andrefana, hatrany amin’ny ony Elba, Danube sy ny sisin’ny ranomasina Mainty.

Nefa, raha toa iray tsy mivaky izy taloha, dia vetivety  dia “voazara” roa io fanjakana io (izay asehon’ny ranjo roan’ilay sariolona ao amin’ny toko 2, andininy 33) — fizarana izay nahatonga ny Fanjakana romana Tatsinanana sy Tandrefana. Dia nianjera izy noho ireo fanafihana barbariana nifanesinesy  ary ny sombintsombiny sisa tavela tamin’izany no namorona ny ankabeazan’ireo firenena Eoropeanina. Any amin’ny andro farany, dia hitambatra ho eo ambany fahefana iray ihany indray ireo firenena ireo, dia ny fahefan’ilay “mpanjaka fahavalo” (Apokalypsy 17:11), ny lehiben’ny Fanjakana Romana tafatsangana indray, izay ho hitantsika any aoriana. Ny ezaka hampiray an’i Eoropa, izay atrehintsika ankehitriny, no mety ho fambara mialoha izany fahavelomana indray izany. Ny tsy azo lavina aloha, dia efa eo daholo “ny akora” ilaina, ary rehefa tonga ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia hitambatra ho iray manontolo, mifangaro na tsia, ireo akora ireo, nefa izany dia ny mba hitsarana azy sy hamotehana azy, amin’ny alàlan’ilay vato voaendaka, nefa tsy nendahin-tànana, izay hamely ilay sariolona eo amin’ny tongony ka hanorotoro azy tanteraka. Amin’izany andro izany, Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay ary hitoetra foana (Daniela 2. 34,35,44,45). Ny fiverenan’i Kristy izany no hamarana io Fanjakana romana io.

I Daniela dia tsy miresaka ny fotoana lava nahatakona ela io fanjakana io, izay nanomboka tamin’ny faharavany tamin’ny taon-jato fahefatra amin’izao vaninandro iainantsika izao. Nefa ny Apokalypsy kosa dia milaza izany mazava amintsika, toy izao. “Ary ny bibidia, ilay efa hitanao, dia teo ihany (ny Fanjakana romana teo aloha), ary tsy eo izao, (ny fahatakonany ankehitriny), nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana (harenina ilay Fanjakana mba haringana tanteraka); ary ny monina ambonin’ny tany… dia ho gaga raha mijery ilay bibidia, izay teo ihany, ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray” (17:8).

Efa hitantsika fa ny fanagejana an’i Isiraely dia tsy niova firy tamin’ireo fanjakana telo voalohany. Fa tamin’ny fanjakana romana kosa, dia tanteraka ny fitsarana farany nolazaina ao amin’ny Daniela 9. 26 :”Ary rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra”. Nohombohan’ny Romana noho ny fangatahan’ny Jiosy ny Mesia; ary tamin’ny taona 70, dia noravàny ny tanàna sy ny tempoly tao Jerosalema, ary ireo sisa tavela tamin’ny vahoaka dia nentiny ho babo tany amin’ny tany rehetra teo amin’ny fanjakana. Amin’ny andro farany, dia hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainam-pirenen’i Isiraely izay tafaverina any Palestina indray i Roma, amin’ny voalohany aloha dia hisy fifanekena ratsy dia ratsy amin’ny lehiben’ny Fanjakana romana sy ny vahoaka jiosy, avy eo dia ireo fanenjehana mahatsiravina amin’ny andro mahaory lehibe (Daniela 9. 27), ambara-piavin’ny Tompo hanafaka ny olony (7:21-22). Azo lazaina izany fa, amin’ireo fanjakana efatra ambaran’ny Soratra Masina, dia ilay farany — ny Fanjakana romana — no hanana anjara lehibe indrindra, sady mampivarahontsana indrindra, amin’ny tantaran’i Isiraely. Manazava ny toerana lehibe omen’ny Fanahy Masina azy ao amin’ny faminaniana izany, sy ny voambolana ampiasaina hanoritana azy, “biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra” (7:7).

 

Nofintinintsika teo ny tantaran’ny jentilisa mandra-piverin’ny Tompo, araka ny fanambarana ao amin’ny Teny. Mbola ho dinihintsika, ao amin’ny fizarana fahatelo, izay hanjo ireo firenena ireo aorian’ny fampakarana ny Eglizy ary mandra-piavin’ny Zanak’olona amin’ny voninahiny. Alohan’izany fotoana izany anefa, dia efa nanipy teny kely ihany isika momba ny fitsarana hanjo azy alohan’ny hanorenana ny fanjakana arivo taona. Enga anie ka ny fahatanterahan’ny faminaniana amin’ny antsipiriany nandritra ny fotoan-dasa teo amin’ny tantara hampitombo ny fitiavantsika hijery akaikikaiky kokoa ireo faminaniana izay tsy mbola tanteraka, ka hahatonga antsika haniry fatratra ny handinika ireo fanambaràn’Andriamanitra, eo ambany fanampian’ny Fanahy Masina! Enga anie ka omen’ny Tompo fahavitrihina isika amin’izany fandinihina izany, izay hitarika tokoa ny fontsika hiandrandra ny fiaviany!

 

2.3.3  TOKO 3 — Ny andrianan’ity tontolo ity

1. Tsy afaka ny hilaza ny tantaran’ny jentilisa isika, raha tsy miresaka kely momba ilay mitantana azy, ary antsoin’ny Tompo hoe “ny andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 14:30). Imbetsaka isika no handinika, amin’ny fianarantsika, ireo fisehoan’ny heriny manimba ny olombelona, ary koa ireo didim-pitsarana ho tanterahin’Andriamanitra aminy sy ireo anjeliny, aloha sy aorian’ny Fanjakana arivo taona. Koa, mba ahazoana tsara ny zava-miseho amin’ny andro farany, dia ilaina ny mahafantatra izay lazain’ny Teny momba an’i Satana — ny anarany dia midika hoe “mpiampanga, fahavalo” (ny teny hoe “devoly” dia avy amin’ny teny grika midika hoe mpanendrikendrika). Betsaka ny anarana omen’ny Soratra Masina azy, izay samy mampiseho ny toetrany. ny mpaka fanahy (Matio 4:3); ilay dragona lehibe, ilay menarana ela (Apokalypsy 12:9); ilay mpamono olona hatramin’ny taloha, ilay mpandainga, rain’ny lainga (Jaona 8:44).

 

2. Misy tsongandahatsoratra roa ao amin’ny Testamenta Taloha milaza ny fiandohan’io fahavalon’ny zanak’olombelona mahatsiravina io. Ao amin’ny Ezekiela 28. 12-17. “Izao no lazain’i Jehovah Tompo. Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy, tany Edena, sahan’Andriamanitra ianao; ny vatosoa rehetra no eloelo teo amboninao, dia ny karnoela, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao. Tamin’ny andro namoronana anao, dia natao koa ireo. Ianao dia kerobima voahosotra izay manaloka (izany hoe miaro), fa voatendriko ianao; tao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra ianao; tao amin’ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ny nalehanao hatramin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. Noho ny habetsahan’ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin’ny tendrombohitr’Andriamanitra ianao, ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin’ny vato mirehitra. Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao ianao; nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka”. Farany, misy fanoritana toy izany koa ao amin’ny Isaia 14:12-15. “Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina; voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena. Ary ianao efa nanao anakam-po hoe:  any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana any am-parany avaratra aho; hiakatra ho any ambonin’ny havoan’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo indrindra; kanjo hampidinina hatrany amin’ny fiainan-tsy hita ho any am-para-vodi-lavaka ianao”.

Marina fa ireo faminaniana roa ireo dia mikasika ny mpanjakan’i Tyro sy Babylona, nefa mazava fa ilay nampiasa azy ireo no voatondro eto. Hitantsika amin’izany fa noforonin’Andriamanitra i Satana ary nomeny fahatanterahana, fahatsarana ary fahendrena tsy misy toy izany. Ny andraikiny dia ny ho kerobima mpiaro teo amin’ny tendrombohitra masina, nanana fahefana sy voninahitra izy, ary azo heverina fa mitovy amin'ny an'ny arkanjely Mikaela izany. Farany, dia tsy nanan-tsiny izy tamin'ny nalehany, mandra-pahita heloka tao aminy sy “nahasimba ny fahendreny mbamin’ny famirapiratany”. Feno avonavona ny fony ka nanosika azy hikatsaka ny hanongana an’Andriamanitra izany. “Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako… ho tahaka ny Avo indrindra aho”.

“Nazera tetỳ an-tany” izy ary hampidinina “hatrany amin’ny fiaina-tsy hita ho any am-para-vodi-lavaka”, sarin’ny fahalavoana nanaraka ny fikomiany tsy amim-piheverana tamin’Andriamanitra. Nahomby i Satana tamin’ny fampiarahany ireo anjely nanaiky azy tamin’ireo tetika nokasainy; notarihiny niaraka taminy tamin’ny fahalavoana izy ireo. tonga demony izy ireo, ireo fanjakana, fanapahana, mpanjakan’ny fahamaizinana, ilay fanahy ratsy eny amin’ny rivotra izay voalaza ao amin’ny Efesiana 6:12, izay tokony ho toherin’ny kristiana foana, ka ho resiny raha toa ka mitafy ny “fiadian’Andriamanitra rehetra’’ izy. Io tsongandahatsoratra io dia mampiseho fa, na dia manao ireo asa ratsiny eo anivon’ny olombelona aza ny devoly sy ny anjeliny, dia mbola any an-danitra ihany izy ireo. Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia indroa izy no miseho eo imason’Andriamanitra mba hiampanga an’i Joba (Joba 1:6-12; 2:1-7) ary ny fanintelony mba hanohitra an’i Josoa, ilay mpisoronabe (Zakaria 3:1-3).

 

3. Ny tena asany dia ny hamery ny olombelona, ny hampiodina azy amin’Andriamanitra ary ny hanekeny ny fahefany, mba hampidinana azy any amin’ny fijaliana mandrakizay. Miady mafy manokana koa izy amin’ireo zanak’Andriamanitra, mba tsy ahazoany misitraka ny toerany ao amin’i Kristy, mba hanakorontanana azy ireo amin’ny fomba arivoarivo samihafa hampiala ny fony, raha azo atao, amin’ny Tompo sy Mpamonjy malalany. Farany, nandritra ny fotoan’andro nifandimby, dia nohenjehiny izy ireo ary novonoiny ho faty, satria nanantena izy fa hifarana amin’izany ny fijoroana vavolombelon’ny Eglizy etỳ an-tany.

Mba hanatanterahana ireo asa ratsiny, dia mampiasa ireo olona izay niala tamin’ny Mazava izy, ka nifidy ny fahamaizinana (Jaona 1:5,9,10). Miditra ao anatin’izy ireo izy ary mibaiko azy ireo toy ny saribakoly araka ny sitrapony. Mitatitra tranga betsaka momba ny olona itoeran’ny demonia ny Teny, ary tsy ny an’i Jodasy ve no mahatsiravina indrindra amin’ireo ? Niditra tao aminy i Satana, araka ny ambara amintsika ao amin’ny Lioka 22:3, raha iny hanolotra ny Mpampianany amin’ny lehiben’ny vahoaka iny izy. Amin’izao vaninandro iainantsika izao koa, dia mitovy amin’izany ihany, ary ampy ny fijerena ny zava-miseho eran’izao tontolo izao hanamarinana ny vokatra mahatsiravina ateraky ny herin’i Satana io. hatraiza hatraiza dia ady, famonoan’olona, herisetra, fankahalana, fanandevozana ny olona, fitaintainana, halatra, sns. Nefa mbola inona izany miohatra amin’ireo fisehoan’ny fahefan’i Satana aoriana rehefa ho tonga nofo ao amin’ny Antikristy izy ? Io no hisolo tena azy etỳ  an-tany, olona ataony fitaovana mba hanandevozana tanteraka ny olombelona, ilay “lehilahin’ny ota”, izay hivavahan’ny vahoaka. Efa ho any amin’ny Tompo ny Eglizy amin’izay fotoana izay, ary hiray saina sy ho faly tokoa ny olombelona hanolo-tena ho an’ilay lehilahin’ny ota, “ny fihavin’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsy fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampananteran’Andriamanitra fiasàn’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy mino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina” (2 Tesaloniana 2:9-12). Hiseho ny faharatsian’ny fahavalo amin’izay, amin’ny halehibeny rehetra sy amin’ny maha mahatsiravina azy tanteraka. Hesoriny tanteraka izay mety handrakotra ilay rafitra maharikoriko napetrany, izay mbola tsara afina ihany hatramin’izay. ilay Kristiny sandoka (Apokalypsy 13:11-18), ireo foto-pampianarany sandoka (1 Timoty 4:1; Apokalypsy 2:24), ireo mpivavaka aminy (2 Tesaloniana 2:4; Apokalypsy 13:8), ireo anjeliny (Apokalypsy 12:8; Isaia 24:21), ireo mpanompony (2 Korintiana 11:15), ny fanjakany (Lioka 4:6), ny heriny (2 Tesaloniana 2:9; Apokalypsy13. 2,13-15).

 

4. Fa ny Tompo mihitsy no hiditra an-tsehatra hamotika io rafitry ny devoly io. “Ary hitako ilay biby dia (izany hoe ny lohan’ny Fanjakana romana narenina), sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany (izany hoe i Kristy sy ireo olom-boavidiny). Ary nosamborina ilay biby dia mbamin’ny mpaminany sandoka (izany hoe ny Antikristy), dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny biby dia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony. — Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita nonoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita nonoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy”.(Apokalypsy 19:19-21; 20:1-3).

Noho izany, mandritra ny fanjakàn’i Kristy, dia ho fatorana any amin’ny lavaka tsy hita nonoa aloha i Satana, mba tsy hamitaka ny olombelona intsony. Fa amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, dia mbola hovahana “kelikely” ihany izy. Izany no vakiantsika ao amin’ny Apokalypsy 20:7 sy ny manaraka. “Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady… Ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay biby dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo”.

 

5. Izany no hiafaran’i Satana sy ireo rehetra nankatò azy (Apokalypsy 20:15).

Ho antsika zanak’Andriamanitra kosa, dia efa fahavalo resy izy, na dia mampatahotra tokoa aza ny heriny. “Lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao” (1 Jaona 4:4). “Fa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (1 Korintiana 15:57). “Efa naharesy ilay ratsy ianareo” (1 Jaona 2:13,14). “Manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alàlan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37). Na izany aza, dia hanarina isika, eo anoloan’ny hery sy ny hafetsen’i Satana, mba hahery “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany”, hitafy “ny fiadian’Andriamanitra rehetra’’, mba hahazoantsika “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly” (Efesiana 6:10 sy manaraka). Tsy ho ela dia tsy hisy hatahorantsika ny heriny intsony ary ho mandrakizay ny fandresentsika azy. “Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika!” (Romana 16:20).

 

 

2.3.4  TOKO 4 — Ny jentilisa sy ny fiverenan’ny Tompo

Ho dinihintsika amin’ity toko ity ny toetra ara-moralin’ny jentilisa amin’ny andro hiverenan’i Kristy, araka ny hanambaran’ny Teny azy. Manan-danja manokana ity fianarana ity, satria ahazoana mahatsikaritra, dieny ankehitriny, zavatra sasany miseho alohan’ny farany izy. Ho hitantsika amin’ny zava-miseho sasantsasany ankehitriny ny fanamarinana nymaha antomotra ny fiverenan’ny Tompo. Hampahery ny finoantsika izany, hahafaly ny fontsika ary hanampy antsika hiambina.

 

Asandrato hijery an’i Jesoa ny masontsika;

Tsy ho ela io Mpamonjy be voninahitra io

Dia hidina avy any an-danitra.

Amin’izany fiandrasana mahsambatra izany,

Aoka ny fanahintsika hiambina:

Aoka isika ho vonona, matahora sao matory,

Ry kristiana, ho avy ny Mpamonjy.

 

1. Ny zavatra voalohany mampiavaka ny andro farany dia ny fitomboan’ny faharatsiana. Izao no vakiantsika momba izany ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5. “Fa aoka ho fantatrareo izao. fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. Iza no tsy hanaiky ny famaritana ny fiaraha-monina ankehitriny amin’izany voambara izany ? Tsy ilaina akory ny mandray tsirairay izany famaritana izany ka hampitovy azy amin’ny antsipiriany amin’ny zavatra tsapan’ny isam-batan’olona andavanandro. Na dia nandritra ny tantarany rehetra aza no efa nampisehoan’ny olombelona izany toetra izany, tsy mbola niha-mafy toy ny amin’izao andro izao izany. Ary mbola hiharatsy izany, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-13 ao amin’io toko io ihany. Tsy hisy afaka hitsipaka fa ny fikorontanana ara-moraly, ara-piaraha-monina sy ara-ekonomika, ny lainga, ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola, ny avonavona, ny faharatsiana amin’ny fomba rehetra azony hisehoana, dia tsy mbola lehibe toy ny amin’izao ankehitriny izao. Akaiky izany ny andro farany ary tsy ho ela dia ho avy ny Tompo…

 

2. Ny zavatra faharoa mampiavaka ny jentilisa, alohan’ny hiverenan’i Kristy, dia ny fianahan’ny fahadisoana, marika mialoha ny fiodinana tanteraka amin’ny fivavahana marina izay hiseho aorian’ny fanalàna ny Eglizy. “Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, amin’ny fiatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany” (1 Timoty 4:1-2). Inona no efa hitantsika sahady amin’izao fotoana izao ? Mpaminany sandoka maro, foto-pampianarana diso, sekta mandoza. Mihanaka ny fanompoan-tsampy sy fanahy hafa. Na dia ireo sasantsasany amin’ny mpitondra fivavahana aza, izay milaza ho kristiana, dia manely fahadisoana lehibe mihitsy momba ny tena sy ny asan’i Kristy, ary tsy misalasala ny mametraka fanontaniana, na mandà mihitsy aza, ny fahamarinana ifotony momba ny finoana. Hanalana sy ampiana ny Soratra Masina, araka ny sitrapony, mampianatra izy fa ny olona rehetra, ary na dia ny devoly aza, dia ho voavonjy avokoa, manamafy izy fa ny zavatra hita sy azo tsapain-tànana, ny aretina, ny fahafatesana dia tsy fahamarinana misy, ary manambara ny ho avy amin’ny fomba feno lainga. Farany, mihanaka hatrany ny famohazana angatra, “manaiky fanahy mamitaka” ny olona. Satria ny atao hoe firesahana amin’ny maty dia tsy inona akory fa fifaneraserana amin’ny demonia. Ireo izay manaiky hanompo an’i Satana toy izany dia ireo izay lazain’ny tenin’Andriamanitra hoe “apostoly sandoka… mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany” (2 Korintiana 11:13-15). Ary inona no ho lazaina manoloana ny fanandratana ny mpitondra firenena sasany ho andriamanitra ? Maka ny toeran’Andriamanitra mihitsy ny olona, mitaky fanompoana mahatsiravina, izay manambara sahady ny fanompoana hataon’ny firenena, na tiany na tsy tiany, ny sarin’ilay Biby romana (Apokalypsy 13:15). Araka ny hanambaran’ny Teny amintsika hoe:  “Ary ny fahamarinan’Andriamanitra dia nosoloiny lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.” (Romana 1:25).

Eo afovoan’izany faharavana izany, dia antsoina ny olom-boafidy hanamafy ny fijoroany ho vavolombelona, ary hahatsiaro hatrany fa izany zava-miseho rehetra izany dia mariky ny fiafaran’ny fotoanan’ny fahasoavana tsy ho ela. “Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny… Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay” (Joda. 17, 20, 21).

 

3. Tsy mahagaga raha izany toetra fiokoana amin’Andriamanitra sy Ilay Voahosony izany dia miaraka amin’ny fankahalana tanteraka ireo olom-boafidy. Satria ny Teny dia manambara fa ny andro farany dia hiavaka noho ireo fanenjehana ara-pivavahana. Ny Tompo dia efa nampitandrina ny mpianany fa ho tratry ny fankahalan’izao tontolo izao izy ireo. “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa” (Jaona 15:18-20). Ireo tenin’ny Tompo ireo dia tanteraka nandritra ny tantaran’ny Eglizy, satria tsy voaisa intsony ireo vavolombelona nenjehina sy novonoina. Nefa, amin’ny fotoana mialoha ny fiverenan’ny Tompo, dia hihamafy ny fanenjehana. “Ary dia atolony ho amin’ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako” (Matio 24:9). “Ary raha mbola tsy tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika sy hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-tranomaizina” (Lioka 21:12). Na dia mikasika manokana ireo sisa tavela jiosy mandalo ny andro fahoriana lehibe aza izany faminaniana izany, dia azo hampiharina koa amin’ny “andro farany” rehetra, izay misy ny vaninandro mialoha ny fiverenan’ny Tompo. Eto koa, dia jereo fotsiny ny zava-miseho ankehitriny any amin’ny firenena maro, amin’ny fanenjehana ara-pivavahana izay lasa fandaharan-draharaha. Manamafy ny famelezany ny olom-boafidy ny devoly, satria fantany fa tsy manam-potoana firy intsony izy, ary amin’ny haromotany, dia miezaka ny hanafoana ny fijoroana vavolombelona ho an’ny Tompo izy. Any amin’ny tany sasany, dia enjehina ny kristiana, ampidirina am-ponja, tsy omena asa na karam-pamatsiana; akatona ny toeram-pivavahana, ravana, amboarina ho tranom-bakoka “tsy misy andriamanitra”. Na dia any amin’ireo tany nihazona ny fandriampahalemana ara-pivavahana sy ny fahafahana ara-pivavahana aza hatreto, dia hiseho vetivetỳ  ny fanilikilihana, raha tsy miaro ny olony ny Tompo, noho ny fahasoavany.

 

4. Ny tsongandahatsoratra notanisaintsika teo ao amin’ny filazantsaran’i Lioka dia manambara koa fa, amin’ny andro farany, dia hisy ady, mosary ary areti-mandringana (Lioka 21:10-11). Indrisy! Vao eo isika no tafavoaka tamin’ny ady lehibe eran-tany, dia mikotrika fifanandrinana indray ny olona, izay handatsahan-dra bebe kokoa. Ny ankamaroan’ny asa ataony dia momba ny ady, ary ny hareny sy ny fahaizany rehetra dia natao hanompoana an’io Moloka io. Efa nanolo-tena ho an’i Satana mantsy izy, Satana izay mpamono olona hatrany am-boalohany. Ny Ady Lehibe Voalohany dia namoizana olona folo tapitrisa; ny faharoa, dia telopolo tapitrisa, araka ny voalaza. Ny mosary sy ny areti-mandringana indray dia manjaka amin’ny faritra maro manerana ny tany.

Izany loza rehetra izany dia efa nambaran’ny Teny, tsy hampitahotra antsika akory, fa mba ahafahantsika mahatsikaritra ny marika azo antoka amin'ny fiverenan'ny Tompo tsy ho ela. "Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany” (Lioka 21:9).

 

5. Ny famantarana farany manambara ny fiavian’i Kristy, famantarana izay efa nanipazantsika teny ihany, dia ny fiverenan’ny Jiosy any Palestina. Marina fa tsy misy ifandraisany amin’ny toetra ara-moralin’ny jentilisa io marika io, nefa dia miavaka tokoa izy ka tsy hodiantsika tsy hita. Manambara amin’ny mpianany ny Tompo hoe: “Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona… efa akaiky mby eo am-baravarana” (Matio 24:32-33). Efa hitantsika fa io aviavy “mandravina” io dia kisarisarin’ny vahoaka jiosy manomboka miverina any Palestina. Milaza mazava ny Tompo fa io tranga io dia manambara fa “efa akaiky, mby eo am-baravarana” izany andro izany; raha lazaina amin’ny fomba hafa, na dia tsy misy aza ireo “famantarana” hafa, io ihany dia ampy handresy lahatra antsika fa tsy ho ela dia hiverina i Kristy.

Marina fa toy ny famantarana hafa rehetra ihany io famantarana io: ankehitriny isika dia mahita ny fiantombohany, ary ny fahatanterahan’ny famantarana rehetra dia ho hita aorian’ny fampakarana ny Eglizy. Amin’izay fotoana izay, dia hahatratra ny fara-tampony ny faharatsiana, hiodina tanteraka amin’ny fivavahana marina ny olona, hanerana ny tany ny fanenjehana, ny ady, ny mosary sy ny areti-mandringana, hiverina any amin’ny taniny i Isiraely, avy any amin’ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao, fa ankehitriny kosa, mbola vao miandoha io famerenana azy amin’ny laoniny io.

Na izany aza, ny fandinihina ireny famantarana faminaniana ireny dia mandresy lahatra antsika fa ho avy tsy ho ela ny Tompo. Antsoiny koa isika tsy hanamaivana io fandinihina io, fa, ny mifanohitra amin’izany, ny “hamantatra ny fotoana” (Matio 16:3), mba hitandremantsika ka hiambenantsika (Marka 13:37), ary hifaliantsika amin’ny fieritreretana fa hahita Azy tsy ho ela isika. Hoy Izy: “Indro, avy faingana Aho... Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro. Ny Fanahy sy ny ampakarina dia manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia… Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesoa Tompo !” (Apokalypsy 22:12 sy ny manaraka).

 

 

2.4  NY EGLIZY

2.4.1  TOKO 1 — Ny fiandohan’ny Eglizy sy ny toerany

1. Ny voambolana hoe “Eglizy” dia notsoahana avy tamin’ny teny grika midika hoe “nantsoina hivoaka ivelany”. Ny Eglizy tokoa dia ireo olona rehetra mino ny Tompo Jesoa, izay “nantsoina” hivoaka ivelan’izao tontolo izao mba ho isan’ny tenan’i Kristy, noho ny herin’ny Fanahy Masina (1 Korintiana 12:27). Tsy misy intsony ny fanavahana ny Jiosy na jentilisa, satria naka “olona hankalazana ny anarany” (Asa 15:14) Andriamanitra, avy amin’ny Jiosy sy avy amin’ny jentilisa. “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo” (1 Korintiana 12:13). Indray mandeha tsy miverina tamin’ny andron’ny Pentekosta ny fanaovam-batisa tamin’ny Fanahy Masina (Asa 12). Ny tantaran’ny Eglizy tetỳ an-tany izany dia niantomboka tamin’ny Pentekosta ary tsy hifarana raha tsy amin’ny fiverenan’ny Tompo, rehefa haka azy hitsena Azy eny amin’ny habakabaka Izy.

Taloha, dia nisy ny mpino, ary ny anarany sy ny tantarany dia taterina amintsika ao amin’ny Testamenta Taloha: Abela, Enoka, Abrahama, sns. Na dia nahazo tombontsoa mialoha tamin’ny asan’i Kristy aza izy ireny, dia tsy mba nampiraisina ho tena iray kosa izy ireo. Nisy tokoa firenena natokan’Andriamanitra ho Azy — ny vahoaka Isiraely — nefa ny ankamaroan’ny olona tamin’izany dia tsy nanoa an’Andriamanitra, hany ka tsy maintsy nofaiziny matetika ary ny niafarany aza, dia voatery nanapaka ny fifandraisany taminy Izy. Mifanohitra amin’izany kosa ny Eglizy: tsy misy afa-tsy olom-boavidin’ny Tompo no ao anatiny, nantsoina hiala amin’izao tontolo izao mba hampiraisina ho tena iray, amin’ny alàlan’ny hazo fijaliana, ary ho tonga “fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” noho izany (Efesiana 2:16, 22). Nefa raha ireo olona nateraka indray ireo no mandrafitra ny Eglizy, dia tokony ho fantatra fa ny mpino rehetra, tsy misy an-kanavaka, no isan’ny Fiangonan’Andriamanitra, na dia tsy mijoro ho vavolombelon’ny maha-iray ny tenan’i Kristy eo amin’ny Latabatry ny Tompo aza izy ireo. Satria io anjara io dia efa nomena ny mpino rehetra noho ny asan’i Kristy sy ny finoana Azy, dia tsy miankina amin’ny fankatoavana rafi-pivavahana iray izany (*). Noho izany, ny olona rehetra nantsoin’Andriamanitra hiala amin’izao tontolo izao dia miray, raha vantany vao nateraka indray, amin’ny alàlan’ny Fanahy ao aminy, ary miray amin’ny Tompo Jesoa izay nasandratra am-boninahitra, ary izy ireo no mandrafitra ny tenan’i Kristy etỳ an-tany.

 

(*) Raha ny marina anefa, dia very zavatra tsara ny olom-boavidy rehefa manalavitra ny Latabatry ny Tompo

 

2. Ny ilazana voalohany ny Eglizy dia ao amin’ny Matio 16. Manontany ny mpianany ny Tompo hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?” Tsy nisy nahalala Azy na nahatsikaritra fa Izy no Zanak’Andriamanitra, dia ilay Mesia nampanantenaina. Dia nanampy i Jesoa hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao koa: ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy” (and 13-18). I Kristy tenany mihitsy, ilay Zanak’Andriamanitra velona, no io vatolampy hanorenany ny fiangonany io. Haorina eo ambonin’Ilay naharesy ny fahafatesana sy nandrava ny “vavahadin’ny fiainan-tsy hita” izany io fiangonana io. Tsy hatahotra ny herin’ny fahafatesana izy izany.

Aoka ho marihina koa fa manambara ny Tompo hoe “haoriko ny fiangonako”. Tamin’izay fotoana izay izany, dia mbola zavatra ho avy io, asa hatao, izay mitaky ny fandatsahany ny rany amin’ny fahafatesana eo amin’ny hazofijaliana, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny fiakarany tany an-danitra ary ny nidinan’ny Fanahy Masina tetỳ an-tany. Ny Eglizy izany dia tsy aorina eo ambonin’i Kristy ihany, fa eo ambonin’i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty: ny fahafatesany no nanonitra ny fahotantsika; ny fitsanganany tamin’ny maty no nandresy ny fahafatesana. Avy eo, niakatra ho any an-danitra Izy, ary nandefa ny Fanahy Masina tetỳ an-tany (Jaona 16:7). Voaorina tamin’ny firaisana ho tena iray ny Eglizy, voarafitr’ireo rehetra mino ny anarany.

Efa hatry ny ela Andriamanitra no nanomana haneho ny fahendreny amin’ny alàlan’ny Eglizy, eo imason’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra. Ao amin’ny Efesiana 3:10 tokoa no hamakiantsika fa: “mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny maha-maro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny fiangonana, araka ny fikasana hatrizay hatrizay”.

Nefa tiany haseho amin’ny rehetra koa, amin’ireo andro ho avy, ny haben’ny haren’ny fahasoavany, tamin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesoa (Efesiana 2:7).

 

3. Ny Eglizy izany, amin’ny maha-izy azy, dia ivelan’izao tontolo izao ary ny ho aviny dia any an-danitra. Nosarahina tamin’izao tontolo izao izy, tsy misy zavatra ifantohan’ny fony etỳ an-tany, fa any an-danitra no ifantohany. Dieny izao izany, ireo izay sambatra fa isan’izany fiangonan’Andriamanitra izany dia asaina hahatsiaro fa any an-danitra ny anjarany, dia:

a) Ny fitahiana azy: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1:3).

b) Ny toerany: “Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2:6).

c) Ny lovany: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy metỳ  simba, tsy misy loto, tsy mety  levona, voatahiry any an-danitra ho anareo” (1 Petera 1:3-4).

d) Ny anarany: “Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo” (Lioka 10:20)

e) Ny fanjakany: “Fa ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo” (Filipiana 3:20).

f) Ny ifantohan’ny eritreriny sy ny fitiavany: “Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany” (Kolosiana 3:1-2).

g) Ny fanantenany: (hizara ny voninahiny ary hitovy Aminy): “Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” (Jaona 17:24). “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2).

 

Noho izany, ireo antso sy fanantenan’ny Eglizy dia any an-danitra, ary izany no maha-samihafa azy amin’i Isiraely, izay mahazo ny fitahiany etỳ an-tany. Na dia olona notsoahana avy amin’ny firenena rehetra aza no mandrafitra azy, samihafa fiteny sy fiaviana, dia vahoaka iray tsy eo amin’izao tontolo izao izy, fa nantsoina hivoaka hiala amin’izao tontolo izao, ary “niara-napetrany (Andriamanitra) any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2:6). Ahoana moa no tsy maha-eo amin’izao tontolo izao ny kristiana ? Ny Tompo mihitsy no mamaly: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” (Jaona 17:16). Noho izany, ny fiavian’ny Eglizy dia tsy mitovy mihitsy amin’ny an’i Isiraely. Ity farany ity dia nofidian’Andriamanitra ho vahoakany, eo afovoan’ireo firenena hafa eran-tany. Ireo olom-boavidy ankehitriny kosa dia nantsoina tsirairay, maty sy natsangana tamin’ny maty ao amin’i Kristy. Noho ny finoana ny anaran’i Jesoa, dia naterak’Andriamanitra isika tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, ary tonga voary vaovao, mizara ny toetr’Ilay nanavao antsika (niteraka antsika indray). “Ary izay any an-danitra (ny olom-boavidy), dia tahaka Ilay any an-danitra (Kristy)” (1 Korintiana 15:48). Toy ny maha-voalohan’ny taranaka mpanota an’i Adama, no maha-lohany an’i Kristy — ilay Adama farany — lohan’ny taranaka vaovao izay mitovy Aminy, olona any an-danitra, mponin’ny lanitra, “mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra” (Efesiana 2:19).

 

4. Noho izany, lalina kokoa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra noho ny fifandraisan’i Isiraely taminy. Ireo kisarisary ampiasain’ny Testamenta Vaovao manambara ny fifandraisan’i Kristy sy ny Fiangonana dia mampivoitra izay fahasamihafana izay. Marina fa tao amin’ny Testamenta Taloha, dia nampiseho koa ny fahasoavany, ny fahatokiany sy ny fitsinjovany ny vahoaka Isiraely Andriamanitra. Nefa na izany aza, dia mitoetra ho ilay Mpanjaka mitandro ny zony voahitsakitsaka matetika Izy, ambonin’ny zavatra rehetra. Ao amin’ny Testamenta Vaovao kosa, dia hitantsika ny kisarisary momba ny tena, izay Kristy no lohany, kisarisary izay maneho ny firaisana tsy azo tapahina misy eo amin’ny olom-boavidiny sy i Kristy, sy eo amin’i Kristy sy ny olom-boavidiny, izay isan’io tena io. Amin’ireo tsongandahatsoratra manambara io fahamarinana sarobidy io, dia singanina manokana ireto .

“Andriamanitra… dia nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana, izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra” (Efesiana 1:22-23). (Mariho ny lanjan’ilay fitenenana ilazana ny Fiangonana ho toy ny “fahafenoan” i Kristy, izany hoe fanampin’i Kristy).

“Ary Izy (ny Zanany malalany) no Lohan’ny tena, dia ny Fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa amin’ny maty, mba ho lohany amin’ny zavatra rehetra Izy” (Kolosiana 1:18). Jereo koa Kolosiana 2:10 sy 19.

“Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro ny momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray… Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy” (1 Korintiana 12:12,13,27).

Io kisarisary ampiasain’ny apostoly Paoly io ilazana ny Eglizy — ny tenan’i Kristy — dia mampivoitra tokoa ny tanjaka sy ny toetry ny fifamatoran’ny Eglizy amin’i Kristy: tsy fifandraisana tsotra io, fa tena firaisana iankinan’aina. Ny vatana tsy manan-doha dia maty, ary tsy misy azo asolo io taova iray io. Ankoatr’izany, ny loha no mitarika ny vatana, izy no mibaiko, misy fifandraisana manaiky fifehezana izany ao. Farany, ny loha sy ny vatana dia iray aina, miara-ory sy miara-paly, ary raha lazaina indraim-bava, dia tsy azo sarahina. Toy izany marina i Kristy. Loha nasandratra any an-danitra Izy, ary ny Eglizy dia ny vatany etỳ an-tany, miray Aminy amin’ny alàlan’ny Fanahy iray. “Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4:4). Izany no manazava ny nolazain’ny Tompo tamin’i Saoly tany amin’ny làlan’i Damaskosy hoe: “Izaho no Jesoa izay enjehinao” (Asa 9:6); satria noraisiny ho miray Aminy ireo olom-boavidiny, izay nenjehin’i Saoly.

Ny kisarisary hafa ampiasain’ny Teny anehoana ny firaisan’aina mahagaga sy ny herin’ny fifamatorana misy eo amin’ny Tompo sy ny Egliziny, dia ny lehilahy sy ny vadiny. “Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena… Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba ahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny Teny; mba ho raisiny ho an’ny tenany izany, ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy… Fa momba ny tenany isika” (Efesiana 5:23-30). Fitiavana mahagaga omen’ilay Vady any an-danitra ho an’ny vadiny novidiny tamin’ny rany nalatsaka teo ambony hazofijaliana! Azontsika tokoa ny fanirian’ny fony handray ho eo akaikiny, ao amin’ny voninahiny, io vady malalany io. Mety ho feno ve ny hasambarany ary ho afa-po ny fitiavany raha tsy eo akaikiny ho mandrakizay ilay nofon’ny nofony sy taolan’ny taolany, dia ilay “perla sarobidy” izay nanaovany sorona ny zava-drehetra ? Tsia! Fa ny Ampakarina koa dia maniry fatratra io firaisana amin’ilay Vadiny be voninahitra sy any an-danitra io, ary izany no hamaliany miaraka amin’ny Fanahy hoe: “Avia!”, raha mandre Azy miteny izy hoe: “Eny, avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:17).

Misy kisarisary hafa iray koa ampiasain’ny Teny ilazana ny Fiangonana: trano ara-panahy voarafitr’ireo vato velona. “Izay (izany hoe ny Tompo) hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona fa voafidin’Andriamanitra sady soa, ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 2:4-5). Eo ambonin’ilay Kristy nolavin’izao tontolo izao no iorenan’ny Eglizy. Tsy mahagaga izany raha toa tebahana sy ailik’izao tontolo izao koa ny Eglizy, ary mizara ny anjaran’ny Lohany izy amin’izany.

Io fanoharana ny Eglizy amin’ny trano io dia hita amin’ny tsongandahatsoratra maro hafa. Ny olom-boavidy rehetra dia “ankohonan’Andriamanitra”, ary Jesoa no fehizoro indrindra; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy” (Efesiana 2:20-22). Ny resahina eto dia ny Fiangonana naorina teo ambony vatolampy tsy azo hozongozonina, izay lazain’i Kristy tenany mihitsy ao amin’ny Matio 16:18. Ireo voambolana rehetra ireo dia mampivoitra ny toetra mari-pototra sy ho maharitra ananan’ny Eglizy, “ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy”. Naorin’i Kristy, izay nandresy ny fahafatesana, izy, ka tsy misy atahorany, na dia mankahala azy aza i Satana sy izao tontolo izao.

Fa raha ankehitriny ny Eglizy no mandray anjara amin’ny fanilikilihana ataon’izao tontolo izao an’i Kristy, dia mizara ny voninahiny koa izy amin’ny finoana, mandra-piainany izany marina. Ny maha-Vady azy dia manome anjara ho azy amin’ny lovan’ilay Mpampakatra, izany hoe ny voninahiny (*). Toerana tsy manam-paharoa sy feno fahasoavana izany, izay mahatonga azy ho ambony noho ireo olona masina tamin’ny fotoana hafa, ary vokatry ny firaisany amin’i Kristy. Io firaisana io ihany koa no mahatonga ny fifankatiavana, ny fiombonam-po sy saina, ny fifaliana ifampizarana izay tsy azon’ireo olo-masina fahiny nofantarina sy nankafizina. Fahasoavana mahagaga tokoa no azon’ireto mpanota mahantra afaka miditra amin’izany toerana izany!

 

(*) Hafa ny voninahiny manokana sy ifotony amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, mazava ho azy.

 

5. Mbola mitarika antsika hijery ny ataon’i Kristy ho an’ny Egliziny ankehitriny indray izany. Raha amin’ny lafiny iray, dia hita amin’ny fahafenoany ao amin’i Kristy io Eglizy io, etsy an-kilany kosa dia omanina izy etỳ an-tany ho amin’ilay andro malaza hitsenany an’i Kristy eny an-danitra. Io fanomanana io dia asan’ny Tompo, amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, izay manome azy ny fahasoavana ilaina hampitomboana ny tena ary hanadiovana azy amin’izay halotoana “amin’ny rano fanasana amin’ny teny”. Noho izany, dia tsy sary vongana akory ny Eglizy, fa vatana manan’aina izay mitombo, “izay akambana sy ampiraisina tsara noho ny fifanompoan’ny isan-tonony, araka ny fiasan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana” (Efesiana 4:16). Mba ahatanterahan’izany, dia omen’i Kristy ny fanomezam-pahasoavana rehetra ary miahy ny fanompoana rehetra Izy mba hampitomboana sy hamahanana ny Fiangonany (Efesiana 4:7-16; 1 Korintiana 12). Ny tanjona farany, ny fahafenoana tanteraka, dia tsy ho tratra raha tsy any an-danitra, ary any no itafian’ireo rehetra mandrafitra ny Eglizy ny vatana feno voninahitra toy ny an’i Kristy. Amin’izay fotoana izay izy vao hiseho amin’ny hatsarany rehetra, toy ny tanàna masina, Jerosalema vaovao, vadin’i Kristy ary fonenan’Andriamanitra (Apokalypsy 21). Nefa izany hafenoany rehetra izany dia vokatry ny asa sy ny fitiavan’i Kristy.

 

2.4.2  TOKO 2 — Ireo toetry ny Eglizy sy ireo anjara asany

Efa hitantsika tao amin’ny toko teo aloha ny fiandohan’ny Eglizy sy ny toerany. Ho dinihintsika indray izao ny toetrany sy ny iraka hampanaovina azy etỳ an-tany. Nahoana moa no etỳ an-tany ny Eglizy ary inona no toetra tokony asehony ? Inona ireo asany ?

Toy ny niantsoana ny kristiana tsirairay hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Kristy, dia toy izany koa no niantsoana ny Eglizy, ary ny zavatra nomena azy, ny toetra rehetra asehony, dia tokony haneho io tanjona lehibe io.

 

1. Ny toetra voalohan’ny Eglizy dia ny fahamasinana. “Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho… ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho dia handray anareo… Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fatahorana an’Andriamanitra” (2 Korintiana 6:16-18; 7:1). Misy fifamatorana lalina sy tsy azo tapahina eo amin’ny Eglizy sy ny Tompony, hany ka tsy afaka ny tsy hanana ny toetrany manokana izy, ary ny fahamasinana no voalohany amin’izany. Ilaina tokoa ny hahatanterahantsika izany toetra izany amin’ny fiainantsika andavanandro.

 

2. Ny toetra faharoa ananan’ny Eglizin’i Kristy ary asaina asehony, dia ny maha-iray azy. “Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4:4). “Dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra” (Romana 12:5). “Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro ny momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray” (1 Korintiana 12:12-13). Iray izany ny Eglizy; tsy manana vady afa-tsy iray i Kristy, ary ny mandrafitra azy dia ireo olom-boavidiny malalany rehetra, na inona na inona fombafombany ara-pivavahana. Vitsy dia vitsy amin'izy ireo, indrisy!, no tena mahazo izany fahamarinana izany ka mijoro ho vavolombelon’izany firaisana izany eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

 

3. Ny toetra fahatelo ananan’ny Eglizin’i Kristy, dia ny fitoeran’ny Fanahy Masina eo aminy. Ilaina tokoa ny mandinika io toetra io, satria ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amin’ny Eglizy no mitarika ny fahamasinany sy ny maha-iray azy. Efa nisy ny olom-boavidy teto an-tany talohan’ny nidinan’ny Fanahy Masina; nisy olona nofohazin’ny Fanahy Masina, izay nampiseho fiainana sy voa avy amin’ny Fanahy; nateraky ny Fanahy izany izy ireo, toy ny olona amin’izao fotoana izao. Nefa, ny fidinan’ny Fanahy Masina amin’ny maha-Persona Azy ao anatin’ny Trinite, ny andron’ny Pentekosta, no niforonan’ny Eglizy. Talohan’izany, dia niparitaka ny mpino, ary nilaina ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, narahin’ny Pentekosta, mba nanangona “ny zanak’Andriamanitra… ho antoko iray” (Jaona 11:52). Nirahan’ilay Lohan’ny Eglizy efa nasandratra tam-boninahitra ilay Mpampionona avy amin’Andriamanitra, ka afaka nanome aina, nitarika, nanamasina ary nampiray ireo isan’ny ankohonan’Andriamanitra, toy ny mbola ataony ankehitriny. “Ny Fanahin’ny fahamarinana… mitoetra eo aminareo... ary ho ao anatinareo… ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:17, 26). “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” (Jaona 15:26). “Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo” (Jaona 16:13,14).

Mba hampiraisana ny olom-boavidy ho tena iray, dia nilaina izany ny herin’ny Fanahy Masina, ilay Mpampionona avy amin’Andriamanitra, izay tsy afaka ny ho tonga raha tsy nasandratra am-boninahitra aloha i Kristy. Hitantsika ao amin’ny toko faharoa ao amin’ny Asa, ny nidinan’ny Fanahy Masina sy ny firaisan’ireo kristiana voalohany voarafitra ho tena iray, dia ny Eglizy. Mety ho kely tokoa io tena io, satria tamin’ny voalohany, dia tsy nisy afa-tsy mpianatra roapolo amby zato no tao (Asa 1:15). Nefa nasehon’ny Fanahy avy hatrany ny heriny tamin’ny nitorian’i Petera teny, ary tokony ho telo arivo ireo olona natao batisa tamin’ny anaran’i Jesoa (2:41). Ary izao no fiafaran’io toko io: “Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’ireo (anisan’ny Fiangonana na Eglizy)” (and 47).

Izany no nanorenan’ny Fanahy ny Eglizy, ary mandritra ny vaninandro mifandimby, dia mbola manohy izany asany izany Izy, ary mbola mandrafitra io tenan’i Kristy io ihany, mandra-pahatongan’ny andro farany izay hisehoan’ny farany amin’ny olom-boafidy, ary amin’izay fotoana izay dia ho avy haka ny Vady malalany i Kristy, mba hitondra azy ao amin’ny voninahiny.

 

4. Eto an-tany, dia ny Eglizy no fiorenan’ny fahamarinana, araka ny hamakiantsika azy ao amin'ny 1 Timoty 3:15, izay hiantsoana azy ho “fiangonan’Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. Manana ny Teny sy ny Fanahy Masina ny Eglizy, ary nomena azy ny fahamarinana, asehony am-pahibemaso izany ary hazoniny tsy ho voatohina, na dia miezaka azy i Satana hanova izany na handentika izany ho amin’ny fanadinoana. Tokony ho marihina, raha miresaka izany isika, fa raha andry sy fiorenan’ny fahamarinana ny Eglizy, dia tsy izy akory no fahamarinana. Tsy avy aminy ny fahamarinana, fa avy amin’

  • i Kristy “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6)

  • ny Teny “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; fa ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17)

  • ny Fanahy Masina “Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana” (1 Jaona 5:6).

 

Tsy voalaza na aiza na aiza fa ny Eglizy (na ny Fiangonana) no fahamarinana, fa kosa izy no miaro azy sy maneho azy, mba ho hita amin’ny alàlany ny fahamarinana.

 

5. Amin’ireo toetry ny Eglizy ireo, dia tsara ny manamarika zavatra fahadimy, dia ny toerany manokana ao anatin’ny sori-drafitra nataon’Andriamanitra. Na dia izy aza no farany nantsoina amin’ny fanatanterahana izany fikasan’Andriamanitra izany, dia efa nisy hatrizay hatrizay izy tao amin’ny hevitra sy ny làlan’Andriamanitra. “Araka ny nifidianany antsika tao aminy (izany hoe tao amin’i Kristy), fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (Efesiana 1:4). Io zava-miafina io no ambara hoe “ilay voàfina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra” (3:9). Nefa nambara tamintsika izany ary ny fitaovana nampiasaina tamin’izany dia ny apostoly Paoly (3:3-5). Talohan’izany, dia tsy “mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona” izany. Marina tokoa fa tsy mbola nisy fanambaràna momba ny Eglizy tao amin’ny Testamenta Taloha, tsy toy ny làlan’Andriamanitra momba ny fahatongavan’i Kristy etỳ an-tany, ny fijaliany, ny fandàvana Azy, ny fahafatesany, ny fitsanganany amin’ny maty, ny fanjakany, ny fitahiana amin’ny Fanjakana arivo taona. Ireo fikasana ireo dia ambara mazava tsara ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy misy toy izany momba ny Eglizy, ary ny zava-miafina momba azy dia “niafina tao amin’Andriamanitra” ary tsy nasehon’ny Fanahy raha tsy tamin’ireo apostoly sy mpaminany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny votoatin’io zava-miafina io dia “ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesoa noho ny filazantsara” (3:6). Izany dia ny antso sy ny voninahitra manokana ho an’ny Eglizy, dia ny firaisany aina amin’i Kristy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, ary ny anjarany feno voninahitra amin’ny maha-Vadin’i Kristy azy. Dieny izao, dia efa mandray “ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” ao amin’i Kristy izy (1:3), fa, araka ny efa hitantsika kosa, i Isiraely dia nandray fitahiana etỳ an-tany (Deoteronomia 28:1-14). Toy izany koa, ny teny fampanantenana omena io firenena io  momba ny Fanjakana arivo taona dia fananan-karena be mahagaga (Ezekiela 34. 23-31). Hafa mihitsy ny fitahiana ho an’ny Eglizy, satria vokatry ny firaisany amin’ilay Kristy natsangana tamin’ny maty sy nasandratra am-boninahitra izany. Izany fitahiana izany, izay anjaran’ireo olom-boavidy tsirairay, dia tsy ho voatanisa daholo, ka vitsy ihany no hotanisaintsika, na dia sarobidy avokoa aza izy rehetra .

 

  • Ny fanavotana. “Fa fantatrareo fa tsy zavatra mora simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo… fa ny ra soan’i Kristy” (1 Petera 1:18-19). “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany” (Efesiana 1:7).

  • Ny famelan-keloka. “Izy no hananantsika… ny famelàna ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany” (Efesiana 1:7). “Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2:13).

  • Ny fandraisana. “Izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala” (Efesiana 1:6). “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahiny ho mandrakizay izay olona hamasinina” (Hebreo 10:14).

  • Ny fananganana ho zanaka (Ny fananganana dia ny toeran’ny zanaka izay omena ny olom-boavidy (Galatiana 4:4-5) “Rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony” (Efesiana 1:5). “Nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana (ianareo), izay iantsoantsika hoe:  Aba, Ray ô” (Romana 8:15). “Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe:  Aba, Ray ô” (Galatiana 4:6).

  • Ny fandovàna ao amin’i Kristy. “Ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany” (Efesiana 1:11). “Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8:17). “Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra” (Galatiana 4:7).

  • Ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina. Eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana ny tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika” (Efesiana 1:13-14). “Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin’i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra, Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika” (1 Korintiana 1:21-22).

  • Ny fahafantarana ny hevitr’Andriamanitra sy ny sitrapony. “Rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany” (Efesiana 1:9).

 

Ireo fitahiana ireo dia hitan’ny Eglizy “any an-danitra”, izay efa misy an’i Kristy, fa tsy etỳ  an-tany izay nandavana Azy sy namonoana Azy.

 

6. Efa hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa ny Eglizy dia raisina ho toy ny “trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 2:5). Raha tamin’izay isika no nanipika ny fanoharana ny Eglizy amin’ny trano mafy sy tsy voahozongozona, izao kosa dia te-hanipika ny toerany amin’ny maha-“fisoronana masina” azy isika, izay midika hoe fanompoana fiderana sy fivavahana. Tombontsoa manokana lehibe sy sarobidy tokoa izany: “Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary adinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao; raha irin’ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao — fa izy no tomponao — dia miankohofa eo anatrehany” (Salamo 45:10-11). Kristy, izay antony sy iantefan’io fivavahana io, dia manatrika eo afovoan’ny Eglizy, na dia “roa na telo mivory amin’ny Anarany” fotsiny aza no misolo tena azy eo. “Ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena” (Efesiana 3:21). Manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra Ray ny Eglizy amin’ny alàlan’i Jesoa, izay manandratra ny fiderana eo afovoan’ny olom-boavidiny, mivory manodidina ny Latabany.

Ao amin’ny Fiangonana mantsy no misy ny Latabatry ny Tompo ary eo amin’io Latabatra io no hankalazan’ny Eglizy ny Fanasan’ny Tompo, ilay tsangambato sarobidy fahatsiarovana ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy (1 Korintiana 10:16-17; 11:23-29).

 

7. Ny toetra fahafito ananan’ny Eglizy dia ny tsy fisian’ny fanavakavahana etỳ an-tany intsony amin’ireo olona ao aminy. Nisy fahasamihafana be tokoa taloha tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa, fahasamihafana naorin’Andriamanitra tenany mihitsy izay nitady ny haha-vahoakany manokana ny vahoaka Isiraely. Ny Jiosy dia “ny vahoakan’Andriamanitra”, fa ny jentilisa kosa dia “tsy nanana an’Andriamanitra tetỳ an-tany”. Hatramin’ny nanorenana ny Eglizy, io fahasamihafana io, izay mifandraika amin’ny fanjakan’Andriamanitra etỳ an-tany, dia foana tanteraka: “Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra (Jiosy sy jentilisa) tamin’ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’izy rehetra” (Romana 11:32). Ny fahasoavana izany dia ho an’ny mpanota avy amin’ny jentilisa sy avy ao amin’i Isiraely, ary, na tany am-boalohany aza, dia kristiana Jiosy no tao amin’ny Eglizy, dia nofoanan’ny Eglizy tanteraka ny fanavakavahana ny Jiosy sy ny jentilisa teo aloha.

 

Izany no ahafahan’ny apostoly miteny amin’ny Efesiana hoe:  “Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika, izay naha-iray antsika roa tonta (izany hoe ny Jiosy sy ny jentilisa) ka nandrava ny efitry ny fisarahana… mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana…; fa Izy no ananantsika roa tonta (izany hoe ny olom-boavidy avy amin’ny Jiosy sy avy amin’ny jentilisa) fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray” (Efesiana 2:13 sy manaraka). Io “olom-baovao” io dia “ny tenan’i Kristy”, ary ny olom-boavidy avy amin’ny jiosy sy ny jentilisa no mandrafitra azy, ary tsy misy fanavakavahana amin’ny toerana misy azy ireo. Tsy misy afa-tsy anarana iray ihany no iantsoana azy ireo: dia mpanota voavonjy sy voavidin’ny ran’i Jesoa, ary lasa “isan’i Kristy”.

Raha azon’ny mpino tokoa io toerany io, dia ilay firaisana tanteraka amin’i Kristy, dia tsy ho avelany hisy intsony ny fahasamihafana noforonin’izy ireo teo anivony ary antsoina amin’ny anarana isan-karazany. Raha nandrava ny rindrin’ny fisarahan’ny Jiosy sy ny jentilisa ny hazofijalian’i Kristy, ny olombelona kosa dia namorona efitra fisarahana isan-karazany ary namadika ny toetran’ny Eglizy ifotony izy tamin’izany, dia ny maha-iray azy ao amin’i Kristy. Nefa na dia namadika toy izany aza ny olombelona, dia mitoetra io maha-iray io, satria vokatry ny asan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, ary noho izany no nahafahana nandefa ny Fanahin’ny fahamarinana tetỳ an-tany, mba hanaovam-batisa ny olom-boavidy rehetra ho tena iray. Ary koa, araka ny efa hitantsika, tsy mitsahatra akory ny fikarakaran’i Kristy ny Egliziny: dioviny amin’ny fanasana amin’ny alàlan’ny Teny izy, mba hahatanteraka azy ho amin’ilay andro ho avy tsy ho ela izay handraisany azy ho an’ny tenany, ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy” (Efesiana 5:26-27).

 

2.4.3  TOKO 3 — Ny fanantenan’ny Eglizy

Tamin’ny fotoana handaozan’ny Tompo ny olony, dia nilaza Izy hoe:  “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay hitoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:1-3). Nomen’ny Tompo fanantenana malaza ny olony tamin’izany: ny fiverenany tsy ho ela. Izany no fanantenan’ny Eglizy. Raha nanoratra ho an’ny Tesaloniana ny apostoly Paoly, dia hoy izy: “Fa ireny no nilaza taminay… ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesoa, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy” (1 Tesaloniana 1:9-10 — Vakio koa Filipiana 3:20; 1 Korintiana 1:7; Titosy 2. 13; Joda 21). Ny olom-boavidy izany dia manana iraka roa ho tontosaina etỳ an-tany: manompo an’Andriamanitra ary miandry ny fiavian’ny Tompo. Izany fanantenana izany dia mitondra vokany samihafa ho an’ny zanak’Andriamanitra.

