Ny Baiboly sy ny toaka

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

1        Vokany sasantsasany

2        Ny Kristiana sy ny toaka

3        Inona no ambaran’ny tenin’Andriamanitra momba izany ?

4        Ahona no hahafahana amin’izany fanandevozana izany ?

5        Ny làlan’ny fankatoavana

6        Misy fanandevozana hafa mananontanona ny kristiana koa : ny sigara, ny zava-mahadomelina…

7        Famaranana : Fanapahan-kevitry ny fo

 

 

Iza moa iny lehilahy mivazavaza amin’ny zanany sy ny vadiny, mivembena fandeha iny ? – Andevo iny ! – Andevo hoe ? – Eny, andevo iny. Mihevi-tena ho afa-manao izay tiany atao izy, nefa andevozin’ny toaka izay manapotika ny finiavany sy manimba azy.

Fa dia nahoana loatra no maro ny olona manaiky ho tratran’izany ? Matetika mihitsy no olona faraidiny izy ireny ka mitady hanadino ny fahoriany amin’ny alàlan’ny fisotro mahamamo ; nefa tsy maharitra toy inona akory izany fanadinoana izany. Ny fahadisoam-panantenana rehefa avy eo dia mainka koa mangidy lavitra noho ny teo ! Nitombo ny fahoriany, ary dia toy ny hoe tsy afaka ny ho sambatra intsony izy !

Misy kosa ireo mahita fahafinaretana amin’ny fisotroana zava-mahamamo miaraka amin’ny namany. Tsapany tsara fa manaiky ho rohizana tsikelikely eo izy ireny, ary mizatra miaina ao anatin’ny toetra varimbarina, izay manaporofo ny fanandevozana manjo azy.

Na amin’iry antony voalohany, na amin’ity antony faharoa, dia samy mizatra toaka avokoa ny vatana.

Ny fisotroana dia tonga filàna tsy maintsy omena fahafaham-po amin’ny fisotroana toaka bebe kokoa hatrany. Indrisy, ity toetra mampivarahontsana misy ny olona izay nataon’Andriamanitra ho tahaka ny endriny !

 

1  Vokany sasantsasany

« Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany » (Galatiana 6:7).

Ny mpisotro toaka dia hijinja fahantrana, fahoriana sy faharavan’ny fianakaviany. Tsy ho ampy ny vola ilaina amin’ny sakafo sy ny fitafiana, ary ho lasa antsirambina ny asa fivelomana. Korontana, fahasiahana, fankahalana no monina ao an-trano. Dia iny ilay lehilahy fa miteny ratsy ny vadiny, eny, mikapoka azy aza. Ilay toetra ratsy tafiditra tao an-trano dia nanokatra varavarana ho an’ny toetra ratsy hafa toy ny halatra sy ny fijanganjangana, izay hitarika ilay olona babony hivarina any amin’ny lalindalina kokoa.

Matetika ny vatana sy ny saina dia hiharan’ny voka-dratsy mampivarahontsana voaporofon’ny siansa : fahamombana, aretin’aty, fahaverezan-tsaina, ary ho an’ny ankizy : fahasembanana sy androbe.

Hiteny ireo andevon’ny toaka hoe : « Ka izahay anie olona afaka e ! ary azonay atao ny mijanona rehefa te-hijanona izahay, izany voka-dratsy izany tsy hahavoa anay mihintsy ! » Lainga ampidirin’ny devoly ao an-tsainy fotsiny anefa izany. Raha ny tena marina, dia efa hazan’ny devoly izy ireo.

Fehezin’ny Baiboly amin’ny teny tokana ny vokatry ny fahamamoana : « fanaranam-po amin’ny ratsy » (Efesiana 5:18). Ny fanaranam-po amin’ny ratsy dia toetra mitory fivahavahana sy fahasimban’ny fahamendrehan’ny maha-olona ; tsy manana intsony ilay fahamendrehana maha-zavaboahary manan-tsaina natao hifandray amin’Andriamanitra azy izy.Tsy afaka manatontosa ny andraikiny amin’Andriamanitra, ny namany, ny fianakaviany ary eo amin’ny asany intsony izy. Tsy manana hery sy tanja-tsaina ilaina ho-enti-miady amin’ny fironana amin’ny ratsy sy ny toetra ratsy intsony izy, hany ka mitombo mora foana ireny satria tsy ao intsony ilay hery fiarovana nomen’Andriamanitra ny olona. Dia manjary kilalaon’ny devoly ilay olona !

