« Faut-il faire confiance aux « Témoins de Jéhovah » ? »

AZO ATAO VE NY MITOKY AMIN’NY

« VAVOLOMBELON’I JEHOVAH » ?

 

 

 

 


      NOHO IRETO ANTONY MANARAKA IRETO :

 

 

 

Ny vavolombelon’i Jehovah sy ny rà :

 

1.- Lavin’ny vavolombelon’i Jehovah ankitsirano ny fifamindrana rà, ary manao sorona an’ireo taranany izy amin’izany, na dia fantany aza fa : tsy namoaka lalàna mandrara ny fanaovana izany Andriamanitra ».

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaovam-bakisiny :

 

2.- Voarara ny fanaovam-bakisiny satria noraisina ho « fandikana ny lalàn’Andriamanitra » izany talohan’ny nahalalana, 17 taona taty aoriana, fa « toa tsy nisy Tenin’ Andriamanitra akory nandrara ny fanaovana izany ».

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Baiboly :

 

3.- Nanonta Baiboly tamin’ny dika teny diso nampitondrainy ny lohateny hoe « Ny Soratra Masina – Dika teny « Monde Nouveau » ny Vavolombelon’i Jehovah.

 

4.- Milaza izy fa tsy afaka ny hitari-dalana ny kristiana

ho amin’ny lalan’ny fiainana ny Baiboly.

Ny vavolombelon’i Jehovah sy ireo asa fampielezana ataony :

 

 

5.- Milaza ny Vavolombelon’i Jehovah fa ireo asasoratra vokariny no tara-pahazavana avy amin’Andriamanitra manazava ny Baiboly

 

 

6.- Milaza izy fa tsy maintsy inoana izay rehetra ambarany ao amin’ireo gazety bokiny.

 

 

7- Tsy azo atao mihitsy ny manakiana ny « fitambaram-pahamarinana nomen’i Jehovah an’ireo vahoakany tafaray tao anatin’ny zato taona farany ». Koa satria milaza ity Fikambanana ity fa izy tenany ihany dia efa mahatsapa ny fahadisoany, dia tsy misy mihitsy amin’izy ireo mitady fanaporofoana : ny tranom-boky foibe rahateo moa tsy natao ho an’ny rehetra , eny fa na ireo efa niditra ho mpikambana aza.

 

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny faminaniana :

 

 

8.- Nilaza izy ireo fa ny taona 1914 no hitsaharan’ny ady rehetra ka hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra ety an-tany.

 

 

9.- Nilaza izy ireo fa hitsangana i Abrahama (izay maty roa arivo taona talohan’i Jesoa kristy) sy ny zanany ary ny zafiny amin’ny 1925, ka hifehy an’izao tontolo izao.

 

 

10.- Na tsy tanteraka velively aza ireo faminaniana nataony ireo, dia nanambara hatrany ny fiafaran’izao tontolo izao izy tamin’ireo taona manaraka rehetra, nandritra ny taompolo 80.

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo fanambarana mahagaga :

 

Araka ny filazan’izy ireo :

11.- Ny sezafiandrianan’Andriamanitra dia ao amin’ny tontolo mamirapiratra ivondronan’ireo olo-malaza…

12.- Tsy afaka ny hiriaria hanao vy very ny ainy any ankoatry ny fetra mamefy ny planeta tany amin’ny alalan’ny fiaramanidina, na ny sambon-danitra na amin’ny fitaovana hafa ny olombelona …

 

13.- I Mikaela no tena anaran’i Jesoa …

 

14.- Ny halavan’ireo lalan-kely ao amin’ny piramidan’i Egypta no namaritana ny datin’ny 1914, izay daty iaingan’ireo kajikajin’ny faminaniana rehetra ataony…

 

15.- Ny bisikileta sy ireo vilanibe mibaiko tena ary ny dinamita no porofon’ny efa naha-tety an-tany an’i Kristy hatramin’ny 1874…

 

16.- Nitsangana tamin’ny maty ireo apôstôly tamin’ny lohataonan’ny 1878 ary efa tety an-tany niaraka tamin’ny Tompo hatramin’io daty io…

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny raharaha miaramila :

 

17.- Miseho ho mpandala ny fandriampahalemana izy ireo, kanefa nandritra ny ady lehibe faharoa no nanaovany izao fanambarana izao am-pahibemaso : « tsy mbola nisaintsaina mihitsy izahay, no sady tsy hisaintsaina, ny hanambara fa mifanohitra amin’ny fomba fiasa sy ny tanjon’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka izay voalaza mazava ao amin’ny sata mifehy azy, ny fanatanterahana asa miaramila ».

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny rafi-pandaminana ao aminy :

 

18.- Mivarotra an’ireo asasoratra avoakany ny Vavolombelon’i Jehovah ho fanohanana ara-bola ny Fikambanana Amerikana iray matanjaka be sy mpanefoefo. Ny kaonty natao tao Frantsa tamin’ny 1980 dia nahitana fa ny 71%n’ny vola miditra amin’izy ireo dia avy amin’ny fivarotam-boky avokoa.