Ny fahazoana antoka ny hitoetra tsy ho ela eo anilan’ny Tompo, mifaly amin’ny fanatrehany ary eo amin’ny voninahitry ny tranon’ny Ray, afaka tamin’ny fahoriana tetỳ an-tany, no mameno fifaliana  antsika. Fa ny fiandrasana ny fiverenany kosa dia manamasina ny fiainantsika: “Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa mbola tsy naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana  miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:2-3). Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia betsaka sy manan-danja tokoa ireo fananarana momba ny fomba tokony hiandrasantsika ny Tompo: tsy “ara-pisainana” ihany, fa amin’ny asa sy fiainana. Ny andrasan’ny Eglizy, dia tsy zavatra hitranga ihany, fa koa Olona, ny Tompo Jesoa, araka ny hanambaràn’ny Teny Azy, ary koa tahaka ny hianarantsika tsirairay mahafantatra Azy amin'ny fiombonana Aminy isan'andro.

Ny kristiana izay miaina eo anilan’ny Mpamonjy azy dia mankafy Azy bebe kokoa isan’andro  ary mahita fa Kristy no fiainany, fiadanany, fifaliany, anton’ny fiainany rehetra. Nefa tsy mbola hitany Izy fa finoana ihany no ahafantarany Azy, hankafizany Azy; tsy mahagaga izany ary ara-dalàna mihitsy raha arakaraky ny ahafantarany Azy no hankafizany Azy, ary arakarak’izany koa no aniriany ny hahita Azy. “Izay, na dia mbola tsy hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy” (1 Petera 1:8-9). Io fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra io no anjaran’ny mpino, dieny izao. Fa ny fahitana an’i Kristy, ny fitoviana Aminy, ny mahita ny voninahiny eo anilan’ny Ray, ny fisehoana miaraka Aminy amin’ny voninahitra rehefa ho avy hanorina ny fanjakàny Izy, ny fanjakàna miaraka Aminy, ny firaisana Aminy rehefa hitsaoka Azy ny olon-drehetra ary handohalika eo anatrehany, izany no fanantenantsika, izany no fanantenan’ny Eglizy. Izany no hiarahan’ny Ampakarina miray amin’ny Fanahy, ao amin’ny Apokalypsy 22:17, mba hilaza ny faniriany mafy hahita ny Tompony. “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe:  Avia”. Ary aoriana, raha mamerina ny Tompo hoe:  “Eny, ho avy faingana Aho”, dia mamaly indray ny Eglizy hoe:  “Amena. Avia, Jesoa Tompo!” (and 20). Resaka manohina fo tokoa, izay mandika tsara ny fiandrasana masina ataon’ny Ampakarina mba hiray amin’izay amin’ilay Malalany, ao amin’ny voninahitra. Nefa, aoka tsy ho adinointsika fa ao am-pon’ny mino no tokony hotandrovina lalandava io fanantenana sarobidy io. Izany no nanoratana hoe:  “Aoka izay mahare hanao hoe:  Avia”. Zavatra iray ihany izany ny fanantenan’ny Eglizy sy ny an’ny olom-boavidy. Ny fahatanterahan’ny fanantenan’ny mpino tsirairay no hitondra aminy ny zavatra rehetra nandrandrainy; nefa hitondra koa izany ho an’ny Eglizy fifaliana sy voninahitra nampanantenaina taminy amin’ny maha-Vadin’i Kristy azy. Miandry ny Tompo tokoa mantsy izy, amin’ny maha-Vady malalany Azy, izay haka azy hitsena Azy ary hampiditra azy any amin’ny voninahitry ny lanitra, amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, fa tsy amin’ny maha-Zanak’olona Azy, izay ho avy hitsara ny fahavalony. Azony antoka izany fa tsy ny hitsara azy no ahatongavan’ny Tompo Jesoa, fa kosa, rehefa hiseho amin’ny voninahiny Izy, dia hampiraisina Aminy izy, mandray anjara amin’ny fandreseny ny fahavalony ary mizara ny voninahiny. Taratry ny famirapiratany izy, “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany” (2 Tesaloniana 1:10). Miandry ny fisehoan’i Kristy amin’ny voninahitra koa izy, satria fantany fa io andro io no hanafahana ny voary amin’ny ziogan’ny ota  sy hanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana etỳ an-tany. “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;… fa izao zavatra ary rehetra izao dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” (Romana 8:19-21).

Fa mbola mihoatra noho izany ny zavatra andrasan’ny Eglizy, satria fantany fa ho fatorana mandritra ny arivo taona i Satana ka hohidiana any amin’ny lavaka tsy hita nonoa, ary hiova fo izao tontolo izao, haverina amin’ny laoniny indray i Isiraely, hanaiky ny fanjakàn’i Kristy ny olon-drehetra, ary fitahiana mihoampampana ho an’ny zanak’olombelona no vokatr’izany. Mba hahita amin’izay izany hoe fahamarinana, fiadanana ary fifaliana izany ny olombelona, zavatra izay tsy efany samirery, ary i Kristy irery no hitondra izany rehefa hanorina ny fanjakàny Izy, fanjakàna izay hiraisany amin’ny Eglizy amin’ny maha-Vadin’ilay Mpanjakan’ny voninahitra azy. Hiara-hanjaka amin’i Kristy isika, ary voninahitra ho antsika tokoa ny hanaovany antsika ho fitaovana hanehoany ny voninahiny, hizarany ny fahalalahan-tànany amin’ny maha-mpanjaka Azy, hampiharany ny fahamarinany, hanaparitahany ny fitahiany. Fa ny hahafaly kokoa ny fon’ny Ampakarina mihoatra noho izany, dia ny fanatrehan’ny Mpampakatra, satria Izy no fanantenantsika (1 Timoty 1:1). Raha tsy eo Izy, tsy ho lanitra ny lanitra, araka ny voalaza. Eny, ny andrasan’ny kristiana, ny andrasan’ny Eglizy, dia ny Tompo mihitsy. Enga anie ny fontsika mba ho feno tanteraka izany fanantenana izany, hany ka tsy hisy dikany amintsika intsony izay zavatra etỳ an-tany! Enga anie ny fifaliana amin’izany fanantenana izany hamafa koa ireo alahelo rehetra mandalo matetika eto amin’ity diantsika etỳ an-tany ity, ka hananantsika faharetana hanao ny fihazakazahana eo anoloantsika, mampifantoka ny masontsika amin’i Jesoa, ilay loha sy anton’ny finoana! Izy no miteny amintsika ireto teny farany fampaherezana ireto, alohan’ny hamaranana ilay Boky masina, hoe:  “Hoy izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho”. Enga anie ny olona masina tsirairay hampiaraka ny feony amin’ny Fanahy sy ny Eglizy ka hihiaka amin-kafanam-po hoe:  “Amena; avia, Jesoa Tompo”.

 

2.4.4  TOKO 4 — Ny tantaran’ny Eglizy mitonona ho kristiana sy tompon’andraikitra etỳ an-tany

Ao amin’ity toko ity, dia handinika ny tantaran’ny Eglizy tompon’andraikitra etỳ an-tany isika, izay misy ireo rehetra mitonona ho kristiana. Amin’ireo olona mitonona ho kristiana ireo, dia misy ny tena kristiana, ary misy ireo olona tsy tena mpianatr’i Kristy, na dia mitondra ny anarana hoe kristiana aza.

Ny toko faharoa sy fahatelo ao amin’ny Apokalypsy dia manome antsika topimaso momba io tantara io, izay hifarana amin’ny fanilihana ny Eglizy mitonona ho kristiana aorian’ny fiavian’ny Tompo. Io eglizy mitonona ho kristiana io dia mbola hitoetra ihany fotoana fohy aorian’ny fakàna ny tena mpino, ary ny fiafarany dia ho potehin’ilay Biby tanteraka izy, izany hoe ny lohan’ny Fanjakana romana tafatsangana indray (Apokalypsy 17:16-17). Fa izany zavatra izany, izay hiseho aorian’ny fiverenan’ny Tompo, dia mbola hodinihintsika ao amin’ny fizarana fahatelo amin’ity asa soratra ity. Izao aloha, ny hany dinihintsika dia ny toetra ananan’ny Eglizy izay tompon’andraikitra etỳ an-tany, sy ny ho aviny mandra-piverin’i Kristy.

Indrisy! Tsy ela akory dia niala tamin’ny voaloham-pitiavany ny Eglizy ka nanomboka nampiseho toetra mikororosy fahana. Io fikororosy fahana io dia tantaraina ao amin’ireo taratasy ho an’ny fiangonana fito any Asia (Apokalypsy 2:3). Ireo fiangonana fito ireo, izay tena nisy tokoa, dia nofidin’ny Tompo satria ny toetrany ara-panahy dia ampy ampiseho tanteraka ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany, mandra-piaviny. Amin’ny fandinihina azy ireo no ahafantsika mahita izay lazain’ny Teny momba ny fizotran’ny Eglizy na ny rafitra ara-pivavahana miambo hitondra izany anarana izany.

 

1. Ny fiangonana voalohany hiresahan’ny Tompo dia ny fiangonana ao Efesosy, izay maneho ny toetry ny Eglizy tamin’ny fiafaran’ny fanompoan’ny apostoly. Ilay fihilànana, izay efa nanomboka tamin’ny andron’ireo apostoly, dia nitombo hatrany raha lasa izy ireo, na dia mbola nisy aza ny fahatokiana sy ny asa ho an’ny Tompo. Faly ny Tompo manaiky izany: “Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy”. Tsy adinony koa ny manamarika ny fandavan-tena sy ny fikirizana nasehon’io fiangonana io, sady nampiavaka marina ny Eglizy tamin’io vanim-potoana nolazaintsika teo io. “Ary manana faharetana ianao, ka niaritra noho ny anarako ka tsy reraka”. Nefa tsy maintsy tsipihin’ny Tompo koa ny zavatra manala baraka azy ary antony miafina amin’ny fihilànany: “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao”. Izany no antony voalohany niantombohan’ny faharavan’ny Eglizy. Nitsahatra tsy nanana ny toerana tokony ho Azy tao am-po intsony i Kristy, ary io fialàna tamin’ny fitiavana voalohany io no namoha midanadana ny varavarana ho amin’ny fahadisoana rehetra niseho tatỳ aoriana teo anivon’ny Eglizy.

 

2. Mba hampijanonana io fihilànana io, dia tsy maintsy navelan’ny Tompo henjehina ny fiangonany. Izany no lazainy amin’i Smyrna, izay ohatra amin’ny toetry ny Eglizy mandritra ny fanenjehana nataon’ny Fanjakana tao Roma. Nefa mampahery ny olom-boavidiny ny Tompo: “Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” (2:10).

 

3.Pergamosy kosa no mampiseho amintsika ny dingana manaraka amin’ny tantaran’ny Eglizy, vaninandro izay miavaka noho ny fametrahana ny “seza fiandrianan’i Satana” eo anivon’ny tontolo kristiana. Io “seza fiandrianan’i Satana” io dia ilay seza fiandrianana izay nitonona ho mpiaro ny fivavahana kristiana tamin’ny nanjakan’i Constantin I (274-337), izay natao ho fivavaham-panjakana (didy natao tao Milan, 313). Na hitan’ny Tompo aza fa nonina teo amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana — izany hoe nialoka teo ambany fahefan’olombelona — ny Eglizy, dia ekeny ihany ny fahatokian’ny olony, mandritr’izay vaninandro izay. “Ary mitàna mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy” (and 13). Marina tokoa fa tamin’izany vaninandro izany no nisian’ny fivorian’ny eveka tao Nikea (325), izay natao noho ny didin’ny emperora, izay namolavola sy namoaka ny foto-pampianarana momba ny Telo izay Iray, ary nanaparitaka ny “fanekem-pinoana Nikeana”, izay manamafy ny maha-Andriamanitra an’i Kristy. Marina fa ny mpino dia tsy nila, ary mbola tsy mila ankehitriny, izany fanamafisana ataon’olombelona momba ny fahamarinana ambara ao amin’ny tenin’Andriamanitra izany. Nefa, afaka misaotra an’Andriamanitra isika noho ny famindrampo nasehony tamin’ny nihazonana, noho io fanekem-pinoana io, ny fahamarinana ifotony amin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, teo anoloan’ny fanafihan’i Satana. Indrisy anefa, fa teo an-danin’izany, dia niditra tsikelikely tao amin’ny Eglizy izao tontolo izao, ny fampianarana sandoka ary ny tsy finoana, ary ny fanompoana dia lasa anjaran’antokon’olona iray, ny mpitondra fivavahana, izay nahazo tombontsoa tamin’izany. Ary mihoatra noho izany aza, ireo vavolombelona mahatoky dia nenjehina ary novonoina teo anivon’ny Eglizy. Izany no hampitandreman’ny Tompo azy amin’ny fomba hentitra tokoa hoe:  “Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako” (and 16).

 

4. Ny toetry ny Eglizy tamin’ny Salasalam-potoana dia voalaza amin’ireo toetra nampiavaka an’i Tyatira, izay nilazan’ny Tompo izao: “Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany” (and 19). Na dia nanjaka tamin’ny Salasalam-potoana aza ny aizin’ny tsy fahalalàna momba ny fahamarinana ifotony amin’ny fivavahana kristiana, dia be ny fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavana sy ny fanoloran-tena ho an’ny Tompo. “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy” (and 20). Toetra romana ananan’ny Eglizy izany, izay ibodoan’ny mpitondra fivavahana ny fitenenana amin’ny anaran’Andriamanitra (Jezebela dia milaza azy ho mpaminanivavy) ka mihambo ho manana ny fahefana ahafahany mametraka foto-pampianarana tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Izany no nataony ary mbola ataon’ny eglizy katolika ankehitriny. Didim-pitsarana tsy azo ivalozana no tononin’ny Tompo amin’izany fiodinana amin’ny fivavahana izany (and 21-23). Nefa na eo afovoan’izany zavatra izany aza, dia misy ny fijoroana vavolombelona ho an’ny Tompo, ataon’ireo olona tsy mandefitra amin’ny ratsy, sisa tavela mahatoky amin’ny anaran’i Kristy. Ireo sisa tavela ireo no iantefan’ny tenin’ny Tompo feno fahasoavana hoe:  “Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‘sain-dalin’i Satana’, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko” (and 24-25). Manaraka izany ireo teny fampanantenana sarobidy ho an’izay handresy ka hahatoky hatramin’ny farany.

Ireo fiangonana efatra voalohany tany Asia ireo, izay iresahan’ny Tompo tamin’ny alàlan’ny apostoly Jaona, dia mampiseho amintsika ny sary feno momba ny tontolo kristiana mandra-piavin’i Kristy. Ny filazana ny toetra ankapoben’ny Eglizy aloha no hitantsika teo am-piandohan’ny fihilànany; avy eo ny vanim-potoana nanenjehena azy, nataon’i Roma mpanompo sampy; ary ny Eglizy mitady fialofana tamin’ny hery politika ka niombona niaraka tamin’izao tontolo izao; farany, ny toetrany maha-romana azy, izay hitoetra hatramin’ny farany.

 

5. Ireo fiangonana telo farany amin’izy fito — izay ambara amintsika ny toetoetrany ao amin’ny toko fahatelo ao amin’ny Apokalypsy — dia mampiseho amintsika koa ireo dingana mifanesy ataon’ny Eglizy, nefa mitoetra hatramin’ny farany, toy ny an’i Tyatira.

Ny voalohany dia Sardisy, izay ilazan’ny Tompo izao teny izao: “Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro” (and 1-2). Io no famaritana marina tokoa ny fivavahana protestanta amin’izao fotoana izao, izay manana ny anarana ho velona, nefa maty. Tsy miresaka ny reformasiona akory izany, izay namerina indray tamin’ny hazavana ny tenin’Andriamanitra nohadinoina tanteraka tamin’ny Salasalam-potoana, na dia nanana ny fahalemeny tokoa aza ireo olona nampiasain’Andriamanitra hanao izany. Izany no hanasan’ny Tompo ireo olona misolo tena ankehitriny io hetsika io mba hiverina any amin’ny voalohany: “Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha” (and 3). Na izany aza, faly Izy mahita fa mbola misy olona mahatoky ihany manoloana izany toe-javatra izany: “Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika izy”(and 4).

 

6. Filadelfia dia sarin’ireo olom-boavidy izay niala tamin’ireo rafitra ara-pivavahana soloin’i Tyatira sy Sardisy tena, miaina amin’ny fitiavana ny rahalahy (Filadelfia dia midika hoe “fitiavana ny rahalahy”), mitàna ny Tenin’ilay Marina ary tsy mandà ny anaran’ilay Masina, na dia eo aza ny fahalemena mamaritra azy ireo. Nefa manonitra izany ny Tompo: “Indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy” (and 8). Tsy toa an’i Sardisy izay nanao zava-dehibe taloha i Filadelfia, tsy nanao na inona na inona hijeren’izao tontolo izao azy izy ka higagan’ny olona azy. Na izany aza, dia manaiky izay vitany ny Tompo: “Fantatro ny asanao… nitandrina ny teniko (ianao) ary tsy mba nandà ny anarako”. Raha jerena, dia toa zava-bitika tokoa izany, nefa tsy misy sarobidy eo amin’ny fon’ny Tompo noho ny fahitana ny olom-boavidiny mitana ny teniny ary tsy mandà ny anarany. Izany no andrasany amintsika tsirairay. Ny valisoa ampanantenaina ny fahatokian’i Filadelfia dia ampy hampitombo tokoa ny faharisihiny: “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” (and 10). Ny Eglizy, izay voarafitr’ireo olom-boavidin’ny Tompo rehetra, dia hazonina tsy ho tratry ny fizahan-toetra, fa tsy handia ny fizahan-toetra akory. Ny fotoanan’ny fizahan-toetra dia ny fotoana hisehoan’ireo fitsarana mahatsiravina izay hihatra amin’ny olombelona aorian’ny fiavian’ny Tompo. Hitady izay hialàna amin’izany izy fa tsy ho afaka: hahatratra azy izany ora izany na aiza na aiza misy azy. Ireo olom-boavidin’i Kristy ihany, izay hakarina hitsena Azy amin’ny fiaviany, no tsy ho tratr’izany. Hiaraka Aminy izy ireo rehefa hiseho am-boninahitra Izy, ary porofo izany fa efa nalaina hiaraka Aminy talohan’izany izy ireo.

Tsy midika akory izany hoe tsy natao hijaly etỳ an-tany ny olona masina alohan’ny fahatongavan’i Kristy. Ny tantaran’ny Eglizy dia mampiseho amintsika fa maro ireo nisedra ny maritiora ary fantatsika fa mitohy any amin’ny tany maro ny fanenjehana. Metỳ  hisy izany koa etỳ amintsika, raha avelan’ny Tompo, raha tsy hiresaka ny fijaliana noho ireo fitsarana  mianjady amin’ny tany maro isika, fijaliana izay handraisan’ny kristiana anjara koa. Nefa izany tranga izany, na dia mafy tokoa aza, dia tsy misy ifandraisana amin’ny “andro fakam-panahy” izay resahina amintsika eto ary hiarovana ny Eglizy.

Ampiarahin’ny Tompo amin’ny fiverenany tsy ho ela io teny fampanantenana io: “Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao” (and 11). Velominy indray ao am-pon’ireo malalany ny fanantenana malaza amin’ny fiaviany, ary ampy hampahery ny finoany izany sy hamatotra ny fony amin’ny Tenany.

 

7. Tonga eo amin’ny farany amin’ireo fiangonana fito isika izao, dia Laodikia, izay maneho ny toetra ara-moraly misy eo amin’ny tontolo kristiana amin’ny andro farany: fanomezam-boninahitra ny olona, asa ara-pivavahana natao hahafa-po ny nofo, tsy misy fitiavana marina an’i Kristy, fanimbazimbana ny Teniny izay tsy manana fahefana intsony ao am-po, fitadiavana ny fankasitrahan’izao tontolo izao ary ny tombontsoany. “Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao” (and 15-16). Tokony hiambina ny tsirairay amintsika, mba tsy hanana izany toe-tsaina  feno tsy firaharahiana sy fihazonana fombafomba ara-pivavahana izay tsy misy fiainana izany! Izany toetra matimaty izany dia miaraka amin’ny avonavona ara-panahy: “Fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao” (and 17-18). Na dia nihevi-tena ho manankarena aza ny Laodikiana, dia nahantra izy ireo, nitanjaka ary jamba. Nahantra: nila ny volamena, mariky ny fahamarinan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, izy. Nitanjaka: tsy nanana “akanjo fotsy” izy ireo, mariky ny fahamarinan’ny olona masina. Jamba: tokony ho nividy odi-maso hahatonga azy ireo hahita mazava ny toetrany ara-moraly eo anatrehan’Andriamanitra sy ny zavatra takian’ny fahamasinany izy ireo.

 

Na dia izany aza, dia manome teny fampirisihana feno fahasoavana koa ny Tompo ho an’ireo olona eo afovoan’izany faharavana izany: “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (and 19-20). Noho izany, ny Tompo dia mahatoky foana, na dia eo aza ny faharavan’ny tontolo kristiana mitonona ho izany ary mandrisika ny finoan’ny tsirairay Izy rehefa mahita izany ao. Nefa tsy manova na dia kely akory aza ny didim-pitsarana natao tamin’io vatana tsy misy aina io izany: haloany avy amin’ny vavany izy.

 

***

 

Izany raha lazaina fohifohy ny tantaran’ny Eglizy, raha ny amin’ny maha-tompon’andraikitra azy etỳ an-tany no jerena. Raha misy fampianarana ara-tantara sy ara-moraly ho antsika ireo toetra telo voalohany ambara amin’ny toetran’i Efesosy, Smyrna ary Pergamosy, ireo efatra farany kosa — Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia — dia mbola miampy faminaniana, satria hitoetra mandra-piavin’ny Tompo izany.

Na dia mahamenatra tokoa aza ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany amin’ny maha-tompon’andraikitra azy, dia ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ireo hevitr’Andriamanitra momba ny tena Eglizy marina. Alohan’ny handoavan’ny vavan’i Kristy ilay Eglizy sandoka, dia hakarina hitsena ny Vadiny ilay tena Eglizy marina, ilay Ampakarin’ny Tompo. Be voninahitra tokoa izany anjaran’ireo olona ao anatin’io Eglizy izany, ary toy inona no tokony hankalazany ny Tompony !

 

Hankalazaina anie Ianao, ry Lohan’ny Eglizy!

Ny Ampakarina, izay tiavinao,

Dia hipetraka tsy ho ela eo anilanao,

Ary hisaotra mandrakizay ny Tompony.

Fihetseham-po masina, fifaliana tsy hay lazaina !

Hisitraka ny hatsaranao izahay,

Ary ny fitiavana tsy hay tononina

Hameno ny mandrakizay.

 

 

3  FIZARANA FAHAROA — Ny fampiakarana ny mpino

3.1  Fampidirana

 

 

Efa hitantsika fa ny tantaran’ny Eglizy etỳ an-tany dia hifarana amin’ny fiavian’ny Tompo haka ny olony ho eo anilany. Io no tranga hodinihintsika izao, araka ny Teny.

Raha nivory niaraka tamin’ny mpianany tao amin’ny efitrano ambony ny Tompo Jesoa, tamin’ny alina namadihana Azy, dia nanao teny fampanantenana ho azy ireo Izy, izay ampy tokoa hampionona ny fony malahelo amin’ny fieritreretana ny fialàny tsy ho ela. “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay hitoerako no itoeranareo koa” (Jaona 14:1-3).

Tsy voalohany no nilazan’ny Tompo tamin’ny mpianany ny momba izany fiverenany izany. Teo afovoan’ireo vahoaka an’alin-kisa nanodidina Azy, dia efa nilaza taminy manokana Izy mba hamporisika azy ireo hiandry Azy amin’ny fahamailoana: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy” (Lioka 12:35-37).

Noho izany, ny Tompo dia efa nanambara mazava ny hiverenany indray, ary ambonin’izany, dia mampirisika antsika hiandry Azy Izy. Toy ny hitodihan’ny fanjaitran’ny famantaranavaratra any amin’ny avaratra foana, dia toy izany, ny faniriana araka ny tokony ho izy izay ananan’ny kristiana dia ny hahita foana ny Tompony, mifanatri-tava Aminy. Marina fa zavatra kely dia mampivily làlana ilay fanjaitra, nefa rehefa miala ny antony nanakorontana azy, dia maka ny toerana mahazatra azy izy. Toy izany koa ny mpino: na dia misy aza zavatra ivelany manintona azy aza indraindray, indrisy!, manakorontana azy ary mampivily ny fanjaitran’ilay famantaranavaratra ara-panahintsika, ny tanjona itodihany mandrakariva dia io “tendro” izay ny fiverenan’ny Tompo io, ary tokony izany no hiseho amin’ireo olona tia Azy sy miandry Azy.

Misy dingana roa eo amin’izany fiverenan’ny Tompo izany, ka tokony avahana tsara, dia:

a)      ny fampiakarana ny mpino

b)      ny fiavian’ny Tompo amin’ny voninahitra.

 

Mandritra ny dingana voalohany, dia ho avy haka ny olony ny Tompo, nefa tsy hidina hatretỳ an-tany Izy. Hitsena Azy eny amin'ny habakabaka isika, ary tsy ho hitan’izao tontolo izao Izy. Ny dingana faharoa, antsoina koa hoe fisehoan'ny Tompo, dia hitranga fotoana fohy aorian'ilay voalohany. Amin'izay fotoana izay, dia tsy ho avy ho antsika intsony ny Tompo, fa hiaraka amintsika. Ho hitan’izao tontolo izao Izy ary hitsara ny tany, aorian’izay, dia hanafaka ny vahoakany Isiraely Izy ary hametraka ny fanjakany arivo taona.

Amin’ny toko manaraka, dia ny fampiakarana ny mpino ihany aloha no hodinihintsika. Hojerentsika akaikikaiky kokoa ny teny fampanantenana momba ny fiverenan’ny Tompo, iza no iantefan’izany teny izany, rahoviana ary ahoana no hahatanteraka azy. Avy eo dia hijery ilay lohahevitra manetriketrika tokoa isika, dia ny fijoroan’ny olom-boavidy eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy, ary ho faranantsika amin’ny fitantarana ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry izany.

 

 

3.2  TOKO 1 — Ny teny fampanantenana momba ny fiverenan’ny Tompo

1. Efa hitantsika fa ny Teny dia mampiasa kisarisary roa ilazana ny firaisana akaiky sy tsy azo tapahina misy eo amin’i Kristy sy ny Eglizy :

1°- iray ny tena, ary i Kristy no lohany

2°- ny ampakarina sy ny mpampakatra

Ireo kisarisary roa ireo dia midika fa ny toerantsika, amin’ny maha-olom-boavidin’i Kristy antsika, dia izay misy Azy koa, izany hoe any an-danitra. Nidina tetỳ an-tany Izy fahiny, tao anaty vatana mitovy amin’ny antsika, ary naka ny toerantsika ho tsarain’Andriamanitra noho ny fahotana (vakio Isaia 53:4-5). Novidiny tamin’ny rany isika (1 Korintiana 6:20; 1 Petera 1:18-20); izany no antony haniriany hanana antsika ho eo anilany, ao amin’ny voninahiny. Io fanirian’ny fony io dia efa nolazainy tamin’ny mpianany, araka ny efa hitantsika, tamin’ny nampanantenany azy fa hiverina Izy ary handray azy ireo ho eo akaikiny (Jaona 14:2-5). Mbola averiny ihany izany ao amin’ilay vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17:24: “Ray ô, tiako mba ho any amiko any amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”.

Io vavaka io dia tsy mikasika ny mpianatra izay nandre azy fotsiny, fa ny olom-boavidy rehetra, araka ny ambaran’ny Tompo hoe: “Nefa tsy ho an’ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay mino Ahy koa noho ny teniny” (and 20). Io fanirian’ny Tompo io mba hanana ny olony eo amin’ny voninahiny, dia mihatra amintsika koa. Mety hisy zava-dehibe mihoatra noho izany ve ? Tian’ny Tompo ho eo anilany isika ary hizara ny voninahiny! Izany no faniriana farany nambarany talohan’ny handaozany ny azy, ary afaka matoky isika fa ho tanterahan’Andriamanitra izany. Raha maharitra miombona akaiky Aminy amin’ny finoana isika, dia hankafy izany ho avy feno voninahitra izany dieny etỳ an-tany, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny Efesiana hoe: “Niara-napetrak’(Andriamanitra) any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Efesiana 2:6). Tsy ho ela anefa, dia tsy ho ao aminy intsony isika, fa miaraka aminy. Fanantenana be voninahitra!

 

2. Mba ahatanterahan’izany teny fampanantenana izany, dia tsy maintsy nandeha “namboatra toerana” ho antsika Izy. Tsy hoe tokony ho namboarina akory ilay toerana amin’ny maha-toerana azy, fa tsy maintsy nanokatra ny làlana mankany an-danitra ho antsika izy tamin’ny fahafatesany noho ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fampiakarana Azy tany an-danitra. Marina tokoa fa ny olombelona araka ny nofo dia tsy afaka mihitsy hiditra any an-danitra. Nefa i Kristy dia niditra tany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, amin’ny vatany maha-olombelona Azy, fa tsy amin’ny fanahy fotsiny akory — toy ny toetrany talohan’ny niaviany tetỳ an-tany. Ary amin’ny maha Olona Azy no ipetrahany eo ankavanan’ny Ray, ary izany no mampisokatra ny lanitra ho an’ireo rehetra izay mino Azy. Izany no fomba nanamboarany toerana ho antsika ao an-tranon’ny Rainy.

Olona no nahitan’ny mpianatra Azy fahiny niakatra tany an-danitra, ary amin’ny maha Olona Azy no hipetrahany eo ankavanan’ny Ray. Amin’ny maha Olona Azy no nahitan’i Jaona Azy (Apokalypsy 1:13; 19:11). Raha fanahy fotsiny ny Tompo, ho afaka niteny ve Izy hoe: “Efa maty Aho, nefa indro, velona mandrakizay mandrakizay” ? (1:18). Raha tsy mbola olona Izy, afaka hitondra ireo mariky ny ratrany tetỳ an-tany ve Izy ? (Apokalypsy 1:7; Zakaria 12:10). Azo antoka fa tsia no valiny!

Toy ny nahitan’ny mpianatra Azy niakatra tany an-danitra tao amin’ny vatany maha-olombelona Azy, dia toy izany koa no hiverenany, araka ny fanambaran’ireo anjely roa, manamarina ny teny fampanantenany: “Iny Jesoa izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1:11). Marina fa hisalotra ny voninahitry ny lanitra Izy rehefa miverina. Toky mahafaly: Jesoa, dia ilay toy ny tetỳ an-tany, no hiverina handray antsika ho eo anilany, ao an-tranon’ny Rainy !

 

3. Hitantsika amin’ny tsongandahatsoratra maro amin’ny Soratra Masina io fampanantenana lehibe sy malaza io. Tsara raha mitanisa sasantsasany amin’izany isika, satria hampahery ny finoantsika sy hahafaly ny fontsika izany.

“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika  indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona… ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry ao an-danitra ho anareo, izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena…) dia amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy; Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy… Antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 1:3-9, 13).

“Izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ny voninahitr’ity zava-niafina ity any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1:27).

“Ny finoana… sy ny fahalalàna tsara ny marina… amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola” (Titosy 1. 1-2).

“Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika… ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 11-13).

“Fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika… mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” (Titosy 3. 5-7).

Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietrentenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny, araka ny fiàsan’ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy” (Filipiana 3:20-21).

“Ary Jesoa Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay  sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana” (2  Tesaloniana 2:16).

“Toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo” (Efesiana 4:4)

 

4. Izany no anjaran’ny olom-boavidy. Aoka izany isika hitandrina mba tsy hihena io fanantenana malaza io, ka farany, ho foana noho ny fisintonan’ny zavatry ny tany antsika. Rariny raha hampitandrina antsika ny Teny mba hitoetra ao amin’ny finoana, miorina sy tafatoetra, ary tsy metỳ afindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara (Kolosiana 1:23). Misy fampitandremana mitovy amin’izany koa ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo: “Ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana” (3:6). “Ary mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be amin’ny fanantenana hatramin’ny farany; mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana” (6:11-12).

Ny anjara fenon’ny kristiana dia io fanantenana io; tsy manan-javatra hafa etỳ an-tany izy. Nefa, dia harena izany! Satria io fanantenana io dia i Kristy tenany mihitsy, araka ny teny nolazain’ny apostoly Paoly raha nanoratra tamin’i Timoty izy (1 Timoty 1:1). Andriamanitra koa dia antsoina hoe “Andriamanitry ny fanantenana”. “Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina” (Romana 15:13). Ny atao hoe feno fanantenana dia feno ny fahatokiana ny amin’ny fiverenan’i Kristy tsy ho ela, hany ka ny fiainantsika andavanandro dia lasa vavolombelona velona sy mamirapitra amin’izany. Enga anie ny faniriana nambaran’ny apostoly ho an’ireo olo-malalany tany Roma mba ho tanteraka ho antsika tsirairay, ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa!

 

3.3  TOKO 2 — Rahoviana no hiverina ny Tompo ?

1. Rariny raha mipetraka izany fanontaniana izany: rehefa andrasana ny fiverenan’ny olon-tiana, dia tiana ho fantatra mialoha koa ny andro. Ny mpianatry ny Tompo dia nametraka taminy indroa io fanontaniana io; ny voalohany, talohan’ny nahafatesany; ny faharoa, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nipetraka nanodidina Azy teo amin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, ary nanontany Azy manokana hoe: “Lazao aminay izay andro ahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 24:3).  Ny faharoa, dia nanontany Azy momba izany ny mpianatra, raha nilaza tamin’izy ireo Izy fa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina izy ireo afaka andro vitsivitsy: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely ?” (Asa 1:6).

Tatỳ aoriana, firifiry akory ireo olom-boavidy nandia fizahan-toetra maro, no nihiaka hoe:

“Tompo ô! Rahoviana

No ho avy ny andro mahafinaritra,

Ahitana ny tavanao,

Ary hahatanteraka ny fanirianay ?”

 

Novalian’ny Tompo ireo fanontanian’ny mpianatra ireo hoe: “Fa amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany” (Matio 24:36), ary koa hoe: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany” (Asa 1:7).

Noho izany, tsy vitan’ny hoe tsy nisy daty voatondro, fa mivoitra amin’ny fanambaran’ny Tompo fa tsy tokony hitady akory izay ahafantarana izany isika, na ny fampiakarana ny mpino na ny fiavian’i Kristy amin’ny voninahitra. Raha niseho tamin’ny mpianatra ireo anjely roa taorian’ny niakaran’ny Tompo, dia nilaza izy fa hiverina toy izany koa Izy, nefa tsy nilaza ny andro hiverenany.

 

2. Nefa tsy navelan’ny Teny tsy hisy valiny akory izany fanontaniana lehibe izany. Hoy ny Tompo tamin’ny fiangonana tao Filadelfia: “Ho avy faingana Aho” (Apokalypsy 3:11). Naverina in-telo io teny fampanantenana io ao amin’ny toko farany ao amin’ny Baiboly, ary izy mihitsy aza no mamarana ilay Boky masina. Faingana ? Efa taon-jato roapolo izay no lasa hatramin’ny nanononana izany teny izany. Koa inona no ho lazaina ? Marina fa toa misy zavatra mifanohitra ihany ao, amintsika izay malaky reraka amin’ny fiandrasana sy mamatra ny fotoana miohatra amin’ny fiainantsika mandalo vetivety. Nefa hoy ny Teny amintsika hoe: “Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2  Petera 3:8-9). Avy Aminy, dia tsy misy afa-tsy fahasoavana sy faharetana ho an’ny mpanota. Avy amintsika kosa, dia tokony hisy fiambenana mandrakariva ary fikirizana amin’ny fiandrasana ny fiverenany.

Satria tokoa fantatry ny Tompo fa mora foana no anariantsika ny fiambenana momba izay lohahevitra izay, hany ka hafeniny ny andro hiaviany. Raha niteny tamin’ny mpianany Izy hoe hisy tsy latsaky ny taon-jato roapolo alohan’izany zavatra izany, dia azo antoka fa vao maika vetivety dia ho natory tanteraka ny Eglizy. Satria ahoana tokoa moa no ahatonga izany fiandrasana izany ho velona ary hananany lanja feno fahasoavana eo amin’ny olom-boavidy raha fantatr’izy ireo fa tsy hiverina amin’ny fahavelony Izy, rehefa mifandimby eny ny taranaka ? Nefa ny tiany, dia ny ho vonona mandrakariva isika. Ho vonona ve isika raha fantatsika fa mbola tsy ho avy Izy ? Tsy zavatra efa fantatra ve fa tsy afaka hiandry foana isika raha tsy resy lahatra fa efa akaiky ny fiverenan’ilay olona andrasana ? Toy ny nosoratan’ny olona iray hoe: “Lehibe tokoa ny fironantsika amin’ny hakamoana sy ny tsy fihetsehana, hany ka tsy maintsy atao foana izay hanairana antsika”.

Indrisy; izany mihitsy no zava-misy, ary na dia nampirisihan’ny Teny aza isika ho “toy ny mpanompo izay miandry ny fiverenan’ny tompony”, dia tsy ela akory dia very tao an-tsain’ny kristiana io fanantenana malaza io, hany ka natory izy, taorian’ny nahalasanan’ireo apostoly. Satria tokoa mantsy, ny zavatra nosoratan’ireo mpandimby azy ireo dia mampiseho fa ny mason’ny olom-boavidy dia niala tamin’i Kristy fa nifantoka kosa tamin’olombelona, ary adinony niaraka tamin’izany ny fahamarinana momba ny fiverenan’ny Tompo. Nivoha nidanadana ny varavarana idiran’ny fahadisoana isan-karazany tao amin’ny Eglizy.

 

3. Noho izany, ry mpamaky malala, dia ilaina tokoa ny fiandrasantsika marina ny Tompo, ary iainantsika izany. Tsy misy fiarovana tsaratsara kokoa amin’ny fisarihan’ny ratsy sy ny torimasom-panahy noho io fiandrasana ny fiverenany am-paharetana sy am-pahatokisana io, ary manamafy izany ny fahazoana antoka fa hiditra amin’izany fanatrehany masina sy be voninahitra izany isika. “Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany, mba hadio tahaka Azy” (1 Jaona 3:3).

Izay mety ho asa marika hikajiana ny andro ahatongavan’ny Tompo dia zava-poana ary diso daholo, satria tsy misy fanazavana mihitsy ao amin’ny Teny hanankinana izany. Ny tarehi-marika omen’ny Baiboly momba ny vaninandro na ny faharetan’ny tranga ao amin’ny faminaniana sasantsasany dia mikasika foana an’i Isiraely fa tsy ny Eglizy mihitsy. Ny asa marika atao amin’izany dia ahafahana mamaritra eo ho eo, ary sarotra aza izany, ny fifandimbiasan’ny tranga mandra-pahatongan’ny nahaterahan’i Kristy. Hatreo, dia tsy misy fanoroana momba ny fotoana intsony, ary atỳ amin’ny andro farany, izay hiantsoana indray an’i Isiraely hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra, vao misy tarehi-marika omena antsika.

Ho setrin’izany kosa, araka ny efa hitantsika, ny fotoanan’ny fahasoavana izay misy ny Eglizy etỳ an-tany dia fotoana tsy voafaritra ary tsy manome ny halavany ny Teny. Io vanim-potoana io dia tataovan’ny tranga iray : ny fiverenan’i Kristy, ary io tranga io, na ny tsaratsara kokoa, io Olona io no tokony handrasantsika isan’andro, fa tsy ilaina ny kajikajy tsy hisy vokany. Tokony ho vonona isan’andro isika, ary ahafantatra fa raha tsy tonga anio Izy, rahampitso dia anio hafa indray ho antsika.

Izany toetra mailo sy mankatò izany dia misy lanjany lehibe tokoa ho an’ny olom-boavidy, amin’izao vaninandron’ny fahasoavana izao. I Petera dia manambara, araka ny efa hitantsika, fa ny Tompo dia manam-paharetana, satria tsy tiany hisy ho very fa kosa hibebaka daholo ny rehetra (2  Petera 3:9). Ny fahasoavany tsy refesi-mandidy dia maharitra ary mamonjy izay rehetra manaiky ny famonjena maimaimpoana omeny azy. Dia ho tiantsika ve ny hametra ny faharetan’izany ka hanapaka andro hifaranan’izany fahasoavana izany, nefa ny Tompo mihitsy no mahari-po mba ho tonga amin’ny fibebahana daholo ny rehetra ? Ny mpino, hazavain’ny Teny sy ny Fanahy Masina, dia mifehy tena tsy hirotsaka amin’izany fahadisoana mampalahelo izany, tsy hitady ahalala izay nafenin’ny Tompo taminy, ary indrindra indrindra tsy hametra ny fahasoavam-pamonjen’Andriamanitra.

 

4. Misy tsongandahatsoratra ao amin’ny epistily ho an’ny Romana izay manamafy fa tsy afaka hiverina ny Tompo raha tsy voavonjy ny olom-boafidy farany. “Efa misy fahamafisam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry (izany hoe voavonjy) ny hafenoan’(na ny fitambaran’) ny jentilisa” (Romana 11:25). Raha mbola tsy tratra io isa feno io, dia tsy hifarana ny fotoanan’ny fahasoavana, ary, noho izany, dia mahari-po ny Tompo. Nefa rehefa voavonjy ny olom-boafidy farany, dia tsy hanemotra ny fiverenany intsony izy na dia indray mipy maso aza.

Fa io fahafenoana io, na, raha izay no tiana hanambarana azy, io fitambarana io, dia tsy fantatsika. Andriamanitra irery ihany no namaritra izany (cf Marka 13:32). Ary na dia fantatsika aza izany, tsy ho azontsika kajiana, satria tsy ho haintsika mihitsy ny ahalala ny isan'ny fanahy voavonjy nandritra ny taon-jato rehetra lasa, raha tsy hiresaka ny velona aza isika. Amin’ireto farany ireto, dia ho isaintsika angamba ireo izay tsy manana ny fiainan’Andriamanitra, na dia miseho azy ho mivavaka aza, toy ireo virijiny adala izay mba nanana tavin-jiro ihany fa tsy nanana solika atao aminy. Na angamba tsy hanaiky hanisa  ireo olom-boavidy izay fantatry ny Tompo fa Azy isika, satria tsy afaka hamaky izay ao am-pony. Hevero ange ireo sisa nahatoky tany Tyatira, izay hilazan’ny Tompo hoe: “Tsy hovesarako entana hafa ianareo; kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko” (Apokalypsy 2:24-25).

Nefa fantatsika tsy am-pihambahambana fa efa akaiky hifarana ny fotoanan’ny fahasoavana. Satria taona maro izao no anatrehantsika tranga isan-karazany izay marika mialoha ny fiavian’ny Tompo sy Mpamonjy malalantsika tsy ho ela. Marina, ary tokony hamafisina foana izany, tsy milaza tranga iray mihitsy ny Teny hoe hialoha io andro mahafinaritra io. Nefa, ireo marika hanipazantsika teny ireo dia mifandraika mazava amin’ny tranga ao amin’ny faminaniana izay hiseho aorian’ny fampiakarana ny olona masina, ka tsy azo hodian’ireo tsy hita. Ny lehibe amin’izany dia ny fiverenan’ny Jiosy any Palestina, ny fitaran’ny hevitry ny Antikristy eto amin’izao tontolo izao ary ireo ezaka hampiraisana ny firenena, anamboarana ireo firenena sisa mijoro amin’ny andro farany. Nefa, mbola averina indray, ireo rehetra ireo, na dia manetriketrika aza, dia tsy ahafahantsika manapaka ny andro hiverenan’i Kristy.

Tokony ho ampy ho antsika izany ny fahafantarana fa Andriamanitra dia nanendry io andro io mazava tsara, ary raha hitantsika fa ela ny fiandrasantsika izany, dia efa fohy tokoa izany elanelam-potoana izany. Izany no antony hanamafisan’ny Teny imbetsaka fa efa akaiky ny hiavian’i Kristy ka hampirisihina antsika hiandry azy isa-minitra. “Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona” (Filipiana 4:5-6). “Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra” (Hebreo 10:37). “Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ny Tompo” (Jakoba 5:8). “Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra” (1 Petera 4:7). “Rankizy, izao no ora farany” (1 Jaona 2:18). “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro” (Apokalypsy 1:3).”Ary, indro, avy faingana Aho… Aza asiana tombokase ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity, fa antomotra ny andro… Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:7,10,20).

Vonona hihiaka amin-kitsim-po ve isika hoe: “Amena; avia, Jesoa Tompo!” ? Tena miandry marina izany andro izany ve isika ka manafaingana azy amin’ny fandavan-tenantsika hanompo ny Tompo ? (2 Petera 3:12). Enga anie ny fanantenana hahita Azy tsy ho ela hampionona antsika amin’ny fizahan-toetra ary hampiroborobo ny finoantsika sy ny fitiavantsika hiasa ho Azy, mba ho vonona isika hitsena Azy rehefa tonga Izy!

 

3.4  TOKO 3 — Ahoana no fomba hiverenan’ny Tompo ?

1. Misy tsongandahatsoratra roa ao amin’ny Teny izay manome valiny mazava sy an-tsipiriany momba io fanontaniana io. Hotanisaintsika daholo aloha izy ireo, avy eo vao hodinihintsika ny lohahevitra samihafa.

Ny voalohany dia ao amin’ny 1 Korintiana 15:51-53: “Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovàna isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovàna. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana”

Ny faharoa dia ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:15-18, ary mameno ilay voalohany: “Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna ianareo amin’izany teny izany”

Marihina aloha fa tsy hidina etỳ an-tany ny Tompo, fa ny olom-boavidiny no halaina hitsena Azy raha mbola eny amin’ny habakabaka Izy. Io fihaonan’ny Tompo amin’ny olony io dia anisan’ny zavatra Azy manokana, ao amin’ny fitiavany. Tsy hisy olon-kafa afaka hanopy maso amin’izany akory.

Izany koa no antony iray ahatongavan’ny Tompo izy tenany mihitsy haka ny olony. Izy koa dia maniry fatratra ny hiray amin’ny Vadiny, hany ka tsy avelany ho an’iza na iza ny andraikitra hitondrana azy ho eo anilany. Ireo voambolana hoe “izy tenany mihitsy” dia mampiseho ny halalin’ny fitiavany ireo olona novidiny tamin’ny ràny. Marina fa ireo anjeliny dia manompo mandrakariva ireo olona masina, miaro azy ireo amin’ny herin’ny maizina feno haratsiam-panahy sy ny loza mananontanona azy. Nefa, rehefa handray ny olony ho eo anilany ny Tompo, dia tsy hampiasa ny anjely: Izy tenany mihitsy no hanao io hetsika manan-daza io, izay entiny hamaranana ireo fikasàn’ny fahasoavan’Andriamanitra mba ho fifaliana fara-tampony ho an’ny fony. Aoka tsy ho adinointsika fa efa taon-jato maro Izy no niandry io andro io, andro izay handraisany amin’izay ny vokatry ny asan’ny fanahiny. Noho izany, ny fifalian’ny Mpampakatra dia tsy ho ambanin’ny fifalian’ny Ampakarina.

 

2. Hisy famantarana omena: ho tonga ny Tompo:

  • amin’ny fiantsoana

  • amin’ny feon’ny arikanjely

  • amin’ny trompetran’Andriamanitra.

 

Ireo sary telo ireo, manambara ny feon’ny Tompo, mandritra izany tranga mahatalanjona izany, dia maneho ny voninahitra any an-danitra sy ny hery avy amin’Andriamanitra hisehoan’ny Tompo eo imason’ny olony. Io feo io dia ampy hampitsanganana ireo maty tao amin’i Kristy, hanovàna ireo mbola velona, ary hampakarana azy rehetra eny amin’ny rahona.

Ny “fiantsoana” dia maneho ny fahefana sy ny hery tsy tohan’ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, Tompo sy Mpamorona izao rehetra izao. Io feo io ihany no namorona izao tontolo izao avy amin’ny tsy misy: “Fa Izy no niteny, dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany” (Salamo 33:9). Io feo ihany koa no namoaka an’i Lazarosy avy tao am-pasana: “Ry Lazarosy! Mivoaha” (Jaona 11:43-44). Io fiantsoana io ihany koa, indray andro any, no hamerina ny voary voalohany ho amin’ny tsy misy ka hanolo izany amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao.

Izany no feo mahery horenesintsika ataon’ny Tompo, amin’ny fiaviany, ho an’ireo olony. Izy rehetra amin’izay fotoana izay dia hamaly ny antsony eo noho eo, na dia ireo olom-boavidy efa matory any anaty fasana aza. Toy ny voatariky ny andriamby matanjaka ny olona masina rehetra, na ny maty na ny velona, ary tsy maintsy esorina amin’ity tany ity hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka.

Ny “feon’ny arikanjely” dia manoritra fotsiny ny hery mihoatra ny herin’olombelona ananan’ny feon’ny Tompo. Tsy midika izany fa hisy arikanjely hiaraka Aminy (*).

 

(*) Marihina fa tsy milaza afa-tsy arikanjely iray ihany ny Teny, dia Mikaela (Joda 9).

 

 

Ny “trompetran’Andriamanitra” dia kisarisary maneho fa hatraiza hatraiza no handrenesana ilay famantarana, na dia any anaty fasana aza, ary ho ren’ireo rehetra iantefan’izany. Io trompetra io dia tsy misy ifandraisana amin’ireo lazain’ny Apokalypsy, izay manambara ireo fitsarana isan-karazany (toko 8-11). Ny mifanohitra amin’izany aza, izy dia manambara ny fanafahana sy ny fifalian’ny olom-boavidy, ny voninahitry ny lanitra zaraina miaraka amin’i Kristy. Ilay “trompetra farany” lazaina ao amin’ny 1 Korintiana 15 dia kisarisary notsoahana avy tamin’ny fomban’ny miaramila romana. Nisy famantarana telo nifanesy nampilaza ny amin’ny fiaingana: ny voalohany, dia nidika fa tokony hanorona ireo trano lay ny miaramila; ny faharoa, dia mibaiko azy ireo mba hilahatra ho amin’ny famindràna, ary, farany, ny fahatelo dia mitovy amin’ny fanaontsika ankehitriny hoe: “Miara-mandroso!”. Ireo famantarana rehetra ireo dia natao tamin’ny alàlan’ny trompetra. Ny roa voalohany dia mampahatsiahy ireo antso mafy natao tamin’ny tontolo kristiana nandritra ny taon-jato nifandimby. Ny famantarana voalohany dia ilay re raha notoriana ny Filazantsara, miantso ny olona hivoaka ivelan’ny tobin’ny fahotana ka hiova fo. Ny feon’ny trompetra faharoa dia ny fanambaràna ny fiverenan’ny Tompo tsy ho ela, fanambaràna izay efa norenesina efa mihoatra ny taon-jato iray sy tapany, ary mbola re mazavazava kokoa hatrany eo amin’ny tontolo kristiana. Ny famantarana fahatelo sisa no mbola tsy tonga: ny feon’ny Tompo izy tenany mihitsy, miantso ny olony hitsena Azy.

 

3. Ndeha hojerena izay hiseho etỳ an-tany rehefa re izany feo izany.

Lazaina amintsika fa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha. Voakasika izany na ireo olo-masina ao amin’ny Testamenta Taloha na ireo ao amin’ny Eglizy. Satria ny ”fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa” dia mahakasika ireo vondrona mpino roa ireo (Romana 3:24-26). Ny Tompo mihitsy no nanambara fa: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” (Jaona 5:28-29). Ireo voalohany dia handray anjara amin'ny fitsanganan'ny maty voalohany (izay hiseho amin'ny fiavian'ny Tompo); ireo faharoa kosa dia hivoaka ny fasana hotsaraina, aorian'ny fanjakana arivo taona. Ny voalaza momba iretsy voalohany dia izao: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona” (Apokalypsy 20:6).

Ny Tesaloniana dia niandry ny Tompo tamin’ny finoana velona: izany mihitsy aza no marika manokana tamin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona (1 Tesaloniana 1:9). Koa niahiahy izy ireo raha nahatsapa fa ny sasantsasany taminy dia nalaina alohan’ny fiverenan’i Kristy, satria nihevitra izy ireo fa hiseho amin’ny androny izany zavatra izany. Tsy hoe voahozongozona akory ny fiandrasany, fa natahotra kosa izy hoe ireo mpino nodimandry dia tsy handray anjara intsony amin’ny fampiakarana ny Eglizy. Mba hanesorana izany ahiahy izany no nanomezan’ny apostoly azy ireo fanambaràna fanampiny momba ny fiverenan’ny Tompo, ary tsipihiny manokana amin’izany ny anjara ho raisin’ireo olona masina efa nodimandry. Tsara izany raha mijanona kely eo amin’ity lohahevitra lehibe ity isika.

Ny fahateraham-baovao, izay asan’ny Fanahy Masina, dia manavao “ny fanahin’ny saintsika” (Efesiana 4:23) — izany hoe ny fanahy sy ny saintsika — fa tsy ny vatantsika akory, izay voavonjy amin’ny fanantenana ihany (Romana 8:24). Marina fa ny fahateraham-baovao dia misy akony manamasina sy mahasoa ny fiainantsika ara-batana, satria ny Fanahy Masina izay monina ao anatintsika no mahatonga antsika afaka hanohitra ny fahotana, ary hanana fomba fijery vaovao tokoa amin’ny zavatra iainana ankehitriny, fomba fijery mifanaraka amin’ny fihevitry ny Tompo. Nefa na izany aza, ny vatantsika dia mbola tsy navaozina, raha tsy izany dia efa nitovy amin’ny vatan’i Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty izy. Io trano lay izay hisentoantsika io, noho ny mahavesatra antsika (2  Korintiana 5:2-4), dia an’ilay fahariana efa lavo (Salamo 51:5), ka noho izany, dia iharan’ilay fanamelohana ny fahotana, dia ny fahafatesana (Romana 6:23). Izany no mahatonga antsika, mandritra ny androm-piainantsika rehetra, iharan’ny fijaliana, ny aretina, ny fahafatesana, voafatotr’ireo lalàna ara-voajanahary sy ny filàn’ny fiainana isika, toy ireo rehetra tsy mbola niova fo. Ho antsika zanak’Andriamanitra koa no iantefan’ny teny ao amin’ny 1 Korintiana 15:50 hoe: “Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra” ary koa “Izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha” (and 36). Tsy maintsy ravàna aloha ny tranontsika etỳ an-tany; ka izany no haniriantsika mafy ny tranontsika any an-danitra, voarafitr’Andriamanitra, trano tsy natao tànana, maharitra mandrakizay, any an-danitra (2  Korintiana 5:1-5).

Amin’izany, dia mampianatra antsika mazava ny Teny fa ny vatantsika ankehitriny dia tsy maintsy maty alohan’ny hitafiantsika ny tsy fahalovana sy ny voninahitra. Nefa ho an’ny zanak’Andriamanitra, dia tsy mitovy amin’ny an’ny tsy mpino ny fandraisany ny fahafatesana. Rariny raha milaza ny apostoly Paoly hoe: “Maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy (aho), satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1:23). Rehefa maty ny mpino iray, dia “matory” fotsiny ny vatany, ary mankany am-paradisa ny fanahiny (Lioka 23:43), izay toerana masina misy Ilay ninoany. Ny zavatra tokony ho azo mantsy dia amin’ny vatan’ny kristiana maty ihany no mihatra ny torimaso, fa tsy amin’ny fanahiny, izay tsy matory. Ny mifanohitra amin’izany aza, ny fanahiny dia ao anaty fifaliana lehibe tokoa izay ahafahany mahita zavatra tsy hay lazaina, tsy azon’ny olombelona tenenina, toy ny nanjo ny apostoly Paoly raha nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo izy (2  Korintiana 12:4). Aorian’ny fahafatesana, ny fanahin’ilay voavidy dia miditra miaraka amin’ny Tompo amin’ny fiombonona feno lavitra sy masina lavitra noho ny hitany tetỳ an-tany; misitraka fahasambarana tsy misy fangarony sy fiadanana feno izy. Izany no antony ilazan’ny Teny fa tombony ny fahafatesana, ary tsara kokoa ny ao amin’i Kristy. Fidirana am-piadanana amin’ny fitsaharana any an-danitra izany, ary hanampy izany ny voninahitra amin’ny fiavian’ny Tompo. Maro no nahazo tombontsoa manokana, afaka nanopy maso tamin’ilay fitoerana mahafinaritra hidiran’izy ireo, tamin’ny ora farany. Nitranga manokana tamin’i Stefana izany (Asa 7:56).

Ny fahafatesana izany, ho an’ny mpino, dia toe-javatra mandalo ihany, ary aorian’izany no hisy ny fitsanganana amin’ny maty (Filipiana 3:11). Izany no azavain’ny apostoly Paoly amin’ny Tesaloniana. Natsangan’Andriamanitra Ray avy tamin’ny maty i Jesoa Kristy; toy izany koa, ireo rehetra voavidiny tamin’ny rany ka tonga isan’ny tenany noho izany, dia hatsangana amin’ny maty. Ny feo maherin’ny Tompo no hampivoaka azy ireo avy ao am-pasana ary halaina hitsena Azy izy, miaraka amin’ireo velona efa novàna. Zavatra malaza tokoa izany hiseho izany!