 

2  Ny Kristiana sy ny toaka

Ny olona tsy mino, mbola andevon’ny devoly, no mety ho toy izany ; fa tsy tokony ho ny mpino mihintsy, na oviana na oviana. Indrisy anefa, hitantsika eo amin’ny fiainana andavanandro ary ambaran’ny Baiboly koa, fa ny devoly dia afaka manangoly Kristiana sasany, izay mitady fahafinaretana amin’ny fisotroana zava-mahamamo. Ireo voka-dratsin’ny fimamoana dia tena manimba zavatra ho an’ny mpino, satria voan’izany ny fiainam-panahiny. Mampahory ny mahita ny mpino midoroka nefa efa nantsoina izao tsy hanolotra ny « momba ny tenany » ho amin’ny fahotana, fa ho an’Andriamanitra ho amin’ny fahamasinana (vakio Romana 6). Ny hoe « momba ny tena » voalaza eto dia ny ratsam-batana sy ny saina amam-pihetseham-po. Raha atolotrao ho an’io fahotana io ireo, dia potehinao ny fahaiza-manao voajanahary ao aminao (eo amin’ny lafiny vatana, saina, fihetseham-po) sy ny ara-panahy izay nomen’Andriamanitra anao sy tian’ny Fanahy Masina hampiasaina amin’ny fanompoana ny Tompo. Koa na dia tokony hanandrana amin’ny fomba azo tsapain-tànana ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanao aza ianao, tempoly izay tokony hanomezanao voninahitra an’Andriamanitra, dia lasa ampanaovinao fanompoana ny fahotana ny tenanao. Koa na dia tokony ho vavolombelon’ny Tompo aza ianao, dia ianao indray no manokatra làlana hitenenana ratsy ny finoana kristiana.

 

3  Inona no ambaran’ny tenin’Andriamanitra momba izany ?

Andeha hitanisa andinin-tSoratra Masina vitsivitsy isika, izay anehoan’Andriamanitra ny vokatry ny fisotro mahamamo.

« Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra ; fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo (mpivaro-tena), ary ny fonao hieritreri-dratsy. Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina ianao, sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo…Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, nandalasiny aho, fa tsy tsaroako ; rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray ? » (Ohabolana 23:31-35)

« Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka ! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay ! » (Isaia 5:11)

« Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry » (Ohabolana 20:1)

« Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina » (Hosea 4:11)

 

4  Ahona no hahafahana amin’izany fanandevozana izany ?

Inona no hatao mba hahafahana amin’izany fanandevozana izany ka hialàna amin’ity fahoriana ity ? Ry sakaiza kristiana, izay nivarilavo indray, tsy ireo ezakao manokana akory no hahafaka anao. Mandray fanapahan-kevitra tsara izay tsy ho hainao tanterahina ianao. Ary dia isan’andro isan’andro no analanao baraka ny Tompo ; mety handao ity tany ity amin’ny nenina mampahonena ianao hoe nanolotra ny momba ny tenanao, izay an’ny Tompo, ho an’ny filan-dratsinao (raha mba olona tena novidian’ny Tompo tokoa ianao). Tsy manana ny herin’Andriamanitra ao aminao intsony ianao, satria notapahin’io fahotana io ny firaisanao tamin’Andriamanitra.

Ahoana no mety hamerenana indray amin’ny laoniny io firaisana aina io ?

Omen’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona, toko 1, andininy faha-9, ny valiny : « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra ». Rehefa avy niaiky toy izany ianao, dia apetraho eo amin’Ilay mampitoetra anao ao amin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra noho ny asa nataony ny fitokisanao, dia Izy no mangataka tsy mitsahatra ho anao. Hoy i Paoly apostoly : « Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy » (Filipiana 4:13). Moa tsy zavatra mety ho marina aminao ve izany fahatsapana izany ? Te-hanafaka anao Andriamanitra ; nefa takiny, toy ny tamin’ny andro vao niovanao fo, ny finoana sy ny fankatoavana.

 

5  Ny làlan’ny fankatoavana

Ny haren’Andriamanitra, ireo fampanantenany, ny heriny dia omeny hanaranan’ny tsirairay fo, ary azon’ny rehetra raisina. Mba ahazoana izany, dia ilaina ny fankatoavana sy ny finoana. Ahoana marina anefa moa izany làlan’ny fankatoavana izany ?

Tsy izy mihitsy ny fanapahan-kevitra tapany fotsiny : « Aza mijery ny divay » (Ohabolana 23:31). Ario lavitra tanteraka anao mihitsy izany, mba tsy ho hitanao intsony. Mety ho mafy aminao izany, nefa ny hery sy ny fitahian’ny Tompo dia ao amin’izany fankatoavana izany. Marina fa manameloka tanteraka ny fimamoana ny Baiboly, nefa kosa tsy mandrara ny fisotroana divay kely izy. I Paoly aza dia nanoro hevitra an’i Timoty mba hisotro divay kely handevonan-kanina tsara (I Timoty 5:23). Nefa kosa, raha be loatra ny zava-pisotro misy alikaoly nosotroinao, ka manomboka mahatsiaro hamamoana ianao, dia tsy fisotroana amin’ny antonony sy tsindraindray intsony izany. Tsy maintsy hentitra ianao, mijery ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra amintsika momba ny loza mitatao entin’ny divay sy ny alikaola, ka hifady izany tanteraka. « Aza mijery ny divay ! » Tsy afaka ny hiantehitra amin’ny herin’ny Tompo hanafaka anao ianao, nefa tsy handeha amin’ny làlan’ny fankatoavana.