 

19.- Tsy maintsy manao tatitra an-tsoratra ny asa vitany

izy ireo ary avondrona amin’ny solosaina iray ao

Amerika ny vokatra rehetra.

 

20.- Ny maha mpikambana azy ao anatin’io rafitra io sy

 ny tatitry ny vokatra nataony no raisiny ho antoky ny famonjena azy.

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny kristiana :

 

 

21.- Mamita-tena ny kristiana rehetra, hoy izy, « fivavahan-diso » avokoa no misy azy ireo, « solontenan’ny Devoly sy mpanompon’ny Devoly » avokoa ireo mpiandraikitra rehetra ao aminy. Ny « Vavolombelon’i Jehovah » ihany no hany manana ny fahamarinana, izy irery ihany no voavonjy, izy irery ihany no manana ny « rafi-pandaminan’Andriamanitra »…

 

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ianao : 

 

22.- Ny fandondònany any an-tokantranonao sy ny fampividianany anao an’ireo bokiny (« Mifohaza » na ny « Tilikambo Fiambenana ») no anatanterahany ny dingana voalohany amin’ireo dingana fito hitaomany

anao ho tonga « Vavolombelon’i Jehovah » ka handray anjara amin’ny fivarotana an’ireo bokiny.

 

23.- Aza tsinina loatra ireo olona tonga manaitaitra anao isaky ny alahady maraina : tsy ho tonga tany aminao izy raha tsy voatery hanao izany : misy asa misokatra ho azy izay hahazoany tambiny mantsy ka mahatonga azy hanome malalaka ny tolakandrony…

 

24.- Voasoratra mazava ao amin’ny tatitra ataon’ilay « mpamangy » anao avokoa na ny fotoana laniny nanoratana taminao, na ny niantsoana anao an-tarobia, na ny namangiany anao.

 

Ny « Vavolombelon’i Jehovah » sy isika :

 

25.- Izy no tompon-dakan’ny adihevitra manoloana an’

ireo tsy mahalala na inona na inona mikasika ny Baiboly, sy ireo tsy mahalala loatra ny amin’ny fikambanany. Laviny ny fifanomezantsika fotoana aminy raha mba te hanazava aminy ny fahamarinana isika.

 

26.- Tsy mamaly an’ireo taratasy mitaky fanazavana ny amin’ireo faminaniana sy foto-mpampianarana tsy

marim-pototra voiziny izy.

 

27.- Mba hisakanana an’ireo mpanaraka azy tsy hamaky an’ireo trakitra havoakantsika dia milaza ireo mpitarika an’ity fikambanana ity  fa « Vavolombelon’i Jehovah » niala an-daharana isika, mpivadi-pinoana, ka tsy tokony hiresahana akory : fanosoram-potaka izany.

 

Maniry ny hahalala kokoa ny momba anay angamba ianao mialoha ny hanoratanao aminay. Indro ary hambaranay aminao tsotsotra izany :

 

Izahay akory tsy :

 

-          fikambanana manakarama olona

-          tsy sekta mitady mpiara-miasa

-          tsy vondron’olona mitady hanararaotra ny volanao

 

Fa, izahay dia :

 

Kristiana tsotra toy ny rehetra ihany, manana finoana miorina tanteraka amin’ny Baiboly ka manaiky izany ho Tenin’Andriamanitra manontolo. Manainga an’ireo mpiara-belona aminay izahay hitandrina amin’ireo mpaka fanahy; mampahafantatra azy maimaimpoana ny hafatry ny Filazantsara; ary mamela malalaka ny tsirairay hisafidy ny hanaiky na handà izany.

 

Izay inoanay :

 

Notsoahina avy ao amin’ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, ireto andininy holazainay manaraka ireto. Tsy mitady ny hanolotra antokom-pivavahana iray aminao akory izahay. Ny fanirianay dia ny hahatsapanao ny toerana misy anao manoloana an’Andriamanitra, ka handraisanao amin’ny alalan’ny finoana ny famelan-keloka izay atolony maimaimpoana ho an’ireo rehetra mibebaka tamin’ny fiainany lasa ka manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompon’ny fiainany manokana.

 

·         Mila famonjena ny olona :

 

« Tsy misy marina na dia iray akory aza ». (Romana 3.10)

 

« Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany dia hisy fitsarana ». (Hebreo 9.27)

 

·         Tsy mahavonjy tena ny olona :

 

«  Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony. Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay ». (Salamo 49.7, 8)

 

 

·         Niditra an-tsehatra tamin’ny famonjena ny olona Andriamanitra :

 

 

« Fa fony mbola tsy nanan-kery isika dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy ».

(Romana 5.6)

 

 

·         Afaka mandray ny famonjena ny olona :

 

«  Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara ».

(Marka 1.15)

 

 

« Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty dia hovonjena ianao ».

(Romana 10.9)