Ny fanahin’ireo olona masina rehetra natory dia hahazo vatana vaovao, malaza, ho mandrakizay, voavoatra ho an’ny lanitra. Mitovitovy amin’ny vatana notafian’ny olom-boavidy tetỳ an-tany ihany izany. Hifankahalala isika noho ny fifamatorana ara-panahy ary afaka ahalala na dia ireo tsy mbola fantatra taloha aza noho izany. Io vatana io anefa dia tsy hanana zavatra avy amin’ilay vatana taloha mora maty sy mora lo; ho afaka amin’ny ota izy, amin’ny aretina, amin’ireo fahasembanana sy tsy fahafenoana manamarika ny vatantsika ankehitriny. Tsy ho vatana “nofo sy ra” intsony izy, ary, noho izany,tsy hila sakafo sy rano intsony, fa ho toy ny vatan’ny Tompo taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: hanana “nofo sy taolana” izy (Lioka 24:39), izany hoe toetra ivelany azo tsapain-tànana, fa tsy hisy ra. Ny ra mantsy — araka ny voalaza tamin’ny nandraràna tsy hihinanana ra ao amin’ny Levitikosy 17. 10 — no tohan’ny aina etỳ an-tany, zava-misy, mandalo, tsy maintsy karakaraina foana ary havaozina amin’ny sakafo, hiharan’ny lalànan’ny fahafatesana sy ny fahalovana.

Tsy ho toy izany intsony ny amin’ilay vatana vaovao: ny aina hampihetsika azy dia tsy zavatra intsony (izany hoe voafatotry ny lalàna ara-voa-janahary mibaiko ny raha), fa ara-panahy. Izany no iantsoan’ny Teny azy hoe “tena araka ny fombam-panahy” (1 Korintiana 15:44), fomba fiteny mahagaga ihany amin’ny saintsika tsy dia mahataka-davitra: ny vatana mantsy amintsika dia zavatra azo tsapain-tànana, fa ny fanahy kosa tsy mba hita maso. Nefa dia ho izany no hiseho, satria izany no lazain’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Teniny. Raha fintinina indraim-bava, dia tsy ho baikoin’ny lalàna misy ankehitriny eo amin’ny raha, ny elanelana sy ny fotoana intsony isika (*). Ho afaka tanteraka amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ary hisitraka tanteraka ny fahafahana amin’ny voninahitry ny zanak’Andriamanitra isika (Romana 8:21).

 

(*) Izany no nahatonga ny Tompo Jesoa afaka nihinan-kanina, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, na dia tsy nila izany intsony aza Izy; toy izany koa, nipoitra teny amin’ny toerana isan-karazany mifanalavitra  Izy, nefa tsy namoha varavarana, na lasa tsy hitan’ny maso tampoka

 

Io tena vaovao io dia omena, tsy ho an’ireo maty ao amin’i Kristy ihany rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireo, fa koa ho an’ireo mpino mbola velona amin’ny fiverenan’ny Tompo. Tsy hisy izany hahasamihafa ireo antokon’olom-boavidy roa ireo: ny voalohany dia handray ny vatany vaovao amin’ny fananganana ny maty, ny faharoa amin’ny fanovàna ny vatany tetỳ an-tany. “Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa… hovàna isika rehetra... Ny maty hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovàna. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana” (1 Korintiana 15:51-53). “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3:20-21).

Noho izany, na tsy nandalo fahafatesana aza ireo mpino mbola velona etỳ an-tany amin’izay fotoana izay, dia “hovàna” izy, na “hiofo”. Handray vatana mitovy amin’ny an’ireo natsangana tamin’ny maty izy ireo. Mandahatra ny tenany ho isan’ireo i Paoly, satria niandry ny Tompo izy. Enga anie ka ho toy izany koa ny olom-boavidy tsirairay!

 

4. Zavatra mahatalanjona: izany rehetra izany dia hiseho ao anaty indray mipi-maso. Na dia tsy hitan’ireo tsy mino aza ny fampiakarana ny olona masina (*), dia hangitakitaka izy ireo rehefa hahita fa tsy eo intsony ny mpino. Ho tsaroany ny fampitandremana nataon’izy ireo momba ny fiverenan’ny Tompo, nefa efa ho tara loatra.

 

(*) Ny fiakaran’ny Tompo tany an-danitra dia tsy hitan’ny vahoaka rehetra. Toy izany koa ny fiakaran’i Enoka sy Elia (Genesisy 5:24; 2  Mpanjaka 2. 10-12). Rehefa hiverina haka ny olony ny Tompo dia antsoina hoe “kintan’ny maraina mamirapiratra”: tsy dia manintona maso ny kintana, afa-tsy ho an’ireo izay mandinika ny lanitra.

 

 “Tara loatra”: enga anie izany teny mampatahotra izany tsy haneno eo amin’ny sofin’ny iray aminareo indray andro any, ry mpamaky! Efa nanao antso manetriketrika tokoa ny Tompo dieny tetỳ an-tany ho an’ireo mpihaino Azy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay ? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay ? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka” (Matio 7:21-23).Tsy ampy ny hoe notezain’ny ray aman-dreny kristiana, ny “nihinana sy nisotro” teo anatrehan’ny Tompo (Lioka 13:26), ny nandre ny fampianarany, ny nanaja Azy tamin’ny molotra, nefa nanana fo lavitra Azy. Ny mifanohitra amin’izany aza, izany rehetra izany dia manampy trotraka ny andraikitra, satria ho an’izay nomena betsaka, dia betsaka no hangatahina aminy. Aoka isika hiambina mba hisy solika ny tavin-jirontsika ka hazava mandra-piavin’ny Mpampakatra, sao dia mihidy ho antsika eo ny varavarana!

Hatoran-kovitra  toy inona no hameno ny fon’ireo tafajanona eny ivelany. Indrindra moa fa azo atao ny mieritreritra fa ny fampiakarana ny mpino dia hanakorontana ambony ambany ny toe-piainana, ary mety hampisy loza mahatsiravina. Toy ny nitadiavan’ny olona fahiny an’i Enoka sy Elia taorian’ny nakàna azy ireo, dia mety ho toy izany koa no itadiavana ny mpino hatraiza hatraiza, nefa tsy hahita azy ireo ny olona.

Satria ny mpino dia ho eo akaikin’ny Tompo ho mandrakizay (1 Tesaloniana 4:17), Izay hampiditra azy ireo amin’ny voninahiny, eo anilan’ny Ray. Hiteny Izy hoe: “Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra Ahy” (Hebreo 2:13), ary ho diboky ny hafaliana ny fony. Ho tahaka Azy izy ireo, ary hahita Azy, dia izay tena endriny tokoa (1 Jaona 3:2). Amin’izany, dia tsy vatana tsy mety maty ihany no hitafiany, fa ny voninahitra any an-danitra; izay zavatra mety maty ankehitriny dia efa natelin’ny fiainana (2  Korintiana 5:1-4). Tsy nilaza ve ny Tompo, tamin’ilay vavaka farany nataony, hoe: “Ray ô, tiako mba ho any amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” (Jaona 17:24). Noho izany, dia tsy maintsy hovàna ho tahaka Azy aloha isika, na ny toetra asehontsika ivelany, na ny toetrany amin’ny maha-olombelona Azy (*), raha tsy izany, tsy afaka ny hahita Azy isika (Isaia 6:5). Zavatra faran’izay malaza tokoa izany, ary teo anolan’izany, dia nanambara ny apostoly Jaona hoe: “Tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay” (1 Jaona 3:2). Fa ny fahazoana antoka fa hahita Azy isika, dia mitarika fahazoana antoka hafa koa, dia ny hisitrahantsika ho mandrakizay ny voninahitra ao an-tranon’ny Ray. Izany no ahafahantsika mihiaka miaraka amin’io apostoly io koa hoe: “Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika!”.

 

(*) Tsy miresaka ny toetrany amin’ny maha-Andriamanitra azy isika eto, fa ny fahamasinana izay mampiavaka ny maha-olombelona an’i Kristy.

 

Hafaliana tsy hay lazaina, fa ho eo anilan’ny Tompo ho mandrakizay isika, ary ho eo akaikin’ny Ray!

 

Eny, miomana ny fitsaharana

Hifarana ny ady

Atrakao ny lohantsika

Fa ho avy Jesoa.

Izy, ilay Zanaky ny Ray,

Ilay Mpamonjy mandrakizay,

Raha namakivaky ny tany isika,

No andrasantsika avy any an-danitra

 

Efa ho avy ny maraina;

Ry rahalahy, mifohaza:

Fotoana kely sisa

Dia ho hitantsika ny Mpampakatra.

Koa mifalia amin’ny Tomponao

Ry fanahy feno fitahiana,

Ary amin’ny Fanahin’ny fiainana

No hamerenantsika hoe: “Avia, ry Tompo!”

 

 

3.5  TOKO 4 — Hiaro anao amin’ny andro fakàm-panahy Aho

 

1. Misy fanontaniana mavesa-danja mipetraka: ny Eglizy ve halaina alohan’ireo fitsarana lazaina ao amin’ny Apokalypsy, sa tsy maintsy handalo ny fahoriana lehibe izy ? Mba hamaliana izany, dia hijery tsongadahatsoratra sasantsasany ao amin’ny Soratra Masina isika, izay mampiseho mazava fa ny fampiakarana ny mpino hitsena ny Tompo dia tsy maintsy hiseho, ary tsy azo lavina izany, alohan’ny fahoriana lehibe. Ny fiavian’ny Tompo indrindra no fiantombohan’ireo zavatra hiseho mandritra ny fara-andro ary hialoha ny fametrahana ny fanjakana arivo taona.

Ny fampakarana ny Eglizy — fisehoan’ny fitiavan’i Kristy — dia tsy maintsy atao alohan’ny fitsarana voalaza ao amin’ny Apokalypsy. Satria ny Tompo dia hiaro ilay Vady malalany tsy ho tratr’izany, araka ny teny fampanantenana nataony ho an’ny fiangonana tao Filadelfia: “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakàm-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” (Apokalypsy 3:10). Ny teny ifotony dia midika marina hoe “hiaro anao tsy ho tratry ny andro fakàm-panahy”, fa tsy hoe “mandritra ny andro fakàm-panahy”. Efa hitantsika tamin’ny toko teo aloha fa i Filadelfia dia sarin’ny Eglizy mahatoky amin’ny andro farany. Ho azy izany no nanaovana izany fampanantenana sarobidy izany. Marina anefa fa ny olom-boavidin’ny Tompo rehetra dia halaina daholo, na inona na inona rafi-pivavahana misy azy.

 

2. Zavatra toy izany ihany koa no soratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana, izay diso hevitra, taorian’ireo fahoriana nanjo azy nataon’ny tontolo nandrafy azy, fa ny andron’ny Tompo (izany hoe ny andro fitsarana) dia efa tonga. Lazainy aminy fa ny mifanohitra amin’izany aza, hahazo fitsaharana izy ireo amin’izany andro izany (2 Tesaloniana 1:7-10).

Ankoatr’izany, mbola vakiantsika ao amin’ny toko faharoa ao amin’io epistily io ihany, fa: “Ary ankehitriny, fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin’ny fotoan’androny. Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany. Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesoa Tompo amin’ny fofonain’ny vavany…”(and 6-8). Mampiseho mazava izany andininy izany fa ny Antikristy, izay mpanefy voalohany ny fahoriana lehibe, dia tsy azo aseho alohan’ny hakàna ny olona masina. Misy sakana roa tsy maintsy esorina vao afaka miseho izy. Ny voalohany dia ny atao hoe “ny zavatra misakana”, ny faharoa dia “ilay misakana”. Ny “zavatra misakana” dia ny mbola maha-etỳ an-tany ny Eglizy, toy ny fefiloha mihazona ny fiakaran’ny faharatsiana mandra-pandrain’ny Tompo azy ho eo anilany. Ny hery hanaovana izany dia avy amin’ny Fanahy Masina monina ao aminy. “Ilay misakana” dia milaza mazava ny Fanahy Masina izay tsy hanana intsony ny tabernakeliny rehefa ho halaina ny Eglizy, ka tsy hanohitra intsony ny firohotana mankany amin’ny fahadisoan-kevitra (*). Alohan’izany, dia tsy azo aseho ny Antikristy. Fampiononana sarobidy tokoa izany ho an’ireo olo-malalan’ny Tompo!

 

(*) Na dia tsy ho etỳ an-tany intsony aza ny Fanahy Masina, amin’ny maha-Persona avy amin’Andriamanitra Azy, dia mbola hiasa ihany Izy, indrindra eo anivon’i Isiraely, mandritra ny fahoriana lehibe, mba hitarika azy ho amin’ny fiovam-po (jereo Zakaria 12:10; Ezekiela 39. 29; Isaia 59:20-21). Toy izany koa, ho betsaka ireo fanahy avy amin’ny jentilisa no ho voavonjy noho ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana (Apokalypsy 7, 9, 14), izay tsy hisy raha tsy miasa ny Fanahy (1 Korintiana 12:3). Azo ekena izany fa hanohy ny asany etỳ an-tany ihany Izy, na dia efa nalaina aza ny Eglizy, toy ny nataony talohan’ny Pentekosta, izay vanim-potoana nisian’ny olona nateraka avy amin’ny Fanahy.

 

3. Aorian’ny fampiakarana ny Eglizy, dia hanohy ny fifandraisany amin’i Isiraely indray Andriamanitra ary hiantso azy hijoro ho vavolombelona eo amin’izao tontolo izao, fa izy no vahoakany. Nametra fito taona fara-fahakeliny Andriamanitra hahatanteraka izany. Amin’ireo fitopolo herinandro-taona handalo araka ny Daniela 9. 24-27, mandra-pahatongan’ny fanjakan’ny Mesia, dia sivy amby enimpolo ihany izay no lasa hatramin’ny nahatongavan’i Kristy voalohany, ary ny herinandro farany kosa, ny faha-fitopolo, dia mbola ho avy, toy ireo tranga ao amin’ny faminaniana manamarika azy ary ambaran’ny andininy faha-27. Nefa io herinandro farany io dia tsy afaka hanomboka raha tsy halaina aloha ny Eglizy, ary misy antony maro amin’izany .

3-a) Vakiantsika ao amin’ny Romana 11:25 fa “efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa”. Rehefa izany, vao hovonjena i Isiraely (na ny marimarina kokoa, ireo sisa tavela mpino) (Romana 11:26). Manaporofo izany fa ny vanim-potoanan’i Isiraely dia tsy afaka hanomboka raha tsy aorian’ny fampiakarana ny Eglizy. Antsoin’ny apostoly hoe “zava-miafina” ny famerenana indray an’i Isiraely: marina fa anisan’ny vinavina mahagaga noho ny fahasoavan’Andriamanitra izany, ary fotoana ela no tsy nahafantarana izany teo anivon’ny tontolo kristiana.

3-b) Mandritra ilay herinandro farany lazain’i Daniela, dia ny filazantsaran’ny fanjakana (Matio 24:14 sy Apokalypsy 11) no hotoriana, fa tsy ny filazantsaran’ny fahasoavana intsony, araka ny itoriana azy ankehitriny. Apokalypsy 11 dia mampiseho mazava ny fahasamihafana misy amin’ireo filazantsara roa ireo. Raha ny hitarika ny mpanota hanaiky ny famonjena ka hahatonga azy ho isan’ny tenan’i Kristy no tanjona kendren’ny filazantsaran’ny fahasoavana, ny filazantsaran’ny fanjakana kosa dia ho toriana mba ahazoana olona ho an’ny fanjakàn’i Kristy etỳ an-tany. Ireo fomba ampiasain’ny mpitory ireo filazantsara ireo koa dia tsy misy ifandraisana mihitsy. Ny mpitory ny filazantsaran’ny fahasoavana dia tsy maintsy manana ny toe-tsaina mampisongadina ny zavatra toriany, izany hoe ny fahasoavana tsy manam-petra omen’Andriamanitra, izay tsy manisa ny fahotany amin’ny olona, fa mamela heloka maimaimpoana ireo izay mino an’i Jesoa. “Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona” (Romana 12:14). “Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny” (and 20). “Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana” (1 Petera 3:9).

Tsy ho toy izany kosa ny toetr’ireo vavolombelon’Andriamanitra roa ambara ao amin’ny Apokalypsy 11:3-6, izay tsy maintsy maminany, mitafy lamba fisaonana, mandritra ny enim-polo sy roanjato sy arivo andro (*) ary ambara hoe: “Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy vonoina toy izany koa izy. Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy ilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana”. Hita amin’izany, fa tsy fanompoana amin’ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra, nankinina tamin’ny Eglizy izany.

 

(*) Io fotoana io dia ilay tapaka herinandro farany lazain’i Daniela (telo taona sy tapany); io no fotoan’ny fahoriana lehibe

 

Mazava izany fa tsy maintsy alàna aloha ny Eglizy, raha tsy izany, tsy azo avela hisy ny fijoroana vavolombelona toy ny ao amin’ny Apokalypsy 11. Ho toy inona ny fisavoritahana raha mbola etỳ an-tany ny Eglizy amin’izany fotoana izany ka mbola toriana ihany ny filazantsaran’ny fahasoavana — satria raha mbola etỳ an-tany foana ny Eglizy, dia io filazantsara io no toriana! Raha toa filazantsara roa samihafa no miaraka toriana avy amin’Andriamanitra, iza amin’ireo no tokony hinoan’ny olona ? Tsy mety izany: noho izany, tsy ho eto an-tany intsony ny Eglizy rehefa ho toriana ny filazantsaran’ny fanjakana.

 

3-c) Ao amin’ny Apokalypsy 1:19, dia hoy ny Tompo amin’ny apostoly Jaona: “Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay”. Ny “zavatra efa hita” dia lazaina ao amin’ny toko voalohany: io no fahitana hitan’i Jaona tany Patmo, dia i Kristy mitafy ny fahefany amin’ny maha-mpitsara Azy. Ny “zavatra ankehitriny” dia hita ao amin’ny toko 2 sy 3: ny tantaran’ny Eglizy kristiana sy ny fitsarana ataon’ny Zanak’olona amin’ny toetrany — Eglizy araka ny ahitan’ny Tompo azy amin’ny maha-tompon’andraikitra azy noho ny maha-vavolombelon’Andriamanitra azy etỳ an-tany, nanomboka tamin’ny Pentekosta ka hatramin’ny fampiakarana ny tena Eglizy marina ary fanamelohana ny Eglizy sandoka (Laodikia), mendrika ny haloan’i Kristy amin’ny vavany.

Ny “zavatra mbola ho avy rahatrizay” dia ireo fahitana ambara manomboka ao amin’ny toko faha-4 ka hatramin’ny faran’ny boky. Ao amin’ny toko 4 sy 5 no ahitantsika ny mpino rehetra mivory any an-danitra amin’ny fiavian’ny Tompo, ary, manomboka eo amin’ny toko 6, ny fiandohan’ny fitsarana amin’ny andro farany. Hatreo ny fianakaviana any an-danitra dia aseho an’ohatra amin’ny alàlan’ireo loholona efatra amby roapolo manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra ary tsy misy atahorana ao an-tranon’ny Ray; mandritra izany fotoana izany anefa no miseho ny fitsarana ireo ratsy fanahy mbola etỳ an-tany. Hatreo, ireo olom-boavidy mbola etỳ an-tany dia manana toetra, tsy an’ny Eglizy tamin’ny vaninandron’ny fahasoavana intsony, fa tena ny an’ny Jiosy. Ohatra amin’izany, araka ny ambaran’ny Apokalypsy 6 sy 10, ny fitenin’izy ireo dia toy ny an’ireo sisa tavela mpino tany Isiraely, toy ny ahitantsika azy matetika ao amin'ny Salamo. Ireo loholona efatra amby roapolo, mitafy akanjo fotsy ary manana satroboninahitra volamena, dia misolo tena ireo olom-boavidy rehetra avy amin’ny firenena rehetra, ny samy hafa fiteny, ny olona sy firenena, izay hanapaka ny tany avy any amin’ny toerany any an-danitra. Mandra-piandry io andro lehibe io, dia mihira any an-danitra ilay fihiram-baovao mankalaza ny Zanak’ondry izy ireo, manao hoe: “Ianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny rànao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy” (Apokalypsy 5:9-10). Mandritra ny fitsarana hanjo ny tany rehetra, dia tsy miala any an-danitra izy ireo. Mbola porofo koa izany fa ho raisina ho eo anilan’ny Tompo ny Eglizy alohan’ny fotoana fitsarana amin’ny andro farany.

 

4. Farany, misy tsongandahatsoratra maromaro ao amin’ny Teny milaza mazava fa hiaraka amin’ny olony masina ny Tompo rehefa hiseho am-boninahitra hanatanteraka ny fitsaràny ny tsy mety mino (jereo indrindra 1 Tesaloniana 3:13; 2 Tesaloniana 1:10; Kolosiana 3:4; Zakaria 14:5; Joda 14). Noho izany, efa nalaina ho eo anilany izy ireo talohan’izany. Ambonin’izany, araka ny ho hitantsika aoriana, handray anjara amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry izy ireo any an-danitra, alohan’ny hisehoany miaraka Aminy (Apokalypsy 19:7-10). Azo antoka fa efa ho feno ny Eglizy amin’izay fotoana izay ary efa ao amin’ny voninahitra, raha tsy izany tsy hisy izany fampakaram-bady any an-danitra izany. Midika izany fa efa nalaina ho any an-danitra izy, hiaraka amin’ilay Vadiny avy amin’Andriamanitra. Ho azy, dia tsy ho mpitsara tahaka ny ataony amin’ny mponin’ny tany izay hianjadian’ny “fahatezeran’ny Zanak’ondry” izy (Apokalypsy 6:16). Io “fahatezerana” io dia milaza ireo fanamelohana mahatsiravina ampiharina amin’ny mpanao ratsy, fa ny olom-boavidy kosa dia nafahana tamin’izany. “Jesoa, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy”. “Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika  ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (1 Tesaloniana 1:10; 5:9). Ary koa, manaitra mihitsy ny mahita fa tsy misy iray amin’ireo epistily no miresaka an-tsipiriany ny momba ny fahoriana lehibe, satria tsy handalo izany ny Eglizy.

Nefa tsy midika mihitsy akory izany hoe tsy voantso handalo fahoriana etỳ an-tany ny kristiana alohan’ny hahatongavan’ny Tompo. Mampianatra antsika tokoa mantsy ny Teny fa “tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakàn’Andriamanitra” (Asa 14:22) ary “tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra ?” (1 Petera 4:17). Efa maro tokoa ireo mpino nandalo fahoriana nandritra ny taon-jato nifandimby ary indrindra indrindra nandritra ny taona maromaro farany teo, na izy tratry ny fanenjehana, na izy koa tratry ny fanamelohana nianjady tamin’ny tany samihafa. Nefa ireo fizahan-toetra ireo dia miseho mandritra ny fotoana mbola hanjakan’ny fahasoavana, fa ny fitsarana mandritra ny fahoriana lehibe kosa dia hihoatra lavitra noho izay efa hita teo aloha. Ny Tompo mihitsy no manambara izany: “Fa amin’izany andro izany, dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony” (Matio 24:21).

Isaorana anie ny Tompo nanome antsika antoka fa hiaro antsika amin’izany fizahan-toetra izany Izy! Afaka mifaly tsy amin’ahiahy isika mieritreritra ny fiverenany tsy ho ela. Nefa aoka isika hiambina, hiorina tsara ary hiasa hanompo Azy, araka ny famporisihana nataon’ny apostoly Petera tamin’ireo olona masina tamin’ny fiafaran’ny asany: “Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no anomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika” (2  Petera 1:10-11).

 

3.6  TOKO 5 — Ny fisehoan’ny olom-boavidy eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy

1. Rehefa voaray ho eo anilan’ny Tompo ny olom-boavidy rehetra, tsy misy an-kanavaka, dia tsy maintsy “aseho” eo anoloan’ny fitsaran’i Kristy izy ireo. “Fa isika rehetra dia tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany,dia araka izay nataony, na tsara na ratsy” (2 Korintiana 5:10). Io “fisehoana” io dia hisy alohan’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Tsy maintsy aseho mazava eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy aloha ny zavatra rehetra nataontsika, eo imason’Andriamanitra sy ny olony masina. Ireo fahotantsika rehetra, ireo fahadisoantsika rehetra, na dia izay miafina indrindra aza, dia habaribary, hianjahanja amin’ny antsipiriany, eo anoloan’ny rehetra. Ary tsy ny zavatra nataontsika ihany no aseho amin’izany, fa ny toetrantsika, ary ny sary ho hita amin’izany dia mety tsy hitovy mihitsy amin’ilay fanaronan-tava nisalorantsika tetỳ an-tany.

Nefa, tsara ny manamarika fa tsy hiseho eo amin’io fitsarana io amin’ny maha-olo-meloka tokony hotsaraina antsika isika, raha tsy izany, iza no ho afaka ? Ny Tompo mihitsy no nilaza hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24). Tsy tokony hatahotra ny fanamelohana ho mandrakizay izany ny mpino eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy, izay “ampisehoana” azy fotsiny. Amin’izany koa dia efa hitafy ilay vatana avy any an-danitra sy be voninahitra izy, mitovy amin’ny an’Ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana, ary manana ny fahafenoany rehetra. Tsy hatahotra ny jiro itarafana izay fiainany taloha izany izy. Ho fantany fa voavidy tamin’ny ra sarobidin’i Kristy izy, ka tsy ho melohina. Noho izany, ny fitsaràn’i Kristy dia tsy toerana hanamelohana azy, toy ny haha-toy izany azy aoriana ho an’ireo mpanao ratsy. Raha ny marina, dia io no toerana hampisehoana ny fahasoavana sy ny fitiavan’ny Tompo Jesoa amin’ny faran’ny famirapiratany.

Etỳ an-tany mantsy isika dia tsy afaka ahalala ny fahamasinany afa-tsy amin’ny fomba manjavozavo sy tsy tomombana ihany. Tsy ho fantatsika tanteraka izany raha tsy any an-danitra satria any isika, rehefa nafahana tamin’ny sakana isan-karazany noho ny vatantsika mety maty sy ny ota, dia ho afaka hankalaza, hisaotra ary hivavaka amin’ilay Tompo malalantsika sy Mpamonjy antsika, araka ny tokony ho Azy. Nefa alohan’izany, dia tsy maintsy aseho eo anoloan’ny fitsaràny isika, mba ahafahantsika miaiky mazava indray mandeha, amin’ny fahazavan’Andriamanitra, izay tena naha-isika antsika, ary inona no tena nataontsika, nolazaintsika, noeritreretintsika, araka ny fahitan’ny Tompo azy sy nitsarany azy. Amin’izay fotoana izay isika vao tena ahatsapa tanteraka ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra. Etỳ an-tany mantsy ny masontsika dia matetika tampenan’i Satana sy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Impiry impiry moa isika, na dia tsy fanahy iniana aza, no mijery ny zavatra ara-panahy sy ny tenantsika toy ny mampiasa solomaso miloko sy manova zavatra, ka manalehibe ireo fahamendrehana ary manakely ny fahadisoana. Noho izany, dia ilaina ny anehoana antsika rehetra eo anoloan’ny hazavana, mba ahafantarantsika amin’izay fa tsinontsinona tokoa isika. Ho azontsika amin’izay ny habe sy ny voninahitry ny fahasoavana ary ny fitiavan’ny Tompontsika. Omentsika vidiny avo dia avo foana mantsy ny asantsika, ny fitiavantsika, ny finoantsika, ny toetra mahatoky ananantsika! Haverina amin’ny tena toerany izany rehetra izany ary ho lanjaina amin’ny mizanan’ny toerana masina: ny fahasoavana no nampisy ny soa ary hanaiky isika fa tsy avy amintsika izany; nefa na izany aza, dia homen’ny Tompo valisoa izany, ary vao mainka hamirapiratra ny fahasoavany. Amin’ny fanazavan’io fitsarana io, dia betsaka ireo zavatra natao no hiseho amin’ny endriny tsy mitovy mihintsy amin’ny nahitantsika azy tetỳ an-tany. Hevero fotsiny ny fomba nanehoantsika ny fanahy sy ny toetran’i Kristy tamin’ny zavatra rehetra nataontsika.

 

2. Manetriketrika tokoa izany fisehoantsika rehetra eo amin’ny fitsaràn’i Kristy izany, ary tokony ho saintsainintsika foana! Hanosika antsika hiala amin’izay mety hahamenatra antsika eo imason’ny Tompo sy ny olony masina izany, ka hanaiky ho tarihin’ny Teniny sy ny Fanahiny isika amin’ny zavatra rehetra.

Nefa, mbola averina ihany, fa tsy tokony hatahotra io fiandrasana io isika, satria ny fisehoantsika dia ho entina hankalazana ny Tompo aloha voalohany indrindra. Isika koa dia hanome voninahitra Azy, satria hiaiky ilay fahasoavana mahagaga nitantana antsika isika, nanampy antsika, nampahery antsika, niaro antsika nandritra ny dia tany an’efitra, ary farany nitondra antsika ho eo amin’ny voninahitra, eo anilany. Noho izany, na dia be aza ny fahadisoantsika, dia homena voninahitra i Kristy. Ny fitsaràn’Andriamanitra no hijerena ny zavatra rehetra nataontsika, tsy hanamelohana antsika akory, fa mba “hifanara-kevitra amin’Andriamanitra” tanteraka isika. Izay ihany no tena ahafaka marina ny fontsika ahazoantsika mivavaka aminy sy mankalaza azy amin’ny fomba tanteraka.

Enga anie ny fieritreritena ny fisehoantsika eo anoloan’io fitsarana io hihazona ao am-pontsika rehetra ny fatahorana ny hanala baraka ny Tompo sy ny faniriana ny hanompo Azy amin’ny fomba mahatoky etỳ an-tany, nefa koa hampifaly antsika satria azo antoka fa ho entin’ny fahasoavany any an-tranon’ny Ray isika! “Mba hofenoina ny fahalalàna tsara ny sitrapony ianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalàna tsara an’Andriamanitra” (Kolosiana 1:9-10).

 

3.7  TOKO 6 — Ireo olo-masina any an-danitra sy ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

1. Ndeha hojerentsika izao ny ambaran’ny tenin’Andriamanitra amintsika momba ny toerana sy ny zavatra ataon’ny olona masina aorian’ny fampidirana azy ireo ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra mandra-pisehoan’i Kristy amin’ny voninahitra.

Ireo olona masina any an-danitra dia voalaza, manomboka ao amin’ny toko fahefatra ao amin’ny Apokalypsy, fa soloin’ireo loholona efatra amby roapolo tena, izay mipetraka amin’ny seza fiandrianana manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra, miakanjo fotsy ary manana satroboninahitra volamena. Olona natao ho ohatra ireo, mampiseho ny olona masina rehetra, nanomboka tamin’ny olona voalohany voavidy ka hatramin’ny fanahy farany voavonjy alohan’ny hampiakarana ny Eglizy. Inona ary ny asan’izy ireo any an-danitra ? Mpanjaka izy ireo (araka ny asehon’ny seza fiandrianana sy ny satroboninahitra), ary, noho izany, dia natao hanjaka etỳ an-tany miaraka amin’i Kristy. Ankoatr’izany, dia mpisorona izy ireo, araka ny asehon’ny hirany. “Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Ianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy” (Apokalypsy 5:9-10).  Tao amin’ny 1 Petera 2:5, dia efa nantsoina hoe “fisoronana masina” ny olom-boavidy, “hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy”; ary ao amin’ny andininy faha-9: “Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamaitra ho an’ny tenany”. Izany haja amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona izany, izay efa ananan’ny olona masina dieny etỳ an-tany, dia mbola ho anjara malazan’izy ireo any an-danitra.

 

2. Fa nahoana moa izy ireo no antsoina hoe “loholona”, ary nahoana ny isany no efatra amby roapolo ? Ny voambolana hoe loholona dia mampiseho fa efa nanambaràna ny zava-miafina momba an’Andriamanitra izy. Hitantsika aza fa manome fanazavana an’i Jaona izy ireo momba ny zavatra sasany amin’ny fahitana atrehany (5:5; 7:13). Mahaliana azy ny zava-miseho eo ambany masony, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany, mandray anjara mavitrika amin’ny fahoriana manjo ny mpino sisa tavela tany Isiraely izy, izay nandalo ny fahoriana lehibe tamin’ny nanjakan’ny Antikristy ary nitondra azy ireo am-bavaka (5:8). Farany, mihira sy mivavaka izy, miankohoka eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra (4:10-11; 7:11-12; 19:4). Adinony ny ady sy ny fitsapana nanjo azy nandritra ny fandalovany tetỳ an-tany, ary ny eo anoloan’ny masony dia tsy misy afa-tsy ny voninahitra any an-danitra sy ny fahasambarana mandrakizay. Mameno ny fon’izy ireo ny voninahitry ny Zanak’ondry, toy ny hanazavany ny lanitra iray manontolo.

Ny isany koa dia kisarisary an’ohatra. Amin’ny andaniny, dia mampahatsiahy ireo sokajin’ny mpisorona efatra amby roapolo napetraky ny mpanjaka Davida izy ireo (1 Tantara 24:7-19). Amin’ny ankilany, dia mampiseho izany fa ny olona masina dia mizara ho antoko roa (roa ampitomboina roa ambin’ny folo), dia ny mpino tamin’ny Testamenta Taloha, nanomboka hatramin’i Adama ka hatramin’i Jaona Mpanao batisa, ary ny mpino isan’ny Eglizy. Na dia mitovy aza ny anjara malazan’ireo antoko roa ireo, dia samihafa ihany izy na izany aza.

Hita mazava izany ao amin’ny toko 19, izay tsy hanambarana intsony ny loholona manomboka eo amin’ny andininy faha-6, fa hitantarana kosa ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Eo no anambarana voalohany ny Vadin’ny Zanak’ondry, sy ny olona nasaina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, etsy an-daniny (jereo Jaona 3:29). Io Vady io dia ireo olom-boavidy rehetra nandritra ny fotoanan’ny fahasoavana nolalovan’ny kristiana, fa ny olona nasaina kosa dia ny olom-boavidy hafa. Lazaina ho sambatra izy ireo, satria mifaly, amin’ny maha-isan’ny ankohonana any an-danitra azy, noho ny anjara malaza nomena ny Vadin’ny Zanak’ondry.

 

3. Ao amin’ny filazantsara isika dia efa mahita sahady tsongandahatsoratra sasany manipy teny momba izany tranga manetriketrika izany. Ao amin’ny Lioka 22:30, ohatra, dia mampanantena ny mpianany ny Tompo fa hihinana sy hisotro eo amin’ny latabany ireo, any amin’ny fanjakany. Ao amin’ny toko faha-12, andininy faha-37, dia milaza Izy fa hisikina, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. Ao amin’ny Jaona 14:3, dia mampanantena azy ireo Izy fa handray azy ireo ho any Aminy indray andro any, ao an-tranon’ny Rainy; ao amin’ny Jaona 17:24, dia tiany mba ho hitan’izy ireo ny voninahiny. Ireo tsongadahatsoratra rehetra ireo dia maneho ny fanirian’ny Tompo hiaraka amin’ny olony ao amin’ny voninahiny, any an-danitra, ary hampiditra azy ireo amin’ny fisitrahana ny fitiavany faran’izay lalina.

Izany no ambaran’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, izay miseho aloha kelin’ny fidiran’ny Tompo amin’ny fanjakany. “Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ka efa niomana ny vadiny. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina. Ary hoy koa izy tamiko: Soratỳ: Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 19:6-9).

Efa niomana talohan’ny fampakaram-bady ny ampakarina, ary io fiomanana io dia tetỳ an-tany izay isehoan’ireo “fahamarinana” na zavatra marina ataon’ny olona masina. Tsy ny fahamarinan’i Kristy no resahina eto, satria io dia omena ny mpino tsirairay noho ny finoana (1 Korintiana 1:30; Romana 5:18), fa kosa ny vokatry ny fitondran-tenan’ny olom-boavidy tsirairay tetỳ an-tany. Ny fitambaran’ireo “fahamarinana” ireo no ilay akanjo rongony fotsy madinika, sady madio no mangatsakatsaka, izay ho tafian’ny Ampakarina rehefa hiseho eo imason’ny Mpampakatra izy amin’ny andro fampakaram-bady, ary avy eo, dia eo imason’izao tontolo izao rehefa ho avy ny Tompo amin’ny voninahiny. Ny fampisehoana ireo “asa marina natao” ireo, vokatry ny Fanahy niasa tao amin’ny mpino tsirairay, dia manana toetra iombonana eto: hita amin’ny ankapobeny izy ireo, toy ny an’ny Eglizy mihitsy fa tsy an’ny olom-boavidy tsirairay intsony. Mba saintsainintsika ve io lafiny amin’ny fanompoantsika ny Tompo io ? Tena mandray anjara amin’ny fanenomana izany akanjo mampitolagaga izany ve isika, sa avelantsika ny sasany no hanao izany ?

Azo antoka fa eo anoloan’ny fitsaràn’i Kristy, izany hoe alohan’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, no haseho ny hatsaran’izany kofehy notenomintsika izany, izany hoe ny asa nataontsika tetỳ an-tany, araka ny efa nambarantsika tamin’ny toko teo aloha. Noho izany, ny fifaliantsika, amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, dia ho tena tanteraka ary tsy ho salovanin-drahona. Nefa dia tokony tsy ho very eo imasontsika ny tena dikan’izany “fiomanana” izany amin’ny fiainana andavanandro, ka tokony hiezaka am-pahavitrihina isika hanenona etỳ an-tany ireo kofehy maro anaovana io fitafiana rongony madinika io. Fa aoka koa anefa tsy ho adinointsika fa tsy ny asantsika no ahazoantsika hipetraka eo amin'ny latabatry ny fampakaram-bady, fa tena ny fahasoavan'ny Tompo irery ihany. Io fahasoavana io tokoa dia mivoitra amin’ny voambolana ampiasaina ao amin’ny Soratra Masina: “ary nasaina nitafy…”. Io fitafiana io izany dia fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, izay mankasitraka izay vita ho an’ny voninahitr’i Kristy, noho ny asan’ny Fanahy Masina.

Aoka koa ho marihina fa izany fampakaram-bady izany dia an’ny Zanak’ondry, anarana izay mampahatsiahy ny Ampakarina fa ny Tompony dia nijaly sy novonoina ho azy. Ny fisainana izany dia ampy hamoha ao am-pony ny fiderana, ny fankasitrahana, ny fivavahana.

Hameno ny lanitra koa ny fifaliana, ary mampiseho izany ny olona masina amin’ny fihiakany hoe: “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo”. Satria tokoa, tonga ilay fotoana efa ela nandrasana izay hikambanan’i Kristy amin’ny Vadiny, izay nanomezany ny ainy. Hamaly ny fifalian’ny fony, toy ny ako mahery, ny fifalian’ny lanitra iray manontolo, izay hamoaka feo toy “ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy”. Ny anton’izany hafaliana izany koa, dia satria, aorian’ny fampakaram-bady, dia hiseho ny Zanak’ondry, miaraka amin’ny Vadiny, amin’ny voninahiny sy ny fahefany amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo Azy. Ny andininy manaraka tokoa mantsy dia mampiseho ilay zavatra manetriketrika indrindra: mivoha ny lanitra ary i Kristy tenany mihitsy, mitaingina soavaly fotsy, no ho avy hitaky ny zòny eo anoloan’izao tontolo izao, hitsara ny tany ary hametraka ny fanjakany malaza. “Ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika, sady fotsy no madio” (and 14). Ireo “miaramila” ireo dia ireo olona masina efa natsangana am-boninahitra fa tsy anjely akory. Io hetsika manetriketrika io no hamarana ny fotoana manelanelana ny fampiakarana ny Eglizy sy ny fisehoan’i Kristy amin’ny voninahitra.

Tsy misy alina intsony, tsy misy elanelana intsony!

Ny Vadinao eo anilanao,

No hampiseho ny herinao,

Ny fahasoavanao, sy ny hatsaran-tarehinao.

 

Vokatry ny fitiavanao lalina indrindra izy,

Ary amin’io andro io, dia hiseho izy,

Voahodidina koa

Ny fitiavanao ho mandrakizay.

 

 

4  FIZARANA FAHATELO — Manomboka amin’ny fampiakarana ny Eglizy ka mandra-pisehoan’ny Tompo amin’ny voninahiny

 

4.1  Fampidirana

Ny fampiakarana ny mpino dia manamarika ny fiafaran’ny vaninandron’ny Eglizy ary manokatra indray ny fotoanan’ny Jiosy, izany hoe ny fotoana anoritan’Andriamanitra indray ireo làlany ho amin’ny fitahiana an’i Isiraely ary ny fahatongavan’i Kristy ho Mpanjaka ao Ziona. Na dia fohy aza io fotoana io, dia manan-danja lehibe tokoa, araka ny filazan’ireo teny faminaniana maro. Ireo teny faminaniana ireo no hodinihintsika amin’ity fizarana fahatelo ity, ary hozaraintsika sokajy telo izany, dia:

  • ireo faminaniana mikasika an’i Isiraely

  • ireo faminaniana mikasika ny jentilisa

  • ireo faminaniana milaza ny fiavian’i Kristy sy ny olony masina amin’ny voninahitra.

 

Ireo tranga sasany taterin’ny Teny dia sady mikasika an’i Isiraely no mahakasika ny jentilisa, hany ka indraindray tsy voasaraka mazava ny lohahevitr’ilay teny faminaniana. Koa mety ho tsara raha mijery amin’ny ambangovangony ny tranga hiseho amin’izany fotoana izany isika amin'ity fampidirana ity, mba ahafahan’ny mpamaky mahazo izany amin’ny ankapobeny.

Amin’ireo fitopolo herinandro-taona (490 taona) lazaina ao amin’ny fahitàn’i Daniela 9. 20-27, dia efa sivy amby enimpolo no lasa. Tamin’ny niafaran’ny faha-sivy amby enimpolo herinandro no nolavina ny Mesia ka novonoina (and 26). Ny vaninandro ankehitriny — izay niforonan’ny Eglizy — dia tsy tafiditra ao anatin’izany fitopolo herinandro izany. Ny herinandro faha-fitopolo izany dia eo anelanelan’ny fampiakarana ny mpino sy ny fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahitra, ary ny fiantombohany dia rehefa manao fifanarahana miaraka amin’ireo vahoaka jiosy niodina tamin’ny fivavahana marina ny lohan’ny Fanjakana romana (Daniela 9. 27). Ny azo tsoahina amin’izany dia hisy fotoana lavalava alohan’ny hiantombohan’izany herinandro izany ka, noho izany, ny fotoana manelanelana ny fampiakarana ny Eglizy sy ny fiavian’ny Tompo amin’ny voninahitra dia hihoatra ny fito taona.

Voalohany aloha, haverina amin’ny taniny ny Jiosy (*), nefa mbola tsy hibebaka ireo. Haringana ireo roa am-pahatelon’ny firenena izay niodina tamin’ny fivavahana marina, fa ny ampahatelony sisa kosa, izay sisa tavela tena mivavaka, no ho sedraina “tahaka ny fisedrana volamena” amin’ny fitsarana isan-karazany (ilay fahoriana lehibe), ary ny tanjon’izany dia ny ahatonga ireo olona ireo hibebaka sy hanaiky Ilay nohomboany, Jesoa Kristy, ho Mesiany.

 

(*) Ny taranaky ny foko avy amin’i Joda sy Benjamina.

 

Ny jentilisa kosa dia avela ao anatin’ny hadisoana ary handà am-pahibemaso ny anaran’i Kristy. Haverina indray ny Fanjakana romana, ary ny lohany dia hanana fahefana avy amin’i Satana sady ho feno fankahalana an’Andriamanitra sy ny vahoakany. Amin’ny farany aza, dia hanandrana hiady amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy io lohany io, nefa ho voasambotra izy ary hatsipy velona any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara.

Misy olona iray manana ny toetran’i Satana koa hisarika ny saintsika: ny Antikristy, izay toa lohan’antokom-pivavahana, nefa hanana fahefana politika koa amin’ny Jiosy ary hipetraka any Jerosalema. Hiasa akaiky miaraka amin’ny lohan’ny Fanjakana romana izy. Rehefa navarina avy any an-danitra ho etỳ an-tany i Satana, dia hampiasa io olona io ho solon-tenany, ary hanome azy fahefana hanao fahagagana. Amin’izany, ohatra, dia ho afaka hampidina afo avy any an-danitra ny Antikristy, ary rehefa nanao sarin’ilay mpiara-dia aminy izy, ny lohan’ny Fanjakana romana, dia hanome fofonaina azy. Hapetrany ao amin’ny tempoly io sary io, any Jerosalema, ary hovonoiny ho faty izay rehetra tsy mety hiankohoka eo anoloany. Hipetraka eo amin’ny tempoly izy, hanono-tena ho Andriamanitra, hany ka hankalaza azy ho toy ny Mesiany ireo Jiosy niodina tamin’ny fivavahana marina. Havelan’Andriamanitra hisy izany fanehoana mahagaga ny fahefan’i Satana izany, ho toy ny fitsarana ny Jiosy sy ny firenena milaza azy ho kristiana, satria izy roroa ireo dia nandà an’i Kristy sy ny fahamarinana. Rehefa ho tonga amin’ny fara-tampony ny faharatsian’io olona io, dia ho levonin’ny Tompo Jesoa izy tenany mihitsy izy rehefa hiseho amin’ny voninahiny Izy. Hitovy ny anjaran’izy sy ny mpiara-dia aminy any Roma: hatsipy velona ao “amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara” izy ireo.

Misy olona iray fahatelo manan-danja koa aseho antsika ao amin’ny faminaniana mikasika io vaninandro dinihintsika io, dia ilay Asyriana, antsoina koa hoe Mpanjakan’ny Avaratra na Goga. Hampiasain’Andriamanitra ho tsorakazo hamaizana ny Jiosy izy, mandra-pisehoan’i Kristy hanafahany ny vahoakany amin’io fahavalo io. Manan-tsaina maranitra tokoa io Asyriana io, ary hampivelatra ny fahefany amin’ny fampiasana na ny fifandraisana ara-pirenena na ny fitaovam-piadiana. Ho potehiny i Palestina fotoana kely alohan’ny hisehoan’ny Tompo ary hamaky ady amin’ny Antikristy sy ny lohan’ny Fanjakana romana izy.

Hataony fahirano i Jerosalema, ho azony, ary ho entiny ho babo ny antsasaky ny mponina ao aminy. Tsy ho eo ambany fahefany tanteraka anefa izy amin’ny fanaovany azy ho fahirano faharoa, satria ny Tompo mihitsy no hiditra an-tsehatra amin’ny ady, ka hamotika ilay Asyriana sy ireo tafika hiditra ao an-tanàna. Ho eo amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, izay ao atsimon’i Jerosalema, tsy dia lavitra ny tanàna. Hizara roa io tendrombohitra io, ary hampahatahotra ny mponina izany. Ireo tranga ireo dia hiseho aorian’ny fahapotehan’ny Antikristy sy ny lohan’ny Fanjakana romana.

Hisy tranga iray lehibe koa, dia ny fiverenan’ireo foko folo avy amin’i Isiraely, izay, araka ny efa hitantsika, nentin’i Salmanesara ho babo tany Asyria, nandritra ny fanjakan’i Hosea, tamin’ny taona 721 talohan’i Kristy (2 Mpanjaka 17. 6). Ireo foko ireo dia tsy hianjadian’ny fitsarana amin’ny fahoriana lehibe, fa haverina any Palestina aorian’ny tapaky ny herinandro faharoa lazain’i Daniela. Ho tsarain’Andriamanitra izy ireo eo afovoan’ny firenena ipetrahany sy mandritra ny fodiany any Palestina. Ho vonoiny ny mpioko ary havahany ny sisa tavela izay hany hiditra ao amin’ilay tany nampanantenaina, ary ho faly tokoa ireo olona sisa tavela tamin’ireo foko roa tao. Amin’izany, dia ho vonona handray ny Mesia ireo sisa tavela tamin’ny foko roa ambin’ny folo.

Rehefa avy nanafaka ny vahoakany ny Tompo, dia hitsara ireo velona avy amin’ny firenena araka ny nanaovany ny vavolombelony nandritra ny fanenjehana sy ny fahoriana lehibe teo aloha. Ireo izay nampiantrano azy ka nandray ny Filazantsaran’ny fanjakana dia hampidirina amin’ny fitahiana ao amin’ny fanjakana arivo taona, fa ny sasany kosa dia hatsipy eo noho eo any amin’ny helo, satria tamin’ny nandàvany ireo mpanompon’ny Tompo, dia ny Tompo mihitsy no nolaviny. Aorian’io fitsarana io dia hiditra amin’ny fanjakany i Kristy. Ho fatorana i Satana ary hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona. Hisy iraka alefa eran’izao tontolo izao hampianatra ny fahamarinana amin’ny firenena rehetra. Tsy maintsy manaiky ny fahefan’i Kristy ireo mpanao ratsy, raha tsy izany dia ho fongorana, ary ny tany rehetra dia ho feno ny fahafantarana an’i Jehovah. Ho tanteraka amin’izay ilay vavaka nampiakarin’ny olom-boavidy imbetsaka tamin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao; hatao anie ny sitraponao, etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”.

 

4.2  ISIRAELY

4.2.1  TOKO 1 — Ny fiverenan’i Isiraely any Palestina

1. Hitantsika tao amin’ny fizarana voalohany tamin’ity asa soratra ity, fa i Isiraely, izay niodina ka nandà sy nanombo ny Mesiany, dia noroahana avy tao amin’ny taniny ka naely eran’ny firenena rehetra, rehefa potika tanteraka i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanampy izany ny “fahajambana” nomen’Andriamanitra azy ho saziny, izay manakana azy tsy hanaiky ny fahotany ka hibebahany. Nefa tsy hitoetra mandrakizay akory izany, ary betsaka ny tsongandahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina no manambara ny famerenana indray an’i Isiraely sy ny fiovàny fo. “Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy, (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia ho vonjena avokoa ny Isiraely rehetra, — araka ny voasoratra hoe: ‘Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy; ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho’. Raha ny amin’ny filazantsara, dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ny fifidianana kosa, dia malala izy noho ny amin’ny razana. Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany” (Romana 11:25-29). Nefa alohan’ny hamerenana azy amin’ny fifandraisany taloha tamin’Andriamanitra, dia tsy maintsy miverina amin’ny taniny i Isiraely ka hiatrika ny fitsarana mendrika ny fiodinany sy ny fandàvany ny Mesia.

 

2. Ilaina ny manoritra, dieny am-boalohany, fa ny hany hody aloha dia ireo taranaka avy amin’ny fokon’i Joda sy Benjamina (antsoina matetika hoe Joda), fa ny taranak’ireo foko folo hafa kosa (antsoina hoe Isiraely) dia tsy hiverina any Palestina raha tsy aorian’ny fahoriana lehibe. Fantatra fa iretsy voalohany dia niakatra avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona noho ny didin’ny mpanjaka Kyrosy, ary izy ireo no nonina tao Palestina raha tetỳ an-tany ny Tompo. Ireo foko roa ireo izany no tena tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ny Mesia, ka izany no antony hamerenana azy mialoha ao amin'ny taniny mba handalo fahoriana lehibe. Ireo foko folo sisa hafa kosa, izay nentin’i Salmanesera, mpanjakan’i Asyria, ho babo roapolo amby zato taona teo ho eo talohan’ny nanaovana sesitany an’i Joda, dia tsy mbola tafaverina mihitsy, ary tsy hita taratra intsony izy ireo. Ho tsarain’Andriamanitra any amin’ny tany misy azy avy izy ireo ary ho esoriny ny tsy mpino, ka ny sisa tavela mpivavaka ihany no havelany hody any Palestina, amin’ny farany, ary hiaraka amin’ny sisa tavela avy amin’ny Joda izy ireo amin’izany, mba handray ny Mesia. Mbola hiverenantsika aoriana ny zavatra hiseho manamarika ny fiverenan’izany foko folo izany, fa izao aloha dia hianona amin’ny fandinihina ny tsongandahatsoratra mikasika ny fiverenan’ny Joda any Palestina isika.

Ahoana ny fomba hamerenana ny Jiosy any amin’ny taniny ? Andriamanira mihitsy no hiditra an-tsehatra amin-kery. “Raha hietry amin’izany ny fony tsy voafora, ary hanonitra ny amin’ny helony izy, dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba sy ny fanekeko tamin’i Isaka ary ny fanekeko tamin’i Abrahama, ary hotsarovako koa ny tany. Ary ny tany hilaozan’ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy… Raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy, … ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ny razany…” (Levitikosy 26. 41-45). “Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra… dia hampodian’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’i Jehovah Andriamanitrao anao” (Deoteronomia 30:1-3). “Fa Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny” (Isaia 14:1). “Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah ka vakio; tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza; tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’i Jehovah no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy” (Isaia 34:16). “Ary ho entiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin’ny taniny sy handrasako eny amin’ny tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin’izay tsara honenana rehetra eran’ny tany” (Ezekiela 34. 13). ”Indro, Izaho haka ny zanak’Isiraely avy any amin’ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ny taniny” (Ezekiela 37. 21). “Koa indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: ‘Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta’; fa izao kosa: ‘Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy’; fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy” (Jeremia 16:14-15 = 23. 7-8). “Hampodiko (izy), satria mamindra fo aminy Aho, ka ho toy izay tsy nariako izy… Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, fa efa nanavotra azy Aho… Dia hampody azy avy any amin’ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; ary ho any amin'ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy” (Zakaria 10:6, 8-10).

Hampiasa ny jentilisa koa Andriamanitra hamerina ny zanak’Isiraely ho any amin’ny taniny. “Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody” (Isaia 14:2). “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hanandratra ny tànako amin’ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao vavy ho entiny eny an-tsorony” (Isaia 49:22). “Ny zanakao lahy dia avy lavitra; ny zanakao vavy dia sakelehina… Ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-làlana hitondra ny zanakao avy lavitra” (Isaia 60:4, 9) (*). Misy tsongandahatsoratra sasany izay manambara fa mety hampiasa herisetra ny firenena sasany hanery azy ireo handeha. Efa izany tokoa no ampahany niseho taon-dasa maromaro izay: nampiasain’Andriamanitra ny fanenjehana hanalana ny Jiosy avy amin’ny tany sasany ka hanery azy hiverina any Palestina. Nefa fiantombohany ihany izany, fa ny tena fiverenana lehibe ataon’ny zanak’Isiraely dia aorian’ny fampiakarana ny mpino ho eo anilan’ny Tompo.

 

(*) Ireo tsongadahatsoratra roa farany ireo dia mahakasika indrindra ny foko folo.

 

3. Iza àry ireo Jiosy hiverina ? Toa hoe tsy maintsy miverina amin’ny taniny ny taranak’i Joda rehetra mba handalo ny fahoriana lehibe ary hiaritra ireo fitsarana nolazain’Andriamanitra ho azy. Ho setrin’izany anefa, araka ny efa nolazaintsika, ireo foko folo dia tsy hiverina daholo any Palestina, fa ny sisa tavela ihany, izay nosarahina tamin’ireo niodina tamin’ny fivavahana marina. Tsy maintsy hiala ao amin’io tany honenany io ny Arabo, ary azo antoka fa hitondra ady lehibe izany. Nefa hentitra ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra: “Ary Izy no efa nanendry anjara ho an’ireo, ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ireo tamin’ny famolaina: handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ny taranaka fara mandimby” (Isaia 34:17). Taorian’ny fiverenana avy tany Babylona, dia tsy nijanona tao Palestina afa-tsy taon-jato dimy teo ho eo ihany ny taranak’i Joda ary nesorin’ny Romana tao indray tamin’ny herisetra. Nefa, rehefa hamerina azy ireo indray Andriamanitra, dia ho mandrakizay izany. “Tahaka ireto aviavy ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy…; ka hampodiko ho amin’ity tany ity, ary haoriko izy fa tsy ho ravako; ary hamboleko izy fa tsy hongotako” (Jeremia 24:5-6). “Ary honina any amin’ny tany izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ny zafiny mandrakizay” (Ezekiela 37. 25). “Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin’ny tanaranaka fara mandimby” (Joela 4. 20). “Eny, hamboleko ao amin’ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ny taniny izay nomeko azy intsony izy, hoy Jehovah Andriamanitrao” (Amosa 9. 15).

 

4. Ny tany, izay ngazana hatramin’izay, dia hiova. Hamokatra indray izy ary ho rakotry ny saha sy ny tanim-boankazo. “Ny ory sy ny malahelo mitady rano fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy; hampiboika renirano ao amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ny lohasaha; hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika. Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an’efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tany hay” (Isaia 41:17-19). Nefa aorian’ny fiovàny fo ihany ny Zanak’Isiraely vao higoka izany fahasoavana tsy misy toa azy izany, amin’ny fanjakàn’i Kristy. Rehefa hiverina any amin’ny taniny izy, dia mbola hisy hamafiam-po be ao aminy, afa-tsy ireo olona sasantsasany mivavaka, izay hamorona ny sisa tavela any aoriana.