Eto anatrehan’Andriamanitra no anaovanay antso avo ho an’izay rehetra mahatsiaro tena ho mirona amin’ny toaka, na kely fotsiny aza, mba handositra izay rehetra mety hamporisika izany fironana izany. Ampianarin’Andriamanitra antsika ao amin’ny Teniny, fa manoloana ny fakam-panahy, dia ny fandosirana no ahitana fanavotana.

« Mandosira ny fijangajangana » (I Korintiana 6:18)

« Mandosira ny fanompoan-tsampy » (I Korintiana 10:14)

« Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany » (I Timoty 6:11)

« Fa mandosira ny filàn’ny tanora fanahy »  (II Timoty 2:22)

Tsy milaza izy hoe tohero fa andosiro ny zavatra hankahalaina. « Mankahalà ny ratsy » (Romana 12:9). Tsy maintsy andosirana ny fisotroana, toy ny handosirana bibilava. Tsy atao kilalao ny bibilava. Tsy hoe tsy miraharaha ianao raha mandalo eo akaikiny, tsy handray azy ianao, na dia hoe hanala azy tsy hanakan-dàlana anao aza, tsy hibanjina azy ianao, satria mahafaty ny kaikiny. Tsy maintsy lavina izay mety ho fanasana anao hisotro, ary indrindra indrindra, tsy tokony hanasa ny sasany hisotro ianao. Tsy tokony hitahiry divay koa ao an-trano, ary tsy tokony hanamboatra. Raha sendra misy vahiny – satria moa Andriamanitra mamporisika antsika hazoto handray vahiny- dia mora kokoa ny mandroso zava-pisotro tsy misy alikaola toy izay divay na labiera.

 

6  Misy fanandevozana hafa mananontanona ny kristiana koa : ny sigara, ny zava-mahadomelina…

Nipoitra taorian’ny alikaola izy ireo, ary tsy voalaza mazava ny anarany ao amin’ny Baiboly, nefa, toy ny alikaola, dia manandevo ihany koa ary manimba ny fahasalamana sy ny fiainan’izay mandray azy.

Toa tsy dia misy dikany loatra ny fijery ireo sigara voalohany nofohina, nefa be ireo voatarika ny hifoka matetika sy bebe kokoa. Voatery niaiky izy ireo fa nihazatra miandàlana io zavatra io ny vatany, ka tsy afa-miala intsony.Io fahazarana io, izay tena loza tokoa ho an’ireo zava-mahadomelina, dia mitarika izay azon’izany ho amin’ny fanandevozana, toy ny alikaola. Ny làlana soritan’ny Tenin’Andriamanitra mba hahafahana amin’izany, izay vao hitantsika teo aloha, dia mitombina koa ho an’ireo andevozin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina.

Nanaiky hanolo-tena hisolo voina antsika ny Tompo, ary tamin’izany, dia atolony ho an’ireo rehetra mino Azy ny famelana ny helony, nefa tsy izay ihany, fa ny fanafahana azy koa amin’ny fanandevozan’ny ota. Io fanafahana io dia mahakasika ny ota rehetra, na dia ireo izay heverina ho tandra vadi-koditra aza.

« Dia hoy Jesoa tamin’ny Jiosy izay nino Azy : Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa, ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo… Izay rehetra manota dia andevon’ny ota…Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo » (Jaona 8:31-36). Ny fitiavana hanao ny sitrapon’Andriamanitra, na dia toa manohitra tanteraka izay tsapa sy tiana aza izany, dia mamoha ny varavarana hidiran’Ilay te-hanafaka ireo izay miantso vonjy aminy, amin-kery.

 

7  Famaranana : Fanapahan-kevitry ny fo

Taominay mihitsy izay rehetra te-ho afaka amin’ny fanandevozana toy izany mba hihevitra ny fitiavan’i Kristy. Ny fanamelohana mandrakizay mendrika hihatra aminao dia nihatra taminy tamin’ny nakany ny toeranao. Moa tsy antony ampy ve izany mba hankatoavanao ity Mpamonjy sy Tompo mahagaga ity ? Miandry ny valitenin’ny fonao Izy.

I Daniela mpaminany dia ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny hanim-py sy ny divain’ny mpanjaka. Izany fanapahan-kevitra hentitra tao am-pony izany dia nateraky ny fifandraisany tamin’Andriamanitra velona sy masina fotsiny ihany. Ary mandrak’ankehitriny, dia fo tapa-kevitra hisaraka amin’ny ratsy ary hankatoa an’Andriamanitra koa no afaka manandrana ny herin’ny fanafahany sy ny fitahiany.

Ry kristiana, aoka isika ho mailo kokoa sy ho vonona kokoa mba handeha ho voninahitr’i Kristy Izay efa tia antsika hatramin’ny fahafatesana ary efa niaritra ny hazo fijaliana mba hanaisotra ny fahotantsika. Tiany isika mba ho toy ny efa maty ny amin’ny ota « mba tsy handaniantsika ny andro sisa iainantsika amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra » (I Petera 4:1-2).