“Fa nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo; tamin’ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina, dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina” (Isaia 17:10-11). Ireo teny farany ireo dia mahakasika ny fitsapana hanjo ny Jiosy mandritra ny fahoriana lehibe. Ao amin’ny toko faha-18 amin’i Isaia, dia lazaina fa toy ny voaloboka maitso izay miha-masaka izy ireo, nefa hongotana alohan’ny hahamasahany. “Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny. Dia hafoy avokoa izy ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby eny ambonin’ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; ary ny biby rehetra ambonin’ny tany handany ririnina any” (and 5-6). Ireo fanambarana faminaniana ireo dia mampiseho fa ny toetra ara-moralin’ny vahoaka Jiosy dia mbola tsy hiova hatramin’ny andro nitarainan’Andriamanitra fa tsy mamokatra afa-tsy voaloboka dia ny tanim-boalobony.

Ireo ezaka rehetra nataon’io firenena io hanafahana ny tenany, ny fanehoana ny sitrapony sy ny fahamarinany manokana dia tsy hitondra afa-tsy faharavana tanteraka. Ho tonga amin’ny fara-tampony ny faniratsirana an’Andriamanitra rehefa hanao fifanarahana amin’ny lohan’ny tany tandrefana ny mpitondra io firenena io (Apokalypsy 13:2; Daniela 9. 27). Vakiantsika tokoa mantsy ao amin’ny Isaia 28:14-15, hoe: “Koa mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity. Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita, ka na dia ho avy aza ny loza manafotra (*), dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena”. Noho izany, ny fitsaràn’Andriamanitra dia hianjady amin’io firenena mpiodina io mandritra ny fahoriana lehibe.

 

(*) Ilay Asyriana izay ho resahintsika amin’ny toko manaraka.

 

4.2.2  TOKO 2 — Ny fahoriana lehibe

1. Ny herinandro faha-fitopolo lazain’i Daniela dia tsy hanomboka raha tsy miverina indray amin’ny fikasàny momba ny vahoakany ny Andriamanitr’i Abrahama, ka ho taperina ilay vanim-potoana nisian’ny “zava-miafina, dia ilay voàfina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra” (Efesiana 3:9). Io herinandro farany manambara taona maro io no hanamarika ny fiafaran’izao ”miara-belona ratsy fanahy izao” (Galatiana 1:4), ary hiseho amin’izay ny ambaran’i Daniela ao amin’ny andininy farany amin’ny faminaniany: “Ary hanorina fanekena ho herinandro (= fito taona) amin’ny maro (= ny firenena jiosy izay nody any Palestina nefa mbola niodina ihany) izy (ny lohan’ny Fanjakana romana naverina amin’ny laoniny) ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro (izany hoe telo taona sy tapany aorian’ny fanaovan-tsonia ny fanekena), ary amin’ny elatry ny fahavetavetana (na ny sampy) no hihavian’ny mpandrava, hatramin’ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ny mpandrava” (Daniela 9. 27).

Ilay “mpanjaka ho avy” dia hanao fanekena amin’ny Jiosy aloha, dia hamely ireo sisa tavela indray afaka telo taona sy tapany (*).

 

(*) Mbola hodinihintsika aoriana io ampahany amin’ny faminanian’i Daniela io, rehefa hiresaka ny tantara ho avin’ny Fanjakana romana naverinana amin’ny laoniny isika (toko 2)

 

Rehefa avy nanampy ny Jiosy hanamboatra indray ny tempoly izy, dia hanenjika ny “Isiraelin’Andriamanitra” (ny Jiosy mpivavaka) ary asainy atsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa ao amin’ilay fitoerana masina vao namboarina. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, dia tsy avelany hisy fanompoam-pivavahana ary ho vetavetainy ny alitara fanaovana fanatitra alatsa-drà. Ireo no tranga hanamarika ny fiandohan’ny fahoriana lehibe. Tsy hanomboka izany io raha tsy eo afovoan’ny herinandro faha-fitopolon’i Daniela, ary, noho izany, dia haharitra telo taona sy tapany izy, fotoana izay hanjakan’ny Antikristy. Ny fisehoan’io Antikristy io no fiandohan’ny fahoriana lehibe. Io fe-potoana telo taona sy tapany io dia hamafisin’ny tsongandahatsoratra valo amin’ny fomba samihafa, nefa mifanaraka (“Fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro”, Daniela 7. 25; 12:7; Apokalypsy 12:14. Antsasaky ny herinandro, Daniela 9. 27. “roa amby efapolo volana” , Apokalypsy 11:2; 13:5. “Enimpolo sy roanjato sy arivo andro” (*), Apokalypsy 11:3; 12:6).

 

(*) Ny taona jiosy dia miisa 360 andro, hany ka telo taona sy tapany tampina izany

 

Nahoana Andriamanitra no manome soritra mazava toy izany ? Angamba satria tiany ho fantatra fa Izy no tompo tsy refesi-mandidy momba izany tranga hiseho izany, ka na inona na inona hery mahagaga ananan’ilay Biby romana sy ny Antikristy, dia tsy afaka handika izay fetra napetrak’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fanaovany ratsy. Ankoatr’izany, dia fampaherezana sarobidy ho an’ireo mpino mahatoky mandalo io vaninandro mampahatahotra io, ny mahafantatra mialoha ny faharetany ka ahazo antoka fa tsy haharesy mandrakizay eto an-tany akory ireo herin’ny faharatsiana. Farany, azontsika tarafina amin’io fe-potoana tsy dia lava io ny fisehoan’ny fahatsaram-panahin’Andriamanitra: maharitra “indray andro” ny famaliany, ary ny fankasitrahany “herintaona” (Isaia 61:2). Ny Tompo mihitsy no manambara amin’ny mpianany fa: “Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina izany andro izany" (Matio 24:22). Tena fahasoavan'Andriamanitra tsy misy fangarony ho an’ireo olom-boafidy amin’ny fahoriana lehibe izany no nanafohezana ny fotoana fitsarana, izay tsy hihoatra ny telo taona sy tapany.

 

2. Ndeha hojerentsika izao ny fitsarana hihatra amin’ny Jiosy mandritra izany vanim-potoana izany. Momba izay indrindra, dia voambolana roa samihafa no ampiasain’ny Teny iantsoana izany fitsarana izany, arakaraky ny iantefany, na ny Jiosy na ny jentilisa. Rehefa mikasika ny làlan’Andriamanitra momba ny olony, ny voambolana ampiasaina dia ny hoe “fahoriana” na “fijaliana”, fa momba ny firenena mpanompo sampy hivavaka amin’ilay Biby sy hitondra ny mariky ny anarany kosa, dia voambolana hafa no ampiasain’ny Teny: “ny fahatezerana”. Raha toa izany ka hanjo ny olona rehetra ny fitsaràn’Andriamanitra, ho an’i Isiraely izany dia fotoanan’ny fahoriana lehibe izay mbola hanafahana azy, fa ho an’ireo firenena manaiky ny Antikristy kosa, dia fotoanan’ny fahatezerana, izay hifarana amin’ny famotehana ireo fahavalon’ny Tompo. Izao aloha isika dia hionona amin’ny tsongandahatsoratra mikasika ny “andro fahoriana ho an’i Jakoba” (Jeremia 30:7), ary avelantsika ho amin’ny fizarana manaraka (taratasy B) ny fitantarana ny hanjo ny jentilisa.

 

Ny Jiosy, indrindra ireo izay nody tany Palestina, dia handalo fotoana mampitebiteby mahatsiravina tokoa, nefa amin’izany, dia ho tarihin’Andriamanitra hanetry tena izy ary hamboariny hitsena ilay Mesiany. Izao no lazain’ny mpaminany Jeremia momba izany, raha miresaka an’i Joda izy: “Feo mampangovitra no renay; misy tahotra fa tsy fiadanana. Anontanianareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa ? Indrisy! Fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; andro fahoriana ho an’i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy” (30:5-7). Mazava toy izany koa ny teny ampiasain’i Daniela: “Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany… Ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo” (12:1, 7). Io faminaniana io dia manambara mialoha ny tenin’ny Tompo Jesoa tenany mihitsy hoe: “Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’ (= ny sampy mampahory), izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany, (aoka hisaina izay mamaky izany)… dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy intsony” (Matio 24:15 sy ny manaraka). Nefa ho ampiasain’Andriamanitra izany fotoana mapitebiteby izany hanatsoahana avy ao amin’ny vahoakany ny “ambiny”, antsoina koa hoe “sisa tavela”, dia ireo mpino mahatoky izay handrafitra ny firenena vaovao hitsinjovana ny Fanjakana. Noho izany, dia sady fotoanan’ny fanetren-tena io no fotoanan’ny fanadiovan-tena, araka ny nambaran’i Zakaria mialoha hoe: “Ary amin’ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa (= ny sisa tavela) no havela ao kosa. Ary ho entiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizahan-toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro” (13:8-9). Amin’ny farany, dia hivondrona ireo firenena rehetra manodidina hiady amin’ilay sisa tavela notsimbinina: “Ary hangonin’ny Tompo ireo firenen-drehetra hamely an’i Jerosalema; dia azon’ireo ny tanàna, ka horobainy ny trano ary hanaovany an-keriny ny vehivavy; ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna” (Dikanteny DIEM) (14:2).

Ny fieritreretana ireo tranga mampihorohoro ireo no mahatonga ny Tompo Jesoa hitaona ny olony handositra any an-tendrombohitra, raha vao mametraka izany fahavetavetana amin’ny fandravana ao amin’ny fitoerana masina izany ny Antikristy, izany hoe ny sarin’ilay Biby romana napetraka tao amin’ny tempoly any Jerosalema. “Aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao an-tampon-trano, aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; ary izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka ny lambany. Ary lozan’izay bevohoka sy mampinono amin’ireo andro ireo! Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo” (*)(Matio 24:16-20). Ireo teny ireo dia manambara ny fahatampohana mampitahotra entin’ny fitsarana amin’ny fahoriana lehibe hianjady amin’i Isiraely. Ny faharomotan’ny Antikristy, raha vao avy nametraka ny sarin’ilay Biby romana tao an-tempoly izy, dia ho lehibe tokoa, hany ka ireo izay teny an-tampon-trano dia tsy maintsy handositra raha vao mahare izany vaovao izany, ka tsy ho afaka haka ny entany ao an-trano akory. Toy izany koa, ireo izay nanala ny akanjony raha hiasa eny an-tsaha, dia tsy hanam-potoana hihazakazahana haka izany. Tsy hisy iray minitra hariana intsony, satria efy mananontanona ny loza. Zavatra iray ihany no tokony ho ao an-dohan’ireo olona mampalahelo ireo: mandositra, mandositra mba hamonjy ny aina. Nefa, noho ireo fampianarana nomen’ny Tompo tao amin’ny Teniny, dia be amin’izy ireo no ho afaka handositra ary hialokaloka any an-tendrombohitra, angamba ivelan’ny taniny. Ireo izay tsy afaka nandositra dia ho vonoina ny ankabeazany, satria tsy hanaiky ny hiankohoka eo amin’ny sarin’ilay Biby izy (Apokalypsy 13:15). Ambonin’izany, ireo izay tsy manaiky ny handray ny marik’ilay Biby eo amin’ny tànany ankavanana (ho an’ireo mpiasa tànana) na eo amin’ny handriny (ho an’ireo mampiasa saina), dia tsy ho afaka mihitsy hividy na hivarotra (and 16). Ny hany hahazo hivelona dia ireo izay manaiky ny hiankohoka eo anoloan’ny sarin’ilay Biby sy handray ny mariny. Ho an’ireo mpino mahatoky tafiditra ao antin’izany harato novelarin’i Satana izany, dia tsy afaka hiaina ara-dalàna intsony izy.

 

 

(*) Satria ireo Jiosy mpanaraka ny fombam-pivavahana dia tsy hivoaka ny trano mihitsy amin’io andro io, ka hitsena fahafatesana. Hoy tokoa mantsy ny lalàna hoe: “Samia mitoetra eo amin’ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ny fitoerany amin’ny andro fahafito” (Eksodosy 16:29). Ny fomba anefa, fa tsy ny lalàna, dia manome alàlana ihany handeha eo amin’ny enina stadio eo, izany hoe mahery kelin’ny iray kilometatra.

 

Ireo izay nanaraka ny nandidian’ny tenin’Andriamanitra azy kosa ka nandositra tany an-tendrombohitra, dia harovana ary ho velomin’Andriamanitra, toy ny vahoaka Isiraely taloha nandray ny mana raha namakivaky ny tany efitra. Ndeha hitanisa tsongandahatsoratra sasantsasany mifandraika amin’izany tranga izany isika: “Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an’efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy. Ary hatrany dia omeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; ary any no hamaliany toy ny tamin’ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta” (Hosea 2:16-17). Teny feno fanantenana sy fanomezan-toky mampahery tokoa, ampy hanamafy ny finoan’ireo sisa tavela mandritra ny fitsapana azy!

Ndeha koa ho henointsika io feo io ihany miteny aminy amin’ny alàlan’ny mpaminany Isaia: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efitranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony” (26:20-21). Ary mbola ny mpaminany Joela ihany: “Fa Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo” (4:16-17).

Farany, mbola hitantsika ihany io faminaniana sy ireo teny fampanantenana ireo ao amin’ny Apokalypsy 12:13-14: “Ary rehefa hitan’ilay dragona (= Satana) fa nazera tamin’ny tany izy (*), dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy. Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ny voromahery lehibe hanidinany ho any an’efitra, ho any amin’ny fitoerany, izay hitaizana azy fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro, mba tsy ho hitan’ilay menarana izy”. Ilay vehivavy dia kisarisarin’i Isiraely ary ilay zazalahy dia manambara amintsika an’i Kristy “izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by”, izay tsy voarapak’ilay dragona satria “novonjena faingana nakarina ho any amin’Andriamanitra, dia ho any amin’ny seza fiandrianany” (12:4-5). “Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, izay nisy fitoerany namboarin’Andriamanitra, mba hovelomina any enimpolo amby roanjato amby arivo andro izy” (and 6). Azo heverina fa io toerana fialofana io dia any ambadiky Jordania ary tafapaka any amin’ny efitry Syria, toerana izay misy fiarovana voa-janahary toy ny nampiasain’ireo “Camisards” fahiny tany “Cévennes” (**).

 

(*) Amin’ny fiandohan’ny tapaky ny herinandro lazain’i Daniela, izay manamarika ny fiantombohan’ny fahoriana lehibe.

(**) Ny “camisards” dia mpivavaka kalvinista nenjehin’ny mpanjaka Louis XIV tany Frantsa, taorian’ny fanafoanana ny ‘Didy tany Nantes” (1702-1710). Ny “Cévennes” dia ny tendrombohitra nisy azy ireo, any atsimon’i Frantsa. Fanamarihan’ny mpandika

 

Ny zavatra manjo ny sisa tavela dia tena manampy antsika tokoa hahatakatra ny tanjona sy ny dikan’ilay antsoina hoe vavaka nampianarin’ny Tompo: ny fangatahana ny hanina sahaza isan’andro dia fahagagana foana, nefa ho tanterahan’Andriamanitra izany (voalaza indroa miantaona ao amin’ny Apokalypsy 12, fa hamelona ny olony mialoka any an’efitra Andriamanitra). Io vavaka io koa dia hataon’ireo rahalahiny tsy afaka nandositra ny fisehoan’ny Antikristy. Tsy afaka nividy na nivarotra izy ireo, satria nandà ny hivavaka amin’ilay Biby, koa tsy maintsy hangataka isan’andro amin’Andriamanitra izay ho haniny ary hahazo izany an-tsokosoko avy amin’ny tànan’ny Rainy izy ireo. Hitalaho Aminy izy ireo hiaro azy amin’ny fotoanan’ny fakàm-panahy, ilay fakàm-panahy mampahatahotra tokoa, hanaiky ny fitambezoan’ny fahavalo, mba hialàna amin’ny fahafatesana (“Ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza” (Apokalypsy 12:11)). Tsy hitsahatra ny hihiaka amin’Andriamanitra izy mba ahatongavan’ny fanjakàny ka hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Farany, raha mahita ny fandresen’ny ratsy etỳ an-tany izy, dia hangataka amin’Andriamanitra mba hanafaka azy amin’izany, fanafahana izay omena azy rehefa hatsipy any amin’ny helo ireo fitaovana roa nampiasain’i Satana (Apokalypsy 19:20), ka ho fatorana mandritra ny arivo taona any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ny dragona, mandritra ny fanjakàn’i Kristy (20:1-3). Mampiseho mazava izany fa ny vavaka nampianarin’ny Tompo ny mpianany dia tsy natao ara-bakiteny ho an’ny mpino amin’izao vaninandro izao, fa natao indrindra indrindra ho an’ireo nantsoina handalo ny fahoriana lehibe.

Ireo mpandresy amin’izany fitsapana mahatsiravina izany dia lazaina, ao amin’ny Apokalypsy 7, amin’ilay tarehi-marika an’ohatra hoe ireo efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy izay voaisy tombo-kase amin’ny handriny, manambara fa mpanompon’Andriamanitra izy ireo. “Ary hitako fa indro, nisy anjely hafa koa (= Kristy tenany mihitsy), niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika. Ary nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra” (and 2-4). Ireo vavolombelona ireo dia harovana amin’ny loza lazaina ao amin’ny toko faha-9: “Ary nilazana izy (ny valala) mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany” (*)(and 4). Azo heverina izany fa te-hiazona vavolombelona sasantsasany avy amin’ny foko rehetra any Isiraely Andriamanitra, mba hampiditra azy ireo ao amin’ny Fanjakana. Nefa io tarehimarika io dia an’ohatra ihany, satria azo antoka fa ireo izay ho afaka amin’ny fahoriana lehibe dia hihoatra ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, na dia ny roa ampahatelon’ny Jiosy aza no hovonoina, ary etsy ankilany, amin’ireo ampahatelony (izay sisa tavela) dia hisy maritiora betsaka, hitondra faisana amin’ny haromotan’ny Antikristy izay hanenjika azy.

 

(*) Io tsongandahatsoratra io dia mampahatsiahy ny làlan’Andriamanitra tamin’ny namotehan’i Nebokadnezara an’i Jerosalema (cf Ezekiela 9. 4-6).

 

“Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesoa” (Apokalypsy 12:17).

 

3. Dia mitondra antsika ho eo amin’ny faminaniana mikasika ireo vavolombelona roa ao amin’ny Apokalypsy 11 izany: “Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roanjato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana” (Apokalypsy 11:3). Ny faharetan’ny fanompoany dia ny andro fisian’ny fahoriana lehibe ihany. Noho izany, mandritra ny fanjakàn’ny Antikristy manontolo, dia hisy vavolombelona roa ho an’Andriamanitra ao Jerosalema, mitafy hery mahagaga avy amin’Andriamanitra ary manohitra ny fahefan’ny mpaminany sandoka, izay avy amin’i Satana. “Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany” (and 4). Noho izany, mandritra io fe-potoana hisian’ny fanenjehana sy ny fiodinana tsy hay vinavinaina io, dia hampitsangana vavolombelona feno sy manan-kery ny Tompo, nefa fotoana voafetra ihany.

“Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana” (and 5-6). Ny toetry ny fijoroana vavolombelona atao amin’izany dia hafa mihitsy noho ny filazantsaran’ny fahasoavana. Satria ny zava-misy manjaka amin’izany fotoana izany dia hafa mihitsy noho izay misy eto an-tany raha mbola eto ny Eglizy. Ny fijoroana vavolombelona atao amin’izany dia mampahatsiahy an’i Mosesy sy Elia izay nanana koa fahefana hampody ny rano ho ra, hampipoitra aretina samihafa (Mosesy), ary hanidy ny lanitra mandritra ny telo taona sy tapany (Elia). Toy ny nanomezan’Andriamanitra hery ny fjoroana vavolombelona nataon’i Mosesy sy Elia no hanomezany hery koa ireo mpino mahatoky mitaky ny zòny manoloana ny fankahalana mifofofofo ataon’ny fahavalo, izay soloin’ny lohan’ny Fanjakana romana (ilay Biby) sy ny Antikristy (ilay mpaminany sandoka) tena. Ireo tranga ireo koa angamba no eritreretin’ny mpaminany Malakia, raha nanoratra izy hoe: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana” (3:23-24). Io teny faminaniana io dia nanomboka tanteraka tamin’i Jaona Mpanao batisa, izay nanambaran’ny anjely talohan’ny nahaterahany hoe: “Ary maro amin’ny Zanak’Isiraely no hampodiny amin’i Jehovah Andriamaniny. Ary izy handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo” (Lioka 1:16-17). Ny tsipy teny nataon’ny mpaminany Malakia momba ny “andron’i Jehovah, sady lehibe no mahatahotra” dia manambara fa ny fijoroana ho vavolombelona hataon’ireo vavolombelona roa any Jerosalema dia hitovy toetra sy vokatra amin’izany, ary ho toy ny an’i Elia izany ka hiaraka amin’ny fahagagana ary hamerina “ray” maro sy “zanaka” maro avy amin’i Isiraely hibebaka sy hitsena ny Mesiany rehefa ho tonga Izy.

“Ary rehefa tanteraka ny filazàny, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy. Ary ny fatiny hiampatra eny an-dàlambe amin’ny tànana lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazo fijaliana” (and 7-8). Miaro azy ireo ny herin’Andriamanitra mandra-pahatongan’ny andro izay hamonoan’ny lohan’ny Fanjakana romana azy, satria efa tapitra ny fijoroany ho vavolombelona ary vita ny iraka nampanaovina azy. Tsy afaka manao izany famonoana izany io raha tsy amin’ny fotoana hamelan’Andriamanitra azy hanao izany. Misy fifandraisany mazava amin’ny asa nataon’ny Tompo tetỳ an-tany ny hataon’ireo vavolombelona ireo: mitovy amin’izany koa ny fe-potoana niasany, ary nianjady taminy koa ny fanoherana tsy misy fahataperany sy ny fankahalan’ireo lohan’ny vahoaka, nefa tsy azo nosakanana Izy raha tsy tonga ny ora, dia novonoina ny Tompo tany Jerosalema, natsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo, ary niakatra ho any an-danitra.

“Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan’andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny. Ary ny mponina ambonin’ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo” (and 9-10). Hita avy amin’ireo andininy ireo fa ny asa nataon’ireo vavolombelona roa ireo dia nahakasika ny tany iray manontolo, na dia tao Jerosalema ihany aza izy ireo. Mahafaly ny ratsy fanahy rehetra eran-tany ny fahafatesany, izany hoe ireo tsy mino an’Andriamanitra izay feno fankahalana avy amin’ny devoly noho ny fijoroana vavolombelona tsy hay toherina nataon’izy ireo. Miseho ny hafalian’ny ratsy fanahy raha nieritreritra izy ireo fa nandresy ihany ireo “nampangirifiry” azy ireo, ary nojereny nandritra ny telo andro sy tapany ny fatiny (*).

 

(*) Io tsongan-dahatsoratra io, izay nolavin’ny tsi-finoana ho tsy mety hisy, dia tsy nisy olana tamin’ny mpino mihitsy. Ankehitriny anefa, noho ny fisian’ny fahita-lavitra, na dia ny tsy mpino aza dia tsy maintsy miverina amin’ny nolazainy ka hanaiky fa azo atao tsara ny mampiseho ny fatin’ireo vavolombelona ireo amin’izao tontolo izao, mandritra ny telo andro sy tapany tsy handevenana azy ireo any Jerosalema.

 

Nefa Andriamanitra ihany no hanana ny teny farany: asehony ny mpanompony, toy ny anehoany azy amin’ny fahavalony koa, ny heriny: “Ary rehefa afaka ny hateloan’andro sy tapany, dia nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo, ary nijoro tamin’ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakàra atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. Ary tamin’izany ora izany, dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon’ny tanàna, ary maty tamin’izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra” (and 11-13). Tamin’izany ny devoly sy ireo mpanara-dia azy dia rakotry ny fahamenarana am-pahibemaso, teo amin’ny fotoana niheverany fa nandreseny, ary ny feon’ny Tompo dia tsy hitsahatra hatramin’ny farany, ho famonjena ireo izay manaiky ny fiandrianany ka mandà ny hanompo ny Antikristy, ary amin'izany, aleony manao sorona ny ainy (Apokalypsy 13:15).

 

4. Ho maro tokoa mantsy ny maritiora amin’ireo sisa tavela. Homena valisoa ny fahatokiany satria hatsangana amin’ny maty izy ireo alohan’ny fisehoan’i Kristy amin’ny voninahiny ary hiaraka Aminy izy mandritra ny fanjakany. Be ny tsongandahatsoratra ao amin’ny Teny manambara ny fijaliany, ny fahakiviany, ny fanantenany. Misy sasantsasany hotanisaintsika ireto: “Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ny firenen-tsamy hafa… Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino Anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. Tsy mihemotra ny fonay ary tsy miala amin’ny làlanao ny dianay, nefa Ianao nanorotoro anay teo amin’ny fitoeran’ny amboadia sy nanarona anay tamin’ny aloky ny fahafatesana. Raha nanadino ny anaran’Andriamanitra izahay, na nananty tànana tamin’andriamani-kafa, tsy handinika izany va Andriamanitra ? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. Fa noho ny aminao no hamonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory ianao ? Mitsangàna, aza manary mandrakizay” (Salamo 44:11 sy ny manaraka).

Indraindray koa, ireo maritiora sisa tavela ireo, rehefa mieritreritra ny fahotany sy ny an’ny fireneny, dia manaiky ny fitsapana ho toy ny sazy rariny ho an’izy ireo: “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy… Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ny aizim-pito ihany no andehanantsika… Ary eo amin’ny matanjaka dia tahaka ny maty isika. Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany. Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay” (Isaia 59:2-12).

Ao amin’ny tsongandahatsoratra maro, dia miantso famaliana avy amin’Andriamanitra ho an’ireo fahavalony ireo sisa tavela: “Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ny fiainan-tsy hita izy; fa ratsy ny ao amin’ny fonenany, dia ao afovoany” (Salamo 55:15) “Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ny liona tanora, Jehovah ô. Aoka ho ritra tahaka ny ranon-trambo izy… Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy. Dieny tsy mbola mafanan’ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina. Hifaly ny marina raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy” (Salamo 58:6 sy ny manaraka).

Raha sahirana ihany isika hahazo ny fanozonana toy izany, aoka tsy ho adino fa efa lasa amin’izany fotoana izany ny vanim-potoanan’ny fahasoavana, ary etsy ankilany, ireo teny ireo dia miantefa amin’ireo fitaovan’i Satana izay romotra amin’ny olona masina sisa tavela. Henjehina amin’ny fomba tsy mety ho azontsika an-tsaina mihitsy izy ireo, ary maro dia maro no ho tratran’izay hany ka ny ran’ny maritiora dia aidina toy ny rano, manodidina an’i Jerosalema. “Andriamanitra ô, tonga eto amin’ny lovanao ny jentilisa ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an’i Jerosalema ho korontam-bato. Ny fatin’ny mpanomponao nomeny hohanin’ny voromanidina, ny nofon’ny olonao masina ho an’ny bibi-dia; ny rany naidina manodidina an’i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina” (Salamo 79:1-3).

Nefa tsy famaliana avy amin’Andriamanitra ihany no italahoan’izy ireo noho ny ran’ny maritiora; mitalaho ny hanafahana azy koa izy, hialàny amin’izao fangirifiriany lalina izao, ary hankafizany dieny mialoha ny fifaliana anjarany miaraka amin’i Kristy. “Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ny mpifatotra; araka ny halehiben’ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana. Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao,Tompo ô. Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fiderana Anao” (and 11-13). Ao amin’ny Apokalypsy 6, andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-11, no misy tsipi-teny momba izany fotoana fanenjehana izany: “Ary rehefa novohany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. Ary niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany ? Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa”. Misy tsongandahatsoratra samy hafa tokoa mantsy ao amin’ny Apokalypsy izay manambara ny fijaliana hanjo ireo mpino hafa, hiharan’ny faharomotan’ilay Biby (12:11;13. 7, 15;15. 2-4), satria naharesy azy, ny sariny ary ny isa nataony. Mikambana amin’i Kristy daholo izy rehetra, amin’ny Eglizy sy ny olona masina tao amin’ny Testamenta Taloha, araka ny ambaran’ireto andininy manaraka ireto: “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra” (Apokalypsy 20:4). Rehefa eo daholo izy ireo, dia hiditra ao amin’ny fanjakan’i Kristy izy: “Ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona… Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba hananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona” (and 4, 6).

Noho izany, ny ho avin’ireo maritiora avy amin’ny sisa tavela amin’i Isiraely dia mbola ho be voninahitra kokoa noho ny an’ireo rahalahiny notsimbinina ka niditra tamin’ny fanjakàn’i Kristy etỳ an-tany. Hitondra azy any amin’ny voninahitra any an-danitra ny fahafatesany, ary na dia tsy afaka, noho izany, ny handray anjara amin’ny fitsaharana sy ny fitahiana etỳ an-tany mandritra ny fanjakan’ny Mesia aza izy ireo, dia hikambana lalina aminy mandritra io fanjakana io, toy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty voalohany na ireo izay novàna tamin’ny fiavian’ny Tompo.

 

 

4.2.3  TOKO 3 — Ny Antikristy

Efa nanipy teny imbetsaka momba io olona izay hanana anjara toerana lehibe aorian’ny fampiakarana ny Eglizy io isika. Koa mety raha manokana toko iray momba izany isika, izay handinihintsika  izay lazain’ny Teny momba ny fiaviany, ny heriny mampatahotra, ny toetrany ary ny fiafarany mampivarahontsana.

 

1. Ao amin’ny toko faha-13 ao amin’ny Apokalypsy no hitantaran’ny apostoly Jaona ny fahitany biby roa, miakatra tsirairay, ny voalohany avy any an-dranomasina, ny faharoa avy amin’ny tany. Ny biby voalohany, izay kisarisarin’ny lohan’ny Fanjakana romana izay manana toetra tsy tan-dalàna, ambaran’ny ranomasina, dia tsy hisarika ny saintsika aloha: mbola hiverenantsika izany amin’ny fizarana manaraka izay hitantarantsika ny tranga ara-paminaniana mikasika indrindra indrindra ny firenena. Fa ilay biby faharoa kosa dia sarin’ny Antikristy, ary hodinihintsika akaiky ny fitantaran'ny Teny ny momba azy: “Ary hitako, fa indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy sady niteny tahaka ny dragona” (Apokalypsy 13:11). Voalohany indrindra aloha, ny kisarisary ampiasain’ny Teny — ny biby — dia mampivoitra ny tsy fisian’ny fifandraisana amin’ny Antikristy sy Andriamanitra, ary toetra mampiavaka azy io. Satria tokoa mantsy ny biby, ary izay no maha-samihafa azy amin’ny olombelona, dia tsy mieritreritra izay fisian’Andriamanitra akory; nohariana ho an’ny tany izy, ary tsy mahita afa-tsy ny etỳ an-tany. Mifanohitra amin’izany ny olombelona, izay nohariana hahalala an’Andriamanitra; na dia tafalatsaka tao anaty fahotana sy tsi-fahalalàna aza izy, dia fantany fa misy Iray ambony tsy hita maso, izay heveriny fa hanadina azy amin’ny zava-bitany. Ny Antikristy, amin’ny ara-moraly, dia hanana io toetran’ny biby izay tsy mahalala mihitsy ny fisian’Andriamanitra io, ary ny rafitra ara-pivavahana rehetra hapetrany dia hikendry ny hanala an’Andriamanitra amin’ny seza fiandrianany ka izy no hisolo Azy mba hivavahana aminy. Ankoatr’izany, dia hita amin’io kisarisarin’ny biby io, ny toetra maha-mpanjaka azy, raha oharina amin’ireo fanjakana izay aseho toy ny biby koa amin’ny faminaniana nataon’i Daniela: mampiseho izany fa tsy mpitondra fivavahana ihany ny Antikristy, fa hanana fahefana ara-politika koa. Ary hankalazain’ireo Jiosy mivadika amin’ny finoana ho toy ny mpanjaka izy.

 

2. Ny toetra faharoa mampiavaka ity biby ity, dia ny fananany tandroka roa toy ny an’ny zanak’ondry. Mampivoitra ny ambon’ny Antikristy hitovy amin’ny Mesia izany, ary hiezaka haka ny toerany izy amin’ny fanatanterahana fahagagana isan-karazany noho ny fahefana nomen’ny devoly azy. Ilay biby tokoa mantsy dia “niteny tahaka ny dragona”: amin’ny vavan’ny Antikristy no hitenenan’i Satana. Noho izany, ireo mpino sisa tavela dia tsy ho sahirana mihitsy hahalala fa avy amin’i Satana izy, na dia nanova tarehy aza, hany ka ho tarihiny hankalaza azy ho toy ny Mesia ireo Jiosy tsy mpino.

Miakatra “avy amin’ny tany” izy, sarin’ilay fahefana politika voarafitra sy mitombina tsara, mifanohitra amin’ny fikorontanana sy tsy fisian-dalàna asehon’ny “ranomasina”. Manaporofo izany fa ny Antikristy dia tsy hiseho raha tsy efa tafapetraka sy voarafitra tsara ny Fanjakana romana. Ilay biby faharoa koa, (ny Antikristy izany), dia nanana “ny fahefana rehetra nananan’ilay bibi-dia voalohany… ary ny tany mbamin’izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibi-dia voalohany” (and 12). Io andininy io dia mampivoitra ny fifanarahan-tsaina misy eo amin’ireo fitaovan’i Satana roa ireo, ilay voalohany amin’ny maha-manam-pahefana ara-politika azy ary mitoetra any Roma, ny faharoa amin’ny maha-manam-pahefana ara-pivavahana azy ary mitoetra any Jerosalema. Nefa hita koa, amin’ny zavatra ataony izay baikoin’ny devoly, fa ny Antikristy dia manan-kery kokoa noho ilay Biby romana izay tsy afaka manao fahagagana. Hatramin’izay, ny devoly dia nampiasa ny atao hoe fivavahana hanatanterahana ny zavatra kendreny. Noho izany, homeny fahefana lehibe tokoa ny Antikristy. Izy koa moa efa voaroaka avy tany an-danitra fotoana kely talohan'izany ary natsipy tetỳ ambonin’ny tany, taorian’ny ady tamin’ny arikanjely Mikaela sy ny anjeliny, araka ny vakiantsika ao amin’ny Apokalypsy 12:7-9. Ary ny nanampy izany dia izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny” (and 12). Azo vinavinaina ny tahotra isehoan’izany faharomotan’i Satana izany, izay hanetsika ny zavatra rehetra ataon’ny Antikristy izay miara-miasa amin’ny lohan’ny Fanjakana romana. Noho ny fahefana homen’ny devoly azy, dia hanao “fahagagana lehibe” izy, ary hampidina afo avy any an-danitra mihitsy aza izy ho etỳ an-tany, eo anoloan’ny olona rehetra (Apokalypsy 13), toy ny nataon’ny mpaminany Elia. Ireny fahagagana ireny no hisarihany ny fon’olona maro. Izany zavatra izany koa no ambaran’ny apostoly Paoly amin’ny Tesaloniana, ary antsoiny hoe lehilahin’ota, zanaky ny fahaverezana, tsy marina, ny Antikristy, voambolana izay mampiseho tsara ny hafetsena, ny haranitan-tsaina sy ny hery avy amin’i Satana izay hiaraka amin’ny fisehoany. Ary ampiany hoe: “ny fihavin’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiasàn’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga” (2 Tesaloniana 2). Hampiasain’ny Antikristy izany ny fahefany hitarihana ny olona hivavaka aminy, ary amin’izany, dia maka ny toeran’Andriamanitra sy i Kristy izy. Ny fahaizany, miaraka amin’ilay “fahadisoan-kevitra” alefan’Andriamanitra Izy tenany mihitsy, no hamitaka ny olona rehetra “izay tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina” (and 12). Ataon’i Satana sarin’i Kristy sandoka izy, hany ka ny mponina rehetra etỳ an-tany dia ho voafatotra vetivety amin’ny laingany ka tsy hisalasala akory hivavaka amin’ny Antikristy sy ny Biby romana. Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:4 no hamakiantsika fa ilay voalohany dia “hipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra (*)… ka manao ny tenany ho andriamanitra”. Ankoatr’izany, dia hiteny izy “amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sarin’ilay bibi-dia, izay voan’ny sabatra nefa velona ihany (ilay Biby romana). Ary navela hanisy aina (fa tsy fiainana!) ny sarin’ilay Bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’ny bibi-dia” (Apokalypsy 13:14-15). Fa mazava koa fa ny Antikristy dia hanana fahefana kokoa eo imason’ny vahoaka. Hampisainy amin’izany ny ambaindainy goavana ananan’ny Fanjakana romana ary hampihariny ny fahefana ananan’ilay biby voalohany. Ambonin’izany, dia ho afaka hanao zavatra mahatalanjona izay tsy vitan’ny emperora romana izy. Vokatr’izany, dia ho azony ny fon’izao tontolo izao.

 

(*) Manaporofo izany fa hipetraka ao Jerosalema izy

 

3. Ny Antikristy dia ilay “olona mihoatra ny olombelona” izay andrasan’izao tontolo izao, dieny ankehitriny, ary hankalazainy ho toy ny mpamonjy. Rehefa nandà ny tena Mpamonjy marina ny olona ka tia kokoa ny aizina noho ny mazava, dia hanaiky ho fitahin’ilay Kristy sandoka mora foana, izay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “lehilahin’ota”, satria izay no hampiseho ny ota fara-tampony vitan’ny zanak’olombelona ary izy no “karazana mpanota mivoatra indrindra”. Ambonin’izany, ny anarany (izay midika hoe “manohitra an’i Kristy”) dia mampiseho fa izy no fahavalon’i Kristy lehibe indrindra, izay nisy teo amin’ny olombelona hatrizay hatrizay. Handà ny maha-Kristy an’i Jesoa izy. Nefa ho laviny koa ny Ray sy ny Zanaka (1 Jaona 2:22). Fitaovan’ny devoly izy, ary olona tena ratsy fanahy tokoa sady fahavalon’i Jesoa Kristy, izay nirahin’ny Ray, ilay Olona tanteraka. Jesoa, dia Andriamanitra tonga olona mba hamonjy ny mpanota; ny Antikristy, dia ilay Mesia sandoka, ilay olona milaza azy ho Andriamanitra, ary, noho ny fahefana nomen’i Satana azy, dia hiezaka hitarika ny olona hikomy amin’Andriamanitra ka hiady amin’i Kristy. Jesoa no endrik’ Andriamanitra tsy hita (Kolosiana 1:15), endriky ny tenany indrindra (Hebreo 1:3), hany ka afaka niteny Izy momba ny tenany hoe: “Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Ny Antikristy, na dia nitafy hodi-janak’ondry aza, dia mitondra ny marika sy ny toetran’ilay naniraka azy, dia i Satana. Asehon’i Jaona ho toy ilay biby miteny toy ny dragona izy, ilay dragona mena voalaza ao amin’ny Apokalypsy 12, izay tsy iza fa ny devoly. Io devoly io dia hiezaka haka tahaka an’Andriamanitra, amin’ny famoronana “telo izay iray” mamohehatra (Satana, ilay Bibi-dia romana sy ny Antikristy), fiangonana sandoka, miaraka amin’ireo mpanompon’ny lainga  sy ny fahagagana hisarihana fo. Ny Antikristy dia manana toerana voalohany amin’izany rafitra ataon’i Satana izany, izay mikendry lalandava ny hanohitra an’i Kristy sy haka ny toerany. Miakatra avy amin’ny tany izy ary avy amin’ny anaran’ny tenany ihany izy, hanao ny sitrapon’ny devoly (Apokalypsy 13:11. Jaona 5:43), fa ny Tompo Jesoa kosa dia nidina avy any an-danitra, amin’ny anaran’ny Ray, mba hanatanteraka ny sitrapony (Jaona 6:38; 5:43). Izy no ilay Zanak’ondry novonoina, ilay ondry moana; nenjehina ary nampahoriana izy, nefa tsy nanoka-bava . izany rehetra izany dia milaza ny fanaovany tsinontsinona ny tenany, ny fahamoram-pony, ny fitiavany antsika mpanota (Isaia 53; Filipiana 2:5-8). Ny Antikristy dia biby dia, masiaka, mieboebo, ary tsy hitandrina ny andian’ondry, fa ny mifanohitra amin’izany aza, hamiravira ny ondry sy hihinana azy (Zakaria 11:6,16). Avy amin’ny devoly mihitsy no hahazoany ny fahefany, ny fisehoany dia “araka ny fiàsan’i Satana” (2 Tesaloniana 2:9), fa etsy an-daniny kosa, dia hoy ny Tompo Jesoa amin’ny mpianany: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”, ary koa: “Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy” (Matio 28:18; 11:27).

 

4. Izany fampitoviana izany dia mampiseho fa tena mifanohitra mihitsy i Kristy sy ny Antikristy, na amin’ny toetrany, na amin’ny asany, na dia miezaka tokoa aza i Satana ny hahatonga ilay Mesiany sandoka ho sarin’i Kristy, mahatsikaiky sy mahatsiravina. Nefa dia io Mesia sandoka io no ho raisin’ny olona sy hivavahany, satria tsy te-hino ilay Zanak’Andriamanitra izy. Ary vokatry ny hery mahagaga mahasarika azy no hiankohofan’ny olona eo anoloan’io irak’i Satana io. Ilay herin’ny fahadisoan-kevitra nalefan’Andriamanitra taminy inoany ny lainga, ampiana ny fahagagana sy zava-mahazendana ataon’ny Antikristy, no hahatonga ny Jiosy mpiodina hanaiky fa io ilay Mesiany efa nandrasana hatry ny ela, ary ny firenena kristiana kosa dia hiarahaba azy ho toy ny “Kristy tafaverina” na ilay “olona mahery noho ny olombelona” amin’ny fara-andro. Ny Tompo tenany mihitsy no efa nampitandrina ny mpianany momba izany hery manintona izany, izay hiseho ka hambabo vahoaka maro (Matio 24:4-5). Io “herin’ny fahadisoan-kevitra” io no tena famaizana mahatsiravina ataon’Andriamanitra amin’ny olona nandà ny hino ny marina ka nitia ny tsy marina. Noho izany, ny olom-boafidy amin’izany fotoana izany dia tena mila ny fiarovana sy ny fahazavan’Andriamanitra, mba tsy ahazoan’ny Antikristy mamitaka azy. Fa hahatsikaritra ny toetrany izy ireo amin’ny fampianaran’ny Teny ka ho voaro amin’ny fisintonan’i Satana. “Indro, voalazako aminareo rahateo izany” (Matio 24:25). “Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino!” (Apokalypsy 13:9).

Ireo izay tsy manaiky ny fahefany dia hovonoina. Toy izany koa no hanjo ireo mpino izay tsy mety miankohoka eo imason’ny sarin’ny lohan’ny fanjakana romana mitoetra ao amin’ny tempolin’i Jerosalema, na tsy manaiky handray ny marika nataony, ny anarany na ny tarehi-marika eo amin’ny handriny na amin’ny tànany. Tsy ho afaka hivarotra na hividy raha tsy misy io marika io. Ny tarehi-marik’ilay biby romana dia enina amby enimpolo sy eninjato. Tsy anjarantsika ny manazava io tarehi-marika (*) io: ireo izay “manan-tsaina” etỳ an-tany amin’izany fotoana izany no ahafantatra ny dikany ary ho azy ireo irery ihany no hisy lanjany ara-bakiteny io fahalalàna io.

 

(*) Voalaza fa misy fanazavana roapolo amby zato samihafa momba izany.

 

5. Ndeha hojerentsika izao ny tsongandahatsoratra sasany hafa momba ny Antikristy.

Ny mpaminany Daniela dia manome toromarika maromaro momba azy. “Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ny Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao. Ary tsy ahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan’ny vehivavy (= i Kristy); eny, tsy ahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy. Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vatosoa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany. Dia homban’ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia omeny voninahitra be sady ataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia” (11:36-39). Na dia voasoratra taon-jato maro talohan’ny an’ny apostoly Paoly aza izany faminaniana izany, dia saiky nitovy tanteraka ny teny nampiasaina hilazana ny toetra sy ny asa baikoin’ny devoly, ataon’ny Antikristy: mitovy ny fikirizana hampanaiky ny fahefany amin’ny olona rehetra, mitovy ny fanoherana an’Andriamanitra sy i Kristy, mitovy ny avonavona manosika azy hitady hivavahana. Ny faminanian’i Daniela anefa dia misy antsipirihany mahaliana tokoa. Voalohany aloha, azo tsoahina amin’izany fa ny Antikristy dia Jiosy satria voalaza fa “tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany”, izay mazava fa milaza an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marin’ny Isiraely. Raha tsy Jiosy izy, tsy afaka hanaiky azy ho toy ilay Mesia nampanantenaina ny Jiosy izay niodina tamin’ny fivavahana marina. Ny Tompo mihitsy no manipy teny momba io ao amin’ny Jaona 5: “Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa (= ny Antikristy) avy amin’ny anaran’ny tenany, dia horaisinareo ihany izy” (and 43). Rehefa nandà sy nanombo ilay tena Mesia tonga tamin’ny anaran’ny Ray izy, dia vonona ny hanaiky ilay Mesia sandoka, ilay mpaminany sandoka (Apokalypsy 19:20), izay ho avy amin’ny anarany ihany ka hampiankohoka ny olona ao amin’ny tempoly ao Jerosalema. Io olona izay hitsangana hanohitra izay mety hampahatsiaro an’Andriamanitra na ny Tompo Jesoa io (“ilay manohitra… izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana”, 2 Tesaloniana 2:4), dia hankalaza “ny andriamanitry ny fiarovana mafy”, izay azo lazaina amin’ny fomba fiteny ankehitriny hoe “ny tafika”. Miaraka amin’ny fahefana azony tamin’i Satana tokoa mantsy, dia hiankina indrindra amin’ny fitaovam-piadiana izy hanatanterahana ireo zava-kendreny.

Ekena tokoa mantsy fa ny zavatra miseho ankehitriny eran’izao tontolo izao, indrindra any amin’ny tany sasantsasany, dia efa manome hevitra momba izay ho fitondrana apetraky ny Antikristy: mitovy ny fanompoana ny tanjaka sy ny lainga, mitovy ny fanoherana an’Andriamanitra sy ny olony, mitovy ny saina feno herisetra sy ny fitiavana ny zavatry ny tany. Ny Teny koa dia manamafy fa io fihevitry ny Antikristy io dia efa eto amin’izao tontolo izao.

 “Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny Antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy” (1 Jaona 4:3). “Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy” (2 Jaona 7). Io fanahy izay efa manjaka etỳ an-tany io dieny ankehitriny, dia hahatratra ny fara-tampony ao amin’ilay atao hoe lehilahin’ota, ilay zanaky ny fahaverezana, ilay tsy marina. Enga anie Andriamanitra hiaro antsika amin’izany fanahy ratsin’ity taonjato ity izany!

Ny mpaminany Isaia koa dia miresaka ny Antikristy, indrindra ao amin’ny toko faha-57: “Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao; sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ny fiainan-tsy hita ianao” (and 9). Izany andininy izany dia mampiseho fa amim-boninahitra tokoa no handraisan’ireo Jiosy mpiodina ny Antikristy. Nefa ny fikororosy fahan’ny vahoakany ihany no hitan’Andriamanitra amin’izany, ary fikororosy fahana hitondra any amin’ny afobe. Ao amin’ny toko faha-30 no hitantaran’i Isaia ny fiafaràn’ny Antikristy. Mbola hiverenantsika io.

Farany, Zakaria koa dia manambara ny fanjakan’ny Antikristy izay hiserana ihany: “Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. Lozan’ny mpiandry ondry tsy mahomby, izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hamely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana” (Zakaria 11:16-17). Olona mafy fo sy masiaka ny Antikristy, ary tsy handraharaha ny olony izy, fa ny hanamafy ny fahefany ihany no himasoany, ho fahafinaretan’ilay toetrany feno avonavona tsy hay lazaina.

 

6. Nefa hianjady aminy tampoka ny fitsaran’Andriamanitra ary hamarana io fanjakana fohy nefa feno habibiana io. Rehefa feno ny fatran’ny tsy fahamarinany, dia ho avy ny fitsarana azy, mampivarahontsana, tsy misy antra, toy ny varatra. Betsaka ny tsongandahatsoratra ao amin’ny tenin’Andriamanitra no manambara fa ho potehina izy, tsy amin’ny fahefan’ny fitaovam-piadiana na amin’ny alàlan’ny anjely anefa, fa ny Tompo mihitsy no hanao izany, amin’ny fisehoana am-boninahitra. An’ohatra no hilazan’ny mpaminany Zakaria izany, amin’ny hoe: “halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana”. Ny apostoly Paoly koa dia manoritra fa “holevonin’i Jesoa Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fiaviany” io Antikristy io (2 Tesaloniana 2:8). Isaia dia manambara, ao amin’ilay andininy efa nolazaintsika teo, fa: “Efa voavoatra fahataloha Tofeta (*); eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka (= ny Antikristy) izany; efa nataony lalina sady malalaka izy; ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy” (Isaia 30:33). Ny famaizana natokana ho an’ny Antikristy dia mazava tsara: atsipy velona ho any amin’ny afobe izy. Mbola hamafisin’ny Apokalypsy izany, izay milaza fa toy izany koa ny anjara miandry ny lohan’ny Fanjakana romana. Noho izany, ireo fitaovana roa nampiasain’i Satana ireo, izay niray tamin’ny asa  ratsiny sy manohitra an’Andriamanitra, dia samy hiharan’ny famaizana mitovy. “Ary nosamborina ilay bibi-dia (ny emperora romana) mbamin’ny mpaminany sandoka (ny Antikristy), dia ilay nanao famantarana teo anatrehany… ary dia natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa” (Apokalypsy 19:20). Io fitsarana io dia ho haingana tokoa ary hatao amin-kery, — ny Tompo Jesoa mihitsy no hidina avy any an-danitra  hanao azy — hany ka tsy ho afaka hanohitra kely akory na handositra ireo mpiombon’antoka roa amin’i Satana ireo. Rehefa avy nampihorohoro ny zanak’olombelona iray manontolo sy namono olona tsy hita isaina tamin’ireo vavolombelon’i Kristy izy ireo, dia ho faty toy ny saribakoly mampalahelo eo anoloan’Ilay notadiaviny hiadiana, araka ny ho hitantsika aoriana  rehefa handinika ny tantaran’ilay lohan’ny Fanjakana romana naverina tamin’ny laoniny indray isika. Fa hiseho ho toy ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo ny Tompo Jesoa, mialoha ireo miaramila avy any an-danitra sy ny olony masina rehetra nasandratra am-boninahitra, ary ampy “ny fofonain’ny vavany” hamotehana ireo fitaovan’i Satana roa ireo ka hanipy azy, tsy mila fitsarana hafa intsony, any amin’ny afo mirehitra mandrakizay, izay hanipazana ny devoly koa afaka arivo taona atỳ aoriana.

 

(*) Toerana ao amin’ny lohasahan’i Hinoma, any akaikin’i Jerosalema, izay nanaovana sorona olombelona ho an’i Moloka (jereo 2 Mpanjaka 23. 10. Jeremia 7:31; 32:35). Io toerana io, izay antsoina koa hoe “Gué Hinnom”, no nahatonga ilaay teny grika hoe “géhenne”, toerana hisian’ny fampijaliana tsy misy farany.

 

4.2.4  TOKO 4 — Ny fanafahana ny sisa tavela

Ny ankabeazan’ireo Jiosy hody voalohany any Palestina dia ho tafiditra ao anaty haraton’ny devoly, ka hankalaza ny Antikristy ho toy ilay Mesia ary hanao fanekena amin’ny emperora romana. Nefa hisy sasantsasany ihany, izay ho tarihin’ny Fanahy Masina ka hiaiky ny helony sy ny heloky ny fireneny, ary hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra ka handà ny hankatò ny Antikristy. Maro amin’izy ireo no hanisy tombo-kase amin’ny rany izany fijoroany ho vavolombelona izany, fa ny sasany kosa dia ho voaro sy afahana amin’ny fahatongavan’ny Tompo Jesoa, miaraka amin’ireo olony masina. Ho dinihintsika izao ny tsongandahatsoratra samy hafa mitantara ny tranga hiseho amin’izany fotoana izany.

 

1. Io fiovam-po io dia asan’ny Fanahy Masina, araka ny hanambaran’ny mpaminany maro azy. “Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ny oloko… mandra-pandatsaka ny Fanahy avy amin’ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra” (Isaia 32:13-15). “Fa ny vavan’i Jehovah no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy” (34:16). “Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny terakao” (44:3). “Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’i Jehovah ny olona, ary ny voninahiny hatramin’ny fiposahan’ny masoandro… Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, ho amin’i Jakoba izay miala amin’ny fahadisoana, hoy Jehovah. Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao… hatramin’izao ka ho mandrakizay” (59:19-21).

Ny mpaminany Ezekiela koa dia manambara izany fahamarinana izany. “Ho entiko any amin’ny taninareo (ianareo). Dia hofafazako rano madio ianareo… Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao… Ary ny Fanahiko no ataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny làlako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy” (Ezekiela 36. 24-27). “Ary tsy afeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ny taranak’Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo” (39:29). Ary tamin’ilay fahitana ny taolana maina, izay efa noresahintsika, dia mitantara i Ezekiela ny nandidian’Andriamanitra azy hanambara ny fiavian’ny Fanahy amin’ireo taolana efa nikambakambana, sarin’ilay famerenana an’i Isiraely sy fiovàny fo. “Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’olona, ka ataovy amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Manatòna avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran’ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy — maro be dia maro be tokoa” (37:9-10).

 

2. Amin’ny fiafaran’ny fahoriana lehibe izany, dia hiova fo ireo sisa tavela ao amin’ny tany, amin’ny fanazarana lalina ny fony sy ny fisainany. Ampianarin’ny Fanahy ireo mpino, ka ho azony amin’izay fa Ilay nolavin’i Isiraely sy nohomboany no ilay Mesia nampanantenaina, Ilay Voahosotr’i Jehovah. Rehefa tsapany ny fahavetavetan’izany famonoany olona izany, dia hitomany izy ary hisaona. Henoy anie ny fomba hilazan’ny mpaminany izany fibebahana izany e! “Amin’izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ny lohasaha Megido (*); ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy…” (Zakaria 12:10-14). Tsy fanetren-tena ikambanana ihany akory izany, fa zavatra ataon’ny tsirairay, fahatsapana lalina ny fanenenana sy ny fahadisoana ataon’ny tsirairay amin’ny fianakaviana misy eo amin’ny sisa tavela; ny fianakavian’i Davida, Natana, Levy, Simey… “ny fianakaviana sisa rehetra” (jereo koa Amosa 8. 10).

 

(*) Mampahatsiaro ny fitomaniana tamin’ny nahafatesan’ny mpanjaka Josia (2 Tantara 35:22-25).

 

Io fitomaniana io dia hiaraka amin’ny fiaikena ny heloka natao, na ny nataon’ny firenena, na ny nataon’ny tsirairay. “Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy — dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ny nanoherany Ahy, ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony — raha hietry amin’izany ny fony tsy voafora, ary hanonitra ny amin’ny helony izy, dia hotsarovako ny fanekeko tamin’i Jakoba…” (Levitikosy 26. 40-42). “Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao… Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo” (Ezekiela 16. 61-63).

 “Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo” (20:43). “Dia hotsarovanareo ny làlan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo… Koa menàra sy mangaihaiza ianareo noho ny làlanareo, ry taranak’Isiraely” (36:31-32).

 

3. Ny fanetren-tena, ny fibebahana sy ny fiaiken-keloka dia hiaraka amin’ny faniriana mafy, ao am-pon’ny sisa tavela, ny hitady ny Tompo sy ny hiverina Aminy. “Ary amin’ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa. Ary ho entiko miditra amin’ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha-toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy, ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro” (Zakaria 13:8-9). “Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak’Isiraely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny. Hanontany ny làlana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an’i Jehovah amin’ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina” (Jeremia 50:4-5). “Ary hiantso Ahy ianareo, ka handeha sy hivavaka Amiko, dia hihaino anareo Aho. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah” (29:12-14).

Dia tena hisy fahateraham-baovao eo aminy: homen’Andriamanitra fo vaovao izy, havelany ny fahotany ary ho dioviny izy. “Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra… Dia hihaino ny feon’i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio” (Deoteronomia 30:6, 8). “Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy, mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny” (Ezekiela 11. 19-20). Io teny fampanantenana io dia mbola averina ao amin’ny toko faha-36, andininy 26 hatramin’ny 28, ary mampiseho ny halehibeny izany. Ambonin’izany, dia mbola hamafisin’ny mpaminany Jeremia , izay niara-niaina tamin’i Ezekiela, ihany izany: “Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy” (Jeremia 24:7). “Fa izao no fanekena ataoko amin’ny taranak’Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah. dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’i Jehovah; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Jeremia 31:33-34). “Ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. Dia homeko fo iray sy làlana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava… ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialàny amiko” (32:38-40).

Amin’izay, dia ho tanteraka ny faniriana ao am-pon’Andriamanitra: tena ho lasa vahoakany i Isiraely. “Izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny”, teny averimberina matetika, mampiseho ny vidiny omen’Andriamanitra an’io fanekena io. Ny “fo vaton”i Isiraely dia hesorina ary hovàna “fo nofo”. Mazava ho azy fa izany fanadiovana izany dia tsy manana fanorenana hafa ankoatra ny ran’i Kristy, izay hany manadio amin’ny fahotana rehetra. “Ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). “Ary hesoriko indray andro monja ny helok’ity tany ity” (Zakaria 3:9). “Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak’i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana. Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana” (13:1-2). Ny tany mihitsy izany no hodiovina tanteraka rehefa voavela ny heloky ny firenena. “Dia indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana… ary ho dioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; ka havelako ny helony rehetra…” (Jeremia 33:6-8). “Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; ary izay fahotan’i Joda, fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’izay sisa narovako” (Jeremia 50:20). “Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo… Ary hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo” (Ezekiela 36. 25-29). “Ary tsy handoto tena amin’ny sampiny… intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin’ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny” (37:23).

 

4. Io asa ara-panahy io dia hatao noho ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ireo fitsapana mampivarahontsana hanjo ny sisa tavela, ilay ampahatelony izay hampidirin’Andriamanitra “amin’ny afo”  ka harendriny toy ny fandrendrika volafotsy (Zakaria 13:9). Rehefa hahatratra ny fara-tampony ny fahoriana, dia ny Tompo mihitsy no hiseho miaraka amin’ireo olony masina nasandratra am-boninahitra ka hanafaka ny sisa tavela tamin’ny Isiraely izay hiantso an’Andriamanitra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Ho potika ireo fahavalony (*), ary hajoro ny Fanjakana arivo taona.

 

(*) Hodinihintsika ny faminaniana mikasika izany amin’ny toko manaraka.

 

Satria tany am-pahababoana ireo foko folo hafa tamin’ny nahatongavan’ny Tompo Jesoa tetỳ an-tany, dia tsy hanonitra ny famonoana ny Mesia tamin’ny nanombohona Azy toa an’i Joda sy Benjamina izy ireo. Izany no antony tsy handalovany ny fahoriana lehibe any Palestina, ary tsy hatsipy ao amin’ny afo miredareda toy ny ho hitan’ny sisa tavela amin’ny Joda izy. Hotsarain’Andriamanitra any amin’ny firenena misy azy izy ireo, amin’ny fodiany any Palestina (Ezekiela 20. 33-38). Hesorina aminy ny ratsy fanahy, ary ireo sisa afaka, izay niova fo koa, dia hiverina any amin’ny taniny fotoana fohy aorian’ny asa fanadiovana hataon’Andriamanitra amin’ny sisa tavela amin’ny Joda. Hitantsika ao amin’ny Isaia 49 ny fitantarana ny fodiany sy ny hafaliana hisy eo amin’ireo sisa tavela, izay mampahonena tokoa, potiky ny fitsapana vao nandalovany. “Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ny tany Sinima (*)ireto. Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ny olony mahantra” (and 12-13). Miteny amin’ireo sisa tavela avy eo Andriamanitra, hoe: “Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka, sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ny ampakarina. Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’izany noho ny habetsahan’ny mponina” (and 18-19). Ho feno fahagagana sy ho diboky ny hafaliana i Jerosalema, ka hihiaka hoe: “Iza no niteraka ireto ho ahy ? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto ? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto ?” (and 21).

 

(*) Angamba ny Sinoa

 

Hisy iraka halefa any amin’ny firenena rehetra hitantara ny voninahitr’i Kristy aminy (Isaia 66:19), ary koa hitondra ireo zanak’Isiraely rehetra mety mbola ho any hiverina (and 20) . “Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy avy any amin’ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’i Jehovah, mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha — ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah” (jereo koa Isaia 49:22-23; 52:10-12; 60:4-9).

 

5. Rehefa afaka toy izany ireo mpino ireo, novàna fo, nodiovina ary nateraka indray, dia hankalaza an’i Jesoa Kristy ho toy ny Mesiany sy Mpamonjy azy izy. “Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ny tànanao itony ? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tànako ho amin’ny madinika Aho” (Zakaria 13:6-7). Amin’izany, dia hiaiky izy ireo fa nolefoniny ny Mesiany, ary tsy izany ihany, fa io Mesia io, ilay mpiara-dia amin'i Jehovah, dia navela ho tratry ny sabatry ny fitsaràn'Andriamanitra noho ny fahotan'ny fireneny. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, dia holazaina aminy tanteraka ny zava-miafina momba ny famonjena. Rehefa nijanona nandritra ny taon-jato maro tsy nisy mpanjaka na mpanapaka izy ireo, tsy nisy fanatitra na tsangam-bato, tsy nisy efoda na terafima, dia “hiverina… ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany (= Kristy); ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany” (Hosea 3:4-5). Ny apostoly Paoly koa dia manambara an’io faneken’Isiraely ny Mesia io: “Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy… fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ny jentilisa; ary amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra — araka ny voasoratra hoe: ‘Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka; ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba izy’“(Romana 11:25-26). Io mpanafaka io dia ho raisiny sy heken’ireo sisa tavela tamin’ny foko roa ambin’ny folo fa manana ny zony feno, araka ny nanambaran’ny Tompo hoe: “Hatramin’izao, dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Matio 23:39).

“Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy… Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika” (Jeremia 23:5-6). Hanaiky am-pifaliana ny fanjakàn’i Kristy ny Isiraely, dia ilay “Rantsana marina” ho an’i Davida, ka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo iray. “Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon’ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ny taranak’Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ny tany” (Ezekiela 20. 40).

Hanao fanekena vaovao amin’ny vahoakany Andriamanitra amin’izany. “Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida” (Isaia 55:3).  

“Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indrafo lehibe kosa no hampodiako anao…Toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao… intsony Aho. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” (Isaia 54:7-10). ”Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola… Homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no ataoko aminy” (61:4, 8). “Ary ho entiko amin’ity tany ity indray izy… dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho dia ny tsy hitsaharako amin’ny fanasoavako azy” (Jeremia 32:37, 40). “Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho… dia handry fehizay izy na dia any an’efitra aza” (Ezekiela 34. 25). “Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay” (37:26).

Araka ny efa voasoratra, dia io fanekena io no hitondra ny fiadanana ho an’i Isiraely, aorian’ny fanenjehana; ny fandriam-pahalemana aorian’ny fandrobana; ny fametrahana maharitra, aorian’ny fanelezana; ny fananan-karena, aorian’ny fahantrana; ny voninahitra, aorian’ny fahamenarana; ny fahefana amin’ny firenena, aorian’ny famoretana; ny fifaliana, aorian’ny ranomaso; ny fahasambarana tsy hay lazaina amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny fitiavany, aorian’ny fitsarana mendrika azy noho ny nandàvany Azy. “Mihobia, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Isiraely; mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy!… Jehovah Mpanjakan’Isiraely no ao aminao, … ka hamonjy; hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; hifaly anao amin’ny fihobiana Izy” (Zefania 3. 14-17).

Mbola hiverenantsika aoriana amin’ny antsipiriany io fitantarana mahatalanjona ny fitahiana amin’ny Fanjakana arivo taona io. Raha mandinika ny làlan’Andriamanitra momba ny vahoakany Isiraely isika, dia afaka mihiaka miaraka amin’ny apostoly Paoly, ao amin’ny Romana 11:33-36, hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsaràny tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!… Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena”.

 

 

4.3  NY JENTILISA

4.3.1  TOKO 1 — Babylona lehibe

Rehefa hiverina ny Tompo, dia entina hitsena Azy ny olom-boavidy rehetra, na inona na inona rafi-pivavahana kristiana misy azy. Ho setrin’izany kosa, be ireo olona, izany nitonona ho kristiana nefa tsy manana ny aina avy amin’Andriamanitra, izay havela eto an-tany ary hiditra amin’ilay rafi-pivavahana antsoina ao amin’ny Apokalypsy hoe Babylona lehibe. Ho isan’izany ireo rehetra mitonona ho kristiana nefa tsy voavonjy, protestanta, katolika, orthodoksa, na fivavahana kristiana hafa.

“Ary tonga ny anjely anankiray tamin’izy fito… dia niteny amiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ny rano maro, dia ilay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany… Dia nentiny tamin’ny Fanahy ho any an’efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitàna kapoaka volamena teny an-tanany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany; ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny nanao hoe: zava-miafina, Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany (Apokalypsy 17. 1-5).

Rehefa nalaina ny Eglizin’Andriamanitra, dia ny eglizy sandok’i Satana no naka ny toerany etỳ an-tany mandritra ny fotoana voafetra. Na dia mbola ho avy aza izany tranga izany, ny zavatra hamorona io rafitra fiodinana amin’ny fivavahana marina io dia efa misy ankehitriny, araka ny ho hitantsika rehefa mandinika ny toetran’i Babylona, ilay mpijangajanga lehibe, isika. Ireo toetra misongadina ireo dia ireto :

 

1. Ilay mpijangajanga dia avy amin’ny tany tanteraka. Izy no renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta eto an-tany, izy no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, izy no hitombo eto an-tany ary hanapaka ny mpanjakan’ny tany, hitady voninahitra, filibàna, harena ary fahefana etỳ an-tany (and 2-5;15,18). Noho izany, ny fiaviany, ny olona miaraka aminy ary ny toetrany dia avy etỳ an-tany ihany.

Izany rehetra izany dia mifanohitra amin’ilay tena Eglizy: ny fiaviany, ny olona miaraka aminy, ny fitahiana sy ny ho aviny dia any an-danitra. Ny fiaviany: “Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy an-danitra tamin’Andriamanitra” (Apokalypsy 21. 2). Ny olona miaraka aminy: “Fa ny fanjakàntsika dia any an-danitra, ary avy any koa no hiandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo” (Filipiana 3. 20). Ny fitahiana: “Nitahy antsika… amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra” (Efesiana 1. 3). Ny ho avy: “Andriamanitra, izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny” (1 Tesaloniana 2. 12). Raha fintinina, ny tany no mamaritra an’i Babylona lehibe, fa ny lanitra kosa no mamaritra ny tena Eglizy marina.

 

2. Ny toetra faharoan’ilay mpijangajanga dia ny nampanekeny ny fahamboniany tamin’izao tontolo izao, fa ny Eglizy kosa dia manoa an’i Kristy, toy ny hankatoavan’ny vehivavy ny vadiny (1 Korintiana 11. 3; Efesiana 5. 23,24). Babylona lehibe dia aseho ho toy ny vehivavy izay “mipetraka eo ambonin’ny rano maro”, izay hazavain’ny andininy faha-15 hoe “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”. Mampiseho izany fa eran’izao tontolo izao ny fahefany. Ankoatr’izany, dia hitan’i Jaona “nitaingina bibi-dia mivolon-jaky (*)” (and 3) izy, ary izy no mandidy ny fihetsiny rehetra; io bibidia io dia ny Fanjakana romana naverina tamin’ny laoniny. Raha vao hanomboka hipoitra indray izy, dia mbola hanaiky io fivavahana manompo sampy io ihany. Farany, vakiantsika ao amin’ny andininy faha-18, fa “manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany” izy.

 

(*) Ny volon-jaky no lokon’ny emperora

 

Na dia faminaniana aza izany fitantarana izany, dia voatery manaiky isika fa izany toetra izany dia mahagaga fa mifanaraka tsara amin’ny toetry ny eglizy romana, izay tena nanapaka mpanjaka sy firenena maro, nandritra ny taon-jato maro nifandimby.

 

3. Ny Eglizy dia antsoina hoe Vadin’ny Zanak’ondry (Apokalypsy 21. 9). Mifanohitra amin’izay toetra izay, ilay vehivavy janga dia vadin’ilay Bibidia (Apokalypsy 17. 3) ary ny mpanjakan’ny tany dia efa nijangajanga taminy (and 2). Izany no firaisana amin’izao tontolo izao sy ny fombafombany rehetra, na inona na inona fisehoany: ilay vehivavy janga dia nitafy lamba sarobidy, niravaka volamena sy vato soa ary perila (and 4), fa ny Eglizy kosa dia tsy manana na inona na inona etỳ an-tany: tsy manana volafotsy na volamena, ary ao anatiny, dia “tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana” (1 Korintiana 1. 26). Rehefa any amin’ny voninahiny ihany izy, izay vao hitafy rongony fotsy madinika, mangatsakatsaka sy madio, izay ny asa marina nataon’ny olona masina (Apokalypsy 19. 8). Horaisin’i Jesoa “ho an’ny tenany izany, ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy” (Efesiana 5. 27).

 

4. Ilay vehivavy janga kosa dia hiavaka amin’ny tsy fahamenarany, ny fahavetavetany, ny fahalotoany ary ny fijangajangany (and 4, 5). Mitàna eny an-tànany kapoaka volamena izy, feno fahavetavetana, ary antsoina hoe renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta etỳ an-tany. Ireo teny ireo dia manoritra manokana ny fanompoan-tsampy izay hampiavaka io rafi-pivavahana io, mifandraika amin’ny toetra ratsiny ifotony. Ho soloin’ny eglizy mpiodina fanompoana ny sampy ny fanompoam-pivavahana tokony hatao ho an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, ary amin’izany, dia miray amin’i Satana sy ny mpanaraka azy izy (ny Biby romana sy ny Antikristy). Ho firaisan’ny fivavahana kristiana sandoka sy ny fivavahana naorin’ny Antikristy izany. Io firaisana io dia mendrika mihitsy ny anarana hoe fijangajangana, ary izay nanao sonia izany, dia mendrika ny antsoina hoe “renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta etỳ an-tany”.

 

5. Ilay vehivavy janga dia “leon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny maritioran’i Jesoa” (and 6). Hatrizay hatrizay, dia ny tsy fandeferana sy ny fanenjehana no toetra mampiavaka ny fivavahana sandoka, fa etsy an-kilany kosa, ny Vadin’ny Zanak’ondry dia mifehy tena tsy hampiasa herisetra. “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manao ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny anankiray” (Matio 5:39). “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo” (Filipiana 4:5). Amin’io lafiny manokana io koa, dia tsy afaka ny hanapi-maso isika fa ny eglizy romana dia nampiseho ireo toetra tsy fandeferana sy fanenjehana ny vavolombelon’i Jesoa ireo, nandritra ny taon-jato lasa nifandimby. Izy no manambara mialoha an’i Babylona lehibe, mihoatra noho ny rafi-pivavahana hafa. Ary azontsika an-tsaina ny hagagan’i Jaona (and 6, 7), satria, raha fantany ny fanenjehana nataon’ireo mpanompo sampy romana, dia tsy ho vinavinainy akory ny hoe mety ho leon’ny ran’ny vavolombelon’i Jesoa ny eglizy iray mitonona ho kristiana. “Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany  sy ny olona masina  sy izay rehetra novonoina tetỳ ambonin’ny tany” (Apokalypsy 18:24). Ka na manenjika sy mamono ny olom-boavidy aza ilay vehivavy janga aorian’ny fampiakarana ny Eglizy, dia mazava fa ireo olona lazaina amin’io tsongandahatsoratra io, dia olona miaina indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fahasoavana izao. Noho izany, Babylona lehibe dia efa misy sahady dieny ankehitriny, ary izy no hanana anjara lehibe tokoa mandritra ny fotoana fiodinana manaraka ny fiverenan’ny Tompo. Amin’ny maha-“renin’ny mpijangajanga” azy, dia izy no loharano ipoiran’ny rafitra rehetra noforonin’olombelona sy ny fanompoan-tsampy nasain’i Satana natao hanodinana ny olona tsy hijery ny Tompo. Koa, na dia tsy hitompo teny fatratra aza fa ny eglizy romana no Babylona lehibe, dia tsy afaka handà fa mahagaga tokoa ny fanarahan’ilay voalohany an-tsipiriany ny fanoritana omen’ny Teny momba ilay faharoa. Nefa tsy hahatratra ny fara-tampon’ny fivelarany i Babylona raha tsy aorian’ny fampiakarana ny Eglizy.

 

6. Ao amin’ny andininy faha-5 amin’io toko io ihany no hamakiantsika fa: “Ary nisy anarana voasoratra teo amin’ny handriny nanao hoe: zava-miafina, Babylona lehibe…”, ary ao amin’ny andininy faha-7, dia hoy ny anjely mantsy an’i Jaona: “Nahoana no gaga ianao ? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy”. Ao amin’ny Teny, ny atao hoe zava-miafina dia zavatra ambaran’Andriamanitra ny olony. Marina fa efa miasa ny zava-miafina momba ny tsi-fankatoavan-dalàna (2 Tesaloniana 2:7), nefa tsy hahatratra ny fara-tampony ny faharatsiana raha tsy ilay tena Eglizy marina, dia ilay fanasin’ny tany, no tsy eo intsony hanakana ny fihanak’io fahalòvana io. Amin’izay fotoana izay no ambara ny zava-miafina momba ilay vehivavy sy ny bibi-dia ary hanalàna ny saron-tavan’ilay fivavahana sandoka. Io zava-miafina io dia ampifangarihana amin’ilay zava-miafina lehibe momba ny fivavahana marina. “Ao no hifandray ny tsara sy ny ratsy, amin’ny firaisana manilika an’Andriamanitra, mba hanao ny ratsy indrindra fa tsy ny tsara. Io fanekena io… dia hikatsaka izay hampiray an’Andriamanitra amin’ny olombelona voa-janahary, hanolo amin’ny fombafomba ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny teniny, ny ran’i Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina, ary mampiasa ny anaran’ny Tompo hanaronana ny fitsiriritana sy ny fitadiavam-boninahitra valavala…”(W. Kelly, Fandinihina ny Apokalypsy, toko 17). Izany no zava-miafin’i Babylona lehibe.

 

7. Ny foiben’io rafi-pivavahana io dia ho any Roma. Manoritra tokoa mantsy ny Apokalypsy 17:9 hoe: “Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay hipetrahan-dravehivavy”. Fantatra anefa fa Roma dia miorina eo ambony havoana fito. Vao mainka izany manamafy fa i Babylona lehibe dia ny eglizy romana. Ambonin’izany, dia manampy izao ny andininy faha-18: “Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”, izay marina momba an’i Roma, tamin’ny andron’ny apostoly Jaona. Ilay rafitra ara-pivavahana eran-tany izay ananan’ny eglizin’i Roma dia hampiasain’ilay eglizy miodina amin’ny fivavahana marina aorian’ny fiverenan’ny Tompo. Efa nakarina ny olom-boavidy rehetra, ary ny kristiana sandoka sy ny egliziny no hiditra ho isan’io rafitra midadasika manompo sampy avy amin’i Satana io, ary ny lohany dia ho any Roma. Tsy maintsy miondrika eo anoloan’ny fahefany ny olona rehetra, ary efa tsikaritra izany ankehitriny, indrindra amin’ny ezaka ataon’ny katolika hananany fahefana eran-tany. Io fampiombonana io dia tsy ho tanteraka raha tsy eo ambany fitarihin’ilay vehivavy janga, ilay vehivavy maloto izay miray tendro amin’ny fahefana lahika ka hametraka ny fanompoan-tsampy mahamenatra indrindra sy ny tsy fisian-dalàna tsy azo saintsainina, ampiana fanenjehana mahatsiravina an’ireo vavolombelon’i Jesoa, ary izany rehetra izany,dia ao anaty fampisehoana harena mahatalanjona. Nefa hisy fitsarana tsy azo hivalozana hihatra aminy tsy ho ela.

 

8. Izao no hitantaran’ny Teny izany: “Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo. Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanantanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra” (Apokalypsy 17:16-17).

Ny fitiavan’ny lohan’ny fanjakana romana sy ireo folo mpiara-dia aminy an’ilay vehivavy janga dia niova ho fankahalana tsy misy indrafo manosika azy ireo hanala aminy ny hareny mihoampampana sy hampitanjaka azy, izany hoe manambara ampahibemaso ny tetika nokotrehiny, ny fiatsaram-belatsihiny, ireo helony bevava. Avy eo, dia hohaniny ny nofony, milaza izany fa ho hampijaliany ary hovonoiny ireo lohandohany sy ireo mpanaraka io eglizy sandoka io; hofaranany amin’ny fandoroana azy amin’ny afo ny fanapotehana azy. Na dia tsy Andriamanitra tenany aza no nanao izany, dia Izy ihany no nitady io fanapotehana tanteraka sy tsy azo iverenana io. Izy no “nanome fo ireo hahatanteraka ny heviny”.

Noho izany, ny fifanekena nisy teo amin’i Babylona lehibe sy ny mpanjakan’ny tany dia mifarana amin’ny afo sy ra, ary manambara mazava izany fa ny fiavian’io rafitra sady politika no ara-pivavahana io dia avy amin’i Satana: tsy haharitra ny fifanaranahan’olon-dratsy, hahatonga herisetra, fankahalàna, famotehana ny fahatapahin’izany. Ireo fandokadokafana nataon’ny mpanjaka sy ny Bibidia ny eglizy sandoka, ny fanekena azy, araka ny fomba fihetsika nasehony taminy, dia toa vao mainka nampitombo ny haromotana mivaivay tao am-pony: mifarimbona izy ireo ka manao paik’ady lehibe hamotehana tanteraka ny fahefan’ilay vehivavy janga, handrobana ny hareny ary hanamontsana azy ho mandrakizay.

 

9. Io fitsarana io koa dia hampitsitotongana ny atao hoe sivilizasiona, ka haha-bankiropitra ireo izay nivelona tamin’ny rentirentin’i Babylona. Ny tontolo sosialy sy ara-toe-karena mihitsy no voatariny miaraka aminy amin’ny fahalavoany. Izany no faritan’ny toko faha-18 ao amin’ny Apokalypsy. Ny “mpanjakan’ny tany” ary “ny mpandranto amin’ny tany” dia mitomany sy misaona, manao hoe: “Indrisy! Indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! Ry ilay tanàna mafy! Fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao… Fa tamin’ny ora iray (*) monja no nahafoana ny harena be toy izany” (and 10, 16).

 

(*) Tsy ora iray ara-bakiteny akory, fa midika hoe ho haingana ny fitsarana na dia hotanterahina miandalana aza

 

Ho setrin’izany kosa anefa, dia mifaly amin’izany famaizana izany ny lanitra: “Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masina, sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo” (and 20). Mamaly izany ny lanitra amin’ny hoe: “Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanintsika; fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijanganjangany —  ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 19:1-3). Nefa vao mainka haharatsy ny vokatry ny fiodinana tamin’ny fivavahana ny tsy fisian’i Babylona. Ilay fiàsan’ny fahadisoan-kevitra (2 Tesaloniana 2) dia hahatonga fanompoan-tsampy. Raha mbola nihambo ho manana ny anaran’Andriamanitra sy Kristy ihany ilay eglizy sandoka, ilay lehilahin’ota kosa, ny Antikristy, dia hanilika tanteraka izay rehetra ivavahana ka hanohitra ny fahefan’Andriamanitra, mba ivavahana aminy ho toy ny mivavaka amin’Andriamanitra. Mbola ho ratsy kokoa noho ilay zava-miafina momba ny tsi-fankatoavan-dalàna izany, ho ilay “famitahana momba ny tsi-fahamarinana” ataon’ilay tsy marina amin’ny famantarana sy ny fahagagana mandainga, handiso làlana ny olona. Amin’ny farany, dia hisy firenena hitsangana, eo ambany fitarihin'ny Antikristy sy ny lohan'ny fanjakana romana, hiady amin'i Kristy.

 

10. Tianay ny hisarika ny sain’ny mpamaky amin’ilay fananarana manetriketrika omena ny mpino, momba an’i Babylona: “Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy iombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony” (Apokalypsy 18:4,5). Marina fa io fampitandremana faminaniana io dia miantefa amin’ireo mpino mbola ho eto an-tany amin’izany aloha, na avy amin’ny Isiraely izy, na avy amin’ny jentilisa. Mety ho halaim-panahy izy ireo, mba hialàna amin’ny fanenjehana, hitady fialofana amin’io rafitra io, nefa ny Tompo dia hampitandrina azy ireo amin’izany loza izany, amin’ny fiangaviana azy ireo “hiàla aminy”, mba tsy handotoiny ny tenany, ary, etsy an-daniny, mba hialàny amin’ny fitsarana hanjo an’i Babylona.

Nefa tsy azo lavina fa fampitandremana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra etỳ an-tany ankehitriny koa izany, satria ny fahalòvana mampiavaka an’i Babylona dia efa misy sahady, na amin’ny rafi-pivavahana na eo amin’izao tontolo izao. “Mialà aminy ianareo, ry oloko!” — izany no teny manetriketrika ataon’ny Tompo amin’ny olony, na aiza na aiza misy azy ireo, manasa azy handositra ny fahotana sy ny fahalòvan’ny tontolo ohatran’ny asehon’i Babylona. Azontsika hampiarahana amin’io fananarana io koa ny teny nataon’ny apostoly Paoly tamin’ny Korintiana: “Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana ? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina ? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala ? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino ?… Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha. Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fatahorana an’Andriamanitra” (2 Korintiana 6:14-18; 7:1).

Ny mivoaka an’i Babylona, dia ny miala amin’ireo rehetra mizotra ao amin’ny ota, kanefa koa dia fandosirana ny faharatsiana na inona na inona fomba isehoany, eo amintsika sy manodidina antsika. Enga anie ny Tompo hiasa ao am-pontsika amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina, mba hahatanterahantsika bebe kokoa io fisarahana amin’ny faharatsiana io, io fahamasinana iainana isan’andro io, fa raha tsy izany, dia tsy ilaina ny fijoroantsika ho vavolombelona ary tsy hisy vokany sy tsy hanan-kery ny fiainantsika ara-panahy !

 

4.3.2  TOKO 2 — Ny Fanjakana romana

1. Aoriana kely ny fampiakarana ny Eglizy (*), dia haverina indray ny Fanjakana romana, ary ny mpanapaka azy dia handray ny fahefany avy amin’i Satana. Ndeha hodinihintsika, amin’ny fanazavan’ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy, ny fiaviana, ny toetra sy ny asan’io lehilahy io ary ny rafitra ara-politika hananany fahefana.

 

(*) Tsy misy tsongandahatsoratra ahafahana manoritra mazava kokoa io fe-potoana io

 

Aleo ho soritana, araka izay azo atao, ny fifandimbiasan’ny tranga: hiseho amin’ny herinandro-taona faha-fitopolo resahina ao amin’ny Daniela 9. 20 hatramin’ny 27 ireo zavatra ireo. Io fe-potoana farany io dia hanomboka rehefa manao fifanarahana amin’ny vahoaka jiosy mpiodina ny lohan’ny Fanjakana romana (Daniela 9. 27). Ny famerenana indray ny Fanjakana izany dia aloha kelin’izay. Ny fahefan’ny filohan’io Fanjakana io dia hitombo miandàlana, nefa haingana. Amin’ny voalohany, dia handefitra amin’ny fahefana ara-pivavahana ananan’ilay eglizy sandoka izy, dia i Babylona lehibe, ary avy eo, dia hopotehiny izy. Io zavatra io dia hiseho alohan’ny tapak’ilay herinandro (*), fotoana hanajanonan’ilay mpitondra jadona ny fanatitra alatsa-drà ataon’ny Jiosy, ka hiarahany amin’ny Antikristy mba hivavahana aminy. Ny tapak’io herinandro io koa no hanomboka ny fahoriana lehibe, izay haharitra telo taona sy tapany. Mandritra io tapaka herinandro farany io no hipoiran’ny olona fahatelo, ilay Asyriana, izay hojerentsika amin’ny toko manaraka. Amin’ny faran’io fe-potoana io, dia hanandrana hamaky ady amin’Andriamanitra sy i Kristy ny lohan’ny Fanjakana romana, nefa ho azo izy ka atsipy velona any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara, miaraka amin’ny Antikristy. Ho potehin’ny Tompo any Harmagedona ny andian-tafiny. Io tranga farany io dia hiseho amin’ny faran’ilay herinandro faha-fitopolo ary hanaraka azy ny fametrahana ny fanjakana arivo taona.

 

(*) Ao aminny Apokalypsy 17 no ahitantsika ireo mpanjaka folo mifanaraka amin’ny lohan’ny Fanjakana romana hamotehana an’i Babylona. Tokony hiseho amin’ny tapany voalohany amin’ilay herinandro izany, satria atỳ aoriana, dia hamono mpanjaka telo ilay mpitondra jadona ka hanamafy ny fahefany amin’izany, fahefana izay hahatratra ny fara-tampony amin’ny fiandohan’ny tapany farany amin’ilay herinandro

 

Ny fiavian’ilay Bibi-dia romana. Izao ny fomba hitantaran’ny apostoly Jaona ny fahitany, raha nitsangana teo amoron-dranomasina izy: “Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito; ary tamin’ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy…; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe… Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana” (Apokalypsy 13:1,2; 17:8).

Ireo tsongandahatsoratra ireo dia mampiseho fa avy amin’ny devoly io fanjakana ho avy io sy ny lohany. Voalohany aloha, ny toetr’io biby io dia mitovy amin’ny an’ilay dragona mena (toko 12), izay i Satana . “Nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ny lohany” (and 3). Io biby io dia miakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa; ny fahefany dia avy amin’ilay dragona, izay manome azy “ny heriny sy ny seza fiandrianany”; farany, misy anarana fitenenan-dratsy isaky ny lohany fito, izay mampiseho mazava ny maha-avy amin’i Satana azy.

Koa tsy mahagaga raha mifanaraka amin’ny fiaviany ny toetra sy ny asa ataon’io Biby io, izany hoe tena manohitra tanteraka an’Andriamanitra.

Hita niakatra avy tany an-dranomasina koa ilay Biby, sary an’ohatra mampiseho ny fikorontanana sy ny tsy fisian-dalàna misy eo amin’ny tany tandrefana rehefa hipetraka io fahefan’ny emperora io. Azo heverina fa vao maika ho vonona ny hanaiky ny fahefan’ilay Biby ny olona, satria izy no hamerina ny filaminana ara-tsosialy aorian’ny fotoana nampisy hotakotaka sy fiovàna politika, izay hiseho mandritra ny tapany farany amin’ilay herinandro-taona.

Tsy misy andininy ao amin’ny Teny manoritra mazava ny tany izay ho isan’io fanjakana io. Ny hany vakiantsika ao amin’ny Apokalypsy 13, andininy faha-7 sy ny manaraka, dia ny hoe: “Ary nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Izay voavono, hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”.  Satria famerenana indray ny fanjakana izay efa nisy taloha io, dia azo ekena fa ny ankabeazan’ireo firenena niharan’ny fahefana romana dia ho isan’io rafitra ara-politika goavana amin’ny fara-andro io. Nefa tsy ireo firenena nonina tao anatin’ny faritr’ilay fanjakana romana taloha ihany no ho ao amin’io fanjakana vaovao io, fa azo antoka koa fa ireo olona rehetra nipoitra avy any ary manana io kolo-tsaina io sy maneho izany, dia ho isany: izany hoe, ny firenena rehetra miteny anglisy sy miteny fiteny latina navaozina avy amin’izao tontolo izao (Amerika avaratra sy atsimo, Aostralia, sns).

Noho izany, dia azo lazaina fa ny lohan’io fanjakana ho avy io dia hanapaka “ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra”. Nefa izany tsy manakana ny fisian’ny vondrona politika iray hafa, izay mampahatahotra koa, an-danin’izany Fanjakana romana izany, ary io vondrona io dia hiady aminy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny toko natokana ho an’ilay olona antsoin’ny Teny hoe Asyriana. Raha ny marina, dia hisy vondrona tandrefana, misy ireo tany rehetra manodidina ny ranomasina Mediteranea sy ny tany miteny anglisy, ary vondrona tatsinanana manangona amin’ny ambangovangony ny tontolo kaomonista amin’izao fotoana izao, Asia, angamba koa ny tany silamo sy Afrika. Ankehitriny isika dia efa mahita ny fametrahana ny “vaton-damy” sasany amin’io sehatra politika iraisam-pirenena io ary mampiseho izany fa efa akaiky tokoa ny fiverenan’ny Tompo.

Efa fanjakana nisy fahagola tokoa io, ary hamafisin’ny andininy faha-3 amin’ilay tsongandahatsoratra efa notanisaintsika teo izany, izay hanambaran’ny Teny fa nisy lohan’ilay biby iray (izany hoe fanehoana iray ny fahefana romana), izay voa ka efa ho faty, nefa sitrana ihany ilay fery saiky nahafaty azy. Ankoatr’izany, ny toko faha-17 dia milaza koa, raha miresaka io biby io ihany, fa ny mponina an-tany dia ho “gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany, ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray” (and 8). Ny zava-nisy, dia potika ny fanjakana romana tandrefana tamin’ny taon-jato faha-V (*), raha narodan’ny barbariana. Ny fitsanganan’io fanjakana io amin’ny maty dia hampitolagaga izao tontolo izao. Rariny izany, satria mbola tsy nisy ohatra amin’ny tantara, milaza fa nisy fanjakana, izay rava, nefa miverina indray ary ny fahefany dia mihoatra lavitra ny nananany taloha, izay efa lehibe tokoa. Rariny raha ho gaga amin’izany ny olona, indrindra moa fa io fitsanganana amin’ny maty io dia hiaraka amin’ny fisehoan’ny fahefan’i Satana. Izany rehetra izany no hitarika ny olona hanaiky an-jambany io filoha politika vaovao io, toy ny hanekeny koa ny Antikristy eo amin’ny lafiny fivavahana.

 

(*) Ny fanjakana romana Tatsinana kosa dia nisy hatramin’ny taona 1453.

 

Inona no dikan’ireo tandroka folo amin’io biby io, izay misy diadema tsirairay ? Ny toko faha-17 no manazava izany: “Ary ny tandroka folo izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ny bibi-dia izy. Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibi-dia” (and 12-13). Ireo mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana ireo, toy ireo rantsan-tongotra folo tamin’ny sariolona lazain’i Daniela, dia mampiseho ireo Firenena ho isan’ny Fanjakana romana. Hatreo, dia tsy nisy niaraka tamin’ilay biby izy ireo, fa rehefa tonga ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia homena “fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ny bibi-dia” izy ireo, izany hoe hanjaka hiaraka aminy, nefa mandritra ny fotoana fohy ihany, ary ilay Biby no hanana ny fahefana amin’ny maha-emperora. Azo tsoahina amin’izany fa ireo Firenena folo lazaina ireo dia hivondrona eo ambany fitarihan’ny emperora, izay hanana fahefana lehibe tokoa, satria ireo mpanjaka folo ireo dia hiray saina, ka hanome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay Biby. Raha ny marina izany, dia havelany ho azy ny fiandrianan’ny fireneny amin’ny lafiny politika, toe-karena ary ara-tafika.

Ny toetra iray mampiavaka ilay Biby koa dia ny fananany loha fito, izay misy anarana fitenenan-dratsy. Ny toko faha-17 no manazava io kisarisary io: “Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy (= Babylona lehibe); ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray kosa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely. Ary ny bibi-dia izay teo ihany, ary tsy eo izao, dia izy no naman’ny fito maha-valo azy ka lasa ho amin’ny fandringanana” (and 9-11). Ny sary an’ohatra amin’ireo loha fito izany dia roa karazana, dia:

  • tendrombohitra fito, izay milaza tsy misy ihambahambana an’i Roma, izay miorina eo ambony havoana fito. Ny foiben’ny Fanjakana izany dia ho any Roma, toy ny tamin’ny taloha.

  • Mpanjaka fito, ary ny dimy tamin’izy ireo dia efa lavo tamin’ny fotoana nisian’io fahitàn’i Jaona io, ny faha-enina nanana ny fahefana, ary ny faha-fito mbola tsy tonga. Raha ny izy, dia fifandimbiasana fahefana fito samihafa ao Roma ireo. Ny dimy voalohany dia efa rava; ny faha-enina no nisy tamin’ny andron’ny apostoly: ny fanjakan’ny emperora; ny faha-fito dia mbola ho avy, nefa hitoetra fotoana fohy ihany (*). Ilay fanjakana faha-valo kosa, dia ilay fanjakana tafarina indray, izay toy ny loha hafa manampy ireo misy nefa mitovy amin'ny iray amin'ireo fanjakana ("izy no naman’ny fito”), izany hoe ny fanjakana entin’emperora izay miverina indray, toy ny loha efa naratra ho faty nefa sitrana indray. Ilay “mpanjaka” faha-valo anefa dia hanana toetra hafa sy miavaka mihitsy, toetra avy amin’i Satana izay niakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, avy amin’ny devoly tanteraka. Io toetra io no hananan’ilay Biby rehefa ho potehina ho mandrakizay izy.

 

(*) Tsy fantatra na ny fomba fitondrana tamin’ny Roma fahagola izany, na mbola ho avy

 

3. Ireo toetra mampiavaka azy. Mampiasa sarin’ny bibi-dia ny Teny — ary bibi-dia masiaka — ilazana rafitra politika iray na olona iray mandà ny fahefan’Andriamanitra. Ny biby dia tsy mahatsiaro ny fisian’ny Ambony noho izy, izay tsy refesi-mandidy na dia tsy hita maso aza. Izany no toetra ifotony ananan’ilay Fanjakana romana sy ny lohany: handà tanteraka an’Andriamanitra izy, tsy hanaiky ny fahefany mihitsy, ary farany aza, dia hiady aminy.

Soritana amintsika ny momba io biby io ao amin’ny Apokalypsy sy Daniela. “Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona” (Apokalypsy 13:2). “Nony afaka izany, dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, ary, indro, ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosohosen’ny tongony” (Daniela 7. 7, 19). Ny zavatra mahagaga, dia ilay biby mahatsiravina hitan’ny apostoly Jaona dia fitambaran’ireo biby telo masiaka ambara ao amin’ny fahitana ao amin’ny Daniela 7. Ao amin’io vokatry ny haratsiam-panahiny farany io no atambatr’i Satana ny toetran’ireo biby telo voalohany, dia ny hafetsena, ny hery, ny hasiahana. Ny fahitan’i Daniela dia mikasika ny fanjakana romana, na ny fahagola na ny ho avy. Nefa ny halozàna sy ny hasiahan’ilay biby lazain’i Daniela dia manamarika indrindra ny Fanjakana romana ho avy, satria amin’izay fotoana izay no hiseho ny herin’i Satana, amin’ny haromotany. “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly, sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny” (Apokalypsy 12:12).

Ny toetra hafan’ilay Biby koa, amin’ny maha-avy amin’i Satana azy, dia miseho amin’ny fitenenan-dratsiny. “Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy… Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra” (Apokalypsy 13:5,6). Daniela koa dia miresaka ireo “zavatra mihoa-pampana” (izany hoe ny fitenenan-dratsy) nataon’ilay “tandroka kely”, sarin’ny lohan’ny Fanjakana romana (7:8,20). Ireo fitenenan-dratsy ireo anefa no hahatonga ny fanasazian’Andriamanitra aminy sy amin’ny fireneny (and 11). Hatao amin’Andriamanitra sy ny olona masina any an-danitra izany fitenenan-dratsy izany — fomba anehoana ny fankahalana sy ny haromotana noho ny tsy fahefana na inona na inona, izay hameno ny fon’io fitaovan’i Satana io, izany. Haromotana noho ny tsy fahefana na inona na inona amin’ireo olona masina any an-danitra, satria ho voaro amin’ny haratsiam-panahiny ireo. Nefa kosa, araka ny mbola ho hitantsika, dia tsy ho toy izany ireo olona masina mbola ho etỳ an-tany, izay hanaparan’ilay Biby ny fanenjehany mahatsiravina.

Toetra hafan’io mpanao didy jadona io ihany koa ny faharanitan-tsainy sy ny fahaizany mampitolagaga. Izao no tantarain’i Daniela: “Nodinihiko ny tandroka, ka indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novòhana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy” (7:8). Azo tsoahina amin’izany fa io filoha io dia tsy fanta-piaviana, haka ny fahefana amin’ny tetika mangina ary handrava Firenena telo amin’ireo folo. Ny “maso toy ny mason’olona” dia manambara faharanitan-tsaina miavaka tokoa, izay hahafahany hanavaka sy hamahavaha ny tranga rehetra amin’ny fahaizana (*)  tokoa ka handrombahany tsikelikely ny fahefana.

 

(*) Nefa io faharanitan-tsaina an’olombelona io (“maso toy ny mason’olona”) dia tsy azo oharina mihitsy amin’ny fahafenoana hananan’ilay Zanak’ondry, aseho amintsika ao amin’ny Apokalypsy ho toy ny manana maso fito.

 

Ny haranitan-tsaina sy ny hakingan’io lehilahy io sy ny teny ho lazainy, dia hahatalanjona ny olona tsy mino, ary tsy ho ela dia hivadika ho fanompoana tanteraka izany. Ambonin’izany koa, ho fantatry ny olona fa Satana no nanome ny fahefan’ilay Biby. “Ary gaga ny tany rehetra nanaraka an’ilay bibi-dia. Ary dia niankohoka teo anoloan’ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ilay bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ilay bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia ? Ary iza no mahay miady aminy ? Dia nomena lela miteny zavatra mihoa-pampana sy fitenenan-dratsy izy… Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Izay voavono, hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” (Apokalypsy 13:3 sy ny manaraka).

Hanampin’io lehilahy io ny avonavony maniratsira sy tsy am-piheverana, ny hafetsena, ny fahasiahana sy ny fanompoana ny herisetra. Ny hafetseny dia hasehony indrindra, afaka telo taona sy tapany, amin’ny fandikany ilay fanekena nataony tamin’ny Jiosy, ary ankoatr’izany, amin’ny fampiakarana ny haren’ilay eglizy sandoka sy fanapotehana azy, rehefa avy nodokadokafany. Ny fahasiahany dia hiseho indrindra amin’ireo olona masina jiosy sy jentilisa, izay henjehiny sy ho vonoiny an’alinalina. Ny fanompoany ny fahatanjahana sy ny herisetra no hanosika azy hamotika ireo rehetra mitady hanakantsakana ny zavatra kendreny. “Handrava ny tany rehetra (izy), ary hanosihosy sy hanorotoro azy” (Daniela 7. 23). Hamono mpanjaka telo izy (Fanjakana telo) ary hanandevo ny sisa hafa.

Ireo no toetra manamarika indrindra io lehilahy avy amin’ny devoly io sy ny rafitra politika izay hapetrany.

 

4. Ny asa ataony indray, dia hahafoaka na ny lafiny politika na ny lafiny ara-pivavahana.

Hiezaka izy, araka ny efa nasehontsika, ny hanamafy orina sy hampitombo tsikelikely ny fahefany amin’ireo Fanjakana avy amin’ny fanjakana nentin’emperora taloha. Izany no anehoan’i Daniela azy amin’ilay tandroka kely mihalehibe sy misondrotra foana, ary maharesy ireo sisa hafa amin’ny farany (7:20).

Ny hetsika lehibe hafa koa izay lazain’ny faminaniana amintsika dia ny fanekena hataony amin’ny Jiosy mandritra ny fito taona, amin’ny fiantombohan’ny fakàny fahefana. “Ary hanorina fanekena herinandro amin’ny maro izy” (Daniela 9. 27). Angamba hiseho amin’izy ireo ho toy ny mpiaro azy izy ka hanampy azy hody any Palestina. Nefa dia melohin’Andriamanitra toy izao izany fanekena izany: “Koa mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity. Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita, ka na dia ho avy aza ny loza manafotra (= ilay Asyriana), dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka no fierena… Hofoanana ny fanekenareo amin’ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fiainan-tsi-hita; raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo” (Isaia 28:14 sy ny manaraka).

Raha ny zavatra hiseho, dia ho tapahin’ny lohan’ny Fanjakana romana io fanekena io afaka telo taona sy tapany. “Ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro (izy)” (Daniela 9. 27). Ireo Jiosy efa nody tany Palestina dia efa ho nahavita ny tempoly, ho namerina ny fanatitra sy ny fombafomba jiosy, nefa tsy midika akory izany fa niova fo izy ireo. Ny mifanohitra amin’izany aza, tena hiodina tanteraka amin’ny fivavahana marina sy hikomy amin’Andriamanitra izy ireo, afa-tsy ireo sasantsany tena mino. Indro anefa fa eo amin’ny antsasaky ny herinandro, dia hiova tampoka ny fihetsik’ilay mpanao didy jadona aminy ka raràny daholo ny fandaminana rehetra momba ny fanompoam-pivavahana jiosy ary asainy ajanona ny fanatitra alatsa-dra. Ampian’i Daniela hoe: “Ary hitady hanova fotoana (izany hoe ny andro tsy fiasàna) sy lalàna (izy) (dia ny didy ao amin’ny lalàn’i Mosesy izany); ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa  ary ny antsasaky ny fetr’andro (= telo taona sy tapany)” (7:25).

Amin’io fotoana mampivarahontsana io no hipoiran’ny Antikristy (*), ilay lehilahin’ota, izay hiray hina amin’ny Biby romana mba hanenjika ireo olona masina sy hanapotika azy ireo raha azo atao. Izany no fiantombohan’ny fahoriana lehibe, ireo enimpolo sy roanjato sy arivo andro hisian’ny fizahan-toetra tsy hay lazaina izay hianjady amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Mandritra io vanim-potoana io no hanehoan’ilay mpanao didy jadona ny hafenoan’ireo toetra efa nolazaintsika: ny avonavona, ny fankahalana an’i Kristy sy ny olony, ny fahasiahana, ny fitenenan-dratsy. Izany no hanipihin’ny mpaminany Daniela, toy ny Apokalypsy koa, io tapany farany amin’ny herinandro io. “Ary nomena fahefana (izany hoe hanao zavatra goavana) mba hiasa mandritra ny roa amby efapolo volana (izy)” (Apokalypsy 13:5). Azo tsoahina amin’izany fa ny tena asan’ilay mpanao didy jadona dia hiseho mandritr’io fe-potoana roa amby efapolo volana io, na enimpolo sy roanjato sy arivo andro (**). Amin’io fotoana io koa no handroahana an’i Satana avy any an-danitra sy anipazana azy etỳ an-tany, miaraka amin’ireo anjeliny, aorian’ilay ady ifanaovany any an-danitra amin’i Mikaely sy ny anjeliny. Ary manampy ny Teny hoe: “Loza ho an’ny tany sy ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny” (Apokalypsy 12:12). Io “andro kely” ananan’i Satana io dia ilay fe-potoana enimpolo sy roanjato sy arivo andro, izay hametrahana ny fahavetavetana mahatonga fandravana (= ny sampy izay mahatonga fandravana, izany hoe ny sarivongan’ilay Biby romana) ao amin’ny tempoly ao Jerosalema. Ho fotoana fanenjehana mahatsiravina tokoa io. Fa ireo fanenjehana ireo dia hahatratra ihany koa ny olom-boavidy avy amin’ny firenena hafa. “Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy... Hampahory ny olo-masin’ny Avo indrindra (izy)” (Daniela 7. 21,25). “Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy” (Apokalypsy 13:7). Amin’io faharomotana hanenjika io, dia hahita mpanampy mitovy hasiahana aminy ilay mpanao didy jadona, dia ny Antikristy: izy no hanao ny vongatsarin’ny emperora ao amin’ny tempolin’i Jerosalema, sary izay omeny aina sy fitenenana; ary izay rehetra mandà ny hiankohoka eo anoloany dia hovonoina (and 14 sy manaraka). Hisy fifanarahana akaiky izany amin’ilay mpanao didy jadona politika sy ny fitaovan’i Satana ara-pivavahana, dia ny Antikristy. Ity farany ity dia hanana ny fahefan’ilay voalohany rehetra ary hanery ny olona hiankohoka eo anoloan’ilay Biby romana ka hanaiky ny hitondra ny marika amin’ny tànana na ny handrina. Io fiarahana amin’ny ratsy io dia hitohy mandra-pahatongan’ny fitsarana farany izay hataon’ny Tompo mihitsy, amin’ny fotoana izay hiheveran’ireo mpinamana roa ireo hiady aminy, ao Harmagedona.  

 

(*) Marina fa efa alohan’ny antsasaky ny herinandro farany izy dia efa hanjaka, nefa mbola tsy tonga amin’ny hafenoan’ ny haratsiam-panahiny.

(**) Ao amin’ny Daniela 12. 11, io fe-potoana io dia 1290 andro, izany hoe misy 30 andro fanampiny, ilaina amin’ny fanadiovana tsy maintsy atao aorian’ny hamotehana ilay fahavetavetana (= sampy) mitondra fandravana. Ny tena fandriam-pahalemana dia tsy ho tafapetraka raha tsy aorian’ny 1335 andro. Izany no antony nanoratana hoe . “Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telopolo amby telon-jato sy arivo” (12:12)

 

Hanaraka tsy ho ela io fitsarana io ny fametrahana ny fanjakana arivo taona, ka hifindra eo an-tànan’i Kristy ny fahefana fa tsy ho an’ny olombelona intsony. Hamarinin’ny tsongandahatsoratra maro ao amin’ny bokin’ny mpaminany Daniela sy ny Apokalypsy izany. Ndeha hotanisaintsika ireo lehibe indrindra.

“Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. Dia mbola nijery ihany aho, noho ny feon’ny teny mihoa-pampana notenenin’ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ny afo mirehitra izy… Ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehiny. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava” (Daniela 7. 9 sy manaraka).

Ao amin’ny Daniela 2, dia tantaraina koa ireo hetsika manetriketrika ireo, ary ny fanoharana ampiasaina amin’izany dia ilay vato izay nendahina tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tànana, izay nanorotoro ny tongotr’ilay sariolona, nanapotika azy tanteraka ary tonga tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. Izao no fanazavana io zavatra io: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorontoroiny sy holevoniny, fa izy kosa dia hitoetra mandrakizay” (2:44).

Farany, ao amin’ny Apokalypsy koa dia misy fanoritana mahatalanjona tokoa momba ny fitsarana ilay Biby romana. Misokatra ny lanitra; ny Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo no mivoaka, mitaingina soavaly fotsy ary arahin’ireo miaramilany. Mivonona ny hanitsaka “ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha” Izy. Eo ny lohan’ny Fanjakana romana, otronin’ireo mpanjakan’ny tany sy ilay mpiara-dia aminy, dia ny Antikristy, miaraka amin’ireo miaramilany tsy tambo isaina, mivory hiady amin’i Kristy sy ny olony masina. “Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan’ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony” (Apokalypsy 19:19 sy manaraka).

Izany no fiafaràn’ny lohan’ny Fanjakana romana sy ny mpiara-dia aminy, dia ny Antikristy. Ny andininy manaraka dia milaza fa hofatorana ny devoly ka hatsipy ho any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona, fotoana izay handraisan’ny tany rehetra ny fitahiana entin’ny Fanjakana arivo taona, izay tapahin’i Kristy, ary hojerentsika amin’ny fizarana fahefatra amin’ity boky ity izany. Alohan’izany aloha, dia hodinihintsika amin’ny antsipiriany etsy an-daniny izay lazain’ny Teny momba ny fikambanan’ireo firenena nikomy tamin’Andriamanitra sy Kristy, ary etsy an-kilany, ny fitsarana  hihatra aminy izay hahatonga ny fanafahana an’i Isiraely sy ny fiafaran’ny “fotoanan’ny jentilisa”.

Tsy ihambahambana fa ny tranga sasany amin’izao fotoana izao dia efa manambara ireo tranga lehibe amin’ny faminaniana vao noresahintsika teo. Ireo tany tandrefana dia miezaka ny hivondrona, hany ka tsy ho sarotra aminy ny hanaiky fahefan’olon-tokana, rehefa hiseho io ka hampanaiky ny fahamboniana nomen’ny devoly azy, amin’ny zavatra rehetra. Eo amin’ny lafiny ara-pivavahana indray, dia efa mahita fironana mazava koa isika, hitondra amin’ny fiodinana sy ny fanompoan-tsampy amin’ny farany. Matoa mampitandrina antsika Andriamanitra, dia satria tiany ho mailo isika ka tsy hiara-hiombona amin’izao taonjato izao. Enga anie Izy hiaro antsika amin’izany noho ny fahasoavany! Adidintsika izany ny mandinika ny teny faminaniana ka mitandrina ilay fampitandremana manetriketrika hoe: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany” (Apkalypsy 16. 15).

 

4.3.3  TOKO 3 — Ny ora fizahan-toetra sy ny fotoan’ny fahatezerana

1. Ny fotoana aorian’ny fampiakarana ny Eglizy dia hiavaka noho ireo fitsarana mampahatahotra hihatra na amin’i Isiraely na amin’ny jentilisa. Na izany aza anefa, dia ilaina ny manavaka ny ora fizahan-toetra izay hanomboka raha vao tonga ny Tompo, sy ny andron’ny fahatezerana, izay hanomboka amin’ny fotoana hanipazana an’i Satana avy any an-danitra ho etỳ an-tany ka hamitahany izao tontolo izao (Apokalypsy 12:7-12). Ireo fitsarana amin’io fotoana faharoa io dia ho mafimafy sy henjana kokoa noho ny hihatra amin’ny olona amin’ilay voalohany. Nefa, na dia mandritra ny oran’ny fizahan-toetra aza, dia hahatsiravina tokoa ny fijalian’izy ireo, hany ka hihevitra izy fa efa tonga ny andron’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry (Apokalypsy 6:17).

Ny oran’ny fizahan-toetra dia soritana ao amin’ny tsongandahatsoratra maro, indrindra fa ao amin’ny Matio 24: “Ary handre ady sy filazana ady ianareo… Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana, ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samihafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana” (and 6,7,8). Hisy kristy sandoka hitsangana ka hamitaka olona maro; ho halan’ny jentilisa ny mpino amin’ireo sisa tavela jiosy, ary henjehina sy ho vonoina. Araka ny ho hitantsika aoriana, dia hitovy amin’izany ihany koa no hanjo ireo olona avy amin’ny jentilisa izay nandray ny filazantsaran’ny fanjakana izay ho toriana hatraiza hatraiza mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” (and 14).

Io vanim-potoana io, izay antsoin’ny Tompo hoe “fiandohan’ny fahoriana”, dia hisy ireo fitsarana ambara ao amin’ny Apokalypsy amin’ireo tombo-kase fito sy ireo trompetra enina voalohany (toko 6-9), izay hodinihintsika aoriana (pejy 99 hatramin’ny 103). Tsy voalaza ny tena faharetany, nefa ny fotoanan’ny fahatezerana dia voambara mazava amin’ny tsongandahasoratra maro (telo taona sy tapany, roa amby efapolo volana na enimpolo sy roanjato sy arivo andro).

Ny vanim-potoana aorian’ny ora fizahan-toetra, ho an’ny jentilisa, dia fotoanan’ny fahatezeran’Andriamanitra; ho an’ireo sisa tavela kosa, dia io no fotoanan’ny fahoriana lehibe, izay hifarana ihany amin’ny fanafahana azy ireo, rehefa hiseho amin’ny voninahiny ny Tompo. “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ny olona” (Romana 1:18). Ho tanterahana izany “amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra” (Romana 2:5). Amin’io vanim-potoana io no hisy ireo fitsarana soritana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-10 hatramin’ny faha-19, ary hanomboka rehefa hatsipy etỳ an-tany i Satana (Apokalypsy 12:7-12). Satria fantany fa kely sisa ny androny sady tezitra mafy izy noho ny nandroahana azy avy any an-danitra, dia hiezaka izy hitazona ny fahefany etỳ an-tany amin’ny fanoherana an’Andriamanitra amin’ny famotehana ireo olona masina. Fitaovana telo no hampisainy hanao izany, dia ny Biby romana, ny Antikristy ary Babylona lehibe.

 

2. Ndeha hisaintsaina ireo tsongandahatsoratra mitantara izany zavatra mampihorohoro izany isika.

Matetika ny mpaminany Isaia no miresaka izany zavatra izany. “Fa misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra, ary izay misandratra rehetra, ka dia haetry ireny… Ary ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany. Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa. Ary hiditra ao amin’ny zohy sy ny lava-bato ny olona noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalebiazany rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany izy” (2:12 sy manaraka). “Midradradradrà ianareo fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsi-toha avy amin’ny Tsitoha no fiaviny. Ary noho izany, dia hiraviravy ny tànana rehetra, ary ho kivy ny fon’ny zanak’olombelona rehetra; ho tora-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy… Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao… Ary hatsingeriko amin’izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ny ratsy fanahy ny helony; ary hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona… Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ny fitoerany noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany” (13:6 sy manaraka). “Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany. Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; ary izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voan’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ny tany. Rava dia rava ny tany; mitresaka dia mitresaka ny tany; mihorohoro dia mihorohoro ny tany; mivembena dia mivembena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony. Ary amin’izany andro izany, dia any an-danitra no hamalian’i Jehovah ny antokon’ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany” (24:17-21). “Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ny afo izy” (33:12). “Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany (na fahasaro-piarony); miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy. Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina. Hataoko mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy” (42:13-15). “Hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona” (47:3). “Fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy. Fa indro, Jehovah ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesiny mba hanao famaliana amin’ny fahatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’i Jehovah hifandahatra amin’ny nofo rehetra; ary ho maro ny voaringan’i Jehovah” (66:14-16).

Tsy ho vitantsika ny hitanisa ny tsongandahatsoratra rehetra nosoratan’ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, momba io “andron’i Jehovah” io. Koa dia hionona amin’ny fandikana ny sasantsasany izay maneho mazava indrindra izany andro izany isika. “He! Ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina (na mamafa ny zava-drehetra) ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy; ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany” (Jeremia 30:23-24). “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany” (Ezekiela 30. 2-3). “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny… Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany fa avy ny andron’i Jehovah; eny, efa antomotra izany… andro mandrahona sy maizim-pito… Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro… eny, tsy misy tsy azony… Eo anoloany, dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; ny tarehy rehetra mivaloarika… Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny, ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah, ka iza no mahatanty izany ?” (Joela 1. 15; 2:1 sy manaraka). “Lozan’izay maniry ny andron’i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’i Jehovah ? Dia aizina, fa tsy fahazavana, — tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera… Moa tsy aizina va ny andron’i Jehovah, fa tsy fahazavana ? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany ?” (Amosa 5. 18-20). “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra — Injay! Feon’ny andron’i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony. Ary hampahory ny olona Aho, handehanany toy ny jamba, satria efa nanota tamin’i Jehovah izy; ny rany dia haidina toy ny vovoka, ary ny nofony ho toy ny zezika. Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany” (Zefania 1. 14-18). “Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany” (Malakia 3:19).

Ireo tsongandahatsoratra rehetra ireo dia mampiseho daholo fa mandroso ho amin’ny famaizana mampihorohoro izao tontolo izao — ary azo antoka tanteraka izany. Ho tapitra tanteraka ny oran’ny fahasoavana, “ny taona ankasitrahan’i Jehovah” izay notorian’ny Tompo Jesoa tamin’ny nahatongavany, ary ho soloina “ny andro hamalian’ny Andriamanitsika ny ratsy” (Isaia 61:2; Lioka 4:17-19). Raha namaky io teny io tao amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesoa, dia niato teo afovoan’ny fehezan-teny, satria tamin’izay tokoa no nanokafany ny “taonan”ny fahasoavana, taona izay naharitra efa ho roa arivo taona izao. Ireo izay nandà ny fahasoavana, nefa mbola eto an-tany ihany amin’ny fiverenan’ny Tompo, dia hahita io andro mahatahotra hamalian’Andriamanitra ny ratsy io.

 

3. Fa ny Tompo Jesoa mihitsy ny hanao ireo fitsarana ireo. Ao amin’ny Apokalypsy no hitantaran’ny apostoly Jaona ilay seho manetriketrika izay nahitany boky misy tombo-kase fito, izay tsy maintsy vahana tsirairay, ary ny tsirairay amin’izy ireo dia manambara fitsarana na didy avy amin’Andriamanitra. “Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony (izany hoe horonan-taratasy voasoratra ambadika sy ambadika), voapetaka mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tànan’ankavanan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana (izany hoe Andriamanitra mihitsy). Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny ? Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita mendrika hanokatra ny boky na hijery azy” (5:1-4). Ny dikan’ny hoe mamoha ny boky sy mamaha ny tombo-kase, dia manatanteraka ireo fitsarana nataon’Andriamanitra amin’ny tany. Iray ihany no hita fa mendrika: “Ary ny anankiray tamin’ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. Ary hitako fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’aina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra. Ary tonga Izy, ka nandray ny boky teo an-tànan’ankavanan’Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana. Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manan’aina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ny olona masina izany. Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Ianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy” (and 5-10).

Zo roa no ahafahan’i Kristy hanatanteraka ny fitsarana, dia ny maha-Andriamanitra azy sy ny maha-Zanak’olona azy. Ny maha-Andriamanitra Azy dia aseho mazava, amin’io tsongandahatsoratra io, noho ny fitsanganan’ny Zanak’ondry eo afovoan’ny seza fiandrianana (toa an’Andriamanitra mihitsy), ny fananany tandroka fito (hafenoan’ny hery) sy maso fito izay ny Fanahy fiton’Andriamanitra (fahafantarana ny zavatra rehetra noho ny hafenoan’ny Fanahy). Noho izany, dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Etsy an-daniny koa, dia mendrika ny hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny Izy satria novonoina Izy, ary novidiny tamin’ny rany ho an’Andriamanitra ny olona avy amin’ny fokom-pirenena rehetra: efa nanome ny ainy ho an’ny mpanota Izy, ka manan-jo hitsara ireo izay nanao tsinontsinona ny fitiavany sy nandà ny sorona nataony. “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray…” ary “Nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona” (Jaona 5:22 sy manaraka). Ny hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 5 dia ny fanehoana mialoha ny fiderana ny Tompo, izay hiloatra avy ao am-pon’ny olom-boavidy rehetra rehefa hitsangana hamely ny fahavalony Izy.

Noho izany, toy ny tsy hamonjen’Andriamanitra ny mpanota raha tsy amin’ny alàlan’ny Zanaka no tsy hitsarany azy koa raha tsy amin’ny alàlany. “Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelàn-keloka… Andriamanitra… efa nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alàlan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asa 10:42,43; 17:31. Jereo koa ilay tsongandahatsoratra ao amin’ny Jaona 5 izay efa notanisaina).

Alohan’ny hirosoantsika, dia tokony hiato kely ny mpamaky ka hametraka ity fanontaniana manetriketrika ity amin’ny tenany: “Fantatro ve fa i Jesoa no Mpamonjiko sa tsy maintsy hiatrika Azy aho indray andro any ho toy ny Mpitsarako ?” Raha tsy afaka mamaly tsy misy fihambahambana izy fa efa olom-boavidin’ny Tompo, dia tsy tokony hiandry kely akory alohan’ny hiantorahany eo an-tratrany, amin’izao maha-izy azy izao, dieny mbola misy fotoana. “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:7). Mandre ny feony ianao, ry mpamaky malala, amin’izao fotoana hamakianao izao teny izao. Handà ny hihaino izany antso izany ve ianao ? Hamafisinao ve ny fonao ? Hiseho eo anatrehan’ilay Mpitsara tsy azo hivalozana ve ianao, tsy azo hivalozana satria notsinontsinoavinao ny famonjena nomeny anao maimaimpoana ? Henoy ny lazain’ny Teny: “Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalàna tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa… Fa fantatsika Izay nanao hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly’ ary koa  ‘Jehovah hitsara ny olony’. Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona!” (Hebreo 10:26 sy ny manaraka).

 

4. Ndeha hojerena akaikikaiky kokoa izao ny toetra sy ny vokatry ny fitsarana izay hampiharin’ny Tompo amin’ny jentilisa. Amin’izany, dia hodinihintsika ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Apokalypsy momba ny tombo-kase, ny trompetra sy ny lovia, izay samy miisa fito. Tokony ho azo tsara fa ireo fitsarana samihafa ireo dia tsy zavatra afaka mifanolo toerana akory. Ny tombo-kase, ny trompetra sy ny lovia dia manambara fitsarana vaovao hatrany hatrany, izay tsy manafoana ny vokatry ny fitsarana teo aloha. Noho izany, isaky ny misy loza vaovao, dia miharatsy hatrany ny toe-javatra. Izany koa no manazava fa, amin’ireo sazy ambaran’ny trompetra sy ny lovia, dia mahita fitantarana mampahatsiahy ny sazy nentin’ny famahana ny tombo-kase isika.

Rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny tombo-kase voalohany tamin’ilay boky, dia nahita i Jaona fa “nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipika; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy ary mbola haharesy” (6:2). Mazava fa milaza mpanafika (*)  mahery iray izany, izay hangeja firenena maro noho ny fandreseny mifanesinesy, sady toa mora azo.

 

(*) Angamba ny lohan’ny Fanjakana romana

 

Fa nesorina tetỳ an-tany ny fandriam-pahalemana. “Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, … dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy” (and 3, 4). Ny lokon’ilay soavaly dia manambara ra, famonoan’olona. Natolotra ho an’i Satana ny olona, ka nifamono, ary midika izany fa hisy ady tena hahafaty olona be dia be ary koa ady an-trano.

Aorian’ny ady, dia ny mosary: “Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo,… indro, nisy soavaly mainty; ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan’aina efatra nanao hoe . Venty (*) ny vary tritika (2*) eran’ny fatam-bary (3*) kely, ary venty koa ny vary hordea (4*) intelon’ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao” (and 5, 6). Ny lokon’ilay soavaly — ny mainty — dia midika fisaonana, ary ny mizàna dia milaza famerana, fitantanana am-patrany. Ny teny farany “Aza manimba ny diloilo na ny divay” dia mampiseho fa ny vokatry ny tany hafa dia ho potehina, ka tsy hisy ny zava-pihinana ilaina andavanandro (vary tritika sy vary hordea), hany ka hiakatra ny vidin-javatra.

 

(*) Ny venty (na denaria) dia karaman’ny mpiasa indray andro.

(2*) Ny vary tritika dia ny varim-bazaha (blé)

(3*) Ny fatam-bary dia 1 litatra eo ho eo

(4*) Ny vary hordea dia ny “orge”

 

“Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra,… dia indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany” (and 7,8). Ireo loza mahafaty efatra ireo dia tanisaina koa ao amin’ny Ezekiela 14. 21 (sabatra, mosary, biby masiaka ary areti-mandringana). Ny lokon’ilay soavaly dia lokon’ny fahafatesana. Milaza ny vokatra mahatsiravina aterak’io fitsarana fahefatra io izany: hisy fandringanana olona marobe, ary ny ampahefatry ny mponina etỳ an-tany dia ho faty.

“Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina (*), dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana. Ary ny kintana tamin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ny rivotra mahery izy. Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny fitoerany” (and 12-14). Ao amin’ny Isaia 34:4 dia misy andininy manambara fitsarana mitovitovy amin’izany . “Izay rehetra eny amin’ny lanitra dia ho levona, ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny aviavy” (vakio koa Matio 24:29 sy Lioka 21:25-26). Toy ny tamin’ireo fitsarana nambaran’ny tombo-kase teo alohany, dia sary an’ohatra koa izany. Noho izany, tsy tokony ho raisina ara-bakiteny izany faminaniana izany ka hoe hisy loza voa-janahary. Raha ny marina, dia izany no anambaran’ny Teny ny fiovàna tanteraka hisy eo amin’ny rafitra politika: ho ravana ny fototry ny fahefana sy ny fanapahana etỳ an-tany, ary ny vokatr’izany, dia ho fikorontanana tanteraka, hany ka hieritreritra ny olona, nefa diso izany, fa efa tonga ny andron’ny fahatezerana. “Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra. Ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no mahajanona ?” (and 15-17). Noho ny fanenjehana natao tamin’ny olona masina, dia ho sazina ny filohan’ny firenena, amin’ny revolisiona mahatahotra tokoa, ary ny vokatr’izany, araka ny efa nambarantsika, dia fanonganana faobe ny rafitra politika rehetra ka ho fanjakan’ny baroa tsy hay lazaina no ho eto an-tany.

 

(*) Ny famahana ny tombo-kase fahadimy dia tsy nahitana fitsarana, fa kosa ny fanekena ny zon’ireo maritiora novonoina taorian’ny fampiakarana ny Eglizy ihany.

 

Ny tombo-kase fahafito no mampiditra ireo trompetra fito, izay manambara fitsarana mifanesinesy vaovao izay mafimafy kokoa noho ny teo aloha, na dia mbola ao anatin’ny fotoana fizahan-toetra aza. Ny toko faha-8 ao amin’ny Apokalypsy dia milaza ny loza ambaran’ireo trompetra efatra voalohany, izay mamely ny zava-boahary: ny hazo, ny ahi-maitso, ny tany, ny ranomasina, ny loharano, ny ony ary ny kintana. Ireo zavatra rehetra nambara ireo dia tokony ho raisina ho toy ny sary an’ohatra, fa tsy ara-bakiteny. Ny tany no toerana itoeran’ny olombelona voa-janahary, hametrahany ireo rafitra politika ilainy sy hivelarany; mifanohitra amin’izany kosa ny ranomasina, izay sarin’ny sarababem-bahoaka miaina ao anaty baranahina. Ny ahi-maitso dia manambara ny fivoarana ara-toe-karena, ary ny hazo dia ireo lasa lehibe etỳ an-tany (ny mpanan-karena); ny loharano dia ohatry ny nipoiran’ny hevitry ny zanak’olombelona (ny tontolo ara-tsaina izany) ary ny ony dia ireo fantsona iparitahan’izany hevitra izany, izany hoe raha velarina kokoa, dia ireo saranga samihafa amin’ny fiaraha-monina. Farany, ireo kintana na ny jiro manazava ny tany dia manondro ireo manam-pahefana, ary ny filaharan’izany fahefana izany dia asehon’ireo kintana tanisaina (masoandro = fahefam-panjaka; volana = fahefana nomen’ny mpanjaka; kintana = fahefana voafehy).

“Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo…. Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharora ka nararaka tamin’ny tany izany; ary may ny ampahatelon’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny hazo ary may koa ny ahi-maitso rehetra” (and 1-7). Ny havandra dia loza mahery vaika, mamely tampoka; ny afo dia manambara ny fitsaràn’Andriamanitra ny haratsiana. Ny havandra sy ny afo dia noharoharoina ra, izany hoe ireo loza ireo dia hiteraka fahafatesana sy fanimbana. “Ny vokatra ivelany hita amin’ny fitsarana, dia ny fanapotehana ireo lehibe amin’ny tany tandrefana, ny fanapotehana izay rehetra najaina avo tokoa, ary ny fanapotehana ny fivoarana ara-toe-karena eran-tany” (J.N.D.) Izany no ambaran’ny “hazo” sy ny “ahi-maitso” izay may.

“Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga ra ny ampahatelon’ny ranomasina, ary maty ny ampahatelon’ny zava-manan’aina tao an-dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ny sambo” (and 8, 9). Ilay tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina dia fahefana lehibe apetraka etỳ an-tany, toy ny fitsaràn’Andriamanitra (ny afo), hifehy ireo firenena mikorontana (ny ranomasina) ary manapotika azy ireo (lasa ra ny ranomasina ary ny ampahatelon’ny zava-manan’aina tao dia maty). Miaraka amin’izany ny fanapotehana ny rafi-pivarotana (ny ampahatelon’ny sambo no rava).

“Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ary latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany; ary ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano; ary maro ny olona no matin’ny rano, satria efa nangidy izany” (and 10, 11). Io kintana lehibe latsaka avy any an-danitra io dia manondro olona manana fahefana lehibe, na dia fahefana misy mifehy aza izany (kintana, fa tsy masoandro), ary ny fianjerany mitalakotrokotroka, noho ny fitsarana, dia hanapoizina ireo loharano ipoiran’ny lalàm-pitondrantenan’ny zanak’olombelona. Vokatr’izany, ny fahafatesana ara-moraly; nahasarika tanteraka izao tontolo izao io olona io, hany ka naka tahaka azy daholo ny olona (lasa nangidy toy ilay kintana ny rano). Miova daholo izao rehetra izao: lasa fanjakàn’ny fifankahalana, fanjakàn’ny baroa, fanandevozana.

“Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro, mba ho toy izany koa ny alina” (and 12). Ny fahefam-panjaka (ny masoandro) ary ny fahefana feheziny (volana sy kintana) dia tratran’io fitsaràn’Andriamanitra io, ao anatin’ny Fanjakana romana. Vokatr’izany dia fikorontanana lehibe (maizina ny andro, satria nasiana ny fahazavan’ny masoandro). Io faminaniana io dia tokony hampifandraisina amin’ny voalaza ao amin’ny Apokalypsy 12:4, izay ahitana ny dragona (Satana) manala ny ampahatelon’ny kintana eny an-danitra ka manjera azy etỳ an-tany: ireo fahefana ireo dia manambara ampahibe-maso ny fiafaran’ny fifandraisany amin’Andriamanitra ary ny fanekeny ny fahefan’i Satana. Very ny fahazavana nitarika ny zanak’olombelona, hany ka tafalentika tamin’ny aizina tanteraka izy, amin’ny lafiny fitondrantena.

“Dia nahita sy nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra aho, izay nanao tamin’ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany noho ny feo sisa an’ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!” (and 13). Ny voromahery dia sarin’ny fahainganan’ny fitsarana ho avy. “Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa. Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka. Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ny setroka nankamin’ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ny maingoka amin’ny tany. Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany. Nefa tsy navela hahafaty azy izy, fa ny hampanaintaina azy dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ny maingoka, raha mamely olona. Ary amin’izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra azy ny fahafatesana. Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin’ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’olona. Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ny liona. Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ny ady. Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin’ny rambony no misy ny heriny ampahoriany ny olona dimy volana. Ary manana ny anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ny teny Hebreo dia Abadona (lavaka tsy hita noanoa, fandringanana), fa amin’ny teny grika kosa, dia Apolyona (Mpandringana) no anarany” (9:1-11).

Io filazalazana lava be io dia mampiseho tsara ny hahalehibe sy ny hahaloza ny fitsarana nambaran’ny trompetra fahadimy. Io filoha izay manana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa io dia fitaovan’i Satana tena mampitahotra tokoa. Nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa ary ny setroka nivoaka avy tamin’izany dia sarin’ny firehetan’ny haratsiam-panahin’i Satana, romotra noho ny fitsaran’Andriamanitra. Ny asa fandrodanan’ny faharatsiana dia niseho eran-tany (niparitaka eran’ny tany ny valala) ary nampijaly ny olona, nefa tsy mikasika ny fivoarana ara-toe-karenan’izao tontolo izao (ny ahi-maitso sy ny zava-maitso) na ny halehiben’ireo ambony eto an-tany (ny hazo), fa mamely kosa ireo izay tsy nanana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny (ny vahoaka Jiosy tsy mpino sy ny kristiana mpiodina). Ka toy ny kaikitry ny maingoka, izay indraindray foana no mahafaty, dia tsy mitarika fahafatesana io fitsarana io, nefa kosa mitondra fanaintainana tsy laitra, hany ka mitady fahafatesana ny olona hialàna amin’izany. Mety ho fandringanana ara-moraly izany (fanenjehana politika ?) ary ny fanindronana tamin’ny rambon’ireo valala dia angamba ny foto-kevitra sy ny foto-pampianarana nomena an-keriny ny olona mba tsy hampandry saina azy. Izany koa no manazava fa tsy hahatratra ireo olona manana ny tombo-kase avy amin’ny foko roa ambin’ny folo io loza io.

“Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo avy tamin’ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan’Andriamanitra aho, nanao tamin’ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe. Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon’ny olona. Ary ny isan’ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho. Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ny fahitana sy izay nitaingina azy: manam-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny hyakinta ary ny solifara izy; ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy amin’ny vavany. Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka avy tamin’ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona. Fa ny herin’ny soavaly dia eo amin’ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory” (and 13-19).

Ny feo izay miantso io “loza” faharoa io dia mivoaka avy ao amin’ny alitara volamena, ary eo amin’ny tandrok’io alitara io no nitondrana ny ran’ny ny fanatitra amin’ny andro fanonerana. Io fitsarana io izany dia vokatry ny fanelanelanana ataon’ny Tompo ho an’ireo olony masina; natao hamaliana azy ireo noho ny fanenjehana nahazo azy, na dia tsy voalaza mazava aza, toy ilay “loza” teo aloha, fa tsy ho voany ny mpanompon’Andriamanitra. Io tafika goavana misy miaramila mitaingi-tsoavaly roanjato tapitrisa io dia avy any atsinanana (*)(ny ony Eofrata no nanamarika ny sisin-tany atsinanana tamin’ny Fanjakana romana) ary miakatra hatrany afovoan’ny fanjakana tandrefana (ny ampahatelon’ny olona no maty). Ny heriny sy ny fomba fiadiny dia tena avy amin’ny devoly tokoa (ny afo sy ny solifara amin’ny fiarovan-tratrany sy mivoaka avy amin’ny vavan’ny soavaly) ary mafimafy kokoa noho ilay fitsarana teo alohany io: ny zavatra ambarany no entiny hamonoana, miseho amin’ny endriny rehetra ny herin’i Satana, mahita mialoha ny atao hoe helo ny olombelona (main’ny afo sy ny solifara izy). Nefa mbola tsy mibebaka ihany izy (and 20, 21).

 

(*) Tena ny tafika avy any Asia io.

 

Ny trompetra fahafito (11:15-18) dia tsy manambara fitsarana manokana, fa ny fitsarana farany, ny fametrahana ny fanjakan’i Kristy, ny fitsarana ny maty, ny valisoan’ny marina.

 

5. Ndeha hojerentsika izao ny fitsarana soritana ao amin’ny toko faha-16 ao amin’ny Apokalypsy, amin’ny kisarisarin’ireo lovia fito misy ireo loza fito farany alefan’ireo anjely fito etỳ an-tany. “Ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’Andriamanitra” (15:1). Miditra amin’ny vanim-potoana antsoina hoe “andron’ny fahatezerana” isika. Ny loza entin’ireo lovia ireo no hamarana ireo fitsarana natomboky ny tombo-kase sy ny trompetra. Tonga amin’ny fara-tampony ny fahatezeran’Andriamanitra ka hanomezany ny ratsy ny valin’ny fahotany; izany no mamarana ny “zava-miafina ao amin’Andriamanitra”, izany hoe ilay fahanginany hatramin’izao manoloana ny faharatsiana sy ny fikomian’ny olona aminy.

Ireo fitsarana mifanesy ireo, na dia misy itovizana amin’ny nambaran’ny trompetra aza, — ny tany, ny ranomasina, ny ony, ny loharano ary ny masoandro dia samy asiana indray — dia hihanaka kokoa: tsy ny “ampahatelon” ny tany intsony no ho voa, izany hoe ny Fanjakana romana tandrefana, fa ny tany iray manontolo, ary hiha-mafy izany.

“Ary nahare feo mahery avy tao amin’ny tempoly aho nanao tamin’ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ny tany ny ao amin’ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ny sariny” (16:1, 2). Io fitsarana io dia mihatra indrindra indrindra amin’ireo Jiosy mpiodina, ary hitondra amin’izy ireo fangitakitahana sy fahatram-panahy, vokatry ny fahalotoana nisy teo aminy sy ny fanalavirany an’Andriamanitra. Handripaka ny faharatsiana, ho soloina aizina ny hazavana, lainga ny fahamarinana; ireo ony mandrevon’ny fahotana no hihanaka hatraiza hatraiza, ary hitondra fahalòvana tanteraka izany, izay ho sazina amin’ny “vay ratsy sady mampahory”.

“Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ranomasina; dia nody ra tahaka ny ran’ny olona maty ny ranomasina; ary maty ny zava-manan’aina rehetra tao aminy” (and 3). Mihatra amin’ireo vahoaka mikorontana (ny ranomasina) ny fitsarana ka mahatonga ny fahafatesany ara-panahy sy ny fialàn’izy ireo amin’izay mety ho fivavahana rehetra.

“Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ny ony sy ny loharano, dia nody ra ireny. Ary nahare ny anjelin’ny rano aho nanao hoe: Marina Ianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray masina, satria efa nitsara toy izany Ianao; fa ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia ra kosa no nomenao hosotroiny; ary tandrifiny ho azy izany. Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao” (and 4-7). Ireo fitsipika ara-moraly rehetra, izay loharanon’ny fiainan’ny olona (ony sy loharano) dia simba ka mahatonga fahafatesana ara-panahy (miova ho ra); io fitsarana io dia natokana manokana koa ho an’ireo nanenjika ny olona masina sy ny mpaminany, ary valin’ny fanelanelanana nataon’ireo fanahin’ny maritiora izany (manambara ny fahamarinan’ny fitsaràn’Andriamanitra ny alitara).

“Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ny afo izy. Ary main’ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy” (and 8-9). Ny fahefana fara-tampony (ny masoandro) dia mandoro fa tsy manazava ary lasa fitaovam-pamoretana mahatahotra tokoa. Tsy ahatonga ny olona hibebaka anefa izany, fa vao mainka miteny ratsy ny anaran’Andriamanitra izy ary mihataka Aminy bebe kokoa.

“Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ny seza fiandrianan’ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana dia niteny ratsy an’Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ny asany” (and 10-11). Ny fitsarana fahadimy dia mahazo ny fitondrana ao amin’ny Fanjakana romana, ary ny vokany dia handentika ny fanjakana iray manontolo ao anatin’ny aizina. Mahatsiravina tokoa ny fanaintainana ara-panahy amin’izany (mitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana ny olona) ary vao mainka mitombo ny fikomiana amin’Andriamanitra, ary fambara amin’ny famoriana ny hery hiatrika ilay ady lehibe farany izany.

“Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony, hanamboarana ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” (and 12). Ny ony Eofrata no sisin-tany atsinanana tamin’ny Fanjakana romana ary manasaraka azy amin’ireo andiana barbariana avy any atsinanana. Ny tsy fisian’io sakana io dia manokatra ny làlan’izy ireo hanafika an’i Palestina. “Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibi-dia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha… Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireny” (and 13-16). Miditra an-tsehatra ireo olona telo avy amin’ny devoly mba hanangonana ny hery rehetra misy eo aminy hiatrehana ilay ady farany hifanoheran’ny tsara sy ny ratsy, ny lanitra sy ny tany. Ny fahefana mpaniratsiran’i Satana (fanahy maloto mivoaka avy amin’ny vavan’ny dragona), ny an’ny Fanjakana romana natsangana tamin’ny maty (ny Bibi-dia) ary ny an’ny Antikristy (ny mpaminany sandoka) no mivondrona ka manosika ny firenena hanambatra ny tafiny hiadiana amin’Andriamanitra sy amin’ny Zanak’ondry (cf Salamo 2:2). Io asa famitahana io dia ampiarahina amin’ny fahagagana, izay hanatratraran’ireo olona telo ireo ny tanjony. Nefa mampitandrina amin’ny fomba manetriketrika ny olony ny Tompo, mba hahamailo azy amin’io herin’ny lainga io ary hampiorina ny finoany eo anoloan’ny fizahan-toetra: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany” (and 15). Ho an’ireo tsy mpino no ahatongavany toy ny mpangalatra; ho an’ny olony kosa, dia Izy no ilay Mpamonjy mahery hanafaka azy ireo sy hanamontsana ny fahavalony.

“Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny tempoly, teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ny olona tetỳ ambonin’ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’Andriamanitra, mba omena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany. Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany” (and 17-21). Io fitsarana farany io no manamarika ny fahatezeran’Andriamanitra fara-tampony, izay soritan’ilay feo mahery avy ao amin’ny tempoly, manao hoe: Vita! Io horohorontany mahatsiravina io, izay mbola tsy nisy toa azy, dia maneho an-tsary ny fihinjihinjirana eran-tany izay hiseho amin’izany andro izany ka hitarika ny faharavan’ny rafitra politikan’ny Fanjakana romana (ny tanàn-dehibe dia ho vaky telo) sy ny firenena ivelany (ny tanànan’ny firenena). Potika tanteraka ny kolon-tsaina tandrefana (Babylona lehibe), foanana ny toe-karena (ny nosy, sarin’ny sisin-dranomasina amin’ny lafiny fifanakalozana ara-barotra), ireo rafitra politika dia aongana sy foanana (ny tendrombohitra). Ity lovia farany ity dia mampahatsiahy ny fitsarana ambaran’ny mpaminany Hagay: “Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany, dia hahohoko ny seza fiandrianan’ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena” (2:21-22). Ireo loza ireo dia miendrika sazy avy tampoka, mihoatra ny sasany rehetra ny hamafiny, ary mihatra amin’ny olona rehetra (havandra vaventy lanjan-talenta iray, izay vola mavesatra indrindra); nefa mbola manohy ny fitenenan-dratsiny ihany izy, mandra-pahatongan’ny andro izay hisehoan’ny Zanak’ondry Izy tenany mihitsy miaraka amin’ireo miaramilany avy any an-danitra sy hamontsanany azy.

Alohan’ny hijerentsika io fiafarana mampalahelo io, dia ndeha aloha hodinihina ny làlan’Andriamanitra feno fahasoavana ho an’ireo olona avy amin’ny firenena izay nanaiky ny filazantsaran’ny fanjakana ka nandà ny hankatoa an’i Satana sy ny fitaovany.

 

6. Araka ny efa hitantsika raha nandinika ny ho avin’ny làlan’Andriamanitra momba an’i Isiraely isika nandritra ny fahoriana lehibe, dia hisy sisa tavela hiova fo ka hanambara ny filazantsaran’ny fanjakana any amin’ny firenena. Io filazantsara io dia efa notorian’i Jaona Mpanao batisa taloha (Matio 3:1,2), avy eo notorian’ny Tompo Jesoa mandra-pandà Azy (Matio 4:23; 9:35; 11:5; 12:28; Marka 1:14; Lioka 4:43; ny fanoharana momba ny fanjakan’ny lanitra ao amin’ny Matio 13; 20:1-16; 22:1-14), ary notorian’ny mpianatra (Matio 10:7). Amin’ny ho avy, dia mbola ho toriana ihany io mandritra ny fahoriana lehibe, alohan’ny hisehoan’ilay Mpanjakam-boninahitra. Efa nambaran’ny Tompo ao amin’ny Matio 24:14 izany: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany”. Ny hafatra ao amin’io filazantsara io dia fintinina ao amin’ny Marka 1:15 toy izao: “Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakàn’Andriamanitra; mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara” (vakio koa Matio 3:2). Io no vaovao mahafaly manambara ny tanjon’Andriamanitra, dia ny hametrahana etỳ an-tany, araka ny teny fampanantenana nataony tamin’i Davida ao amin’ny 2 Samoela 7:16, fanjakana iray maneran-tany eo ambany fahefan’ilay tena Davida sy ilay tena Solomona, dia i Kristy, Mpanjakan’ny fahamarinana sy fiadanana (Daniela 7. 14; 9:24).

Mba hahazoana anjara amin’ny fitahiana ampanantenaina ao amin’io filazantsaran’ny fanjakana io, dia tsy maintsy — tamin’ny andron’ny Tompo — ary tsy maintsy — amin’ny fitoriana azy aoriana — mibebaka sy mino io vaovao mahafaly amin’ny fahatongavan’ny Mpanjaka io (*). Io filazantsara io, izay tsy mitovy amin’ny filazantsaran’ny fahasoavana toriana ankehitriny — izay manambara ny vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka noho ny finoana ny Tompo Jesoa sy ny asa fanonerany teo ambony hazo fijaliana (**) — dia hahatonga olona maro hanaiky ny fahefan’Andriamanitra ka handà ny hankatò ny an’i Satana sy ny fitaovany, izay hahery tokoa amin’izany fotoana izany.

 

(*) Aorian’ny fisehoany am-boninahitra, dia mbola handefa iraka ihany ny Tompo hanambara ny fiaviany am-boninahitra amin’ny firenena sy amin’ireo olona Isiraely izay tsy vavolombelon’izany (Isaia 66:18-21).

(**) Tsy azo lavina fa tsy hanilika ny asa vita teo ambony hazo fijaliana akory ny fitoriana ny filazantsaran’ny fanjakana. Fa ny fanambarany an’i Kristy dia tsy ilay Tompo sy Mpamonjy nolavin’ny olony ihany, ka nasandratra ho any an-danitra, fa toy ilay Mpanjaka nahazo ny fanjakana tany ambony ka hiverina, izay tsy maintsy hinoana amin’ny fibebahana mba ahazoana miditra ao amin’ilay fanjakana hapetrany am-boninahitra amin’izay fotoana izay.

 

Dia toy izany koa ny filazantsara mandrakizay (Apokalypsy 14:6, 7) izay hotoriana amin’ny mponina etỳ an-tany amin’ny fiafaran’ny fahoriana lehibe sy aloha kelin’ny fitsarana ny firenena resahina ao amin’ny Matio 25:31-46. Tsy ny filazantsaran’ny fanjakana (*) io na ny filazantsaran’ny fahasoavana. Ny Apokalypsy 14:7 no manambara ny votoatiny: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsaràny; ary miankohofa eo anoloan’izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano”. Na dia manambara ny fitsarana aza io hafatra io, dia ho “filazantsara” ihany izy, izany hoe vaovao mahafaly ho an’i Isiraely sy ny firenena handray azy. Ho lasa isan’ireo malala “reraka am-po” izy ireo, ka hilazan’ny mpitory io filazantsara io hoe: “Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isaia 35:4; jereo koa Salamo 96:11-13) (**).

 

(*) Na dia famerenana azy farany aza izany, toy ny hamaranana ny filazantsaran’ny fahasoavana ao amin’ny hafatra ao amin’ny Apokalypsy 22:12 sy 17b.

(**) Raha ny marina, ny filazantsara mandrakizay dia manambara ny faharesen’i Satana sy ny fahataperan’ny fanjakany atỳ an-tany. Amin’izay fotoana izay, dia ho afaka hampita ny fahafenoan’ ny fitahiany amin’ny olombelona Andriamanitra. Izany no antony hiantsoana ireo hitoriana ity filazantsara ity hatahotra Azy, hankalaza Azy sy hanome voninahitra Azy amin’ny maha-Mpahary izao tontolo izao Azy. Ny Salamo 19:1-3 dia mazava fa miresaka ny filazantsara mandrakizay (jereo koa Romana 1:18-21; Asa 17:24-31). Tsotra dia tsotra izany hafatra izany, hany ka azon’ny olona rehetra na dia ireo tsy mandray azy aza.

 

Ny vokatry ny fitoriana io filazantsaran’ny fanjakana io sy ny filazantsara mandrakizay dia soritana ao amin’ny Apokalypsy 7: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry” (and 9-10). Ary soritan’ny mpaminany ery aoriana fa: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasàny sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Ary noho izany, dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy, ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano lainy handrakotra azy. Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony” (and 14-17).

Ireo jentilisa tsy tambo isaina ireo, izay tsy nandre taloha ny filazantsaran’ny famonjena, dia ho vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra mbola mihatra ihany mandritra ny fitsarana. Mitafy akanjo fotsy izy ireo, ary midika izany fa ambara ho olo-marina izy. Nijaly ho an’i Kristy izy ary naharesy. Ekena am-pahibemaso ho toy ny olom-boavidy izy, ary ny fahotany dia efa nosasàna tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Hatreto, dia hovelarin’ny Tompo eo amboniny ny trano lainy, izany hoe hampiereny ny loza sy harovany izy, ary tsy avelany intsony hijaly amin’ny hanoanana sy ny hetaheta. Hajanony ny fanenjehana (ny masoandro mamely, ny hafanana), ho entiny any amin’ny loharanon’ny ranon’aina izy ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony. Izany rehetra izany dia ho tanteraka amin’ny fampidirana azy ao amin’ny fanjakana arivo taona izay handimby ny fitsarana. Hofafan’Andriamanitra amin’izay izay mety ho fiantraikan’ny fijaliany noho ny Anarany, ary homeny toerana manokana izy — hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ary hanompo Azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny — tombontsoa manokana izay tsy hananan’ireo olona masina hafa mandritra ny fanjakana arivo taona. Ny sampan-drofia eny an-tànany  dia mariky ny fisitrahany am-piadanana ny hasambarana homen’ny Tompo ny olom-boavidiny rehefa hametraka ny fanjakany etỳ an-tany Izy.

 

 

4.3.4  TOKO 4 — HARMAGEDONA

Ny fanapahan’ilay Biby romana sy ny Antikristy dia hifarana amin’ilay ady lehibe ao Harmagedona. Maro ireo tsongandahatsoratra miresaka ny momba io tranga mahatsiravina io, izay hanamarika ny fara-tampony amin’ny vanim-potoanan’ny fitsarana izay vao nodinihintsika.

 

1. Ao amin’ny Apokalypsy 16 no ahitantsika ny anaran’io ady io: “Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibi-dia ary tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha… Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireny” (and 13-16).

Io anarana io dia ilazàna ny faritr’i Megguido, tanàna any Isiraely, tsy lavitra ny tendrombohitra Karmela, amoron’ny lemak’i Jizreela. Io lemaka io, izay voahodidina tendrombohitra, dia mirefy dimy amby telopolo kilaometatra ny lavany ary dimy amby roapolo kilaometatra ny sakany. Ao no mifanapaka ireo làlana nampitohy fahiny an’i Egypta tamin’i Babylona sy Ninive, Jerosalema tamin’i Tiberiade, Damasy tamin’i Antiokia, hany ka lasa tena toeram-pamaharana (*) mihitsy izy. Tsy ferana koa anefa fa mety nipetraka an-keriny tany amin’ny faritra hafa tao Palestina ny tafiky ny Biby sy ny mpaminany sandoka ary ny an’ireo mpanjaka izay niara-dia taminy.

 

(*) Izany no manazava fa io lemaka io dia nampiasain’ny tafika maro ho tany fiadiana nandritra ny vaninandro nifandimby, nanomboka tamin’ny Farao Totmes i (mihoatra ny dimy ambin’ny folo taon-jato talohan’i Kristy) ka hatramin’i Bonaparte tamin’ny 1799. Efa nifanandrina mafy tao ny Jiosy, ny Egyptiana, ny Persiana, ny Sarrasiana, ny Mpiady masina, ny Druses, ny Tiorka. Tamin’ny andron’i Debora, dia tao no nahazoan’ny Zanak’Isiraely fandresena manetriketrika tamin’ny adiny tamin’ny Kananita (Mpitsara 4. 14-16; 5:19-22). Tao no maty i Josia, raha nitady hanakana ny Farao Neko tsy haka an-keriny an’i Mesopotamia (2 Tantara 35:20-25).

 

2. Hankahala ny Jiosy ny firenena ka hikatsaka izay handringanana azy ireo. Na dia niodina aza anefa i Isiraely, dia mitoetra ho vahoakan’Andriamanitra ihany izy, ary mbola ho izany ihany amin’io vaninandro io. Hiasa ao am-pon’ireo filohan’ny jentilisa ny devoly amin’ny alàlan’ireo fanahy maloto voalaza ao amin’ny Apokalypsy notanisaina teo ambony ireo ka hanosika azy ireo handringana io firenena io, ary indrindra indrindra ny sisa tavela mpivavaka. “Ny olonao no iokoany amin’ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy. Hoy izy: Avia, ka andeha ho fongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’i Isiraely” (Salamo 83:3, 4). “Ary ankehitriny, dia tafangona hamely anao ny firenena maro, izy manao hoe: Aoka halam-baraka Ziona, ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy. Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitr’i Jehovah, na azony ny fisainany; fa efa nanangona azy ho toy ny amboara ho ao am-pamoloana izy” (Mika 4:11, 12). “Ary amin’izany andro izany Jerosalema dia ataoko vato mavesatra ho an’ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany” (Zakaria 12:3).

Ireo hery avy amin’ny devoly izay hitantsika — araka ny kisarisary — nivoaka avy tao amin’ny vavan’i Satana sy ireo mpiara-dia aminy roalahy dia hambabo tanteraka ny mpanjakan’ny tany ka hanosika azy ireo hamaky ady amin’ny Tompo. Ho fantatr’i Satana fa akaiky ny ora izay hisehoan’i Jesoa Kristy any Palestina miaraka amin’ny tafiky ny olony masina. Koa hiezaka izy hanohitra ny fandreseny, amin’ny famoriana manodidina an’i Jerosalema ireo tafika rehetra eran-tany sy avy any amin’ny helo. Rehefa nanolo-tena ho an’ny herin’ny maizina ny olombelona, toy ny hisy amin’izany fotoana izany, dia hahavita zavatra tena diso làlana isan-karazany izy. Nefa “Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany” (Salamo 2:4, 5). “Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ny fahadalana” (Zakaria 12:4). “Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry; ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy” (Apokalypsy 17:14). Izay vao ho tanteraka ny fiafaran’ny fahitana faminanian’i Nebokadnezara, tamin’ilay vato nianjera tamin’ilay sariolona ka namotika ny tongony vy sy tanimanga. “Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena, ka tonga toy ny akofa am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany; ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra… Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, Andriamanitry  ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay” (Daniela 2. 35, 44).

Noho izany, dia any Palestina, tany izay nandàvana sy namonoana Azy, no handringanan’ny Tompo ny fahavalony ka hanatanterahany ny “famalian’i Jehovah” (Jeremia 50:28).

 

3. Ny Testamenta Taloha dia misy tsongadahatsoratra maromaro momba io fivoriana lehibe ao Harmagedona io sy ilay fitsarana haingana dia haingana ataon’i Kristy amin’ireo tafika tsy tambo isaina ireo. Ndeha ho tanisaintsika ny sasantsasany amin’ireo. “Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko atao: hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra” (Zefania 3. 8). “Indro, avy any lavitra any ny anaran’i Jehovah, mirehitra amin’ny fahatezerany Izy, sady midonaka amin’ny setroka be; ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona; ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ny valanoranon’ny olona” (Isaia 30:27-28). “Manatòna ianareo jentilisa mba handre; ary mihainoa, ianareo firenena; aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy. Fa Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. Ary izay voavono amin’ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ny ràny… Ny sabatr’i Jehovah feno rà… Ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovon-taniny. Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona” (Isaia 34:1 sy ny manaraka). “Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, ka voarain’ny tànako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, ary hovaliako ny mankahala Ahy. Hataoko mamon-dra ny zana-tsipikako, ary ny sabatro hihina-nofo, dia ny ran’ny voavono sy ny babo mbamin’ny lohan’izay lehibe amin’ny fahavalo” (Deoteronomia 32:41, 42). “Avia ianareo ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany” (Joela 4. 13). “Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny ?… Nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra. Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ny voavotro… Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany” (Isaia 63:1 sy ny manaraka). “Ary amin’izany andro izany, ny voavonon’i Jehovah dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa; tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany” (Jeremia 25:33). Ny zavatra mahagaga, dia hasian’i Jehovah fahadisoan-kevitra ao amin’ireo fahavalony, hany ka hifamono izy ireo. “Ary amin’izany andro izany, dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tànana izy, sady samy hanainga tànana hifamely” (Zakaria 14:13). “Dia hahohoko ny seza fiandrianan’ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ny fanjakàn’ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy” (Hagay 2. 22).

 

4. Fa ny fandresena farany, dia i Kristy mihitsy no hahazo azy, rehefa midina avy any an-danitra miaraka amin’ny olony masina Izy. “Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany… Ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy (na voatsoboka tamin’ny ra);… ary ny antokon’ny miaramila tany an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ny voromanidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin’ny fanasana lehiben’Andriamanitra, mba hihinanareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpifehy arivo sy ny nofon’ny mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy, ary ny nofon’ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny miaramilany tafangona mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ny miaramilany. Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany… ary dia natsipy velona ho any amin’ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. Ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony” (Apokalypsy 19:11 sy ny manaraka).

Tsy misy marika omena momba ny isan’ny olona ho faty amin’izany, nefa azo tsoahina amin’ny tsongandahatsoratra maro fa ho be dia be tokoa izany. Izany no ilazan’i Isaia fa aorian’io fandringanana io, dia ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena avy any Ofira ny olombelona (13:9, 12). Hoy ny mpaminany Zefania: “Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy Jehovah; eny, hakifako ny olona sy ny biby” (1:2, 3). I Davida koa dia naminany momba izany: “Ny Tompo eo ankavananao dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ny andron’ny fahatezerany. Hitsara any amin’ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; handripaka loholona any amin’ny tany malalaka Izy” (Salamo 110:5, 6. Jereo koa ny efa notanisaina ao amin’ny Isaia 34:2, 3 sy Jeremia 25:33, izay milaza ny hamaimboan’ny faty izay toy ny zezika amin’ny tany).

Io famonoan’olona mahatsiravina tao Harmagedona io no hamarana ny fanjakan’ireo olona telo hetsehin’ny devoly, ary ny lohan’ny Fanjakana romana sy ny Antikristy dia ho samborina velona ka hatsipy any amin’ny helo. Io koa no fotoana handrodanana ny vondron’ny tany tandrefana izay mamorona ny Fanjakana romana, fandrodanana izay harahin’ny an’ny vondrona tavaratra tsy ho ela, vondrona izay fehezin’ny Asyriana (na Goga), izay hojerentsika amin’ny toko manaraka. Farany, Harmagedona no hamarana ny fahoriana lehibe ka hanokatra ny làlana mankamin’ny fanjakana arivo taona. Nefa alohan’izany, dia tsy maintsy potehin’ny Tompo aloha ilay Asyriana sy ny miaramilany, hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona, ary tsy maintsy mitsara ny firenena mbola velona Izy. Aorian’izay vao haveriny ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana etỳ an-tany.

 

 

4.3.5  TOKO 5 — Ilay Asyriana

Io voambolana io dia manambara fahefana iray, na, ny marimarina kokoa, vondron-tany ao avaratr’i Palestina. Ny iantsoan’i Daniela azy dia ny mpanjakan’ny Avaratra, ary ny mpaminany Ezekiela dia Goga. Izy ireo dia ny firenena eo ambany fifehezan’i Rosia. Taloha, ny tany Asyria dia tao avaratr’i Isiraely, ary tao anatiny koa ny Asia minora. Nampiasain’Andriamanitra ho toy ny ratsan-kazo hamaizany ny vahoakany niodina izy. “Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ny fahatezerako ô, eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!” (Isaia 10:5). Ho toy izany koa any aoriana, rehefa tafody any Palestina i Isiraely: handripaka ny tany ilay Asyriana, haka an’i Jerosalema ary hitondra ny mponina ao aminy ho babo, toy ny nataony tamin’ireo foko folo fahizay (2 Mpanjaka 17). Ilay Asyriana tamin’ny tantara izany dia kisarisarin’ilay Asyriana amin’ny andro farany.

 

1. Hodinihintsika aloha izay lazain’ny mpaminany Daniela momba ny mpanjakan’ny Avaratra. Ao amin’ny toko faha-8 no hitantarany ny fahitany momba ilay osy avy any andrefana (Grisia) izay nanana tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony (Aleksandra Lehibe). Avy amin’ny sombintsombiny tamin’ny fanjakana naorin’io emperora io no nipoiran’ny tandroka kely izay nihalehibe tokoa (*). Io tandroka kely io no Mpanjakan’ny Avaratra. Hivelatra hianatsimo sy hiantsinanana izy, ary hiditra koa ao amin’ilay tany mahafinaritra, izany hoe Palestina. Dia ampian’i Daniela hoe: “Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ireo marobe eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho tamin’ny tany ireo marobe sy ny kintana ka nohitsakitsahiny” (and 10). Ny lohan’ny vahoaka jiosy ireo lazaina ireo. “Dia nazerany ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy (izany hoe nanao zava-dehibe) sady nambinina” (and 12). Nomen’ny anjely Gabriela fanazavana fanampiny ny mpaminany momba io fahitana io: “Ary ny hiafaran’ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa (izany hoe hanao zava-dehibe) ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina. Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tànany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tànana hamely azy tsinona” (and 23-25). Izany rehetra izany dia hiseho “amin’ny fahatezerana farany” (and 19), izany hoe amin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny fitsarana an’i Isiraely, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, izany hoe aloha kelin’ny fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahitra sy ny fametrahany ny fanjakany.

 

(*) Ara-tantara, dia efa tanteraka amin’ny ampahiny io faminaniana io, tamin’ny nanjakan’i Antiokisy Epifania, mpanjakan’i Syria sy Makedonia, nanomboka ny 174 ka hatramin’ny 164 talohan’i Kristy. Io mpanjaka io dia olona masiaka, ary niezaka ny hanery ny Jiosy hanompo sampy izy, nanenjika azy ireo, nanapotika an’i Jerosalema ary namono ireo Makabea fito.

 

Ny mpanjakan’ny Avaratra dia ho lehilahy marani-tsaina sy kinga tokoa, ary ny fahombiazany dia ho azony amin’ny fampiasana ny tetika miafina sy ny politika, nefa koa amin’ny fitaovam-piadiana; fa zavatra ivelany mihitsy no hanome azy ny heriny. Na izany aza anefa, dia hahavita zava-dehibe izy, ary izay rehetra ataony am-pahasahiana dia hahomby avokoa, na mikasika ny atsimo na mikasika ny atsinanana. Hanao zavatra hatrany Palestina izy, ary any no handringanany “ny mahery sy ny olo-masina”. Hohararaotiny ny toe-karena izay tena miroborobo fatratra hanaovana kolikoly sy hahatontosa ny zavatra kasainy. Farany, dia hanohitra ny Tompo izy, nefa “ho torotoro nefa tsy hisy tànana hamely azy”, izany hoe ny Tompo mihitsy no hanorotoro azy.

Fa ndeha mbola hojerena izay lazain’i Daniela momba ilay mpanjakan’ny Avaratra ao amin’ny toko faha-11 ao amin’ny bokiny: “Ary amin’ny faran’ny andro, dia hanoto azy (ny Antikristy) ny mpanjakan’ny Atsimo (Egypta); ary ny mpanjakan’ny Avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro, ary hiditra amin’ny tany izy ka hanerana toy ny safotra. Hiditra ao amin’ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba sy ireo lohan’ny taranak’i Amona. Haninjitra ny tànany amin’ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra. Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan’i Egypta rehetra izy; ary ny Lybiana sy ny Etiopiana hanaraka azy. Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin’ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro. Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy” (and 40-45).

 

Azo tsoahina amin’io tsongandahatsoratra io fa ny mpanjakan’i Egypta aloha, avy eo ny mpanjakan’ny Avaratra, na dia mifandrafy aza, dia hanafika an’i Palestina miaraka amin’ny miaramila tsy tambo isaina. Hanerana ny tany ny mpanjakan’ny Avaratra toy ny safo-drano ka handripaka azy, sy ny tany manodidina, afa-tsy Edoma, Moaba ary Amona. Ireo tany telo ireo, mifanara-tsisiny amin’i Palestina ary fahavalon’i Isiraely hatrizay, dia ho voaro, mba hahatanteraka ny teny faminaniana ao amin’ny Isaia 11 hoe: “Fa hiara-hamabo ny zanaky ny atsinanana ireo (Joda sy Efraima); amin’i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tànany, ary ny taranak’i Amona hanoa azy” (and 14). I Isiraely ihany izany no tokony hanapotika ireo fahavalony hatrizay ireo (jereo koa Ezekiela 25. 14; Mika 5:5,6; Zakaria 12:6). Avy eo, dia ho any Egypta ny mpanjakan’ny Avaratra ka halainy daholo ny harena voangona tany, nefa hisy vaovao mampatahotra ho tonga avy any atsinanana sy avy any avaratra, ka ho tezitra mafy amin’i Isiraely izy. Hiverina haingana any Palestina izy ka hitoetra eo anelanelan’ny ranomasina Mediteranea sy Jerosalema, ka hivonona ny hanapotika ny tanàna fanindroany indray. Nefa tsy ho tanterany io fikasana io, satria ho levonin’ny Tompo izy, toy ny “tamin’ny andro niadiana”, izany hoe toy ny tamin’ny andro nanapotehan’ny Tompo ny Antikristy sy ny Biby romana.

 

2. Ao amin’ny toko faha-38 ao amin’ny bokiny i Ezekiela no mitantara ny fidiran’ny Asyriana, izay antsoiny hoe Goga (*), tany Palestina. Mandidy ny mpanompony haminany amin’i Goga i Jehovah, ka asainy milaza hoe: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy Meseka ary Tobala (**)” (and 3). Mitondra andian-tafika tsy tambo isaina izy, izay misy koa ireo tafika nomen’ny mpiara-dia aminy (izay azo lazaina ankehitriny hoe ireo “Firenena mianki-doha” aminy). Efa hiverina any amin’ny taniny i Isiraely ary ho eken’Andriamanitra ho toy ny vahoakany. Handry fahizay ao amin’ny taniny izy (and 8, 14). Manambara ny zavatra hiseho amin’i Goga Andriamanitra, manao hoe: “Ary ho tonga avy any amin’ny fonenanao avy any amin’ny farany avaratra ianao mbamin’ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona marobe sy miaramila betsaka; ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona  ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba ahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny hataoko aminao, ry Goga” (and 15-16). Hanafika an’i Palestina izy mba hakana ny harena rehetra voangona tao. “Ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda… mba hamabo sy handroba ary hamely indray… ny firenena izay nangonina avy tany amin’ny jentilisa sady… nihary omby sy fananana…; hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka” (and 11 sy ny manaraka).

 

(*) Ny Gogan’i Ezekiela dia tsy tokony afangaro amin’ilay “Goga sy Magoga” ao amin’ny Apokalypsy 20, izay manondro ny fahavalo hanodidina ny tobin’ny olona masina aorian’ny Fanjakana arivo taona.

(**) Misy milaza fa ireo anarana telo ireo dia iantsoana an’i “Russie”, “Moscou” ary “Tobolsk”.

 

Nefa Ezekiela dia manambara koa ny sazy hanjo io fahavalon’i Isiraely io (toko 39). “Ary hasiako ny tsipikanao hiala eny an-tànanao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tànanao ankavanana ny zana-tsipikanao. Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao. Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo… Ary hivoaka ny mponina ao amin’ny tanànan’ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipika sy ny zana-tsipika, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy (*)... Ary fito volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isiraely azy (ny fatiny), hanadiovany ny tany; eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy"(and 3 sy ny manaraka).

 

(*) Io isa io dia maneho ny haben’ny fitaovam-pamotehana nananan’ilay Asyriana.

 

Io fitsarana hihatra amin’i Goga io no hampandresy ny voninahitr’i Kristy eo amin’ny firenena ka hamarana ny fanafahana an’i Isiraely: “Ary hasehoko any amin’ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan’ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tànako izay hahinjitro aminy… Ary ho fantatry ny taranak’Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, hatry ny androtriny ka hatramin’ny ho avy rehetra… Ankehitriny dia hampodiako avy amin’ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’Isiraely rehetra… Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin’ny taranak’Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo” (and 21 sy ny manaraka).

 

3. Ny mpaminany Zakaria koa dia manambara tranga sasany momban’io fanafihan’ny Asyriana an’i Palestina io. Mazava tsara ao amin’ny toko faha-12 sy faha-14 fa aorian’ny fitsaràn’ny Tompo ny Antikristy sy ny Biby romana, dia ho tafihin’ny firenena mivondrona, tarihin’ny Asyriana, i Jerosalema. Ho azo ilay tanàna ary hopotehina; ho entina ho babo ny antsasaky ny mponina, fa ny vahoaka sisa dia tsy hofongorana, indrindra fa ireo sisa tavela mpivavaka izay ao Jerosalema (14:1,2).

Rehefa hiverina avy any Egypta ilay Asyriana izay feno fahatezerana tokoa, mba hamotika ireo sisa tsy maty tamin’ny fanafihana voalohany, dia ny Tompo no “hivoaka… ka hiady amin’ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andro fiadiana” (and 3). Io andininy farany io dia mampahatsiahy ny fanapotehan’ny Tompo ny Antikristy sy ny lohan’ny Fanjakana romana, raha nivoaka avy tany an-danitra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra Izy. (Apokalypsy 19). Nefa amin’ity fisehoan’i Kristy fanindroany ity, dia hisy zava-mahagaga koa, horohoron-tany hampivarahontsana ny mponin’ny tany: “Ary amin’izany andro izany, ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana (*) tandrifin’i Jerosalema; ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiantsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo… Ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy” (and 4 sy ny manaraka).

 

(*) Amin’izay fotoana izay no ho tanteraka ny tenin’ny anjely tamin’ny mpianatra, tamin’ny niakaran’i Jesoa tany an-danitra teo amin’ny tendrombohitra Oliva: “Iny Jesoa izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1:11).

 

4. Isaia koa dia maminany momba ilay Asyriana. Ao amin’ny toko faha-28, dia lazainy fa izy dia fitaovan’ny Tompo, izay “mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany. Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima” (and 2, 3). Ery aoriana, dia miteny amin’ny Antikristy sy ny mpiara-dia aminy Andriamanitra: “Koa mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity. Satria ianareo efa manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay (izany hoe miaraka amin’ny lohan’ny Fanjakana romana), ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita, ka na dia ho avy aza ny loza manafotra (ilay Asyriana), dia tsy hihatra aminay izany” (and 14, 15). Ny filohan’ny vahoaka jiosy mpiodina dia nanantena hiaro tena amin’ny mpanjakan’ny Avaratra tamin’io fifanarahana io. Nefa io fifanarahana io — izay ho tapahin’ny emperora romana afaka telo taona sy tapany — dia tsy haharo azy ireo mihitsy amin’ny mpanafika. “Raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo. Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany” (and 18, 19).

Ao amin’ny toko faha-29 i Isaia dia mitantara ny faharavan’i Jerosalema (izay antsoina hoe Ariela) rehefa hataon’ilay Asyriana fahirano sy ho potehiny izy. “Lozan’i Ariela, lozan’i Ariela, tanàna nitoeran’i Davida!… Hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy… Ary hanao fahirano anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao, dia haetry ianao, ka hiteny ao amin’ny tany, ary ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao…” (and 1-4). Nefa ambaran’ny mpaminany koa ny fanafahana azy mahagaga: “Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika… Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany. Avy amin’i Jehovah Tompon’ny maro no hihavian’ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona. Ary ho tahaka ny fahitana eo amin’ny nofy amin’ny alina ireo firenena betsaka ireo, izay mivory hamely an’i Ariela…” (and 5-7). Hivoaka ny Tompo ka handringana izany firenena izany, ary hanafaka tanteraka ny vahoakany, dia hiova fo ireo: “Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’Andriamanitry ny Isiraely. Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalàna, ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena” (and 23-24).

Mbola misy mpaminany hafa koa miresaka ilay Asyriana, ny zavatra nataony, ny fanapotehan’ny Tompo azy (Joela, Mika, Nahoma [ny azy dia ny Asyriana ihany no ambetin-dresany], ny Salamo, Jeremia), nefa izay hitantsika hatreto dia efa ampy haneho amintsika tanteraka ny momba ity fahavalon’i Isiraely farany sy mahatahotra ity.

 

 

4.4  NY FIAVIAN’I KRISTY AM-BONINAHITRA

4.4.1  TOKO 1 — Rahoviana sy ahoana no hisehoan’ny Tompo am-boninahitra ?

Ny fisehoan’ny Tompo am-boninahitra no hamarana ny vanim-potoanan’ny fitsarana. Hisy ambaratonga telo amin’io tranga io: voalohany aloha, hivoaka avy any an-danitra miaraka amin’ireo miaramilany ny Tompo ka hamely ny jentilisa miaraka amin’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka; avy eo, dia hiseho amin’ny mpino sisa tavela Jiosy Izy ao an-tendrombohitra Oliva ka hanafaka azy ireo amin’ilay Asyriana; farany, dia ho avy am-boninahitra Izy, miaraka amin’ireo olony masina mba hametraka ny fanjakany. Amin’izay, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany Izy ka hitsara ny firenena hiangona eo anoloany. Tsy misy azo ahafantarana ny elanelam-potoana manasaraka ireo ambaratonga telo ireo.

 

Ny Tompo tenany mihitsy no hiverina. “Lazao amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra, Indro Andriamanitrareo… eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isaia 35:4). “Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy” (40:10,11). “Dia hivoaka Jehovah… Ary amin’izany andro izany, ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva” (Zakaria 14:3,4).

Hiseho ho toy ny Zanak’olona ny Tompo, izany hoe ilay nolavin’ny vahoakany, ka tonga hampihatra ny fitsarana (*). “Ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra… Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy” (Daniela 7. 13,14). “Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy” (Matio 24:30). “Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ny faravodilanitra  ka mahazava hatramin’ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny” (Lioka 17:24).

 

(*) Ny Eglizy dia tsy miandry ny Tompo amin’io endrika io, fa kosa amin’ny maha-Vadiny Azy, ilay Lohany be voninahitra.

 

2. Efa mivoitra avy amin’ireo sasantsasany tamin’ny tsongandahatsoratra notanisaina fa ny olona rehetra no hahita ny fiavian’ny Tompo, satria tian’Andriamanitra hanaiky Azy sy hahita ilay Zanaka malalany amin’ny voninahitra ny olona rehetra. Ny sasany handray Azy ho toy ny mpanafaka azy, ny sasany kosa hangovitra amin’ny fahatahorana eo anatrehan’ilay mpitsara azy. “Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza. Ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Apokalypsy 1:7). “Ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany ary hahita ny Zanak’olona avy … eo amin’ny rahon’ny lanitra izy” (Matio 24:30). Tsy hiseho ho toy ilay “kintan’ny maraina” izay hitan’ireo hany miambina miandry azy Izy, fa kosa ho toy ilay “masoandron’ny fahamarinana” hitondra ny fahazavan’ny andro, ilay “maraina tsy misy rahona” izay ambaran’i Davida ao amin’ny 2 Samoela 23:4: “Ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny”. Ho tonga hanatanteraka iraka am-panjakana Izy, ary amin’ny fanatanterahany izany, dia hitafy ny voninahiny amin’ny maha-mpanjaka Azy Izy, ary hitondra ny mariky ny fitsarana, dia sabatra roa lela (Apokalypsy 19:15) sy tehim-by (Salamo 2:9). Hampidina ny fahatezerany amin’ny fahavalony Izy, handringana azy ireo ary hanadio ny tany amin’ny faharatsiana sy ny ratsy rehetra. Tsy mahagaga izany raha tsy maintsy mahita Azy ny maso rehetra, fa tsy toy ny tamin’ny nakàny ny olom-boavidy, ka ny fisehoany dia fanehoana manetriketrika sy am-pahibemaso ny heriny sy ny voninahiny.

 

3. Tsy hitovy amin’ny nahatongavany voalohany, izay Izy irery, i Jesoa rehefa hiseho am-boninahitra, fa kosa hiaraka amin’ireo anjeliny sy ny olom-boavidiny malalany. “Raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany” (2 Tesaloniana 1:10). “Fa ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny” (Matio 16:27). “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra” (Matio 25:31). Ireo no hampihatra ny fitsarana eto ambonin’ny tany. Izany no hiantsoana azy hoe “anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Tompontsika” (2 Tesaloniana 1:8). Ny Tompo mihitsy no manambara izany amin’ny mpianany, tao amin’ilay ohatra momba ny ahi-dratsy . “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” (Matio 13:41,42). Tadidintsika ny teny nataon’ny Tompo tamin’i Petera, raha nosamborina tao amin’ny zaridainan’i Getsemane Izy: “Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny ?” (Matio 26:53). Tamin’izany anefa, dia tsy nangataka ireo Izy, mba hahatanteraka izay voasoratra hoe “tsy maintsy ho tonga izany”. Nefa rehefa hiverina amin’ny voninahiny Izy, dia hisy mpanotrona malaza hanaraka azy, izay hiisa mihoatra lavitra noho izay anjely roa ambin’ny folo legiona. An’alinalinkisa tsy tambo isaina no hiaraka aminy amin’ilay fitsaram-pandresena.

Ireo olom-boavidiny rehetra koa dia ho anisan’ireo mpanotrona avy any an-danitra ireo. Asehon’ny Apokalypsy ho toy ny olona mitaingina soavaly fotsy izy ireo, izay mariky ny fandresena manehoeho. Taloha kelin’izany ny Zanak’ondry dia nanao ny fampakarany ny Eglizy ho vadiny, ary amin’izao, efa nitafy ny voninahiny izy ka miaraka aminy eny an-danitra, handray anjara amin’ny fitsaràny sy ny fanjakany. “Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany… ary ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio” (Apokalypsy 19:11 sy ny manaraka). Ny mpaminany Zakaria dia efa nanambara io tranga io: “Ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy” (14:5). Fanantenana sarobidy tokoa izany ho an’ireo olom-boavidin’ny Tompo, izay ataon’izao tontolo izao ho tsinontsinona ankehitriny! “Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo” (Kolosiana 3:4). Hampandraisin’ny Tompo anjara amin’ny fandreseny manokana ilay Vady malalany, rehefa nobantian’izao tontolo izao, nankahalainy sy nenjehiny niaraka taminy, nandritra ny taon-jato maro. “Na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samihafa aza ianareo… mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo… dia amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 1:6,7).

 

4. Ny fisehoan’i Kristy dia ho tampoka tokoa. “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy” (1 Tesaloniana 5:2,3). Io fahatampohana io sy ny kisarisary rehetra ampiasain’ny Teny hanambarana azy no mampiseho ny tahotra hahazo ny tsy mpino amin’ny fisehoan’ny Mpanjakan’ny mpanjaka, ilay mpitsara tsy manana indrafo. Ny fahatongavany tampoka, toy ny mpangalatra amin’ny alina (jereo koa 2 Petera 3:10; Apokalypsy 3:3; 16:15) dia hampihovitrovitra ireo izay notairiny tamin’ny torimasony. Ampitovian’ny Tompo koa amin’ny helatra avy any atsinana miankandrefana ny fahatongavany (Matio 24:27; Lioka 17:24), amin’ny safo-drano izay nandringana tampoka ny olona rehetra tamin’ny andron’i Noa (Matio 24:38, 39), ary farany, amin’ny afo sy solifara latsaka avy any an-danitra ka nandringana ny mponin’i Sodoma (Lioka 17:28-31). Loza ho an’izay tsy vonona ny handray Azy!

 

5. Hametraka ny tongony eo an-tendrombohitra Oliva ny Tompo, araka ny nanambaran’ny mpaminany Zakaria azy mialoha. “Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andro fiadiana. Ary amin’izany andro izany, ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo” (14:3, 4). Teo taloha, tao Getsemane, no nandraisany ny kapoaka tamin’ny Rainy (Matio 26:30). Avy teo koa no nampakarana Azy ho any an-danitra sy nilazan’ireo anjely roa izao teny fampanantenana izao tamin’ny mpianatra: “Iny Jesoa Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1:11). Tsy lavitra avy eo koa i Golgota, ny tendrombohitra Kalvary izay nanombohana Azy. Farany, teo koa ny voninahitr’i Jehovah, raha niala tao amin’ny tempoly izay horavan’i Nebokadnezara, no nihantona toy ny rahona” (Ezekiela 11. 22, 23).

Rariny raha midina eo amin’ilay toerana nijaliany tao Getsemane ny Tompo, rehefa mitafy ny voninahiny mamirapiratra, ka mamerina ny voninahitr’i Jehovah etỳ an-tany eo amin’ny toerana nialàny. Amin’ny fisehoany no handringanany ilay lehilahin’ny ota (2 Tesaloniana 2:8), handreseny sy hanandevozany ireo firenena nikomy tamin’Andriamanitra (Apokalypsy 17:14), ary hanafahany ny sisa tavela Jiosy. Ny Biby sy ny mpaminany sandoka dia ho azo ka atsipy any amin’ny farihy mirehitra afo (Apokalypsy 19:20) ary ho fatorana mandritra ny arivo taona i Satana (Apokalypsy 20:1-3). Ilay anaran’i Jesoa izay fanabanty dia ho ekena ka hajain’ny manan’aina rehetra (Filipiana 2:9-11); handray ilay fankajana mandrakizay ny Zanak’olona (Daniela 7. 13, 14) ary Izy izay tsy nety niankohoka teo an-tongotr’i Satana ahazoana ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao nandritra ny fandalovany tetỳ an-tany, no hahazo ny firenena ho lova, ary ny faran’ny tany ho fananany (Salamo 2:8). Rehefa avy “fandatsan’ny olona sy fanevatevam-bahoaka” Izy (Salamo 22:6), dia hakarina avo sy “hosatrohina voninahitra sy fiandrianana” (Salamo 8:5).

 

 

4.4.2  TOKO 2 — Ny fitsarana ny velona

Rehefa tanteraky ny Tompo ilay fitsarana natao tamin’ny ady ambaran’ny Apokalypsy 19, ka naringan’Izy sy ny miaramilany avy any an-danitra ilay “Bibi-dia sy ny mpanjakan’ny tany”, ny hany hataony sisa dia ny mitsara ireo olona tsy maty tamin’ireo famaizana mahatsiravina nandritra ny fahoriana lehibe. Maro ny tsongandahatsoratra manambara fa ampahany lehibe tamin’ny zanak’olombelona no ho ringana ary ny Tompo mihitsy no nilaza tamin’ny mpianany fa raha tsy nafohezina ireny andro ireny, dia tsy hisy ho tafajanona. Milaza mazava ny fihanaky ny famonoana ny Jiosy sy ny jentilisa izany, ary ho vitsy sisa ny olona mbola ho velona amin’ny fotoana hipetrahan’ny Tompo eo ambony seza fiandrianany mba hitsara azy ireo.

 

1. Amin’ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Teny mikasika io fitsarana ny jentilisa io, dia misy hotanisaintsika ireto:

“Fa, indro, amin’ireo andro ireo sy amin’izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin’ny fahababoany, dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin’ny Lohasahan’i Josafata (*), ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’i Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin’ny jentilisa” (Joela 4. 1,2). “Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ny Lohasahan’i Josafata; fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny  manodidina eny” (and 12).

 

(*) Anarana midika hoe “Jehovah no mitsara”.

 

“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo an-kavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nampisotroinareo, nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay ? Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay ? Ary oviana no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay ? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny an-kaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny… Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay” (Matio 25:31 sy ny manaraka).

Ny toetry ny fon’ny olona notsaraina toy izany dia habaribarin’ny asany, izany hoe ny fomba fihetsiny manoloana ireo izay antsoin’ny Tompo hoe rahalahiny, izay iraka hitory ny filazantsaran’ny fanjakana. Ho isan’ireo sisa tavela tany Isiraely ireo, ary nitory io filazantsara io na dia nisy aza ny fanenjehana sy ny fizahan-toetra tsy hay lazaina tamin’ny fahoriana lehibe. Maro amin’izy ireo no lasa maritiora. Ireo izay nandà ny marik’ilay Biby — ary ho anisan’izany ireo evanjelista ireo — dia tsy ho afaka hividy na hiasa; azo lanjaina amin’izany ny vidiny omen’ny Tompo ny mari-pitiavana nasehon’ny sasany tamin’ireo vavolombelony mahatoky ireo: rano iray vera ho an’izay mangetaheta, sakafo ho an’izay tsy afa-nihinana angamba efa ho andro maro, fitafiana ho an’izay rovi-damba, famangiana hanehoam-pitiavana ho an’ireo natsipy an-tranomaizina sy nampijaliana. Ireo fihetsika ireo dia ho sarobidy tokoa ao am-pon’ny Tompo, indrindra moa fa ny olona nanao izany dia mety hamoy ny ainy, sady, amin’ny fanampiana an’ireo mpanompo ireo koa izy ireo, dia hanampy hanaparitaka ny hafatra entiny. Raha ny marina, dia efa lasa ondrin’ny Tompo koa ireo, satria nihaino sy nandray ny mpitondra hafatra nalefan’ny Mpanjaka taminy. Noho izany, dia ho lehibe ny valisoany: handova ny fanjakana izy ireo, izany hoe hiaraka amin’i Kristy amin’ny fanjakany (*).

 

(*) Tsy isan’ny Eglizy, izay hanjaka amin’ny maha-Vady azy, anefa izy ireo. Ho kelikely kokoa noho ny an’ny olom-boavidy ankehitriny izany ny tombontsoany.

 

Ny sasany kosa, ireo “osy”, izay nandà ny hanampy ny ‘’anankiray amin’ireo rahalahin’ny Tompo kely indrindra ireo, ka noho izany dia niray tsikombakomba tamin’ireo nanenjika azy, dia atsipy eo noho eo any amin’ny afo mirehitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny. Antsoina hoe “voaozona” izy ireo ka tsy handray anjara amin’ny Fanjakana arivo taona, satria tsy mendrika ny ho olon’ny Mpanjakan’ny mpanjaka. Io no ilay andro manetriketrika, izay hanasarahana ny vary amin’ny ahi-dratsy. “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy” (Matio 13:41-43).

 

2. Izany koa no hahatanteraka ny teny faminaniana nataon’i Jaona Mpanao batisa: “Eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina” (Lioka 3:17). Io “fanadiovana ny ao am-pamoloana” io dia manambara tsara ny tanjon’ny fitsarana ho tanterahina amin’izany: tian’ny Tompo halàna etỳ ambonin’ny tany izay rehetra tsy manan-jò hisitraka ny fanjakany, satria nandà ny hafatra nanome azy ny fanalahidin’izany, izay antsoin’ny Teny noho izany hoe filazantsaran’ny fanjakana. Tsy tokony afangaro amin’ny fitsarana farany izany io fitsarana io, satria ny fitsarana farany dia hahatra amin’ny maty fa tsy amin’ny velona, ary hiseho aorian’ny Fanjakana arivo taona (ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ao amin’ny Apokalypsy 20:11-15).

Ny zavatra mahavariana koa, dia ireo olom-boavidy any an-danitra izay isan’ny Eglizy dia tsy ho mpijery fotsiny amin’io fitsarana ny velona io, fa handray anjara mavitrika. “Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao ?” (1 Korintiana 6:2). “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy” (Apokalypsy 20:4). Mbola hanohy hanatanteraka io asa io izy ireo mandritra ny Fanjakana arivo taona iray manontolo, ary ireo apostoly roa ambin’ny folo no hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo (Lioka 22:30).

Ireo “ondry” natokana kosa nandritra io fitsarana io dia hiditra amin’ny fanjakana ka ho olon’ny Mpanjaka ho feno fitahiana. Mbola ho hitantsika amin’ny manaraka ny fitahiana ho azony sy ny tombontsoany manokana mandritra ny Fanjakana arivo taona.

 

 

5  FIZARANA FAHEFATRA — Ny Fanjakana arivo taona

5.1  Fampidirana

Ireo fitsarana no hanomana ny fametrahana ny fanjakan’i Kristy etỳ  an-tany. Ny fahamarinana sy ny fandriam-pahalemana notadiavin’izao tontolo izao nandritra ny taon-jato maro, nefa tsy hitany, no hapetraka amin’izany, eo ambany fiadidian’Ilay tsy neken’ny olona hankatoavina hatramin’izay, raha nilaza izy hoe: “Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay”. Tian’ny Tompo hiaraka aminy, ao amin’ny voninahiny, aloha ny Eglizy. Avy eo, i Isiraely, izay vahoakany etỳ an-tany, no homanina hitsena Azy amin’ireo fizahan-toetra mandritra ny fahoriana lehibe, ary ny fisehoan’ny Tompo amin’ny voninahitra no hanafaka azy ireo. Izany fisehoana izany dia hiaraka amin’ny famotehana ireo fahavalony sy ny fanadiovana ny fanjakany amin’ireo mpanao meloka.

Amin’ny fiantombohan’ny Fanjakana arivo taona izany, dia hitantsika miray Aminy ireo sisa tavela tany Isiraely, sy ireo olom-boavidy marobe avy amin’ny jentilisa. Afaka noho ny famindram-pon’Andriamanitra izy ireo, ka tsy maty nandritr’ireo fitsarana sy ny fanenjehan’ireo fahavalony, ary izy ireo no ho mponina eto an-tany mandritra ny arivo taona. Am-pifaliana tokoa no handraisan’izy ireo ny fanjakàn’i Kristy ka hanekeny Azy ho Tompony.

I Satana kosa dia hafatotra any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona, ary na aiza na aiza mety hisehoan’ny ratsy, dia ho faizina eo noho eo izany, hany ka tsy hiova amin’ny toetra am-boalohany nananany tamin’ny fanatrehan’ny Tompo azy sy ny filatsahan’ny Fanahy Masina ny tany, izany hoe “ho henika ny fahalalàna an’i Jehovah, tahaka ny hanaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”.

Ireo olona masina nasandratra ho am-boninahitra kosa dia hiara-hanjaka amin’i Kristy. I  Jerosalema no ho foiben’io fanjakana malaza feno fahamarinana sy fandriam-pahalemana io eto an-tany. Isiraely kosa, izay niova fo sy naverina amin’ny taniny, dia haka ny voalohan-toerana amin’ny firenena rehetra. Ireo firenena ireo dia hiakatra isan-taona any Jerosalema hivavaka amin’Ilay Mpanjaka, dia Jehovah Tompon’ny maro, ary hankalaza ny fetin’ny Tabernakely. Haorina indray ny tempoly eo an-tendrombohitr’i Ziona. Hiseho ho hita maso ny voninahitr’Andriamanitra eny an-danitra sy etỳ an-tany, toy ilay andry afo sy rahona nanamarika ny fanatrehany tao amin’ny tabernakely fahizay. Na dia ny Tompo tenany mihitsy aza no manokatra ny Fanjakana arivo taona, dia tsy ho eto an-tany Izy mandritra io vanim-potoana io, nefa kosa hifandray aminy ihany, ary hisy solontenany any Jerosalema, izay antsoina hoe “ny mpanjaka” ao amin’ny Ezekiela toko faha-46 hatramin’ny faha-48.

Ho foanana ireo vokatry ny ozona: hanjaka eran-tany ny fandrosoana ary ho halavaina be tokoa ny andro iainan’ny zanak’olombelona. Nefa tsy hiova ny fon’ny olona ary ho maro ireo tsy hankatò an’i Kristy amin’ny fony ka hiatsaravelatsihy. Noho izany, amin’ny fiafaràn’ny Fanjakana arivo taona, dia hizaha toetra farany Andriamanitra: hovahana avy amin’ny gadrany i  Satana mandritra ny fotoana fohy ary eo noho eo, dia maro ny olona avy amin’ny jentilisa no hanara-dia azy. Hivory toy ny fasi-dranomasina izy ireo manodidina an’i Jerosalema hiady amin’ny olona masina. Nefa tsy haharitra ela io fikomiana farany amin’Andriamanitra io: ny afon’ny lanitra no handringana ireo olon-dratsy rehetra ireo. Izany no hamarana ny Fanjakana arivo taona, ary ndeha hodinihintsika akaikikaiky kokoa ny fametrahana azy, ny toetrany, ny toerana sy ny anjara asan’ny Eglizy, Isiraely sy ny jentilisa. Nefa alohan’izany, dia ndeha hojerena aloha ny momba Ilay Mpanjaka, dia i  Kristy, izay nomena ny fahefana fara-tampony teo imason’izao tontolo izao.

 

5.2  TOKO 1 — Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

1. Matoa i Kristy natao hanjaka amin’ny tany sy izao tontolo izao, dia voalohany aloha, satria Izy no Mpanjaka sy Tompo mandrakizay doria, araka ny ambaran’ireo tsongandahatsoratra maro ao amin’ny Soratra Masina:

“Jehovah (ny Tompo, ao amin’ny Testamenta Taloha) no Mpanjaka mandrakizay doria… An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy… Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao ? Jehovah, Tompon’ny maro, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra” (Salamo 10:16; 24:1,10).

 

2. Fa i Kristy koa dia Mpanjakan’i Isiraely amin’ny maha-Zanak’i Davida azy. Nampanantenain’Andriamanitra tamin’i Davida mantsy fa hitoetra ho mandrakizay ny seza fiandrianany. “Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay” (2 Samoela 7:16). “Efa nahita an’i Davida mpanompoko Aho… Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ny lanitra… Ny taranany haharitra mandrakizay, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy” (Salamo 89:20 sy ny manaraka). Mazava ho azy fa izany teny fampanantenana izany dia tsy ho an’i Davida sy ny mpandimby azy, satria naongan’i Nebokadnezara ny seza fiandrianan’izy ireo tamin’ny taona 585 talohan’i Kristy. Efa azon’i Davida fa tsy ho tanteraka izany teny fampanantenana izany raha tsy ao amin’i Kristy (jereo Asa 2:30 sy ny manaraka). Mbola hamafisin’ny anjely Gabriela tamin’i Maria ihany izany: “Ary ny anarany dia ataonao hoe Jesoa. Izy ho lehibe ka atao hoe Zanaky ny Avo indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana” (Lioka 1:31-33). Noho izany, araka ny firazanana, dia Mpanjakan’i Isiraely i Kristy. Maro no nanaiky Azy ho toy izany (Matio 12:23; Marka 10:47), ary vahoaka marobe no nihoby Azy, tamin’ny fiakarany tao Jerosalema, nanao hoe: “Hosana ho an’ny zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra!” (Matio 21:9; jereo koa Marka 11:10). Nefa fantatsika koa ny nandàvan’ny vahoakany Azy:  “Homboy amin’ny hazofijaliana Izy! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!… Ento! Ento! Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!…Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay” (Jaona 19.  6 sy ny manaraka). Io fandàvana Azy io anefa tsy nahatohina ny zòny hanjaka ary ho takiany izany amin’ny fisehoany am-boninahitra, na eo imason’i Isiraely na eo imason’ny jentilisa.

 

3. Raha ny marina, ny fandàvana Azy sy ny fahafatesany no nanome azy zò vaovao hanjaka amin’i Isiraely sy izao tontolo izao. “Koa aoka ho fantatry ny taranak’Isiraely marimarina fa iny Jesoa nohombohanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2:36). “Koa dia hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy; satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy” (Isaia 53:12). “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesoa no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra,na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesoa Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:9-11). “Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao” (Matio 22:44; Hebreo 1:13; vakio koa Hebreo 1:2, 5-10).

Noho izany, dia Mpanjaka i Kristy noho ny zò telo ananany:

  • satria Izy dia Andriamanitra

  • satria Izy dia zanak’i Davida

  • satria Izy dia Zanak’olona, maty sy natsangana tamin’ny maty.

 

4. Amin’izao fotoana izao aloha, dia any an-danitra ihany, sy eo amin’ireo olom-boavidiny efa sambatra izay mahita Azy voasatroka voninahitra aman-daza, noho ny finoana, no ekena ny fanjakany (Hebreo 2:9). “Izay nataon’Andriamanitra tao amin’i Kristy noho ny nampitoerany Azy eo an-tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa, dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy” (Efesiana 1:20-22). Nefa io satroboninahitry ny Tompo any an-danitra io dia mbola tsy natao hita etỳ an-tany, satria etỳ i Kristy dia mbola ilay Mpanjaka nolavina ihany, izay ‘’halan’ny mpiray monina aminy’’, sy handefasany iraka isan’andro milaza hoe: “Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19:14). Izany no hanambaran’ny Teny hoe: “Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa hampanekena Azy ny zavatra rehetra” (Hebreo 2:8). Tsy ho ela anefa dia hiova izany toe-javatra izany ka ho eken’ny rehetra, na dia ireo fahavalony aza, ny fanjakany. Nefa efa ho tara loatra izany ho an’izy ireo, ary handre ity teny mampatahotra ity izy: “Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako” (Lioka 19:27).

 

5. Izao no hitantaran’ny Teny ny fidiran’i Kristy amin’ny fanjakany: “Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. Ary ny loholona efatra amby roapolo… dia niankohoka ka nivavaka tamin’Andriamanitra nanao hoe: Misaotra anao izahay Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny herinao lehibe ka efa manjaka Ianao. Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty [Aorian’ny Fanjakana arivo taona], sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany” (Apokalypsy 11:15-18).

“Ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava” (Daniela 7. 13,14).

Efa antomotra ny andro hahatanteraka izany teny faminaniana izany, ary amin’izay fotoana izay, Ilay “fandatsan’ny olona sy fanevatevam-bahoaka” dia heken’ny rehetra ho Mpanjakan’ny mpanjaka. Afaka mihira miaraka amin’ny mpanao Salamo ny olony hoe: “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany… Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka!… Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany… Eny, avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy ary ny firenena amin’ny fahamarinany” (Salamo 96:8 sy ny manaraka).

 

6. Ny voninahiny sy ny fiandrianany dia aseho amin’ny zava-boahary rehetra, izay hiankohoka eo anatrehiny ka hanaiky ny fahefany amin’ny maha-mpanjaka Azy. Ndeha mbola hotanisaintsika ny sasantsasany amin’ny tsongandahatsoratra manoritra izany. “Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona Ianao; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao… Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana fa halanao ny heloka. Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao” (Salamo 45:2;6-7). “Ary ny anarany atao hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay” (Isaia 9:5-6). “Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny… Fa Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika, Izy no hamonjy antsika” (Isaia 33:17,22). “Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy…. Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny” (Isaia 42:1,4). “Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao, sy hampody ny Isiraely sisa voaro; fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Ianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” (Isaia 49:6). “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany… Ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika” (Jeremia 23:5,6). “Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah, sy amin’ny voninahitry ny anaran’i Jehovah Andriamaniny… Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ny faran’ny tany Izy. Ary Izy no ho fiadanana” (Mika 5:3,4). “Ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka… eo amin’ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany Izy” (Zakaria 6:13). “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy… Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena… Ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy; ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany” (Zakaria 9:9,10). “Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fahasitranana ao amin’ny tànany” (Malakia 3:20).

Izany no hanoritan’ny Teny ilay Mpanjakan’ny voninahitra, ilay Mpanjakan’ny fiadanana. Ndeha ho jerena indray izao izay ho fanjakany.

 

 

5.3  TOKO 2 — Ny fametrahana ny fanjakana

Tranga telo lehibe no hanamarika ny fametrahana ny Fanjakana arivo taona, dia:

  • ny fanagadrana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa mandritra ny arivo taona

  • ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo olona masina izay natory tao amin’ny Tompo hatramin’ny nampiakàrana ny Eglizy ka mandra-pisehoan’i Kristy am-boninahitra

  • ny fitsaràn’ny Tompo ny velona, izay efa nojerentsika tamin’ny toko tany aloha.

 

Koa ireo tranga roa voalohany ihany no ndeha hodinihintsika.

 

1. Izao no vakiantsika ao amin’ny Apokalypsy 20: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy” (and 1-3). Noho izany, mandritra ny faharetan’ny Fanjakana arivo taona, dia ho afaka amin’ny ambaindain’ilay “mpandainga, rain’ny lainga”, izay manimba azy, ny zanak’olombelona. Ireo mpiara-dia roa amin’i Satana, ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, dia ho efa nialoha azy any amin’ny afo tsy mety maty, izay nanipazana azy velona (Apokalypsy 19:20). Mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana sy fahamarinana eto an-tany, dia tsy azo avela hanan-kery aloha ilay fahavalo masiakan’ny olombelona. Io tranga io no hamarana ilay vanim-potoana nisehoan’ny haratsiam-panahin’ny devoly tamin’ny haromotany, vanim-potoana izay hanomboka rehefa ho roahina avy any an-danitra izy ka atsipy etỳ an-tany, miaraka amin’ny anjeliny (Apokalypsy 12:9).

Afaka ny tany, indrindra indrindra ireo mpino tany Isiraely sy tany amin’ny jentilisa! Ho tanteraka amin’izany ny teny faminanian’i Isaia hoe: “Ary amin’izany andro izany, dia any an-danitra no hamalian’i Jehovah ny antokon’ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany. Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-tranomaizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana (= Izany hoe ho faizina ) ihany izy” (24:21,22). Afaka hanandratra ilay hiram-panafahana ny olona masina etỳ an-tany, hoe: “Hià! Mitsahatra ilay mpampahory!… Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehina fanapahan’ny mpanapaka, izay namely firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra. Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby… Efa navarina ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny tabihinao… Endrey! Latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina” (Isaia 14:4 sy ny manaraka).

Tena hifangarika tokoa amin’ny zava-nisy tetỳ an-tany taloha — ady, faharavana, ranomaso, fahafatesana — izany fandriam-pahalemana izany, izany “hiram-pandresena” hisandratra manerana ny tany izany, tany izay mankatò an’i Kristy, ilay Mpanjakan’ny voninahitra, ilay Mpanjakan’ny fiadanana!

 

2. Ny tranga faharoa, ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo maritiora novonoina taorian’ny fampiakarana ny Eglizy, dia hitranga raha vao voagadra any amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana. “Ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesoa sy ny tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany; ary velona izy, ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra ny masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba hananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona” (Apokalypsy 20:4-6).

Hanana anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany ireo olona masina tao amin’ny Testamenta Taloha sy tamin’ny vanim-potoanan’ny fahasoavana: izy ireo dia samy hatsangana amin’ny maty ka hitsena ny Tompo amin’ny fiaviany, miaraka amin’ireo velona, izay hovàna (1 Tesaloniana 4:14-17) (*). Hiverina hiaraka amin’i Kristy ireo olom-boavidy ireo rehefa hiseho am-boninahitra Izy, ary amin’izay fotoana izay no hitranga ilay fizarana farany amin’ilay “fananganana amin’ny maty voalohany”, dia ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo maritiora tamin’ny fahoriana lehibe. Hiara-manjaka amin’i Kristy any amin’ny faritry ny lanitra amin’ny fanjakana izy ireo, toy ireo olona masina nalaina hitsena ny Tompo.

 

(*) Misy fizarana efatra ny fitsanganana amin’ny maty voalohany:

·         Ny an’i Kristy, ny santatra (1 Korintiana 15:20)

·         Ny an’ny olona masina, rehefa tonga Izy (1 Tesaloniana 4)

·         Ny an’ireo vavolombelona roa (Apokalypsy 11)

·         Ny an’ireo maritiora hafa nandritra ny fara-andro

 

Izy rehetra ireo dia hanjaka sy ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy mandritra ny Fanjakana arivo taona, ary toerana feno fahasoavana sy voninahitra tokoa izany! Hanaraka ny Mpanjaka hatraiza hatraiza izy ireo ka hiara-hizara aminy ny voninahiny, hiara-hanjaka aminy. Ho aseho ampahibemaso izy ireo miaraka amin’ny Mpanjaka, izay hiseho eo imason’izao tontolo izao rehefa hametraka ny fanjakany. Ny rahon’ny voninahitr’Andriamanitra kosa dia hameno indray ny tempoly ao Jerosalema, araka ny nambaran’ny mpaminany Ezekiela hoe: “Ary indro, tamy ny voninahitr’Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ny voninahiny… Ary ny voninahitr’i Jehovah dia niditra tamin’ny vavahady manatrika ny atsinana ho ao an-trano ary indro, feno ny voninahitr’i Jehovah ny trano… Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny seza fiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny Zanak’Isiraely… Dia nentiny niverina aho tamin’ny làlana mankamin’ny vavahady ivelany amin’ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka indro, nirindrina io. Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’olona; fa efa nidiran’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany” (Ezekiela 43. 2,4,5,7; 44:1,2). Mbola misy tsongandahatsoratra hafa manamafy fa, toy ny taloha, dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah amin’ny andry rahona sy afo (jereo Zakaria 8:3; 2:5; Isaia 4:2-5). Amin’izany, dia ho tsapan’ny olombelona ny fiatrehan’Andriamanitra etỳ an-tany, mandritra ny Fanjakana arivo taona.

Ankoatr’izany, dia hanana solontena ao Jerosalema Izy, izay antsoin’i Ezekiela hoe ny mpanjaka. “Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao (ao amin’ny tempoly) hihinan-kanina eo anatrehan’i Jehovah” (44:3; 46:2 sy ny manaraka). Io mpanjaka io no ho mpanjaka lefitra hampihatra ny fahefana amin’ny anaran’i Kristy.

 

 

5.4  TOKO 3 — Ireo toetry ny fanjakana

Maro ireo tsongandahatsoratra mitantara ny hasambarana hanjaka etỳ an-tany eo ambany fifehezan’i Kristy. Izay zavatra rehetra nezahin’ny olona notadiavina nandritra ny taon-jato maro: fandriam-pahalemana, fahamarinana, hasambarana, fandrosoana, fahasalamana, fahalavam-piainana, dia omena ireo izay manaiky ny Mpanjakan’ny mpanjaka. Hamaly ny hetaheta lalina ao am-pon'ny zanak'olombelona i Kristy amin'izany, hetaheta izay tsy nety ho afa-po mihitsy hatramin'ny nandroahana an'i Adama sy Eva avy tao amin'ny zaridainan'i Edena (Romana 8:19-22).

 

1. Hanjaka tsy ho tapaka mihitsy ny fandriam-pahalemana etỳ an-tany aorian’ireo ady an-jato taona maro izay nahafaty olona bebe hatrany, ary tsy hisy fifandirana hanimba izany intsony. “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra hiady intsony… Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosin-drà dia samy hodoroana, eny, ho kitay atohoka amin’ny afo izany. Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika, ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana… Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana, ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po… Ny fiadanana no ataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao. Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny faritaninao” (Isaia 2:4; 9:5-6; 32:17-18; 60:17-18; vakio koa Salamo 72:3,7; 46:10-11; Mika 4:4;.5:4; Zakaria 9:10).

 

2. Hampanjaka ny fahamarinana i Kristy, miaraka amin’ny fandriam-pahalemana, tsy toy ny amin’izao fotoana izao izay handresen’ny tsi-fahamarinana sy ny fahotana matetika. “Hitsara ny olonao amin’ny fahamarinana izy, ary ny malahelonao amin’ny fahitsiana… Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory… Ny marina hitrebona amin’ny androny… Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy” (Salamo 72). “Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy ka hampiaiky firenena maro… Ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy… fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony… Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy… Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ny fahamarinana ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny… Hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy… Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany” (Isaia 2:4; 11:3-5,9; 16:5; 42:1,4. Vakio koa Jeremia 23:5-6; Malakia 4:2; Salamo 45:7-8).

 

3. Handimby ny fatahorana sy ny fanahiana misy ao am-pon’ny olona ankehitriny ny hafaliana sy ny hasambarana. “Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. Ary hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra… Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny… Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin’i Jehovah; ary ny malahelo ao amin’ny olona hifaly amin’ny Iray Masin’ny Isiraely… Satria efa hadino ny fahoriana taloha… Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana… Ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina” (Isaia 25:6-8; 29:19; 65:16-19).

 

4. Anisan’ny antony iray lehibe mahatonga ny fijaliana sy ny fanahian’ny zanak’olombelona ankehitriny, dia ny fahafatesana, izay tambin’ny ota. Amin’ny fanjakàn’i Kristy, dia marina fa mbola tsy ho foanana ny fahafatesana, nefa dia ho famaizana ny fikomiana mazava ihany izany, famaizana ny fahotana. “Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ny mazava” (Zefania 3. 5). “Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany, mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’i Jehovah” (Salamo 101:8). Noho izany, ireo izay mankatò an’i Kristy dia tsy ho faty. “Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina… Fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko” (Isaia 65:20 sy ny manaraka). Ho foana ny aretina sy ny fahasembanana: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana” (Isaia 35:5,6). Tsy azo eritreretina tokoa hoe amin’ny fanjakàn’i Kristy no mbola hitohy hogejain’ny fanaintainana ara-batana izao tontolo izao, ka mbola hisy ihany ireny toerana hahitana fijaliana mampalahelo ireny. Tsia, Ilay nanetry tena tetỳ an-tany ka nitety tany nanasitrana ny marary sy ny sembana no hanafaka ny zanak’olombelona amin’ny vokatry ny ota rehefa hanjaka amin-kery Izy mandritra ny arivo taona. Io fanafahana io dia anisan’ilay “fampodiana ny zavatra rehetra” resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Asa 3:21.

 

5. Hanana ny anjarany koa ny tany, ary rehefa ho afaka amin’ny ozona nitambesatra taminy hatramin’ny fahalavoana izy, dia hamokatra be, ary hanampy ny fandrosoana ankapobeny izany. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany" (Salamo 72:16).

Araka ny ho hitantsika any aoriana, ireo fitahiana ara-nofo ireo dia ho an’i Isiraely indrindra indrindra, nefa azo antoka koa fa ny firenena rehetra dia hisitraka izany fandrosoana tsy fantatra hatrizay izany: “Ary dia hanome ranonorana ho an’ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; ary amin’izany andro izany, ny ombinao dia hihinana eny amin’ny tany malalaka; ny omby sy ny boriky tanora izay miasa ny tany dia hihinana vilona voaisy sira… Ary any amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy rano velona” (Isaia 30:23-25). “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hahatraran’ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka” (Amosa 9. 13. Vakio koa Hosea 2:21-22; Joela 3. 18; Zakaria 3:10; 8:12).

Izany fanafahana mahagaga ny voahary izany (jereo Romana 8:19-22) dia hanafoana saika tanteraka ny vokatry ny ota.

“Ny hazo kypreso haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ny sampivato” (Isaia 55:13). “Hampiboika renirano ao amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ny lohasaha; hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika. Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an’efitra Aho, ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tany hay” (Isaia 41:18-19). “Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifaha hiray toerana, ary ny zazakely no hiraoka azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry; ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana. Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy”(Isaia 11:6-9). "Hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony (Aho), dia handry fahizay izy na dia any an’efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza” (Ezekiela 34. 25).

Ny “fampodiana ny zavatra rehetra” izany dia midika fitahiana toy ny tany am-paradisa, na dia tsy tanteraka aza, satria tsy ho foana tanteraka ny faharatsiana.

 

 

5.5  TOKO 4 — Ny Eglizy mandritra ny Fanjakana arivo taona

Vitsy ihany ny tsongandahatsoratra ao amin’ny tenin’Andriamanitra no miresaka ny momba ny toerana sy ny anjara asan’ny Eglizy mandritra ny Fanjakana arivo taona.

 

1. Ndeha aloha hotanisaina ny ao amin’ny Apokalypsy: “Ary tonga ny anankiray tamin’ny anjely fito… ka nanao tamiko hoe: Avia etỳ, dia asehoko anao ny ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry. Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra, sady manana ny voninahitr’Andriamanitra izy… Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny. Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy. Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny… Ary ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny. Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy” (21:9 hatramin’ny 22. 5).

Io tsongandahatsoratra io dia manoritra ny voninahitra mahatalanjona hananan’ny Eglizy, ilay vadin’ny Zanak’ondry, Jerosalema vaovao, mandritra ny Fanjakana arivo taona: manana ny voninahitr’Andriamanitra izy, Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no tempoliny, ny Zanak’ondry no fanazavana azy. Ankoatr’izany, ny fitondrana ny fanjakana dia ankinina aminy: ireo olom-boavidin’i Kristy no hanompo azy ary hiara-hanjaka aminy mandrakizay mandrakizay. Ny mpanjakan’ny tany dia hitondra ny fanatiny sy ny mari-panajany. Ny Eglizy no hampiasain’Andriamanitra hanaparitaka ny fitahiany sy ny voninahiny eran-tany, ary indrindra indrindra amin’i Isiraely (ny anaran’ireo foko roa ambin’ny folo amin’ny Zanak’Isiraely dia voasoratra eo amin’ireo vavahady roa ambin’ny folo amin’ny tanàna, sady mitondra ny anarana hoe Jerosalema io tanàna io). Ny tsy fisian’ny tempoly ao aminy dia mampiseho fa lalina tokoa ny fiombonan’ny olom-boavidy izay isan’ny Eglizy amin’i Kristy, ilay Vadiny any an-danitra: tsy hila mpanelanelana aminy sy Izy, fa hira-hiombona aminy lalina tokoa izy ireo ao amin’ny voninahiny amin’ny maha-mpanjaka Azy. Mendrika ho an’ny tany ny tempoly. Ny olom-boavidy kosa, izay handrafitra ilay tanàna masina, dia hitoetra any an-danitra amin’ny fanjakana. Andriamanitra sy ny Zanak’ondry no ho tempoliny.

 

2. Ny fomba isehoan’ireo asan’ny olona masina any an-danitra amin’ny mponina etỳ an-tany dia tsy noheverin’Andriamanitra ho zavatra tokony ho fantatsika amin’ny antsipiriany. Averina imbetsaka fotsiny fa hiara-hanjaka amin’i Kristy isika. “Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy” (2 Timoty 2:12). “Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa; ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko… Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany” (Apokalypsy 2:26-27; 3:21). Raha nanome voninahitra ny Zanak’ondry ireo zava-manan’aina efatra sy ny loholona efatra amby roapolo, dia nanamafy io tranga malaza io izy ireo: “Ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; ary manjaka ambonin’ny tany izy” (Apokalypsy 5:9,10). Ny Tompo koa tetsy an-daniny dia nampanantena tamin’ny apostoliny fa hanana toerana manokana izy ireo ao amin’ny fanjakany: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” (Matio 19:28; vakio koa Lioka 22:28-29). Ary raha hitarina, dia miresaka amin’ny olom-boavidy rehetra Izy raha nanambara hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana” Lioka 12:32).

 

3. Tsy milaza zavatra mihoatr’izany ny tenin’Andriamanitra. Tokony ho ampy antsika izany ny fahafantarana fa hiara-hanjaka amin’i Kristy isika. Dieny ankehitriny isika dia mponin’ny lanitra, ary ny anjarantsika mandritra ny Fanjakana arivo taona koa dia any an-danitra. Ny zava-dehibe amintsika dia ny fahalalàna fa io anjarantsika io dia hampitolagaga, satria hizara ny voninahitr’i Kristy isika ary ho mpiasa ao amin’ny fanjakany. Ho mpanjaka sy mpisorona ho an’Andriamanitra isika. Ary araka ny sary an’ohatra momba ny tabernakely, dia afaka milaza isika fa izany fisoronana izany dia hatao ao amin’ilay fitoerana masina indrindra, izany hoe any an-danitra amin’ny fanjakana, fa i Isiraely kosa dia hanompo an’Andriamanitra etỳ an-tany ao amin’ny fitoerana masina, toy ny nataon’ny Levita. Farany, ny jentilisa dia ho eo an-tokontany, ary eo no hanaterany ny fanatitra ho an’i Jehovah, toy ireo foko roa ambin’ny folo taloha.

Noho izany, dia hoavy malaza tokoa no miandry ny Eglizy mandritra ny fanjakana arivo taona. Hasambarana ny an’ireo olom-boavidy mandrafitra azy mahalala fa hiaraka amin’ny Tompony izy ireo, hitovy aminy ary hiombona aminy amin’ny fitondrana ny fanjakany sy ny fisoronany! Hafaliana koa ny an’ny fony “raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina sy higagana eo amin’izay rehetra mino amin’izany andro izany”! (2 Tesaloniana 1:10). “Rehefa hiseho ny Tompo Jesoa, dia hataony vatosoa sarobidy isika, hamirapiratan’ny voninahitry ny satroboninahiny malaza, ary haneho hatraiza hatraiza, tsy ny maha-isika antsika, fa ny maha-Izy Azy. Izy no homem-boninahitra, Izy no hampitolagaga ny olony” (H.R.)

“Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo” (Kolosiana 3:4).

 

 

Tsy misy alina intsony, tsy misy halavirana intsony !

Ny Vadinao eo anilanao,

No hampiseho ny herinao,

Ny fahasoavanao, sy ny hatsaran-tarehinao.

 

Vokatry ny fitiavanao lalina indrindra izy,

Ary amin’io andro io, dia hiseho izy,

Voahodidina koa

Ny fitiavanao ho mandrakizay.

 

 

5.6  TOKO 5 — Isiraely mandritra ny Fanjakana arivo taona

Ireo fitahiana nampanantenaina an’i Isiraely dia mikasika ny tetỳ an-tany indrindra indrindra. Noho ny tsy fankatoavany, dia nesorina taminy izany, nefa kosa Andriamanitra dia hanohy ny zavatra nokasain’ny fahasoavany ho an’ny vahoakany ihany. Rehefa hiova fo ireo olona ireo, noho ny indrafony sy amin’ny alàlan’ny fizahan-toetra, dia homena azy ny fitahiana mandritra ny Fanjakana arivo taona, eo ambany fanapahan’ny Mesiany, izay ekena sy hobiana ho toy ilay Mpanjakan’ny mpanjaka. Noho izany, azontsika fa hanana anjara asa manokana tokoa ny vahoakan’i Isiraely mandritra izany vanim-potoana izany ary hanana toerana manokana ao amin’ny fanjakana.

 

1. Rehefa hotohizan’Andriamanitra ny fifandraisany am-pahasoavana amin’i Isiraely, dia ho lasa firenena voalohany eto an-tany izy ireo, ary izany maha-voalohany azy izany dia hambara ny firenena rehetra ary hekeny. Mihodina tokoa ny tantara, raha mijery ny taon-jato maro nanenjehana sy namoretan’ny firenena hafa azy! “Hampanompo izay nampahory azy” izy (Isaia 14:2). “Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely” (60:14).

Hanitatra ny ambaindainy eran’izao tontolo izao i Isiraely. “Amin’ny andro ho avy, dia hamaka tsara i Jakoba; ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany” (Isaia 27:6). Mbola mihoatra noho izany aza fa ireo mpitondra vahiny rehetra dia hanaiky ho fehezin’i Isiraely. “Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah” (Isaia 49:23).

 

2. Io fankatoavana azy io dia hampiarahin’ireo firenena rehetra fanomezana lehibe: “Ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena… Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao. Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa” (Isaia 60:5, 11,12; jereo koa Isaia 61:5,6; 66:12).

 

3. Jerosalema no ho renivohitr’izao tontolo izao, satria ao no hanehoan’Andriamanitra ny fisiany. “Fa Jehovah efa nifidy an’i Ziona, ary naniry azy ho fonenany. Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; eto no honenako, fa efa niriko ity” (Salamo 132:13,14). “Ary Jehovah hanana an’i Joda ho anjarany ao amin’ny tany masina ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray… Izao no lazain’i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary Jerosalema dia atao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny Tendrombohitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia atao hoe Tendrombohitra masina… Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’i Jehovah… Ary ny sisa rehetra amin’ny jentilisa rehetra… dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro” (Zakaria 2:16; 8:3,22; 14:16). “Amin’izany andro izany no hanononana an’i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’i Jehovah; ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’i Jehovah any Jerosalema” (Jeremia 3:17. Jereo koa Mika 4:1,2 sy Ezekiela 43. 7).

 

4. Hatsangana indray ny tempoly ao Jerosalema ary soritan’ny mpaminany Ezekiela amin’ny antsipiriany izany amin’ny toko enina ao amin’ny bokiny (40-44; 46). Ao no hitoetra ny voninahitr’Andriamanitra (43:1-7), toy ny nisehoany taloha, izany hoe andry rahona sy afo. Haverina indray ireo fanatitra hahatsiarovana ny asan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. “Fa ny Levita mpisorona, taranak’i Zadoka kosa… dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny ra, hoy Jehovah Tompo” (44:15). Hisy loharano hiboiboika avy ao amin’ny tempoly, izay hivarina any amin’ny Ranomasina Maty, ka hanadio azy, ary ho feno trondro izy (Joela 3. 18; Zakaria 14:8; Ezekiela 47. 1-12). Hankalazaina indray ny Paska (izay hampahatsiahy ny nahafatesan’i Kristy nisolo voina antsika) sy ny Fetin’ny tabernakely (mariky ny fitsaharana nomen’Andriamanitra an’i Isiraely sy ny jentilisa) (Ezekiela 45. 21-25; Zakaria 14:16-19). Hisy mpanjaka hitondra ny tany; hanan-janaka sy hanan-tany izy (Ezekiela 46. 16; 45:7,8). Hampihatra ny fahamarinana izy ary hanao fanatitra ho an’ny vahoaka (45:8,9,17).

 

5. Ny iraka hampanaovina an’i Isiraely koa dia ny hampahafantatra ny anaran’i Kristy any amin’ny jentilisa, indrindra indrindra amin’ny fiantombohan’ny Fanjakana arivo taona. “Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ny jentilisa… dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny jentilisa izy” (Isaia 66:19). “Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah, sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra” (Mika 5:6). “Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ny firenena, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo” (Zakaria 8:13). “Amin’izany andro izany, dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra” (Zakaria 8:23). “Dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany” (Isaia 45:14). Angamba manipy teny momba io fanompoana hataon’i Isiraely amin’ny ho avy io ny apostoly Paoly raha nanoratra tamin’ny Romana hoe: “Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’izao tontolo izao, ary ny nihenany, no tonga haren’ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany!” (11:12). Amin’izay tokoa, “Ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao” (Isaia 60:3).

 

 

5.7  TOKO 6 — Ny jentilisa mandritra ny Fanjakana arivo taona

1. Raha tsipihin’ny teny faminaniana ny fahambonian’i Isiraely mandritra ny fanjakana arivo taona, dia asehony koa fa ny jentilisa dia hanana anjara amin’ny fitahiana ho entin’ny fanapahan’i Kristy ny tany. Izy mantsy dia “hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa” ary hatao “ho fanazavana ny jentilisa… mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” (Isaia 42:1; 49:6). Ny mpaminany Daniela koa dia manambara fa hihanaka amin’ny firenena rehetra ny fanjakan’ny Tompo. “Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy” (7 . 14).

 

2. Toy ny hiasan’Andriamanitra ao am-pon’ireo sisa tavela mba hiovàny fo no hiasàny mahery amin’ny jentilisa hahatonga azy ireo hitodika any amin’i Kristy: “Amin’izany andro izany, dia hanandratra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ny Isiraely” (Isaia 17 . 7). “Fa amin’izany, dia hovàko ho madio ny molotry ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina” (Zefania 3 . 9). Marina fa Andriamanitra dia hampiasa ny hafatra momba ny famonjena izay hambaran’ireo evanjelista maro avy any Isiraely ka hitety ny tany rehetra. Nefa Izy mihitsy no hikasika ny fon’ny olona sy ny fisainany efa nohamafina. “Amin’izany andro izany dia ho ren’ny marenina ny tenin’ny taratasy, ary na dia ao amin’ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason’ny jamba… Ary tsy hikimpy ny mason’izay mahita, ary ny sofin’izay mandre dia hihaino. Ny fon’izay maimaika hahazo fahalalàna, ary ny lelan’izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy” (Isaia 29:18. 32. 3,4).

 

3. Io fiovam-pon’ny jentilisa io, izay ho ao aorian’ny an’i Isiraely, dia hahatonga azy hankatò an’i Kristy sy hanaiky Azy ho toy ny Mpanjakan’ny mpanjaka.

“Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany. Ny mponina any an’efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka. Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan’i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana. Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy” (Salamo 72 . 8-11).

Mitovitovy amin’izany ihany ny zavatra ambaran’ny mpaminany Isaia: “Ary amin’izany andro izany, ny Solofon’i Jese izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra… Dia hiverina ho any amin’i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy… Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony… dia ho entiko any an-tendrombohitra masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana…fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra” (11:10; 19:22; 56:6,7).

Ary farany, dia ndeha hotanisainsika ny mpaminany Zakaria: “Ary firenena maro no hanaiky ho an’i Jehovah amin’izany andro izany ka ho oloko” (2:15). Amin’izany, dia hanompo ny Tompo amin-kafaliana ny firenena rehetra ary ireo izay tsy niova fo dia ho an-kavitsiana, ary hankatoa amin’ny fiatsarambelatsihy izy. Ireo izay mioko dia ho levonina eo noho eo, araka ny efa hitantsika tamin’ny toko teo aloha.

 

4. Vahoaka maro amin’ny jentilisa no ho tonga any Jerosalema hivavaka. “Ary ny firenena hitanjozotra hankany. Eny, maro ny jentilisa no hianga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah” (Mika 4 . 1,2). “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha. Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’i Jehovah” (Zakaria 8:20-22). Ny firenena izay hanao tsinontsinona io fivavahana io dia ho faizina: “Ary na iza na iza amin’ny firenena samy hafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy… Izany no… fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano ratsan-kazo” (Zakaria 14:17-19).

 

5. Na dia mbola hisy ihany aza ny ota sy ny fahafatesana, dia ho henika ny fahalalàna an’i Jehovah ny tany, “tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina” (Isaia 11:9). Ho feno an’i Kristy ny fon’ny maro, hany ka ny fahamasinana no hanjaka amin’ny asan’ny olona, ary hatramin’ny lakolosy kely eny am-bozonan’ny soavaly aza no hasiana hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah” (Zakaria 14:20). “Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra, sy hianianan’ny lela rehetra hoe: Ao amin’i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka Izy ihany no hohatonin’ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy” (Isaia 45:23,24). Farany, ho tanteraka ilay vavaka fanao mandrakariva hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”.

 

 

5.8  TOKO 7 — Ny fiafaràn’ny Fanjakana arivo taona

Hanjaka amin’ny tehim-by i Kristy. Midika izany fa tsy handefitra amin’izay mety ho fanohintohinana ny fahefany Izy. Izany no mahatonga ny mpanao Salamo hanasa ny mpanjakan’ny tany sy ny mpitsara azy hanompo ny Tompo amin-katahorana sy fangovitana. “Ary amin’izany, dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ny tany. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana, ary mifalia amin’ny fangovitana. Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dàlana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany” (Salamo 2:10-12). Hisy ny mpikomy izay tsy hanaiky ao am-pony ny fahefan’i Kristy, fa hafeniny ny fankahalàny Azy. Na aiza na aiza hisehoan’ny faharatsiana, dia hisy fitsarana marina hanafay izany eo noho eo, satria “hanjaka amin’ny fahamarinana” ny mpanjaka. Ireo izay nofaizina toy izany dia ho ohatra ho an’ireo izay azon’ny fakam-panahy hanao toa azy. “Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ny olona izay niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy” (Isaia 66:24).

Nefa na ny fandrosoana, na ny fandriam-pahalemana, na ny fahamarinana izay hanjaka, dia tsy hampiova ny fon’ny zanak’olombelona. Ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no hany hahatonga fahateraham-baovao ho azy. Amin’ny fiafaràn’ny Fanjakana arivo taona, dia ho zahan’Andriamanitra toetra farany ny olona. hovahana mandritry ny fotoana fohy i Satana. “Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ny tranomaizina nitoerany ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany” (Apokalypsy 20:7,8). Asehon’Andriamanitra amin’izany ny tena toetry ny fo: ireo izay mody nankatò dia hampiseho amin’izay ny tena ao am-pony marina, izany hoe ny fankahalany an’i Kristy sy ny olony. Noho izany, raha vao hipoitra i Satana, dia ho faingana mihitsy izy ireo hivory eo ambany fifehezany hiady amin’ny olona masina, amin’ny fanantenana adala hoe hamotika ny fanjakan’i Kristy sy hamerina ny zava-nisy tany aloha. Fahadisoan-kevitra bevava!

Ho maro “tahaka ny fasiky ny ranomasina” ireo olon-dratsy ireo, ary izany no hanoharana azy amin’i Goga sy Magoga lazain’i Ezekiela 39, ilay fahavalo mahery avy any Rosia sy ny tany tatsinana, izay nanafika sy nanapotika an’i Palestina, arivo taona lasa teo aloha. Mampiseho izany fa tsy misy fanafany ny haratsian’ny fon’ny zanak’olombelona: aorian’ny arivo taona nisian’ny fandriam-pahalemana, ny fitahiana isan-karazany, dia mbola hisy ihany olona an’alin-kisa hilaza fa aleony Satana toy izay Andriamanitra, ary hikomy am-pahibemaso amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka. “Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala” (Apokalypsy 20:9). Dia mbola hiezaka hanapotika ny olona masina sy i Jerosalema, ilay tanànan’Ilay Mpanjaka lehibe, ihany ny devoly. Izany no efa nataony taorian’ny nandroahana azy avy any an-danitra ka nanipazana azy tetỳ an-tany (Apokalypsy 12:7 sy ny manaraka). Tsy miova ny tanjony: tsy afaka ny hikasika ny Tompo izy, hany ka ny olon-tiany no hankalamoany. Efa fonenan’ny Tompo nandritra ny arivo taona i Jerosalema sy ny tempoly, ka izany no hiezahan’i Satana hamotika azy.

Nefa tsy havelan’ny Tompo ho tanteraka izany: hisy fitsarana indray mielatra hampijanona izany fikomiana izany. “Ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay ireo” (Apokalypsy 20:9,10). Noho izany, raha vao handresy ny fakàm-panahy ka hivoaka daholo ny ao am-po, dia ho levonina ny fikomiana ary tsy hahakasika ny olona masina mihitsy ny devoly.

Io fikomiana io sy ny fitsarana azy malaky no hanamarika ny fiafaran’ny Fanjakana arivo taona. Hisokatra ny dingana farany ambaran’ny faminaniana. ny fiainana any amin’ny mandrakizay, izay hodinihintsika amin’ny toko fahadimy sady farany amin’ity boky ity.

 

 

6  FIZARANA FAHADIMY — Ny fiainana any amin’ny mandrakizay

6.1  Fampidirana

Hiditra amin’ny dingana farany amin’ny tranga ambaran’ny faminaniana isika. Hanomboka eo no eo aorian’ny fikomiana manaraka ny Fanjakana arivo taona io vanim-potoana io. Ho ravana ny lanitra sy ny tany, ary hipetraka eo ambonin’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe i Kristy, hitsara ny maty tao amin’ny fahotany. Hatsangana amin’ny maty izy ireo noho ny herin’Andriamanitra, ho tsaraina araka ny asany, ho melohina ary hatsipy any amin’ny farihy afo. Dia ho foanana koa ny fahafatesana. Hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao hanjakan’ny fahamarinana Andriamanitra. Tsy handoto io voary vaovao izay honenan’Andriamanitra miaraka amin’ny olona io intsony ny ota. Efa ho nampihavanina taminy ny zava-drehetra, ary hirindra tanteraka amin’ny fahamasinany. Ny fitiavany koa, izay tsy hisy hanelingelina intsony, dia hameno ny voary ary hatraiza hatraiza no hanjaka ny fahasambarana tsy misy larony sy tsy misy fahataperana. Efa homen’i Kristy an’Andriamanitra Ray ny fanjakany, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

Izany no ambangovangon’io lohahevitra hodinihintsika izao io.

 

 

6.2  TOKO 1 — Ilay seza fiandrianana fotsy lehibe

Izao no vakiantsika ao amin’ny Apokalypsy 20:11 sy ny manaraka: “Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy”.

Trangan-javatra manetriketrika tokoa izany! Ny maty tao amin’ny Kristy dia hitsangana amin’ny fiavian’ny Tompo sy alohan’ny fametrahana ny Fanjakana arivo taona, fa ireo tsy voavonjy kosa dia hijanona any am-pasana ka tsy hatsangana raha tsy aorian’ny Fanjakana arivo taona mba hiseho eo anoloan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe. Fotoana hanisana ny zava-bita izany… Ary i Kristy mihitsy no mipetraka eo amin’io seza fiandrianana io, manatanteraka ny fitsarana nankinin’ny Ray taminy. “Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka… ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona” (Jaona 5:22,27). “Amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona” (Romana 2:16). “Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty” (Asa 10:42). “Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alàlan’ny Lehilahy izay voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asa 17:31). “Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Timoty 4:1).

Hiseho eo anatrehany daholo ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe eto amin’ity tany ity, mba handray ny valin’asany amin’ny fahamarinana. Tsy hoe ho “hita toetra” fotsiny, araka ny hitantsika ao amin’ny 2 Korintiana 5:10, toy ny an’ireo olom-boavidy, izay hanehoana ny fahasoavana nanadio ny fahotana rehetra tamin’ny ran’i Kristy ary namokatra zavatra tsara. Eto dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny asany ny tsy mpino, ary tsy afaka hanantena mihitsy ny fahasoavana izay efa nailiny tamin’ny andro nahavelomany.

Tsy hisy olom-boavidin’ny Tompo amin’ireo olona mampalahelo ireo. “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24). Ireo izay tsy nino ny Tompo Jesoa kosa dia tsy hisy fanantenana, satria efa nohitsakitsahiny ilay Zanak’Andriamanitra.

 

2. Ny olona tsirairay dia hojeren’Andriamanitra, na ao amin’i Kristy (izany hoe misitraka ny vokatry ny asa fanonerany), na “araka ny asany”. Nefa ireo izay hiseho eo anoloan’Andriamanitra ka miankina fotsiny amin’ny zavatra tsara vitany, dia azo antoka fa hahazo fanamelohana , ary rariny izany, satria tsy hahatanty ny fahazavan’Andriamanitra ny asa vitany. Efa ho dify ny andron’ny fahasoavana ary ny zavatra rehetra dia hotsaraina araka ny filàna tsy azo hihodiviran’ny fahamarinana sy ny voninahitr’Andriamanitra.

Hotsaraina araka izay voasoratra ao anatin’ireo boky ny maty. Kisarisary ihany io, nefa dia tena mazava tokoa: tsy hisy zavatra hadino, haverina ao an-tsaina daholo ny zava-drehetra, ary izany fampahatsiahivana izany dia ho ampy handresy lahatra ny maty fa diso izy ireo ary marina ny fanamelohana azy. Na ny fahotana nafenina aza dia hotsaraina. “Fa ireo nanota… dia hotsaraina… amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona” (Romana 2:16). Ny teny koa, fa tsy ny zavatra natao ihany: “Ary lazaiko aminareo fa ampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony fa ny teninao… no hanamelohana anao” (Matio 12:36). Tsy misy afaka hanala tsiny ny tenany, ary hakombona ny vava rehetra. Izany no “fitsarana marin’Andriamanitra, Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy” (Romana 2:5,6).

 

3. Fa inona kosa no hanjo ireo rehetra izay tsy nandre ny Filazantsara ? Voalohany aloha, dia tokony hotsaroana fa niteny foana tamin’ny olombelona Andriamanitra tamin’ny alàlan’ireo zavatra nohariny sy ny fisainany. “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy, satria izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, fa nasehon’Andriamanitra taminy. Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony (= ny voary); ka dia tsy manan-kalahatra ireo” (Romana 1:18-20). Noho izany, ny olombelona, amin’ny fandinihina fotsiny ny zava-boahary, dia afaka mahatsapa ny hery tsy misy fahataperan’Andriamanitra sy ny maha-Andriamanitra Azy, ary ampy izany tsy ahafahana manala tsiny azy intsony amin’ny fiainany ao anaty tsi-fahamarinana. Fa ankoatr’izany, dia noraketin’Andriamanitra tao an-tsain’ny olona ny fotokevitra ifotony amin’ny lalàny, amin’ny fahafantarany ny tsara sy ny ratsy, izay ananan’ny olona rehetra, na dia olona mbola tsy nandre na inona na inona aza izy. “Fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza” (Romana 2:14,15).

Nefa ny jentilisa rehetra dia tsy nankatò ny fahamarinana nambara taminy tamin’ny alàlan’ireo zavatra roa ireo, ary manambara ny Teny fa tsy manan-kalahatra eo imason’Andriamanitra izy ireo. Nefa tsy midika izany fa hitovy ny fatra hanasazina ny olona rehetra. Ireo izay tsy nandre ny Filazantsara dia tsy hofaizina hentitra toy ireo izay nandre nefa nandà. Ny Tompo mihitsy no milaza hoe: “Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be. Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohina azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy” (Lioka 12:47,48). Manamafy koa Izy etsy an-daniny fa ny taranaka nahita ny fahagagana maro nataony sy nahare ny hafatra momba ny fahasoavana, nefa nandà Azy, dia ho faizina bebe kokoa, amin’ny andro fitsarana, noho ireo mpanota tany Tyro na Sidona. “Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. Fa lazaiko aminareo, fa ho moramora kokoa ny ho amin’i Tyro sy Sidona amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminareo” (Matio 11:21,22). Mitovy amin’izany koa ny fanamelohany an’i Kapernaomy, raha miohatra amin’i Sodoma (and 23,24). Farany, nanambara tamin’ny mpianany Izy, raha nandefa azy ireo hitory teny tany Isiraely, fa ho moramora kokoa ny hanjo an’i Sodoma sy Gomora noho ny hanjo ireo tanàna izay tsy hety handray azy ireo (Matio 10:14,15).

Ireo tsongandahatsoratra ireo dia mampiseho fa hitsara amin’ny fahamarinana ny Tompo, ka isainy ny haben’ny fahamelohana sy ny andraikitr’ireo mpanota tsirairay. Na izany koa aza anefa, Andriamanitra dia miseho ho Andriamanitra mpamonjy ho an’ireo olona matahotra Azy, ary hamarinin’ny fiovam-pon’i Kornelio sy ilay lehilahy Etiopiana izany (Asa 10:19-20; 8:26-29). “Ao amin’ny maizina no iposahan’ny mazava ho an’ny mahitsy” (Salamo 112:4). Ireo mpanota nibebaka tamin’ny Fanekena Taloha dia afaka mahatoky fa voavela ny helony noho ny asa fanonerana nataon’i Kristy, izay nahazoany anjara alohan’ny fotoana (jereo ny ohatra nomen’i Davida, izay mpijangajanga sy mpamono olona, manambara ny fahazoany antoka ny famelana ny helony ao amin’ny Salamo 32). Nahari-po Andriamanitra ka nandefitra tamin’ny “fahotana teo aloha”, satria naneho ny fahamarinany Izy tamin’ny namelezany an’i Kristy teo ambony hazofijaliana (Romana 3:25). Mbola mahari-po ihany Izy, satria “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9). Betsaka ny zavatra azon’Andriamanitra ampiasaina, ary tsy ary ho fantatsika daholo ireny. Ny fahasoavany, ny fitiavany ny mpanota, ary ny hery asehony hamonjena azy ireny noho ny finoana an’i Jesoa, dia lehibe ary tsy takatry ny saintsika ary tsy hisy ho melohina amin’ny tsy rariny amin’ny andro fitsarana.

 

4. Hisy boky hafa koa hosokafana: ny bokin’ny fiainana. Tsy hoe hanoratana ny anaran’iza na iza, fa hampahatsiahy ny mpanota fa tokony mba ho voasoratra tao koa ny anaran’izy ireo mba nahafahany niala tamin’ny helo, raha tsy notsinontsinoaviny ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy hoe hanamarina koa ny anaran’ny olom-bery iray, sao, amin’ny tsy ampoizina, mba sendra ao amin’ny bokin’ny fiainana io! Tsia! Tsy misy amin’ireo olona izay voasoratr’Andriamanitra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana no hiseho eo anoloan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe. Nino an’i Jesoa izy, ka tsy hotsaraina (Jaona 5:24). “Ary amin’izany, dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Romana 8:1).

Maro ny tsongandahatsoratra hafa  miresaka ny bokin’ny fiainana (*). Izay tsy voasoratra ao dia very tsy misy fanafany.

 

(*) Salamo 69:28; Filipiana 4:3; Apokalypsy 3:5; 13:8. Jereo koa Lioka 10:20 sy Hebreo 12:22,23.

 

Ry mpamaky, voasoratra ao amin’io boky io ve ny anaranao ? Raha izany, dia mifalia, satria hoy ny Tompo tamin’ny mpianany: “Mifalia fa voasoratra any an-danitra ny anaranareo”. Raha tsy izany, aza miandry, mihavàna haingana amin’Andriamanitra, satria hentitra ny Teny: “Ary raha nisy hita tsy voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:15).

Ny fandàvana ny fahasoavan’Andriamanitra dia hanavesatra bebe kokoa ny fanamelohana ny mpanota. “Izay mino Azy (ny Zanak’Andriamanitra) dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahy Tokan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:18). Indrisy! Ho an’ireo izay hiseho eo anoloan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe, dia hisy fanamelohana tsy azo hivalozana sy tsy azo ovàna intsony: “hatsipy any amin’ny farihy afo” izy ireo. Ny toko faha-21, andininy faha-8, no manoritra ny zavatra hiampangana azy ireo, izay hahazoany izany fanamelohana izany: “Fa ny osa (izany hoe ireo izay tsy nety nanapa-kevitra mazava hanaraka an’i Kristy) sy ny tsy mino (izany hoe ireo izay nandà ny famonjena) sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa”. Izany no didim-pitsarana marina hataon’ny Tompo amin’ireo olo-meloka ireo.

 

5. Inona izany “farihy afo” izany ? Io no toerana lazaina amin’ny mahazatra hoe “afobe”, voambolana izay tsy ao amin’ny tenin’Andriamanitra akory. Nefa maro ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Teny mitantara ny zavatra mahatsiravina tsy hay lazaina misy any amin’io toerana io sy ny fijaliana manjo ireo olona mampalahelo voagadra any. Ao amin’ny Isaia 30:33, dia soritana ho toy ny antontan-kitay ampirehetina amin’ny fofonain’Andriamanitra, izay tahaka ny renirano solifara, io. Ao amin’ny Lioka 16:24, ilay mpanankarena any amin’ny fiainan-tsi-hita dia miantso vonjy, ary milaza fa “fadiranovana eto anatin’ity lelafo ity”, nefa tsy mbola any amin’ny farihy afo akory izy. Manambara ny fijaliana manjo ireo izay natsipy any amin’ny helo ny Tompo, amin’ny filazany fa tsy maty ny kankany ary tsy vonoina ny afo (Marka 9:48; jereo koa Matio 25:41 sy Hebreo 10:27).

Daniela koa dia milaza io fitsarana farany io ary mitantara ny zavatra mampangovitra hahazo ny voaheloka. “Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, (io no fitsanganana amin’ny maty voalohany) ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay” (12:2).

Io toerana io koa no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify (Matio 13:42,50; 22:13),ny “maizina any ivelany” (Matio 8:12; 22:13). Ilay voambolana hoe “any ivelany” dia manambara ny fanalavirana tanteraka sy tsy azo iverenana intsony ny voaheloka tsy hanatrika sy tsy hahita ny fahazavan’Andriamanitra. Eny ivelany, ambadiky ny varavarana nidina ho mandrakizay, izany no miandry ireo tsy mino. “Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo… Mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka” (Lioka 13:25-27. Vakio koa Apokalypsy 22:15).

Io koa dia mbola “toeran’ny fijaliana” (Apokalypsy 14:11; 20:10), fijaliana izay ho “fahaverezana mandrakizay” (2 Tesaloniana 1:9; 2 Petera 2:1), eo ambany ozon’Andriamanitra (Matio 25:41). Io toerana mahatsiravina misy ny olona io no atao hoe “fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 20:14; 21:8). Ny fahafatesana voalohany dia hanala ireo ratsy tsy hiaina eto an-tany, fa ny fahafatesana faharoa kosa dia hanipy azy any amin’ny farihy afo izay hampijaliana azy andro aman’alina, ho mandrakizay doria

Zavatra mampahatahotra tokoa izany! Ireo kisarisary rehetra ampiasain’ny Teny hitantarana izany (afo tsy vonoina, kankana mikiky, fahamenarana ho mandrakizay, fitomaniana sy fikitroha-nify, maizina any ivelany, fahaverezana mandrakizay, sns) dia maneho ny fijaliana tsy hay lazaina, ny fanenenana, ny fahatahorana hanjo ireo olom-bery rehefa azony antoka tanteraka fa ho sarahina amin’Andriamanitra ho mandrakizay izy. Hanampy ireo fijaliana ara-panahy ireo angamba ny fijaliana ara-batana, satria hatsangana amin’ny maty alohan’ny hisehoany eo anoloan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ireo tsy mino ireo. Hahazo vatana ho entiny any amin’ny farihy afo izany izy ireo. Ny olom-boavidy rehetra kosa dia hotafiana vatana feno voninahitra, mitovy amin’ny an’ny Tompo, ary hisitraka mandrakizay ny fanatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny fahazavana, ny fiadanana sy ny voninahitra any an-danitra, fa ny tsy mino kosa dia hiharitra fahoriana mihoampampana, mahatsiaro fa tafasaraka tanteraka amin’Andriamanitra. Izany no atao hoe fahafatesana faharoa.

Ny vao mainka hampitombo ny fijalian’ireo maty ireo, dia ny fahatsiarovany tena sy ny tadidiny. Toy ilay mpanankarena ao amin’ny Lioka 16, dia ho fantany fa hisy toeram-pahasambarana ary tsy ho afaka ho any izy satria voasaraky ny hantsana tsy azo hiampitana.

Hahatsiaro ho tena nariana izy, resy lahatra koa fa mendrika izao fitsarana izao, mahatsiaro mangidy sy manenina noho ny fahafantarana fa azony atao ny niala tamin’io sazy io raha nino ny Tompo fotsiny izy, matahotra fa tsy hisy fiafarany io fijaliana io, tafasaraka mandrakizay amin’Andriamanitra, na dia nanao izay rehetra azo natao aza Izy, nanome ny zavatra rehetra hamonjena ny mpanota, nefa hiala amin’ireo izay nanao tsinontsinona ny famonjeny ka hiataka aminy ho mandrakizay, avelany ao amin’ny maizina any ivelany… izany no atao hoe helo!

Hampijaliana andro aman’alina ho mandrakizay izy ireo. Izany no anjara mahatsiravina ho azy, ary ilaina tokoa izany ny mandray tsy misy hatak’andro ilay famonjena mahagaga atolotr’i Jesoa maimaimpoana ho an’ny mpanota rehetra! Ho an’ireo izay voavonjy kosa, dia adidiny ny manambara amin’ny mpanota ny vaovao mahafaly momba ny famonjena noho ny fahasoavana. “Lozako raha tsy mitory aho”, hoy ny apostoly Paoly (1 Korintiana 9:16). Andeha hanara-dia azy ka hampahatsiahy amin’ireo mpanota fa tia an’izao tontolo izao Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

 

 

6.3  TOKO 2 — Ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

1. Rehefa hipetraka eo ambonin’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ny Tompo hitsara ny maty, dia handositra ny tavany ny tany sy ny lanitra, ka tsy hisy hitoerany intsony (Apokalypsy 20:11). Mitantara amin’ny antsipiriany ny fandevonana ny tany sy ny lanitra ny apostoly Petera: “Nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy… Ary amin’izany, ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” (2 Petera 3:5 sy ny manaraka).

Noho izany, raha rano no namotehana ny tontolo fahiny, ankehitriny dia afo kosa no hamotehana izao tontolo izao. Kanefa dia ho famotehana tanteraka sy tsy misy fanafany intsony izany, ary hahazo ny lanitra misy ny kintana koa. Misy tsongandahatsoratra hafa ao amin’ny Soratra Masina manamafy izany fahamarinana manetriketrika izany: “Tany aloha no nanorenanao ny tany; ary asan’ny tànanao ny lanitra; ireo dia ho levona… ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovàna izy” (Salamo 102:25,26; Hebreo 1:10-12). “Ny lanitra sy ny tany ho levona” (Matio 24:35).

Hanao ahoana kosa ireo olona masina tamin’ny Fanjakana arivo taona mandritra io zava-doza io ? Tsy misy tsongandahatsoratra manambara amintsika ny amin’izany nefa azontsika ekena fa ho voaova izy ireo ka ho voaro. “Fantatsika fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka handova ny fanjakan’Andriamanitra. Araka ny zavatra ankapobeny ambaran’ny Soratra Masina, dia afaka mahatoky tanteraka isika izany fa ireo olona masina ireo, izay voaro mandritra ny famotehana ny lanitra misy kintana sy ny tany io, dia ho entina any amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, ary ho vaovao ny tenany amin’izany, mendrika ny mandrakizay izay hametrahana azy” (W. Kelly, Fandinihina ny Apokalypsy, toko 20).

 

2. Tsy milaza amin’ny antsipiriany ny momba ny lanitra ny Teny, angamba satria ny toetrantsika amin’ny maha-olombelona antsika ankehitriny dia tsy ahafahantsika hahatakatra izany zava-mahagaga ambara amintsika izany. Ny apostoly Paoly, izay nentina tany amin’ny lanitra fahatelo (izany hoe ny fitoeran’Andriamanitra),dia milaza fa nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’olona (2 Korintiana 12:4). Ampy izany hilazana fa tsy ho takatry ny saintsika mihitsy ny hasambarana hanjaka amin’izany toerana masina izany, na ny voninahitra izay ho anjaran’ny olom-boavidy amin’ny mandrakizay.

Etsy an-daniny kosa anefa ny Teny dia manoritra mazava izay zavatra tsy hisy intsony any amin’ny tany vaovao. Hiisa fito izy ireo: dimy no lazaina ao amin’ny Apokalypsy 21:1-4 (ny ranomasina, ny fahafatesana, ny fisaonana, ny fitarainana, ny fanaintainana) ary roa ao amin’ny Apokalypsy 22:3-5 momba ilay tanàna masina mandritra ny Fanjakana arivo taona (tsy hisy ozona, tsy hisy alina), toe-javatra izay hisy amin’ny tany vaovao.

 

2-1. Ny ranomasina dia tsy hisy intsony.Ny ranomasina, izay kisarisary maneho ny fikorontanana, dia ho foana. Halamina daholo ny zavatra rehetra ary harindra tsara hifanaraka amin’Andriamanitra. Ho tody eny an-tseranana daholo ny olom-boavidy. Tsy hisy tafio-drivotra intsony, tsy hisy loza manambana, tsy hisy fahoriana (Salamo 107:23-32). Tsy hisy zava-miafina intsony, tsy hisy ny hoe “Fa nahoana ?” momba ny làlan’Andriamanitra ankehitriny amin’ny olony (Salamo 77:19). Aseho daholo ny zava-drehetra, ary ny malalan’Andriamanitra hankalaza ny fahagagana nataony.

 

2-2. Tsy hisy fahafatesana intsony. Foanan’i Jesoa Kristy Mpamonjy dieny ankehitriny io (2 Timoty 1:10), hatelina amin’ny fandresena amin’ny fananganana ny maty sy fanovàna ny velona izy ary horesena (1 Korintiana 15:26). Tsy hisy intsony olom-boavidy hiharan’ny fahefany mandrakizay; tsy hisy intsony mandrakizay ny fanasarahana ny fanahin’ny iray amin’izy ireo amin’ny vatany. Apokalypsy 20:14 dia maneho ho toy ny olona ny fahafatesana (ny toerana izay hipetrahan’ny vatana) sy ny fiainan-tsi-hita (ny toerana tsy hita maso ipetrahan’ny fanahy): hatsipy any amin’ny farihy afo izy ireo. Ho tanteraka amin’izany ny faminaniana nataon’ny apostoly Paoly: “Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena” (1 Korintiana 15:25,26). Ny fahafatesana, ilay fahavalon’olombelona faran’izay mampatahotra indrindra io, dia noresen’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Fa amin’izany fotoana izany, dia hofoanana izy; tsy hisy intsony; ho levona izy satria ny mariky ny ota rehetra dia hofafàna ho mandrakizay. Ny olona rehetra dia ho toy ny natsangana tamin’ny maty, ny olom-boavidy moa hitoetra any amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao, ny tsy mino kosa hatsipy any amin’ny farihy afo. Tsy hanam-pahefana amin’izy ireo intsony ny fahafatesana, ka izany no hahafoana azy. Efa hamerina ny olona farany tany aminy ny fiainan-tsi-hita mba hiseho eo anoloan’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe; ho foanana koa izy izany. Noho izany, ny hany sisa ho tavela dia ny mandrakizay, tsy azo refesina, tsy hiova, tsy voahozongozona, tsy azo soloina, ary tsy hisy afa-tsy izy. Misy hevitra tsy takatry ny saintsika olombelona fonosin’izany. Fahasambarana mandrakizay ho an’ny olom-boavidy, fahoriana mandrakizay ho an’ny tsy mino.

 

2-3. Tsy hisy fisaonana intsony. Vokatry ny fanafoanana ny fahafatesana izany. Raha amin’izao fotoana izao, “mandroso any amin’ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dàlambe” (Mpitoriteny 12:5), amin’izany fotoana izany kosa tsy hisy intsony ny fisaonana sy ny fisarahana etỳ an-tany ho an’ireo olom-boavidy.

 

2-4. Tsy hisy fitarainana intsony, izay manambara ny fijalian’ny zanak’olombelona, na inona na inona antony: aretina, famoizam-po, tsy fisiana, tsy rariny, fahafatesana. “Mitrona ny lehilahy ao an-tanàna, ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona” (Joba 24:12). Ho foana daholo ny vokatry ny ota, ary hiaraka amin’izany, hifarana ny fitarainana lava reny nataon’ny zanak’olombelona tsy ankijanona hatramin’ny fahalavoana.

 

2-5. Tsy hisy fanaintainana intsony. Ny olona etỳ ambany masoandro dia mitaintaina lalandava noho izao tanjona sy antony isan-karazany rehetra izao. “Inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambany masoandro ? Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorenana; eny, na dia amin’ny alina aza, dia tsy manam-pitsaharana ny fony” (Mpitoriteny 2:22-23). Ireo fanaintainana sy fijaliana ireo dia ho soloina fahatoniana tsy hisy hanelingelina intsony.

 

2-6. Tsy hisy intsony ny ozona. Ny ozona nataon’Andriamanitra tamin’ny tany taorian’ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva dia ho foanana. Tsy hisy intsony ny ota, hany ka hofoanana miaraka aminy ny ozona nentiny, ary tsy hisy fiantraikany intsony. Ny mifanohitra amin’izany no hiseho: ho afaka hampidina ny fahasoavany tsy manam-petra amin’ny voary vaovao Andriamanitra.

 

2-7. Tsy hisy alina intsony. “Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy… Fa tsy mba hisy alina ao” (Apokalypsy 21:23,25; 22:5). Araka ny efa nambarantsika, io tsongandahatsoratra io, na dia milaza ny momba ny tanàna masina mandritra ny Fanjakana arivo taona aza, dia azo hampiharina koa amin’ny mandrakizay. Satria ny zavatra rehetra dia hazava, hadio, hangarahara ao amin’ny tany vaovao. Tsy hisy fanontaniana tsy hisy valiny intsony, tsy hisy tsi-fahalalàna, tsy hisy hadisoana. “Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny, sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy” (1 Korintiana 13:12).

 

3. Ao amin’ny 2 Petera 3:13 no hamakiantsika izao: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hitoeran’ny fahamarinana”. Mandritra ny Fanjakana arivo taona, dia hanjaka ny fahamarinana, fa hitoetra kosa izy any amin’ny tany vaovao. Andriamanitra mihitsy mantsy no hitoetra hiaraka amin’ny olombelona ary ho Andriamaniny. Ankoatr’izany, ny tabernakelin’Andriamanitra, ny Eglizy, antsoina hoe Jerosalema vaovao, dia hiaraka aminy koa. “Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha” (Apokalypsy 21:2-4).

Io tanàna masina io, dia i Jerosalema vaovao, no ho fitoeran’Andriamanitra, ary mampivoitra ny toerana miavaka sy tombontsoa manokana ananan’ny Eglizy izany any amin’ny mandrakizay. Hifandray amin’ny olona ihany angamba izy, fa tsy hafangaro amin’izy ireo, toy ny nahitantsika ny toerany manokana nandritra ny Fanjakana arivo taona. Hazoniny mandrakizay ilay anarany amin’ny maha-Vadin’ny Zanak’ondry azy sy ny tombontsoa mifandraika amin’izany. Toy izany koa, hazonin’i Kristy mandrakizay ny maha-Loha sy Vadin’ny Fiangonana Azy, na aorian’ny fanomezany ny fanjakany ho an’Andriamanitra Ray aza.

 

Ho raisina amin’ny maha-izy azy amin’izay fotoana izay ny Eglizy

  • ho an’ny olombelona: tanàna masina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra

  • ho an’i Jesoa: vady efa voahaingo, tsara tarehy toy ny tamin’ny andron’ny fampakaram-bady arivo taona lasa

  • ho an’Andriamanitra: fitoerana, tabernakely.

 

Ilay “feo mahery avy any an-danitra” milaza hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona!, no manambara ny maha-zava-dehibe io toetra farany io. Io no fahatanterahan’ny zavatra rehetra nokendren’Andriamanitra sy ny fanirian’ny fitiavany. Izany no efa notsinjoviny tamin’Izy nametraka ny olombelona tao amin’ny zaridainan’i Edena, ary, tatỳ aoriana, nandritra ny làlany rehetra momba azy. Izany no fisainan’Andriamanitra maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra taranaka fara mandimby (Salamo 33:11).

Misy dingana fito mifanesy amin’ny fanatanterahana izany fikasana izany. Ny dingana enina voalohany dia nifarana tamin’ny tsi-fahombiazana noho ny tsy fankatoavan’ny olombelona, izay nikomy tamin’ny Mpamorona azy, na dia niezaka hitoetra hiaraka aminy foana aza Andriamanitra. Fa ny dingana fahafito kosa no hiafarany amin’ny fandresena sy ho mandrakizay, satria tsy hisy fijerena ny andraikitry ny olombelona intsony amin’izany. Ndeha hotanisaina sy ho fintinina ireo dingana fito ireo:

 

 

3-1. Tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia nifandray mivantana tamin’i Adama (*) Andriamanitra Tapaka noho ny ota io fifandraisana io.

 

(*) Na dia tsy azo lazaina aza fa nipetraka niraka tamin’ny olombelona tao amin’ny zaridainan’I Edena Andriamanitra. Ny teny hoe “fitoeran’Andriamanitra miaraka amin’ny olona” dia tsy ampiasaina ao amin’ny Soratra Masinaa raha tsy taorian’ny famonjena izay oharina amin’ny nividianana an’i Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta (Eksodosy 15.  2).

 

3-2. Niara-nitoetra tamin’ny olona Andriamanitra raha nameno ny tabernakely namboarin’i Mosesy ny voninahiny(Eksodosy 40:34,35). Tapaka noho ny fiodinan’ny vahoaka Isiraely io fifandraisany tamin’ny olombelona io (Salamo 78:56-61).

 

3-3. Nameno ny tranon’Andriamanitra namboarin’i Solomona ny voninahitr’i Jehovah (2 Tantara 5:13,14). Fa tamin’izany koa, dia tsy nahatanteraka ny andraikiny i Isiraely sy ny mpanjakany, ary tapaka toy ireo taloha io fifandraisana tamin’Andriamanitra io (Jeremia 7:12-15). Noho izany, dia niala teo amin’ny tempoly ny andry rahona (Ezekiela 10. 4,18; 11:22,23).

 

3-4. Mbola tonga niara-nonina faninefany tamin’ny olombelona ihany Andriamanitra, raha tonga nofo ny Teny “ka nonina (na nitoetra an-day) tamintsika” (Jaona 1:14). Andriamanitra dia tao amin’i Kristy, niaraka tamin’ny olombelona. Indrisy fa tsy fantatr’izao tontolo izao Izy, tsy noraisin’ny olony, nolaviny ary niala tetỳ an-tany Izy ho any amin’ny Rainy.

 

3-5. Fanindiminy, tonga nira-nitoetra tamin’ny olombelona Andriamanitra tamin’ny fanatrehan’ny Fanahy Masina tao amin’ny Eglizy, izay trano sy tempolin’Andriamanitra etỳ an-tany (1 Korintiana 3:16). Nefa tsy nahatanteraka ny andraikiny koa ny Eglizy, toa an’i Isiraely. Ho tonga amin’ny fiodinana tanteraka amin’ny fivavahana marina izy ary haloan’ny vavan’i Kristy (Apokalypsy 3:16).

 

3-6. Mbola honina hiaraka amin’ny olona etỳ an-tany ihany Andriamanitra mandritra ny Fanjakana arivo taona, ao amin’ny tempoly lazain’i Ezekiela. Nefa io fifandraisana io koa dia ho tapaka: rehefa nivoaka avy tao amin’ny nanagadrana azy i Satana, dia haka ny fon’ny olona rehetra tsy mbola niova. Ireo firenena voafitaka dia hikomy farany amin’Andriamanitra, nefa ny afo no hilatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo.

 

3-7. Ho tanterahin’Andriamanitra anefa ny fikasany. Misokatra ny mandrakizay, amin’ilay “feo mahery avy any an-danitra” milaza hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona! Hatreto dia tsy hiditra an-tsehatra intsony ny andraikitry ny olombelona. Ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fisainan’Andriamanitra sy ny asan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana.

 

“Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalàny! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah ? Ary iza no mpanolo-tsaina Azy ?’ Na iza no manome Azy aloha hamaliana Azy indray ? Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena” (Romana 11:33-36).

 

4. Havaozina izany ny zavatra rehetra ary manamafy izany Andriamanitra tamin’ny nilazany tamin’ny apostoly Jaona hoe: “Soraty, fa mahatoky sy marina ireo teny ireo”. Ho vita ny zavatra rehetra, tsy hisy hatao intsony. “Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana” (Apokalypsy 21:5,6). “Ilay hoe ‘Tanteraka ireo’ tamin’ny nahavitany ny voary vaovao dia mitovy amin’ilay hoe ‘Vita’ teo ambony hazofijaliana” (H.R.). Raha toa tokoa mantsy voadio amin’izay mety ho loto ny voary vaovao, dia noho ny asan’ny ran’i Kristy, ilay Zanak’ondry manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Izay mety ho ota dia efa ho foana, ary ny faharatsiana, na inona na inona fomba isehoany, dia efa ho afaka manerana izao tontolo izao. Hiavana amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra ary Andriamanitra no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.

Araka ny voasoratra hoe: “Mifangaro ny fiandohana sy ny fiafarana, mitovy ny pejy voalohany sy farany amin’ny Baiboly: miantomboka sy mifarana amin’ny paradisa ny Soratra Masina. Nefa tsara kokoa ny fiafarana noho ny fiandohana, manetriketrika kokoa ny omega noho ny alfa, ilay paradisa ho avy dia tsy ilay taloha naverina, fa paradisa avy any an-danitra hankalazaina mandrakizay. Andriamanitra no iantombohana sy hiafaran’ny zavatra rehetra”. Afaka miteny miaraka amin’i Mosesy ny mpino hoe: “Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay” (Salamo 90:2).

Ny lanitra, dia ny fanatrehan’Andriamanitra.

Andriamanitra Ray, ilay Fahagola izay ambaran’ny mpaminany Daniela ny voninahiny sy ny fiandrianany. “Ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany” (7:9,10). Manodidina io seza fiandrianana manapaka sy mitana izao tontolo izao io no hijoroan’ireo olom-boavidy sy anjely marobe, izay hivavaka, hidera sy hanompo an’Andriamanitra tsy misy farany, Ilay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo… Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena” (1 Timoty 6:15,16).

Io Andriamanitra lehibe io no namorona ilay tetik’asa mahagaga mba hananany antsika ho eo akaikiny mandrakizay ka hiara-hizara Aminy ny voninahiny.

Andriamanitra Zanaka, dia Jesoa Kristy, dia hanana ny toerana voalohany miaraka amin’ny Rainy, any amin’ny mandrakizay izay ho avy, toy ny tamin’ny mandrakizay efa lasa (Ohabolana 8:22 sy ny manaraka). Matetika ny Teny no mampiseho Azy antsika mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra na eo ankavanan’ilay Mpanjaka. Io tombontsoa io dia vokatry ny asany teo ambony hazofijaliana: nofoanany ny tenany, ka izany no nanandratan’ny Ray Azy avo sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra (Filipiana 2:5 sy ny manaraka). Na izany aza anefa, dia notazoniny, ary mbola hotazoniny mandrakizay, ny endriny amin’ny maha-olombelona nasandratra Azy. Rehefa avy nanamboatra toerana ho antsika any an-tranon’ny Rainy i Jesoa tamin’ny nahafatesany, ny nitsanganany tamin’ny maty sy ny niakarany any an-danitra, dia hitsena antsika any ka hametraka antsika miaraka Aminy eo amin’ny seza fiandrianany (Apokalypsy 3:21). Rehefa voangony toy izany ao amin’ny voninahitra ny olom-boavidiny ka ho levona ireo fahavalony rehetra, dia homeny an’Andriamanitra Ray ny fanjakany. “Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany” (1 Korintiana 15:24,28).

Ny Fanahy Masina, Persona fahatelo amin’ny Telo Izay Iray, miray akaiky amin’ny Ray sy ny Zanaka, dia mbola hiasa ihany any amin’ny mandrakizay. Ho an’ny olom-boavidy izay mbola etỳ an-tany, dia Izy no santatry ny lovantsika any an-danitra (Efesiana 1:14); nefa any an-danitra, ny olona masina dia hofenoin’ny Fanahy ny hafenoan’Andriamanitra rehetra (Efesiana 3:19) ary hanana, tsy ny santatry ny lova intsony, fa ny lova iray manontolo mihitsy.

Amin’izany, Andriamanitra no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra, ary ny olom-boavidy dia hisitraka mandrakizay ny harena ao an-tranon’ny Ray.

 

5. Inona ireo harena amin’izany lova izany ?

5-1. Ny voninahitra. “Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay hitoerako ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” (Jaona 17:24). “Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy” (Matio 13:43).’’ Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria” (Daniela 12. 3). Tsy vitan’ny hoe hizara ny voninahitry ny Tompo isika, fa hitovy endrika aminy (Filipiana 3:21).

 

5-2. Ny fahasambarana. Hisitraka fahasambarana sy fiadanana tanteraka ny olom-boavidy. “Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy haninona azy ny masoandro… Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina, ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony” (Apokalypsy 7:16,17). Hampiononina ho mandrakizay noho ireo fijaliany rehetra hatrizay izy. “Sambatra ny ory, fa izy no hampifaliana” (Matio 5:4). “Tahaka ny olona hampiononin-dreniny no hampiononako anareo” (Isaia 66:13). “Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha” (Apokalypsy 21:4).

 

5-3. Ny fitiavana. Amin’ny mandrakizay, dia ny lanitra no ho fonenan’ny fitiavana tanteraka. Andriamanitra dia fitiavana ary hofenoiny izany ny lanitra. Satria Izy no zavatra rehetra ao amin’ny rehetra, dia ho feno ny fitiavany ny olom-boavidy. “Ary ankehitriny, dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo” (1 Korintiana 13:13). Ho fantatsika tanteraka amin’izay ny fitiavan’Andriamanitra, izay nasehony tao amin’i Jesoa, ary ho tia Azy tahaka ny hitiavany antsika isika. Dia ho tanteraka ilay fanirian’ny Tompo Jesoa nolazainy talohan’ny handehanany teo amin’ny hazofijaliana hoe: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy” (Jaona 17:26).

 

5-4. Ny fahamasinana. “Ary tsy mba hiditra ao (ao amin’ilay tanàna masina) mihitsy izay tsy masina” (Apokalypsy 21:27). Masina Andriamanitra ary ny lanitra no fonenan’ny fahamasinany (Isaia 6:3; 57:15). Fa io toerana io koa no fitoeran’ny hakanto sy famirapiratana. “Madera sady malaza ny asany; ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay” (Salamo 111:3). Matoa mamirapiratra ny lanitra, dia satria mitoetra ao Andriamanitra, izay loharanon’ny fahatanterahana. “Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’Andriamanitra” (Salamo 50:2). “Ianao Izay mipetraka eo amin’ny kerobima, mamirapirata” (Salamo 80:1). “Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny” (Isaia 33:17).

 

5-5. Ny firaisana sy ny fahatanterahana. Any an-danitra dia tsy hisy fisaratsarahana intsony, fa ho tanterahan’Andriamanitra ny zavatra efa nokendreny hatrizay hatrizay, dia ny “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany” (Efesiana 1:10). Io firaisana sy fahatanterahana io dia ho vokatry ny fiombonantsika amin’i Kristy. “Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” (1 Jaona 3:2). Hitovy aminy isika, tsy misy ankanavaka; ny vokatr’izany, ho an’ny olona masina, dia firaisana sy fahatanterahana feno. Ho tody amin’ny hafenoan’ny “fahatanterahana ao amin’i Kristy’’ izy rehetra (Kolosiana 1:28) sy ao “amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalàna tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4:13). Io fitomboana io, izay efa natomboka tetỳ an-tany, dia hahatratra ny fivelarany tanteraka any an-danitra.

 

5-6. Ny mandrakizay. Any an-danitra, dia tsy hisy fe-potoana intsony. Ny fizarana ny fotoana ho ora, andro, volana, taona etsetra, dia ho an’ny tany, satria etỳ ny zavatra rehetra dia misy fiantombohany sy fiafarany. Ampirisihina koa isika hangataka amin’Andriamanitra mba hampianatra antsika hanisa ny androntsika, mba ahazoana fo hendry (Salamo 90:12), satria fohy izany andro izany. Any an-danitra dia tsy hisy ora na fe-potoana intsony, ary tsy hisy zavatra hanamarika ny fandehan’ny taona, toy ny etỳ an-tany. Hisitraka ny fiainana mandrakizay ny olom-boavidy; hiaraka amin’ny Tompo mandrakizay izy, ary tsy hisy hahasaraka azy amin’ny fitiavan’Andriamanitra (Jaona 3:16; 1 Tesaloniana 4:17; Romana 8:38-39; Apokalypsy 22:5). Tena ho marina tokoa fa “ny zavatra taloha” dia ho lasa ka ho tonga vaovao daholo. Tsy misy fotoana intsony, foana ny fahafatesana, ho fanjakan’ny fiainana mandrakizay izany ary tsy hisy fahataperany!

 

6. Inona no zavatra hataon’ny olom-boavidy ? Efa hitantsika fa ny lanitra, ho an’ny olom-boavidy, dia toeran’ny fahasambarana tanteraka, amin’ny fahazavana sy ny voninahitry ny fanatrehan’i Kristy. Nefa manazava amintsika izay zavatra hataontsika any koa ny Soratra Masina. Azo fintinina amin’ny teny telo izany: fitsaohana, fitsaharana, fanompoana.

 

6-1. Ny fitsaohana. Etỳ an-tany, dia efa mitady sahady mpivavaka marina aminy Andriamanitra, izay mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana (Jaona 4:23,24). Hafaliana sy tombontsoa ho an’ireo voavonjy tamin’ny fahafatesana sy ny fitsarana mandrakizay ny maneho amin’Andriamanitra dieny etỳ an-tany ny fisaorana sy ny fivavahana mendrika Azy. Ary ny ambentin-javatra hataony, any amin’ny mandrakizay, dia ny hanohy io fanompoana avo lenta, izay sarobidy tokoa ao am-pon’Andriamanitra, io, amin’ny fomba tanteraka tokoa. Ny anton’ny fivavahantsika sy ny iantefany dia ny Ray sy ny Zanaka, am-boninahitra toy ny etỳ an-tany. Ny zava-dehibe amin’ny fiderantsika dia ny tena sy ny asan’i Kristy, ilay Mpamonjy malalantsika, ny fitiavany, ny fanetreny tena, ny fijaliany, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny voninahiny, ny naha-Izy Azy sy ny mbola haha-Izy Azy ao am-pon’Andriamanitra Ray. Satria tsy mana-pahataperana ilay antony hivavahantsika, dia tsy ho tapitsika koa izany vavaka izany. Noho izany, tsy vitan’ny hoe tsy hijanona na hihahalefaka izany, fa ny mifanohitra amin’izany aza, hitombo hatrany izany fivavahana izany ka hihaavo arakaraky ny hidirantsika bebe koa amin’ny fisitrahana ny Tena sy ny asan’i Kristy.

Io fitsaohana io koa dia hiseho amin’ny hiram-piderana, araka ny hitantsika redonina matetika amin’ireo kisarisary tantarain’ny Apokalypsy. Indraindray, hampiara-peo amintsika ny anjely, na dia tsy mitovy aza ny antony hivavahan’ny olom-boavidy sy ny anjely, izay tsy nokarakarain’Andriamanitra tamim-pitiavana toa antsika. Tsy novonjena tamin’ny fahafatesana izy ireo; ny fanoloran-tenan’i Kristy sy ny fandreseny dia tsy natao ho azy; tsy “zanak’Andriamanitra” izy. Nefa efa hatrizay hatrizay izy no nidera an’Andriamanitra ary hotohizany izany fanompoana izany mandrakizay doria, miaraka amin’ireo olom-boavidy.

Fa ny fitsaohan’ireo olom-boavidy koa dia hiseho amin’ny fibanjinana lalina an’Andriamanitra, amim-pahanginana sy amin’ny fo miredareda. Hisy fahanginana hilaza zavatra be any an-danitra. “Ary ny mpanompony… hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ny handriny” (Apokalypsy 22:3, 4). Ny olona tetỳ an-tany, na dia olom-boavidy aza, dia tsy afaka hahita an’Andriamanitra ka mbola ho velona indray (Eksodosy 33:20), fa ireo olo-masina nasandratra kosa dia ho afaka hiseho eo anatrehany ka hibanjina ny tavan’i Kristy. Ambonin’izany aza, hitondra ny anarany eo amin’ny handriny izy ireo, ary porofo tsy azo lavina izany fa olony izy. Any an-danitra, ny maso rehetra dia hibanjina an’io Olona feno voninahitra io, ary tsy hisy zavatra na fisainana hanelingelina an’izany, satria ho faniriantsika ny hahalala Azy bebe kokoa hatrany. Nifaly i Joba nieritreritra an’izany: “Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy… Ary rehefa… afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa” (Joba 19:25-27). Ny olom-boavidy tsirairay koa, ary “izy mihitsy’’, no hahita ny tavan’ny Mpamonjy azy, any amin’ny fonenany any an-danitra. Amin’izany dia “amin’ny haravoam-panahy sy ny fahanginana’’ no hiarahan’izy rehetra manipy ny satroboninahiny eo an-tongony ka hiankohofany.

 

Ny masonay no hahita amin’ny tavanao maha-te-ho tia

Ny hatsaran’ilay Mpamonjy sy ilay Vady

Ary hahalalanay ny zava-niafina hatrizay

Momba ny fahasoavanao sy ny indrafonao tsy misy fetra

 

Ny mpanao salamo koa dia maneho ny faniriany fatratra hahita ny Tompo: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny” (Salamo 27:4). “Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha” (Salamo 17:15). “Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ?” (Salamo 42:2).

Amin’izany, dia hifandimby ny hiram-piderana sy ny vavaka mangina mandrakizay doria, ho voninahitr’Andriamanitra sy i Kristy, amin’ny firindrana tanteraka izay hialoha lavitra ny mba mety ho fiderana vitantsika ankehitriny.

 

6-2. Ny fitsaharana.Ny fiainan’ny mpino etỳ an-tany dia feno ady tsy mijanona sy fizahan-toetra isan-karazany. Tsy azony avela mihitsy “ny fiadian’Andriamanitra rehetra’’, ary na nandresy aza izy, dia tsy afa-miala sasatra mihitsy fa tsy maintsy “mifahatra” (Efesiana 6:13). Ny fitsaharana dia any an-danitra. Marina fa efa afaka mahazo izany isika amin’ny finoana (Hebreo 4:8-11).Nefa tsy ho mandrakizay izany raha tsy tonga any amin’ilay seranana any an-danitra isika, ary tsy ho azontsika tanteraka sy feno ny dikany raha tsy tafaverina i Kristy, ary amin’izay, ireo olona masina rehetra, na natsangana na novàna, dia hiditra ao amin’ny voninahitra (2 Tesaloniana 1:7). Amin’izay tokoa mantsy, dia mbola hatevenin’ny vavaky ny olona masina nasandratra io fitsaharana io.

 

6-3. Ny fanompoana. ”Ary ny mpanompony hanompo Azy” (Apokalypsy 22:3). Tsy misy tsongandahatsoratra ahazoantsika mahafantatra mazava izay hatao amin’io fanompoana io. Ho an’ny olom-boavidy, dia ny hanatanteraka ny sitrapon’ny Tompo amin’izay zavatra rehetra hankininy aminy hanehoana ny voninahiny. Io fanompoana io dia ho tanteraka ary tena hahafaly ny fon’Ilay nanatontosana azy tamim-pitiavana.

Anjara malaza sy masina tokoa izany! Azon’ny mpanota rehetra anefa izany raha manaiky tsotra fotsiny izy ny famonjena izay atolotry ny Tompo Jesoa azy ankehitriny. Misy toerana ho an’ny rehetra any an-danitra. Hatraiza hatraiza no andrenesana ilay hafatra nasain’ny Mpanjaka nolazaina efa ho roa arivo taona izao: “Efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo”. Alohan’ny hamaranana ilay Boky masina, dia miantso farany ireo izay mangetaheta famelan-keloka, fiadanana ary fahasambarana marina Izy: “Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany, ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako… Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 21:6-7; 22:17).

Ry mpamaky izao soratra izao, efa namaly ny antsony va ianao ? Raha tsia, aza mangataka andro; manatòna an’i Jesoa anio ihany; manapaha hevitra mazava hanaraka Azy; raiso io ranon’aina io, io famonjena omeny maimaimpoana ho an’ny mpanota rehetra io. Efa nanao izay ilaina hanokafana ny lanitra ho anao Izy. Anao ny safidy, na ho any mandrakizay ianao, na hatsipy any amin’ny farihy afo. Henoy indray ny tenin’i Jesoa: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).

 

 

7  FAMARANANA

 

 

Inona no tokony ho vokatry ny fiandrasana ny Tompo amin’ny fiainantsika ?

1. Ny fifaliana. Ny fieritreretana fa tsy ho ela dia halaina hitsena ny Tompo, ilay Mpamonjy malalantsika, isika, ka ho afaka amin’ny fizahan-toetra ankehitriny sy hampidirina ho mandrakizay ao amin’ny voninahitra any an-danitra, ny fieritreretana izany, hoy izahay, dia foto-pifaliana sy fiononana ho an’ny olom-boavidy. “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo, Izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3:20,21). “Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy” (Titosy 2. 13). “Miandry ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay” (Joda 21) “Jesoa Kristy Izay, na dia mbola tsy hitanareo aza, dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy… Mifalia, mba iravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa” (1 Petera 1:8,9; 4:13).

Hanampy ny fifaliana noho ny fahafahana tamin’ny fizahan-toetra tetỳ an-tany, ny fisitrahana ny fanatrehan’ny Tompo sy ny fizarana ny voninahiny, dia hisy koa, ho an’ny olom-boavidy, ny fifaliana hiaraka indray amin’ireo olo-malala nialoha azy any amin’ny tabernakely masina. “Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay nodimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesoa sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesoa hiaraka aminy… Isika… no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka… Koa dia mifampionona ianareo amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4:13 sy ny manaraka).

Farany, ny fahazoana antoka ny fiverenan’i Kristy dia mitondra hafaliana hafakely tokoa ho an’ireo izay nijaly noho Izy. “Sambatra ianareo, raha halan’ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra” (Lioka 6:22,23). “Nifaly (ianareo) raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra” (Hebreo 10:34).

Fa ny fiverenan’ny Tompo tsy ho ela koa dia midika ho andraikitra lehibe ho an’ny mpino. Rehefa hiverina mantsy ny Tompo, dia tsy tokony ho hitany matory isika na tafalentika ao amin’ny haraton’ny ota na mieritreritra ny zavatra etỳ an-tany. Noho ireo loza mitatao telo ireo, dia misy andraikitra telo tsy maintsy raisina, dia:

  • ny miambina

  • ny manao izay hahamasina ny tena mandrakariva

  • ny manompo ny Tompo amin’ny zotom-po sy fahatokisana.

 

2. Ny fiambenana. Ny kristiana izay tena miandry ny Tompo marina dia toy ny miaramila amin’ny andian-tafika iray nahazo fanairana. Vonona lalandava ny hiditra an-tsehatra io andian-tafika io raha vao maneno ny anjomara, ary toy izany koa, manongilan-tsofina ilay kristiana hahenoana ilay antso hoe “Indro! Tonga ny Mpampakatra” raha vao ho re amin’ny andro alina izany. Mivonòna, miambena! Izany no teny baiko miantefa amintsika tsirairay. “Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao, dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny, ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava” (Romana 13:11,12). “Koa amin’izany, miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo… Koa miomàna kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona” (Matio 24:42,44). “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana” (Marka 13:33). “Aoka hisikina ny valahinareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay hitan’ny tompony miambina, raha avy izy… Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo” (Lioka 12:35 sy ny manaraka).

Ny valahina misikina dia midika fa vonona ny handeha na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, toy ny Isiraelita ny alin’ny Paska tany Egypta (Eksodosy 12:11). Nefa raha vonona ny handeha, dia tsy maintsy ho efa namboarina ny zavatra rehetra ho amin’izany dia izany, efa nesorina izay mety ho sakana tsy ahafaha-miainga eo noho eo, na anio no hiverina ny Tompo, na mbola taratara. Raha tsy vonona izao isika, dia tsy ho vonona kokoa rehefa ho tonga ny Tompo. Fahamenarana ho antsika, raha mahita antsika matory Izy! Koa noho izany, miambena tsy ho azon’ny torimasom-panahy! “Tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena” (1 Tesaloniana 5:5,6). Ny hoe matory, dia miaina tsy miraharaha ny fiverenan’ny Tompo. Midika izany hoe manaraka ny fironan’ny fo voajanahary fotsiny, izay milaza hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy! (Lioka 12:45). Midika hoe mandany ny fotoana rehetra ho amin’ny zavatry ny tany. “Ary mitandrema fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany… Fa miambena, ka mivavaha mandrakariva” (Lioka 21:34-36). Izany fampitandreman’ny Tompo izany no hitarika antsika amin’ny lafiny faharoa amin’ny andraikitsika momba ny fiverenany.

 

3. Ny fanamasinana ny tena. Ho an’ny mpino izany dia fisarahana amin’ny ratsy, na inona na inona fomba hisehoany, mandà izay rehetra manelingelina ny fiandrasana ny fiverenan’ny Tompo. “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra ?... Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana” (2 Petera 3:11 sy ny manaraka). “Fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy… Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy ianareo” (Filipiana 1:6 sy ny manaraka. Jereo koa 1 Tesaloniana 3:12, 13; 1 Korintiana 1:7, 8; 1 Timoty 6:13,14; Titosy 2. 11-13).

Fa ny mpino izay miandry ny Tompo dia mbola antsoina koa hanompo azy am-paharisihina sy am-pahatokisana. Satria ny miambina, dia fitozoana koa eo amin’ny toerana nankinin’ny Tompo amintsika sy fanatanterahana ny iraka nampanaoviny, na ara-nofo na ara-panahy. “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana ? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy” (Matio 24:45-47; vakio koa 25. 14-30; Lioka 12:42-46; 19:11-27). Ny Tesaloniana dia tsy niandry ny Tompo fotsiny, fa nanompo ilay Andriamanitra velona sy marina. Tiantsika ve ny hiseho tànam-polo eo anatrehany, satria nandà ny hanao fanompoana, na dia bitika aza, izay tiany ho nampanaovina antsika ? Amin’ny tsy maha-eo ny Tompo no tokony hampitomboana ny talenta. Ny voa nafafy dia hamokatra, ny iray 30, ny iray 60, ny iray hafa 100. Amin’ny andro fijinjana, inona no tiantsika entina eo amin’ny Tompo: amboara mavesatra sy be voa sa salohy tsy misy na inona na inona ? Ilay mpanompo ratsy ao amin’ny Matio 25 dia voaheloka, tsy nohon’ny fanaovany zavatra ratsy, fa noho ny tsy fanaovany na inona na inona.

 

4. Miasa, manompo, mamokatra, nefa koa mijoro ho vavolombelona. Tokony ho jiro mazava amin’ny alina sy amin’ny fotoana tsy maha-eo ny Tompo ny mpino. Rehefa arehitra ny jiro, dia tsy tokony atao ao ambanin’ny vata famarana (sempotry ny zavatry ny nofo), fa eo amin’ny tavin-jiro, “mazava amin’izay rehetra ao an-trano” izy (fijoroana vavolombelona eo amin’ny havana, ny mpiara-monina, ny mpiara-miasa), ary “mba ho hitan’izay miditra ny mazava” (fijoroana vavolombelona amin’ny olon-tsy fantatra, amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny) (Matio 5:15 sy Lioka 11:33). Enga anie ny jirontsika hamirapiratra manodidina antsika ka tsy hisy na inona na inona hanakona izany sy hanala baraka ny Anaran’ny Tompo! Enga anie isika ho toy ireo virijiny hendry ka hitsena ny Mpampakatra, ary hanapa-kevitra ny hiala amin’izay rehetra tsy tiany sy hampamirapiratra tanteraka ny jiro nankininy tamintsika!

Tena mitondra marina fifaliana, fiambenana, fahamasinana, risi-po amin’ny fanompoana Azy, fahatokisana amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona ve ny fiandrasantsika ny Tompo ? Raha anananareo izany zavatra izany, sady ananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika. “Ary amin’izany, dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no anomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesoa Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika” (2 Petera 1:8-11)

“Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena” (Joda 24,25).

“Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho”.

“AMENA. Avia jesoa tompo!”

 

Ho amin’ny olona masina anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo” (Apokalypsy 22. 20, 21)